Seminera
Lioka 22; Jaona 18


Lioka 22; Jaona 18

Topimaso ankapobeny

Tao anatin’ny Sorompanavotany, dia nankany amin’ny Sahan’i Getsemane i Jesoa Kristy ary niaina fijaliana tsy takatry ny saina rehefa nitondra ny fahotana sy ny fahorian’ny olon-drehetra teo Aminy Izy. Rehefa avy teo dia nisy namadika Izy, nosamborina, ary nentina teo anatrehan’ny Synedriona (ny fitsarana Jiosy), izay niampangana lainga, nanesoana ary nikapohana Azy.

Miomàna hampianatra

Ireto fampahalalana manaraka ireto dia manoro hevitra ireo mpampianatra mahakasika ny hevitra izay mety ilain’izy ireo hiomanana mialoha ho an’ny lesona tsirairay.

Lioka 22:28–34, 54–61

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia hanampy ireo mpianatra hahafantatra fa ilainy ny fiankinana amin’i Jesoa Kristy sy ny fanatanjahana hatrany ny finoan’izy ireo Azy.

  • Fiomanan’ny mpianatra: Asao ny mpianatra mba ho vonona hizara traikefa izay nanampy tamin’ny fampitomboana ny finoan’izy ireo an’i Jesoa Kristy.

  • Horonan-tsary: Foundations of Faith” (4:14; jereo avy amin’ny mari-potoana 0:00 ka hatramin’ny 1:33)

  • Sary: Miomàna hampiseho ny sarin’i Petera nandà an’i Kristy.

  • Soso-kevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalan’ny visio-conférence: Hevero ny hanasa ireo mpianatra hampiasa ny fandefasana hafatra mandritra ny lesona mba hamaliany ireo fanontaniana izay azo valiana amin’ny teny na fehezan-teny iray. Ohatra, azon’ireo mpanatra atao ny mitanisa talenta na fahaiza-manao izay mety ho very raha toa ka tsy ampiasaina na tsy amafisina. Fomba tsotra ahafahana mampandray anjara mpianatra maro ny fampiasana ny fandefasana hafatra. Mampihena ny fotoana lany amin’ny firesahana mandritry ny fotoam-pianarana ihany koa izany, ka mamela fotoana betsaka kokoa hametrahana fanontaniana izay ahafahan’ireo mpianatra mizara ny zavatra niainany sy ny fijoroany ho vavolombelona.

Matio 26:36–46; Lioka 22:39–46, Fizarana 1

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia hanampy ireo mpianatra mba hahatakatra ny antsipiriany momba zavatra izay nijalian’ny Mpamonjy tao amin’ny Sahan’i Getsemane sy sy ny maha asa feno fitiavana izany ho azy ireo.

  • Fiomanan’ny mpianatra: Asao ireo mpianatra hanao zavatra afaka manampy azy ireo mba hifantoka amin’i Jesoa Kristy sy ny Sorompanavotany. Azo atao ohatra ny famerenana fihirana iray, ny fisaintsainana ny sarin’i Jesoa Kristy, ny famakiana andinin-tsoratra masina, na zavatra hafa.

  • Tabilao: Asehoy ny dika mitovin’ilay tabilao izay ao anatin’ny lesona.

  • Soso-kevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalan’ny visio-conférence: Alefaso ny hira momba ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy, tahaka ny “Endrey mahagaga ahy” na “Thy Will, O Lord, Be Done” (Fihirana sy hiran’ny ankizy, lah. 44, Hymns, no. 188). Rehefa mandeha ny hira dia entano ireo mpianatra mba hampiasa ny findain’izy ireo hamakiana ny tononkira, na asehoy eo amin’ny efijery ny tononkira mba hovakian’ireo mpianatra.

Matio 26:36–46; Lioka 22:39–46, Fizarana 2

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia hanampy ireo mpianatra hahatsapa filana bebe kokoa ny hery sy fanampiana izay azon’i Jesoa Kristy atolotra azy ireo avy amin’ny alalan’ny Sorompanavotany.

  • Fiomanan’ny mpianatra: Asao ireo mpianatra mba hisaintsaina ny fomba ahafahan’i Jesoa Kristy mitahy azy ireo noho ny Sorompanavotany.

Lioka 22:47–71; Jaona 18:1–27

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia hanampy ireo mpianatra hanaraka ny ohatr’i Jesoa Kristy amin’ny alalan’ny fifidianana hanao ny sitrapon’ny Ray any An-danitra eo amin’ny fiainan’izy ireo.

  • Fiomanan’ny mpianatra: Asao ireo mpianatra mba hisaintsaina ny fotoana izay nisafidianan’izy ireo mba hanao zavatra izay tian’ny Ray any An-danitra atao fa tsy izay tian’ny tenany manokana. Asao ny mpianatra mba misaintsaina ny naha-sarotra izany sy ny antony nahatonga azy ireo nanao izany safidy izany.

  • Soso-kevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalan’ny visio-conférence: Mialoha ny fotoam-pianarana, dia azo atao ny manasa ireo mpianatra hikaroka ohatra avy amin’ny fiainan’ny Mpamonjy izay maneho ny faniriany hanao ny sitrapon’ny Ray any An-danitra. Ireo mpianatra ireo dia azo asaina mba hizara ny zavatra izay hitan’izy ireo rehefa avy nahafantatra ilay fahamarinana miavaka tao amin’ny lesona.

Famerenana ny Fifehezana Fotopampianarana 10

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia hanome fahafahana ireo mpianatra hanao fampiharana ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana izay nianaran’izy ireo tamin’ity taona ity.

Naoty:Azo ampianarina ho solon’ity lesona famerenana ity ny lesona iray mirakitra andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana. Jereo ny fandaharam-potoana izay nomen’ny tale na mpandrindra eo anivon’ny vondromparitra na ny faritra mba hahazoana antoka fa hampianarina avokoa ireo lesona momba ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana rehetra mandritra ny fotoana ampianarana seminera.

  • Fiomanan’ny mpianatra: Asao ireo mpianatra mba hamerina hijery ny andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana efatra izay hita ao amin’ilay tabilao ao anatin’ny lesona. Asao izy ireo mba ho vonona hizara ireo fomba manokana azony ampiharana ireo fahamarinana hita ao amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo.

  • Tabilao: Asehoy ny tabilaon’ny andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana sy ireo fehezan-teny manan-danja izay miaraka aminy.

  • Soso-kevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalan’ny visio-conference: Hevero ny hanasa misiônera avy ao amin’ny paroasy na misiônera amin’ny fotoana feno avy ao amin’ny faritra misy anao mba hanatrika ilay visio-conference sy mba hizara ny zavatra izay “tena iainany” ka azon’ireo mpianatra ampiasaina mba hampiharany ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana eo amin’ny toeran’ireo rafi-tantara izay hita ao amin’ny lesona.

Hamoaka printy