Nandritra ny takariva farany niarahany tamin’ireo mpianany dia nampianatra azy ireo momba ny toetrany sy ny asa nanirahana Azy i Jesoa Kristy. Nampianariny fa Izy no làlana miverina mankany amin’ny Ray any An-danitra, ary nampitahainy tamin’ny sampam-boaloboka ny fifandraisany amin’ny mpianany. Ity lesona ity dia afaka manampy anao hisaintsaina ny fifandraisanao amin’i Jesoa Kristy, ny fomba ahafahanao manaraka Azy sy mandray ny heriny ary ny fanohanany.
Sahanasa fianarana azo atao
Natao hanampiana ny mpianany hahatakatra ny fifandraisan’izy ireo sy ny fiankinany amin’ny Mpamonjy ny sasany amin’ireo fampianarana farany nataony tamin’izy ireo. Nampitaha ny tenany tamin’ny lalana ny Mpamonjy, ary koa tamin’ny voaloboka na hazo misy rantsana. Makà fotoana hieritreretana ireo lafin-javatra eo amin’ny fiainanao izay mety ilanao fanampiana. Mety mahatsapa angamba ianao fa mila fanampiana rehefa miezaka ny hiverina any amin’ny Ray any An-danitra. Mety hahatsapa ianao fa mila hery lehibe kokoa hiatrehana ireo olana eo amin’ny fiainanao. Rehefa mandalina ny fampianaran’ny Mpamonjy ianao dia tadiavo ny zavatra nianaranao momba Azy sy ny fomba ahafahany manampy anao.
I Jesoa Kristy no “làlana sy fahamarinana ary fiainana” ( Jaona 14:6)
Sary
A dirt road going through an aspen forest.
Vakio ny Jaona 14:1–6 , ka tadiavo ny fomba nampanantenan’ny Mpamonjy fa hanampiany ireo izay manaraka Azy.
Inona ireo fahamarinana nampianarin’ny Mpamonjy ao amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo?
Ahoana no niantsoan’ny Mpamonjy ny Tenany ao amin’ny andininy6 ?
Inona no ampianarin’ireo anarana fiantsoana ireo anao momba an’i Jesoa Kristy sy ny fifandraisanao Aminy?
Raha namorona ny lisitr’ireo anarana fiantsoana sy ny anjara asan’i Jesoa Kristy isan-karazany ianao tamin’ny lesona teo aloha, dia azonao atao ny manampy izany amin’izay zavatra hitanao tao amin’ny Jaona14 .
Ny Bokin’i Môrmôna dia afaka mampitombo ny fahatakaranao ny zavatra izay ianaranao ao amin’ny Testamenta Vaovao. Vakio ny Môzià 3:17 , ary eritrereto ny fomba anampian’ity andininy ity antsika hahatakatra bebe kokoa ny Jaona 14:6 .
Nampianatra ny Filoha Dieter F. Uchtdorf, fony izy tao amin’ny Fiadidiana Voalohany hoe:
Sary
Official portrait of Elder Dieter F. Uchtdorf of the Quorum of the Twelve Apostles, 2006. Called as Second Counselor in the First Presidency, 3 February 2008. Made official portrait in 2008 replacing portrait taken in 2004.
Tian’ Andriamanitra ianao hahita ny lalanao miverina mankany Aminy, ary ny Mpamonjy no lalana [jereo ny Jaona 14:6 ]. Tian’ Andriamanitra ianao hianatra amin’i Jesoa Kristy Zanany ary hiaina ilay fiadanana sy fifaliana lehibe izay azo amin’ny fanarahana ny lalana izoran’ny mpianatry ny Tompo.
Nampiasa fampitahana i Jesoa Kristy hampianarana ny mpianany mikasika ny fifandraisan’izy ireo Aminy. Vakio ny Jaona 15:1–11 , dia tadiavo io fampitahana io.
Raha namorona ny lisitr’ireo anarana fiantsoana sy ny anjara asan’i Jesoa Kristy isan-karazany ianao tamin’ny lesona teo aloha, dia azonao atao ny manampy izany amin’izay zavatra hitanao tao amin’ny Jaona15 .
Inona araka ny eritreritrao no ampianarin’i Jesoa Kristy amin’io fampitahana io?
Inona no fahamarinana azonao ianarana avy amin’io fampitahana io momba ny fifandraisantsika amin’i Jesoa Kristy?
Ny Loholona Jeffrey R. Holland ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nanazava fa ny fanasan’ny Mpamonjy mba hitoetra ao Aminy dia fanasana ho antsika mba “hitoetra, … hijanona mandrakizay” (“Abide in Me,” Ensign or Liahona, May 2004, 32). Nanazava ny antony maha-zava-dehibe tokoa ny fanekentsika ny fanasan’ny Mpamonjy mba hitoetra ao Aminy ny Loholona Holland.
Sary
Red wine grapes on old vine.
Sary
Official Portrait of Elder Jeffrey R. Holland. Photographed January 2018.
Hoy i Jesoa hoe: “Raha misaraka Amiko kosa hianareo, dia tsy mahay manao na inona na inona” [ Jaona 15:5 ]. Mijoro ho vavolombelona aho fa izany no fahamarinana avy amin’ Andriamanitra. I Kristy dia zava-drehetra ho antsika ka tokony “hitoetra” ao Aminy mandrakariva isika, tsy voahozongozona, amim-pahatokiana, mandrakizay. Mba hampitsiriana ny voan’ny filazantsara sy hitahian’izany ny fiainantsika dia tsy maintsy mifamatotra Aminy mafy isika, dia ny Mpamonjy antsika rehetra, ary amin’ny Fiangonany, izay mitondra ny anarany masina. Izy no voaloboka izay loharanon-kery tena izy ho antsika ary ilay hany loharanon’ny fiainana mandrakizay. Tsy haharitra fotsiny isika ao Aminy fa hahery sy handresy ihany koa amin’ity asa masina izay tsy handiso fanantenana antsika velively ity.
