Seminera
Matio 14:22–33


Matio 14:22–33

“Aza matahotra”

Sary
Jesus Christ depicted walking on the sea of Galilee toward a small fishing boat. The Apostles are in the fishing boat and are watching Christ walk toward them. There are storm clouds in the sky.

Nandeha teo ambony rano i Jesoa Kristy ary nanasa an’i Petera hanao toy izany koa. Rehefa nahita ny tafiodrivotra sy ny onja i Petera dia nanomboka nilentika ary niantso vonjy tamin’ny Mpamonjy. Ity lesona ity dia afaka manampy anao hanaraka ny ohatr’i Petera amin’ny fitodihana amin’ny Mpamonjy mandritra ny toe-javatra mampatahotra na manahirana.

Manome fotoana ho an’ireo mpianatra hamaliana. Na dia mahomby aza ny fanontaniana iray dia mety tsy hamaly avy hatrany ireo mpianatra indraindray. Aza misalasala manome fotoana ho an’ny mpianatra hieritreretana momba ilay fanontaniana. Indraindray ny mpianatra dia mila fotoana hieritreretana ny fanontaniana napetraka tamin’izy ireo sy ny fomba ahafahany mamaly izany. Ny fieritreretana toy izany dia manamora ny fampianarana amin’ny alalan’ny fitarihan’ny Fanahy Masina.

Fanomana ny mpianatra: Entano ireo mpianatra mba hisaintsaina ireto fanontaniana manaraka ireto avy ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy: “Inona no mety nitaona an’i Petera hiala an’ilay sambony izay azo antoka teny afovoan’ny Ranomasin’i Galilia nandritra nytafio-drivotra mafy iray? Inona no nitarika azy hino fa raha afaka nandeha teny ambony rano i Jesoa dia ho afaka hanao izany koa izy?” (“27 martsa–2 aprily. Matio 14; Marka 6; Jaona 5–6: -Aza matahotra-” Avia, hanaraka ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: Testamenta Vaovao 2023).

Sahanasa fianarana azo atao

I Jesoa dia afaka mampitony antsika mandritra ny tafiodrivotry ny fiainana

Ity lesona ity dia mamporisika ireo mpianatra hitodika amin’i Jesoa Kristy hahazoana fiadanana sy fiarovana mandritra ny fotoam-pahoriana. Ao amin’ny lesona fanombatombanana manaraka, ny mpianatra dia asaina hamantatra ny fivoarana vitany amin’ny fitadiavana fiadanana ao amin’i Kristy mandritra ireo fotoana ireo. Mariho fa misy hevitra maro ao amin’ny fizarana “Sahanasa fianarana fanampiny” izay azo ampiasaina amin’ ity lesona ity. Safidio ireo sahanasa izay sahaza indrindra ho an’ny mpianatra.

Sary
Jesus Christ depicted walking on the water of the Sea of Galilee. The Apostle Peter is in the water. Christ is extending His hand to Peter to prevent Peter from sinking.

Soraty eo amin’ny solaitrabe ity teny notsongaina manaraka avy ao amin’ny Matio 14:30 ity ary asehoy ity sary ity raha mbola eo am-pifanakalozana hevitra momba ny fanontaniana manaraka ny mpianatra.

Ity sary ity dia mampiseho ny fotoana mampihorohoro teo amin’ny fiainan’ny Apôstôly Petera. Milaza ny Matio 14:30 hoe: “Natahotra i [Petera], ary raha vao nilentika izy, dia niantso hoe: Tompo ô, vonjeo aho.”

  • Inona avy ireo toe-javatra amin’izao andro ankehitriny izao ka mety mahatonga ny tanora hahatsapa toa an’i Petera?

Asao ny mpianatra hisaintsaina mangina ity fanontaniana manaraka ity.

  • Misy ve ny toe-javatra eo amin’ny fiainanao ka mahatonga anao mahatsapa tahotra na mahatsapa ho milentika?

Saintsaino fotoana fohy hoe aiza na amin’iza no hitodihanao hahazoana fanampiana sy fiadanana rehefa mahatsapa toy izany ianao.Rehefa avy namahana tamin’ny fomba mahagaga ny olona mihoatra ny dimy arivo i Jesoa Kristy dia nangataka ny mpianany Izy “mba hiondrana an-tsambokely sy hialoha Azy ho eny am-pitan’ny” Ranomasin’i Galilia ( Matio 14:22).

