Seminera
Matio 14; Marka 6; Jaona 5–6


Matio 14; Marka 6; Jaona 5–6

Topimaso

Namahana vahoaka dimy arivo tamin’ny mofo dimy sy hazandrano roa ny Mpamonjy. Maro ny olona nitady Azy mba hahazo sakafo bebe kokoa. Nandeha tambony rano nanatona ny sambokelin’ireo mpianatra i Jesoa tamin’ny fotoana iray nisy tafio-drivotra. Nanasa an’i Petera Izy mba handeha eny ambony rano koa ary namonjy an’i Petera mba tsy hilentika rehefa nisalasala izy. Nampianatra ny toriteny momba ny Mofon’aina ny Mpamonjy. Nanontaniany ireo mpianany raha handao Azy izy ireo, toy ny efa nataon’ny mpanara-dia Azy sasany. Nijoro ho vavolombelona i Petera fa manana ny tenin’ny fiainana mandrakizay i Jesoa.

Miomàna hampianatra

Ireto fampahalalana manaraka ireto dia manoro hevitra ireo mpampianatra mahakasika ny zavatra izay mety ilain’izy ireo omanina mialoha ho an’ny lesona tsirairay.

Matio 14:13–23; Jaona 6:5–14

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia afaka manampy ireo mpianatra hahay hangoraka bebe kokoa sy mba tsy ho tia tena tahaka an’i Jesoa Kristy. Afaka manampy azy ireo hanana fahatokisana bebe kokoa izany fa hoe noho ny amin’i Jesoa Kristy dia ampy ireo fanati-panetrentena izay atolotr’izy ireo. 

  • Fanomanana ny mpianatra: Asao ireo mpianatra mba hivavaka ho an’ny fahafahana hanompo olona iray sy hikatsaka izany mialoha ny fotoam-pianarana manaraka. Amporisiho izy ireo mba hihaino tsara ny fahatsapana ananany rehefa manao asa fanompoana.

  • Taratasy zaraina: Omano mialoha ny fotoam-pianarana ny taratasy zaraina miaraka amin’ireo rafi-tantara roa samihafa.

  • Soso-kevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalan’ny vidéo conférence: Hevero ny hamorona salle de discussion anankiroa ho an’ireo rafi-tantara roa samihafa ireo. Avelao ireo mpianatra hisafidy ny salle de discussion izay tian’izy ireo handraisana anjara. Tsidiho ny salle de discussion tsirairay, ary ampio ireo mpianatra amin’ny fifanakalozan-kevitra izay ataon’izy ireo.

Matio 14:22–33

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia afaka manampy ireo mpianatra hanaraka ny ohatra izay nataon’i Petera tamin’ny fitodihana amin’ny Mpamonjy rehefa misy toe-javatra mampatahotra na manahirana.

  • Fanomana ny mpianatra: Entano ireo mpianatra mba hisaintsaina ireto fanontaniana manaraka ireto avy ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy: “Inona no mety nitaona an’i Petera hiala an’ilay sambony izay azo antoka teny afovoan’ny Ranomasin’i Galilia nandritra nytafio-drivotra mafy iray? Inona no nitarika azy hino fa raha afaka nandeha teny ambony rano i Jesoa dia ho afaka hanao izany koa izy?” (“27 Martsa 27–2 Aprily. Matio 14; Marka 6; Jaona 5–6: -Aza matahotra,-” Avia, Hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: Testamenta Vaovao 2023).

  • Soso-kevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalan’ny vidéo conférence: Hevero ny hanasa ireo mpianatra hitady ny sary tian’izy ireo indrindra ahita an’ Petera sy ny Mpamonjy nandeha teny ambony rano. Aorian’izany dia avelao ireo mpianatra hizara ny efijerin’izy ireo mba hanondro ireo antsipiriany amin’ilay sary izay nosafidian’izy ireo ary hizara ny zavatra izay nianaran’izy ireo avy tamin’ilay tantara tao amin’ny soratra masina.

Jaona 6:22-58

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia hanampy ireo mpianatra hahita fomba tsara hahafany manatona ny Mpamonjy mba hahafahany mameno ny filan’izy ara-panahy.

  • Fanomanana ny mpianatra: Asao ireo mpianatra mba hisaintsaina ny fomba izay itovian’i Jesoa Kristy amin’ny mofo ary ho vonona hizara ny fomba fijerin’izy ireo.

  • Lesona ampiasan-javatra: Azonao atao ny mitondra mofo hohanin’ireo mpianatra mialoha ny hanombohana ny lesona.

  • Soso-kevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalan’ny vidéo conférence: Hevero ny hanasa ny mpianatra hitondra mofo avy any an-tranony mba hampiasaina amin’ny sahanasa voalohany amin’ilay lesona.

Jaona 6:60–71

Tanjon’ny lesona : ity lesona ity dia hanampy ireo mpianatra hitoetra ho marina amin’ny fanoloran-tena n’izy ireo amin’ny fanarahana an’i Jesoa Kristy, na dia mety tsy hisafidy ny hanaraka Azy aza ny hafa.

  • Fanomanana ny mpianatra: Asao ireo mpianatra mba hisaintsaina ireo fitahiana izay azon’izy ireo avy tamin’ny fandraisany anjara tao amin’Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany.

  • Soso-kevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalan’ny vidéo conférence: Hevero ny hanasana ireo mpianatra mba haka olona anankiray avy ao amin’ny fianakaviany na namana izay nisafidy hatrany ny hanompo tao am-piangonana na dia tsy nisafidy ny hizara ireo zavatra izay niainany sy ny fijoroana ho vavolombelona ananany nataony aza ny hafa izay manodidina azy ireo.

Famerenana ny fifehezana fotopampianarana 5

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia hanampy ireo mpianatra hitadidy ireo andinin-tsoratra masina sy ireo andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina ho an’ireo andinin-tsoratra masina fehezina mirakitra fotopampianarana.

  • Fanomanana ny mpianatra: Asao ireo mpianatra hisaintsaina ireo andinin-tsoratra fehezina mirakitra fotopampianarana izay nitarika azy ireo hanana fanantenana ao amin’i Kristy.

  • Fitaovana ho an’ireo mpianatra: taratasy, fitaovam-panoratana, ary hety

  • Soso-kevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalan’ny vidéo conférence: Hevero ny hanomana famelabelaran-kevitra momba ireo teny sy ireo andian-teny samihafa avy ao amin’ny andinin-tsoratra masina fehezina mirakitra fotopampianarana ary ataovy ho toy ny lalao an-jotra atao mivantana izany.

Hamoaka printy