Seminera
Matio 6:19–34


Matio 6:19–34

“Katsaho aloha ny fanjakan’ Andriamanitra”

Sary
Nampianatra i Kristy fa ny zavatra rehetra dia hanampy ho an’ireo rehetra izay mikatsaka ny fanjakan’ Andriamanitra.

Tao anatin’ny Toriteny teo an-tendrombohitra i Jesoa Kristy dia nampianatra ny mpianany “[hikatsaka] … [ny hanorina] ny fanjakan’ Andriamanitra [aloha]” (Matio 6:33). Ao amin’ity lesona ity dia hanana fahafahana ianao hisaintsaina sy hizara ny maha-zava-dehibe ny fametrahana an’ Andriamanitra ho lohalaharana eo amin’ny fiainanao.

Fanomanana ny mpianatra: Asao ireo mpianatra hisaintsaina ny fomba hoentiny hizarana amin’ny hafa ny maha-zava-dehibe ny fametrahana an’ Andriamanitra ho ambonin’ny zavatra rehetra eo amin’ny fiainan’izy ireo sy ny fitahiana entin’izany.

Sahanasa fianarana azo atao

Nanome torolalana ny mpianany ny Mpamonjy mba hikatsaka ny fanjakan’ Andriamanitra aloha

Vakio ireto toe-javatra tena misy eo amin’ny fiainana manaraka ireto:

  • Manan-talenta amin’ny fanaovana surf ny tovolahy iray any Californie, États-Unis, saingy nitontona tamin’ny fotoan’ny seminera ny fanazaran-tenan’izy ireo ao amin’ny ekipan’ny surf ao amin’ny liseany.

  • Nasaina ho eo amina toerana manan-kaja ny tovovavy iray avy any Brésil tamin’ny fankalazana ny faha-15 taonan’ny namany, saingy mitaky ny hanaovany akanjo tsy mifanaraka amin’ny fitsipika arahiny izany.

  • Mpilalao baolina lavalava manan-talenta miandry ny tolotra ho mpilalao matihanina ny tovolahy iray any Nouvelle Zélande, saingy tao anatin’ny taona hanaovana asa fitoriana ny filazantsara amin’ny fotoana feno anefa izy.

Ireo no ohatrana toe-javatra izay azon’ny zatovo isafidianana ny hametrahana an’ Andriamanitra ho lohalaharana eo amin’ny fiainany, na dia tsy ho mora aza izany.

  • Inona avy ireo fanontaniana na ahiahy mety ananan’ireo tanora amin’ireo toe-javatra ireo momba ny fametrahana an’ Andriamanitra ho lohalaharana eo amin’ny fiainany?

  • Inona avy ireo fanontaniana na ahiahy mety anananao sy ny namanao momba ny fametrahana an’ Andriamanitra ho lohalaharana eo amin’ny fiainana?

Rehefa mandalina ity lesona ity ianao dia mangataha amin’ny Tompo hanampy anao hamaha ny ahiahinao sy hahatsapa ny maha-zava-dehibe ny fametrahana Azy ho lohalaharana. Halalino ny iray amin’ireto andiana andinin-tsoratra masina manaraka ireto. Katsaho ny fitarihan’ny Fanahy Masina mba hanampy anao hahita sy hahatakatra ireo fahamarinana nampianarin’ny Mpamonjy izay afaka manampy anao hametraka an’ Andriamanitra ho lohalaharana eo amin’ny fiainanao.

Azon’ny mpianatra atao ny misafidy ny andinin-tsoratra ho halalininy, na azo omena azy ireo ny Safidy A na Safidy B. Mety hanampy ny fampisehoana ireto safidy manaraka ireto eny amin’ny solaitrabe.

Safidy A: Matio 6:19–24. Ao amin’ireo andininy ireo, ny Mpamonjy dia nampiasa ny teny hoe harena mba hilazana ny zavatra omentsika lanja betsaka, ary ny maso mba hanehoana ny vinantsika na izay ifantohantsika eo amin’ny fiainana. Ny Dikantenin’i Joseph Smith dia manazava ny zavatra nampianarin’ny Tompo ao amin’ny andininy 22 hoe: “Koa raha tsy mibanjina afa-tsy ny voninahitr’ Andriamanitra ny masonao, dia ho feno hazavana ny tenanao rehetra” (Dikantenin’i Joseph Smith, Matio 6:22 [ao amin’ny Matio 6:22Torolalana ho an’ny Soratra Masina; jereo ihany koa ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:67). Mety hanampy ihany koa ny manamarika fa ny teny hoe mamôna dia manondro ny zavatr’izao tontolo izao na ny harena (jereo ny Matio 6:24 ).

