Seminera
Matio 13; Lioka 8; 13


Matio 13; Lioka 8; 13

Topimaso

Mandritra ity herinandro ity dia hanana fotoana ahafahana hianatra ireo fanoharana izay nataon’ny Mpamonjy sasantsasany ianao, ho tafiditra anatin’izany ny fanoharana momba ny mpamafy voa sy ny fanoharana momba ny vary sy ny tsimparifary. Ny fianarana ireo fanoharana izay nataon’ny Mpamonjy dia afaka manampy anao hianatra ireo fahamarinana ara-panahy sy hahatsapa bebe kokoa ny fitiavan’i Jesoa Kristy.

Miomàna hampianatra

Ireto fampahalalana manaraka ireto dia manoro hevitra ireo mpampianatra mahakasika ny zavatra izay mety ilain’izy ireo omanina mialoha ho an’ny lesona tsirairay.

Matio 13

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia hanome fahafahana ny mpianatra handalina ireo fanoharana sy hitady ny hevitra ara-panahin’izany, ary hijery ireo fomba hampiharana ny zavatra izay ianaran’izy ireo.

  • Fanomanana ny mpianatra: Entano ireo mpianatra mba hanao tombatombana ny fahafahany mahatakatra ireo fanoharana izay nataon’ny Tompo. Afaka mamaky ny Matio 13:44–48 ireo mpianatra ary manome isa ny fahatokisan-tenan’izy ireo amin’ny fahaizany misintona lesona ara-panahy avy amin’ireo fanoharana fohy ireo.

  • Sary: Miomàna hampiseho sary anakiray misy sary miafina.

Matio 13:3–8, 18–23

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia hanampy ireo mpianatra hanomana ny fon’izy ireo handray sy hikolokolo ny tenin’ Andriamanitra.

  • Fanomanana ny mpianatra: Entano ireo mpianatra hisaintsaina ilay fanontaniana izay nasongandina ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy amin’ity herinandro ity: “Nahoana ny fontsika indraindray no mora mandray fahamarinana, kanefa amin’ny fotoana hafa isika dia alaim-panahy hanohitra izany?” (20–26 Martsa. Matio 13; Lioka 8; 13: -Izay manan-tsofina, aoka izy hihaino,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: Testamenta Vaovao 2023).

  • Soso-kevitra fampianarana amin’ny alalan’ny vidéo conférence: Hevero ny hanome fahafahana ireo mpianatra mba hizara ny sary izay nataon’izy ireo amin’ny iray kilasy. Azo atao ao amin’ireo salles de discussions izany.

Matio 13:24–30, 36–43

Tanjon’ny lesona: ity lesona ity dia hanampy ireo mpianatra hampitombo ny fanirian’izy ireo handray anjara amin’ny fanangonana an’Isiraely.

  • Fanomanana ny mpianatra: Entano ireo mpianatra mba ho vonona hifampiresaka momba ireto fanontaniana ireto: Iza tamin’ireo fianakavianao no niditra ho mpikamban’ny Fiangonana voalohany? Inona ny zavatra fantatrao mahakasika ny tantaran’izy ireo? Azon’ireo mpianatra atao ny mifanakalo hevitra momba ireo fanontaniana ireo amin’ny olona iray ao anatin’ny fianakaviany.

  • Soso-kevitra fampianarana amin’ny alalan’ny vidéo conférence: Momba ireo fanontaniana izay napetraka teny am-piandohan’ny lesona dia hevero ny hanasa ireo mpianatra hampiasa ny chat (discussions) hizarana ny valin-tenin’izy ireo. Aorian’izay dia omeo fotoana ireo mpianatra mba hamaky ny valin-tenin’ny naman’izy ireo. Mety hahita valin-teny ireo mpianatra sasany mandritra ny fihenoana ireo valin-teny.

Famerenana ny Fifehezana Fotopampianarana 4 Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia hanome fahafahana ireo mpianatra hampihatra ireo andinin-tsoratra masina fehezina mirakitra fotopampianarana amin’ireo rafi-tantara izay mety hisy itoviana amin’ny zavatra iray iainan’izy ireo eo amin’ny fiainany.

Fanamarihana: Azo ampianarina ho solon’ity lesona famerenana ity ny lesona momba ny fifehezana fotopampianarana. Jereo ny fandaharam-potoana izay nomen’ny tale na ny mpiandraikitra eo amin’ny vondromparitra mba hahazoana antoka fa hampianarina avokoa ireo lesona momba ny andinin-tsoratra masina fehezina mirakitra fotopampianarana rehetra mandritra ny seminera.

  • Fanomanana ny mpianatra: Entano ireo mpianatra mba hisaintsaina ireo fomba hampiharany ireo fahamarinana izay nampianarina tamin’ny andinin-tsoratra masina fehezina mirakitra fotopampianarana rehetra izay nianaran’izy ireo tamin’ity taona ity eo amin’ny fiainany avy.

  • Fitaovana ialaina: Soraty ao anaty taratasy kely ireo andinin-tsoratra masina fehezina mirakitra fotopampianarana izay nampiasaina tamin’ity lesona ity (andinin-tsoratra masina iray isaky ny taratasy). Ahantony manodidina ny efitrano ireo taratasy.

Tombano ny fianaranao 3

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia natao hanampiana ireo mpianatra hanao tombatombana ireo tanjona izay napetrany sy ny fianarany ary ny fivoarana izay azon’izy ireo manokana tamin’ny fianarana ny Testamenta Vaovao nandritra ity taona ity.

  • Fanomanana ny mpianatra: Asao ireo mpianatra handalina ny Matio 11:16–19 sy hiomana haneho ny fahaizany mandalina soratra masina izay azon’izy ireo ampiasaina hahatakarana kokoa ireo andinin-tsoratra masina ireo. Mety hanampy ny fanaovana lisitra ireo fahaiza-manao vitsivitsy tahaka ny fampifandraisana na fampifandraisana soratra masina, fampiasana ny torolalana fianarana, na ny fahatakarana ireo tandintona sy sarin-teny mba hampahatsiahivana ny mpianatra ireo fahaiza-manao izay efa nampianarina azy ireo.

  • Sary: Miomàna hampiseho ity kisary avy tao amin’ny lesona ity.

  • Soso-kevitra fampianarana amin’ny alalan’ny vidéo conférence: Azo atao ny manasa ireo mpianatra hizara ny efijerin’izy ireo ary haneho ny ohatra amin’ny fampiharany ny fahaiza-manao amin’ny fandalinana soratra masina ao amin’ny soratra masina amin’ny endriny nomerikan’izy ireo.

Hamoaka printy