Seminera
Matio 13:3–8, 18–23


Matio 13:3–8, 18–23

Fanoharana momba ilay mpamafy voa

Sary
Tomato seedlings growing in the soil

I Jesoa dia nampianatra fanoharana momba ny lehilahy iray izay mamafy voa. Nilatsaka tamin’ny karazan-tany samihafa ireo voa ireo, izay niafara tamin’ny vokatra isan-karazany. Toy izany ihany koa, ny tenin’ Andriamanitra dia horaisin’ireo izay mandre izany amin’ny fomba samihafa. Ity lesona ity dia hanampy anao hanomana ny fonao handray sy hikolokolo ny tenin’ Andriamanitra.

Mampiasa zavatra azo tsapain-tanana sy sary. Ny zavatra azo tsapain-tanana sy ny sary dia afaka manampy ny mpianatra haka sary an-tsaina ny olona, ireo toerana, ireo trangan-javatra, sy ireo zavatra ary ireo tandindona ao amin’ny soratra masina. Ohatra, asao ny mpianatra hanao sary ireo zavatra azo tsapain-tanana fa tsy miresaka fotsiny momba izany ao amin’ny soratra masina.

Fanomanana ny mpianatra: Asao ireo mpianatra hisaintsaina ity fanontaniana ao amin’ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana izay manao hoe: “Nahoana no indraindray ny fontsika no mora mandray ny fahamarinana, nefa amin’ny fotoana hafa isika dia alaim-panahy hanohitra izany?” (“20-26 Martsa. Matio 13; Lioka 8; 13: -Izay manan-tsofina, aoka izy hihaino-” Avia, hanaraka ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: Testamenta Vaovao 2023).

Sahanasa fianarana azo atao

Manomana ny tenanao handre ny tenin’ Andriamanitra

Diniho ny hanombohana ny lesona amin’ny fanasana mpianatra maromaro hizara ny valin-tenin’izy ireo amin’ilay fanontaniana nasaina nosaintsainin’izy ireo ho fanomanana ny lesona.

Makà fotoana kely hanombatombanana ny fahavononanao handray ny tenin’ Andriamanitra. Ampiasao amin’ny tsirairay amin’ireto teny nambara manaraka ireto ity ambaratonga ity:

Matetika—Indraindray—Mahalana

Asehoy ireo teny nambara na vakio miadana izany mba hananan’ny mpianatra fotoana hieritreretana ny fandraisany manokana ny tenin’ Andriamanitra. Tokony hisaintsaina mangina ny valin-teniny ireo mpianatra fa tsy hamaly mafy.

Mandalina ny soratra masina omban’ny finiavana hianatra sy hivoatra aho.

Miezaka ny mahatsikaritra ny fitaoman’ny Fanahy amin’ny fiainako aho ary manaraka ny torolalana omena ahy.

Mihaino sy mankatò ny torohevitra nomen’ny Tompo amin’ny alàlan’ireo mpaminaniny sy apôstôliny aho.

Mikatsaka ny hanamafy orina ny fijoroako ho vavolombelona manokana momba an’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany aho.

Rehefa avy nandinika ny fihetsikao manoloana ny tenin’ Andriamanitra ary ianao izao dia vonona hianatra ny fanoharana momba ilay mpamafy voa. Ao amin’ity fanoharana ity ny Tompo dia niresaka momba ny olana sasany mety hitranga izay manakana ny voa tsy hitombo, sy tsy hamaka ary tsy hamoa. Toy ny tamin’ny fanoharana rehetra nataony dia nampiasa singa mahazatra ny Tompo mba hampianarana lesona ara-panahy.

Ampiasao ity lamina misy dingana efatra manaraka ity handalinana ny fanoharana momba ilay mpamafy voa. Na manao ahoana na manao ahoana ny valin-teninao tamin’ireo teny etsy ambony ireo dia natao hanampiana anao hanomana ny fonao handray ireo fitahiana tian’ny Tompo homena anao ity lesona ity. Rehefa mandalina ianao dia tadiavo ireo fomba hananana traikefa manan-danja amin’ny tenin’ Andriamanitra.

Raha nampidirina tao amin’ny lesona teo aloha ity lamina ity dia hevero ny hangataka ny mpianatra hitadidy ny dingana tsirairay ary avy eo hanoratra izany eny amin’ny solaitrabe.

