Seminera
Matio 8; Lioka 7:11–17


Matio 8; Lioka 7:11–17

Ny hery mahagagan’i Jesoa Kristy

Sary
Zatovolahy mifono lambam-paty mipetraka eo amina filanjana marary. Mametraka ny tanany eo amin’ny sorony i Jesoa; ary tazana eo ao an-damosina ireo mpianany.

Ny iray amin’ireo fomba nanehoan’i Jesoa ny heriny dia tamin’ny alalan’ireo fanasitranana mahagaga, anisan’izany ny fananganana ny zanak’ilay mpitondratena tamin’ny maty. Ity lesona ity dia natao hanamafisana ny finoanao ny herin’i Jesoa Kristy amin’ny fanaovana fahagagana amin’izao androntsika izao sy eo amin’ny fiainanao.

Mampiasa ny fandaharam-pampianarana Rehefa manomana ny lesona tsirairay ianao sy mandalina ny andian-tsoratra masina dia diniho amim-bavaka ihany koa ny fandaharam-pampianarana. Rehefa manao izany ianao dia afaka manampy anao ny Fanahy Masina hampifanaraka ny lesona amin’izay zavatra ilain’ny mpianatrao. Azonao atao ny misafidy ny hampiasa ireo sosokevitra rehetra enti-mampianatra ny andian-tsoratra masina na ny ampahany amin’izany, na azonao ampifanarahana amin’ ireo zavatra ilaina sy ny zava-misy ao amin’ny kilasy ampianarinao ireo sosokevitra aroso ao.

Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hanontany ny fianakaviany na ny namany hoe inona ny zava-nitranga teo amin’ny fiainany sy teo amin’ny Fiangonana izay raisin’izy ireo ho fahagagana. Ampahatsiahivo ny mpianatra fa na dia miharihary aza ny fahagagana sasany, ny hafa kosa dia miseho amin’ny fomba an-kolaka kokoa.

Sahanasa fianarana azo atao

Fahagagana

Soraty eo amin’ny solaitrabe ity famaritana manaraka ity ary mampisehoa sarin’ireo zava-nitranga mahagaga sasany ao amin’ny soratra masina (jereo ireo sary nampiarahana amin’ity boky ity).

Sary
I Jesoa mamela sy manasitrana lehilahy iray.
Sary
I Jesoa manasitrana lehilahy jamba iray. Hampiasaina ao amin’ny Latter-day Saint Channel.

Ny hoe fahagagana dia “zava-mahatalanjona miseho noho ny herin’ Andriamanitra. … Mila finoana ny fanehoana fahagagana” (Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Fahagagana,” scriptures.ChurchofJesusChrist.org).

  • Inona avy ireo fahagagana anisan’ny tianao indrindra voarakitra ao amin’ny soratra masina? Nahoana?

  • Inona no ianaranao momba an’i Jesoa Kristy avy amin’ireo fahagagana ireo?

Raha mamela izany ny toe-java-misy dia azonao asaina mandefa hafatra amin’ny olona iray ao amin’ny fianakaviany na ny namany ireo mpianatra izay tsy nanao ilay sahanasa fanomanana ny mpianatra talohan’ny fotoam-pianarana, ka hanontany hoe inona no zava-nitranga izay raisin’izy ireo ho fahagagana. Afaka mizara ireo valiny ireo ny mpianatra any amin’ny faramparan’ny lesona.

Nandritra ny fiainan’ny Mpamonjy dia nanao fahagagana maro Izy. Rehefa mandalina ny sasany amin’izany ianao ao amin’ity lesona ity sy mandritra ny herinandro manontolo dia saintsaino ny fomba hamalianao ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Inona no zavatra takatrao momba ny fahagagana?

  • Inona no fanontaniana anananao momba azy ireny?

  • Inona no (na inona avy ireo) fahagagana antenainao fa hataon’ Andriamanitra eo amin’ny fiainanao?

Azonao soratana ao amin’ny diary fandalinanao ny valinteninao. Mitadiava valiny amin’ny fanontanianao amin’ity herinandro ity rehefa mandalina ireo fahagagana nataon’i Jesoa Kristy ianao.

