Seminera
Lioka 22:28–34, 54–61


Lioka 22:28–34, 54–61

“Nefa Izaho nangataka ho anao, mba tsy ho levona ny finoanao”

Sary
Christ’s disciples are resting on a hill, Peter is sitting up and Jesus is walking and looking in his direction. Outtakes include Jesus walking, Peter sitting on the ground, and just Jesus and Peter walking and talking.

Vao avy nampiditra ny fanasan’ny Tompo tamin’ny mpianany i Jesoa Kristy no nanomboka niresaka izy ireo ny momba ny hoe iza no hamadika ny Tompo sy ny maha zava-dehibe kokoa ny manompo ny hafa noho ny tompoina. Nandritra ny resaka tao amin’ny efitrano ambony izay nihinanan’i Jesoa sy ny Apôstôly ny Fanasana Farany dia nohazavain’ i Jesoa tamin’i Petera ny fanoherana ho lalovany amin’ny fiainany. Nampianatra an’i Petera ny Mpamonjy fa tsy ho afaka hanampy ny hafa izy raha tsy rehefa avy nanamafy orina ny finoany an’i Jesoa Kristy. Ity lesona ity dia natao hanampiana anao hamantatra fa ilainao ny miantehitra amin’i Jesoa Kristy sy manamafy orina hatrany ny finoanao Azy.

Mifantoha amin’ny fanampiana ireo mpianatra. Rehefa miomana hampianatra ianao dia mifantoha amin’ny mpianatrao fa tsy amin’ny zavatra holazainao na hataonao fotsiny ihany. Rehefa manomana ireo lesona manaraka vitsivitsy ianao dia manontania tena hoe: “Inona no hataon’ny mpianatro anio?” ary “Ahoana no hanampiako ny mpianatro hahita ny zavatra tokony ho fantatr’izy ireo?”

Fiomanan’ny mpianatra: Asao ny mpianatra mba ho vonona hizara traikefa izay nanampy tamin’ny fampitomboana ny finoan’izy ireo an’i Jesoa Kristy.

Sahanasa fianarana azo atao

Manamafy orina ny fahaiza-manaonao

Mba hanombohana ny fotoam-pianarana dia mizarà traikefa manokana momba ny fahaiza-manao iray izay mety ho very raha ataonao tsirambina kanefa mety hihamafy orina kokoa rehefa manao fampiharana sy ezaka tsy tapaka ianao.

Mba hanehoana io fitsipika io eo amin’ny lafiny ara-batana, ara-tsaina, ary ara-panahy dia asehoy ny horonantsary “Foundations of Faith” (4:13), manomboka amin’ny mari-potoana 0:00 ka hatramin’ny 1:34, hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org. Asao ny mpianatra mba hianatra avy amin’ny tenin’ny Loholona Cook momba ny zavatra ilaina hampitomboana ny fahaiza-manaontsika ara-batana sy ara-tsaina ary ara-panahy.

Manaova lisitr’ireo fahaiza-manao izay mety ho very amin’ny olona iray raha toa ka tsy mampiasa na manamafy orina izany hatrany izy ireo (ohatra, ny fahaiza-manao ara-panatanjahantena na ny fahaiza-manoratra).

  • Ahoana no mety hampiharana izany amin’ny fahafahanao manana finoana an’i Jesoa Kristy?

Ao amin’ny lesona anio ianao dia hianatra momba ny fomba tadiavin’i Jesoa Kristy aminao hanamafisanao orina ny fahafahanao hanana finoana Azy.

Raha toa ka nasaina niomana hieritreritra traikefa iray izay nanampy azy ireo hampitombo ny finoany an’i Jesoa Kristy rehefa tonga an-dakilasy ny mpianatra, dia angataho ireo mpilatsaka an-tsitrapo vitsivitsy hizara ny traikefany amin’ny mpianatra sisa.

Makà iray minitra hisaintsainana ny zavatra ataonao na tianao hatao amin’izao fotoana izao mba hampitomboanao ny finoana an’i Jesoa Kristy. Azonao atao ny manoratra ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina momba ny zavatra ataonao isan’andro, isan-kerinandro, na isam-bolana mihitsy aza. Ireo zavatra ataonao ireo dia mety ahitana izay tanjona iasanao amin’izao fotoana izao.

Rehefa mandalina ianao anio dia tadiavo ny fiovana na fanatsarana azonao atao mba hanamafisanao orina ny finoana an’i Jesoa Kristy ka hahafahanao miantehitra Aminy na inona na inona toe-javatra iainanao amin’ny fiainana.

