Seminera
Matio 13


Matio 13

Nampianatra tamin’ny alalan’ny fampiasana fanoharana i Jesoa Kristy

While on a ship, Jesus teaches parables to listeners on shore.

Ny mpamafy sy ny mpijinja, ny voan-tsinapy sy ny masirasira, ny harena sy ny voahangy lafo vidy—ireo ny sasany amin’ireo sariohatra izay nataon’i Jesoa Kristy fanoharana rehefa nampianatra izy. “Izay manan-tsofina, aoka izy hihaino” (Matio 13:9, 43), hoy ny Mpamonjy. Ity lesona ity dia hanome fahafahana anao handalina ireo fanoharana, sy hamantatra ny zavatra izay tian’izy ireny holazaina ara-panahy ary hitady ireo fomba tsara hahafahanao manao asa mifanaraka amin’ny zavatra izay nianaranao.

Fomba fandraisana sy fampiharana ireo fanoharana. Rehefa mianatra ireo fanoharana izay nataon’i Jesoa ireo ny mpianatra dia tsarovy fa ankoatra ny fahatakarana ny hevitra fonosin’izy ireny tamin’ny sahan-kevitra nisy azy ireny tany am-boalohany dia manan-danja ihany koa ny mikatsaka fanambarana avy amin’ny Fanahy Masina mba hanampy antsika hamantatra sy hampihatra ireny fanoharana ireny eo amin’ny fiainantsika manokana.

Fanomanana ny mpianatra: Asao ireo mpianatra mba hanao tombantombana ny fahafahany mahatakatra ireo fanoharana nataon’ny Tompo. Afaka mamaky ny Matio 13:44–48 ireo mpianatra ary nanome isa ny fahatokisan-tenan’izy ireo amin’ny fahaizany misintona lesona ara-panahy avy amin’ireo fanoharana fohy ireo.

Sahanasa fianarana azo atao

Fitadiavana ny dikany

Hevero ny hampiseho ny mpianatra sary iray izay ahitana zavatra miafina eo aminy. Entano ireo mpianatra mba hitady ireo zavatra miafina ireo sy hifanakalo hevitra momba ny ezaka izay tokony hataon’izy ireo mba hahitana ireo zavatra ireo.

Manokàna fotoana hitadiavana ireo zavatra miafina eo amin’ity sary manaraka ity.

A picture with hidden objects in it.
  • Iza amin’ireo zavatra ireo no tsy nanahirana anao ny fitadiavana azy? Iza tamin’izy ireo no nitaky ezaka bebe kokoa?

Toy ny fitadiavana ireo zavatra niafina tamin’ity sary ity, ny fitadiavana ny hevitra izay fonosin’ny soratra masina ihany koa dia matetika no mitaky fianarana ny fomba fikarohana sy fandalinana avy amintsika. Rehefa manasa ny Fanahy Masina mba hanampy antsika handalina ny zavatra vakintsika isika dia afaka mahita dikany fanampiny izay mety hiafina amin’ny voalohany.

  • Tamin’ny oviana ianao no nahita hevitra avy tao amin’ny soratra masina izay niafina taminao tamin’ny voalohany?

  • Inona no nanampy anao nahita fahombiazana tamin’ny fahitana ireo lesona ara-panahy na ny dikany avy tamin’ny soratra masina?

Eto no fotoana mety ho tsara amin’ity lesona ity mba hanasana ireo mpianatra hanao tatitra momba ny fiomanana izay nataony ho an’ny kilasy.

Ato amin’ity lesona ity ianao dia hanana fahafahana hampihatra ny fomba fikarohan-kevitra lalindalina kokoa izay fonosin’ny soratra masina, indrindra fa ireo fanoharana nataon’ny Tompo. Miezaha hamantatra sy hampihatra fomba vaovao izay hanampy anao amin’ny fandalinana ny soratra masina.