Mampianatra antsika inona momba an’i Jesoa Kristy ny fahagagana?

Ny fahaiza-manao amin’ny fandalinana soratra masina izay afaka manampy anao hahafantatra kokoa momba an’i Jesoa Kristy dia ny mijery mihoatra ny zavatra nataony fotsiny sy ny misaintsaina ombam-bavaka ny zavatra ambaran’ny asany momba ny toetrany. Eo am-pamakiana dia azonao apetraka ny fanontaniana toy ny hoe “Inona no ianarako mikasika ny faharisihana ananan’ny Mpamonjy, sy mikasika ireo laharam-pahamehany ary mikasika ireo toetrany avy amin’ny zavatra ataony sy lazainy?”

Vakio ny Lioka 7:11–17, ary tadiavo ny antsipirian-javatra ao amin’ilay tantara izay mampianatra anao momba an’i Jesoa Kristy. Ohatra, jereo tsara hoe inona no anampian’ny andininy 13 anao hahatakatra ny antony nanaovany an’io fahagagana io. Azonao atao koa ny mijery ny horonan-tsary “La veuve de Naïn” (2:22), hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org, eo am-pandalinanao io tantara io.

  • Inona no nianaranao momba ny antony manosika ny Mpamonjy hanao zavatra, sy ny laharam-pahamehana Aminy ary ny toetrany avy tamin’ny zavatra nataony na nolazainy rehefa nanao an’io fahagagana io Izy?

  • Inona no anampian’ny zavatra nianaranao anao eo amin’ny fiainanao amin’izao?

Nanao fahagagana maro i Jesoa

Misafidiana iray na maromaro amin’ireto fahagagana manaraka ireto hohalalinina. Tohizo ny fandinihana tsara ny zavatra ianaranao momba ny Mpamonjy avy amin’ireo tantara ireo.

Hevero ny hampiseho ireto sary sy andinin-tsoratra masina manaraka ireto. Tondroy ny sary tsirairay eo am-pamakiana mafy ny famaritana fohy mifanaraka amin’izany. Zarao ho tsitelotelo ireo mpianatra avy eo. Omeo tantara samy hafa hohalalinina ny vondrona tsirairay ary asao ny mpianatra hizara amin’ny vondrona misy azy ny antsipirian’ny tantara novakiny.

Matio 8:1–4 ; Marka 1:40–42 Nanasitrana boka iray i Jesoa.Ny boka iray dia ho voaroaka tsy ho eo amin’ny fiarahamonina satria mampijaly ny habokana, sady mamindra no indraindray mahafaty. Ny ankamaroan’ny olona dia tsy te-hanatona na hikasika azy.

Sary
Amin’ny maha-mpikamban’Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany antsika dia mino ny fisian’ny fifandraisan’ny tena manokana amin’ny Mpamonjy isika. Rehefa mamaky ny Testamenta Vaovao sy ny Bokin’i Môrmôna dia manontany tena foana aho hoe mety ho nanao ahoana izany hoe mahatsapa ny fikasihan’ny Mpamonjy sy mandray fanasitranana avy amin’ny hatsarany? Io saryo io dia maneho ny tantara hita ao amin’ny Matio 8 ao amin’ny Testamenta Vaovao. Nanam-pinoana ilay boka nanatona an’i Jesoa fa hoe, raha sitrany, dia afaka ny hanasitrana azy Izy. Tamin’ny alalan’ireo teny tsotra manao hoe “madiova ianao” no nahatonga ny olona kivy iray ho velom-panantenana. Mety ho nanao ahoana izany fotoana izany? Nibanjina ny tavan’ilay Mpamonjy izao tontolo ilay lehilahy vao nositranina.

Matio 8:5–8, 13 Nanasitrana ny mpanompon’ny kapiteny iray i Jesoa.Ny kapiteny dia manamboninahitra nibaiko lehilahy miisa 100 eo ho eo tao amin’ny tafika Romana. Jiosy maro tamin’ny andron’i Jesoa no nankahala miaramila Romana noho ny fahasamihafana ara-pinoana sy noho izy ireo solontenan’ny firenena nanababo azy ireo.

