Seminera
Marka 2:1–12


Marka 2:1–12

Nanasitrana lehilahy mararin’ny paralysisa i Jesoa

Sary
I Jesoa Kristy mandinika ny lehilahy iray mandry amin’ny tany eo anoloany. Voarakotra bodofotsy ilay lehilahy ary mararin’ny paralysisa. Nisy nampidinina avy teo amina faritra loaka teny amin’ny tafo ilay lehilahy marary, nomban’ny fantantenana ny ho sitrana. Sarin’i Kristy manolotra ny tanany amin’ilay lehilahy. Misy Apôstôly maro na mpianatra hafa miaraka amin’i Kristy.

Nasehon’i Jesoa ny fahaizany manasitrana olona ara-batana sy ara-panahy tamin’ny fanasitranana ilay lehilahy mararin’ny paralysisa sy ny famelana ny helony. Ity lesona ity dia afaka manampy amin’ny fampitomboana ny fahatakaranao fa afaka manasitrana ny karazana aretina rehetra ny Mpamonjy.

Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hieritreritra ny fotoana iray izay nahazoan’ny olona iray fantany fitahiana nilaina avy tamin’ Andriamanitra Inona no fiantraikan’ny fitahiana azon’io olona io tamin’ny hafa, toy ny namany sy ny olona ao amin’ny fianakaviany? Angataho ireo mpianatra hisaintsaina ny zavatra nianaran’izy ireo tamin’ny alalan’ny fahitana ny zavatra nataon’ny Mpamonjy ho an’io olona io.

Sahanasa fianarana azo atao

Vonona ny hanao inona ianao?

Hevero ny hanampy antsipirian-javatra manokana ho an’ity rafi-tantara manaraka ity mba hampazoto kokoa ny mpianatra. Ireo antsipirian-javatra ireo dia mety ho ny momba ilay aretina, ny hafainganan’ny fotoana tokony hanatanterahana ny fitsaboana, na ny zavatra hotakina amin’ilay fitsaboana.

Alaivo sary an-tsaina hoe voan’ny aretina iray mahafaty ny olona iray lalainao izay mila fitsaboana manokana ary iray ihany no dokotera afaka mamonjy azy. Vonona ny hanao inona ianao mba hahazoana fanampiana? Inona no hataonao raha toa ka feno ny fandaharam-potoan’ilay dokotera na raha toa ka mipetraka any amin’ny firenena hafa ilay dokotera?

Mety ho vonona hiezaka mafy ny olona iray mba hahazoana fanasitranana ho an’ny tenany na ho an’ny olona lalainy. Na dia matetika aza ny aretina ara-batana no azon’ny mpitsabo matihanina mahay tsaboina, dia misy ireo kilema ara-panahy izay tsy sitrana tanteraka raha tsy amin’ny alalan’i Jesoa Kristy irery ihany. Tanisao ao amin’ny diary fandalinanao ny zavatra inoanao ho sasany amin’izany.

Rehefa mandalina ity lesona ity ianao dia saintsaino izay azonao atao hanampiana ireo olona lalainao sy ny tenanao hanatona an’i Kristy mba handraisana ny fanampiana izay Izy ihany no afaka manome azy.

“Ny anankiray mararin’ny paralysisa”

Ny fahaiza-manao izay afaka manampy anao hianatra bebe kokoa rehefa mandalina ireo tantara ao amin’ny soratra masina dia ny mamaky izany amin’ny fomba fijerin’ireo olona samihafa ao amin’ilay tantara. Rehefa manao izany ianao dia miatoa matetika mba hakana sary an-tsaina izay zavatra mety tsapan’io olona io na ny zavatra neritreretiny tamin’ny fotoana samihafa tao amin’ilay tantara.

