Matio 7:1–5
Nampianatra ireo mpianany ny Mpamonjy mba hitsara amim-pahamarinana
Tao anatin’ny Toriteny teo an-tendrombohitra nataony i Jesoa Kristy dia nampianatra ny mpianany hitsara amim-pahamarinana. Ao amin’ity lesona ity ianao dia hanana fahafahana hianatra mikasika ny fitsarana amim-pahamarinana.
Sahanasa fianarana azo atao
Tokony hitsara amim-pahamarinana isika
-
Nasain’olona iray ianao hamonjy fety izay hisy tanora maro handray zavatra mifanohitra amin’ny Tenin’ny Fahendrena.
-
Misy olona iray izay miainaa fitsipika tsy mitovy amin’ny anao maniry ny ho lasa namanao akaiky.
-
Misy mpikambana iray ao amin’ny paroasinao manao zavatra amin’ny Sabata izay tsy mitovy amin’ny ataon’ny fianakavianao.
-
Nahatsikaritra ianao fa ny namanao iray dia manana fahazarana mijery pôrnôgrafia.
Ao amin’ity lesona ity ianao dia hianatra mikasika ny fitsarana amim-pahamarinana. Hanana fahafahana ianao hamerina handinika indray ny eritreritrao mahakasika ireo rafi-tantara ireo ary hampihatra ireo zavatra izay nianaranao.
-
Inona no fanontaniana manitikitika anao momba ny fitsarana?
Eo am-pandalinanao ny lesona androany dia saintsaino ny zavatra izay tsapanao mikasika ny fitsarana, ary henoy ny bitsiky ny Fanahy Masina. Raketo ireo fahatsapana izay mampitombo ny fahatakaranao momba ireo fampianarana izay nataon’ny Mpamonjy momba ny fitsarana Matio 7:1. Matetika dia disoin’ny olona ny hevitra tian’ity andinin-tsoratra masina ity hambara ka heverina fa nampianatra ny Mpamonjy hoe tsy tokony hitsara mihitsy isika. Vakio indray izao ny dikantenin’i Joseph Smith ho an’ity andinin-tsoratra masina ity (ao amin’ny Matio 7:1, Dikantenin’i Joseph Smith—Tovana ).
-
Ahoana no ahafahan’ny Dikantenin’i Joseph Smith mampitombo ny fahatakaranao izay nampianaran’ny Mpamonjy momba ny fitsarana?
-
Inona aminao no dikan’ny hoe mitsara araka ny fitsarana marina?
Vakio ity teny nambara manaraka ity:
Ny fitsarana dia fampiasana manan-danja ny fahafahantsika misafidy ka mitaky fitandremana lalina, indrindra rehefa mitsara olona hafa isika. Ny fitsarantsika rehetra dia tsy maintsy tarihin’ny fitsipika marina. Andriamanitra irery ihany no mahafantatra ny ao am-pon’ny olona tsirairay, ary Izy irery ihany no afaka manao ny fitsarana farany ho an’ny olona.
Indraindray ny olona dia mahatsapa fa ratsy ny mitsara na amin’ny fomba ahoana na amin’ny fomba ahoana. Na dia marina tokoa aza fa tsy tokony hanameloka ny hafa isika na hitsara azy ireo amin’ny tsy ara-drariny, dia tsy maintsy hitsara hevitra isika, sy toe-javatra ary olona mandritra ny androm-piainantsika. …
… Araka izay azontsika atao, dia tokony hitsara ny toe-javatra misy ny olona isika fa tsy hitsara ilay olona. Raha mbola azontsika atao, dia tsy tokony hanao fitsarana mihitsy isika raha tsy manana fahalalana ampy momba ny zava-misy marina. Ary tokony hihaino tsara foana ny Fanahy Masina isika, izay afaka mitarika ny fanapahan-kevitra raisintsika.
