Ankizy sy Zatovo
Zanaka sarobidin’ Andriamanitra ianao


“Zanaka sarobidin’ Andriamanitra ianao,” Fivoaran’ny tena manokana: Boky torolalana ho an’ny ankizy (2019)

“Zanaka sarobidin’ Andriamanitra ianao,” Fivoaran’ny tena manokana: Boky torolalana ho an’ny ankizy

Zanaka sarobidin’ Andriamanitra ianao

Efa niaina niaraka tamin’ny Ray any An-danitra ianao, mahafantatra ny zava-drehetra ary tia ny olona rehetra Izy. Tiany ianao hitovy Aminy! Nomeny vatana sy fahaiza-manao ary fanomezam-pahasoavana ara-panahy ianao. Tiany ianao sy ireo zanany rehetra hahita sy hampitombo ireo fanomezam-pahasoavana ireo. Nomeny drafitra isika hanampiana antsika ho sambatra sy hitahy ny hafa.

Sary
lanitra sy fianakaviana

Tonga ety an-tany avy tany an-danitra ianao. Mpikambana ao anatin’ny fianakaviana iray ianao.

Sary
batisa

Manao fanekempihavanana ny hanaraka an’i Jesoa Kristy ianao rehefa atao batisa ary rehefa mandray ny fanasan’ny Tompo.

Sary
fandraisana ho mpikambana

Rehefa raisina ho mpikambana ianao dia mandray ny fanomezana ny Fanahy Masina mba hitarika anao.

Sary
olona eo ivelan’ny trano fiangonana

Afaka mahita fifaliana sy fiadanana ianao rehefa misafidy ny miaina tahaka ny ho nataon’i Jesoa.

Sary
olona eo am-panaovana fiaraha-mientana

Afaka mianatra sy mivoatra ianao. Afaka mitia sy manompo ny hafa tahaka ny ho nataon’i Jesoa ianao.

Sary
i Jesoa mampianatra ny vahoaka

Nandefa an’i Jesoa Kristy Zanakalahiny ny Ray any An-danitra, mba ho ohatra ho anao ary mba ahafahanao mibebaka sy miova.

Sary
fianakaviana eo ivelan’ny tempoly

Afaka manao fanekempihavanana any amin’ny tempoly ianao, ka izany dia hanampy anao hiaina miaraka amin’ny Ray any An-danitra indray.

Hamoaka printy