Mba hanaovana fanazaran-tena amin’io fahaiza-mandalina io dia mifidiana olona iray hifantohana amin’ireto manaraka ireto rehefa mandalina ity tantaran’i Jesoa nampianatra tao Kapernaomy ity ianao:

Mba hanampiana ny mpianatra hianatra amin’ny alalan’ny fomba fijery isan-karazany, dia zarao ho tsitelotelo izy ireo ary angataho ny mpianatra tsirairay ao amin’ny vondrona iray hifantoka amin’ny olona samihafa ao amin’ilay tantara.

  • Lehilahy iray nalemy (ny hoe “mararin’ny paralysisa” araka ny nampiasaina tao amin’ity tantara ity dia midika hoe nalemy izy)

  • Iray amin’ireo olona efatra nitondra ilay lehilahy mararin’ny paralysisa

  • Iray amin’ireo olona tao an-trano nihaino an’i Jesoa

Vakio ny Marka 2:1–3, ary alaivo sary an-tsaina hoe ianao no olona nofidinao hifantohana.

Hevero ny hanasa mpianatra hamaly ireto fanontaniana manaraka ireto ao anatin’ny vondron’olona telo misy azy.

  • Inona avy ireo olana, raha misy, mety natrehan’io olona io araka ny eritreritrao?

  • Inona no heverinao fa hitan’ity olona ity, sy henony, sy neritreretiny ary tsapany?

  • Inona no mety nantenain’ity olona ity horaisina avy tamin’ny fotoana niarahany tamin’i Jesoa Kristy?

Vakio ny Marka 2:4 hitadiavana ny zavatra nataon’ireo izay nitondra an’ilay lehilahy mba hanakaikezany an’i Jesoa Kristy.

Manasà mpianatra telo farafahakeliny, iray ho an’ny olona tsirairay ao amin’ilay tantara, hamaly amin’ny feo mafy ireto fanontaniana manaraka ireto.

  • Mety ho inona araka ny hevitrao no neritreretin’ilay olona nofidinao sy tsapany tamin’ity fotoana ity tao amin’ilay tantara? Nahoana?

  • Inona araka ny eritreritrao no nandrasan’izy ireo hataon’i Jesoa na holazainy?

Vakio ny Marka 2:5 mba hahitana izay nolazain’i Jesoa tamin’ilay lehilahy.

Asao ny mpianatra hamaly ity fanontaniana manaraka ity ao amin’ny vondron’olona telo misy azy.

  • Nahoana no mety hahagaga an’ilay olona nifantohanao ny tenin’ny Mpamonjy ao amin’ny andininy 5?

Ny sasany amin’ireo olona nanatrika ity fotoana ity dia nametra-panontaniana ny amin’ny fahefana ananan’ny Mpamonjy hamela heloka. Vakio ny Marka 2:6–12, ka tadiavo ny zavatra nataon’ny Mpamonjy mba hanehoana ny fahefany hamela heloka. Ny andian-teny hoe “Zanak’olona” ao amin’ny andininy 10 dia manondro an’i Jesoa Kristy ho ilay Zanaky ny “Lehilahin’ny Fahamasinana,” izay Andriamanitra Ray (jereo ny Mosesy 6:57).

  • Eritrereto ilay olona nifantohanao tao amin’ilay tantara. Toy ny ahoana no ahitanao sary an-tsaina ny fihetsik’io olona io teo anatrehan’ny zavatra nolazain’ny Mpamonjy sy nataony?

  • Inona no nianaranao momba ny Mpamonjy rehefa nifantoka tamin’ny olona iray manokana tao amin’ilay tantara ianao?

Ny hery manasitran’i Jesoa Kristy

Ny fahamarinana iray mety ho hitanao teo am-pandalinanao ity tantara ity dia ny hoe I Jesoa Kristy dia manana fahefana hanasitrana antsika ara-batana sy ara-panahy.

Ny filoha Dieter F. Uchtdorf, fony izy tao amin’ny Fiadidiana Voalohany, dia nijoro ho vavolombelona ny amin’ilay hery ananan’ny Mpamonjy hanasitranana ny aretina ara-panahy.