Nampianatra tamin’ny alalan’ny fampiasana fanoharana i Jesoa Kristy

Natetika i Jesoa Kristy no nampianatra tamin’ny alalan’ny fampiasana tantara tsotra izay fantatra amin’ny hoe fanoharana. Tamin’ireny fanoharana ireny dia nampitahain’i Jesoa tamin’ireo zavatra na toe-javatra fahita andavanandro ireo fahamarinana ara-panahy (jereo ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “ Fanoharana ,” scriptures.ChurchofJesusChrist.org). Nanontan’ireo mpianany an’i Jesoa ny antony nahatonga Azy hampiasa fanoharana rehefa mampianatra (jereo ny Matio 13:10).

Vakio ny Matio 13:11–13, 16 , ka tadiavo ny antony nahatonga ny Mpamonjy nampiasa fanoharana rehefa nampianatra.

  • Inona ny zavatra nanampian’ireo andininy ireo anao hahatakatra ny antony nahatonga ny Mpamonjy nampiasa fanoharana rehefa nampianatra?

  • Nahoana araka ny hevitrao no misy olona mahita, maheno ary mahatakatra ireo hafatra nampitain’ny Tompo kanefa ny hafa tsy afaka manao izany?

Ny lesona izay hatao manaraka dia hifantoka indrindra amin’ireo fanoharana sasantsasany izay lavalava kokoa, toy ny fanoharana momba ny varimbazaha sy ny tsimparifary.

Ity dingana manaraka ity dia afaka manampy anao hahatakatra bebe kokoa ireo fanoharana izay nataon’ny Mpamonjy ary hianatra ireo lesona ara-panahy manan-danja izay azo avy amin’izy ireny. Raketo ao anaty diary fandalinanao ireto dingana ireto.

  1. Tadiavo ireo antsipiriany manan-danja.

  2. Manaova fampitahana ara-panahy.

  3. Fantaro ireo lesona sarobidy.

  4. Fantaro ny fomba fampiharana azonao manokana atao.

Ampiharo avokoa ireo dingana ireo rehefa mandinika fanoharana fohy.

Ity manaraka ity dia ohatra iray amin’ny fampiasana ireo dingana efatra arahana rehefa mianatra Matio 13:44 . Aza misalasala mampiasa ity ohatra ity na ohatra hafa hanampiana ireo mpianatra hianatra ny fomba fitadiavana lesona tsoahina sy fampiharana avy amin’ny fanoharana amin’ny izay hanampy azy ireo tsara indrindra.

Tadiavo ireo antsipiriany manan-danjaAmpiharo ny zanatohatra izay arahina voalohany amin’ity dingana ity amin’ny alalan’ny famakiana ny Matio 13:44 ary tadiavo ireo antsipiriany izay mifono hevitra manan-danja. Mety ho isan’ireny antsipiriany ireny ny olona, na toerana, na zavatra, na fihetsika, na koa hetsika. Mety ho tianao ny hanisy marika ireo zavatra hitanao tao anatin’ny soratra masinao.

  • Inona avy ireo antsipiriany mifono hevitra manan-danja izay hitanao?

Mety ho isan’ireo antsipiriany hitanaony harena, na ilay lehilahy izay nahita izany, ary ny fivarotana ny fananany rehetra mba hazahoany izany.Manaova fampitahana ara-panahyNy fanaovana fampitahana ara-panahy dia mety ho tonga ho azy rehefa mahita antsipirian-javatra manan-danja ianao, saingy mety hitaky ezaka bebe kokoa izany. Aza matahotra ny hisaintsaina ireo antsipiriany sy hitady ireo fambara, amin’ny alalan’ny fampiasana ireo fanampiana amin’ny fandalinana soratra masina izay misy.

Hevero ny hampiseho zavatra iombonana vitsivitsy izay azon’ireo mpianatra ampiasaina mba hahafahan’izy ireo manao fampitahana ara-panahy, araka izay voalaza ao anatin’ity andiam-pehezanteny manaraka ity.