  1. Tadiavo ireo antsipiriany manan-danja.

  2. Manaova fampitahana ara-panahy.

  3. Fantaro ireo lesona sarobidy.

  4. Fariparito ny fomba fampiharana azonao atao manokana.

Tadiavo ireo antsipiriany manan-danja

Ho an’ity sahanasa manaraka ity dia afaka miasa tsiroaroa ny mpianatra. Afaka mamaky ny andian-tsoratra masina voalohany ny mpianatra iray ao anatin’ny vondrona miara-miasa tsiroaroa ary ny iray kosa manondro ireo antsipiriany manan-danja. Afaka manao sary ao amin’ny diary fandalinany avy izy ireo avy eo. Afaka mifamadika anjara asa ireo mpianatra ary mamerina ilay dingana amin’ireo andian-tsoratra masina hafa.

Fomba iray hakana sary an-tsaina ireo antsipiriany manan-danja ny fanaovana sary ny ampahany tsirairay amin’ilay fanoharana. Zarao efatra ny pejy iray ao amin’ny diary fandalinanao. Vakio ireo andininy ary manaova sary tsotsotra momba izay voalaza.

  1. Matio 13:3-4

  2. Matio 13:5-6

  3. Matio 13:7

  4. Matio 13:8

Raha mila fanampiana amin’ny fahatakarana izay sary hatao ny mpianatra, dia hevero ny hanome azy ireo ohatra toy izao manaraka izao:

Sary
Drawings of a bird with a seed, the sun shining on a plant, thorns growing around a plant, a wheat plant.

Manaova fampitahana ara-panahy

Vakio ny fanazavan’i Jesoa momba ilay fanoharana ao amin’ireo andininy manaraka. Soraty eo akaikin’ny sary nataonao izay fampitahana rehetra nataony.

Afaka miasa irery na tsiroaroa na anaty vondrona kely ny mpianatra. Raha miasa ao anati-na vondrona izy ireo dia zarao amin’ireo mpianatra ao anatin’ilay vondrona ireo andinin-tsoratra masina ary angataho izy ireo hanao tatitra ny zavatra hitany amin’ny vondrona misy azy ireo.

  1. Matio 13:19

  2. Matio 13:20-21

  3. Matio 13:22

  4. Matio 13:23

Fantaro ireo lesona sarobidy

Mba hamantarana ireo lesona sarobidy dia mety manampy ny mametraka fanontaniana izay hamela ny Fanahy Masina hampianatra anao manokana. Ho fanampin’ireto fanontaniana manaraka ireto dia eritrereto ireo hafa izay mety hapetrakao.

  • Inona no mety ho tian’ny Mpamonjy ianarako avy amin’io fanoharana io?

  • Nahoana no tian’ny Mpamonjy ho fantatro hoe manao ahoana ny foko?

Azonao atao ihany koa ny maka sary an-tsaina ny fomba mety hampiharana ilay fanoharana amin’ny tena fiainana. Ohatra, andramo alaina sary an-tsaina ny fahasamihafan’ny fihetsiky ny olona iray izay manana fo toy ny vatolampy na tsilo amin’ny fihetsiky ny olona iray izay toy ny tany tsara ny fony. Rehefa mieritreritra ireo fihetsika ireo ianao dia hevero ny hanoratra ny sasantsasany amin’izy ireo eo akaikin’ny sary tsirairay nataonao.

Azo atao ny mangataka ny mpianatra hanome ohatra vitsivitsy amin’ny fihetsika nosoratany. Raha sahirana ny mpianatra mieritreritra ohatra dia mety ho ilaina ireo rafi-tantara ao amin’ny fizarana “Sahanasa fianarana fanampiny”.

  • Inona avy ireo sosokevitra azonao omena ny olona iray izay mafy fo, vatoina na misy tsilo?

Fariparito ny fomba fampiharana azonao atao manokana

Eritrereto ny toetry ny fonao manokana sy hoe iza amin’ireo karazan-tany efatra no mety mamaritra anao indrindra. Raha tsy araka ny itiavanao azy ny toe-ponao amin’izao fotoana izao dia fantaro fa afaka miova ianao.

Araka ny zavatra nianaranao androany, makà fotoana fohy hisaintsainana ny zavatra azonao atao hanatsarana ny toe-ponao.