Safidy B: Matio 6:25–34. Ny Dikantenin’i Joseph Smith ho an’ireo andininy ireo dia manazava fa niresaka tamin’ny Apôstôliny ny Tompo momba ny andraikitr’izy ireo amin’ny “fandehanana … any amin’izao tontolo izao … hampianatra ny olona” (Dikantenin’i Joseph Smith, Matio 6:25–26 [ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina]). Natokana manokana ho an’ny Apôstôly Roambinifolo ny torolalan’ny Tompo tamin’izany fotoana izany, saingy miantefa amintsika ihany koa ny fitsipika nampianariny. Jereo ny ohatra mampiseho ny fomba hikarakaran’ Andriamanitra ny zava-boariny, anisan’izany isika. Rehefa mandalina ianao dia jereo manokana ny andininy 33: ny Dikantenin’i Joseph Smith ho an’ity andininy ity dia manomboka amin’ny hoe: “Koa aza mikatsaka ny zavatr’izao tontolo izao fa katsahonareo aloha ny hanorina ny fanjakan’ Andriamanitra” (Dikantenin’i Joseph Smith, Matthew 6:38 [ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina]).

  • Rehefa namaky ny tenin’ny Mpamonjy ianao ka nanasa ny fitarihan’ny Fanahy Masina dia inona no hitanao fa manan-danja aminao? Nahoana izany no manan-danja?

Manasà mpianatra maromaro hizara izay zavatra hitany. Hevero ny hanoratra eny amin’ny solaitrabe ireo fitsipika rehetra notanisain’izy ireo. Raha tsy mandeha ho azy ny fizaran’ny mpianatra fitsipika dia apetraho ny fanontaniana hoe: “Ahoana no hamintinanao ny iray amin’ireo fahamarinana nampianarin’ny Mpamonjy?”

Ny Mpamonjy dia nampianatra fitsipika marina ao amin’ireo andininy ireo, tafiditra ao anatin’izany ny hoe tsy afaka sady manompo an’ Andriamanitra isika no manompo an’i mamôna (na ny zavatr’izao tontolo izao) sy ny hoe raha katsahintsika aloha ny hanorina ny fanjakan’ Andriamanitra dia hitahy antsika Izy amin’izay zavatra fantany fa ilaintsika.

  • Inona no fantatrao momba ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy ka hanosika anao hametraka Azy Ireo ho lohalaharana amin’ny fiainanao?

Zatovo mametraka an’ Andriamanitra ho lohalaharana eo amin’ny fiainana

Mamporisika ny zatovo hafa hametraka an’ Andriamanitra ho lohalaharana eo amin’ny fiainana

Makà fotoana kely hieritreretana ny fomba fiantefan’ny fampianaran’ny Mpamonjy mba hametraka an’ Andriamanitra ho lohalaharana eo amin’ny fiainanao. Tohizo ny fikatsahana fitaomam-panahy avy amin’ny Fanahy Masina rehefa mamita ity lesona ity ianao.

Alao sary an-tsaina hoe ny fiadidian’ny tsatòka na distrika dia nanasa ny kôlejinao na ny kilasinao hanao horonan-tsary hanampiana ny zatovo ao amin’ny faritra misy anao hahatsapa fahazotoana hametraka an’ Andriamanitra ho lohalaharana eo amin’ny fiainan’izy ireo. Ny fiadidiana dia mikasa ny hampiseho ilay horonan-tsary mandritra ny hetsika iray ho an’ny tanora.

Afaka manomana horonan-tsary ny mpianatra tsirairay na ny mpianatra vitsivitsy mitambatambatra Raha tsy manaitra ny mpianatrao ny fanomanana horonan-tsary dia afaka manomana lahateny na lesona mikasika ny fametrahana an’ Andriamanitra ho lohalaharana eo amin’ny fiainany izy ireo.

Mamoròna drafitra amin’ny antsipiriany ho an’ny horonan-tsarinao. (Tsy mila manao an’ilay horonan-tsary ianao fa drafitra fotsiny ihany.) Ampidiro ao anatin’ny drafitrao ity manaraka ity:

  • Fahamarinana iray farafahakeliny izay nampianarin’ny Mpamonjy ao amin’ny Matio 6 sy ny fanazavana ny fomba hanampian’izany ny zatovo hametraka an’ Andriamanitra ho lohalaharana eo amin’ny fiainany.

