Lioka 22:47–71; Jaona 18:1–27
“Ny kapoaka nomen’ny Raiko Ahy tsy hosotroiko va?”
Nanolo-tena tanteraka ny hanao ny sitrapon’ny Ray any An-danitra i Jesoa Kristy. Miharihary indrindra izany tamin’ny fijaliany tao amin’ny Sahan’i Getsemane, sy ny fisamborana Azy taorian’izany, ary ireo zava-nitranga nitarika tamin’ny Fanomboana Azy sy nandritra izany. Ity lesona ity dia afaka manampy anao hanaraka ny ohatra nasehon’i Jesoa Kristy amin’ny alalan’ny fisafidianana ny sitrapon’ny Ray any An-danitra eo amin’ny fiainanao.
Sahanasa fianarana azo atao
Mametraka ny sitrapon’ny Ray any An-danitra ho ambonin’ny sitrapontsika
Alaivo sary an-tsaina hoe nijoro teo anoloan’ny varavarana roa ianao. Rehefa misafidy ny hiditra ny varavarana voalohany ianao dia hanaraka ny sitrapon’ny Ray any An-danitra, saingy hiatrika fitsapana sarotra. Raha nisafidy ny hiditra ny varavarana faharoa ianao dia ho afa-mandositra ny fitsapana, saingy tsy hanao izay tian’ny Ray any An-danitra hataonao.
-
Inona no mety ho antony hisafidianan’ny olona ny varavarana voalohany? varavarana faharoa?
-
Inona no fantatrao momba ny Ray any An-danitra izay afaka manampy anao hisafidy ny hiditra ny varavarana voalohany?
Makà fotoana hieritreretana ny fiainan’i Jesoa Kristy sy ny mampitovy ny fisafidianana ny varavarana voalohany amin’ny fomba nisafidianany ny hiaina. Ao amin’ny lesona anio, dia hanana fotoana ianao hahafahana mamaky ireo safidy nataon’ny Mpamonjy nanakaiky ny fiafaran’ny fiainany teto an-tany. Eo am-pandalinana izany, dia tadiavo ny zavatra izay nataon’i Jesoa Kristy ka manentana fanahy anao.
Nivadihana sy nosamborina tao Getsemane i Jesoa Kristy
Tao amin’ny Sahan’i Getsemane, i Jesoa Kristy dia nangataka tamin’ny Rainy hoe “esory Amiko ity kapoaka ity,” saingy nataony mazava tsara fa nanolo-tena hanao ny sitrapon’ny Ray Izy raha nilaza hoe, “nefa aoka tsy ny sitrapoko anie no hatao, fa ny Anao” ( Lioka 22:42). Ny kapoaka izay lazain’i Jesoa dia manambara ny fijaliany sy ny fahafatesany.
Vakio ny Jaona 18:1–4 , ary tadiavo ny fomba nanehoan’ny Mpamonjy ny fanoloran-tenany hanao ny sitrapon’ny Ray any An-danitra.
Ataovy lisitra ny sasany amin’ireo zava-tsarotra izay fantatr’i Jesoa fa “hihatra Aminy” amin’ny ora ho avy nefa nekeny ( andininy 4).
Vakio ny Jaona 18:5–11 , ka tadiavo ny fomba namalian’ny Mpamonjy ireo andian’olona nirongo fiadiana izay tonga hisambotra Azy.
Raha mila ny antsipiriany mampiseho ny fitiavana sy fahatapahan-kevitr’i Jesoa Kristy izay tena mahatalanjona tokoa, ary tsy voasoratr’i Jaona, dia vakio ny Matio 26:52–54 sy Lioka 22:50–51 . Azonao atao ihany koa ny mijery ny “The Savior Suffers in Getsemane ” manomboka avy amin’ny mari-potoana 5:55 ka hatramin’ny 8:30, izay hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org.
-
Inona no nanaitra anao tamin’ny fihaonan’i Jesoa tamin’ireo vahoaka izay nirongo fitaovam-piadiana?
