Seminera
Tombano ny fianaranao 3


Tombano ny fianaranao 3

Matio 8–13; Marka 2–5; Lioka 7–9; 11; 13

Sary
Mendoza, Argentina. A group of young men and young women attend an early morning seminary class.

Ity lesona ity dia natao hanampiana anao hanao tombatombana ireo tanjona izay napetrakao sy ny fianarana izay nataonao ary ny fivoarana izay azonao manokana tamin’ny fianaranao ny Testamenta Vaovao nandritra ity taona ity.

Sahanasa fianarana azo atao

Saintsaino ny momba ny fivoaranao vao haingana

Omeo fotoana ny mpianatra hieritreretany ny fivoarany ara-panahy . Fomba iray ahafahana manao izany ny fampisehoana ireto fanontaniana manaraka ireto sy ny fanomezana azy ireo fotoana hiraketana ny hevitr’izy ireo sy ny valin-teniny ao anaty diary fandalinan’izy ireo.

Iray amin’ireo tanjon’ny seminera ny hanampy anao hanatona an’i Jesoa Kristy sy ho tonga mpianany. Makà fotoana hisaintsainanao ny fivoaranao ara-panahy vao haingana. Afaka manoro lalana anao ireto fanontaniana manaraka ireto. Hevero ny hirakitra ao anaty diary fandalinanao ireo valin-teninao amin’ireto fanontaniana ireto.

  • Inona ny fiovana iray izay nisy tamin’ny fiainanao vao haingana ka nahatonga anao hanakaiky kokoa an’i Jesoa Kristy?

  • Inona ny zavatra nianaranao momba ny Mpamonjy tamin’ny fandalinana izay nataonao vao haingana ka nanan-danja taminao manokana?

  • Tamin’ny fomba ahoana no nahatsapanao fa lasa nihanitovy kokoa an’i Jesoa Kristy ianao?

Rehefa avy nieritreritra ireo fivoarany ara-panahy ireo mpianatra dia asao izy ireo hizara ny hevitr’izy ireo sasany amin’ny iray kilasy.

Ireto sahanasa manaraka ireto dia natao hanampiana ireo mpianatra hanao tombatombana ny fianarany sy ny fivoarany. Ampiasao ireto sahanasa ireto, na hevero ny hampiasa ireo sahanasa hafa izay hitanao fa mety hamaly kokoa ny zavatra ilain’ireo mpianatra.

Tombatombano ny fahaizanao manakatra ny soratra masina

Nandritra ny seminera izay natao tamin’ity taona ity dia nampianarina fahaiza-manao isan-karazany ianao mba hanampiana anao hahatakatra bebe kokoa ny soratra masina. Ny sasany amin’ireo fahaiza-manao ireo, toy ny famaritana ireo teny sarotra ohatra, dia mety nanampy anao hahatakatra bebe kokoa ny fomba fiteny izay ampiasaina ao anaty soratra masina. Ireo fahaiza-manao hafa, tahaka ny lamina ahitana dingana efatra ahafahana mahatakatra ireo tandindona izay nampiasaina tamin’ireo fanoharana dia mety nanampy anao hahatakatra bebe kokoa ireo hafatra izay fonosin’ny soratra masina.

Ity fanadihadiana manaraka ity dia fomba iray ahafahana manampy ireo mpianatra hieritreritra ny zavatra izay nataon’izy ireo hampitomboana ny fahaizany manakatra ny soratra masina. Fomba iray hafa faharoa azo atao dia ny mitarika fifanakalozan-kevitra miaraka amin’ny iray kilasy momba ireo zavatra izay mandeha tsara eo amin’ny fandalinan’izy ireo manokana ny soratra masina sy ireo olana izay mbola atrehan’izy ireo. Ary ny fomba iray fahatelo azo atao dia ny fanomezana fotoana ireo mpianatra mba haneho ny fomba fampiasan’izy ireo ny fahaiza-manao izay nanampy azy ireo.

  • Ampiasao ny isa 0 ka hatramin’ny 5, ahitana hoe hatraiza ny nahafahan’ny fandalinanao ireo fahaiza-manao ireo nanampy anao hahatakatra bebe kokoa ny soratra masina?

