Antso ao amin’ny misiôna
Toko 3: Lesona 4—Lasa mpianatr’i Jesoa Kristy mandritra ny androm-piainana


“Toko 3: Lesona 4—Lasa mpianatr’i Jesoa Kristy mandritra ny androm-piainana,” Torio ny filazantsarako: Torolalana ho an’ny fizarana ny filazantsaran’i Jesoa Kristy (2023)

“Toko 3: Lesona 4,” Torio ny filazantsarako

Toko 3: Lesona 4

Lasa mpianatr’i Jesoa Kristy mandritra ny androm-piainana

The Lost Lamb (Ilay ondry very), nataon’i Del Parson

Ny fampianarana ity lesona ity

Ny batisa dia ôrdônansin’ny fanantenana mahafaly. Rehefa atao batisa isika dia mampiseho ny faniriantsika hanara-dia an’ Andriamanitra sy hiditra ao amin’ny lalana mitondra mankany amin’ny fiainana mandrakizay Mampiseho ny fanolorantenantsika ny ho lasa mpianatr’i Jesoa Kristy mandritra ny androm-piainantsika ihany koa isika.

Ity lesona ity dia narafitra araka ireo fanekempihavanana ataontsika mandritra ny batisa. Ahitana ireto renim-pizarana manaraka ireto izany, izay samy misy zana-pizarana:

Ampio ny olona hahatakatra fa ireo fitsipika sy didy ampianarinao dia mandrafitra ny fanekempihavanana hataony amin’ny batisa. Asehoy azy ireo fa ny ampahany tsirairay avy amin’ity lesona ity dia hanampy azy ireo “[hanatona] an’i Kristy … ary handra[y] anjara amin’ny famonjeny” (Ômnia 1:26; jereo koa ny 1 Nefia 15:14).

Tokony hampianatra ity lesona ity ao anatina fitsidihana maromaro ianao. Mahalana ny fitsidihana hanaovana fampianarana vao tokony hoe hihoatra ny 30 minitra. Tsaratsara kokoa raha ny mahazatra ny manao fitsidihana fohy sy matetika kokoa izay ifantohana amina ampahany kely kokoa ao anatin’ilay zavatra ampianarina.

Alamino ny zavatra hampianarinao, sy ny fotoana hampianaranao izany, ary ny habetsaky ny fotoana holaninao. Diniho ireo zavatra ilain’ny olona ampianarinao, ary katsaho ny fitarihan’ny Fanahy. Afaka manao fanovanovana ianao mba hanaovana fampianarana mifanaraka amin’ny zavatra izay tena hanampy indrindra ny olona hiomana ho amin’ny batisa sy ny fandraisana ho mpikambana.

Ny fizarana sasany ato amin’ity lesona ity dia ahitana fanasana voafaritra tsara. Katsaho ny fitaoman’ny Fanahy hamaritana ny fomba sy ny fotoana hanolorana fanasana. Aoka mba hotsaroanao ny fari-pahatakaran’ny olona tsirairay. Ampio izy hiaina ny filazantsara amin’ny alalan’ny dingana iray isaky ny mandeha.

vehivavy mandray ny fanasan’ny Tompo

Ny fanekempihavanana ataontsika mba ho vonona ny hitondra ny anaran’i Jesoa Kristy eo amintsika

Rehefa atao batisa isika dia manao fanekempihavanana ny hanara-dia an’i Jesoa “amin’ny finiavan’ny fon[tsika] manontolo.” Mijoro ho vavolombelona ihany koa isika fa “vonona ny hitondra ny anaran’i Kristy [eo amintsika]” (2 Nefia 31:13; jereo koa ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:37).

Ny fitondrana ny anaran’i Jesoa Kristy eo amintsika dia midika hoe mahatsiaro Azy sy miezaka ny hanana fiainana amin’ny maha-mpianany mandritra ny androm-piainana antsika. Avelantsika hamirapiratra eny amin’ny hafa amin’ny alalantsika ny fahazavany. Raisintsika ho Azy isika ary Izy no apetratsika ho lohalaharana eo amin’ny fiainantsika.