-
Inona amin’ireo ohatra izay nasehon’i Jesoa Kristy no manampy anao hahatakatra momba ny fiatrehana ny fahavalo?
-
Araka ny eritreritrao, nahoana no afaka nifehy ireo toe-javatra ireo tamin’ny fombany manokana ny Mpamonjy? Inona ny zavatra ampianarin’izany anao momba Azy?
Nentina hotsaraina i Jesoa Kristy
Taorian’ny nisamborana an’i Jesoa, dia nentina teo anatrehan’ny mpisoronabe sy Kaiafa ary mpitarika Jiosy hafa Izy. Vakio ny Lioka 22:63–65 mba hahitana ny sasany amin’ireo fitondrana tsy ara-drariny izay nataon’izy ireo tamin’i Jesoa. Azonao atao ihany koa ny mijery ny horonantsary “Jesus Is Tried by Caifas, Peter Denies Knowing Him” manomboka avy amin’ny mari-potoana 0:00 ka hatramin’ny 1:39, izay hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org.
-
Araka ny hevitrao, inona no antony naneken’ny Mpamonjy hiaritra ny fitondrana izay tena mafy tokoa sy tsy ara-drariny toy izany?
Ao amin’ny Bokin’i Môrmôna, i Nefia sy i Abinadia dia nampianatra ny antony naneken’ny Mpamonjy an-tsitrapo ny fitondrana toy izany. Vakio ny 1 Nefia 19:8–9 sy Môzià 15:5–7 mba hahitana hoe inona avy ireo antony notanisainy.
Soraty ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina, ny lesona izay azonao na momba an’i Jesoa Kristy ao amin’ireo andininy ireo.
Azonao atao ny manoratra antony vitsivitsy mahatonga ny fahatakarana ireo lesona ireo ho sarobidy na manan-danja aminao manokana.
Lesona iray manan-danja azo takarina avy amin’ireo andininy ireo ny hoe I Jesoa Kristy dia nanaiky ny sitrapon’ny Rainy tamin’ny zava-drehetra.
-
Araka ny eritreritrao, inona no fantatr’i Jesoa momba ny Ray any An-danitra ka nahatonga Azy nanaiky tanteraka ny sitrapony?
-
Inona no fitahiana azonao tamin’ny fisafidianana ny hanaraka ny sitrapon’ny Ray any An-danitra na dia sarotra aza izany?
Ny Filoha Russell M. Nelson dia nametraka fanontaniana maromaro mikasika ny fahavononantsika hanaiky ny sitrapon’ Andriamanitra. Makà fotoana hisaintsainana ny fomba ahafahanao mamaly amim-pahatsorana ireo fanontaniana ireo. Eritrereto hoe inona ny zavatra mety hilainao mba hahafahanao mamaly hoe eny amin’ny fanontaniana tsirairay.
Vonona ve ianao hamela an’ Andriamanitra hanjaka eo amin’ny fiainanao? Vonona ve ianao hamela an’ Andriamanitra ho ny hery mitaona anao indrindra eo amin’ny fiainanao? Moa ve ianao hamela ny teniny sy ny didiny ary ny fanekempihavanany hitarika ny zavatra ataonao isan’andro? Moa ve hoavelanao ho lohalaharana eo amin’ny zavatra hafa rehetra ny feony? Ianao ve Vonona hamela izay rehetra ilainy ataonao ho lohalaharana mihoatra ny fanirianao hafa rehetra? Ianao ve Vonona handevona ny sitraponao ao aminy?
(Russell M. Nelson, “Aoka Andriamanitra no hanjaka,” Liahona, nôv. 2020, 94)
Mifototra amin’ny zavatra izay nianaranao momba ny faneken’ny Mpamonjy ny sitrapon’ny Rainy, dia manorata fehezan-teny vitsivitsy mikasika ny zavatra izay tianao hotsaroana, hatao, na hahatongavana. Diniho ireto bitsika manaraka ireto mba hanampiana anao hirakitra ny eritreritra sy ny fanirianao.
