Seminera
Matio 13:24–30, 36–43


Matio 13:24–30, 36–43

Fanoharana momba ny vary sy ny tsimparifary

Sary
Wheat and the terrace, Israel

Nampiasa fanoharana iray momba ny tanimbary sy ny tsimparifary (voa misy poizina) ny Mpamonjy mba hampianarana momba ny olo-marina izay hangonina sy ny ratsy fanahy hodorana alohan’ny hiverenany. Ity lesona ity dia natao hampitomboana ny fanirianao handray anjara amin’ny fanangonana an’ Isiraely.

Amporisiho ny fanaovana fampiharana. Ny tanjon’ny fampianarana filazantsara dia ny hanampiana ny mpianatra hampihatra fotopampianarana sy fitsipika hita ao amin’ny soratra masina. Ny fanontaniana sy ny sahanasa izay mandrisika amin’ny fampiharana dia afaka manampy ny mpianatra hahita ny fomba fampiharana ireo fitsipika ireo amin’ny toe-javatra iainan’izy ireo manokana.

Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra ho vonona hifanakalo hevitra momba ireto fanontaniana ireto: Iza no iray tamin’ireo olona voalohany tao amin’ny fianakavianao niditra ho mpikamban’ny Fiangonana? Inona no zavatra fantatrao mikasika ny tantaran’izy ireo? Azon’ny mpianatra atao ny mifanakalo hevitra momba ireo fanontaniana ireo amin’ny olona iray ao amin’ny fianakaviana.

Sahanasa fianarana azo atao

Fanoharana momba ny vary sy ny tsimparifary

Asao ireo mpianatra hifanakalo hevitra momba ireto fanontaniana manaraka ireto. Azonao atao ny mizara ny zavatra niainana manokana.

  • Iza no olona voalohany tao amin’ny fianakavianao niditra ho mpikamban’ny Fiangonana?

  • Iza no nanampy tamin’ny fanasana azy ireo ho mpikamban’ny Fiangonana?

  • Ahoana no fiantraikan’ny maha mpikamban’ny Fiangonana ilay olona tao amin’ny fianakaviana teo amin’ny fiainanao?

  • Amin’ny fomba ahoana no mety hampisy fiantraikany amin’ny hafa ny fanapaha-kevitrao hitandrina ireo fanekempihavanana nataonao tamin’ Andriamanitra?

Ao amin’ny Matio 13 , ny Tompo dia nampiasa ny fanoharana momba ny vary sy ny tsimparifary mba hampianarana mikasika ny fanangonana olona ho ao amin’ny Fiangonany. Rehefa mandalina ianao dia henoy tsara ny bitsiky ny Fanahy hanampy anao hahatakatra ny antony hanangonan’ny Tompo ny olony sy ny fomba ahafahanao mandray anjara amin’izany.

Afaka mandalina an’io fanoharana io tsiroaroa na amin’ny vondrona kely ny mpianatra. Hevero ny hampiseho ny fandalinana misy dingana efatra ary araho ireo fanontaniana.

Halalino ilay fanoharana ao amin’ny Matio 13:24–30 . Mety hanampy ny fahalalana fa ny tsimparifary dia “ahitra na voa misy poizina izay mitovy endrika amin’ny varimbazaha. Tsy hay avahana amin’ny varimbazaha izy raha tsy efa vokatra tanteraka” (Torolalana ho an’ny soratra masina, “ Tsimparifary ,” scriptures.ChurchofJesusChrist.org).

Mba hanampiana anao handalina dia ampiasao ity lamina misy dingana efatra ity:

  1. Tadiavo ireo antsipiriany manan-danja.

  2. Manaova fampitahana ara-panahy.

  3. Fantaro ireo lesona sarobidy.

  4. Fariparito ny fomba fampiharana azonao atao manokana.

  • Inona avy ireo antsipiriany hitanao fa manan-danja ao amin’io fanoharana io?

  • Inona ireo fampitahana ara-panahy nataonao?

  • Inona ireo lesona sarobidy hitanao?

  • Ahoana no ahafahanao mampihatra ireo lesona avy amin’io fanoharana io amin’ny fiainanao?

Vakio ny Matio 13:36-43 , ka tadiavo izay nampianarin’ny Tompo momba io fanoharana io.