Ireto fizarana manaraka ireto dia mamariparitra fomba roa ahafahantsika mahatsiaro sy manara-dia an’i Jesoa Kristy.

Mivavaka matetika

Ny vavaka dia afaka ny ho firesadresahana tsotra avy amin’ny fo amin’ny Ray any An-danitra. Ao anatin’ny vavaka isika dia miresaka Aminy mivantana sy amin-kitsim-po. Maneho ny fitiavana Azy sy ny fankasitrahana noho ireo fitahiana azontsika isika. Mangataka fanampiana sy fiarovana ary fitarihana ihany koa isika. Rehefa mamarana ny vavaka ataontsika isika dia tokony maka fotoana hiatoana kely sy hihainoana.

Nampianatra i Jesoa hoe: “Koa tsy maintsy mivavaka mandrakariva amin’ny Ray amin’ny anarako ianareo” (3 Nefia 18:19, nampiana fanamafisana; jereo koa ny Mosesy 5:8). Rehefa mivavaka amin’ny anaran’i Jesoa Kristy isika dia sady mahatsiaro Azy no mahatsiaro ny Ray any An-danitra.

Nampiseho ohatra mba harahintsika rehefa mivavaka i Jesoa. Afaka mianatra zavatra betsaka momba ny vavaka isika amin’ny alalan’ny fandalinana ireo vavaka nataon’ny Mpamonjy ao amin’ny soratra masina (jereo ny Matio 6:9–13; Jaona 17).

Afaka ny ho hita ao anatin’ny vavaka ataontsika ireto singa manaraka ireto ny :

  • Manomboka amin’ny firesahana amin’ny Ray any An-danitra.

  • Maneho ny fahatsapan’ny fo, toy ny fankasitrahana noho ireo fitahiana azontsika.

  • Mametraka fanontaniana, mikatsaka fitarihana, ary mangataka fitahiana.

  • Mamarana amin’ny filazana hoe, “Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.”

Ny soratra masina dia manainga antsika mba hivavaka amin’ny maraina sy amin’ny hariva. Azontsika atao amin’ny fotoana rehetra sy any amin’ny sehatra rehetra anefa ny mivavaka. Rehefa manao ny vavaky ny tena manokana sy ny vavaky ny mpianakavy dia mety ilaina ny mandohalika rehefa mivavaka. Tokony hanao vavaka ao am-pontsika foana isika. (Jereo ny Almà 34:27; 37:36–37; 3 Nefia 17:13; 19:16.)

Ny vavaka ataontsika dia tokony hatao am-piheverana tsara ary avy amin’ny fo. Rehefa mivavaka isika dia tokony hisoroka ny fitenenana zavatra mitovy foana amin’ny fomba mitovy foana.

Mivavaka amin’ny finoana sy fahatsorana isika, ary amin’ny finiavana marina mba handray andraikitra eo anatrehan’ny valiny azontsika. Rehefa manao izany isika dia hitarika antsika Andriamanitra ary hanampy antsika handray fanapahan-kevitra tsara. Hahatsapa ho akaiky Azy kokoa isika. Hanome antsika fahatakarana sy fahamarinana Izy. Hanome antsika fampiononana sy fiadanana ary tanjaka Izy.

Fandalinana ny soratra masina

Hianatra kokoa momba ity fitisipika ity

  • Torolalana ho an’ny Soratra Masina,“Vavaka

  • .

  • Sujets de l’Évangile, “Prière

Fandalinana ny soratra masina

Nampianatra i Nefia hoe: “Mivokisa amin’ny tenin’i Kristy; fa indro hilaza aminareo ny zava-drehetra tokony hataonareo [izany].” (2 Nefia 32:3; jereo ihany koa ny 31:20).

