Matio 8:23–27; Marka 4:35–41
I Jesoa mampitsahatra ny tafio-drivotra
“Mpampianatra ô, tsy mampaninona Anao va izao hahafatesanay izao?” hoy ireo mpianatra niantsoantso ny Mpamonjy rehefa natopatopan’ny alondrano sy ny rivotra ny sambokelin’izy ireo (jereo ny Marka 4:37–38). Amin’ny fotoanan’ny famoizam-po dia mety ho kivy isika mitady fanampiana ary mametram-panontaniana momba ny fiahian’ny Mpamonjy antsika. Na dia toa mahakivy aza ny toe-javatra misy antsika dia manana ny fahefana sy hery i Jesoa Kristy hanamaivanana ny enta-mavesatsika, hanafoana ny zava-manahirana antsika ary hiteny amintsika hoe: “Mangina, mitsahara” (Marka 4:39). Ity lesona ity dia natao hanampiana anao handray ny fiadananan’ny Tompo sy ny fitoniana mandritra ireo ady lalovanao.
Ireo atrikasa fianarana azo atao
Inona avy ireo tahotra anananao?
Indraindray isika eo amin’ny fiainana dia mety hahatsapa fa ao anatin’ny tafio-drivotra mahery. Mety hahatonga antsika hatahotra indraindray ireny tafiotry ny fiainana ireny.
Ny Loholona Ronald A. Rasband ao amin’ny Kôlejin’ny Roambinifololahy dia nizara ohatra amin’ny tahotra izay ananantsika indraindray. Eritrereto izay tahotra mety anananao mitovy amin’izany.
Ireo tanora tokan-tenantsika dia matahotra ny hanao fanolorantena toy ny hanambady. Ireo tanora vao nanambady … dia matahotra ny hitondra zanaka eto amin’ny tontolo miha-ratsy fanahy. Matahotra zavatra maro ireo misiônera, indrindra fa ny fanatonana olon-tsy fantatra. Matahotra ny handroso irery ireo manano-tena. Matahotra ny tsy hisy hanaiky ireo zatovo; matahotra ny andro voalohany ny ankizy vao hiditra hianatra; matahotra ny hanala fanadinana ireo ankizy any amin’ny oniversite. Matahotra tsy fahombiazana, fanilihana, fahadisoam-panantenana, ary ny zava-tsy hita-maso isika. Matahotra rivo-doza, horohoron-tany, ary afo izay mandrava ny tany sy ny fiainantsika isika. Matahotra ny tsy ho voafidy isika, ary matahotra ihany koa ny mifanohitra amin’izany, dia ny ho voafidy izany. Matahotra ny ho tsy ampy fahatsarana isika; matahotra isika fa tsy manana fitahiana ho antsika ny Tompo. Matahotra fiovana isika, ary mety hitombo ho lasa fihorohoroana ireo tahotsika.
(Ronald A. Rasband, “Aza matahotra,” Liahona, nôv. 2018, 18)
Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto.
-
Inona ireo tahotra anananao izay mitovy amin’ireo voalazan’ny Loholona Rasband?
-
Inona no mety ho fiantraikan’ireo tahotra ireo amin’ny finoanao? Nahoana?
-
Inona no azonao atao mba handraisana ny fanampian’ny Mpamonjy handresena ireo tahotra ireo?
Rehefa mandalina ianao anio dia tadiavo ireo fahamarinana izay afaka manampy anao handray ny fiadanan’ny Tompo hanampy amin’ny fampitoniana ny tahotrao.
Zavatra iainana mampatahotra
Ny fahazoana sary an-tsaina ny zava-mitranga ao amin’ny soratra masina dia fahaizana mandalina afaka mampitombo tokoa ny hery sy ny fahombiazan’ny fandalinanao. Halalino ny Marka 4:35–38 , ary andramo alaina sary an-tsaina ny zavatra niainan’ireo mpianatra voarakitra ao amin’ireo andininy ireo.
Manaova sary tsotsotra avy amin’ilay zava-nitranga ao amin’ny Marka 4:35–38 ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina. Ampidiro izay antsipiriany tsapanao fa manampy. Ho ampiasainao mandritra ny lesona ity sary ity mba hampifandraisanao ilay tantara amin’ny fiainanao manokana. Hevero ny hametraka ireto fanontaniana manaraka ireto amin’ny tenanao rehefa manao ny sary:
-
Tahaka ny ahoana no eritreretinao fa ho endrik’ilay sambokely?
-
Inona no mety ho nataon’ny mpianatra rehefa nianjeran’ny onja ny sambokely?
