Seminera
Matio 6:1–18


Matio 6:1–18

Nampianatra ireo mpianany ny Mpamonjy hanao asa amin’ny fahamarinana

Sary
Mitory ny filazantsara amina vahoaka sesehena i Jesoa Kristy. Mipetraka eo amin’ny ilana havoana vatoina i Kristy. Akanjo tohitena miloko mena sy manga no isalorany. Mampiakatra ny tanana iray. Mampitehika ny tanany roa ho fanehoam-panolorantena ny sasany amin’ireo olona eo amin’ny sary.

Nanohy ny Toriteny teny an-Tendrombohitra i Jesoa, ka nampianatra fa tokony hanao asa tsara isika mba hampifaliana ny Raintsika any An-danitra fa tsy hisarihana ny sain’ny hafa. Ao amin’ity lesona ity lesona ity ianao dia hanana fahafahana hanao tombana sy handrefy ireo manosika anao hanao asa tsara sy hisafidy ny fomba tianao hanatsarana izany.

Mahafantatra sy mahatakatra ny fotopampianaran’i Kristy. Ampio ireo mpianatra “hahafantatra sy hahatakatra” ny fotopampianaran’i Kristy. Ny fahafantarana sy ny fahatakarana dia “fahaizan’ny saina sy ny fo.” Rehefa mijoro ho vavolombelona ny amin’ny fahamarinan’ny fitsipika iray ao amin’ny filazantsara ny Fanahy, dia ho mora kokoa amin’ireo mpianatra ny “hahatsapa ny fahamarinan’io fitsipika io ka hanomboka hahita mazava kokoa izy ireo, hangetaheta lalina kokoa, ary dia hahatakatra feno kokoa ao am-pony ny fiasan’izany fitsipika izany eo amin’ny fiainany.” (Kim B. Clark, “Fianarana lalina sy fifaliana ao amin’ny Tompo” [lahateny natao nandritra ny fampitana ny fampiofanana isan-taona an’ny Seminera sy Institiota fianarana ny filazantsara, 13 jona 2017])

Fanomanana ny mpianatra: Asao ireo mpianatra hieritreritra ireo antony manosika azy ireo hanao zavatra mandritra ireo 24 ora mialoha ny fotoam-pianarana.

Sahanasa fianarana azo atao

Fanamarihana: Ny vavaka nampianarin’ny Tompo sy ireo andinin-tsoratra masina mifandray amin’izany (Matio 6:9–15) dia hampianarina amin’ny lesona hafa any aoriana izay hifantoka amin’ny Lioka 11.

Ireo antony manosika antsika hanao zavatra

Saintsaino ity fehezan-teny manaraka ity: Nanamboatra ny fefin’ny mpifanolobodirindrina taminy i Gustavo.

Hevero ny hanao sarin’olona kely mitazona maritoa eo amin’ny solaitrabe. Soraty eo amin’ny solaitrabe eo akaikin’ilay sarin’olona vita tamina tsipika ilay fehezan-teny.

Sary
Sarin’olona vita tamina tsipika mihazona maritoa
  • Inona no hevitrao mikasika an’i Gustavo?

Fafao ny teboka eo amin’ny faran’ilay hoe “Nanamboatra ny fefin’ny mpifanolobodirindrina taminy i Gustavo,” ka soraty hoe satria … eny amin’ny faran’ilay fehezan-teny. Angataho ny mpianatra hanohy ilay fehezan-teny amin’ireo antony isan-karazany mety hahatonga an’i Gustavo hanamboatra ilay fefy. Ireo valinteny dia mety hahitana andian-teny toy ny hoe “tsara fanahy izy,” “nandray anjara tamin’ny tetikasa fanompoana iray izay nasain’ny reniny atrehina izy,” “te hisarika ny sain’ny zanakavavin’ilay mpifanolobodirindrina aminy izy,” “tsy tiany hankeo amin’ny tokontaniny ny alikan’ilay mpifanolobodirindrina aminy,” ary “nopotehiny tamim-pahatezerana io fefy io ka nasain’ny rainy nanamboatra izany izy.”

  • Nahoana no zava-dehibe ny antony izay manosika antsika hanao zavatra?

