Seminera
Jaona 14–16


Jaona 14–16

Ny andraikitry ny Fanahy Masina

Sary
Oil on paper on board painting depicting Christ and eleven apostles seated on the floor around a low table. They participate in the Sacrament of the Last Supper while the shadow of Judas is seen leaving the table. Signed by artist. Done in gold and brown tones.

Nandritra ny asa fanompoan’ny Mpamonjy dia nankafy ny herin’ny Fanahy Masina ny Apôstôly, saingy mbola tsy nandray ny fanomezana ny Fanahy Masina izy ireo, izay hamela azy ireo, amin’ny alalan’ny fahamarinany, hanana ny Fanahy Masina ho namana mandrakariva (jereo ny Bible Dictionary, “Holy Ghost”). Nampanantena i Jesoa Kristy fa hitahy azy ireo amin’ny fanomezana ny Fanahy Masina aorian’ny fiakarany any an-danitra. Ity lesona ity dia afaka manampy anao hamantatra ny fomba hanatanterahan’ny Fanahy Masina ny anjara asany samihafa eo amin’ny fiainanao.

Miara-miasa amin’ny mpianatra tsirairay. Nikatsaka traikefa izay ahafahany miara-miasa amin’ny tsirairay ny Mpamonjy (ohatra iray, jereo ny 3 Nefia 11:13–15). Mahazo fitahiana ny mpianatra rehefa manaraka ny ohatr’i Kristy amin’ny fanompoana ny tsirairay ny mpampianatra. Miezaha mamantatra izay ilain’ny mpianatra ary manampy azy ireo hahita ny fomba ahafahany mikatsaka sy mahazo ny fanampian’ny Tompo mba hamenoana ireo zavatra ilaina ireo.

Fiomanan’ny mpianatra: Asao ny mpianatra hisaintsaina ohatra avy ao amin’ny soratra masina na zavatra niainana manokana izay manampy azy ireo hamaly ilay fanontaniana hoe: “Ahoana no fomba hanampian’ny Fanahy Masina anao?”

Sahanasa fianarana azo atao

Ahoana no ahafahan’ny Fanahy Masina manampy anao?

Omeo taratasy kely ny mpianatra tsirairay ary omeo toromarika izy ireo mba hamaliany miafina ireto fanontaniana manaraka ireto ao ambadik’ilay taratasy.

  • Inona no takatrao mikasika ny fomba ahafahan’ny Fanahy Masina manampy anao?

  • Inona no fanontaniana anananao momba ny anjara asan’ny Fanahy Masina eo amin’ny fiainantsika?

Angony ireo taratasy ary zarao amin’ny iray kilasy ireo valinteny amin’ny fanontaniana voalohany. Ampandraiso anjara ireo mpianatra manoloana ny valintenin’ireo mpiara-mianatra aminy amin’ny alalan’ny fametrahana fanontaniana toy ny hoe “Iza no efa nanana traikefa mitovy amin’izany?” na “Inona no zavatra nahafinaritra anao tamin’ny zavatra nozarain’ny mpiara-mianatra aminao?” Avadiho ireo taratasy ary zarao ny sasany amin’ireo fanontaniana nosoratan’ireo mpianatra momba ny Fanahy Masina. Mety hanampy bebe kokoa ny fanoratana ny fanontanian’izy ireo eny amin’ny solaitrabe.

Rehefa mandalina ianao dia tadiavo ny valin’ireo fanontaniana anananao momba ny Fanahy Masina sy ny fomba ahafahan’ny anjara asan’ny Fanahy Masina manampy anao amin’ny zavatra ilainao manokana.

Ampio ireo mpianatra hamantatra ny valin’ny fanontanian’izy ireo mandritra ny lesona. Azo atao izany amin’ny alalan’ny fametrahana fanontaniana toy ny hoe “Rehefa nandalina isika androany, inona no valiny hitanao tamin’ireo fanontaniana novakiantsika tany am-piandohana?”

Nampianatra mikasika ny Fanahy Masina tamin’ny Apôstôliny i Jesoa

Taorian’ny nizaran’ny Mpamonjy ny fanasan’ny Tompo, ary noho ny fahafantarany fa tsy ho ela Izy dia hijaly noho ny fahoriantsika sy ny fakam-panahy ary ny fahotantsika ary avy eo dia homboana amin’ny hazo fijaliana, dia notohizany ny fampianarana ny Apôstôliny.