  • Inona no fanazavana nataon’ny Mpamonjy izay manampy amin’ny fahatakaranao ilay fanoharana?

Amin’izao fotoampitantanana misy antsika izao dia nizara fomba iray hanatanterahana io fanoharana io ny Tompo. Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 101:64–-65 ka tadiavo izay zavatra nampanantenain’ny Tompo atao alohan’ny Fiaviana Fanindroany. Mety hanampy ny fahalalana fa ny sompitra dia fitoeram-bokatra na trano fitehirizam-bokatra izay hitehirizana ny voa.

  • Inona no ianaranao momba ny Tompo avy amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo?

Fahamarinana iray azontsika ianarana avy amin’ilay fanoharana momba ny vary sy ny tsimparifary ny hoe amin’ny andro farany dia hanangona ny olony ny Tompo ho fanomanana ny Fiaviany Fanindroany.Hevero ny hirakitra io fahamarinana io eo akaikin’ny Matio 13:30 .

  • Ahoana no fomba hanangonan’ny Tompo ny olony amin’ny andro farany?

  • Inona no andraikitra sahaninao ao anatin’io asa lehibe io?

Ny fanangonana an’ Isiraely

Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra lalindalina kokoa ny fanangonana an’ Isiraely dia diniho ny fanaovana pirinty ny ampahany amin’ity fanambarana manaraka nataon’ny Filoha Nelson ity, miaraka amin’ireo teny ao amin’ny fizarana “Fanazavana sy fampahalalana avy amin’ny zava-miseho”.

Asehoy manerana ny efitrano fianarana ireo teny ireo ary asao ny mpianatra handeha manodidina ny efitrano sy handalina izany. Rehefa avy nandalina ireo teny ireo dia afaka mizara ny heviny amin’ny mpiara-mianatra aminy ny mpianatra.

Ny Filoha Nelson dia nampianatra momba ny ezaka ataon’ny Tompo hanangona ny olony amin’ny andro farany. Jereo ny horonan6tsary “Aoka Andriamanitra no hanjaka” manomboka amin’ny kaodim-potoana 4:07 ka hatramin’ny 5:48, na vakio ity lahatsoratra manaraka ity. Mety ahita soratra masina na fanambarana hafa samirery ihany koa ianao mba hanananao fahatakarana lalina kokoa momba ny fanangonana an’i Isiraely.

Sary
Official portrait of President Russell M. Nelson taken January 2018

Manangona ireo izay vonona ny hamela an’ Andriamanitra hanjaka eo amin’ny fiainany ny Tompo. Manangona ireo izay hisafidy ny hamela an’ Andriamanitra ho ny hery mitaona indrindra eo amin’ny fiainany ny Tompo.

Nandritra ny taonjato maro dia nanambara mialoha an’io fanangonana io ny mpaminany, ary efa mitranga izany amin’izao! Amin’ny maha-tranga manan-danja hialoha ny Fiavian’ny Tompo fanindroany azy dia io no asa manan-danja indrindra eto amin’izao tontolo izao!

Ho an’ny olona an-tapitrisany maro io fanangonana alohan’ny arivotaona io dia trangam-piainana manokana mampivelatra finoana sy herim-po ara-panahy. Ary amin’ny maha-mpikambana ao amin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany antsika, na “Isiraelin’ny andro farany nanao fanekempihavanana,” dia nomena andraikitra isika hanampy ny Tompo amin’io asa lehibe io.

Rehefa miresaka momba ny fanangonana an’i Isiraely amin’ny lafiny roa amin’ny voaly isika dia mazava ho azy fa miresaka momba ny asa fitoriana ny filazantsara sy ny asa atao any amin’ny tempoly ary ny asan’ny tantaram-pianakaviana. Miresaka momba ny fanorenana finoana sy fijoroana ho vavolombelona ao am-pon’ireo izay miara-miaina sy miasa ary manompo amintsika ihany koa isika. Isaky ny manao zavatra izay hanampy olona isika, eo amin’ny lafy roa amin’ny voaly, mba hanao dingana mitondra any amin’ny fanaovana fanekempihavanana amin’ Andriamanitra dia manampy amin’ny fanangonana an’i Isiraely izay isika.

(Russell M. Nelson, “Aoka Andriamanitra no hanjaka,” Liahona, nôv. 2020, 92–93)

  • Inona no fantatrao mikasika ny fanangonana an’i Isiraely?