Vakio ny Matio 14:23–33 , ka tadiavo ireo fahamarinana momba ny Mpamonjy izay afaka manampy anao hitodika Aminy rehefa mahatsapa tahotra ianao na mahatsapa ho milentika. Henoy ireo eritreritra sy fahatsapana avy amin’ny Fanahy Masina. Afaka manampy anao Izy hahafantatra ny fomba hampiharana ireo fahamarinana ireo amin’ny zavatra iainanao amin’ny fiainana. Soraty ao amin’ny diary fandalinanao na ao amin’ny soratra masinao ireo fahamarinana hitanao. (Fanamarihana: Ny “fiambenana fahefatra” dia teo anelanelan’ny tamin’ny 3:00 maraina sy 6:00 maraina)

Rehefa avy nomena fotoana ampy hanoratany ireo mpianatra dia asao izy ireo hanoratra ireo fahamarinana nianarany eny amin’ny solaitrabe. Raha ilaina dia mametraha fanontaniana toy ireto manaraka ireto hanampiana ireo mpianatra hanohy handinika sy hianatra avy amin’ity tantara ity.

  • Inona avy ireo fahamarinana nianaranao avy amin’ity tantara ity?

  • Inona no nifantohan’ i Petera raha nijanona teo ambonin’ny rano izy? Inona no nahatonga azy hilentika?

  • Inona no zavatra nianaranao momba an’i Jesoa Kristy izay mety hanampy anao hitodika Aminy rehefa mahatsapa tahotra na tototry ny zava-manahirana?

Ity sahanasa manaraka ity dia natao hanampiana ireo mpianatra hahatakatra ny fomba ahafahan’ny fifantohana amin’i Jesoa Kristy manampy azy ireo amin’ny olany. Arakaraka ny zavatra ilain’ny mpianatra, ny fahamarinana samihafa avy amin’ity tantara ity dia azo ifantohana ihany koa.

Azon’ny iray kilasy atao miaraka ity fampiasana eto ambany ity amin’ny fampiasana ireto fanitsiana manaraka ireto:

Mametraha sarin’i Jesoa Kristy eo amin’ny ilany amin’ny efitrano. Asao ny mpianatra hanoratra amin’ny taratasy ny zavatra izay tsapany fa manahirana ary hametraka izany eny amin’ny andaniny aminny efitrano. Avy eo dia asao izy ireo hanova ny fifantohany miainga eo amin’ny ilany amin’ilay efitrano mankany amin’ny andaniny araky ny sosokevitra ao amin’ilay sahanasa etsy ambany.

Mifantoha amin’ny Mpamonjy

Ny ohatr’i Petera dia mampianatra antsika amin’izay zavatra tokony hifantohantsika. Tsarovy izay niseho tamin’i Petera rehefa nifantoka tamin’i Jesoa Kristy izy ary ny zava-nitranga taminy rehefa nanova ny fifantohany tamin’ny tafiotra manodidina azy (jereo ny andininy 28–31). Soraty amin’ny taratasy ny zavatra iray teo amin’ny fiainanao na ny hoavinao izay mety tsapanao fa mavesatra aminao. Apetraho eo ankavianao io taratasy io. Apetraho eo ankavananao indray izao ny sarin’i Jesoa Kristy na ny zavatra hafa izay mampatsiahy anao momba Azy. Ampifandimbiaso ifantohan’ny eritreritrao sy ny masonao ilay toe-javatra manahirana ary avy eo amin’ilay sarin’i Jesoa Kristy.

  • Manampy anao amin’ny fomba ahoana ny fifantohana amin’ny finoanao an’i Jesoa Kristy sy ny heriny ary ny fitiavany anao mandritra ny toe-javatra sarotra?

  • Inona avy ireo fomba sasany afahana mifantoka amin’ny Mpamonjy mandritra ny olana?

Sary
Jesus Christ depicted walking on the water of the Sea of Galilee. The Apostle Peter is in the water. Christ is extending His hand to Peter to prevent Peter from sinking.

Azonao atao ny mizara ny zavatra niainanao manokana rehefa nanatona an’ Andriamanitra tamim-bavaka mba hahazoana hery sy fanampiana avy amin’ny Mpamonjy mandritra ny fotoan-tsarotra. Asao ny mpianatra hizara ny zavatra niainany ihany koa izay vonona. Rehefa mizara izany ny mpianatra dia anontanio ny zavatra nataon’izy ireo rehefa nitady fanampiana nandritra ireny fotoana ireny.