(Sujets de l’Évangile, “Juger les autres,” topics.ChurchofJesusChrist.org)
-
Inona avy ireo teny na andian-teny ao amin’io teny nambara io izay afaka manampy anao hahatakatra ny fitsarana amim-pahamarinana?
Tsy tokony hifantoka amin’ny hadisoan’ny hafa isika
Vakio ny Matio 7:2–5 hitadiavana fampianarana hafa momba ny fitsaratsarana. Ao amin’ny andininy 3 ny Mpamonjy dia niantso ny tapa-kazo kely iray hoe sombin-kazo ary ny tapa-kazo lehibe iray hoe andry .
-
Nahoana no ho sarotra ho an’ny olona iray manana andry ao amin’ny masony ny manala ny sombin-kazo hiala amin’ny mason’ny olona iray hafa?
-
Araka ny hevitrao, inona ny zavatra tian’ny Mpamonjy hampianarina amin’ny alalan’ilay fanoharana momba ny sombin-kazo sy ny andry?
-
Nahoana no zava-dehibe ho antsika ny mahatadidy ireo fampianarana ireo?
-
Inona no zavatra azonao ianarana momba an’i Jesoa Kristy avy amin’ireo fampianarana ireo?
-
Nahoana no mety ho sarotra indraindray ny miaina araka ireo fampianaran’i Kristy momba ny fitsarana?
-
Ahoana no ahafahanao manasa ny Rainao any An-danitra, amin’ny alalan’i Jesoa Kristy, mba hanampy anao hampihatra ireo fitsipika ireo eo amin’ny fiainanao?
Mizàra mampihatra ireo fitsipiky ny fitsarana amim-pahamarinana
Misafidiana iray amin’ireo rafi-tantara tany am-piandohan’ny lesona, na mieritrereta toe-javatra mitovitovy amin’izy ireny.
-
Iza amin’ireo rafi-tantara ireo no nofidinao?
-
Inona avy ireo fitsarana marina tokony hataonao raha izany toe-javatra izany no resahina?
-
Inona avy ireo karazam-pitsaratsarana izay tokony hotandremanao ny tsy hanaovana azy?
-
Araka ny fampianaran’ny Mpamonjy, ahoana no ahafahanao mitsara sady amim-pahamarinana no amim-pamindrampo?
-
Ahoana no mety hanampian’ny fahatsiarovana ny fahotanao sy ny fahalemenao ao anatin’ny toe-javatra toy izany?
Indraindray, dia heverin’ny olona fa ny fampianaran’ny Mpamonjy izay hita ao amin’ny Matio 7:1–5 dia midika hoe tsy tokony hitsara mihitsy isika. Nitondra fanazavana ny Filoha Dallin H. Oaks ao amin’ny Fiadidiana Voalohany fa misy ireo karazam-pitsarana izay amporisihana antsika ny hanaovana azy:
Misy karazany roa ny fitsarana: ny fitsarana farany, izay tsy azontsika atao, ary ny fitsarana marina tsy mitanila, izay asaina ataontsika, saingy tokony hatao amim-pahamarinana. …
… Andao hodinihintsika ireo fitsipika sy ireo singa sasantsasany izay mitarika mankamin’ny “fitsarana marina.”
Voalohany, ny fitsarana marina, araka ny famaritana azy, dia tsy fitsarana farany ary tsy tokony hitanila. Izany dia misoroka ny filazana fa azo antoka ny fahazoan’ny olona iray ny fisandratana na ny fanilikilihana ny olona iray ho tsy hisy fanafana fa voalahatra hankany amin’ny helo. …
Faharoa, ny fitsarana marina dia hotarihin’ny Fanahin’ny Tompo, fa tsy ny hatezerana, na ny valifaty, na ny fialonana na koa ny fikatsahana tombontsoa ho an’ny tena manokana. …
Fahatelo, mba ho tena marina tokoa, ny fitsarana tsy farany sy tsy mitanila dia tsy maintsy atao ao anatin’ny sehatry ny fitantanan-draharaha sahanintsika. Tsy tokony hihevitra isika ny hampiasa fitsarana na hanao zavatra noho ny fitsarana natao ka ivelan’ny andraikitra sahanintsika manokana izany. …
Fahefatra, tokony tsy hitsara isika, raha azo atao, mandra-pahazoantsika fahalalana tomombana momba ny zava-misy marina. …
Ny fitsipika fahadimy mifehy ny fitsarana tsy farany sy tsy mitanila dia ny hoe tokony hisoroka ny fitsarana olona isika, raha mbola azo atao, ary tsy tokony hitsara afa-tsy ny toe-javatra misy.