  • Inona avy ireo fanontaniana anananao momba izany?

  • Manampy anao hahatakatra ny maha-zava-dehibe ny fanangonana an’i Isiraely amin’ny fomba ahoana ny fanoharana momba ny vary sy ny tsimparifary?

Ny anjara asanao amin’ny fanangonana an’i Isiraely

Vakio ity teny manaraka nataon’ny Filoha Russell M. Nelson ity, ary tadiavo ny fifandraisan’ny fanangonana an’i Isiraely aminao:

Sary
Official portrait of President Russell M. Nelson taken January 2018

Ry zatovo mahavariana malalako, nalefa tetỳ an-tany ianareo ho amin’izao fotoana izao indrindra, ny fotoana manan-danja indrindra amin’ny tantaran’izao tontolo izao, mba hanampy amin’ny fanangonana an’i Isiraely. Tsy misy zavatra manan-danja kokoa noho izany eto amin’ity tany ity amin’izao. Tsy hisy zavatra hanan-danja kokoa noho ny vokatra hoentin’izany. Tena tsy hisy.

Izany fanangonana izany no zavatra tokony hanan-danja indrindra ho anareo. Izany no iraka nanirahana anareo etỳ an-tany.

Koa ny fanontaniako ho anareo dia ny hoe: “Vonona ny hirotsaka ao amin’ny tafiky ny tanoran’ny Tompo izay hanampy amin’ny fanangonana an’i Isiraely ve ianareo?”

(Russell M. Nelson sy Wendy W. Nelson, “Fanantenana ho an’i Isiraely” [Fampaherezam-panahy maneran-tany ho an’ny zatovo, 3 Jona, 2018], fanampin’ny New Era sy ny Ensign, 12, ChurchofJesusChrist.org)

Ifanakalozy hevitra miaraka amin’ny mpianatra ny hevi-baovao azony momba ny fanangonana an’i Isiraely sy ny fomba ahafahan’izy ireo mandray anjara amin’izany. Ity manaraka ity dia afaka manampy ny mpianatra hisaintsaina ny zavatra nianarany androany.

Manorata andiam-pehezan-teny iray na mihoatra momba ny eritreritrao sy ny fahatsapanao momba ny fanangonana an’i Isiraely sy ny fanoharana momba ny vary sy ny tsimparifary. Asao ny Fanahy Masina hanome aingam-panahy ny eritreritrao sy ny fahatsapanao rehefa manoratra ianao. Ireto fanontaniana manaraka ireto dia mety hanampy anao hanapa-kevitra ny amin’izay hosoratanao, saingy hitarihan-dalana anao fotsiny ihany ireo.

  • Inona avy ireo fanontaniana napetrakao momba ny fanangonana an’i Isiraely izay azonao valiana amin’izao?

  • Inona no ampianarin’ny fanangonana an’i Isiraely anao momba ny fahatokisan’ny Mpamonjy anao sy ny fitiavany ny olona rehetra?

  • Ahoana no ahafahanao manampy ny tenanao sy ny hafa mba ho voahangona miaraka amin’ny vahoakan’ny Tompo?

Fanazavana sy fampahalalana avy amin’ny zava-miseho

Nahoana ny Tompo no maniry hanangona ny vahoakany?

Nampianatra ny Loholona David A. Bednar ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifololahy hoe:

Sary
Elder David A. Bednar, Quorum of the Twelve Apostles official portrait. 2020.

Manangona ny olony ny Tompo rehefa manaiky Azy sy mitandrina ny didiny izy ireo. …

… Ny Tompo dia manangona ny vahoakany mba hahafahan’izy ireo mitsaoka Azy, mba hananganana ny Fiangonana, mba ho toeram-piarovana, ary mba handraisan’izy ireo torohevitra sy fitarihana. …

Nanambara ny Mpaminany Joseph Smith fa ny tanjon’ Andriamanitra amin’ny fanangonana tamin’ny vanim-potoana rehetra dia ny hananganana tempoly mba hahafahan’ny zanaky ny Tompo mandray ireo ôrdônansy ambony indrindra ka hahazo ny fiainana mandrakizay noho izany.