  • Ohatra iray amin’ny andro ankehitriny momba ny olona iray mametraka an’ Andriamanitra ho lohalaharana eo amin’ny fiainany. Ity ohatra ity dia mety ho zavatra niainanao manokana na niainan’ny olona iray fantatrao. Manorata famintinana tsotra momba ilay ohatra.

Ampidiro ao anatin’ny drafitrao ihany koa ny iray na maromaro amin’ireto manaraka ireto:

  • Teny avy amin’ny mpitarika ato amin’ny Fiangonana

  • Sary na zavatra jeren’ny maso azonao ampidirina sy ny fotoana hampidiranao azy ireo

  • Ny fijoroana ho vavolombelona manokana anananao

Rehefa avy nomena fotoana ampy ny mpianatra dia asao izy ireo hizara amin’ny iray kilasy ny zavatra izay nampidirin’izy ireo tao amin’ny horonan-tsariny. Rehefa mizara izany izy ireo dia mametraha fanontaniana fanohizana ny fandraisana andraikitra toy ireto manaraka ireto: “Nahoana ianao no nanapa-kevitra ny hifantoka amin’izany andian-teny na fahamarinana izany?” “Nahoana ianao no nanapa-kevitra ny hampiasa ity tantara ity na ity zavatra niainana ity?” “Nahoana araka ny eritreritrao no afaka manampy ny zatovo izany ankehitriny?”

Avereno jerena ireo ahiahy na fanontaniana napetrak’ireo mpianatra tany min’ny fiandohan’ny lesona. Anontanio ny mpianatra hoe: “Ahoana no ahafahan’ny zavatra nianaranao hanampy amin’ny famahana ireo olana ireo?”

Azonao zaraina amin’ny fianakavianao sy ny namanao ny drafitrao mikasika ny hanaovana ilay horonan-tsary. Ny fotoana mety hanaovana izany dia rehefa eo am-piresahana momba io lohahevitra io miaraka amin’ny fianakavianao mandritra ny fandalinanareo ny Avia, hanaraka Ahy.

Raha manana ny fahaiza-manao hanatontosana izany ianao dia hevero ny hanatontosa ny horonan-tsarinao sy ny hizara izany amin’ny hafa.

Fanazavana sy fampahalalana avy amin’ny zava-miseho

Inona avy ireo fitahiana raisintsika rehefa mametraka an’ Andriamanitra ho lohalaharana eo amin’ny fiainantsika isika?

Nampianatra ny Filoha Ezra Taft Benson (1899–1994) hoe:

Sary
Sarin’ny Filoha Ezra Taft Benson. Mipetraka eo amina seza mifono hoditra eo anoloan’ny toeram-pamindroana izy. Mifamihina eo anoloany ny felatanany roa ary manao peratra misy vatony miloko manga manopy maitso izy eo amin’ny rantsantanana iray. Sary tapaka ôfisialy. 1986

Tsy maintsy mametraka an’ Andriamanitra ho manan-danja kokoa noho ny zavatra hafa rehetra eo amin’ny fiainantsika isika. …

Rehefa mametraka an’ Andriamanitra ho lohalaharana isika dia haka ny toerana tokony hisy azy eo amin’ny fianantsika ny zavatra hafa rehetra na tsy hanan-danja amintsika intsony. Ny fitiavantsika ny Tompo no hitantana ireo zavatra tiantsika, ireo zavatra ampiasantsika ny fotoantsika, ireo zavatra safidintsika ho atao, ary ny filaharan’ireo laharam-pahamehantsika.

(Ezra Taft Benson, “The Great Commandment—Love the Lord,” Ensign, May 1988, 4)

Nampianatra ny Filoha Russell M. Nelson hoe:

Sary
Sary tapaka ôfisialin’ny Filoha Russell M. Nelson, nalaina tamin’ny janoary 2018

Vonona ve ianao hamela an’ Andriamanitra ho ny hery mitaona anao indrindra eo amin’ny fiainanao? …

Eritrereto ny fitahiana entin’ny fahavononana toy izany eo aminao. …

Raha manana fanontaniana avy amin’ny fo momba ny filazantsara na ny Fiangonana ianao, rehefa misafidy ny hamela an’ Andriamanitra hanjaka ianao dia ho voatarika ianao hahita sy hahatakatra ny tena fahamarinana mandrakizay izay hitarika anao eo amin’ny fiainanao sy hanampy anao hijanona ho mafy orina eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana.