Sary
Sary tapaka ôfisialin’ny Loholona Dieter F. Uchtdorf ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo, 2006. Nantsoina ho Mpanolotsaina Faharoa ao amin’ny Fiadidiana Voalohany, 3 febroary 2008. Nanao ny sary tapaka ôfisialy tamin’ny 2008 ho solon’ilay sary tapaka nalaina tamin’ny 2004.

Matetika ny tsy fahasalamana ara-panahy dia tonga vokatry ny fahotana na ratra ara-pihetsehampo. …

Na dia ireo ratra ara-panahy faran’izay lalina aza, eny fa na dia ireo izay toa tsy azo sitranina intsony aza, dia azo sitranina.

Ry namako malala, tena misy ilay hery manasitran’i Jesoa Kristy amin’izao androntsika izao.

Ilay fikasihan’ny Mpamonjy, izay mitondra fahasitranana dia afaka manova ny fiainantsika toy ny nataony tamin’ny androny. Raha manam-pinoana fotsiny isika dia afaka mandray ny tanantsika Izy sy mameno ny fanahintsika amin’ny fahazavana avy any an-danitra sy fahasitranana, ary miteny ireo teny masina amintsika hoe: “Mitsangàna, ento ny fandrianao, ka mandehana” [ Jaona 5:8 ].

(Dieter F. Uchtdorf, “Mpihazona fahazavana avy any an-danitra,” Liahona, nôv. 2017, 78)

  • Inona avy ireo ohatra amin’ny ratra ara-panahy azon’ny Mpamonjy sitranina?

Hevero ny hanoratra ny hoe I Jesoa Kristy irery ihany no afaka manasitrana tanteraka ny ________ eny amin’ny solaitrabe ary asao ny mpianatra hameno ilay banga.

  • Inona no fitahiana azonao eo amin’ny fiainanao noho ny fahafantarana fa afaka manasitrana ratra ara-panahy Izy?

Saintsaino ireto fanontaniana manaraka ireto izay mifandray amin’ity fahamarinana ity. Raketo ao anatin’ny diary fandalinanao ireo eritreritra tonga ao an-tsainao.

  • Misy ratra ara-panahy ilaina sitranina ve eo amin’ny fiainanao?

  • Ahoana no ahafahantsika mikatsaka ny hery manasitran’i Jesoa Kristy?

  • Mahafantatra olon-kafa mila ny hery manasitran’i Jesoa Kristy ve ianao? Inona no azonao atao mba hanampiana azy ireo hahazo izany?

Mijoroa ho vavolombelona ny amin’ny fitiavan’i Jesoa Kristy antsika tsirairay avy sy ny heriny hanasitranana antsika.

Zarao ny zavatra nianaranao

Rehefa mandalina tantara hafa ao amin’ny soratra masina ianao amin’ity taona ity, dia azonao ampiasaina ny fahaiza-manaon’ny fifantohana amina olona manokana ao amin’ny tantara. Mety hanampy ny mamaky andinin-tsoratra masina imbetsaka, ka misaintsaina hatrany ny zavatra mety nianaran’ny olona samihafa tao amin’ilay tantara.

Alaivo an-tsaina hoe ilay olona nifantohanao teo am-pandalinanao ity tantara ity dia naniry ny hilazalaza amin’ny namana momba ny zavatra hitan’izy ireo sy tsapan’izy ireo tamin’io andro io. Makà fotoana kely hanoratanao ao amin’ny diary fandalinanao ny fahazoanao sary an-tsaina azy ireo eo am-pamaritana ny zavatra niainany amin’ny antsipiriany. Ampidiro ao izay heverinao fa nianaran’izy ireo sy tsapan’izy ireo momba an’i Jesoa Kristy.

Fanazavana sy fampahalalana avy amin’ny zava-miseho

Afaka ny hisy fiantraikany eo amin’ireo olona lalaiko ve ny finoako?

Nampianatra ny Loholona Chi Hong (Sam) Wong ao amin’ny Fitopololahy hoe:

Sary
Sary tapaka ôfisialin’ny Loholona Chi Hong (Sam) Wong. Sary nalaina tamin’ny martsa 2017.