Ny fandalinana ny soratra masina dia fomba manan-danja iray hahatsiarovana sy hanarahana an’i Jesoa Kristy. Mianatra momba ny fiainany sy ny asa fanompoana nataony ary ireo fampianarany isika ao amin’ny soratra masina. Mianatra momba ireo fampanantenany ihany koa isika ao. Rehefa mamaky ny soratra masina isika dia miaina ny fitiavany. Mivelatra ny fanahintsika, mitombo ny finoantsika, ary voazava ny saintsika. Lasa matanjaka kokoa ny fijoroana ho vavolombelona ananantsika momba ny iraka masina nanirahana Azy.

Mahatsiaro sy manara-dia an’i Jesoa isika rehefa mampihatra ny teniny eo amin’ny fiainantsika. Tokony handalina ny soratra masina isan’andro isika, indrindra indrindra ny Bokin’i Môrmôna.

Ny soratra masina ankatoavin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany dia ny Baiboly Masina, ny Bokin’i Môrmôna, ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana, ary ny Voahangy Lafo Vidy. Antsoina hoe “soratra masina nankatoavina” izy ireo.

Fandalinana ny soratra masina

Hianatra kokoa momba ity fitisipika ity

  • Torolalana ho an’ny Soratra Masina: “Soratra masina

  • Sujets de l’Évangile: “Écritures

I Jesoa Kristy mampianatra vahoaka

Ny fanekempihavanana ataontsika mba hitandrina ny didin’ Andriamanitra

Fanamarihana: Misy fomba maro hampianarana ny didy ato amin’ity fizarana ity. Ohatra, azonao ampianarina ao anatin’ny fitsidihana vitsivitsy izy ireo. Na azonao atao koa ny mpampianatra ny sasany amin’izy ireo ho ampahany mandrafitra ireo lesona telo voalohany. Rehefa mampianatra didy dia ataovy izay ampifandraisana azy ireo amin’ny fanekempihavanan’ny batisa sy ny drafitry ny famonjena.

Rehefa atao batisa isika dia manao fanekempihavanana amin’ Andriamanitra mba “hitandrina ny didiny” (Môzià 18:10; Almà 7:15).

Nanome antsika didy Andriamanitra satria tia antsika Izy. Maniry ny tsara indrindra ho antsika Izy, amin’izao fotoana izao sy any amin’ny mandrakizay. Amin’ny maha-Raintsika any An-danitra Azy dia fantany ny zavatra ilaintsika izay mahasoa antsika ara-batana sy ara-panahy. Fantany ihany koa ny zavatra hitondra fahasambarana lehibe indrindra ho antsika. Ny didy tsirairay avy dia fanomezana masina, nomena mba hitarihana ny fanapahan-kevitra raisintsika, hiarovana antsika, ary mba hanampiana antsika hivoatra.

Ny antony iray nahatongavantsika ety an-tany dia ny hianatra sy hivoatra amin’ny alalan’ny fampiasantsika amim-pahendrena ny fahafahantsika misafidy (jereo ny Abrahama 3:25). Ny fisafidianana ny hankatò an’ Andriamanitra, ary ny hibebaka rehefa lavo, dia manampy antsika hamakivaky ity dia ety an-tany izay matetika sarotra ity.

Ny didin’ Andriamanitra dia loharanon-kery sy loharanom-pitahiana (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 82:8–9). Amin’ny alalan’ny fitandremana ny didy, isika dia mahafantatra fa tsy lalàna mavesatra izay mametra ny fahalalahantsika izy ireo. Ny fahalalahana tena izy dia avy amin’ny fankatoavana ireo didy. Ny fankatoavana dia loharanon-kery izay mitondra fahazavana sy fahalalana ho antsika amin’ny alalan’ny Fanahy Masina. Hanome antsika fahasambarana lehibe kokoa izany ary hanampy antsika hanatratra ilay fahafahantsika ho lasa tahaka an’ Andriamanitra amin’ny maha-zanak’ Andriamanitra antsika.

