Matio 26:36–46; Lioka 22:39–46, Fizarana 1
Nijaly tao amin’ny Sahan’i Getsemane i Jesoa Kristy
Niaina fijaliana tsy takatry ny saina izay anisan’ny Sorompanavotany i Jesoa Kristy tao amin’ny Sahan’i Getsemane. Ity no lesona voalohany amin’ny fizarana roa momba ny fijalian’ny Mpamonjy tao Getsemane sy ny hevitr’izany ara-potopampianarana. Ny tanjon’ity lesona ity dia ny hanampy anao hahatakatra bebe kokoa ny zava-nitranga tao amin’ny Sahan’i Getsemane sy ny nahatonga izany ho fanehoana fitiavana ho anao. Ao amin’ny lesona manaraka dia handalina ny fotopampianaran’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy ianao ary hianatra ny fomba ahafahanao mahazo hery sy fanampiana avy amin’ny Mpamonjy.
Sahanasa fianarana azo atao
Inona no nataon’i Jesoa Kristy ho antsika?
Ny Filoha Dallin H. Oaks dia nizara ampahany tamin’ny resaka nataony tamin’ny mpikambana iray tao amin’ny Fiangonana. Jereo ilay horonantsary hoe “Inona no nataon’ny Mpamonjintsika ho Antsika?” manomboka amin’ny mari-potoana 0:00 ka hatramin’ny 0:34. Hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org ity horonantsary ity.
Taona maro lasa izay dia nihaona tamin’ny vehivavy iray izay aho izay nilaza fa nangataka azy hiverina ato am-piangonana ny namany iray taorian’ny taona maro nampalaindaina azy, saingy tsy nahita antony tokony hanaovany izany izy. Mba hamporisihana azy dia hoy aho hoe: “Rehefa eritreretinao ireo zava-drehetra nataon’ny Mpamonjy ho anao, dia manana antony maro hiverenana hitsaoka sy hanompo Azy ianao.” Gaga aho rehefa namaly izy hoe: “Fa inona no nataony ho ahy?”
(Dallin H. Oaks, “Inona no nataon’ny Mpamonjintsika ho antsika?,” Liahona, mey 2021, 75)
-
Ahoana no hamalianao io fanontanian’ilay vehivavy io?
Nijaly tao amin’ny Sahan’i Getsemane i Jesoa Kristy
Rehefa avy namita ny sakafon’ny Paska ny Mpamonjy sy nanorina ny fanasan’ny Tompo ary nandeha tany amin’ny Tendrombohitra Oliva mba hizara ny fampianarany farany niaraka tamin’ireo Apôstôliny, dia niaraka tamin’i Petera sy i Jakoba ary i Jaona Izy, tsy lavitra teo akaikin’ny Sahan’i Getsemane. Ny teny hoe Getsemane dia midika hoe “famotsehana menaka.” Nitranga tao Getsemane ny singa tena manan-danja sasany tamin’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy. Rehefa mandalina ireo zava-nitranga ireo ianao dia eritrereto ny fomba ahafahan’ny fahatakarana ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy manampy anao hahafantatra sy hahatsapa ny fitiavan’ Andriamanitra anao.
Ireto andalan-tsoratra masina manaraka ireto dia mamaritra ny sasany amin’ireo zava-nitranga manan-danja izay nitranga tao anatin’ny fijalian’ny Mpamonjy tao amin’ny Sahan’i Getsemane. Adikao ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ity tabilao manaraka ity ary fenoy izany rehefa mandalina ireo andininy ireo ianao. Diniho koa ny manisy tsipika ireo teny sy andian-teny manan-danja avy amin’ireo andininy ireo ao amin’ny soratra masinao.
Ho fanampin’ny famakiana ireo andininy etsy ambany dia azonao atao koa ny mijery ny horonantsary “The Savior Suffers in Gethsemane” manomboka amin’ny mari-potoana 0:00 ka hatramin’ny 5:52 (hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org) ary ataovy toy ny hoe manatri-maso io zava-nitranga masina io ianao.
Vakio ireto andinin-tsoratra masina manaraka ireto. |
Inona ny zavatra nianaranao na tsapanao momba an’i Jesoa Kristy avy amin’ireo andininy ireo? |
-
Inona avy no eritreritra, fihetseham-po na fahatsapana niainanao rehefa nandalina ireo andininy ireo ianao?
-
Inona avy ireo teny na andian-teny manokana avy amin’ireo andininy ireo izay nisongadina indrindra taminao? Nahoana?
