Seminera
Fifehezana Fotopampianarana: Jaona 17:3


Fifehezana Fotopampianarana: Jaona 17:3

Lasa Mahafantatra ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy

Sary
A young woman sits on her bed and reads her scriptures in her bedroom.

Tao amin’ny lesona teo aloha, “Jaona 17,” dia nianatra ianao fa afaka mandroso mankany amin’ny fiainana mandrakizay isika amin’ny alalan’ny fahalalana ny Ray any An-danitra sy Jesoa Kristy. Ity lesona ity dia afaka manampy anao hitadidy ny andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana sy ny fehezan-teny manan-danja izay ao amin’ny Jaona 17:3, hanazava ny fotopampianarana, sy hampihatra ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy eo amin’ny toe-javatra tena misy eo amin’ny fiainana.

Fanajana ny anaran’Ny Andriamanitra. Satria manan-danja loatra ny anaran’ Andriamanitra Ray sy ny Zanany, Jesoa Kristy, dia ataovy izay hamporisihana sy hampisehoana fanajana rehefa mampiasa ny anaran’Izy ireo (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 63:61).

Fiomanan’ny mpianatra: Asao ireo mpianatra hamantatra olona iray fantany izay mety mahafantatra tsara ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy. Asao ireo mpianatra hanontany io olona io hoe inona no nanampy azy hahafantatra ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy.

Sahanasa fianarana azo atao

Ity lesona momba andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana ity dia natao hampianarina aorian’ny “Jaona 17,” izay lesona araka ny sahan-kevitry ny andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana  Jaona 17:3 . Raha toa ka ilaina ny fanemorana ity lesona momba ny andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana ity ho amin’ny herinandro hafa dia, ataovy izay ampianarana ny lesona araka ny sahan-kevitra mifandraika amin’izany mandritra izany herinandro izany.

Tadidio ary hazavao

Ampio ireo mpianatra hanao tsianjery ilay toko sy andininy ary ny fehezan-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina. Ity sahanasa manaraka ity dia anisany fomba anankiray ahafahana manampy azy ireo hanao izany.

Tanisao mafy imbetsaka ny toko sy andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana Jaona 17:3 sy ny fehezan-teny manan-danja ao amin’ilay soratra masina: “Ary izao no fiainana mandrakizay, dia ny mahafantatra Anao, Izay Andriamanitra tokana sady marina, sy Jesoa Kristy.”Soraty ao amin’ny taratasy hafa ny andalan-tsoratra masina Jaona 17:3 ary ireo litera voalohany amin’ny teny tsirairay ao amin’ilay andinin-tsoratra masina: A i n f m d n m A i A t s m s J K. Ampiasao ireo litera voalohany ao amin’ilay toko sy andininy ka ezaho tanisaina ilay andalan-tsoratra masina sy ny fehezan-teny manan-danja ao amin’ilay soratra masina. Rehefa lasa mahatoky tena kokoa ianao, dia andramo tanisaina tsianjery ilay andalan-tsoratra masina sy ilay fehezan-teny.

Mba hanampiana anao hahatakatra bebe kokoa ny hevitr’ity andinin-tsoratra masina ity, dia hazavao amin’ny teninao manokana ireo fahamarinana izay ampianarina ao amin’ny Jaona 17:3 . Ampiaraho ao ireto zavatra manaraka ireto:

  1. Ny hevitry ny andian-teny hoe “fiainana mandrakizay.”

  2. Fomba sasantsasany ahafahantsika “mahafantatra” ny Ray any An-danitra sy Jesoa Kristy.

Manasà mpianatra vitsivitsy hizara ny fanazavan’izy ireo amin’ny iray kilasy. Raha mila fanampiana ireo mpianatra amin’ny fahatakarana ny hevitr’ilay andinin-tsoratra masina, dia makà fotoana mba hiresahana izany mialoha ny hirosoana amin’ny lesona.

Maro ireo fanambarana izay hita ao amin’ny fizarana “Fanazavana sy Fampahalalana avy amin’ny zava-miseho” ato amin’ity lesona ity sy ny lesona teo aloha, “Jaona 17,” izay azo ampiasaina hanampiana ireo mpianatra rehefa ilaina izany.