Mampanantena ny hitahy antsika Andriamanitra rehefa mitandrina ny didiny isika. Ny fitahiana sasantsasany dia voafaritra tsara avy amina didy voafaritra tsara. Ny fitahiana faratampony homeny antsika dia fiadanana eto amin’ity fiainana ity ary fiainana mandrakizay any amin’ny tontolo ho avy. (Jereo ny Môzià 2:41; Almà 7:16; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 14:7; 59:23; 93:28; 130:20–21.)

Ny fitahian’ Andriamanitra dia sady eo amin’ny lafiny ara-panahy no eo amin’ny lafiny ara-batana. Indraindray isika dia mila manana faharetana eo amin’ny fiandrasana azy ireo, matoky fa ho avy araka ny sitrapony sy ny fotoany izy ireo (jereo ny Môzià 7:33; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:68). Mba hamantarana ny fitahiana sasany dia mila malina ara-panahy sy mandinika tsara isika. Tena marina mihitsy izany indrindra ho an’ireo fitahiana izay tonga amin’ny alalan’ny fomba tsotra sy toa mahazatra.

Ny fitahiana sasany dia mety tsy ho tsikaritra raha tsy any aoriana any rehefa manao jery todika isika. Ny hafa kosa dia mety tsy ho tonga raha tsy aorian’ity fiainana ity. Na manao ahoana na manao ahoana fotoana na toetry ny fitahian’ Andriamanitra, dia afaka mahazo toky isika fa ho avy izy ireny rehefa miezaka ny hiaina ny filazantsaran’i Jesoa Kristy isika (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 82:10).

Tian’ Andriamanitra tanteraka ny zanany rehetra. Manana faharetana Izy eo anatrehan’ny fahalementsika, ary mamela Izy rehefa mibebaka isika.

Ireo didy roa lehibe

Rehefa nanontaniana i Jesoa hoe: “Ny didy manao ahoana moa no lehibe [indrindra]?” Namaly Izy hoe: “Tiava an’i Jehovah Andriamanitrao amin’ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra ary ny sainao rehetra.”

Dia nilaza i Jesoa fa ny didy lehibe faharoa dia mitovy amin’ilay voalohany: “Tiava ny namanao tahaka ny tenanao” (Matio 22:36–39). “Tsy misy didy hafa lehibe noho ireo” (Marka 12:31).

Amin’ny maha-fanahy zanak’ Andriamanitra antsika dia manana fahafahana tena lehibe ny hitia isika. Ao anatin’ny lova ara-panahintsika izany. Ny fiainana ireo didy roa lehibe—ny mitia an’ Andriamanitra aloha voalohany ary ny mitia ny namantsika—dia toetra mamaritra ny mpianatr’i Jesoa Kristy.

Fitiavana an’ Andriamanitra

Maro ireo fomba ahafahantsika maneho ny fitiavantsika an’ Andriamanitra. Afaka mitandrina ny didiny isika (jereo ny Jaona 14:15, 21). Afaka mametraka Azy ho lohalaharana eo amin’ny fiainantsika isika, mampandefitra ny sitrapontsika eo anatrehan’ny azy. Afaka mampifantoka ny faniriantsika sy ny eritreritsika ary ny fontsika Aminy isika (jereo ny Almà 37:36). Afaka miaina amim-pankasitrahana noho ireo fitahiana nomeny antsika isika, ary malala-tanana amin’ny fizarana ireo fitahiana ireo (jereo ny Môzià 2:21–24; 4:16–21). Afaka maneho ny fitiavantsika Azy isika sy mampitombo ny fitiavantsika Azy amin’ny alalan’ny vavaka sy ny fanompoana ny hafa.

Toy ny didy hafa, ny didy hoe mitia an’ Andriamanitra dia ho an’ny tombontsoantsika. Ny zavatra tiantsika no mamaritra ny zavatra katsahintsika. Ny zavatra katsahintsika no mamaritra ny zavatra eritreretintsika sy ataontsika. Ary ny zavatra eritreretintsika sy ataontsika no mamaritra ny hoe iza isika, ary ny hoe ho lasa iza isika.

