“Hevitra hivoarana eo amin’ny lafiny rehetra amin’ny fiainana,” Fivoaran’ny tena manokana: Boky torolalana ho an’ny ankizy (2019)
“Hevitra hivoarana eo amin’ny lafiny rehetra amin’ny fiainana,” Fivoaran’ny tena manokana: Boky torolalana ho an’ny ankizy
Hevitra hivoarana eo amin’ny lafiny rehetra amin’ny fiainana
Ireto pejy manaraka ireto dia ahitana hevitra momba ny fomba ahafahanao manaraka ny Mpamonjy ary mivoatra eo amin’ny lafiny rehetra amin’ny fiainanao. Tsy voatery hampiasa izy ireto ianao—mety ho avy aminao manokana ny hevitra tsara indrindra! Mivavaha momba izay azonao ilofosana amin’izao fotoana izao.
Afaka mahita hevitra misimisy kokoa ianao ao amin’ny ChildrenandYouth.ChurchofJesusChrist.org.
Hevitra ho fivoarana ara-panahy
Vakio isan’andro ny Bokin’i Môrmôna
Ataovy fahazarana ny famakiana isan’andro, na dia andininy vitsivitsy fotsiny aza.
Miomàna handeha any amin’ny tempoly
Ianaro sy iaino “Ireo Fitsipiky ny Filazantsarako” (pejy 63), dia asao ny hafa hanao torak’izany koa.
Ianaro ireo Fanekem-pinoana
Ianaro tsianjery ireo Fanekem-pinoana (pejy 62), ary ianaro ny hevitr’izy ireo.
Hatsarao ny vavaka ataonao
Mialoha ny hanaovanao vavaka, dia eritrereto ireo zavatra ankasitrahanao ary ireo zavatra ilainao fanampiana.
Isaory ny Ray any An-danitra noho ireo fitahiana azonao
Manorata zavatra telo izay ankasitrahanao. Miezaha manoratra zavatra telo vaovao isan’andro.
Hazony ho masina ny andro Sabata
Manapaha hevitra ny amin’izay zavatra azonao atomboka na atsahatra mba hahatonga ny andro Sabata ho andro miavaka.
Manompoa olona iray
Mitadiava fomba hanampiana olona iray ao amin’ny fianakavianao, any am-pianarana, na any am-piangonana.
Manaova tantaram-pianakaviana
Manorata taratasy ho an’i dadabe na ho an’i bebe, ho an’i nenitoa na ho an’i dadatoa. Angataho izy ireo hizara aminao tantara momba azy ireo fony izy ireo nitovy taona taminao.
Zarao ny filazantsara
Resaho momba ny filazantsara ny namana iray. Asao ireo namanao hankany am-piangonana na hamonjy fiaraha-mientana.
Ampianaro ny filazantsara
Ampianaro ny olona ao amin’ny fianakavianao ny tantara ao amin’ny soratra masina tianao indrindra. Lalaovy an-tsehatra izany na manaova sary mba hanampiana anao hampianatra izany.
Mihirà hiran’ny Kilonga
Mihirà miaraka amin’ny olona ao amin’ny fianakaviana. Mariho ny zavatra tsapanao avy amin’ny fihainoana mozika tsara.
Hevitra ho fivoarana ara-piarahamonina
Inona avy ireo hevitrao?
Mianara momba ilay hoe Fianakaviana
Vakio ny “Fianakaviana: Fanambarana ho an’izao tontolo izao,” ary resaho amin’ny ray aman-dreninao ny zavatra nianaranao.
Hanehoy fitiavana ny fianakavianao
Manaova zavatra tsara ho an’ireo olona ao amin’ny fianakavianao.
Ampandraisao anjara ny hafa
Mitadiava fomba handaniana fotoana miaraka amin’ny olona iray na hanompoana olona iray izay mety mahatsapa ho voailikilika na mila ny finamananao.
Mianara momba ireo kolontsaina hafa
Mamakia momba ireo kolontsaina hafa, miresaha amin’ny olona avy amin’ny firenen-kafa, na manatreha hetsika ara-kolontsaina akaiky anao.
Tompoy ireo mpifanolobodirindrina aminao.
Miaraka amin’ny ray aman-dreninao na ireo mpitarika anao, manaova zavatra ao amin’ny fiarahamonina misy anao mba hanampiana ireo olona sahirana.
Mianara miala tsiny sy mamela
Manaova kilalao an-tsehatra toe-javatra izay ilain’ny olona iray ny miala tsiny na mamela ao anatin’izany. Manaova fahazarana mizara ny fahatsapanao ary mamaly.
Ianaro ny momba ny fiarahamonina misy anao
Tsidiho ny tobin’ny polisy, tobin’ny mpamono afo, na toerana fanampiana hafa ao amin’ny fiarahamonina. Mianara momba ny zavatra ataon’izy ireo, ary isaory izy ireo noho ny fanompoana ataony.
Makà namana vaovao
Ampahafantaro ny olona vaovao iray ny tenanao, ary asao io olona io hiara-hilalao aminao.
Mitenena teny feno hatsaram-panahy
Ataovy fahazarana ny tsy mampiasa afa-tsy teny izay hahatonga ny hafa ho faly, fa tsy halahelo. Miresaha momba izay azonao lazaina raha toa ka miteny zavatra manafintohina aminao ny olona iray.
