Seminera
Matio 8; Marka 2–4; Lioka 7


Matio 8; Marka 2–4; Lioka 7

Topimaso

Nampiseho ny heriny lehibe sy famindram-pony tamin’ny alalan’ireo fahagagana izay nataony i Jesoa, anisan’izany ny nananganany tamin’ny maty ilay zanaka lahin’ilay vehivavy mpitondratena sy ny nanasitranany lehilahy iray nararin’ny paralisisa. Nampitony ny tafio-drivotra izay niseho teo amin’ny Ranomasin’i Galilia ihany koa Izy ary namela ny helok’ilay vehivavy izay naneho ny fankasitrahany tamin’ny nanasany sy nanosorany menaka manitra ny tongony.

Miomàna hampianatra

Ity fampahalalana manaraka ity dia manome ny mpampianatra hevitra momba ny zavatra mety ilaina homanina mialoha ho an’ny lesona tsirairay.

Matio 8; Lioka 7:11–17

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia hanampy ireo mpianatra hanamafy ny finoany ny fahefan’i Jesoa Kristy manao fahagagana amin’izao andro iainantsika izao sy eo amin’ny fiainantsika.

  • Fiomanan’ny mpianatra: Asao ireo mpianatra mba hanontany ny fianakaviany na ny namany mahakasika ireo trangan-javatra niseho teo amin’ny fiainan’izy ireo sy teo amin’ny Fiangonana izay heverin’izy ireo ho fahagagana. Ampahatsiahivo azy ireo fa na dia misy aza ireo fahagagana sasany izay toa lehibe ny fitrangany, dia ao ireo hafa izay misoko mangina kokoa.

  • Sosokevitra ho an’ny fampianarana amin’alalan’ny vidéo conférence: Hevero ny hizara ny mpianatra amina efitra fivoriana an-jotra (breatout rooms/ salles de réunion) hanomezana fahafahana azy ireo hifampizara ny sasany amin’ireo fahagagana izay nomaniny hozaraina nandritra ilay atrikasa fiomanan’ny mpianatra.

Marka 2:1–12

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia hanampy ireo mpianatra hampitombo ny fahatakaran’izy ireo fa ny Mpamonjy dia afaka manasitrana ny karazana fahalemena rehetra.

  • Fiomanan’ny mpianatra: Asao ireo mpianatra hieritreritra ireo zavatra iray niainan’ny olom-pantany ka nandraisan’izany olona izany fitahiana izay nilaina fatratra avy tamin’ny Mpamonjy. Inona ny vokatra naterak’ilay fitahiana azon’io olona io tamin’ny olon-kafa, toy ny namany sy ireo olona tao amin’ny fianakaviany? Angataho ireo mpianatra hisaintsaina ny zavatra nianaran’izy ireo tamin’ny alalan’ny fahitana ny zavatra nataon’ny Mpamonjy ho an’io olona io.

Lioka 7:36–50

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia hanampy ireo mpianatra hampiasa ny finoan’izy ireo an’i Jesoa Kristy sy hibebaka amin’ny fahotan’izy ireo.

  • Fiomanan’ny mpianatra: Asao ireo mpianatra hamaky ny Lioka 7:36–50 sy hisaintsaina ireto fanontaniana manaraka avy ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: Testamenta Vaovao 2023: ireto “Saintsaino hoe amin’ny fomba ahoana no mampitovy anao amin’ilay vehivavy izay voalazalaza ao amin’ny Lioka 7:36–50. Oviana no efa niainanao ny hatsaram-po sy ny famindrampo izay nasehon’ny Mpamonjy tamin’ilay vehivavy? Inona no azonao atao mba hanarahana ny ohatra nasehon’ilay vehivavy tamin’ny fanehoana finoana, sy fitiavana ary fanetrentena?” (“Febroary 27–Martsa 5. Matio 8; Marka 2–4; Lioka 7: -Ny finoanao no namonjy anao-”).

  • Sary: Miomàna hampiseho ilay sary hita any amin’ny fanombohan’ny lesona.