Fitiavana ny hafa

Ny fitiavana ny hafa dia fanitarana ny fitiavantsika an’ Andriamanitra. Nampianatra antsika fomba maro hitiavana ny hafa i Jesoa (jereo ohatra ny Lioka 10:25–37 ary Matio 25:31–46). Manome tanana sy mandray azy ireo ao am-pontsika sy eo amin’ny fiainantsika isika. Mitia isika amin’ny alalan’ny fanompoana, amin’ny alalan’ny fanolorana ny tenantsika na dia amin’ny fomba kely aza. Mitia ny hafa isika amin’ny alalan’ny fampiasana ireo fanomezam-pahasoavana nomen’ Andriamanitra antsika mba hitahiana azy ireo.

Tafiditra ao anatin’ny fitiavana ny hafa ny hoe manam-paharetana sy tsara fanahy ary marin-toetra. Tafiditra ao anatin’izany ny mamela ny hafa amim-pahatsorana. Midika izany hoe mitondra ny olon-drehetra amim-panajana isika.

Rehefa tia ny olona iray isika dia samy voatahy na isika na io olona io. Mifandray am-po kokoa isika, lasa misy lanjany kokoa ny fiainantsika, ary mitombo ny fifaliantsika.

Fitahiana

Ireo didy roa lehibe—ny mitia an’ Andriamanitra sy ny mitia ny namantsika—no fototry ny didin’ Andriamanitra rehetra (jereo ny Matio 22:40). Rehefa Andriamanitra no tiavintsika voalohany, ary mitia ny hafa koa isika, dia mandeha eny amin’ny toerana tokony hisy azy avokoa ny zavatra rehetra eo amin’ny fiainantsika. Izany fitiavana izany dia hisy fiantraikany eo amin’ny fomba fijerintsika, ny fampiasantsika ny fotoantsika, ireo zavatra mahaliana katsahintsika, ary ny filaharan’ireo laharam-pahamehantsika.

Fandalinana ny soratra masina

Hianatra kokoa momba ity fitisipika ity

  • Torolalana ho an’ny Soratra Masina: “Fiantrana,” “Fitiavana

  • Sujets de l’Évangile: “Charité,” “Amour

Manaraka ny mpaminany

Miantso mpaminany ho solontenany eto an-tany Andriamanitra. Manambara fahamarinana sy manome fitarihana sy fampitandremana amin’ny alalan’ny mpaminaniny Izy.

Niantso an’i Joseph Smith mba ho mpaminaniny voalohany amin’ny andro farany Andriamanitra (jereo ny lesona 1). Ireo izay nandimby an’i Joseph Smith dia nantsoin’ Andriamanitra toy izany koa mba hitarika ny Fiangonany, ka tafiditra ao anatin’izany ny mpaminany izay mitarika izany amin’izao fotoana. Tokony hanana faharesen-dahatra ny amin’ny antso masin’ny mpaminany velona isika ary hanaraka ireo fampianarany.

Ny fampianaran’ireo mpaminany sy apôstôly velona dia manolotra vatofantsiky ny fahamarinana mandrakizay ao anatin’izao tontolo izay ahitana fiovaovan’ny soatoavina izao. Rehefa manaraka ny mpaminanin’ Andriamanitra isika dia tsy handrendrika antsika ny fisafotofotoana sy ny fifandirana eto amin’izao tontolo izao. Hahita fahasambarana lehibe kokoa eto amin’ity fiainana ity isika ary handray fitarihana ho an’ity ampahan’ny diantsika mandrakizay ity.

Fandalinana ny soratra masina

Hianatra kokoa momba ity fitisipika ity

Mitandrina ny Didy Folo

Nanambara ny Didy Folo tamina mpaminany fahiny antsoina hoe Mosesy mba hitarihana ny vahoakany Andriamanitra. Tsy misy hafa amin’ny fiantefan’ireo didy ireo tamin’ny andro taloha ny fiantefan’izany amin’izao androntsika izao. Mampianatra antsika mba hitsaoka sy haneho fanajana an’ Andriamanitra izy ireo. Mampianatra antsika koa ny fomba tokony hifampitondrantsika izy ireo.