Mba hampiharana an’io fahaiza-manao io dia manokana fotoana hanaovana fampitahana zavatra izay azo tsapaintanana amina zavatra ara-panahy. Ohatra, azonao atao ny mampitaha ny gaoma amin’ny fotopampianarana momban’ny fibebahana.

  • Inona avy ireo fampitahana izay noeritreretinao?

Ao amin’ny fanoharana hita ao amin’ny Matio 13:44 ny Mpamonjy dia nanampy antsika hahita fifandraisana iray farafaharatsiny rehefa nilaza Izy hoe: “ny fanjakan’ny lanitra dia tahaka ny harena” ( Matio 13:44).

  • Inona avy ireo fampitahana ara-panahy azonao atao amin’ny alalan’ny fampiasana ireo antsipiriany hafa izay hita ao amin’io fanoharana io?

Fantaro ireo lesona sarobidyMba hamantarana ireo lesona manan-danja dia mety hanampy anao ny fametrahana fanontaniana momba ireo antsipiriany izay tsikaritrao sy ireo fampitahana ara-panahy izay nataonao.

  • Raha fantatsika fa “Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany no Fanjakan’ Andriamanitra ety an-tany” (Torolalana ho an’ny soratra masina, “ Fanjakan’ Andriamanitra na Fanjakan’ny Lanitra ,” scriptures.ChurchofJesusChrist.org), dia inona avy ary ireo lesona izay tian’ny Mpamonjy ho azontsika avy tamin’ny fanoharana nataony?

Lesona iray izay azontsika ianarana avy amin’io fanoharana io dia hoe rehefa hitantsikany Fiangonan’ny Mpamonjy ary fantatsika ny lanjan’izany, dia tokony hahafoy an-kafaliana ny zavatra hafa rehetra isika mba handraisantsika ireo fitahiana azo avy amin’ny maha-anisan’ny fanjakan’ Andriamanitra antsika. Azonao atao ny mirakitra ireo lesona manan-danja nianaranao ao anatin’ny Notes hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org na ao anatin’ny soratra masinao.Fantaro ny fomba fampiharana azonao manokana ataoFantaro ny fomba fampiharana azonao manokana atao amin’ny alalan’ny fametrahana fanontaniana amin’ny tenanao manokana momba ny zavatra izay mila hataonao eo amin’ny fiainanao mba hahafahanao mampihatra ireo lesona izay hitanao.

Amin’ireo fomba maro fampiharana ity fahamarinana ity dia azontsika heverina ny hanolo-tena hanompo am-pahatokiana bebe kokoa ao amin’ny antsontsika ato am-piangonana na hamoy ireo zavatra eo amin’ny fiainantsika izay manakana antsika tsy hisitraka tanteraka ireo fitahiana izay azo avy amin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy.

  • Tamin’ny fomba ahoana no nanampian’ny fanarahana ity lamina fandalinana ity anao hahita ny dikany tao anatin’ity fanoharana fohy ity?

Amporisiho ireo mpianatra hanao ezaka ary tsy ho kivy raha sanatria ka sarotra amin’izy ireo ny mahatakatra ireo fanoharana.

Misafidiana iray amin’ireto andinin-tsoratra masina manaraka ireto ary araho avokoa ireo dingana efatra tokony harahana voalaza etsy ambony. (Rehefa vita izany dia azonao atao ny manandrana ny iray na maromaro amin’ireo andinin-tsoratra masina hafa.)

  • Inona ny zavatra hitanao rehefa nandinika ilay fanoharana sy nanaraka ireo dingana efatra ireo ianao?

  • Inona araka ny hevitrao ny zavatra azontsika ianarana momba ny Mpamonjy rehefa nisafidy ny hampiasa fanoharana Izy nentiny nampianarana lesona manan-danja?

Fanazavana sy fampahalalana avy amin’ny zava-miseho

Nahoana i Jesoa Kristy no nampiasa fanoharana rehefa nampianatra?

