Seminera
Tombano ny fianaranao 2


Tombano ny fianaranao 2

Matio 3–7; Lioka 3–6; Marka 1; Jaona 2–4

Sary
I Jesoa ao aoriana ary ilay vondrona kosa mipetraka eo anoloana.

Ity lesona ity dia natao hanampiana anao amin’ny fanaovana tombana ireo tanjona izay napetrakao, ireo zavatra izay nianaranao, sy ny fivoarana manokana izay niainanao nandritra ny fianarana ny Testamenta Vaovao tamin’ity taona ity.

Fanomanana ny mpianatra: Asao ireo mpianatra hisaintsaina momba ireo ezaka izay nataony mba hanoherana sy hiadiana amin’ny fakam-panahy amin’ny alalan’ny finoana an’i Jesoa Kristy.

Sahanasa fianarana azo atao

Manara-dia an’i Jesoa Kristy

Ny zavatra rehetra izay nianaranao tao amin’ny Testamenta Vaovao nandritra ny seminera dia natao hanampiana anao hanatona kokoa an’i Jesoa Kristy sy ho tonga mpianany, na mpanara-dia Azy. Ataovy ny iray amin’ireto sahanasa telo manaraka ireto, hitadiavana ireo fitahiana izay tonga rehefa manaraka ny Mpamonjy isika amin’ny alalan’ny fandraisana andraikitra eo anatrehan’ ireo fampianarany. Avy eo dia valio ireo fanontaniana roa manaraka izany.

Safidio amin’ireto sahanasa telo manaraka ireto izay hitanao fa mety tena hahomby ho an’ireo mpianatra, ary asao ireo mpianatra hanao izany sahanasa izany. Manokàna fotoana ampy tsara hamitana ny lesona sisa tavela.

  1. Hirao na henoy ilay hiran’ny Kilonga manao hoe “Ny hendry sy ny adala” (Bokin-kiran’ny ankizy, 132), ary vakio ny Matio 7:24–27 .

  2. Manaova sary tsotsotra eo amina taratasy kely na ao amin’ny diary fandalinanao, mba hanehoana ny fampianaran’ny Mpamonjy ao amin’ny Matio 7:24–27.

  3. Mampiasà endri-javatra vita amin’ny hazo na kaopy mba hanamboarana trano na rafitra iray tsotsotra eo ambonina fototra mafy tsara, tahaka ny gorodona, na birao, na latabatra. Avy eo dia manangàna rafitra tsotsotra iray hafa eo ambony fototra tsy dia tena mafy, tahaka ny fandriana, lamba firakotra mivalona, na ondana. Tsindrio amin’ny tananao eo ambonin’ireo fototra eo akaikin’ireo rafitra tsirairay, dia jereo ny zavatra mitranga. Vakio ny Matio 7:24–27 hitadiavana ireo zavatra mitovy eo amin’ity sahanasa ity sy ny fanoharana izay nataon’ny Mpamonjy.

  • Inona no nianaranao avy amin’io sahanasa io?

  • Inona avy ireo fitahiana azontsika rehefa mandray andraikitra eo anatrehan’ny fampianaran’ny Mpamonjy isika?

Saintsaino ny momba ireo fivoarana izay niainanao rehefa avy nianatra sy niezaka nampihatra ireo fampianaran’ny Mpamonjy tao amin’ny Testamenta Vaovao tamin’ity taona ity. Valio ny iray amin’ireto fanontaniana manaraka ireto na mihoatra izany:

  • Inona avy ireo fampianaran’i Jesoa Kristy izay nianaranao ka tena nisy lanjany teo amin’ny fiainanao?

  • Ahoana no nahatonga anao ho akaiky kokoa ny Mpamonjy teo am-pianaranao ny teniny?

  • Inona avy ireo fampianarana izay nianaranao nandritra ity taona ity ka azonao nampiharina teo amin’ny fiainanao? Inona avy ireo fitahiana izay niainanao vokatr’izany?

Ity lesona ity dia hanampy anao amin’ny fanaovana tombana ireo fomba nanorenanao ny fiainanao teo ambonin’ny vatolampin’i Jesoa Kristy mba hahafahanao manohitra ireo fanamby izay mety hitranga.

Ny ambiny sisa tavela amin’ity lesona ity dia hitrandrahana ireto lesona manaraka ireto:

  • Matio 3:1–12; Marka 1:1–8

  • Lioka 3:7–14

  • Matio 4:1–11, Fizarana 1

  • Matio 4:1–11, Fizarana 2

  • Jaona 3:1–8

  • Matio 6:1–18

Raha ilaina asiana fanamboarana ny ao amin’ireo lesona ireo, na raha toa ka tsy nampianarina ireo lesona ireo, dia mety ho ilaina ny manisy fanamboarana amin’ireto sahanasa manaraka ireto.