Takatr’i Jesoa Kristy izay ilaintsika ary hanampy antsika Izy

I Jesoa Kristy dia nilaza tamin’ireo mpianany ny amin’ny fanjakana hoavy izay miandry azy ireo satria nanohy niara-nandeha taminy tamim-pahatokiana izy ireo (jereo ny Lioka 22:28–30). Na izany aza, nanampy an’i Simona Petera ihany koa ny Tompo hiomana amin’ilay dia ara-panahy feno fanamby izay hatrehiny tsy ho ela.

Vakio ny Lioka 22:31–34 , ka tadiavo ny zavatra tian’ny Tompo hanampiana an’i Petera mba ho takany.

Ataovy lisitra eny amin’ny solaitrabe ny zavatra hitan’ny mpianatra.

Mba hahatakarana misimisy kokoa ny dikan’ny hoe naniry “te-hikorokoroka an’i [Petera] toy ny vary” i Satana (andininy31), dia vakio ny fanazavana ao amin’ny fizarana “Fanazavana sy fampahalalana avy amin’ny zava-miseho” any amin’ny faran’ny lesona.

  • Inona no tsikaritrao mikasika ny fahitan’ny Mpamonjy an’i Petera? Inona no maha samy hafa izany amin’ny fahitan’i Petera ny tenany?

  • Inona no mety ho ifandraisan’ny zavatra nianaranao momba ny fifandraisan’i Petera tamin’i Jesoa Kristy amin’ny fifandraisanao amin’ny Mpamonjy?

  • Rehefa avy nanambara ny finoany sy ny tsy fivadihany tamin’i Jesoa Kristy i Petera dia inona no nambaran’ny Mpamonjy fa hataon’i Petera?

Asehoy ny sary maneho an’i Petera rehefa avy nandà an’i Jesoa Kristy.

Sary
The Apostle Peter standing at the base of a stone stairway outside the palace of the high priest (where Christ was taken to be tried by the chief priests, elders and scribes). Peter is turning his head away from Christ as Christ turns to look at him. Three other people are standing/and or sitting near Peter. One of the people, a young woman, is pointing her finger at Peter. Three cocks are on the stone stairs. One of the cocks is crowing.

Taorian’izay tamin’io alina io ihany, rehefa nosamborina i Jesoa Kristy ary nentina tany amin’ny tranon’ny mpisoronabe mba hotsaraina, dia nanaraka azy teny lavidavitra teny i Petera (jereo ny Lioka 22:54).

Vakio ny Lioka 22:55–62 mba hianarana ny fomba nahatanterahan’ny faminanian’i Jesoa momba an’i Petera.

Hevero ny manasongadina ny fihetseham-pon’i Petera feno alahelo ao amin’ny andininy 62 mba hanampiana ireo mpianatra hisoroka voka-dratsy mitovy amin’izany. Safidy iray hafa ny mampiseho ilay horonantsary “Notsarain’i Kaiafa i Jesoa, nandà ho tsy mahalala azy i Petera” (4:25; manomboka amin’ny mari-potoana 1:40 ka hatramin’ny 4:25), hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org.

  • Inona no nianaranao momba ny Mpamonjy tamin’ny fifandraisany tamin’i Petera izay mamela anao hanana finoana an’i Jesoa Kristy?

Manamafy orina ny finoantsika an’i Jesoa Kristy

Avelao ny mpianatra hizara fahamarinana isan-karazany izay nianarany momba an’i Jesoa Kristy. Ny fahamarinana iray mety ho hitan’izy ireo dia ny hoe I Jesoa Kristy dia mikatsaka ny hanamafy orina ny finoantsika Azy mba hahafahantsika mandresy ny fanafihan’i Satana.

Asehoy ireto teny manaraka ireto ary anontanio ny mpianatra hoe inona no fitovizana hitan’izy ireo amin’ny tenin’ny Filoha Nelson sy ny fampitandreman’ny Mpamonjy an’i Petera.

Tahaka ny nanampian’ny Mpamonjy an’i Petera hahatakatra ny fanirian’i Satana (jereo ny Lioka 22:31), ny Filoha Russell M. Nelson dia nampitandrina antsika fa “mampitombo ny fanafihany ny finoantsika sy ny an’ny fianakaviantsika amin’ny hafainganam-pandeha tsy misy ohatr’izany ny fahavalo” (Russell M. Nelson, “Lahateny fanokafana,” Liahona, nôv. 2018, 7). Nampianatra ihany koa izy fa “ny fahavalo dia mampitombo avo efatra heny ny ezaka ataony mba hanakorontanana ny fijoroana ho vavolombelona sy hanelingelenana ny asan’ny Tompo” (Russell M. Nelson, “Afaka manao tsaratsara kokoa sy ho lasa tsaratsara kokoa isika,” Liahona, mey 2019, 68).

