Seminera
Matio 14:13–21; Jaona 6:5–14


Matio 14:13–21; Jaona 6:5–14

Jesoa dia nanome sakafo ireo vahoaka 5000

Sary
Jesús bendice los panes y los peces para dar de comer a las personas que se congregaron para oír Sus enseñanzas.

Nony nandre i Jesoa Kristy fa notapahana ny lohan’i Jaona Mpanao Batisa dia, niondrana an-tsambokely Izy ho any amin’ny toerana mitoka-monina iray niaraka tamin’ireo Apôstôliny. Narahin’ny vahoaka maro be izy ireo. Na dia nalahelo mafy aza ny Mpamonjy dia nangoraka an’ilay vahoaka maro be ary nampianatra sy nanome sakafo ny vahoaka—lehilahy miisa 5,000 teo ho eo, ankoatra ny zaza amam-behivavy. Ity lesona ity dia hanampy anao hiantra olona kokoa sy tsy ho tia tena, tahaka iny zay nataon’i Jesoa Kristy. Afaka manampy anao hanana fahatokian-tena bebe kokoa ihany koa izany fa noho ny amin’i Jesoa Kristy dia ampy ireo fanati-panetrentena izay atolotrao.

Manana fahatokisana an’ ireo mpianatrao. Tokony hanana fahatokisana ireo mpampianatra fa rehefa miaraka amin’ny fitarihana sy famporisihana araka ny tokony ho izy dia afaka ny hahatakatra ny soratra masina ireo mpianatra, sy hianatra hamantatra ireo fotopampianarana sy foto-kevitra, hanazava ny filazantsara amin’ny hafa, ary hampihatra ireo fampianaran’ny filazantsara eo amin’ny fiainany.

Fanomanana ny mpianatra: Asao ireo mpianatra mba hivavaka ho an’ny fahafahana hanompo olona iray sy hikatsaka izany mialoha ny fotoam-pianarana manaraka. Amporisiho izy ireo mba hihaino tsara ny fahatsapana ananany rehefa manao asa fanompoana.

Sahanasa fianarana azo atao

Inona ny torohevitra ho atolotrao?

Ireto rafi-tantara eo ambany ireto dia mifandray amin’ireo fitsipika roa izay nampianarina ao amin’ny fanomezan’ny Mpamonjy sakafo ireo vahoaka 5.000. Hevero ny hamantatra ny zavatra izay ilain’ireo mpianatra, ary farito raha ohatra ka tsara kokoa ny mianatra ny fitsipika iray miaraka amin’ny iray kilasy na, raha tsara kokoa ho an’ireo mpianatra ny mianatra fitsipika izay safidin’izy ireo manokana, na izany mandeha tsirairay na anaty vondrona kely. Saraho ireo torohevitra momba ny sahanasa fandalinana izay mifanaraka amin’ny rafi-tantara tsirairay.

Vakio ireto rafi-tantara roa manaraka ireto, ary misafidiana iray izay tianao hifantohana mandritra ny fandalinana ity lesona ity. Saintsaino ny zavatra azonao lazaina mba hanampiana an’i Rado na i Lala.

  1. I Rado namanao dia tena akaiky ilay rahalahiny izay maty tampoka vao haingana. Isaky ny nanandrana namangy an’i Rado ianao dia, milaza aminao hatrany izy fa tsy te hoelingelenina. Rehefa nanandrana im-betsaka ianao dia, nanaiky nampiditra anao ihany izy nony farany. Rehefa nanomboka nisokatra izy dia nilaza hoe: “Tena mafy tamiko iny zava-nanjo ahy iny. Ahoana ny fomba hahafahako miatrika izao zavatra izao?”

  2. I Lala namanao indray dia voaantso vao haingana ho filohan’ny Kilasin’ny Zatovovavy izay misy azy. Efa tena sahirana sahady tokoa izy, ary nahatsapa izy fa ireo zatovovavy hafa ao amin’ny kilasiny dia tia mandray olona kokoa ary afaka manao asa tsaratsara kokoa. Nizara ny olany taminao i Lala ary nilaza izy hoe: “Tsy azoko antoka hoe ho vitako izany.”

Mandritra ity lesona ity dia, tadiavo ireo fahamarinana afaka manampy olona iray izay miaina zavatra tahaka an’i Rado sy i Lala. Ny tena zava-dehibe dia ny fananana fotoana anaovana vavaka am-po amin’ny Ray any An-danitra mba hampahafantarany anao ireo fahamarinana izay afaka manampy anao sy ireo olon-tianao.Ny tantaran’i Jesoa tamin’ ny nanomezany sakafo ireo vahoaka 5.000 dia ahitana fitsipika izay afaka manampy antsika amin’ny karazana toe-javatra tahaka ireo. Alalino ny fizarana mifandray amn’ny rafi-tantara izay nosafidinao. Aorian’ny fandalinanao dia tokony hizara amin’ny hafa ny zavatra izay nianaranao ianao.