Vakintsika ao amin’ny Matio 6 fa nanohy ny Toriteniny teo an-tendrombohitra ny Mpamonjy ary nampianatra momba ireo antony mandrisika ny fanaovana asa tsara. Mba hanampiana anao hieritreritra ireo antony hanaovanao asa tsara toy ny fanompoana, ny fanaovana soa amin’ny hafa, ny fivavahana, ary ny fanatrehana seminera, dia ataovy ity sahanasa manaraka ity.

Mamoròna tabilao misy tsanganana telo ao amin’ny diary fandalinanao. Fenoy araka izao manaraka izao ny an-tampon’ilay tabilao:

Asehoy eo amin’ny solaitrabe ity tabilao manaraka ity. Asao ireo mpianatra hanoratra ao amin’ny tabilaony ny valinteniny amin’ireo fanontaniana eo an-tampon’ilay tabilao.

Inona avy ireo asa tsara telo izay nataonao tamin’iny herinandro lasa iny? (Mitanisà iray isaky ny laharana.)

Inona no antony nanaovanao azy ireo?

Inona no zavatra tsapanao taorian’ny nanaovanao an’ireo asa tsara ireo?

Sary
Taratasy zaraina momba ireo antony manosika ny tena manokana hanao zavatra

Vakio ny Matio 6:1–6, 16–18 ka tadiavo ny zavatra nampianarin’ny Mpamonjy mahakasika ny antony manosika antsika hanao asa feno fahamarinana. Ny teny hoe fiantrana dia ilazana asa feno fanolorantena ao amin’ny fivavahana (andininy 1 ) tahaka ny hoe manome ho an’ny mahantra. Ny teny hoe mpihatsaravelatsihy dia manondro ireo izay “mpisandoka” (andininy 2 ).

  • Ahoana no hamintinanao ny zavatra nampianarin’ny Mpamonjy?

Asao ireo mpianatra hamintina ny zavatra izay novakiny sy hametraka izay fanontaniana mety manitikitika azy. Eo am-panaovan’ny mpianatra famintinana, dia mety hitanisa fitsipika mitovy amin’ity manaraka ity izy ireo: Raha manatanteraka asa feno fahamarinana isika mba hahafaly ny Ray any An-danitra, dia hamaly fitia malalaka antsika tokoa Izy. Raha manao asa feno fahamarinana isika mba ho hitan’ny hafa, dia tsy handray ireo fitahiana avy any an-danitra noho ireo ezaka ataontsika.Asao ny mpianatra manolo-tena mba hanoratra eny amin’ny solaitrabe ireo fitsipika hitany.

Zava-dehibe ny mahatakatra fa ny vavaka eo imasom-bahoaka dia tsy hoe ratsy akory noho izany hoe tsy natao tao amin’ny toerana “miafina” (Matio 6:6). Ny vavaka sy ireo fombafomba ara-pivavahana hafa dia azo tanterahina eo imasom-bahoaka raha atao amim-kitsimpo, sy amim- panolorantena, ary amim-paniriana hidera an’ Andriamanitra. Marina ihany koa izany raha ny mahakasika ny fifadian-kanina. Ilay andian-teny hoe “malahelo endrika” sy “mampisotisoty ny tavany izy” ao amin’ny Matio 6:16, dia manondro ireo olona tamin’ny andron’i Jesoa izay nampiseho tety ivelany fa nifady hanina izy ireo mba hisarihana ny olona.

  • Araka ny hevitrao dia nahoana ny Tompo no manome lanja be ny antony manosika antsika hanao zavatra, na dia rehefa manao asa feno fahamarinana aza isika?

Avereno jerena ny tabilaonao ary ampitahao amin’ny zavatra izay nampianarin’ny Mpamonjy izay voarakitra ao amin’ny Matio 6 ny antony nahatonga anao nanao asa soa.

  • Araka ny hevitrao, nahoana ianao no tokony “hanao ezaka hanompo noho ny antony lehibe sy tsara indrindra”? (Dallin H. Oaks, “Why Do We Serve?Ensign, Nov. 1984, 13).

  • Raha misy olona manana olana amin’ny fanaovana asa tsy noho ny antony marina tokony hanaovana izany, dia inona no torohevitra azonao aroso ho azy ireo?