0. Tsy nampiasa io fahaiza-manao io aho.

1. Tsy nisy

2. Kely

3. Eo ho eo ihany

4. Kelikely

5. Tena nanampy be mihitsy

______ Fitadiavana ireo fitsipika

______ Fahatakarana ireo tandindona sy sarin-teny (ao anatin’ireo fanoharana izay nataon’ny Mpamonjy, ohatra)

______ Fametrahana marika (ao amin’ny Bibliothèque de l’Evangile), fanasiana marika, fanipihana, sns

______ Firaketana ireo hevitra na fahatsapana rehefa mandalina ianao

______ Fampitohizana (ao amin’ny Bibliothèque de l’Evangile) na fampifandraisana ireo andinin-tsoratra masina

______ Fandalinana fomba fijery maro isan-karazany (ohatra, fandalinana tantara anankiray mitovy avy amin’ny fomba fijery samihafa)

______ Fijerena soratra masina

  • Inona avy ireo fahaiza-manao hafa izay efa nandramanao ka hanampianao an’io lisitra io?

  • Tamin’ny fomba ahoana no nahafahan’ny fampiharana ny fahaiza-mandalina soratra masina nanampy anao hahafantatra bebe kokoa an’i Jesoa Kristy sy hahatakatra ireo fampianarany?

Hazavao ny anjara asa fototr’ireo mpaminany sy apôstôly ao amin’ny Fiangonan’ny Mpamonjy

Vao tsy ela akory izay dia, nianatra momba ny fomba niantsoan’ny Mpamonjy ireo Apôstôly Roambinifolo ho anisan’ny fananganana ny Fiangonany ianao (jereo Matio 10).

Mba ho solon’ny fanehoana ity rafi-tantara manaraka ity dia hevero ny hampiseho ny iray amin’ireo zavatra izay nozarain’ny Loholona Jeffrey R. Holland ao amin’ny “De nouveau des prophètes dans le pays,” izay hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org, miainga eo amin’ny kaodim-potoana 0:00 ka hatramin’ny faha 2:28. Rehefa avy nijery ilay horonantsary ny mpianatra dia apetraho ireto fanontaniana manaraka ireto.

Alaivo sary an-tsaina hoe manana namana iray nianatra momba ny Fiangonana ianao ary maniry ny hahafantatra bebe kokoa momba ny anjara asan’ireo mpaminany sy apôstôly ao amin’ny Fiangonan’ny Mpamonjy amin’izao andro iainantsika izao izy. Eritrereto hoe nametraka ireto fanontaniana manaraka ireto ilay namanao. Manomàna valin-teny izay harosonao ny namanao. Mety hanampy ny fampidirana ireo fahamarinana izay voalaza ao amin’ny Matio 10 anatin’ny valin-teninao.

Mety hanampy ny hanasana ireo mpianatra hiara-hiasa amin’ny namany rehefa manomana ny valin-teniny izy ireo. Avy eo ireo mpinamana dia azo asaina mifandimby mizara ny valin-tenin’izy ireo amin’ireo vondrona hafa toy ireny milalao tantara an-tsehatra ireny.

  • Nahoana ny Mpamonjy no miantso Apôstôly?

  • Nahoana isika no mila Apôstôly velona ankehitriny?

Tombatombano ny fomba fampiharana finoana an’i Jesoa Kristy mba hibebahana amin’ny fahotana izay vitanao

Mety efa nahita ity sary ity tamin’ny lesona teo aloha angamba ianao. Manokana fotoana kely mba hisaintsainana ny toerana izay mety hametrahanao ny tenanao amin’ity kisary ity androany. Saintsaino hoe hatraiza ny fanakaikezanao ny Tompo ary mankaiza ny lalana izoranao.

Sary
Shows two stick figures, one going toward Christ, the other going away from Christ

Rehefa nandalina ny Testamenta Vaovao ianao dia mety efa nahatsapa ho nahazo aingam-panahy hanakaiky kokoa an’i Jesoa Kristy tamin’ny fampiharana ny finoana Azy sy ny fibebahana amin’ireo fahotana izay vitanao. Raha toa ka mitondra makamin’ny fahatsapana tsy mahafinaritra ny fibebahana indraindray, ny finoana an’i Jesoa Kristy sy ny fibebahana amin-kitsim-po kosa dia manampy antsika handresy ireo tahotra ireo.

