Seminera
Lioka 7:36–50


Lioka 7:36–50

“Fa be fitiavana izy”

sary maneho vehivavy iray mamafa ny tongotr’i Jesoa

Nisakafo hariva tao an-tranon’ilay Fariseo antsoina hoe Simona i Jesoa. Niditra ny vehivavy iray izay noheverin’i Simona ho “mpanota” ka “nahakotsa ny tongotry [ny Mpamonjy] tamin’ny ranomasony,” namaoka azy tamin’ny volon-dohany, “dia nanoroka fatratra ny tongony ka nanosotra azy tamin’ny menaka manitra” (Lioka 7:37–39). Ho famaliana ny eritreritr’i Simona dia nizara fanoharana iray momba ny famelan-keloka sy ny fitiavana ny Mpamonjy. Ity lesona ity dia natao hanampiana anao hampihatra finoana an’i Jesoa Kristy sy hibebaka amin’ny fahotanao.

Misaintsaina. Asao ny mpianatra hisaintsaina ny zavatra ianarany. Ny dikan’ny hoe misaintsaina dia mieritreritra lalina momba ny zavatra iray ary izany dia azo hatsaraina amin’ny alalan’ny vavaka. Rehefa mianatra misaintsaina ireo mpianatra dia matetika ny Fanahy no hanambara fahamarinana amin’izy ireo ary hampianatra azy ireo ny fomba ahafahan’izy ireo ho lasa mitovy kokoa amin’i Jesoa Kristy.

Fanomanana ny mpianatra: Asao ireo mpianatra hamaky ny Lioka 7:36–50 ary ho tonga vonona hizara ny valintenin’izy ireo amin’ireto fanontaniana manaraka ireto izay hita ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: Testamenta Vaovao 2023: “Saintsaino ny zavatra itovizanao amin’ilay vehivavy voalaza ao amin’ny Lioka 7:36–50 . Oviana no efa niainanao ny hatsaram-po sy ny famindram-po izay nasehon’ny Mpamonjy tamin’ilay vehivavy? Inona no zavatra ianaranao avy amin’ny ohatra nasehon’ilay vehivavy tamin’ny fanehoana finoana, sy fitiavana ary fanetrentena?” (“Febroary 27–Martsa 5. Matio 8; Marka 2–4; Lioka 7: -Ny finoanao no namonjy anao-”).

Sahanasa fianarana azo atao

Ny lalan-kizorantsika amin’izao fotoana izao

Asehoy ity sary natao manaraka ity sy ireo fanontaniana miaraka aminy.

Mampisehoa sarin’olona roa vita amin’ny tsipika, ny iray mandroso mankany amin’i Kristy, ilay iray hafa manalavitra an’i Kristy.
  • Inona no tsikaritrao momba ireo olona ao amin’ity kisary ity?

  • Mandroso inona mahakasika ny fifandraisan’izy ireo amin’ny Mpamonjy ny elanelana eo amin’izy ireo sy ny Mpamonjy ary ny lalana hizoran’izy ireo?

Eritrereto mandritra ny fotoana fohy ny toerana mety hametrahanao ny tenanao eo amin’ity kisary ity sy ny hoe aiza ny lalana hizoranao.Ny Loholona Larry R. Lawrence, fony izy mpikambana tao amin’ny Fitopololahy, dia nanazava hoe:

Sary ôfisialin’ny Loholona Larry R. Lawrence. Sary nalaina tamin’ny martsa 2017.

Fantatry ny Ray any An-danitra ny fahafahantsika ho tonga tahaka an’ Andriamanitra. Faly Izy isaky ny mandroso isika. Ny lalana alehantsika no manan-danja bebe kokoa Aminy noho ny hafainganam-pandehantsika.

(Larry R; Lawrence, “Inona no tsy mbola mahatanteraka ahy?,” Liahona, nôv. 2015, 35)

  • Nahoana araka ny eritreritrao no manan-danja kokoa noho ny hafainganam-pandehantsika ny lalana ara-panahy izay hizorantsika?