Hazavao ny lanjan’ny fibebahana sy ny batisa ary ny fandraisana ho mpikambana

Hevero ny hanasa ireo mpianatra hanao ity sahanasa manaraka ity ka izany dia hatao amin’ny alalan’ny filalaovana an-tsehatra ataon’olona tsiroaroa na ataona vondrona vitsivitsy.

Ity sahanasa manaraka ity dia afaka manampy anao handrefy hoe hatraiza ny fahatakaranao sy ny fahaizanao manazava ny fotopampianaran’ny Mpamonjy momba ny fibebahana, sy ny batisa, ary ny fandraisana ho mpikambana. Diniho ireto teny nambara anankiroa manaraka ireto, ary raketo an-tsoratra ny valin’ny tsirairay amin’izany mba hahafahana mamaha ilay olana voalaza. Mampiasà farafahakeliny iray amin’ireo andinin-tsoratra masina izay nianaranao vao haingana. Mety hanampy ireo andinin-tsoratra masina izay hita ao anaty fonon-teny. Aza misalasala mampiditra ireo zavatra izay niainanao manokana na ny fijoroana ho vavolombelona anananao.

  1. Olona tena tsara aho. Nahoana aho no tokony hanahy ny amin’ny fibebahana raha tsy nanao fahotana goavana? (Jereo ny Matio 3:1–8 ; Lioka 3:7–14 .)

  2. Mino an’i Jesoa Kristy aho, saingy tsy mieritreritra aho fa tokony hatao batisa na horaisina ho mpikambana vao ho afaka hiverina hiaina miaraka amin’ Andriamanitra. (Jereo ny Marka 1:1–9 ; Jaona 3:5 ; 2 Nefia 31:5–12, 17–18 .)

Eo am-pizaran’ny mpianatra ny valinteniny, dia tombano hoe hatraiza ny fahatakaran’izy ireo ny fotopampianarana mahakasika ny fibebahana sy ny batisa ary ny fandraisana ho mpikambana. Raha ilaina dia angataho ny mpianatra vitsivitsy izay hita fa mahatakatra ny fotopampianarana mba hizara ny fanazavan’izy ireo, sy ireo andinin-tsoratra masina izay nampiasainy, amin’ny iray kilasy.

Tombano ny fahafahanao manohitra sy mandresy ny ratsy amin’ny alalan’ny finoana an’i Jesoa Kristy.

Sary
I Kristy mijoro eo amoron-tevana no sady miteny mafy an’i Satana izay mipoitra avy ao ambanin’ny toerana misy Azy. Io sary hosodoko io dia maneho ilay tranga izay nahitana an’i Satana niezaka naka fanahy an’i Kristy taorian’ireo efapolo andro nifadian’i Kristy hanina tany an-tany foana. Mandidy an’i Satana i Kristy mba hiala eo anatrehany.

Vao haingana izay ianao no nianatra mahakasika ny fomba izay nentin’ny Mpamonjy hanoherana ireo fakam-panahy ary nanana fahafahana hanao drafitra hanarahana ny ohatra nasehony sy hianteherana Aminy rehefa miatrika fakam-panahy. (Mety hanampy ny famerenana mamaky ny Matio 4:1–11 sy ireo zavatra izay nosoratanao tao anatin’ny diary fandalinanao ho an’io lesona io.)

Mba hahafahana manampy anao hanao tombana ny fomba nampiharanao ny zavatra izay nianaranao, dia makà minitra vitsivitsy hisaintsainana ireo ezaka nataonao hanarahana ny ohatra izay nasehon’ny Mpamonjy sy hianteherana Aminy amin’ny fanoherana ny fakam-panahy. (Mety ahitana ireo andinin-tsoratra masina izay niezahanao notadidina sy nataonao tsianjery izany.) Saintsaino ireo zavatra izay nianaranao avy tamin’ireo trangan-javatra niainanao ary diniho ity rafi-tantara manaraka ity:

Alaivo sary an-tsaina hoe misy namana iray manana olana amin’ny fanoherana ny fijerena pôrnôgrafia. Niezaka nanohitra ny fakam-panahy tamin’ny alalan’ny tsy fampiasana internet intsony izy rehefa irery ary ny tsy fihazonana ny findainy ao amin’ny efitranony rehefa amin’ny alina. Nahitany fahombiazana lehibe izany nandritra ny andro vitsivitsy saingy tratry ny fakam-panahy ihany izy taorian’izany. Tezitra mafy tamin’ny tenany izy hoe afaka nanohitra ny fijerena pôrnôgrafia nandritra ny andro maro saingy tafalatsaka tao anaty fakam-panahy indray avy eo. Mila hevitra fanampiny sy fanampiana izy mba hahazoany mampiasa ny herin’ny Mpamonjy hanoherana ity fakam-panahy iray ity.

