Ankizy sy Zatovo
Manana tanjona ianao


“Manana tanjona ianao,” Fivoaran’ny tena manokana: Boky torolalana ho an’ny zatovo (2019)

“Manana tanjona ianao,” Fivoaran’ny tena manokana: Boky torolalana ho an’ny zatovo

Sary
zatovo avy amin’ny kolontsaina isan-karazany

Manana tanjona ianao

Mahafantatra anao sy tia anao ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy Zanany. Ampahany manan-danja amin’ny asan’ Izy Ireo ianao, ary afaka mitondra fiovana lehibe eo amin’izao tontolo izao ianao.

Nanome talenta sy fanomezam-pahasoavana ara-panahy anao ny Ray any An-danitra. Afaka mikatsaka fanambarana ianao mba hahafantarana ny fomba hampiroboroboana ny talentanao sy ny hahatongavana tahaka an’i Jesoa Kristy kokoa, ary ny hahatonga ny tenanao sy ny hafa ary izao tontolo izao ho tsara kokoa.

Ity boky torolalana hampivoarana ny tena manokana ity dia manolotra fitsipika sy fitaovana azonao ampiasaina amin’ny ezaka ataonao hampivoatra ireo fanomezam-pahasoavana anananao sy amin’ny fanarahana an’i Jesoa Kristy.

Hamoaka printy