Fizàrana mampihatra

Fantaro hoe hatraiza ny fahafantaran’ny mpianatra ireo fitsipika fahazoana fahalalana ara-panahy rehefa manapa-kevitra momba ny fotoana izay ilaina amin’ity soso-kevitra famerenana manaraka ity ianao.

Avereno jerena ny andiam-pehezan-teny 5–12 ao amin’ny fizarana “Mahazo fahalalana ara-panahy” ao amin’ny Tahirin-kevitra fototra ho an’ny fifehezana fotopampianarana (2022). Saintsaino ny fomba izay mety hanazavanao ireo fitsipika ireo amin’ny olona tsy mbola nahare izany mihitsy teo aloha.

Raha mety hanampy, dia zarao tsiroaroa ny mpianatra ary entano izy ireo hanao fanazarana mizara amin’ny feo mafy ny fanazavany momba ireo fitsipika ireo.

Vakio ity rafi-tantara manaraka ity:

Taorian’ny fivoriana fifadian-kanina sy fijoroana ho vavolombelona, dia nahatsikaritra ianao fa toa nalahelo i Julia namanao. Rehefa niara-nody taminy ianao dia nilaza izy fa tsapany nandritra ny fivoriana androany fa tsy mahafantatra ny Ray any An-danitra sy Jesoa Kristy araka faniriany izy. Nanazava ny fahatsapany ho irery sy ny faniriany mafy mba hifandray amin’Izy ireo toa an’ireo sasany izay nizara ny fijoroany ho vavolombelona izy. Nanapa-kevitra ny hisaintsaina sy hivavaka ianao mandritra ny andro vitsivitsy manaraka mikasika ny fomba hanampiana an’i Julia.

Ampiasao ireo fitsipika fahazoana fahalalana ara-panahy sy ireto fanontaniana ary ireto sahanasa manaraka ireto mba hanampiana anao handinika ny zavatra izay mety holazainao sy hataonao mba hanampiana an’i Julia. Azonao atao ny manoratra izay nianaranao sy izay mety ho fahatsapana tonga aminao eo am-panomananao.

Hevero ny hanasa ireo mpianatra mba hanomana ny valin-tenin’izy ireo amin’ny alalan’ny fiaraha-miasa amin’ny namana iray. Lazao azy ireo fa hanana fahafahana hizara amin’ny mpianatra hafa ny zavatra izay nianarany izy ireo.

Mamakafaka ireo hevi-dehibe sy ireo fanontaniana amin’ny fomba fijery mibanjina ny mandrakizay

  • Nahoana araka ny hevitrao ny Ray any An-danitra no maniry antsika hahafantatra Azy sy ny Zanany Jesoa Kristy?

  • Nahoana ianao no maniry ahafantatra Azy ireo araka izay azonao atao mandritra ity fiainana ity?

Mikatsaka fahatakarana bebe kokoa amin’ny alalan’ireo loharanom-pahalalana nofinidin’ Andriamanitra

  • Ahoana ny fomba ahafahan’ny fianarana ny vavaky ny Mpamonjy ao amin’ny Jaona 17:3 manampy an’i Julia amin’ny faniriany?

Manaova lisitra an’ireo loharanom-pahalalana tsara izay afaka manampy an’i Julia hahafantatra ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy.

Makà minitra vitsivitsy handalinana ireo loharanom-pahalalana notendren’ Andriamanitra mba hianarana bebe kokoa momba ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy ary ny fomba ahafantarana Azy ireo bebe kokoa.

Asao ireo mpianatra mba hizara ny zavatra izay nianarany sy ny fomba nahitany ilay fampahalalana. Izany dia afaka hanampy ireo mpianatra hafa hianatra ny fomba fampiasana tsara kokoa ireo loharanom-pahalalana misy.

Manao asa amim-pinoana

Asao ireo mpianatra izay nanaraka ny soso-kevitra amin’ny fiomanan’ny mpianatra mba hizara ny zavatra izay nianarany rehefa mamaly ireto fanontaniana manaraka ireto.

  • Nahoana ny fiezahana hahafantatra ny Ray any An-danitra sy Jesoa Kristy no asa amim-pinoana?

  • Inona ny zavatra nataonao na nataon’ny olona iray fantatrao mba hamantarana ny Ray any An-danitra sy Jesoa Kristy bebe kokoa ka azonao hatoro an’i Julia?