Raha tojo fakam-panahy ianao, na dia efa reraka na mahatsapa ho irery na diso fandraisana aza ianao no tonga ilay fakam-panahy, dia alaivo sary an-tsaina ny hery mety ho azonao rehefa misafidy ny hamela an’ Andriamanitra hanjaka eo amin’ny fiainanao sy mangataka Azy mba hankahery anao ianao. …

… Rehefa misafidy ny hamela an’ Andriamanitra hanjaka eo amin’ny fiainanareo ianareo dia hahita manokana ianareo fa Andriamanitra dia “Andriamanitry ny fahagagana” [ Môrmôna 9:11 ].

(Russell M. Nelson, “Aoka Andriamanitra no hanjaka,” Liahona, nôv. 2020, 94, 95)

Inona no tian’ny Mpamonjy nolazaina rehefa niteny Izy hoe “Aza manahy ny amin’ny ainareo” sy ilay hoe “Aza manahy ny ampitso”? (Matio 6:25, 34)

“Ilay andian-teny Grika izay nadika hoe -aza manahy- ao amin’ny Matio 6:25, 34 ao amin’ny Baiboly King James amin’ny teny Anglisy dia midika hoe tsy mitebiteby na matahotra loatra” (New Testament Student Manual [Boky torolalana an’ny Departemantan’ny Fampianarana an’ny Fiangonana, 2014], 29).

Inona no tian’ny Mpamonjy holazaina rehefa nilaza Izy hoe: “Fa ny ampitso hanahy ny azy”?

Inona no atao hoe hakiho iray? (Matio 6:27)

Ny iray hakiho dia “Ventin’ny halavàn-drefy fahita teo amin’ny Hebreo—hatreo amin’ny lohan’ny fanondroadala ka hatreo amin’ny kiho … [eo ho eo] amin’ny 54,6 santimetatra tamin’ny andron’ny Tompontsika” (Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Hakiho “).

Sahanasa fianarana fanampiny

Mitandrema amin’ireo mpaminany sandoka

Hevero ny hangataka ny mpianatra hizara ohatra amin’ireo foto-kevitra izay eken’izao tontolo izao amin’ny ankapobeny kanefa mifanohitra amin’ny drafitry ny Ray any An-danitra. Hazavao fa ny mpaminany sandoka dia olona na vondron’olona mampiroborobo foto-kevitra mifanohitra amin’ny drafitry ny Ray any An-danitra ary mikasa ny hanimba ny finoana sy ny fijoroana ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy. Vakio ny Matio 7:15–20 ary ifanakalozy hevitra ireo fampianaran’ny Mpamonjy momba ny famantarana ireo mpaminany sandoka sy ny antony maha-zava-dehibe ireo fampianarana ireo amin’izao androntsika izao. Mety hanampy ity teny manaraka izay nataon’ny Filoha Dallin H. Oaks ao amin’ny Fiadidiana Voalohany ity:

Sary
Sary tapaka ôfisialin’ny Filoha Dallin H. Oaks, nalaina tamin’ny martsa 2018.

“Satana dia maika ery ny hampisavorovoro ny eritreritsika na hampivaona antsika raha ny mahakasika ireo zavatra manan-danja. … Ny Mpamonjy dia … [nanome] antsika ity andrana ity mba hanampiana antsika hifantina ny fahamarinana amin’ireo fampianarana samihafa izay mety hampisafotofoto ny saintsika: “Ho fantatrareo amin’ny voany izy,” hoy Izy nampianatra (3 Nefia 14:16). … Noho izany isika dia tokony hijery ny vokatra, “ireo voa,” aterak’ireo fitsipika izay ampianarina sy ireo olona mampianatra izany. Izany no valinteny tsara indrindra ho an’ireo fanoherana marobe rentsika izay atao amin’ny Fiangonana sy ny fotopampianarany ary ireo lalàna mifehy azy sy ny mpitarika ao aminy. Ampiharo ilay andrana nampianarin’ny Mpamonjy. Jereo ireo voa, ireo vokatra.

(Dallin H. Oaks, “Ny Fisoronana Melkizedeka sy ireo fanalahidy,” Liahona, mey 2020, 71).

Hamoaka printy