  • Inona no azonao atao hanasana ny tenin’ Andriamanitra ho ao am-ponao?

  • Inona avy ireo fihetsika hataonao hanatsarana ny toe-ponao?

  • Inona ireo sakana hangatahinao amin’ny Tompo mba hanampiana anao ny handresena izany?

Omeo fotoana ny mpianatra hizarana ny zavatra nianarany androany momba ny Tompo sy ny faniriany hampitombo ny teniny ao am-pontsika.

Fanazavana sy fampahalalana avy amin’ny zava-miseho

Ny Filoha Dallin H. Oaks avy amin’ny Fiadidiana Voalohany dia nanao lahateny tamin’ny fihaonamben’ny fiangonana maneran-tany mikasika ilay fanoharana momba ilay mpamafy voa. Ireto fanontaniana manaraka ireto dia voavaly tamin’ny fampiasana ny fanazavany.

Inona ireo voa izay “voafafy teny amoron-dalana”? (jereo ny Matio 13:4, 19)

Sary
Official Portrait of President Dallin H. Oaks taken March 2018.

Ireo voa izay “voafafy teny amoron-dalana” ( Marka 4:4) dia tsy tody teny amin’ny tanin’ny olombelona izay mety ho naniriany. Mitovy amin’ny fampianarana izay latsaka tao amin’ny fo nohamafisina sy tsy ampy fiomanana izany.

(Dallin H. Oaks, “Fanoharana momba ilay mpamafy voa,” Liahona, Mey 2015, 32)

Inona no mety hahatonga ny fon’ny olona iray ho eo amin’ny “vatolampy”? (jereo ny Matio 13:5, 20–21)

Sary
Official Portrait of President Dallin H. Oaks taken March 2018.

Ry tanora, … ity misy ohatra iray manokana. Raha mizara ny fanasan’ny Tompo ireo mpihazona ny fisoronana kanefa ianareo mandefa hafatra na mibitsibitsika na milalao jeux vidéos na manao zavatra hafa izay handavan’ny tenanareo ireo sakafo ara-panahy manan-danja dia mampalemy ny fijoroanareo ho vavolombelona ianareo ka mamindra ny tenanareo mankany amin’ny tany feno vatolampy.

(Dallin H. Oaks, “Fanoharana momba ilay mpamafy voa,” Liahona, mey 2015, 33)

Ahoana no ahafantarantsika ny “tsilo”n’ny fiainana? (jereo ny Matio 13:7, 22)

Sary
Official Portrait of President Dallin H. Oaks taken March 2018.

Mitolo-batana amin’ireo “fahafinaretan’ity fiainana ity” isika [ Lioka 8:14 ] (1) rehefa miankin-doha, izay manimba ny fiasan’ilay fanomezana sarobidin’ny fahafahana misafidy avy amin’ Andriamanitra; (2) rehefa voafitaky ny fialam-boly tsy manan-danja firy, izay mampisintaka antsika amin’ireo zavatra manan-danja mandrakizay; ary (3) rehefa mieritreritra fa hahazo vokatra tsara hatrany, izay tsy mampandroso ny fivoarantsika manokana izay ilaina hahamendrika antsika amin’ny anjarantsika mandrakizay.

Resin’ny “fiahiahiana … eo amin’ity fiainana ity” isika [ Lioka 8:14 ] rehefa tsy afa-mihetsika noho ny tahotra ny hoavy, izay manakana ny fandrosoantsika am-pinoana, ny fahatokiantsika an’ Andriamanitra sy ny fampanantenany.

(Dallin H. Oaks, “Fanoharana momba ilay mpamafy voa,” Ensign na Liahona, mey 2015, 34–35)

Inona no ilaina mba hamokarana voa avy amin’ny “tany tsara”? (jereo ny Matio 13:8, 23)

Sary
Official Portrait of President Dallin H. Oaks taken March 2018.

Manana ny voan’ny tenin’ny filazantsara isika. Miankina amintsika tsirairay ny mametraka ireo laharampahamehana sy manao ireo zavatra mba hahatonga ny tanintsika ho tsara sy ny vokatra azontsika ho betsaka. Mila mikatsaka ny hiorim-paka tsara sy hiova fo amin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy isika (jereo ny Kolosiana 2:6–7). Tratrantsika izany fiovam-po izany amin’ny alalan’ny vavaka, amin’ny alalan’ny famakiana ny soratra masina, amin’ny alalan’ny fanompoana, amin’ny alalan’ny fandraisana tsy tapaka ny fanasan’ny Tompo mba hanana mandrakariva ny Fanahiny miaraka amintsika.

