Seminera
Matio 6–7


Matio 6–7

Topimaso ankapobeny

Nanohy ny Toriteny teny an-Tendrombohitra i Jesoa, nampianatra fa tokony hanao asa tsara isika mba hampifaliana ny Raintsika any An-danitra fa tsy hisarihana ny sain’ny hafa. Nampianatra ny mpianany ihany koa Izy “hikatsaka … aloha [ny hanangana] ny fanjakan’ Andriamanitra” (Matio 6:33) ary hitsara amim-pahamarinana. Ny tahirin-kevitra ho an’ity herinandro ity dia ahitana sahanasa fifehezana fotopampianarana mba hanampiana ireo mpianatra hahita sy hitadidy ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana 11 voalohany ao amin’ny Testamenta Vaovao, ary koa lesona hanampiana azy ireo hanao tombana ny fianarany sy ny fivoarany.

Matio 6:1–18

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia hanome ny mpianatra fahafahana hanao tombana ireo antony hanaovany asa tsara ary hisafidy ny fomba hitany fa tokony hanatsarana izany.

  • Fiomanan’ny mpianatra: Asao ireo mpianatra hisaintsaina ireo antony manosika azy ireo hanao zavatra mandritra ireo 24 ora mialoha ny fotoam-pianarana.

  • Votoatin-kevitra haseho: Tabilao momba ireo asa tsara

  • Horonan-tsary: Ny amin’ny hoe tsisy fitaka” (17:51; jereo avy amin’ny mari-potoana 15:34 ka hatramin’ny 16:29)

Matio 6:19–34

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia hanome fahafahana ireo mpianatra hisaintsaina sy hizara ny maha zava-dehibe ny fametrahana an’ Andriamanitra ho ambonin’ny zavatra rehetra eo amin’ny fiainan’izy ireo.

  • Fiomanan’ny mpianatra: Asao ireo mpianatra hisaintsaina ny fomba ho entiny mizara amin’ny hafa ny maha-zava-dehibe sy ny fitahiana azo avy amin’ny fametrahana an’ Andriamanitra ho ambonin’ny zavatra rehetra eo amin’ny fiainan’izy ireo.

  • Soso-kevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalan’ny visio-conférence: Ataovy mode vue d’ensemble rehefa manao visio-conférence ianareo, na ny safidy izay mampiseho ny mpianatra betsaka araka izay azo atao eo amin’ny efijery. Aorian’ny fizaran’ny mpianatra iray ny drafitra nomaniny ho ana horonan-tsary dia asaivo manondro any ambony, na any ambany, na miankavanana, na miankavia izy. Izay mpianatra voatondro eo ambony, na eo ambany, na eo amin’ny ankavanana, na eo amin’ny ankavia eo amin’ny efijerinao no tompon’anjara manaraka. (Mety hanampy ny fahafantarana fa ny fomba fisehoan’ireo mpianatra eo amin’ny efijerinao dia tsy voatery mifanaraka amin’izay hitan’ireo mpianatra.)

Matio 7:1–5

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia hanome fahafahana ireo mpianatra hianatra momba ny fanaovana fitsarana amim-pahamarinana.

  • Fiomanan’ny mpianatra: Asao ireo mpianatra hisaintsaina ny zavatra fantany mahakasika ny fitsarana tokony hataony sy ireo zavatra izay tokony hitandremany. Amporisiho izy ireo hisaintsaina ireo fanontaniana izay manitikitika azy ireo momba ny fitsarana.

  • Fitaovana: sombin-kazo sy andry (na sarin’ireo zavatra ireo)

  • Horonan-tsary: Looking through Windows” (2:19)

  • Soso-kevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalan’ny visio-conférence: Rehefa akaiky hifarana ny lesona, dia asehoy ireo toe-javatra mety hitranga miisa efatra izay azon’ny mpianatra isafidianana mba horesadresahana. Asao ny mpianatra iray na maromaro hampiasa ireo fitaovana fanaovan-tsary mba hanisiana faribolana ny iray farafahakeliny amin’ireo toe-javatra izay tian’izy ireo horesahina amin’ny iray kilasy, na manaova fitsapan-kevitra mba hahafahan’ireo mpianatra maneho ny safidin’izy ireo.

Famerenana fifehezana fotopampianarana 1

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia natao hanampiana ireo mpianatra hahita sy hanao fanazarana amin’ny fanaovana tsianjery ireo andinin-tsoratra masina sy ireo andian-teny manan-danja ao amin’ireo andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana 11 voalohany izay hita ao amin’ny Testamenta Vaovao.

  • Votoatin-kevitra hseho: Tabilao maneho ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana 11 voalohany

  • Soso-kevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalan’ny visio-conférence: Hevero ny hampiasana zana-bondrona samy hafa mba hahafahan’ireo mpianatra mifankafantatra eo am-pitadiavana soratra masina sy eo am-pitadidiana andian-teny manan-danja ao anatin’ny soratra masina.

Ataovy tombana ireo zavatra nianaranao 2

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia natao hanampiana anao amin’ny fanaovana tombana ireo tanjona napetrakao, sy ireo zavatra izay ianaranao, ary ny fivoarana manokana izay niainanao nandritra ny fianaranao ny Testamenta Vaovao tamin’ity taona ity.

  • Fiomanan’ny mpianatra: Asao ny mpianatra hieritreritra momba ny ezaka ataony mba hanoherana sy hiadiana amin’ny fakam-panahy amin’ny alalan’ny finoana an’i Jesoa Kristy.

  • Fitaovana ho an’ny mpianatra: Raha toa ka misafidy ilay sahanasa fanorenana rafitra ianao dia: fitaovana toy ny vato, na kaopy, na boky, ary zavatra mafonja tsara hametrahana izany toy ny latabatra

  • Soso-kevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalan’ny visio-conférence: Hevero ny hanendena mpianatra iray mialoha hanangana rafitra tsotsotra amin’ny alalan’ny vato na kaopy, ny voalohany eo ambonin’ny zavatra mafonja ary avy eo eo ambony zavatra tsy mari-toerana, toy ny ondana ohatra, ka ny mpianatra rehetra hafa kosa dia hijery izany ao amin’ilay visio-conférence.

Hamoaka printy