Mahatsapa fifaliana lehibe ny Tompo rehefa miezaka mibebaka isika (jereo ny Lioka 15:7 ; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 18:13). Fomba iray hamaritana ny fibebahana ny fialana amin’ny fahotana sy ny fitodihana amin’ Andriamanitra (jereo ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Fibebahana,” scriptures.ChurchofJesusChrist.org). Rehefa mandalina ianao dia henoy tsara ny bitsiky ny Fanahy izay afaka manampy anao hiala amin’ny fahotana sy hitodika any amin’ny Mpamonjy.

I Jesoa misakafo ao an-tranon’ilay Fariseo antsoina hoe Simona

Asao ny mpianatra hieritreritra ny valintenin’izy ireo amin’ireo fanontaniana izay nasaina hosaintsaininy tao amin’ny sahanasa fanomanana ny mpianatra.

Ny Lioka 7 dia mirakitra ny tantaran’i Jesoa nisakafo tao an-tranon’ny Fariseo iray iray nantsoina hoe Simona. Raha niaraka tamin’i Simona i Jesoa dia nanatona Azy ny vehivavy iray izay nalaza ho mpanota (jereo ny Lioka 7:37, 39).

Vakio ny Lioka 7:36–39 hitadiavana ny zava-nitranga rehefa nanatona an’i Jesoa ilay vehivavy nandritra io fanasana io.

  • Inona no voamarikao momba an’i Simona sy momba ilay vehivavy?

Fantatr’i Jesoa ny eritreritr’i Simona ka dia nizara fanoharana iray Izy. Vakio ny Lioka 7:40–43, ka tadiavo ny zavatra nampianarin’ny Mpamonjy an’i Simona tamin’ny alalan’io fanoharana io. Mety hanampy ny fahalalana fa ny denaria iray dia vola raisin’ny mpiasa amin’ny ankapobeny ao anatin’ny iray andro (jereo ny andininy 41 ).

  • Ahoana no mety ho nanampian’io fanoharana io an’i Simona hahatakatra ny filany manokana famelan-keloka?

Tamin’ny andron’ny Mpamonjy, dia fomba fanao ho an’ny mpampiantrano ny manome voninahitra ireo vahininy manan-kaja amin’ny alalan’ny fanehoana fihetsika maneho hatsaram-panahy toy ny fanorohana azy ireo rehefa miarahaba, fanomezana rano azy ireo hanasany ny tongony, sy ny fanosorana menaka ny lohan’izy ireo (jereo James E. Talmage, Jésus le Christ[1916], 261). Araka ny voarakitra ao amin’ny Lioka 7:44–46 dia nanamarika ny Mpamonjy fa tsy nanolotra ireo fanehoana fahalalam-pomba ireo ho an’i Jesoa i Simona, fa ilay vehivavy kosa dia niezaka mafy naneho ny fitiavany sy ny fankasitrahany Azy.

  • Inona araka ny eritreritrao no fantatr’ity vehivavy ity momba an’i Jesoa izay mety tsy fantatr’i Simona?

  • Inona no porofo hitanao fa nibebaka, na niala tamin’ny fahotany sy nitodika tamin’ny Mpamonjy ilay vehivavy?

Vakio ny Lioka 7:47–50 hitadiavana hoe nahoana ny Tompo no namela ny helok’ity vehivavy ity.

  • Inona avy ireo eritreritra na fahatsapana nanananao momba ny Mpamonjy rehefa nandalina ity tantara ity ianao?

  • Inona avy ireo fahamarinana nianaranao avy tamin’io tantara io?

Mety hahita fahamarinana isan-karazany avy amin’ity tantara ity ny mpianatra, anisan’izany izao manaraka izao: Rehefa voavela heloka isika dia mihalalina ny fitiavantsika ny Mpamonjy. Rehefa mampihatra finoana an’i Jesoa Kristy sy mibebaka amin’ny fahotantsika isika dia handray famelan-keloka avy Aminy.

Ny Loholona Dale G. Renlund ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nizara fampianarana mifandray amin’ilay tantara voarakitra ao amin’ny Lioka 7. Jereo ny horonan-tsary “Mba hahazoako misintona ny olon-drehetra atỳ Amiko” (13:39) manomboka amin’ny mari-potoana 4:22 ka hatramin’ny 5:03, na vakio ity lahatsoratra manaraka ity.