(Dallin H. Oaks, “‘Judge Not’ and Judging,” Ensign, Aug. 1999, 7, 9–11)
-
Fitsarana tahaka ny ahoana no tokony hataoko, ary inona avy ireo zavatra tokony hotandremako ny tsy hanaovana azy?
-
Inona no zavatra nianaranao avy tamin’ity lesona momba ny fitsarana marina ity? Ahoana no nahafahan’ireo zavatra izay nianaranao ireo nanampy anao hahita kokoa ny hafa sy ny tenanao araka ny fahitan’ny Mpamonjy ny hafa sy ny tenanao?
-
Tamin’ny fomba ahoana no namaliana ny fanontanianao mikasika ny fitsarana? Raha toa ka manana fanontaniana tsy voavaly ianao dia manolora tena hanohy fandalinana ary hikaroka valiny avy amin’ny Fanahy Masina.
-
Inona no zavatra afaka manampy anao mba tsy hitsaratsara firy ny hafa eo amin’ny fiainanao?
Fanazavana sy fampahalalana avy amin’ny zava-miseho
Ahoana no fahitan’ Andriamanitra ireo zanany?
Nampianatra ny Filoha Russell M. Nelson fa mitovy daholo isika rehetra eo imason’ny Raintsika any An-danitra:
Manana anjara araka an’ Andriamanitra isika tsirairay avy, satria samy zanak’ Andriamanitra avokoa ny tsirairay. Mitovy daholo ny tsirairay eo imasony. Tena lalina ny fiantraikan’io fahamarinana io. Ry rahalahy sy anabavy, henoy tsara ny zavatra holazaiko izao. Tsy manavakavaka firazanana Andriamanitra. Mazava ny fotopampianarany mahakasika ity toe-javatra ity. Manasa ny rehetra hanatona Azy Izy, “na mainty na fotsy, na andevo na olon’afaka, na lehilahy na vehivavy” [ 2 Nefia 26:33 ].
(Russell M. Nelson, “Aoka Andriamanitra no hanjaka,” Liahona, nôv. 2020, 94)
Inona no fiantraikan’ny fampivelarana toetra tahaka ny an’i Kristy eo amin’ny fomba fitsaranao?
Nampianatra mikasika ny hoe mitovy amin’i Kristy ny Loholona Dale G. Renlund ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo, ka izany dia afaka manampy antsika hitsara amim-pahamarinana.
Mba ho toa an’i Kristy, ny olona iray dia tia famindrampo. Tsy mitsaratsara ny olona tia famindrampo; maneho indrafo amin’ny hafa izy ireo, indrindra amin’ireo izay niangaran’ny vintana; feno fanajana, tsara fanahy, ary mendri-kaja izy ireo. Ireny olona ireny dia mandray ny rehetra amim-pitiavana sy mahatakatra ny mahazo ny hafa, tsy mijery toe-tena toy ny volon-koditra, ny hoe vavy sa lahy, ny fivavahana, ny fironana mikasika ny filana ara-nofo, ny saranga sy fari-piainana, ny foko, sy vondrona, ary firenena. Izany rehetra izany dia voasolon’ny fitiavana tahaka ny an’i Kristy.
(Dale G. Renlund, “Hanao ny marina sy ho tia famindrampo ary hanaraka an’ Andriamanitra amin’ny fanetrentena,” Liahona, nôv. 2020, 111)