-
Araka ny hevitrao, nanao ahoana ny fahatsapana sy ny endrik’ilay tafio-drivotra?
Diniho ny fomba mety hanehoan’ny zava-mitranga voalaza ao amin’ity tantara ity ireo zava-niseho, miseho, na mety hiseho amin’ny fiainanao.Soraty eo akaikin’ireo toerana samihafa amin’ilay sary noforoninao ireo lafin-javatra eo amin’ny fiainanao izay mety asehon’ireo singa ao amin’ity tantara ao amin’ny soratra masina ity. Ohatra, ny sambo dia mety haneho ireo zavatra izay mihazona ny Mpamonjy homba anao. Ireo onja na ny tafio-drivotra dia mety haneho ny fakam-panahy na ny fitsapana iainanao izay mandrahona ny hanafotra anao.
-
Inona no fihetseham-po mety ho tsapan’ny mpianatra ka azonao ampifandraisina amin’ny tenanao?
-
Rahoviana ny olona iray no mety hahatsapa fa tsy miraharaha na tsy mahita ireo fitsapana manjo azy ny Mpamonjy? Nahoana?
Vakio indray ny Marka 4:38 ary tadiavo ny fanontaniana napetrak’ireo mpianatra.
-
Inona avy ireo fahamarinana momba ny Mpamonjy izay mety hadinon’izy ireo nandritra ilay tafio-drivotra?
Halalino ny Marka 4:39–41 , ary tadiavo ny zavatra nianaranao momba ny toetran’i Jesoa Kristy.
-
Inona no nianaranao momba ny toetran’i Jesoa Kristy?
-
Inona avy ireo fahamarinana azontsika ianarana avy amin’ity tantara ity mikasika ny fahafahan’ny Mpamonjy mampitony ny tafio-drivotra eo amin’ny fiainantsika manokana?
Hitantsika avy amin’ity tantara ity fa rehefa mikatsaka ny fanampian’ny Mpamonjy isika mandritra ireo tafio-drivotry ny fiainana, dia afaka mitondra fiadanana sy fitoniana ho antsika Izy.Hevero ny hanoratra eo amin’ny soratra masinao sy eo amin’ny sary nataonao ity fahamarinana ity ary ireo zavatra hafa hitanao.
Jereo ny “La paix en Christ” (4:09), ary eritrereto ireo fotoana izay nitondran’ny Mpamonjy fiadanana ho anao tao anatin’ireo tafio-drivotry ny fiainanao.
-
Inona no eritreritra na fahatsapana nanananao rehefa nihaino ity hira ity ianao?
-
Oviana ny Mpamonjy no nitondra fiadanana sy fitoniana ho anao nandritra ny “tafio-drivotry ny fiainana”?
Jereo ny sary nataonao sy ireo soratra eo aminy. Izao dia ampio ny sarin’ny tenanao mampiseho ny fomba hiatrehanao ny tafio-drivotry ny fiainanao ilay sary nataonao. Ohatra, mihorohoro sy mahatsapa mitady ho rendrik’ireo fitsapana mianjady aminao ve ianao? Sa mijoro eo akaikin’ny Mpamonjy ary feno fitoniana?
Soraty eo ambanin’ny sary nataonao ny antony nanaovanao ny sarin’ny tenanao tamin’ny fomba nanaovanao izany. Avy eo dia mieritrereta momba ireo asa atao manokana tsapanao fa tian’ny Tompo ataonao mba handraisanao na hitohizan’ny fandraisanao ny fanampiany. Mety hanana fotoana ianao amin’ny lesona manaraka hamerenana mijery ny sary nataonao hahitana raha misy fahatakarana vaovao azonao momba ny zava-misy sy hisaintsainanao raha nahita fiadanana bebe kokoa tao amin’ny Mpamonjy ianao.
Fanazavana sy fampahalalana ny zava-miseho
Ahoana no mety hitrangan’ilay tafio-drivotra lehibe eo amina rano kely toy izany?
Ny Ranomasin’i Galilia dia … any amin’ny Lohasaha Mitsefaka any Jordana mahatratra hatrany amin’ny 213 metatra ambanin’ny ranomasina ary voahodidin’ny tendrombohitra avo avy any andrefana sy avaratra ary atsinanana. Mitsoka faingana mankeny amin’ireo solampy andrefan’ny tendrombohitra ny rivotra ka miteraka tampoka, tafio-drivotra mahery vaika arahina onjan-drano lehibe eo amin’ity rano tsy dia lehibe loatra ity.
(New Testament Student Manual[2018], 108)
Nahoana i Jesoa no nibedy malefaka an’ireo mpianatra noho ny tsy finoan’izy ireo?
