Ankizy sy Zatovo
Manana tanjona ianao


“Manana tanjona ianao,” Fivoaran’ny tena manokana: Boky torolalana ho an’ny ankizy (2019)

“Manana tanjona ianao,” Fivoaran’ny tena manokana: Boky torolalana ho an’ny ankizy

Sary
zatovo eo am-panaovana fiaraha-mientana

Manana tanjona ianao

Ny Rainao any An-danitra sy i Jesoa Kristy Zanany dia mahafantatra sy tia anao. Ampahany manan-danja amin’ny asan’ Izy Ireo ianao. Afaka manampy mba hisian’ny tontolo tsaratsara kokoa ianao.

Nanome anao talenta sy fanomezam-pahasoavana ara-panahy ny Ray any An-danitra. Tiany ianao hampiasa ireo fanomezam-pahasoavana sy talenta ireo mba ho sambatra sy mba hitahy ny hafa. Afaka manampy anao hahafantatra ny zavatra tokony atao amin’ny alalan’ny Fanahy Masina Izy.

Ity boky torolalana momba ny fivoaran’ny tena manokana ity dia afaka manampy anao eo am-pikolokoloanao ireo fanomezam-pahasoavana anananao ary eo am-panarahanao an’i Jesoa Kristy. Mahafantatra ny tokony hahatongavanao ny Ray any An-danitra ary ianao dia afaka ny ho lasa izany olona izany.

Hamoaka printy