Fehezo ny hatezeranao
Ataovy fahazarana ny mitony rehefa mahatsiaro ho tezitra. Ohatra, makà rivotra tsara, manisà hatramin’ny 10, na alaivo sary an-tsaina fa ao amin’ny toerana tianao indrindra ianao.
Raiso tsara ny hafa
Ampahafantaro ny olona vaovao ao amin’ny sekolinao, ny tanànanao, na ny paroasy na sampana misy anao ny tenanao. Ampio io olona io hihaona amin’olon-kafa.
Hevitra ho fivoarana ara-batana
Inona avy ireo hevitrao?
Mianara mahandro sakafo.
Manampia amin’ny fanomanana sakafo na ody ambavafo mahasalama. Zarao amin’ny olona ao amin’ny fianakavianao na amin’ny namanao izany.
Ataovy izay hampatanjaka ny vatanao
Manaova zavatra tsy tapaka mba hanetsehana ny vatanao, toy ny fanatanjahan-tena, fihetsehana, dihy, na filalaovana any ivelany.
Manehoa fanajana ho an’ny vatanao
Tandrovy mba hadio ny vatanao isan’andro. Mandroa tsy tapaka. Borosio ny nifinao ary karakarao ny volonao isan’andro.
Karakarao ny tokantranonao
Manaova zavatra izay hahatonga ny tranonao ho mahafinaritra ny monina ao aminy, toy ny manadio, mandravaka, na mikarakara ny any an-tokontany.
Kajio ireo zavatra anao manokana
Angataho ny ray aman-dreninao hampianatra anao ny fanamboarana na fikajiana ireo zavatra ampiasainao.
Mianara fahaiza-manao ara-javakanto vaovao
Manaova sary, sary hosodoko, na kisarisary, dia omeo ny olona tianao izany.
Mianara fahaiza-manao ara-mozika vaovao
Ianaro ny fihirana hira iray, ny fitendrena zavamaneno iray, na ny fitarihana hira iray. Manolora-tena hizara ny fahaiza-manaonao mandritra ny takarivan’ny mpianakavy na fiaraha-mientana hafa.
Hajao ny Tenin’ny Fahendrena
Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 89 hahitana izay nampanantenain’ny Ray any An-danitra raha toa ka mitandrina ny Tenin’ny Fahendrena ianao. Manapaha hevitra ny amin’ny fomba ahafahanao miaina izany tsaratsara kokoa.
Ankafizo ny filalaovana any ivelany
Mandehana an-tongotra na manaova randonnée miaraka amin’ny olona ao amin’ny fianakavianao na ny namanao mba hijerena ny tontolo manodidina anao.
Zarao ny talentanao
Zarao amin’olona manirery iray ny talentanao iray.
Miomàna amin’ny tampoka
Manaova drafitra miaraka amin’ny ray aman-dreninao na ny mpitarika anao momba ny zavatra atao raha tonga ny tampoka.
Hevitra ho fivoarana ara-tsaina
Inona avy ireo hevitrao?
Mianara momba ny fahafolonkarena
Ianaro ny maha-manan-danja ny fandoavana fahafolonkarena. Omeo ny Tompo ny folo isan-jaton’ny vola miditra aminao.
Hatsarao ny fahaizanao mamaky teny
Mamakia boky momba ny lohahevitra vaovao iray, na mamakia boky izay lavalava kokoa noho izay efa famakinao.
Ianaro ny fomba ahafahanao ho voaro rehefa ao amin’ny internet
Manaova lisitr’ireo fitsipiky ny fianakavianao amin’ny fampiasana ny internet na applications.
Mianara zava-baovao
Misafidiana zavatra mahaliana anao iray, dia ianaro ny zavatra rehetra azonao ianarana momba izany.
Manatreha na mijereva hetsika ara-kolontsaina
Tsidiho ny tranom-bakoka na ny hetsika ara-kolontsaina iray ao amin’ny faritra misy anao. Miresaha amin’ny namana na olona ao amin’ny fianakaviana momba ny zavatra vaovao nianaranao.
Mianara momba ny asa isan-karazany
Tsidiho any amin’ny toeram-piasany ny olona iray fantatrao mba hianarana ny zavatra ataony ary ny fandehan’ny zavatra.
Mianara momba ireo olona fitaratra ho anao
Mety ho olona fantatrao izany na olona avy amin’ny tantara na ny soratra masina. Manapaha hevitra ny amin’ny fomba ahafahanao hitovy bebe kokoa aminy.
Ianaro ny fomba fanaovana safidy tsara
Ny safidy rehetra dia miteraka vokany, izany hoe zava-mitranga vokatry ny zavatra nataonao. Tanisao ireo safidy sasantsasany sy ny vokatr’izany.
Hatsarao ny fahafahanao mitadidy
Ianaro tsianjery ny soratra masina, tononkalo, na hira tianao indrindra
Mianara fiteny vaovao
Mianara miteny hoe manahoana ary ireo teny fototra hafa amin’ny fiteny hafa. Manaova fampiharana miaraka amin’ny olona iray izay miteny io fiteny io, raha azo atao.
Manorata tantara iray
Manorata tantara momba ny fiainanao na ny olona iray ao amin’ny fianakavianao.