Vakio ny, Jaona 14:16–17 , ka tadiavo ny fampanantenana nomen’ny Mpamonjy ireo Apôstôliny.

  • Nahoana araka ny eritreritrao no nampanantena ny Apôstôliny i Jesoa Kristy fa handray ny fanomezana avy amin’ny Fanahy Masina izy ireo raha vao miala ety an-tany Izy?

Soraty eo amin’ny solaitrabe ity fehezan-teny misy banga manaraka ity.

Ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy dia mandefa ny Fanahy Masina ho antsika mba …

Hamita ity fehezan-teny ity ny mpianatra rehefa mameno ity tabilao manaraka ity izy ireo.

Asehoy na ataovy ny tabilao mba hahitan’ny mpianatra ireo tsanganana roa, anisan’izany ireo andinin-tsoratra masina ao amin’ny tsanganana voalohany. Lazao ny mpianatra hamela toerana ho an’ny tsanganana fahatelo, izay hoampina rehefa avy eo. Raha toa ka hiasa tsirairay na amin’ny vondrona kely ireo mpianatra dia manomeza modely ho an’ny iray kilasy amin’ny alalan’ny famenoana andalana vitsivitsy miaraka.

(Ireo) Andininy

Ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy dia mandefa ny Fanahy Masina ho antsika mba …

Jaona 14:16–17

Jaona 14:26

Jaona 14:27

Jaona 15:26

Jaona 16:7–8

Jaona 16:13–14

Araho maso tsara rehefa mameno ilay tabilao ny mpianatra. Araho maso tsara ireo izay mamaky miadana kokoa na ireo mpianatra izay mety sahirana amin’ny fahatakarana rehefa mamaky. Manomeza fanohanana raha ilaina.

Rehefa mameno ny tsanganana faharoa ny mpianatra dia asao ny mpianatra vitsivitsy hanoratra eny amin’ny solaitrabe ny fehezan-teny famintinana na fitsipiky ny fahamarinana izay hitan’izy ireo isaky ny andininy.

Vavolombelona avy amin’ny Fanahy Masina

Nampianatra ny Mpamonjy fa ny Fanahy Masina dia hijoro ho vavolombelona sy hanome voninahitra Azy (jereo ny Jaona 15:26 ; 16:13–14).

Ny Filoha Russell M. Nelson dia nanamarika hoe:

Sary
Official portrait of President Russell M. Nelson taken January 2018

Ny fahamarinana manan-danja indrindra azon’ny Fanahy Masina hijoroana ho vavolombelona aminareo dia hoe i Jesoa no Kristy, Ilay Zanak’ Andriamanitra velona.

  • Oviana ianao no nahatsapa ny Fanahy Masina nampianatra sy nijoro ho vavolombelona nanambara ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy taminao? Ahoana no fomba nampianaran’ny Fanahy Masina sy nijoroany ho vavolombelona taminao?

  • Inona no mety hataon’ny olona iray mba hanasana ny Fanahy Masina hampianatra azy ireo momba ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy? (jereo ny Jaona 7:17;14:13).

Mijoroa ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy sy ny maha Andriamanitra Azy ary ny fitiavany, ary mizarà traikefa manokana momba ny fomba nandraisana izany fijoroana ho vavolombelona izany tamin’ny alalan’ny Fanahy Masina. Amporisiho ny mpianatra hanohy hiasa hamantarana ny fomba fijoroan’ny Fanahy Masina ho vavolombelona momba ireo zavatra ireo eo amin’ny fiainan’izy ireo manokana.

Zavatra niainana manokana niaraka tamin’ny Fanahy Masina

Asio tsanganana fahatelo eo amin’ny tabilaonao, ary asio hoe “Ahoana no nanaovan’ny Fanahy Masina izany tamiko na tamin’ny olona iray fantatro.” Ho an’ny andalan-tsoratra masina tsirairay ao amin’ilay tabilao dia eritrereto ary soraty izay zavatra niainanao, na ny an’ny fianakavianao, na olona ao amin’ny soratra masina, niaraka tamin’ny Fanahy Masina nahatanteraka izany anjara asa izany. Raha toa ka tsy tsaroanao na tsy tadidinao ny zavatra niainana manokana ho an’ny anjara asan’ny Fanahy Masina tsirairay izay nasongadin’ny Mpamonjy ao amin’ireo andininy ireo dia tsy maninona izany. Rehefa miezaka ny ho mahatoky sy mikatsaka ireo traikefa ireo eo amin’ny fiainanao ianao dia hanampy anao hamantatra izany ny Ray any An-danitra.