(Dallin H. Oaks, “Fanoharana momba ilay mpamafy voa,” Liahona, mey 2015, 35)

Atrikasa fianarana fanampiny

Diniho ny toetry ny tany alohan’ny hambolena

Zarao ho vondrona kely ny mpianatra ary omeo boaty kely feno karazana tany voalaza tao amin’ilay fanoharana momba ny mpamafy voa ny vondrona tsirairay. Asao ny mpianatra handinika ilay tany ary hifanakalo hevitra momba ny zavatra mety hataon’izy ireo mba hahatonga izany ho mety tsara amin’ny fambolena voa. Afaka angatahina ny mpianatra handalina ilay fanoharana ary hitady hoe inona no hevitra ara-panahy asehon’izany karazana tany izany ary hifanakalo hevitra amin’ny vondrona misy azy ireo momba ny zavatra azon’izy ireo ianarana avy amin’izany.

Jereo ary henoy ny fanoharana momba ilay mpamafy voa

Azonao atao ny mampiseho ny horonan-tsary “Ny fanoharana momba ilay mpamafy voa” (4:36) manomboka amin’ny kaodim-potoana 0:00 ka hatramin’ny 0:55 sy manasa ny mpianatra hamaritra ireo antsipiriany manan-danja. Afaka mijery ilay horonan-tsary manomboka amin’ny kaodim-potoana 3:00 ka hatramin’ny 4:36 avy eo ireo mpianatra ary manao fifandraisana ara-panahy araka ny fanazavan’i Jesoa. Mety hanampy ny mampiato kely ilay horonan-tsary isaky ny antsipiriany mba hahafahan’ny mpianatra mifanakalo hevitra momba ny zavatra ianarany.

Sary
Drawings of a bird with a seed, the sun shining on a plant, thorns growing around a plant, a wheat plant.

Ilay fanoharana amin’ny tena fiainana

Ampiasao ireto rafi-tantara manaraka ireto mba hanampiana ny mpianatra hamantatra ireo karazana tany na ny toe-po. Afaka manome sosokevitra ny mpianatra mba hanampiana ilay olona ao anatin’ny rafi-tantara tsirairay hanakaiky kokoa ny Mpamonjy ary hamela ny tenin’ Andriamanitra hitombo ao am-pon’izy ireo.

Nampahafantarin’ny namany momba ny filazantsara naverina tamin’ny laoniny i Scott ary natao batisa tsy ela taorian’izay. Na izany aza, volana vitsivitsy taorian’ny nidirany ho mpikamban’ny Fiangonana dia nisy olona nanomboka nanesoeso azy noho ny finoany vaovao. Tsy tsapan’i Scott hoe ho afaka ny hahatanty ny fiheveran-dratsin’ny hafa izy.

Mahay tsara i Jill any am-pianarana, milalao tantara an-tsehatra ary tiany ny asany. Noho ny adidiny any am-pianarana sy any am-piasana dia nisafidy ny tsy hanao hetsika ao am-piangonana i Jill ary tsy nisoratra anarana tamin’ny seminera tamin’ity taona ity izy. Tena te-hifantoka amin’ny fianarany sy ny asany amin’ny hoavy izy.

Manao fampitahana amin’ny fampiasana ny Bokin’i Môrmôna

Asao ny mpianatra hamaky ny fampitahan’i Almà ny tenin’ Andriamanitra amin’ny voa (jereo ny Almà 32:26–43). Azon’izy ireo atao ihany koa ny mandalina ny nofin’i Lehia momba ny hazon’aina ary mampitaha ny vondrona tsirairay voalaza tao amin’ny fahitana amin’ireo karazana tany ao amin’ilay fanoharana momba ny mpamafy voa (jereo ny 1 Nefia 8:19–34). Ny mpianatra dia afaka mizara ny fomba nanampian’ireo tantara ao amin’ny Bokin’i Môrmôna ny fahatakaran’izy ireo ny fampianaran’ny Mpamonjy an’ilay fanoharana momba ny mpamafy voa.

Hamoaka printy