  • Inona avy ireo fomba sasany tadiavin’i Satana handravana ny finoantsika an’i Jesoa Kristy ankehitriny?

Raha toa ka sahirana amin’ny fieritreretana ohatra ireo mpianatra dia omeo azy ireo ny tahaka ireto manaraka ireto:

  • Nisy havan-tiana iray mandao ny Fiangonana ary maniry anao hanaraka azy ireo izy ireo.

  • Misy manafika ny finoanao any am-pianarana.

  • Mamaky zavatra tsy mifanaraka amin’ny finoanao amin’ny Internet ianao.

Mba hanamafisana ny fifanakalozan-kevitra ao an-dakilasy momba ny fanontaniana manaraka dia mizarà tantara fohifohy iray na tantara ao amin’ny soratra masina izay afaka manampy ny mpianatra hahita ny maha zava-dehibe ny fanamafisana hatrany ny finoan’izy ireo an’i Jesoa Kristy. Ohatra iray mahasoa ny an’ny Kapiteny Môrônia, izay “tsy nitsahatra nanao fiomanana ho amin’ny ady na niaro ny olony” ( Almà 50:1).

  • Inona no nanampy anao hanamafy orina ny finoanao an’i Jesoa Kristy?

Asehoy ity teny manaraka avy amin’ny Loholona Andersen ity rehefa mieritreritra fomba hanamafisana ny finoan’izy ireo an’i Jesoa Kristy ny mpianatra.

Ny Loholona Neil L. Andersen ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nizara ny sasany amin’ireo fomba ahafahantsika manamafy orina ny finoantsika an’i Jesoa Kristy.

Mba hanampiana ireo mpianatra hahita fomba hanamafisana ny finoan’izy ireo an’i Jesoa Kristy dia mety hanampy ny mampiditra fehezan-teny hafa hita ao amin’ny fizarana “Fanazavana sy fampahalalana avy amin’ny zava-miseho”. Ny ampahany farany amin’ilay horonantsary “Foundations of Faith” (4:14) dia azo aseho amin’io fotoana io koa.

Sary
Official portrait of Elder Neil L. Andersen of the Quorum of the Twelve Apostles, 2010, August.

Tsy avy amin’ny kisendrasendra no hitomboan’ny finoanareo fa avy amin’ny safidy.

Ny fomba fiainantsika dia na mampitombo na mampihena ny finoantsika. Ny vavaka, ny fankatoavana, ny fahadiovan’ny eritreritra sy ny fihetsika, ny fanetrentena, ary ny tsy fitiavan-tena dia mampitombo ny finoana. Raha tsy ao ireo, dia mihena ny finoana. Nahoana moa ny Mpamonjy no nilaza tamin’i Petera hoe: “Izaho nangataka ho anao, mba tsy ho levona ny finoanao”? ( Lioka 22:32). Satria misy fahavalo iray izay faly amin’ny fandravana ny finoantsika! Aza mijanona miaro ny finoanao.

(Neil L. Andersen, “Ny finoana dia tsy avy amin’ny kisendrasendra fa avy amin’ny safidy,” Liahona, nôv. 2015, 66)

  • Inona no nianaranao androany mikasika ny zavatra irin’i Jesoa Kristy ho anao?

  • Inona no zavatra hatombokao na hotohizanao mba hampatanjahana ny finoanao an’i Jesoa Kristy?

  • Ahoana araka ny eritreritrao no hitahy anao ny finoana matanjaka kokoa an’i Jesoa Kristy?

Fanazavana sy fampahalalana avy amin’ny zava-miseho

Lioka 22:31 . Inona no tian’ny Mpamonjy holazaina rehefa nilaza tamin’i Petera Izy fa te “hikorokoroka [azy] toy ny vary” i Satana?

Rehefa mikorokoroka vary, dia sarahina amin’ireo izay tsy ampiasaina amin’ilay zavamaniry ny voam-bary sarobidy. Nampiasa an’io fanoharana io i Jesoa mba hanampiana an’i Petera (ary isika tsirairay avy) hahafantatra ny ezak’i Satana handrava ny finoantsika sy hanakanana antsika tsy ho ampahany manan-danja amin’ny fanjakan’ Andriamanitra.

Inona no mampatanjaka ny finoako an’i Jesoa Kristy?

Ny Loholona Neil L. Andersen ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nampianatra fa:

Sary
Official portrait of Elder Neil L. Andersen of the Quorum of the Twelve Apostles, 2010, August.