Ataovy printy ary zarao ireto taratasy zaraina manaraka ireto. Raha ilaina dia, mandehandehana eraky ny efitrano fianarana mba hanampy ireo mpianatra amin’ny fandalinana ataon’izy ireo.

Sary
Helping through difficult times handout
Sary
Handout on our Efforts

Rafi-tantara 1: Rado—Inona ny zavatra azoko atao ka afaka manampy ahy hiatrika ireo fotoan-tsarotra? ( Matio 14:13–23)

Ao amin’ny Matio 14:1–12 , dia nahafantatra isika fa notapahin’i Heroda ny lohan’i Jaona Mpanao batisa. Alaivo sary an-tsaina ny fihetseham-po izay mety ho nananan’i Jesoa rehefa nahare Izy fa novonoina ny namany sy ny rahalahiny.

Alalino ny zavatra izay nataon’ny Mpamonjy ao amin’ny Matio 14:13–23 , mba hitadiavana sy hanamarihana ny porofon’ity fitsipika ity: azontsika atao ny manaraka ny ohatra izay nataon’i Jesoa Kristy tamin’ny fanehoana fangorahana sy fanaovana asa fanompoana ho an’ny hafa na dia miaina zava-tsarotra aza isika.Mariho fa ny “tany foana” ( andininy 13) dia midika tany mitokana, ary ny “hanina” ( andininy 15) dia midika “sakafo.”

  • Inona ny zavatra izay hitanao ao amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo ka manohana io fitsipika io?

  • Inona ny zavatra nataon’i Jesoa taorian’ny nahafantarany fa novonoina i Jaona Mpanao batisa?

  • Ahoana ny fomba ahafahan’ny ohatry ny fanompoana tsy misy tambiny izay nataon’ny Tompo hanampy olona iray izay miatrika ady mafy?

Ny Loholona David A. Bednar ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nampianatra ny fomba ahafahantsika mampivelatra ny toetra tahaka ny an’i Kristy:

Sary
Elder David A. Bednar, Quorum of the Twelve Apostles official portrait. 2020.

Ny tena toetra marina dia miseho, ohatra, ao amin’ny hery ananana mba hamantatra ny fijalian’ny olona hafa rehefa mijaly ny tenantsika; ao amin’ny fahafahana mahatsapa ny hanohanan’ny hafa rehefa noana isika; ary ao amin’ny hery mba hanampy sy hahatsapa fangorahana amin’ny fijaliana ara-panahin’ireo olona hafa rehefa ao anatin’ny fijalian’ny tenantsika ara-panahy isika. Noho izany, ny toetra dia miseho amin’ny alalan’ny fijerena sy ny fanampiana, ny hafa raha toa kosa ny fihetsika ara-boajanahary sy asesiky ny sain’ny tena ka tsy mifantoka afa tsy amin’ireo olantsika sy ireo zava-tsarotra iainantsika manokana. …

… Azontsika olombelona atao tokoa ny miezaka amim-pahamarinana ny handray ireo fanomezam-pahasoavan’ny fanahy mifandray amin’ny fahafahana manolo-tanana ny hafa sy maneho ny fihetsika tokony haseho amin’ny olon-kafa izay miaina ilay olana na fahoriana mihitsy izay mitaona antsika saika eo no ho eo sy amin-kery.

Tsy afaka mahazo fahafahana hanao zavatra toy izany amin’ny alalan’ny finiavana fotsiny na fahavononan’ny tena manokana isika. Fa tsy maintsy miantehitra amin’ny “fahamendrehana, sy famindram-po, ary fahasoavan’ny Mesia Masina” ( 2 Nefia 2:8).

(David A. Bednar, dia nilaza tao amin’ny Sarah Jane Weaver, “Elder Bednar Addresses ‘the Character of Christ’ during 2019 Mission Leadership Seminar,” Church News, 9 jolay, 2019)

Rehefa miomana hizara ny zavatra izay nianaranao ianao dia saintsaino ireo zavatra izay efa niainanao tamin’ny fanaovana asa fanompoana ho an’ny hafa.

  • Nahoana araka ny hevitrao ny fanaovana asa fanompoana tahaka ny nataon’i Kristy no afaka manampy antsika mandritra ny ady sarotra izay atrehantsika?

Rafi-tantara 2: Lala—Moa ve ho ampy hanaovako ireo zavatra andrasan’ny Tompo amiko ireo ezaka izay ataoko? ( Jaona 6:5–14)

Rehefa nahita ireo vahoaka maro be nanatona azy ireo i Jesoa sy ireo mpianany dia natahotra fatratra ireo mpianatra fandrao tsy hanana sakafo ampy homena azy rehetra ireo izy ireo.