Hamaranana ity lesona ity dia soraty ireo fahatsapana azonao. Inona no nianaranao momba an’i Jesoa Kristy sy ny antony tokony hitodihantsika Aminy rehefa milentika isika? Inona no kasainao hatao mba hanatonana Azy?

Fanazavana sy fampahalalana avy amin’ny zava-miseho

Ahoana no mety ho fiovan’ny fiainantsika rehefa mifantoka amin’i Jesoa Kristy isika?

Ny Filoha Howard W. Hunter (1907–95) dia nampianatra hoe:

Sary
Howard W. Hunter

Inoako mafy tokoa fa raha toa ka hibanjina an’i Jesoa, tahaka ny nataon’i Petera isika amin’ny maha-olon-tokana sy fianakaviana, fiarahamonina, ary firenena antsika, dia ho afaka handresy ny “onja mitelin’ny tsy finoana” koa isika ka hijanona “tsy ho raiki-tahotra ao anatin’ny tafio-drivotra maherin’ny fanahiana.” Fa raha toa ka tsy mijery an’ilay tokony inoantsika anefa isika, izay tena mora ny manao izany ary halaim-panahy hanao izany tokoa izao tontolo izao, raha toa ka mijery ny fahefana sy fisafotofotoan’ireny singa mampatahotra sy manimba manodidina antsika ireny isika fa tsy ilay afaka manampy sy mamonjy antsika, dia tsy azo ihodivirana ny tsy maintsy hilentehantsika ao amin’ny ranomasin’ny fifanoherana sy alahelo ary fahakiviana.

(Howard W. Hunter, “The Beacon in the Harbor of Peace,” Ensign, Nov. 1992, 19)

Matio 14:27 . Ahoana no ahafahantsika “matoky” rehefa miatrika zava-tsarotra?

Ny Loholona Ronald A. Rasband ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nanazava fa:

Sary
Howard W. Hunter

Tsy afaka “matoky” [ Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 68:6 ] isika raha tototry ny tahotra. Ireo zavatra roa ireo—fahatokiana sy tahotra—dia tsy afaka ny samy ho ao anatintsika. …

Ny hoe matokia dia ny matoky an’i [Jesoa Kristy] rehefa tsy mandeha araka ny drafitra nataontsika izay nokasaintsika. Izany dia midika hoe mandroso rehefa manova ny fiainantsika ireo toe-javatra mitranga tsy ampoizina, rehefa mandrava ireo nofintsika ny loza sy fitsapana. Kanefa ny Tompo dia mampahatsiahy antsika hoe: “Ao amin’izao tontolo izao dia tsy feno ny fifalianareo, fa ao Amiko dia feno ny fifalianareo.” [ Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 101:36 ].

(Ronald A. Rasband, “I Jesoa Kristy no vahaolana,” [takariva hiarahana amin’ny Manampahefana Ambony, Feb. 8, 2019], 1–2)

Amin’ny fomba ahoana no mahatonga ny tahotra hahatonga antsika tsy hahazo ireo fitahiana izay atolotry ny Mpamonjy?

Ny Loholona Jeffrey R. Holland ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nizara izao teny manaraka izao:

Sary
Official Portrait of Elder Jeffrey R. Holland. Photographed January 2018.

Ity tantara ao amin’ny soratra masina ity dia mampahatsiahy antsika fa ny dingana voalohany amin’ny fanatonana an’i Kristy—na ny fanatonany antsika—dia mety hahatonga antsika ho heniky ny zavatra izay tena mitovy amin’ny horohoro lehibe. Tsy tokony ho izany, kanefa toy izany ihany indraindray. Iray amin’ireo zavatra mahatsikaiky indrindra ao amin’ny filazantsara ny hoe ny loharanom-panampiana sy fiarovana indrindra izay atolotra antsika no zavatra izay mety hitsoahantsika amin’ny maha-tsy mahataka-davitra antsika olombelona. Na inona na inona ny antony dia nahita naman’ny fiangonana izay nitsoaka ny batisa aho, nahita loholona nitsoaka ny antso ho misiônera, nahita olon-tiana nitsoaka ny fanambadiana, ary nahita mpivady vao nitsoaka satria natahotra ny hanana fianakaviana sy natahotra ny ho avy. Matetika loatra ny maro amintsika no mitsoaka ireo zavatra izay hitahy antsika sy hanavotra antsika ary hampatanjaka antsika ara-pihetseham-po. Matetika loatra isika no mahita ny fanoloran-tena ho amin’ny filazantsara sy ny didy ho zavatra atahorana ary avy eo afoy.