Hevero ny hanao ity sahanasa manaraka ity ka ny iray kilasy no hanao azy. Angataho ny mpianatra iray hizara zavatra afaka manampy izay holazain’izy ireo amin’io namana io. Avy eo dia asao io mpianatra io hisafidy mpianatra iray hafa mba hizara hevitra iray izay afaka manampy. Afaka mifampiresaka mivantana ireo mpianatra mba hifampizarana, na afaka mananga-tanana ihany koa ny tsirairay rehefa handray anjara. Raha ilaina, dia zarao amin’ny iray kilasy ny zavatra izay mety holazain’ilay namana na ny zavatra izay mety ho tsapany ho setrin’izany.

Manorata hafatra kely amin’ny taratasy ho an’ny namanao ka aza mizara ny fakam-panahy atrehinao manokana. Ampidiro ao anatin’ny valinteninao ny roa amin’ireto manaraka ireto na mihoatra izany:

  • zavatra izay efa nataonao hitodihana any amin’ny Tompo ka nanampy anao hanohitra fakam-panahy

  • izay fantatrao momba an’i Jesoa Kristy ka afaka manampy ilay namanao hahatsapa ho tiana sy hazoto hanohy ny fanoherana fakam-panahy

  • izay torohevitra arosonao mba hataon’ilay namanao mba hanarahany ny ohatra izay nasehon’ny Mpamonjy sy hianteherany Aminy eo amin’ny fanoherana fakam-panahy

  • ny fahombiazana na fanamby izay mety holalovan’ilay namanao eo am-pandrosoana hatrany ary torohevitra ny amin’ny fianteherana amin’ny Tompo eo am-piatrehany ireo zavatra ireo

Hevero ny fomba hahafahan’ity sahanasa ity manampy anao manokana. Inona no zavatra tianao hatao mba hanohizana hatrany ny fanoherana sy ny fandresena ny fakam-panahy omban’ny hery ao amin’i Jesoa Kristy? Raha toa ka mahatsiaro ho kivy na mikorontan-tsaina ianao, dia hevero ny hivavaka momba ireo olana sy fahatsapana izay mianjady aminao ireo. Mety ho afaka ny hanampy koa ny firesahana amin’ny ray iray na reny iray, na ny eveka. Manàna fanantenana eo am-piezahanao manorina ny fiainanao eo amin’ny Mpamonjy sy ny fampianarany.

Saintsaino ilay fanirianao mba hitsaoka sy hanaraka an’ Andriamanitra

Ny fitsipika iray farany tokony hodinihina dia ny fanirianao amin-kitsimpo hitsaoka an’ Andriamanitra sy hanaraka an’i Jesoa Kristy. Tany amin’ny lesona izay natao tany aloha dia nianatra ianao fa raha manatanteraka asa feno fahamarinana isika mba hahafaly ny Ray any An-danitra, dia hamaly fitia malalaka antsika Izy (jereo ny Matio 6:1–6; 16–18). Teo am-pandalinanao an’io fahamarinana io dia mety nameno tabilao mitovitovy amin’ity ianao:

Inona avy ireo asa tsara telo izay nataonao tamin’iny herinandro lasa iny? (Mitanisà iray isaky ny laharana.)

Inona no antony nahatonga anao nanao azy ireo?

Inona no zavatra tsapanao taorian’ny nanaovanao an’ireo “asa tsara” ireo?

Hevero ny hampiditra ao amin’ilay tabilao asa tsara iray na roa izay nataonao taorian’io lesona io ary ny hamaliana ireo fanontaniana fanohizana ny fandraisana andraikitra ao amin’ilay tabilao. Saintsaino hoe raha afaka nifantoka marina kokoa tamin’ Andriamanitra ianao.

  • Raha misy mahatsapa ho manana olana amin’ny fanaovana asa tsara mba hampifaliana an’ Andriamanitra, dia inona no torohevitra azonao omena azy ireo?

Henoy tsara ny valinteny izay aroson’ireo mpianatra. Araho ny fitarihan’ny Fanahy Masina mba hanampiana torohevitra, sy traikefa, ary fijoroana ho vavolombelona.

Hamoaka printy