(David A. Bednar, “The Spirit and Purposes of Gathering” [Fampaherezam-panahy tao amin’ny Oniversite Brigham Young –Idaho, 31 ôkt, 2006], byui.edu)

Inona avy ireo sompitra izay hanangonana ny olo-marina amin’ny toerana azo antoka?

Nampianatra ny Loholona David A. Bednar ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifololahy hoe:

Sary
Elder David A. Bednar, Quorum of the Twelve Apostles official portrait. 2020.

[Ny] fifandraisana ilaina eo amin’ny fitsipiky ny fanangonana sy ny fananganana tempoly dia asongadin’ny Bokin’i Môrmôna:

“Indro, masaka ny tao an-tsaha ary notahiana ianareo, fa narosonareo ny antsimeloka sy nojinjainareo tamin’ny herinareo, eny, ny manontolo andro no niasaranareo; ary jereo ny isan’ny amboaranareo! Ary ireny dia hangonina ho any an-tsompitra mba tsy ho very foana” ( Almà 26:5).

Maneho ireo mpikambana vao vita batisa ao amin’ny Fiangonana ireo amboara ato amin’ity fifanahafana ity. Ny sompitra dia ny tempoly masina.

(David A. Bednar, “Hitondra anarana iray amim-pahamendrehana ary mitoetra,” Liahona, mey 2009, 97)

Inona no anjara asa sahanin’ny Bokin’i Môrmôna amin’ny fanangonana an’i Isiraely?

Nampianatra ny Filoha Russell M. Nelson hoe:

Sary
Official portrait of President Russell M. Nelson taken January 2018

Ny Bokin’i Môrmôna no ivon’ity asa ity. Manambara ny fotopampianaran’ny fanangonana izy io. Izy io dia mahatonga ny olona hianatra momba an’i Jesoa Kristy sy hino ny filazantsarany ary hikambana ao amin’ny Fiangonany. Raha ny tena marina, raha tsy nisy ny Bokin’i Môrmôna, dia tsy ho nitranga ny fanangonana an’i Isiraely izay efa nampanantenaina.

(Russell M. Nelson, “The Gathering of Scattered Israel,” Ensign na Liahona, Nov. 2006, 80)

Atrikasa fianarana fanampiny

Hanangona ny vahoakany ny Tompo

Na dia manasa antsika handray anjara miaraka Aminy aza ny Tompo eo am-panangonany ny vahoakany, dia Izy ihany no tena manao izany amin’ny farany. Hevero ny hanasa ireo mpianatra handalina ny sasany na ireto andinin-tsoratra masina rehetra manaraka ireto, mba hahafahan’izy ireo hitady ireo zavatra izay nampianarin’ny Tompo momba ny anjara asa sahaniny amin’ny fanangonana ny vahoakany: Deoteronomia 30:3 ; Isaia 27:12 ; 54:7 ; Ezekiela 34:12 ; 1 Nefia 22:25 ; Jakôba 5:71–72 ; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 29:1–2 ; 33:6 .

Raha tsy izany, dia azo atao ihany koa ny manasa ireo mpianatra mba handalina ny “ Israely ” ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina na “ Fanangonana ny Isiraely ” ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina, ka hitady ireo andinin-tsoratra masina izay mamaritra ny anjara asan’ny Tompo amin’ny fanangonana ny vahoakany.

Miara-mitombo ny olo-marina sy ny ratsy fanahy

Mety hahasoa ny mpianatra ny fandinihana ny fomba nampiasan’ny Mpamonjy ny fanoharan’ny vary sy ny tsimparifary (voa misy poizina) mba hampianarana fa ny Tompo dia hanangona ireo olo-marina mandritra ny andro farany ary handrava ny ratsy fanahy amin’ny Fiaviany Fanindroany. Rehefa avy nandalina ilay fanoharana tao amin’ny Matio 13:24–30 ny mpianatra dia azon’izy ireo atao koa ny mandalina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 86:1–7 , ary mitady ny antsipiriany fanampiny omen’io fanambarana io. Azon’ny mpianatra atao ny mifanakalo hevitra momba ireto fanontaniana manaraka ireto: Inona no asehon’ireo tandindona ao amin’io fanoharana io? Ahoana no isehoan’ny famindram-pon’ny Tompo ao amin’io fanoharana io?

Hamoaka printy