Ny Filoha Dieter F. Uchtdorf, fony izy tao amin’ny Fiadidiana Voalohany, dia nampianatra momba ny antony nanosika ny Mpamonjy hanao ny asany. Jereo ny horonan-tsary hoe “Ny amin’ny hoe tsisy fitaka” miantomboka amin’ny mari-potoana 15:34 ka hatramin’ny 16:29, na vakio ity lahatsoratra manaraka ity.

Sary
Sary tapaka ôfisialin’ny Loholona Dieter F. Uchtdorf ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo, 2006. Nantsoina ho Mpanolotsaina Faharoa ao amin’ny Fiadidiana Voalohany, 3 febroary 2008. Nanao ny sary tapaka ôfisialy tamin’ny 2008 ho solon’ilay sary tapaka nalaina tamin’ny 2004.

Ny olona faran’izay lehibe indrindra sy havanana indrindra ary tapi-pahaizana indrindra nandeha tety an-tany no olona faran’izay nanetry tena indrindra koa. Tany amin’ny toerana mangingina no nanaovany ny sasany tamin’ireo asa fanompoany mahagaga indrindra, izay tsy nisy mpijery afa-tsy olom-bitsy, ka nangataka azy ireo Izy mba “tsy hilazalaza amin’olona” ny zavatra nataony [jereo ny Lioka 8:56 ]. Rehefa nisy niantso Azy hoe “tsara” dia naviliny faingana ilay fandokandokafana ka nantitranteriny fa Andriamanitra irery no tena tsara [jereo ny Marka 10:17–18 ]. Tena hita miharihary fa tsy nisy dikany Taminy ny fideran’izao tontolo izao; ny hany tanjony dia ny hanompo ny Rainy ka “manao izay sitrany mandrakariva” [ Jaona 8:29 ]. Tsara raha manaraka ny ohatra izay nomen’ny Tompontsika isika.

(Dieter F. Uchtdorf, “Ny amin’ny hoe tsisy fitaka,” Liahona, mey 2015, 83)

Mieritrereta ohatra izay mampiseho ny antony nanosika ny Mpamonjy hanao ny asany.

  • Inona no zavatra manaitra anao mahakasika ireo ohatra ireo?

  • Nahoana ireo ohatra ireo no mampitombo ny fahatakaranao ny fitiavan’ny Mpamonjy sy ny antony nanaovany sorompanavotana ho an’ny fahotantsika?

Asehoy ireto fanontaniana manaraka ireto, ary asao ireo mpianatra hamaly izany ao anatin’ny diary fandalinany.

  • Inona no fahatsapanao momba ireo antony hanaovanao asa tsara?

  • Miantraika amin’ny fifandraisanao amin’ny Ray any An-danitra amin’ny fomba ahoana ireo antony manosika anao hanao asa tsara?

  • Inona no zavatra iray azonao atao mba hanarahana ny ohatra izay nomen’ny Mpamonjy momba ny fanaovana asa soa?

Manasà mpianatra vitsivitsy izay mazoto mba hizara ny zavatra nosoratany na tsapany. Lazao ireo mpianatra fa amin’ny lesona iray any aoriana izy ireo dia hanana fahafahana hanombantombana ny hoe niova tahaka ny ahoana ny antony manosika azy ireo hanao asa tsara hatramin’ny fotoana nandalinan’izy ireo ity lesona ity. Hevero ny hijoro ho vavolombelona momba ireo fitsipika izay nampianarina tao anatin’ity lesona ity.

Fanazavana sy fampahalalana avy amin’ny zava-miseho

Inona avy ireo antony marina manentana antsika hanompo?

Nampianatra ireo antony marina tokony hanompoana ny Filoha Dallin H. Oaks ao amin’ny Fiadidiana Voalohany:

Sary
Sary tapaka ôfisialin’ny Filoha Dallin H. Oaks, nalaina tamin’ny martsa 2018.

Ny mpaminany Môrônia dia nampianatra fa raha tiantsika ho raisina ho tsara ny asa ataontsika, dia tsy maintsy atao noho ny antony marina. Raha “manolotra fanomezana [ny olona iray], na mivavaka amin’ Andriamanitra, raha tsy manao izany amin’ny finiavana marina izy, dia tsy mahasoa azy na amin’inona na amin’inona izany.