Sary
Miaramila romana iray miomana ny handeha hiady.

Marka 5:1–13, 18–20 Namoaka ny demonian’ilay lehilahy nonina teny amin’ny fasana i Jesoa.Nisy lehilahy iray nonina teny amin’ny fasana, nikiakiaka sy nandratra ny tenany. Rehefa tsy nahavita namatotra azy tamin’ny rojo vy ny olona teo amin’ny faritra, dia nitsoaka azy izy ireo, ary navelan’izy ireo nitokana teny amin’ireo fasana izy.

Sary
Lehilahy misy fanahy ratsy - t.25-1

Asao ny mpianatra hifanakalo hevitra ao amin’ny vondrona misy azy momba ireo fanontaniana toy ireto manaraka ireto izay manampy azy ireo hifantoka amin’ny Mpamonjy fa tsy amin’ilay fahagagana fotsiny ihany. Ataovy izay hahatakaran’ny mpianatra fa ny fahagagana nataon’i Jesoa Kristy dia maneho ny fitiavany sy ny fangorahany amintsika.

  • Inona no nianaranao mikasika ny faharisihana ananan’ny Mpamonjy, sy mikasika ireo laharam-pahamehany ary mikasika ireo toetrany avy tamin’ny zavatra nataony na nolazainy rehefa nanao an’io fahagagana io Izy?

  • Inona no anampian’ny zavatra nianaranao anao eo amin’ny fiainanao amin’izao?

  • Inona no azonao atao rehefa mahatsapa ianao fa mila ny fanampian’ny Mpamonjy?

Fahagagana amin’izao androntsika izao

Efa nanontany tena ve ianao raha mbola manao fahagagana ny Mpamonjy ankehitriny? Na dia maro aza ny olona izay tsy mbola niaina ny sasany tamin’ireo fahagagana tena mahatalanjona voarakitra ao amin’ny soratra masina, toy ny fisarahan’ny Ranomasina Mena na ny fananganana ny maty, dia zava-dehibe ny mitadidy fa mbola misy foana ny fahagagana ankehitriny. Hoy ny nambaran’ny Mpamonjy: “Andriamanitry ny fahagagana Aho; ary hasehoko izao tontolo izao fa Izaho dia tsy miova omaly, anio ary mandrakizay” ( 2 Nefia 27:23).

Nampianatra ny Filoha Dallin H. Oaks ao amin’ny Fiadidiana Voalohany hoe:

Sary
Sary tapaka ôfisialin’ny Filoha Dallin H. Oaks, nalaina tamin’ny martsa 2018.

Fahagagana maro no mitranga isan’andro eo amin’ny asan’ny Fiangonantsika sy eo amin’ny fiainan’ireo mpikambana ato amintsika. Maro aminareo no nanatri-maso fahagagana, mety mihoatra lavitra noho ny fiheveranareo.

(Dallin H. Oaks, “Miracles,” Ensign, June 2001, 6)

  • Inona no eritreritra na fanontaniana anananao momba ireo teny nataon’ny Filoha Oaks ireo?

Alohan’ny hametrahanao ireto fanontaniana manaraka ireto dia hevero ny hampahatsiahy ny mpianatra ilay sosokevitra ao amin’ny fanomanana ny mpianatra na asao izy ireo hitady valiny avy amin’ny olona ao amin’ny fianakaviany na ny namany izay mety nandefasany hafatra tany amin’ny fiandohan’ny lesona. Ampitandremo izy ireo tsy hizara antsipirian-javatra izay tsy fizara amin’ny rehetra na masina loatra.

  • Inona no sasany amin’ireo fahagagana nataon’ny Mpamonjy tao anatin’ny Famerenana amin’ny laoniny sy tamin’ny alalan’ny asan’ny Fiangonany?

  • Inona avy ireo fahagagana hitanao na hitan’ireo olona akaikin’ny fonao teo amin’ny fiainanao?