13:39

//media.ldscdn.org/webvtt/general-conference/april-2016-general-conference/2016-04-1070-dale-g-renlund-eng.vtt

Sary tapaka ôfisialin’ny Loholona Dale G. Renlund ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo, janoary 2016.

Arakaraka ny maha-akaiky antsika amin’i Jesoa Kristy eo amin’ny eritreritra sy ny fikasan’ny fo no hankasitrahantsika kokoa ny fijaliana tsy rariny nianjady taminy, sy hankasitrahantsika kokoa ny fahasoavana sy ny famelan-keloka, ary haniriantsika bebe kokoa ny hibebaka ka ho lasa tahaka Azy. Lehibe ny elanelantsika tanteraka amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy, saingy mbola manan-danja kokoa ny lalana halehantsika. Finaritra kokoa Andriamanitra amin’ireo mpanota mibebaka izay miezaka manakaiky Azy noho ny amin’ireo mpanamari-tena sy mpanome tsiny izay tsy mahatsapa fa tena mila mibebaka tokoa, toy ireo Fariseo sy mpanora-dalana fahiny.

(Dale G. Renlund, “Mba hahazoako misintona ny olon-drehetra atỳ Amiko,” Liahona, mey 2016, 40)

  • Inona avy ireo teny na andian-teny ao amin’io teny nambara io izay manatsara ny fahatakaranao ny zavatra vao nianaranao tao amin’ny Lioka7?

  • Inona avy ireo zavatra niainanao ka nanampy anao hahatsapa fitiavana sy fankasitrahana lehibe kokoa ho an’ny Mpamonjy sy ny famindram-po atolony?

6:25

Manaova drafitra

Omeo fotoana ireo mpianatra hamaliana ireto fanontaniana manaraka ireto ao amin’ny diary fandalinany.

Tsarovy fa ny fibebahana dia tsy zava-mitranga indray mandeha na ho an’ny fahotana goavana fotsiny ihany. Ny fibebahana dia dingana iray mitohy ary mibebaka isika isaky ny manao ezaka hanatonana kokoa ny Tompo sy hialana amin’ny ratsy.

Jereo indray ny sarin’ny Mpamonjy sy ilay kisary mampiseho sarin’olona, ary eritrereto ny fifandraisanao amin’i Jesoa Kristy sy ny lalan-kizoranao. Manaova drafitra hampahalalina ny fitiavanao ny Mpamonjy amin’ny alalan’ny fibebahana isan’andro. Vitao amin’ny taratasy mitokana ity fampiharana manaraka ity mba hahafahanao mitahiry izany. Mety hanana fotoana ianao hijerena indray ity sahanasa ity amin’ny lesona manaraka.

Ny lesona “Tombano ny fianaranao” izay manaraka ireo lesona miompana amin’ny Matio 8–13; Marka 2–5; sy Lioka 7, 9,11 dia miresaka momba io drafitra io ary manasa ny mpianatra hisaintsaina ny fivoarany.

  • Inona no zavatra iray tokony hatsahatrao mba hahafahanao manakaiky kokoa ny Mpamonjy? Ahoana ny fomba hanajanonao izany?

  • Inona no zavatra iray tokony hatombokao mba hahafahanao manakaiky kokoa ny Mpamonjy? Ahoana ny fomba hanombohanao izany?

Fanazavana sy fampahalalana avy amin’ny zava-miseho

Iza no mitovy amiko indrindra ao amin’io tantara io: I Simona sa ilay vehivavy?

Toy izao no nolazain’ny Filoha Dieter F. Uchtdorf, fony izy tao amin’ny Fiadidiana Voalohany:

19:13
Sary tapaka ôfisialin’ny Loholona Dieter F. Uchtdorf ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo, 2006. Nantsoina ho Mpanolotsaina Faharoa ao amin’ny Fiadidiana Voalohany, 3 febroary 2008. Nanao ny sary tapaka ôfisialy tamin’ny 2008 ho solon’ilay sary tapaka nalaina tamin’ny 2004.

Iza amin’ireo olona roa ireo no mitovy kokoa amintsika?