  • Inona ireo fehezan-teny hitanao ao amin’ny andiam-pehezan-teny 5-7 ao amin’ny fizarana “Fahazoana fahalalana ara-panahy” ao amin’ny Tahirin-kevitra fototra ho an’ny fifehezana fotopampianarana (2022) izay afaka manampy ny olona nanao zavatra marina kanefa mbola tsy mahatsapa ho akaikin’ Andriamanitra araka ny faniriany?

Asao ireo vondrona tsirairay mba hivory miaraka amin’ny vondrona hafa ary hifampizara izay hitan’izy ireo rehefa nampihatra ireo fitsipika fahazoana fahalalana ara-panahy.

Famerenana ny fifehezana fotopampianarana

Manokàna tsy mihoatra ny 3 ka hatramin’ny 5 minitra, any am-piandohan’ny lesona ho avy na amin’ny faran’izany, hamerenana ilay andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana. Soraty eny amin’ny solaitrabe ilay toko sy andinin-tsoratra masina sy ny fehezan-teny manan-danja ao anatin’ilay soratra masina ho an’ny Jaona 17:3 ka ataovy mikorontana ny filaharan’ny teny. Rehefa avy eo dia asaivo mandamina ireo teny ny mpianatra.

Fanazavana sy fampahalalana avy amin’ny zava-miseho

Inona no atao hoe fiainana mandrakizay?

Ny fiainana mandrakizay dia andian-teny ampiasaina ao amin’ny soratra masina entina ilazana ny fahatsaran’ny fiainana izay iainan’ny Raintsika Mandrakizay. … Ny fiainana mandrakizay, na ny fisandratana, dia fiainana eo anatrehan’ Andriamanitra sy ny fitohizan’ny fianakaviana (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 131:1–4).

(Lohahevitra momba ny Filazantsara,“Fiainana Mandrakizay,” topics.ChurchofJesusChrist.org)

Ahoana no ahafahantsika mahafantatra ny Ray sy ny Zanaka amin’ny tenantsika manokana?

Ny Loholona Robert D. Hales (1932–2017) ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia namaly io fanontaniana io.

Sary
Official portrait of Elder Robert D. Hales of the Quorum of the Twelve Apostles, 2003

Tamin’ny fanambarana manokana. Ny fanambarana manokana dia fomba iray ahafahan’ny Ray any An-danitra manampy antsika ahafantatra Azy sy ny Zanany, hianatra sy hiaina ny Filazantsara, haharitra hatramin’ny farany am-pahamarinana, ary ho mendrika ny fiainana mandrakizay—ny hiverina indray eo anatrehan’Izy Ireo.

(Robert D. Hales, “Personal Revelation: The Teachings and Examples of the Prophets,” Ensign na Liahona, nôv. 2007, 87)

Inona no tokony hataoko raha tsy azoko antoka fa mino an’ Andriamanitra aho?

Ny Loholona Robert D. Hales (1932–2017) ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nilaza hoe:

Sary
Official portrait of Elder Robert D. Hales of the Quorum of the Twelve Apostles, 2003

Raha tsy tsaroanao fa mino an’ Andriamanitra ianao na raha nitsahatra nino ianao na raha mino ianao saingy tsy misy faharesen-dahatra marina, dia asaiko ianao hikatsaka fijoroana ho vavolombelona momba an’ Andriamanitra amin’izao fotoana izao. …

… Afaka hitahy ny fianakavianao, ny taranakao, ny namanao, ny fiainanao manokana—ny olon-tianao rehetra ianao amin’ny alalan’ny fijoroana ho vavolombelona manokana anananao momba an’ Andriamanitra. Ny fahafantaranao manokana an’ Andriamanitra dia tsy fanomezana lehibe indrindra izay azonao atolotra ihany, fa hitondra fifaliana lehibe indrindra izay tsy mbola nanananao ihany koa.

… Mampanantena aho fa raha tena mikatsaka Azy amin’ny fanetren-tena, fahadiovam-po, sy fahazotoana tanteraka ianao sy ireo olon-tianao, dia hahafantatra am-pahatokiana ihany koa ianao. Ho avy ny tenivavolombelonao.

(Robert D. Hales, “Seeking to Know God, Our Heavenly Father, and His Son, Jesus Christ,” Ensign na Liahona, nôv. 2009, 32)

Hamoaka printy