Omeo fotoana ampy ny mpianatra hanoratany ny zavatra niainany. Rehefa manao izany izy ireo dia jereo ireo mpianatra mety sahirana mamantatra ireo zavatra niainany niaraka tamin’ny Fanahy Masina, ary omeo fanampiana tsirairay izy ireo raha mila izany. Ny fandrenesana traikefa manokana avy amin’ny fiainan’ny mpampianatra azy ireo dia mety hanampy azy ireo hahatsiaro ny zavatra niainany.

Rehefa avy manoratra ny mpianatra dia manasà mpilatsaka an-tsitrapo izay vonona hizara ny zavatra niainany. Noho ny toetra masin’ireo traikefa ara-panahy dia tsy mety ny miantso mpianatra iray hizara. Ampahatsiahivo ny mpianatra fa tsy tokony hizara zavatra izay masina loatra na mahakasika loatra ny tena manokana izy ireo.

Raha misalasala mizara ny zavatra niainany ireo mpianatra dia asehoy ilay horonantsary hoe “Ahoana no anampian’ny Fanahy Masina anao?” hita ao amin’ny fizarana “Sahanasa fianarana fanampiny” amin’ity lesona ity mba hamporisihana azy ireo hizara.

Fanazavana sy fampahalalana avy amin’ny zava-miseho

Inona no ataon’ny Fanahy Masina?

Ny Filoha Dallin H. Oaks dia nampianatra hoe:

Sary
Official Portrait of President Dallin H. Oaks taken March 2018.

Ny mpikambana fahatelo ao amin’ Ny Andriamanitra dia ny Fanahy Masina, izay antsoina ihany koa hoe ny Fanahin’ny Tompo ary ny Mpampionona. Izy no mpikambana ao amin’ Ny Andriamanitra izay fitaovana hahazoana fanambarana ho an’ny tena manokana. Amin’ny maha olona fanahy Azy (jereo ny F&F 130:22), dia afaka mitoetra ao anatintsika Izy ary manatanteraka ilay anjara asa tena ilaina amin’ny maha mpampita vaovao Azy eo amin’ny Ray sy ny Zanaka ary ny zanak’ Andriamanitra eto an-tany. Soratra masina maro no mampianatra fa ny iraka nampanaovina Azy dia ny hijoro ho vavolombelona ny amin’ny Ray sy ny Zanaka (jereo ny Jaona 15:26 ; 3 Nefia 28:11 ; F&F 42:17). Nampanantena ny Mpamonjy fa ny Mpampionona dia hampianatra antsika ny zavatra rehetra, sy hampahatsiaro ny zavatra rehetra, ary hitari-dalana ho amin’ny fahamarinana rehetra (jereo ny Jaona 14:26 ; 16:13). Noho izany ny Fanahy Masina dia manampy antsika hanavaka ny marina sy ny sandoka, mitarika antsika ao amin’ireo fanapahan-kevitra lehibe raisintsika, ary manampy antsika ao anatin’ireo olan’ny fiainana an-tany. Izy ihany koa ny fomba ahafahana manamasina antsika, dia ny fanadiovana antsika amin’ny ota (jereo ny 2 Nefia 31:17 3 Nefia 27:20 Môrônia 6:4).

(Dallin H. Oaks, “Ny Andriamanitra sy ny Drafitry ny Famonjena,” Liahona, mey 2017, 102)

Nahoana no zava-dehibe ny mahafantatra fa ny Fanahy Masina no miresaka amintsika?

Ny Filoha Dallin H. Oaks ao amin’ny Fiadidiana Voalohany dia nampianatra hoe:

Sary
Official Portrait of President Dallin H. Oaks taken March 2018.

Izany lalam-pifandraisan’ny tena manokana amin’ny Ray any An-danitra izany amin’ny alalan’ny Fanahy Masina no loharanon’ny tenivavolombelontsika ny amin’ny fahamarinana, sy ny fananantsika fahalalana, ary ny fitarihana antsika manokana avy amin’ilay Ray any An-danitra be fitiavana. Fitaovana manan-danja eo amin’ny drafitry ny filazantsara mahatalanjona izany, izay mamela antsika Zanany tsirairay handray fijoroana ho vavolombelon’ny tena manokana ny amin’ny fahamarinana.