Nizara izao ny Filoha Howard W. Hunter (1907–95):
Efa nisy fotoana isika rehetra efa samy niharana fitsapana mahery vaika tsy nampoizina. Vitsy amin’izy ireny, na dia nandalo fotsiny ihany aza tahaka ireo tafio-drivotra teny amin’ny Ranomasin’i Galilia, no mety mahery vaika sy mampatahotra ary mety hitondra fandravana. Ny isam-batan’olona, ny fianakaviana, ny fiarahamonina, ny firenena, eny fa na dia ny amin’ny maha-fiangonana aza, isika dia efa samy nisedra rivotra mahery vaika izay tonga tampoka, ka nahatonga antsika hangataka hanontany na tamin’ny fomba ahoana na nanao ahoana hoe: “Mpampianatra ô, tsy mampaninona Anao va izao hahafaty anay izao?” Ary ny fomba iray na ny fomba hafa izay fahenontsika foana ao anatin’ny fitoniana aorian’ilay tafio-drivotra ny hoe: “Nahoana no saro-tahotra ianareo? Tsy mbola manam-pinoana va ianareo?”
Tsy misy amintsika te hieritreritra fa tsy manana finoana, kanefa ataoko fa matetika isika no mendrika ny fanitsiana malefaka ataon’ny Tompo. Ity Jehovah lehibe ity, izay lazaintsika fa itokiantsika sy tompon’ny anarana izay hoentintsika eo amintsika, ilay niteny hoe: “Misia habakabaka eo anelanelan’ny rano; ary aoka hampisaraka ny rano amin’ny rano izy.” ( Genesisy. 1:6 .) Ary Izy ihany koa ilay niteny hoe: “Aoka hiangona ny rano eny ambanin’ny lanitra ho eo amin’ny fitoerana iray, ary aoka hiseho ny maina.” ( Genesisy. 1:9 .) Ary ankoatra izany, dia Izy no nanasaraka ny Ranomasina Mena, ka nahafahan’ny Zanak’Isiraely namakivaky izany, nandia tany maina. (Jereo ny Eks. 14:21–22 .) Koa azo antoka fa tsy tokony hahagaga raha toa Izy ka afaka nandidy singa vitsivitsy izay nifamaofao teny amin’ny Ranomasin’i Galilia. Ary ny finoantsika dia tokony hampahatsiahy antsika fa afaka mampitony ny rano misamboaravoara eo amin’ny fiainantsika Izy.
(Howard W. Hunter, “Master, the Tempest Is Raging,” Ensign, Nov. 1984, 33)
Ahoana no fomba ifandraisan’ity tantara ity amiko?
Nizara ny Rahavavy Lisa L. Harkness, Mpanolotsaina Voalohany teo aloha tao amin’ny Fiadidian’ny Kilonga maneran-tany hoe:
Misy ilay fironana araka ny nofo, izay fakam-panahy mihitsy aza, ahitantsika ny tenantsika ao anaty fisedrana, olana, na fahoriana ka hitalahoantsika hoe: “Mpampianatra ô, tsy mampaninona Anao va izao hahafatesako izao? Vonjeo aho.” …
Azoko an-tsaina fa noho ny toe-java-misy, ireo mpianatr’i Jesoa tao amin’ilay sambo natopatopan’ny tafio-drivotra dia variana nijery ny onjan-drano nitopa tery amin’ny tokotanin-tsambo ary sahirana nanala ny rano hiala ilay sambo. Azoko sary an-tsaina izy ireo mihazona ny lain-tsambo ary manao izay mba kely azo natao mba hifehezana ilay sambokelin’izy ireo. Ny mba tsy ho faty an-drano no nifantohan’izy ireo ary tena avy amin’ny fo ny filan’izy ireo vonjy.
Tsy misy hafa amin’izany ny maro amintsika amin’izao androntsika izao. … Mandritra ny fotoana misafotofoto dia mety hahatsapa ho voasedra mafy hatramin’izay fara-zakan’ny faharetantsika sy ny fahatakarantsika ny finoantsika. Ireo alondranon’ny tahotra dia hanohintohina antsika, ka hahatonga antsika hanadino ny hatsaran’ Andriamanitra, ka noho izany dia ho lasa manjavozavo sy voafetra ny fijerintsika. Mandritra ireny fotoana lavareny ao amin’ny diantsika ireny anefa no hahafahan’ny finoantsika ho voasedra ary ampatanjahana.
(Lisa L. Harkness, “Mangina, mitsahara,” Liahona, nôv. 2020, 81)