  • “Aza manana andriamani-kafa, fa Izaho ihany” (Eksodosy 20:3). Mety ho tafiditra ao anatin’ny “andriamani-kafa” ny zavatra maro toy ny fananana, na ny fahefana, na ny laza.

  • “Aza manao sarin-javatra voasokitra ho anao” (Eksodosy 20:4).

  • “Aza manononona foana ny anaran’i Jehovah Andriamanitrao” (Eksodosy 20:7).

  • “Mahatsiarova ny andro Sabata hanamasina azy” (Eksodosy 20:8).

  • “Manajà ny rainao sy ny reninao” (Eksodosy 20:12).

  • “Aza mamono olona” (Eksodosy 20:13).

  • “Aza mijangajanga” (Eksodosy 20:14).

  • “Aza mangalatra” (Eksodosy 20:15).

  • “Aza mety ho vavolombelona mandainga hanameloka ny namanao” (Eksodosy 20:16).

  • “Aza mitsiriritra” (Eksodosy 20:17).

Fandalinana ny soratra masina

Hianatra kokoa momba ity fitisipika ity

  • Torolalana ho an’ny Soratra Masina: “Didy Folo, Ny

  • Sujets de l’Évangile: “Les dix commandements

lehilahy iray mitondra vehivavy iray

Miaina ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena

Ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena dia ampahany tena manan-danja ao amin’ny drafitr’ Andriamanitra ho an’ny famonjena antsika sy ny fisandratantsika. Tendrin’ Andriamanitra ny firaisana ara-nofo eo amin’ny mpivady mba hahariana ireo zanaka sy hanehoana fitiavana ao anatin’ny fanambadiana. Izany firaisana ara-nofo sy hery mba hahariana ny olombelona izany dia natao mba ho kanto sy masina.

Ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena an’ Andriamanitra dia ny tsy fanaovana firaisana ara-nofo ivelan’ny fanambadiana ara-dalàna eo amin’ny lehilahy iray sy ny vehivavy iray. Izany lalàna izany dia midika ihany koa hoe fanehoana fahatokiana feno sy tsy fivadihana amin’ny vady ao anatin’ny fanambadiana.

Mba hanampiana antsika hitandrina ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena dia nanainga antsika ireo mpaminany mba hadio ao amin’ny eritreritsika sy ny tenintsika. Tokony hanalavitra ny pôrnôgrafia amin’ny endriny rehetra isika. Ao anatin’ny fanajana ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena dia tokony ho maotina isika eo amin’ny fitondrantena sy bika aman’endritsika.

Ny olona miomana ho amin’ny batisa dia tokony hiaina ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena.

Fibebahana sy famelan-keloka

Eo imason’ Andriamanitra dia tena zava-doza ny fandikana ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena (jereo ny Eksodosy 20:14; Efesiana 5:3). Fampiasana tsy araka ny tokony ho izy ny fahefana masina izay nomeny hamoronana aina izany. Kanefa dia mbola manohy mitia antsika foana Izy na dia nandika io lalàna io aza isika. Manasa antsika Izy hibebaka sy ho lasa madio amin’ny alalan’ny sorona fanavotan’i Jesoa Kristy. Ny famoizam-po avy amin’ny fahotana dia azo soloina an’ilay fiadanana mamin’ny fahazoana famelan-keloka avy amin’ Andriamanitra (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 58:42–43).

Fitahiana

Nomen’ Andriamanitra ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena mba hitahiana antsika sy ireo fanahy zanaka izay alefany ety an-tany. Ny fankatoavana io lalàna io dia tena manan-danja mba hisian’ny fiadanan’ny tena manokana sy fitiavana, fahatokiana, ary firaisankina ao amin’ireo fifandraisana ao amin’ny fianakaviantsika.