Mitovy amin’i Simona ve isika? Moa ve isika mahatoky tena sy mahazo aina tsara amin’ny asa tsara vitantsika, ka mitoky amin’ny fahamarinantsika manokana? Moa ve isika mety ho somary tsy manam-paharetana amin’ireo izay tsy miaina mifanaraka amin’ny fitsipi-piainantsika? Moa ve isika manao zavatra am-pahazarana fotsiny, manao zavatra tsy amim-piheverana rehefa manatrika ireo fivoriantsika, manoaka fotsiny mandritra ny kilasin’ny Fotopampianaran’ny Filazantsara, ary angamba mijery ny findaintsika mandritra ny fivorian’ny fanasan’ny Tompo?

Sa ve isika mitovy amin’ity vehivavy ity, izay nieritreritra fa tena very sy tsy manam-panantenana intsony noho ny fahotany?

Moa ve isika be fitiavana?

Moa ve takatsika ny trosantsika amin’ny Ray any An-danitra ka mitalaho amin’ny fanahintsika iray manontolo ny fahasoavan’ Andriamanitra?

Rehefa mandohalika mivavaka isika, moa ve izany mba hamerenana ireo zava-tsoa vitantsika noho ny fahamarinantsika manokana, sa moa ve izany ataontsika hibabohana ireo fahadisoantsika, ka hitalahoana ny famindram-pon’ Andriamanitra, ary handrotsahana ranomasom-pankasitrahana noho ilay drafitra mahagagan’ny fanavotana?

Tsy azo vidina amin’ny fankatoavana ny famonjena, fa tsy maintsy efaina amin’ny ran’ilay Zanak’ Andriamanitra [jereo ny Asan’ny Apostoly 20:28 ].

(Dieter F. Uchtdorf, “Ny fanomezam-pahasoavan’ny famindrampo,” Liahona, mey 2015, 109)

Nahoana no zava-dehibe ny mibebaka isan’andro?

Ny Filoha Russell M. Nelson dia nanazava hoe:

Sary tapaka ôfisialin’ny Filoha Russell M. Nelson, nalaina tamin’ny janoary 2018

Tsy misy zavatra manafaka kokoa sy maha-olom-banona kokoa na lehibe kokoa eo amin’ny fivoaran’ny tenantsika manokana noho ny fibebahana tsy tapaka sy ny fifantohana amin’izany isan’andro. Ny fibebahana dia tsy zava-mitranga indray mandeha fa dingana arahina. Fanalahidin’ny fahasambarana sy fiadanan-tsaina izany. Rehefa ampiarahina amin’ny finoana ny fibebahana dia manokatra ny fahazoantsika ny herin’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy.

(Russell M. Nelson, “Afaka manao tsaratsara kokoa sy ho lasa tsaratsara kokoa isikaLiahona, mey 2019, 67).

Sahanasa fianarana fanampiny

Fomba hafa hanomanana ny mpianatra sy hanombohana ny lesona

Alohan’ny hampianarana ny lesona dia hevero ny hanasa ny mpianatra hieritreritra momba ny zavatra tsara indrindra nataon’ny olona ho azy ireo. Asao izy ireo hieritreritra ny zavatra tsapany tamin’ilay olona sy ny zavatra nataon’izy ireo mba hanehoana ny fankasitrahany. Azon’izy ireo atao ny mangataka olona ao amin’ny fianakaviana na namana mba hizara ny zavatra niainan’izy ireo ihany koa. Afaka mizara ireo zavatra niainany ireo any amin’ny fiandohan’ny lesona ny mpianatra mba hanampiana azy ireo hahatsapa ny maha-zava-dehibe ilay fahamarinana hoe rehefa voavela heloka isika dia mihalalina ny fitiavantsika ny Mpamonjy.

Mampahalalim-paka ny fahatakaran’ny mpianatra ny soratra masina

Mba hahafahana manampy ireo mpianatra hahatakatra tsaratsara kokoa ilay fahamarinana hoe rehefa voavela heloka isika dia mihalalina ny fitiavantsika ny Mpamonjy, dia azo angatahana izy ireo handalina ny sasany amin’ireto soratra masina manaraka ireto na izy rehetra: Romana 2:4 ; Romana 5:8 ; 1 Jaona 4:19 ; Enôsa 1:1–11 ; sy ny Môzià 27:23–37 .