“Fa indro, tsy isaina ho fahamarinana ho azy izany.” ( Môrô. 7:6–7 .) …

… Ny fanompoana izay ataontsika dia tokony hatao noho ny fitiavana an’ Andriamanitra sy ny fitiavana ireo olombelona tahaka antsika, fa tsy hatao hitadiavana tombontsoa manokana noho izay mety ho antony hafa tsy dia tsara.

(Dallin H. Oaks, “Why Do We Serve?Ensign, Nov. 1984, 12, 14)

Ahoana ny fizaranao ny fijoroana ho vavolombelona anananao momba an’i Jesoa Kristy no hoe manosika ny hafa hanao asa soa?

Nampianatra mahakasika “ny hery mahery vaika indrindra eo amin’ny fiainantsika izay mandrisika antsika hanao zavatra” ny Loholona Dieter F. Uchtdorf ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo:

Sary
Sary tapaka ôfisialin’ny Loholona Dieter F. Uchtdorf ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo, 2006. Nantsoina ho Mpanolotsaina Faharoa ao amin’ny Fiadidiana Voalohany, 3 febroary 2008. Nanao ny sary tapaka ôfisialy tamin’ny 2008 ho solon’ilay sary tapaka nalaina tamin’ny 2004.

Ny antony manosika antsika hanao zavatra sy ny eritreritsika dia misy akony amin’ny zavatra izay ataontsika amin’ny farany. Ny fijoroana ho vavolombelona momba ny fahamarinan’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy naverina tamin’ny laoniny no hery mahery vaika indrindra eo amin’ny fiainantsika izay mandrisika antsika hanao zavatra. Nohamafisin’i Jesoa ombieny ombieny ny hery entin’ny eritreritra tsara sy ny fananana antony marina hanaovana zavatra: “Banjino Aho amin’ny eritreritra rehetra; aza miroanàhana, aza matahotra” ( F&F 6:36).

… Ny fijoroana ho vavolombelona ananantsika dia manosika antsika hiaina amim-pahamarinana ary ny fiainana amim-pahamarinana dia hahatonga ny fijoroana ho vavolombelona ananantsika hihamatanjaka kokoa. …

… Ny fijoroana ho vavolombelona dia mandrisika antsika hisafidy ny marina amin’ny fotoana rehetra sy amin’ny toe-javatra rehetra. Izany dia mamporisika antsika hanakaiky kokoa an’ Andriamanitra, ka hamela Azy hanakaiky antsika kokoa (jereo ny Jakoba 4:8).

(Dieter F. Uchtdorf, “The Power of a Personal Testimony,” Ensign or Liahona, Nov. 2006, 37, 39)

Ireo asa fanampiny atao ao anatin’ny fianarana

Fomba hafa hanombohana ny lesona

Mialoha ny hidiran’ireo mpianatra ao an-dakilasy, dia hevero ny hanoratra ity fanontaniana ity eny amin’ny solaitrabe: “Inona no antony sasany mahatonga ny olona hanompo ny hafa?” Asao ireo mpianatra hanoratra ny valintenin’izy ireo eny amin’ny solaitrabe. Rehefa avy eo dia asaivo alahatr’izy ireo ireo antony hanompoan’izy ireo ny hafa arakaraka ny hatsarany. Hevero ny hanontany azy ireo ireto fanontaniana ireto: “Inona no zavatra tsara nataonao vao haingana ? Inona no antony nanosika anao hanao izany?”

Manampy zavatra ao amin’ny lisitra mitanisa ireo toetra araka an’ Andriamanitra

Tao amin’ny lesona izay natao teo aloha, ireo mpianatra dia mety efa nanomboka nanoratra tao amin’ny diariny ny zavatra manomboka amin’ny hoe “ Matio 5–7 : Afaka ny hitovy kokoa amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy aho amin’ny alalan’ny …” Hevero ny hanasa azy ireo hampiditra ao amin’ny diariny ireo hevi-baovao izay voarain’izy ireo avy tamin’ny lesona androany.

Hamoaka printy