Rehefa miaina ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena isika dia ho voaro amin’ny loza ara-panahy izay tonga avy amin’ny firaisana ara-nofo ivelan’ny fanambadiana. Ho lavitr’ireo olana ara-pihetseham-po sy ara-nofo izay matetika tonga miaraka amin’ny karazana fifandraisana toy izany koa isika. Hitombo ny fahatokian-tenantsika eo anatrehan’ Andriamanitra (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 121:45). Hisokatra bebe kokoa amin’ny fitaoman’ny Fanahy Masina isika. Ho vonona tsara kokoa ny hanao fanekempihavanana masina any amin’ny tempoly izay hampiray ny fianakaviantsika mandrakizay isika.

Fandalinana ny soratra masina

Hianatra kokoa momba ity fitisipika ity

Mitandrina ny lalàn’ny fahafolonkarena

Tombontsoa lehibe amin’ny maha-mpikamban’ny Fiangonana ny fahafahana mandoa fahafolonkarena. Rehefa mandoa ny fahafolonkarena isika dia manampy amin’ny fampandrosoana ny asan’ Andriamanitra sy mitahy ireo zanany.

Tany amin’ny andron’ny Testamenta Taloha no niavian’ny lalàn’ny fahafolonkarena. Ohatra, ny mpaminany Abrahama dia nandoa ny fahafolonkarena avy tamin’izay rehetra nananany (jereo ny Almà 13:15; Genesisy 14:18–20).

Ny teny hoe fahafolonkarena dia midika ara-bakiteny hoe iray ampahafolo. Rehefa mandoa fahafolonkarena isika dia manao fanatitra ny iray ampahafolon’ny vola miditra amintsika ho an’ny Fiangonana (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 119:3–4; ny hoe rehetra miditra dia midika hoe vola miditra). Izay rehetra ananantsika dia fanomezana avy amin’ Andriamanitra. Rehefa mandoa fahafolonkarena isika dia mampiseho fankasitrahana Aminy amin’ny alalan’ny famerenana ampahany tamin’ny zavatra nomeny antsika.

Fanehoana finoana ny fandoavana ny fahafolonkarena. Fomba iray hanajana an’ Andriamanitra ihany koa izany. Nampianatra i Jesoa fa isika dia tokony “[hikatsaka] ny fanjakan’ [Andriamanitra aloha]” (Matio 6:33), ka ny fahafolonkarena no fomba iray hanaovana izany.

Widow’s Mite (Ny farantsakelin’ilay mpitondratena), nataon’i Sandra Rast

Ny ampiasana ny vola avy amin’ny fahafolonkarena

Vola masina ny fahafolonkarena. Omentsika ny mpikambana ao amin’ny episkôpà ny fahafolonkarenantsika, na azo arotsaka an-jotra ihany koa any amin’ny faritra maro. Rehefa mandray ny fahafolonkarena ny episkôpà dia mandefa izany any amin’ny foiben’ny Fiangonana.

Ny filankevitra iray izay ahitana ny Fiadidiana Voalohany sy ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ary ny Episkôpà Mpiahy no mamaritra ny fomba ampiasana ny ny vola avy amin’ny fahafolonkarena ao amin’ny asan’ Andriamanitra (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 120:1). Tafiditra ao anatin’izany ny:

  • Fanorenana sy ny fikolokoloana ireo tempoly sy trano fiangonana.

  • Fandikana sy famoahana soratra masina.

  • Fanohanana ireo hetsika sy asa ataon’ny Fiangonana eo an-toerana.

  • Fanohanana ny asa fitoriana ny filazantsara manerana izao tontolo izao.

  • Fanohanana ny asa mikasika ny tantaram-pianakaviana.

  • Famatsiana sekoly sy hetsika fanabeazana.

Tsy ampiasaina mba handoavana vola ho an’ny mpitarika ny Fiangonana eo an-toerana ny fahafolonkarena. Manompo an-tsitrapo ka tsy mandray karama izy ireo.