  • Inona no ambaran’ireo fahagagana manokana ireo momba ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy?

Hevero ny hanasa ny mpianatra hieritreritra ny fomba nitomboan’ny fahatakarany ny fahagagana nandritra ity lesona ity. Asao koa ireo mpianatra hifantoka tsara amin’ilay fitarihana mahagaga avy amin’ny Tompo eo amin’ny fiainan’izy ireo. Amporisiho izy ireo hikatsaka fitaomam-panahy avy amin’ny Fanahy Masina mba hanampy azy ireo hahita ny valin’ireo fanontaniana mbola ananany momba ny fahagagana.

Fanazavana sy fampahalalana avy amin’ny zava-miseho

Inona ilay fahagagana lehibe indrindra?

Nampianatra ny Filoha Dallin H. Oaks ao amin’ny Fiadidiana Voalohany hoe:

Sary
Sary tapaka ôfisialin’ny Filoha Dallin H. Oaks, nalaina tamin’ny martsa 2018.

Misy fiantraikany amin’ny olona maro ny fahagagana sasany. Ny fahagagana lehibe indrindra toy izany dia ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy, ny fandreseny ny fahafatesan’ny vatana sy ny fahafatesana ara-panahy ho an’ny olombelona rehetra. Tsy misy fahagagana lehibe kokoa na mahatalanjona kokoa noho izany.

(Dallin H. Oaks, “Miracles,” Ensign, June 2001, 9)

Moa ve mbola misy ankehitriny ireo fahagagana mampitolagaga voarakitra ao amin’ny soratra masina?

Ohatra iray amin’ny fahagagana miavaka amin’ny andro ankehitriny no nozarain’ny Filoha Gordon B. (1910–2008):

Sary
Sarin’ny tapany ambonin’ny Filoha Gordon B. Hinckley izay manatrika. Miankina eo amin’ny lamosin’ny seza ireo tanan’ny Filoha Hinckley. Io sary io no sary tapaka ôfisialy nalain’ny Fiangonana ho an’ny Filoha Hinckley tamin’ny 1995. Io no sary tapaka ôfisialy farany an’ny Filoha Hinckley. Maty tamin’ny 27 janoary 2008 ny Filoha Hinckley.

Nangatahana aho raha mba afaka mitsidika ny vehivavy iray any amin’ny hôpitaly izay nolaizan’ny dokotera mitsabo azy fa mihajamba ka tsy hahita intsony ao anatin’ny herinandro. Nangataka izy raha mba afaka mametra-tanana aminy izahay ka dia nataonay izany, ary nilaza izy fa sitrana tamin’ny fomba mahagaga. … Hoy aho taminy, “Tsy izaho no nampahiratra ny masonao. Mazava ho azy fa ny Tompo no nampahiratra ny masonao. Misaora Azy ary ankasitraho Izy.”

(Teachings of Gordon B. Hinckley [1997], 343)

Nahoana ny olona no tsy mahazo izay fahagagana rehetra angatahin’izy ireo amim-pinaona an’i Jesoa Kristy?

Hoy ny Filoha Dallin H. Oaks ao amin’ny Fiadidiana Voalohany hoe:

Sary
Sary tapaka ôfisialin’ny Filoha Dallin H. Oaks, nalaina tamin’ny martsa 2018.

Tsy hoe izay mangataka fahagagana dia hahazo izany. … Ny sitrapon’ny Tompo hatrany no zava-dehibe indrindra. Ny fisoronan’ny Tompo dia tsy azo ampiasaina hanatanterahana fahagagana mifanohitra amin’ny sitrapon’ny Tompo. Tsy maintsy tadidintsika ihany koa fa na dia hisy fahagagana hitranga aza dia tsy hitranga amin’ny fotoana hanirintsika azy izany. Mampianatra ireo fanambarana fa ny trangam-pahagagana dia miseho “ho amin’ny fotoany sy araka ny fombany” ( F&F 88:68).