Alalino ny tantaran’i Jesoa tamin’ny nanomezany sakafo ireo vahoaka 5.000 ao amin’ny Jaona 6:5–14 , ka tadiavo sy mariho ny porofon’ity fitsipika ity: rehefa omentsika ny Mpamonjy izay rehetra ananantsika dia, afaka mampitombo ireo ezaka izay ataontsika Izy mba hafahantsika manatanteraka ireo tanjona izay napetrany.

  • Inona ny zavatra izay hitanao ao amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo ka manohana io fitsipika io?

  • Inona araka ny hevitrao ny zavatra tsapan’ireo mpianatra na ilay zatovolahy nanome izay rehetra nananany raha ampitahaina amin’izay nilain’izy ireo?

Vakio ity fanambarana manaraka izay nataon’i Rahavavy Michelle D. Craig, Mpanolotsaina Voalohany ao amin’ny Fiadidian’ny Zatovovavy maneran-tany ity:

Sary
Sister Michelle D. Craig, first counselor, Young Women general presidency. Official Portrait as of October 2018.

Efa nahatsapa ve ianareo fa kely loatra ny talenta sy fanomezam-pahasoavana nanananareo nanoloana ny asa izay niandry? Efa nahatsapa izany aho. Saingy izaho sy ianao dia afaka manome an’i Kristy izay ananantsika, dia Izy no hampitombo ny ezaka izay ataontsika. Izay zavatra omenao dia efa ampy—na dia eo aza ny tsy fahatanterahana sy fahalemenao amin’ny maha-olona anao—raha toa ianao ka miantehitra amin’ny fahasoavan’ Andriamanitra.

(Michelle D. Craig, “Tsy fahafaham-po araka an’ Andriamanitra,” Liahona, nôv. 2018, 54)

  • Inona avy ireo fomba samihafa ahafahantsika “manome izay ananantsika ho an’i Kristy”?

  • Inona ny zavatra nianaranao avy tamin’ity tantaran’i Jesoa ity tamin’ny nanomezany sakafo ireo vahoaka 5.000 ka afaka nanampy ny hafa izay manahy amin’ ny tsy fahampian’ izay azon’izy ireo omena?

Rehefa miomana hizara ny zavatra izay nianaranao ianao dia saintsaino ireo ohatra avy tamin’ny fiainanao na ny fiainan’olon-kafa rehefa avy nahita ny Mpamonjy nampitombo ny ezaka izay nataon’olona mba hanatanterahany ny asany ianao.Saintsaino ny fomba ahafahanao mampiasa ny ohatra izay nataon’i Jesoa tamin’ny nanomezany sakafo ireo vahoaka 5.000 mba hahafahanao manampy ny namanao amin’ny fanamby izay atrehany avy tamin’ny rafi-tantara izay nosafidianao.

Hevero ny hampiseho ireto torolalana manaraka ireto ary asao ireo mpianatra mba hizara ny valin-teniny amin’ireo namany.

  • Zarao ny zavatra izay tianao ho fantatr’izy ireo sy hotsapany momba an’i Jesoa Kristy.

  • Hazavao ny zavatra azon’izy ireo atao mba hanarahany ny ohatra izay nataon’ny Tompo sy ny fomba ahafahan’izy ireo mahazo ny heriny.

  • Ampidiro ao anatin’izany ny andian-teny iray avy ao anaty soratra masina na teny nambara iray izay nianaranao farafahakeliny.

  • Zarao ny zavatra izay efa niainanao manokana na fijoroana ho vavolombelona mba hanohanana ny hevitra izay ampianarinao.

Hevero ny mamarana ny taratasy amin’ny fizarana ny zavatra izay efa niainanao manokana sy ny fijoroana ho vavolombelona izay nataonao momba ny fiadanana azo avy amin’ny fanompoana ny hafa na ny fahafahan’ny Mpamonjy mampitombo ireo ezaka izay ataontsika amim-pinoana.

Fanazavana sy fampahalalana avy amin’ny zava-miseho

Firy ny isan’ireo vahoaka izay nomen’i Jesoa Kristy sakafo?

Ny lahatsoratra Grika mahakasika ny Marka 6:44 dia manazava tsara fa ny andian-teny hoe “dimy arivo lahy” dia midika fa vatan-dehilahy dimy arivo. Ny Matio 14:21 dia manamarina ity filazana izay tsy mamitaka ity hoe: “afa-tsy ny zaza amam-behivavy.”

(Testamenta Vaovao: Boky torolalana ho an’ny mpianatra [2014], 115)

Tamin’ny fotoana hafa dia nanome sakafo lehilahy 4000 niampy zaza amam-behivavy i Jesoa. (Jereo Matio 15:32–38 ; Marka 8:1–9 .)