Te hizara aminareo harena miafina iray fanampiny aho izay hita ao amin’ity tantara ao amin’ny soratra masina ity. Ao amin’ny andininy faha-5 izany: “Ary Jesoa, nony nahita ny finoan’ireo” nampiana fanamafisana). Tsy tandriko io taloha—ny finoan’ireo. Ny finoantsika mitambatra dia hitondra soa koa eo amin’ny fiainan’ny hafa.

Iza moa ireo olona izay nolazain’i Jesoa ireo? Azo ampidirina tsara ao anatin’izany ireo olona efatra nilanja ilay lehilahy mararin’ny paralysisa sy ilay lehilahy marary, ny olona izay nivavaka ho azy ary ireo olona rehetra izay nihaino ny fampianaran’i Jesoa sy nifaly mangina tany am-pon’izy ireo ny amin’ilay fahagagana ho avy tsy ho ela. Azo ampidirina ao koa ny vady, ny ray aman-dreny iray, ny zanakalahy na zanakavavy iray, ny misiônera iray, ny filohan’ny kôlejy iray, ny filohan’ny Fikambanana Ifanampiana iray, ny eveka iray ary ny namana lavitra iray. Afaka mifanampy isika rehetra. Tokony hazoto hirotsaka hatrany amin’ny fikatsahana hanavotra ireo sahirana isika.

(Chi Hong [Sam] Wong, “Manavotra ao anatin’ny firaisan-kina,” Liahona, nôv. 2014, 16)

Inona no noporofoin’i Jesoa tamin’ireo mpanora-dalàna tamin’ny alalan’ny fanasitranana ara-batana ilay lehilahy?

Nanazava ny Loholona Bruce R. McConkie (1915–85) tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe:

Sary
Sary tapaka ahitana ny Loholona Bruce R. McConkie hatreo amin’ny soroka.

Na i Jesoa na ireo “mpahay lalàna” izay teo dia samy nahafantatra fa tsy misy afa-tsy Andriamanitra irery ihany no afaka mamela heloka. Araka izany, amin’ny maha-vavolombelona voatendry sy miavaka Azy izay nitoeran’ny herin’ Andriamanitra, … i Jesoa dia nanao zavatra izay tsy azon’ny mpisandoka tanterahina—Izy dia nanaporofo ny heriny masina tamin’ny alalan’ny fanasitranana ilay lehilahy voavela heloka. Nanoloana ny fanadihadiana natao taminy hoe “Mitaky hery bebe kokoa mihoatra noho ny fananganana sy fampandehanana ny marary ve ny hery ahafahana mamela heloka?” Iray ihany no valin’izany! Iray ihany izy ireo; izay mahay manao ny iray dia mahay manao ilay iray hafa ihany koa.

(Bruce R. McConkie, Doctrinal New Testament Commentary [1973], 1:177–78)

Sahanasa fianarana fanampiny

Mitondra ny hafa hanatona ny Mpamonjy

Hevero ny hanasa ny mpianatra hanaraka ny ohatra nasehon’ireo olona efatra izay tapa-kevitra hitondra ilay mararin’ny paralysisa ho any amin’i Kristy. Asao izy ireo hieritreritra olona lalaina manokana izay mila fanampiana hanatona ny Mpamonjy, ary hanao drafitra hanampiana azy ireo. Azon’izy ireo atao ny mampiditra ny hafa ao amin’ny drafiny, toy ny nanampian’ny olona mihoatra ny iray an’ilay lehilahy nararin’ny paralysisa. Ny teny nataon’ny Loholona Wong ao amin’ny fizarana “Fanazavana sy fampahalalana avy amin’ny zava-miseho” ao amin’ity lesona ity (na ny lahateniny iray manontolo) dia afaka manampy ny mpianatra hahatakatra ny maha-zava-dehibe ny fampitambarana ny finoany amin’ny hafa.

Hamoaka printy