Ny Loholona Dale G. Renlund ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nizara ny zavatra niainany izay maneho ireo fitahiana azontsika raisina avy amin’ny Mpamonjy raha toa ka mibebaka amin’ny fahotantsika isika. Hevero ny hijery ny horonantsary “Fibebahana: Safidy mahafaly (4:36), izay hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org. Rehefa mijery an’ilay horonantsary ianao, dia saintsaino ireo fitahiana izay efa noraisinao tamin’ny alalan’ny fibebahana.

Sary
Shows two stick figures, one going toward Christ, the other going away from Christ

Raha toa ka tsy nampianarina ny lesona ao amin’ny Lioka 7:36–50 dia hevero ny hampifanaraka ity votoatin-kevitra manaraka ity amin’ny fomba izay hanampy ireo mpianatra hisaintsaina ireo ezaka izay nataon’izy ireo amin’ny fampiasana ny finoany an’i Jesoa Kristy sy ny fibebahana amin’ireo fahotana izay nataon’izy ireo.

Raha toa ianao ka nandray anjara tamin’ny lesona amin’ny Lioka 7:36–50 , dia mety tadidinao fa nasaina nanao drafitra ianao mba hampitomboana ny fitiavanao ny Mpamonjy amin’ny alalan’ny fibebahana amin’ireo fahotana izay vitanao. Tamin’io lesona io ianao dia nasaina namaly ireto fanontaniana manaraka ireto tao anatin’ny diary fandalinanao:

  • Inona no zavatra iray tokony hatsahatrao mba hahafahanao manakaiky kokoa ny Mpamonjy? Ahoana ny fomba hanajanonao izany?

  • Inona no zavatra iray tokony hatombokao mba hahafahanao manakaiky kokoa ny Mpamonjy? Ahoana ny fomba hanombohanao izany?

Raha azo atao dia, avereno jerena ao anatin’ny diary fandalinanao io resaka io mba hahitanao ny fomba namalianao ireo fanontaniana roa ireo. Saintsaino ny fivoarana misy aminao manoloana ireo tanjona izay napetrakao ireo. Afaka manoro lalana anao ireto fanontaniana manaraka ireto.

Hevero ny hampiseho ireo mpianatra ireto fanontaniana telo manaraka ireto mba hahafahany hamaly izany manokana ao anatin’ny diary fandalinan’izy ireo. Ireto fanontaniana ireto dia tsy natao hifampiresahana amin’ny hafa.

  • Inona avy ireo sakana izay natrehanao na inona ny fivoarana izay nisy taminao teo am-piezahanao hiova sy hanakaiky kokoa an’ i Jesoa Kristy?

  • Ahoana ny fomba nanampian’ny Tompo anao?

  • Miainga amin’ny fivoarana izay misy aminao vao haingana dia inona araka ny hevitrao ny dingana manaraka izay tokony hataonao?

Rehefa avy nomena fotoana ampy ireo mpianatra hamaly ilay fanontaniana napetraka teo aloha dia, manaova fifanakalozan-kevitra ankapobeny momba ny fibebahana. Aza hadinoina ny mamporisika ireo mpianatra mba tsy hizara zavatra mahakasika azy ireo manokana mandritra ny fifanakalozan-kevitra izay atao. Hevero ny hampiasa fanontaniana toy ireto manaraka ireto:

  • Inona avy ireo fanontaniana izay mbola manitikitika anao momba ny fibebahana?

  • Ahoana ny fomba nahafahan’ny safidinao hibebaka nanampy anao hitombo ara-panahy sy handray fifaliana?

  • Nahatsapa ny fitiavan’ny Mpamonjy ve ianao rehefa niezaka nibebaka na niova?

Mijoroa vavolombelona fa afaka mahatsapa ny fitiavan’ny Mpamonjy isika rehefa mibebaka amin’ny fo madio sy am-panetrentena, ary amporisiho ireo mpianatra mba hampihatra ny finoany an’ny Mpamonjy sy hibebaka.

Hamoaka printy