(Dallin H. Oaks, “Miracles,” Ensign, June 2001, 9)

Nahoana ireo demonia tao amin’ilay tantara ao amin’ny Marka 5:11–13 no naniry ny hiditra tao amin’ireo kisoa?

Nanazava ny Mpaminany Joseph Smith (1805–44) hoe:

Sary
Sarin’ny tapany ambonin’ny Mpaminany Joseph Smith, Zanany. Mihodina any amin’ny ilany ny lohan’i Joseph Zanany, mitodika telo ampahefany, ny tanana havanana eo amin’ny valahany ary ny tanany havia mitazona taratasy. Manao akanjo volontsôkôlà matroka no anehoana azy miaraka amin’ny lobaka fotsy sy karavato.

Tonga eto an-tany isika mba hanana vatana sy hanolotra izany amin’ny endriny madio eo anatrehan’ Andriamanitra ao amin’ny fanjakana selestialy. Ny fitsipika lehiben’ny fahasambarana dia mifototra amin’ny fananana vatana. Tsy manana vatana ny devoly ary izay no saziny. Faly izy rehefa afaka mahazo tabernakelin’olombelona, ka rehefa noroahin’ny Mpamonjy izy dia nangataka hankany anatin’ilay andiana kisoa, izay nampiseho fa aleony vatana kisoa toy izay tsy hanana vatana. Ny olona rehetra izay manana vatana dia manana hery amin’ireo tsy manana.

(Teachings of Presidents of the Church: Joseph Smith [2007], 211)

Mbola hisy fahagagana bebe kokoa hitranga ve mialoha ny hiverenan’ny Mpamonjy?

Nijoro ho vavolombelona ny Filoha Russell M. Nelson hoe:

Sary
Sary tapaka ôfisialin’ny Filoha Russell M. Nelson, nalaina tamin’ny janoary 2018

I Jesoa Kristy, Mpamonjy sy Mpanavotra antsika, dia hanatanteraka ny sasany amin’ireo asany lehibe indrindra eo anelanelan’izao fotoana izao sy ny fotoana hiverenany indray. Hahita famantarana mahagaga isika fa Andriamanitra Ray sy i Jesoa Kristy Zanay dia mitantana ity Fiangonana ity amin’ny fahamboniana sy amim-boninahitra.

(Russell M. Nelson, “Fanambarana ho an’ny Fiangonana, fanambarana ho an’ny fiainantsika,” Liahona mey 2018, 96)

Sahanasa fianarana fanampiny

Andriamanitry ny fahagagana i Jesoa Kristy ary ho toy izany hatrany

Mba hanampiana ny mpianatra hahita fa mbola misy ny fahagagana dia asao izy ireo handalina ny Môrmôna 9:11–21 . Asao izy ireo hitady ny valin’ireto zavatra manaraka ireto:

  • Inona no sasany amin’ireo fahagagana nataon’i Jesoa Kristy izay nolazain’i Môrônia tao amin’ireo andininy ireo?

  • Inona no torohevitra nomen’i Môrônia ho an’ireo izay tsy mino fahagagana?

  • Inona no antony hitsaharan’ Andriamanitra tsy hanao fahagagana eo amin’ny olony?

Mandroaka fanahy ratsy

Rehefa avy nianatra ireo mpianatra fa manana fahefana hamoaka fanahy ratsy ny Mpamonjy dia azon’izy ireo atao ny mamaky ny faminaniana nataon’ny Benjamina Mpanjaka ao amin’ny Môzià 3:5–6. Asao izy ireo hifanakalo hevitra momba ny dikan’ny hoe ny Mpamonjy dia afaka “[mandroaka] ny devoly, na ny fanahy ratsy izay mitoetra ao am-pon’ny zanak’olombelona” (andininy 6). Asao izy ireo hisaintsaina raha misy zavatra manakana azy ireo tsy handroso ara-panahy ka tian’izy ireo hoesorina tsy ho ao am-pony. Mijoroa ho vavolombelona momba ny fahafahan’ny Mpamonjy manala ny fanirian-dratsy ao am-pontsika rehefa mitodika any Aminy amim-pinoana isika.

Hamoaka printy