“Ny fanoharana dia mampita fahamarinana ara-pivavahana mifanaraka tsara amin’ny finoana sy ny fahiratan-tsain’ireo mpihaino; ho an’ireo votsa saina sy tsy misy aingam-panahy dia tantara fotsiny ihany izany, -mijery izy fa tsy mahita,- fa ho an’ireo manam-pahalalana sy manan-karena ara-panahy kosa dia manambara zava-miafina momba ny fanjakan’ny lanitra izany. Toy izany no anehoan’ny fanoharana ny fepetra takina mba hahazoana ny fahalalana marina rehetra. Izay mitady ihany no mahita” (Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “ Fanoharana ”).

Nahoana no zava-dehibe ny fikatsahana ny hevitra fonosin’ireny fanoharana ireny sy ao amin’ny zavatra izay efa niainantsika?

Nampianatra ny Loholona David A. Bednar ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe:

Elder David A. Bednar, Quorum of the Twelve Apostles official portrait. 2020.

Tokony hitady ireo lesona sy fampitandremana hita ao amin’ireo tranga tsotra miseho amin’ny fiainana andavanandro […] isika tsirairay.. Koa satria mikatsaka saina sy fo misokatra handray fitarihana avy any an-danitra amin’ny alalan’ny Fanahy Masina isika, dia ho ireo zavatra mahazatra iainantsika manokana no ipoiran’ny sasany amin’ireo torolalana lehibe indrindra izay mety ho azontsika sy ny maro amin’ireo fampitandremana mahery vaika izay afaka miaro antsika. Ao amin’ny soratra masina sy amin’ny fiainantsika andavanandro no misy ireo fanoharana mahery vaika.

(David A. Bednar, “Hiambina amim-bavaka lalandava,” Liahona, nôv. 2019, 34)

Inona no ampianarin’ireo fanoharana izay hita ao amin’ny Matio 13 antsika mahakasika ny andro farany?

Ny Mpaminany Joseph Smith (1805–44) dia nampianatra fa ny fanoharana nataon’ny Mpamonjy izay hita ao amin’ny Matio 13 dia manampy antsika hahatakatra ny fanangonana ny olona ho ao amin’ i Kristy mandritra ny fotoanan’ny Testamenta Vaovao ary amin’ny andro farany ihany koa: “Ny tenin’ny Mpamonjy, voarakitra ao amin’ny toko faha 13 amin’ny Filazantsarany araka an’i Md. Matio, … araka ny eritreritro, dia manome antsika fahafahana hahatakatra zavatra mazava tsara momba ny lohahevitry ny fanangonana tahaka ny zavatra rehetra voarakitra ao amin’ny Baiboly” (“To the Elders of the Church of the Latter Day Saints,” Latter Day Saints’ Messenger and Advocate, Dec. 1835, 2:225; tsipelina, ny sora-baventy ary ny mari-piatoana maoderina).

Sahanasa fianarana fanampiny

Fampiasana ireo tantara na fanoharana maoderina

Mba hahafahana manampy ireo mpianatra hahita ny maha-zava-dehibe ny fikarohana ireo soratra masina sy fanoharana mba hahitana lesona manan-danja dia hevero ny hanome ohatra maoderina toy izao manaraka izao:

Tao anatin’ny hafatra nataonymitondra ny lohateny hoe “Hiambina amim-bavaka lalandava” ( Liahona, nôv. 2019, 31–35), Ny Loholona David A. Bednar ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nizara ny zavatra izay niainany sy ny Rahavavy Bednar tany Afrika rahanandinika momba ny fiainan’ireo biby dia izy ireo. Hevero ny hampiseho ny horonan-tsary “Hiambina amim-bavaka lalandava” (15:59), hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org, mantomboka avy amin’ny kaodim-potoana 2:13 ka hatramin’ny 5:14.

2:3

Ireo fanoharana telo nampianarin’ny Loholona James E. Talmage (1862–1933) avy ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia azo jerena ao amin’ny “Trois paraboles-L’abeille sans sagesse, le «Owl Express»,” (Ensign na Liahona, février. 2003, 8–13).