Amin’ny fomba ahoana ny fanampiako ny hafa no afaka mampahery ahy?

Ny Filoha Henry B. Eyring ao amin’ny Fiadidiana Voalohany dia nilaza hoe:

Sary
Official Portrait of President Henry B. Eyring taken March 2018.

Tsy maintsy mahatsikaritra ny fisedrana mahazo ny hafa isika ary miezaka manampy azy ireo. Ho sarotra tokoa izany indrindra indrindra rehefa mahamay izay tsy izy ny fisedrana mahazo antsika. Saingy ho hitantsika fa rehefa milanja ny enta-mavesatry ny hafa isika, na dia kely fotsiny aza dia ho ampatanjahana ny lamosintsika ary hahatsapa fahazavana ao amin’ny haizina isika.

(Henry B. Eyring, “Notsapaina, nosedraina ary notefena,” Liahona,nôv. 2020, 98)

Tena afaka mampitombo ny ezaka ataoko marina tokoa ve i Jesoa?

Ny Loholona Jeffrey R. Holland ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nampianatra hoe:

Sary
Official Portrait of Elder Jeffrey R. Holland. Photographed January 2018.

Aza manahy momba ny fahafahan’i Kristy manampy anao. Ampy ny fahasoavany. Izany no lesona ara-panahy sy mandrakizay avy tamin’ny fanomezana sakafo ireo vahoaka 5.000.

(Jeffrey R. Holland, Trusting Jesus [2003], 73)

Sahanasa fianarana fanampiny

Ny fikatsahana ny hanao izay hahafaly ny hafa fa tsy ny fanaovana ny zavatra izay heverintsika fa marina dia mety hitarika amin’ny fanenenana

Hevero ny hanoratra eny amin’ny solaitrabe ilay fahamarinana nambara eto amin’ity lohateny ity. Asao ireo mpianatra mba hisaintsaina ireo toe-javatra izay tsy maintsy hisafidianan’ireo zatovo na fanaovana izay hahafaly ny hafa na fanaovana ny marina. Rehefa avy eo dia entano ireo mpianatra mba hamaky ny Marka 6:17–27 , mba hitadiavana ireo fanapaha-kevitra diso izay nataon’ny mpanjaka Heroda noho ny faniriany hanao izay hahafaly ny hafa. Rehefa avy nanao tatitra momba ny zavatra izay hitany ireo mpianatra, dia mametraha fanontaniana tahaka ity manaraka ity mba hanampiana azy ireo hahatakatra ny fahamarinana izay hita ao amin’ny lohateny.

  • Ahoana ny fomba nahitanao fa ny fanarahana ireo tsindry izay ataon’ny naman-dratsy dia mitarika amin’ny fanenenana?

  • Iza no olona hitanao fa ohatra tsara amin’ny fanarahana ny Mpamonjy rehefa niatrika ny fitarihan’ny naman-dratsy izy? Inona ny zavatra nianaranao avy tamin’ireo ohatra ireo?

  • Inona avy ireo fomba ahafahantsika mitodika amin’ny Mpamonjy rehefa terena hanao zavatra izay fantatsika fa tsy mety isika?

Ny fankasitrahana dia afaka manampy antsika hitovy kokoa amin’i Jesoa Kristy

Sariho ny fifantohan’ireo mpianatra ho ao amin’ny Jaona 6:11 . Ampio izy ireo mba hahita fa nanao fisaorana i Jesoa nialoha ny nizarany ireo mofo sy hazandrano. Asao ireo mpianatra hirakitra ireto fanambarana manaraka ireto eo akaikin’ny andininy 11 na ao anaty diary fandalinan’izy ireo:

“Ampahany iray tena ilaina ao anatin’ireo toetra rehetra tahaka ny an’i Kristy ny fankasitrahana!”

(Dieter F. Uchtdorf, “Mahay mankasitraka na inona na inona toe-javatra misy,” Liahona,mey 2014, 77)

  • Inona ny ohatra nataon’ny Mpamonjy izay nampianatra anao momba ny fankasitrahana?

  • Ahoana araka ny hevitrao no ahafahan’ny fankasitrahana mitarika mankany amin’ireo toetra hafa an’i Kristy?

Mampitombo ny fangorahana sy ny fahafoizan-tena tahaka ny an’i Kristy

Hevero ny hampiasa ireo horonantsary ireo mba hanehoana ireto fahamarinana manaraka ireto:

Afaka manaraka ny ohatra izay nataon’i Jesoa Kristy tamin’ny fanehoany fangorahana sy fanompoana ny hafa isika na dia miaina ny fahasarotantsika manokana aza.

Rehefa omentsika ny Mpamonjy izay rehetra ananantsika dia afaka mampitombo ireo ezaka izay ataontsika Izy mba hafahantsika manatanteraka ireo tanjona izay napetrany.

Hamoaka printy