-
Inona no nanampian’ireo andininy ireo anao tamin’ny fahatsapana ny fitiavan’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy ho anao?
Ny vidin’ny fitiavana sarobidin’ Andriamanitra
Ny Loholona D. Todd Christofferson ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nizara ny fomba nanehoan’ny fijalian’ny Mpamonjy tao Getsemane ny fitiavany tsy manam-petra ho antsika. Jereo ny horonantsary “Abide in My Love” manomboka amin’ny mari-potoana 11:33 ka hatramin’ny 14:02. Ity horonantsary ity dia hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org.
Ndeha isika hisaintsaina ny vidin’ny fitiavana sarobidin’ Andriamanitra. Nanambara i Jesoa fa mba hanavotana antsika amin’ny fahotantsika sy amin’ny fahafatesana na ara-panahy na ara-batana, ny fijaliany dia nahatonga Azy, “Ilay Andriamanitra, Ilay lehibe indrindra noho ny rehetra, hangovitra noho ny fangirifiriana sy hivoa-dra amin’ ny mason-koditra rehetra, ary hijaly na vatana na fanahy—ary haniry ny mba tsy hisotro ilay kapoaka mangidy sy hitakemotra [Izy]” [ Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 19:18] . Ny fialany aina tao Getsemane sy teo amin’ny hazo fijaliana dia mihoatra noho izay azon’ny olona zakaina. Na dia izany aza, noho ny fitiavany an-dRainy sy antsika, dia niaritra Izy ka ny vokatr’izany dia afaka manome antsika ny tsy fahafatesana sy ny fiainana mandrakizay Izy.
Tena tandindona mampihetsi-po ny hoe “[nivoaka] ny mason-koditra rehetra ny ra” [ Môzià 3:7 ] raha nijaly i Jesoa tao Getsemane, ilay toerana izay midika hoe famotsehana oliva. Tamin’ny andron’ny Mpamonjy, mba hahazoana menaka oliva dia nopotsehana aloha ireo oliva tamin’ny fampandalovana vato lehibe teo ambonin’izy ireo. Ny potsitr’oliva azo avy eo dia natao anaty harona malefaka voarandrana malaladalaka, izay nampifampitaingennina. Ny havesatr’izy ireo no namoaka ilay menaka voalohany sy tsara indrindra. Ary avy eo dia nasiana vesatra fanampiny tamin’ny fametrahana vatan-kazo lehibe teo ambonin’ireo harona mifampitaingina ka mamoaka menaka bebe kokoa. Farany, mba hamoahana ny ambina menaka farany dia novesarana vato ilay vatan-kazo mba hahazoana ny fanapotserana mafy indrindra. Ary eny, toy ny lokon-dra ilay menaka raha vao mivoaka iny izy amin’ny voalohany.
Mieritreritra ny fitantaran’i Matio mikasika ny Mpamonjy aho, raha niditra tao Getsemane Izy tamin’iny alina miavaka sy manan-danja iny—ka hoe “dia nalahelo am-po sy ory indrindra Izy. …
“Ary nony nandroso kelikely Izy, dia niankohoka ka nivavaka hoe: Raiko ô, raha azo atao, dia aoka hesorina amiko ity kapoaka ity; nefa aoka tsy ny sitrapoko anie no hatao, fa ny Anao” [ Matio 26:37, 39 ].
Avy teo, araka ny fiheverako azy dia vao mainka nitombo ny fanaintainana ka dia nitalaho fanindroany Izy mba hohamaivanina, ary nony farany, angamba teo amin’ny faratampon’ny fijaliany, fanintelony indray. Niaritra ny fijaliana Izy mandra-panomezana fahafahampo ny fahamarinana hatramin’ny farany. Izany no nataony mba hanavotana ahy sy ianao.
Fanomezana sarobidy tokoa izany fitiavan’ Andriamanitra izany!
(D. Todd Christofferson, “Mitoera ao amin’ny Fitiavako,” Liahona, nôv. 2016, 51)
-
Inona avy ireo teny na andian-teny nisarika ny sainao tao anatin’io teny io?
-
Ahoana no fomba hanehoan’ny fijalian’ny Mpamonjy tao Getsemane ny fitiavany lehibe ho anao manokana?
Ny Filoha Ezra Taft Benson (1899–1994) dia nijoro ho vavolombelona fa ny fijalian’ny Mpamonjy tao amin’ny Sahan’i Getsemane, ary tao Kalvary tatỳ aoriana, dia “ilay asa fanehoam-pitiavana tokana lehibe indrindra amin’ny tantara voasoratra” (Teachings of Presidents of the Church: Ezra Taft Benson [2014], 94).