(Jeffrey R. Holland, “Come unto Me” [Fivoriam-bavaka tao amin’ny Oniversite Brigham Young, 2 Martsa, 1997], 8, speeches.byu.edu)

Sahanasa fianarana fanampiny

Fitoviana amin’ny drafitry ny famonjena

Ny zavatra niainan’i Petera tamin’ny fandaozana ny sambo, nitady fanampiana, sy ny nitondran’ny Mpamonjy azy niverina soa aman-tsara dia afaka mampianatra antsika momba ny diantsika ety an-tany sy ny drafitry ny famonjena. Apetraho amin’ny mpianatra ireto fanontaniana manaraka ireto: Inona ireo fitoviana hitanao eo amin’ity tantara ity sy ny drafitry ny famonjena? Inona no ianaranao momba ny asa nanirahana an’i Jesoa Kristy rehefa mijery ilay tantara amin’izany fomba izany?

Matio 14:27 . “Izaho ihany; aza matahotra”

Asao ny mpianatra hanao ny lisitry ny fanampiana natolotry ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy kanefa alavirin’ny olona indraindray noho ny tahotra. Mety ho tafiditra ao anatin’izany ireo zavatra toy ny mivavaka, mitafatafa amin’ny eveka, manao asa fitoriana, manaiky antso, na manambady. Ampio ny mpianatra hifantoka amin’ny fanoloran’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy izany fanampiana izany ho azy ireo. Tsy misy tokony atahorana amin’ny fanatonana Azy Ireo na amin’ny fandraisana izay atolotr’Izy Ireo ho antsika. Azonao atao ny mampiseho ny teny avy amin’ny lahateny nataon’ny Loholona Jeffrey R. Holland “Come unto Me,” hita ao amin’ny fizarana “Fanazavana sy fampahalalana ny zava-miseho” ato amin’ity lesona ity, mba hanampiana amin’ity fifanakalozana hevitra ity.

Antsipiriany fanampiny ao amin’ny Marka sy Jaona

Mazàna ireo mpanoratra samihafa ny Filazantsara dia nizara ny antsipiriany miavaka momba ny tantara iray mitovy. Noho izany, ny famakiana ireo fomba fijery samihafa mikasika ny Filazantsara dia afaka manampy antsika hianatra bebe kokoa momba an’i Jesoa Kristy rehefa mandalina ny Testamenta Vaovao isika. Ohatra, ny antsipiriany iray ianarantsika ao amin’ny Jaona 6:16–19 dia hoe talohan’ny nanatonan’ny Mpamonjy ireo mpianatra, dia tsy nahafaka afa tsy 25 na 30 stadio fotsiny ihany ilay sambokelin’izy ireo nohon’ilay tafio-drivotra (izany hoe eo ho eo amin’ny 5 ka hatramin’ny 6 kilometatra eo ho eo) izay eo amin’ny 70 isan-jaton’ny dian’izy ireo, rehefa niasa saika nandritra ny alina manontolo (jereo ny Marka 6:48).

Soraty eny amin’ny solaitrabe ny Marka 6:47–51 sy ny Jaona 6:19–21 , ary entano ireo mpianatra hikaroka ireo antsipiriany ao amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo izay tsy hita anatin’ny fitantaràn’i Matio sy hizara ireo zavatra izay nianarany momba ny Mpamonjy avy tamin’ireo antsipiriany fanampiny ireo.

Matio 14:27 . “Matokia”

Sariho ny sain’ny mpianatra hifantoka amin’ny fomba nanasan’ny Mpamonjy ny mpianany mba hatoky ( Matio 14:27) na dia tao anatin’ny toe-javatra sarotra aza izy ireo. Asao ny mpianatra hikaroka andinin-tsoratra masina hafa izay anasan’ny Mpamonjy antsika mba hatoky. Ifanakalozy hevitra ireo fomba ahafahantsika ny ho matoky, na dia ao anatin’ny toe-javatra sarotra aza.

Hamoaka printy