  • Sosokevitra ho an’ny fampianarana amin’alalan’ny vidéo conférence: Eo am-pamakina ireo andinin-tsoratra masina ao amin’ny Lioka 7 , ataovy Affichage mode “Galerie” ny efijerinao mba ahafahanao mahita ireo mpianatra rehetra. Asao ilay mpianatra izay namaky ilay andinin-tsoratra masina teo aloha mba hanondro ny faritra tokony hovakina manokana. Na iza na iza mpianatra voatondro eo amin’ny efijerinao dia azo asaina mamaky ilay andinin-tsoratra masina manaraka.

Matio 8:23–27; Marka 4:35–41

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia hanampy ireo mpianatra handray ny fiadanan’ny Mpamonjy sy fahatoniana omeny mandritra ireo tolona atrehan’izy ireo.

  • Fiomanan’ny mpianatra: Asao ireo mpianatra mba hamita ny sahanasa ao amin’ny “Matio 8:23–27; Marka 4:35–41: I Jesoa Kristy dia manana hery hitondra fiadanana eo anivon’ny tafiotry ny fiainana,” izay hita ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’ olona sy ny fianakaviana: Testamenta Vaovao 2023. Asao ireo mpianatra ho vonona hizara hevi-baovao. Azon’izy ireo atao ny manontany fianakaviana na namana handray anjara hiaraka amin’izy ireo amin’ity sahanasa ity.

  • Fitaovana ho an’nympianatra: Alaivo antoka fa manana fitaovam-panoratana sy diary fandalinana soratra masina na taratasy ampiasaina avokoa ireo mpianatra mandritra ilay sahanasa fakana sary an-tsaina.

  • Sosokevitra ho an’ny fampianarana amin’alalan’ny vidéo conférence: Asao ireo mpianatra hampiseho eo amin’ny caméra ireo sary izay nataon’izy ireo mba hahafahan’izy ireo mahita ireo sary izay nataon’ny namany hafa. Manasà mpianatra vitsivitsy hanazava amin’ny iray kilasy ny zavatra izay nataony sary.

Famerenana ny fifehezana fotopampianarana 2

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia hanampy ireo mpianatra hitadidy ireo andinin-tsoratra masina sy ireo fehezan-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina ho an’ny sasany amin’ireo andinin-tsoratra masina fehezina mirakitra fotopampianarana izay hita ao amin’ny Tesatamenta Vaovao.

Naoty: Azo ampianarina ho solon’ity lesona famerenana ity ny lesona iray momba ny andinin-tsoratra masina fehezina mirakitra fotopampianarana. Jereo ny fandaharam-potoana izay nomen’ny tale na ny mpandrindra eo anivon’ny vondrom-paritra mba hahazoana antoka fa hampianarina avokoa ireo lesona momba ny andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana rehetra mandritra fotoana ampianarana ny seminera.

  • Fiomanan’ny mpianatra: Asao ireo mpianatra mba hisaintsaina ny fomba ahafahan’ny fahalalana ireo andinin-tsoratra masina sy ireo zavatra izay ampianariny manampy azy ireo eo amin’ny fiainany.

  • Taratasy zaraina: Miomàna hampiseho ny lisitr’ireo andinin-tsoratra masina fehezina mirakitra fotopampianarana sy ireo fehezan-teny manan-danja izay mifandray amin’izany, na omeo ny mpianatra amina endrika taratasy zaraina izany.

  • Fitaovana ho an’ny mpianatra: Alaivo antoka fa manana fitaovam-panoratana, diary fandalinana soratra masina sy taratasy ampiasaina avokoa ireo mpianatra mandritra ilay sahanasa karatra fitadidiana.

  • Sosokevitra ho an’ny fampianarana amin’alalan’ny vidéo conférence:Hevero ny hampiasa ireo lalao an-jotra izay afaka mamela ireo mpianatra hiaraka handray anjara. Maro ny fitaovana an-jotra azo ampiasaina mba hifandray amin’ ny fehezan-teny manan-danja sy ny andinin-tsoratra masina, na azon’ireo mpianatra atao ihany koa ny manao ilay sahanasa famenoana ny banga.

Hamoaka printy