-
Inona no nataon’i Jesoa Kristy ho ahy?
Fanazavana sy fampahalalana avy amin’ny zava-miseho
Inona no dikan’ny hoe Getsemane?
Ny Filoha Russell M. Nelson dia nampianatra hoe:
Avy amin’ny teny hebreo fototra anankiroa ny teny hoe Getsemane: gath, izay midika hoe “potsika”, ary shemen, izay midika hoe “menaka”, indrindra ny an’ny oliva.
Potsehina ambanin’ny kodiaran-bato lehibe ny oliva ao mba hangalana menaka sarobidy avy amin’ny oliva. Noho izany nopotsehina ara-bakiteny teo ambanin’ny vesatry ny fahotan’izao tontolo izao i Kristy tao amin’ny Sahan’i Getsemane. Ny dininy dia tahaka ny ra nipotrapotraka—ny “menaky” ny ainy—izay nivoaka tamin’ny mason-koditra rehetra. …
… Tsarovy, tahaka ny vatan’ny oliva, izay nopotsehina hahazoana ny menaka nanome hazavana no nanapotsehana ny Mpamonjy. Avy amin’ny mason-koditra rehetra no nibosesika ny ran’ny ain’ny Mpanavotra antsika. Nandritra ireo andro mahafaly tamin’ny asa fitorianao, rehefa feno ny kapoaky ny hafalianao, dia tsarovy ilay kapoaka mangidiny izay nahatonga izany ho tontosa. Ary rehefa tonga aminao ny fahoriana mafy mianjady, dia tsarovy i Getsemane.
(Russell M. Nelson, “Why This Holy Land?,” Ensign, des. 1989, 17–18)
Inona no nataon’ny Mpamonjintsika ho antsika?
Hoy ny Filoha Dallin H. ao amin’ny Fiadidiana Voalohany hoe:
Tao anatin’ny drafitry ny Raintsika any An-danitra no “naharian’i [Jesoa Kristy] ny lanitra sy ny tany” ( Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 14:9) mba hahafahan’ny tsirairay avy amintsika mahazo ireo traikefa ilaina eto amin’ny fiainana an-tany mba hikatsahana ny toerana masina hiafarantsika. Ao anatin’ny drafitr’ Andriamanitra, ny fitsanganan’i Jesoa Kristy tamin’ny maty dia nandresy ny fahafatesana mba hanomezana antoka ny hahazoantsika tsirairay avy ny tsy fahafatesana. Ny sorompanavotan’i Jesoa Kristy dia manome antsika tsirairay avy ny fahafahana hibebaka amin’ny fahotantsika sy hiverina madio any amin’ny fonenantsika any an-danitra. Ny didiny sy ny fanekempihavanany dia maneho antsika ny lalana, ary ny fisoronany dia manome ny fahefana hanatanterahana ireo ôrdônansy ilaina mba hahatongavana any amin’izany toerana izany. Ary niaina an-tsitrapo ireo fanaintainana sy rofy rehetra eto amin’ny fiainana an-tany ny Mpamonjintsika mba hahafantarany ny fomba hampatanjahana antsika ao anatin’ny fahoriantsika.
Nataon’i Jesoa Kristy izany rehetra izany satria tiany ny zanak’ Andriamanitra rehetra. Ny fitiavana no manosika izany rehetra izany, ary efa toy izany hatrany am-boalohany.
(Dallin H. Oaks, “Inona no nataon’ny Mpamonjintsika ho antsika?,” Liahona, mey 2021, 77)
Sahanasa fianarana fanampiny
Horonantsary momba ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy
Ireto horonantsary manaraka ireto dia afaka manampy amin’ny fampianarana maro samihafa momba ity lesona mikasika ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy ity. Ny horonantsary rehetra dia hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org.
“Gethsemane” (0:45). Iray amin’ireo fizaran’ny horonantsary fohy miisa enina ambin’ny folo izay manampy antsika hahatakatra ny fombafomba tamin’ny andron’ny Testamenta Vaovao.
“Gethsemane” (3:22). Hira namboarina sy hiraina miaraka amin’i Melanie Hoffman.
“Toko 51: I Jesoa Nijaly tao amin’ny Sahan’i Getsemane” (1:46). Famintinana tsotra ny zava-nitranga tao Getsemane.