Andriamanitra Raintsika sy i Jesoa Kristy Zananilahy izay Mpamonjy sy Mpanavotra antsika no ivon’ ny finoantsika. Izany dia tohanan’ ny fahalalantsika fa naverina tamin’ ny laoniny teto ambonin’ ny tany ny filazantsara, fa tenin’ Andriamanitra ny Bokin’ i Môrmôna, ary misy mpaminany sy apôstôly amin’ izao andro izao mihazona ny fanalahidin’ ny fisoronana. Ankamamiantsika ny finoantsika, miezaka isika hanamafy orina ny finoantsika, mivavaka mba hanana finoana lehibe kokoa, ary manao izay rehetra tratry ny herintsika mba hiarovana ny finoantsika. …

… Miroboka ao anatin’ ireo zavatra izay tena nanampy anareo hanorina ny fototry ny finoanareo ianareo: mampihatra finoana an’ i Kristy, mivavaka, mandalina ny soratra masina, mibebaka, mitandrina ny didy, ary manompo ny hafa.

(Neil L. Andersen, “Fitsapana ny finoanao,” Liahona, nôv. 2012, 39–40)

Inona no mety hanimba ny finoako an’i Jesoa Kristy?

I Ahmad S. Corbitt, Mpanolotsaina Voalohany ao amin’ny Fiadidian’ny Zatovolahy maneran-tany dia nampianatra hoe:

Sary
The official portrait of Ahmad S. Corbitt.

Ry namako isany, ny fakana sary an-tsaina na ny fijerena zavatra amin’ny nahim-po izay tsy mifanaraka amin’ilay tena maha anareo anareo, indrindra ny pôrnôgrafia dia mampalemy ny finoanareo an’i Kristy ary raha tsy misy ny fibebahana dia mety hanimba izany.

(Ahmad S. Corbitt, “Afaka manangona an’i Israely ianao!,” Liahona, mey 2021, 62)

Lioka 22:32 . Inona no azontsika ianarana mikasika ny fiovam-po avy amin’ny fahatakarana ny tenin’ny Mpamonjy milaza fa mbola tsy niova fo tanteraka i Petera?

Nampianatra ny Loholona David A. Bednar ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe:

Sary
Elder David A. Bednar, Quorum of the Twelve Apostles official portrait. 2020.

Mahaliana tokoa, fa ity Apôstôly mahery ity dia niresaka sy niaraka tamin’ny Mpampianatra, sy vavolombelona tamin’ny fahagagana maro, ary nanana fijoroana ho vavolombelona matanjaka mikasika ny maha Andriamanitra ny Mpamonjy. Kanefa na i Petera aza dia nila torolalana fanampiny avy amin’ i Jesoa mikasika ny hery manova fo sy manamasina ananan’ny Fanahy Masina ary ny andraikiny hanompo amim-pahatokiana.

Ny toetra fototry ny filazantsaran’ i Jesoa Kristy dia mitaky fiovana fototra sy maharitra amin’ny toetrantsika ifotony, izay tanteraka amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy. Ny fiovam-po tena marina dia mitondra fiovana eo amin’ny finoanao, sy ny fonao, ary ny fiainanao mba hanekenao sy hankatoavanao ny sitrapon’ Andriamanitra (jereo ny Asan’ny Apôstôly 3:19; 3 Nefia 9:20) ary mitaky fanoloran-tena avy amin’ny fo mba ho tonga mpanara-dia an’ i Kristy.

(David A. Bednar, “Miova fo ho an’ny Tompo,” Liahona, nôv. 2012, 106–7)

Sahanasa fianarana fanampiny

Raiso amim-pinoana ny hoavy

Ny laharan’ny New Era tamin’ny volana nôvambra 2020 dia ahitana ampahan’ny lahatenin’ny Filoha Russell M. Nelson “Raiso amim-pinoana ny hoavy.” Asehoy ny sary voalohany amin’io lahatsoratra io, izay manasongadina ilay andian-teny hoe “raha efa miomana ianareo dia tsy hatahotra” ( Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 38:30). Asao ireo mpianatra hikaroka ny torohevitry ny Filoha Nelson momba ny fomba hanamafisana ny finoan’izy ireo an’i Jesoa Kristy mba tsy hatahorany na inona na inona amin’ny mety hatrehiny amin’ny hoavy.

“Tendrombohitra ho Hanihana”

Asehoy ny horonantsary “Tendrombohitra ho Hanihana” (5:05) ary asao ny mpianatra hihaino ny zavatra nampianarin’ny Filoha Henry B. Eyring ao amin’ny Fiadidiana Voalohany momba ny fanamafisana orina ny finoantsika an’i Jesoa Kristy. Avelao ny mpianatra hizara ny zavatra nianarany momba ny finoana an’i Jesoa Kristy sy ny zavatra manome hery antsika hanaovana izany eo amin’ny fiainana.

Hamoaka printy