-
Te-hahatsiaro aho fa ny Mpamonjy dia …
-
Tahaka an’i Jesoa Kristy dia afaka manao ny sitrapon’ny Ray any An-danitra aho amin’ny alalan’ny …
-
Toetra iray izay ezahako ampitomboina mba ho tonga tahaka an’i Jesoa Kristy bebe kokoa ny tenako ny …
Fanazavana sy fampahalalana avy amin’ny zava-miseho
Inona ny zavatra azontsika ianarana momba ny Mpamonjy avy tamin’ny fahavononany hanaiky ny Ray any An-danitra?
Ny Loholona David A. Bednar ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nampianatra fa ny halemem-panahin’ny Mpamonjy no toetra manan-danja izay nitarika Azy handà ny sitrapony ka hanoa ny sitrapon’ny Ray any An-danitra.
Ny tsy fiovaovan’ny fanoavan’ny Tompo an-tsitrapo sy ny fifehezan-tena mahery nananany dia sady mahatalanjona no mampianatra antsika rehetra. Rehefa tonga tao Getsemane hamatotra sy hisambotra an’i Jesoa ireo andian-dehilahy mpiandry tempoly sy ireo miaramila Romana, dia nanatsoaka ny sabany i Petera ary nikapa ny sofina havanan’ilay mpanompon’ny mpisoronabe [jereo ny Jaona 18:10 ]. Avy teo ny Mpamonjy dia nikasika ny sofin’ilay mpanompo ka nanasitrana [jereo ny Lioka 22:51 ]. Mariho fa namonjy sy nanasitrana ilay olona izay niezaka hisambotra Azy Izy, ary nampiasa ilay herin’ny lanitra ihany izay afaka niaro Azy tsy ho voasambotra sy tsy ho voahombo.
… Ny halemem-panahin’ny Mpamonjy dia voaporofo amin’ny valin-teniny voafehy tsara, ny fifehezan-tenany mafy, ary ny tsy finiavany hampiasa ny fahefany tsy manam-petra ho tombontsoan’ny tena manokana.
(David A. Bednar, “Malemy Fanahy sy Manetry Tena,” Liahona, mey 2018, 33)
Nahoana aho no hanolotra ny sitrapoko ho an’ Andriamanitra?
Ny Loholona Neal A. Maxwell (1926–2004) tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nampianatra hoe:
Maro amintsika … no diso hevitra fa, amin’ny alalan’ny famelana ny sitrapontsika ho voatelina ao amin’ny sitrapon’ Andriamanitra, dia hamoy ny maha izy antsika isika (jereo ny Môzià 15:7). Ny zavatra tena mampiahiahy antsika mazava ho azy dia tsy ny hahafoy ny tenantsika fa ireo zavatra feno fitiavan-tena—toy ny anjara asantsika, ny fotoantsika, ny zava-manan-danja indrindra amintsika ary ny fananantsika. Tsy mahagaga raha didian’ny Mpamonjy isika mba hanary ny tenantsika (jereo ny Lioka 9:24). Ny hany angatahiny dia ny hamerezana ilay isika taloha ka hahita ilay isika vaovao. Tsy hoe hanary ny maha izy antsika fa hitady ny tena maha izy antsika! …
… Ny fampandeferana ny sitrapon’ny tena no hany tena zavatry ny tena manokana izay afaka apetratsika eo amin’ny alitaran’ Andriamanitra. Ireo zavatra maro hafa izay “omentsika,” ry rahalahy sy anabavy, dia ireo zavatra efa nomeny na nampindraminy antsika ihany. Na izany aza rehefa mankatò izaho sy ianao, amin’ny fampanarahana ny sitrapontsika amin’ny sitrapon’ Andriamanitra, amin’izay isika dia tena manome zavatra ho Azy! Izay no tena fananantsika izay tena antsika marina hatolotra!
(Neil A. Maxwell, “Swallowed Up in the Will of the Father,” Ensign, nôv. 1995, 23, 24)