(Dallin H. Oaks, “Ireo lalam-pifandraisana roa,” Liahona, Nôv. 2010, 83)

Jaona 14:27 . Ahoana no ahatsapako fiadanana avy amin’ny Fanahy Masina raha toa ka miady amin’ny tsy fahasalaman’ny saina aho?

Raha sendra olana amin’ny tsy fahasalaman’ny saina toy ny fanahiana na fahaketrahana ianao dia mety ho tena sarotra aminao ny mahatsapa ny Fanahy Masina. Tsy fahadisoanao izany. Fantatry ny Raintsika any An-danitra sy i Jesoa Kristy Zanany ireo olana ireo ary te hanampy anao Izy Ireo. Diniho ny famerenana ny iray na roa amin’ireto loharanom-pahalalana manaraka ireto mba hahazoana fampahalalana bebe kokoa momba ny fomba hahatsapana fiadanana avy amin’ny Fanahy Masina rehefa miady amin’ny olana amin’ny tsy fahasalaman’ny saina ianao.

  • Horonantsary: “Tahaka ny Vilany Ariana” (11:36; hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org)

Jaona 16:7 . Inona no tian’ny Mpamonjy holazaina rehefa nilaza Izy hoe: “Raha tsy hiala Aho, dia tsy ho avy aminareo ny Mpampionona”?

Noho ny antony sasantsasany izay tsy nohazavaina feno ao amin’ny soratra masina dia tsy niasa tamin’ny fahafenoany teo anivon’ny Jiosy ny Fanahy Masina nandritra ireo taona izay niainan’i Jesoa teto an-tany ( Jaona 7:39 ; 16:7). Ireo teny natao ny amin’ny hoe tsy tonga ny Fanahy Masina raha tsy taorian’ny nitsanganan’i Jesoa tamin’ny maty dia tsy maintsy ho nilaza izany fotoampitantanana manokana izany ihany, satria tena mazava tokoa fa niasa ny Fanahy Masina tamin’ireo fotoampitantanana teo aloha. Ankoatra izay, dia ny tsy naha-teo ny fanomezanany Fanahy Masina ihany no tiana holazaina amin’izany satria niasa ny herin’ny Fanahy Masina nandritra ireo asa fanompoana nataon’i Jaona Mpanao Batisa sy i Jesoa Kristy; fa raha tsy izany dia tsy nisy olona nahazo fijoroana ho vavolombelona ny amin’ireo fahamarinana nampianarin’ireo lehilahy ireo ( Matio 16:16–17 ; jereo koa 1 Kor. 12:3).

(Torolalana ho an’ny soratra masina, “ Holy Ghost ”)

Sahanasa fianarana fanampiny

Jaona 14:16, 26–27 ; 15:26 . Ny Fanahy Masina no Mpampionona

Asehoy ilay horonantsary “How Does the Holy Ghost Help You?” manomboka amin’ny mari-potoana 7:45 ka hatramin’ny 10:51, hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org. Rehefa mijery ilay horonantsary ny mpianatra dia angataho izy ireo hieritreritra ny fomba ahafahan’izy ireo mahazo fananarana avy amin’ny Fanahy Masina.

Mahafantatra fanambarana manokana avy amin’ny Fanahy Masina

Matetika manontany ny tanora hoe ahoana no ahafahan’izy ireo manatsara ny fahaizany mamantatra ny Fanahy Masina eo amin’ny fiainany. Izany faniriana marina izany dia dingana iray manan-danja amin’ny fitomboana sy ny fivoarana ara-panahy. Ampiasao ny iray na maromaro amin’ireto loharanom-pahalalana manaraka ireto mba hanampiana ireo mpianatra hianatra bebe kokoa momba io fahaizana ara-panahy manan-danja io.

  • Mianara mamantatra ny bitsiky ny Fanahy,” ao amin’ny Torio ny filazantsarako: Torolalana ho an’ny asa fanompoan’ny misiônera (2018), 102–3.

  • Mark L. Pace, “Mianatra mamantatra ny Fanahy Masina,” Ho zatovo mahery, Feb. 2021, 6–7.

  • “Loholona sy Rahavavy Bednar—Mahafantatra ny Fanahy” (horonantsary, 8:12), hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org.

Hamoaka printy