(Jeffrey R. Holland, “Abide in Me,” Ensign or Liahona, May 2004, 32)
Ny Bokin’i Môrmôna dia afaka manampy anao hampitombo ny fahatakaranao ny zavatra ianaranao ao amin’ny Testamenta Vaovao. Vakio ny Almà 26:12 , ary eritrereto ny ifandraisan’izany amin’ny Jaona 15:1–11 .
Inona avy ireo vokatra sasany (na fitahiana) hitanao teo amin’ny fiainanao rehefa niezaka nitoetra tao amin’i Jesoa Kristy ianao?
Inona avy ireo zavatra azonao atao mba hanampiana anao hitoetra ao amin’i Jesoa Kristy?
Raha mifampianatra ny mpianatra dia asao izy ireo hizara amin’ny iray kilasy ireo fahamarinana hitany sy ny zavatra nianarany avy amin’ny mpiara-mianatra aminy ary ny fijoroana ho vavolombelona ananany momba an’i Jesoa Kristy. Derao ny mpianatra amin’ny fampianarana ataony, ary amporisiho izy ireo hizara amin’ny fianakaviany ny zavatra nampianariny sy nianarany.
Omeo fotoana ny mpianatra hisaintsainana ny zavatra tsapany mikasika ny fahafahan’ny Mpamonjy manampy azy ireo amin’ny zavatra ilainy sy ny toe-javatra iainany ankehitriny. Mijoroa ho vavolombelona momba ny Mpamonjy na mizarà zavatra niainana manokana.
Fanazavana sy fampahalalana avy amin’ny zava-miseho
Inona no dikan’ny hoe misy fitoerana maro ao an-tranon’ny Ray any An-danitra?
Nampianatra toy izao ny Mpaminany Joseph Smith (1805–44):
Sary
Half-length frontal portrait of the Prophet Joseph Smith, Jr. Joseph’s head is turned to the side in a three-quarter view, right hand on hip and his left hand holds sheets of papers. He is depicted wearing a dark brown suit and a white shirt and tie.
[Ilay teny nambara hoe] “Ao an-tranon’ny Raiko misy fitoerana maro” [ Jaona 14:2 ] … dia tokony ho hoe—“Ao amin’ny fanjakan’ny Raiko misy fanjakana maro,” mba hahafahanareo ho mpandova an’ Andriamanitra sy mpiara-mandova amiko. … Misy fitoerana ho an’ireo izay mankatò lalàna selestialy iray, ary misy fitoerana maro hafa ho an’ireo izay tsy manaja ilay lalàna, ny olona tsirairay samy ao amin’izay tokony hisy azy avy.
(Teachings of Presidents of the Church: Joseph Smith[2007], 219)
Sahanasa fianarana fanampiny
Mamoròna sary
Maneho ny heviny amin’ny alalan’ny zavakanto ny mpianatra sasany. Asao ny mpianatra hamorona sary maneho ny zavatra nianarany momba an’i Jesoa Kristy tao amin’ny Jaona 14:1–6 na ny Jaona 15:1–11 . Raha mifampianatra ny mpianatra dia azo ampidirina ao anatin’ny leson’izy ireo ity sary ity.
Horonan-tsary
Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra ny fomba ahafahany mamantatra ireo haifotokevitra diso taloha sy mamantatra fa i Jesoa Kristy no lalana, dia jereo ny horonan-tsary “The Way (Ilay lalana)” nataon’ny Loholona Lawrence E. Corbridge ao amin’ny Fitopololahy manomboka amin’ny minitra faha-6:46 ka hatramin’ny 11:56.
Jaona 14:6 . “Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana”
Asao ny mpianatra hamaritra ny maha-“lalana,” “fahamarinana,” ary “fiainana” an’ i Jesoa Kristy.” Mety ahita soratra masina mifandray amin’izany izay manazava ireo anjara asa ireo izy ireo. Afaka mizara ny zavatra niainan’i Jesoa Kristy tamin’ny fanatanterahana ireo anjara asa ireo teo amin’ny fiainan’izy ireo ihany koa ny mpianatra.
Isao ny teny hoe mitoetra sy tomoera
Ampio ny mpianatra hahatakatra ny fomba ahafahan’ny fampiasana matetika teny na andian-teny ao amin’ny andian-tsoratra masina iray manamafy hafatra manan-danja iray. Ny teny hoe mitoetra sy tomoera dia ampiasaina imbetsaka ao amin’ny Jaona 15:4–10 . Asao ny mpianatra hanisa ny fotoana nisehoan’io teny io, hanisy marika na hanisy fanamarihana eo amin’io teny io ao amin’ny soratra masin’izy ireo, ary hieritreritra ny zavatra tiana ampitaina amin’ny alalan’ny famerimberenana izany matetika.
Jaona 15:10 . “Raha mitandrina ny didiko hianareo, dia hitoetra amin’ny fitiavako”
Manaova sarina voaloboka iray eny amin’ny solaitrabe ary angataho ny mpianatra hanao sarina sampana miraikitra amin’ilay voaloboka mba hanehoana ny tenany. Asao ny mpianatra hitanisa ireo didy manodidina ilay voaloboka eny amin’ny solaitrabe. Iaraho midinika ny fomba hanampian’ny fitandremana ny didy antsika hitoetra ao amin’ny fitiavan’ny Mpamonjy sy hijanona hipetaka amin’ny voaloboka.