Fitahiana

Rehefa mandoa fahafolonkarena isika dia mampanantena fitahiana lehibe lavitra mihoatra noho izay omentsika Andriamanitra. “Hovoha[ny] ny varavaran’ny lanitra … ka hampidina[ny] … fitahiana manana amby ampy” (Malakia 3:10; jereo ny andininy 7–12). Ireo fitahiana ireo dia sady eo amin’ny lafiny ara-panahy no eo amin’ny lafiny ara-batana.

Fandalinana ny soratra masina

Hianatra kokoa momba ity fitisipika ity

  • Torolalana ho an’ny Soratra Masina: “Fahafolonkarena

  • Sujets de l’Évangile: “Dîme

Fankatoavana ny Tenin’ny Fahendrena

Ny lalàn’ny Tompo momba ny fahasalamana

Fanomezana masina avy amin’ Andriamanitra ny vatantsika. Mila vatana isika tsirairay avy mba hahatongavana tahaka Azy kokoa. Tena sarobidy ny vatantsika hany ka ampitahain’ny soratra masina amin’ny tempoly izany (jereo ny 1 Korintiana 6:19–20).

Tian’ny Tompo isika hanaja ny vatantsika. Mba hanampiana antsika amin’izany dia nanambara lalàn’ny fahasalamana antsoina hoe ny Tenin’ny Fahendrena Izy. Io fanambarana io dia mampianatra antsika momba ny fihinanana sakafo ara-pahasalamana sy ny tsy fikasihana zavatra manimba ny vatantsika, indrindra indrindra ny toaka sy ny paraky ary ny zava-pisotro mahamay (ny dite sy kafe izany).

Ao anatin’ny hevitra fototry ny Tenin’ny Fahendrena, ireo mpaminany maoderina dia mampitandrina ny amin’ny fihinanana na fisotroana zavatra izay manimba na voararan’ny lalàna na mampiankin-doha. Ireo mpaminany dia mampitandrina ihany koa ny amin’ny fihinanana fanafody tafahoatra. (Ny filohan’ny misiônanao dia hamaly ny fanontaniana momba ny hoe azo ampiasaina ve sa tsia ireo zavatra hafa sasany ao amin’ny faritra ara-jeôgrafika misy anao.)

Fitahiana

Nanome ny Tenin’ny Fahendrena ny Tompo mba hahasoa antsika eo amin’ny lafiny ara-batana sy ara-panahy. Mampanantena fitahiana lehibe Izy rehefa mitandrina ity didy ity isika. Tafiditra ao anatin’ireo fitahiana ireo ny fahasalamana, fahendrena, harem-pahalalana, ary fiarovana (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 89:18–21).

Ny fankatoavana ny Tenin’ny Fahendrena dia hanampy antsika mba ho afaka handray kokoa ny bitsiky ny Fanahy Masina. Na dia samy miaina olana eo amin’ny lafiny ara-pahasalamana avokoa aza isika rehetra, dia hanampy antsika ho salama vatana sy saina ary fanahy bebe kokoa io lalàna io.

Ny olona miomana ho amin’ny batisa dia tokony hiaina ny Tenin’ny Fahendrena.

Mba hahazoana fitarihana momba ny fanampiana ny olona manana olana amin’ny fiankinan-doha dia jereo ny toko 10.

Fandalinana ny soratra masina

Hianatra kokoa momba ity fitisipika ity

  • Torolalana ho an’ny Soratra Masina: “Tenin’ny Fahendrena

  • Sujets de l’Évangile: “Parole de sagesse

  • Faire face aux défis de la vie: “Dépendance

Mitandrina ny andro Sabata ho masina

Andro fitsaharana sy fitsaohana

Ny Sabata dia andro masina natokan’ Andriamanitra ho antsika isan-kerinandro mba hitsaharana amin’ireo asa andavanandro sy hitsaohana Azy. Iray amin’ireo Didy Folo nomena an’i Mosesy ny “[hahatsiaro] ny andro Sabata hanamasina azy” (Eksodosy 20:8; jereo ihany koa ny andininy 9–11).

Ao anatin’ny fanambarana maoderina iray dia nanamafy ny Tompo fa misy “andro voatendry ho anao hitsaharanao amin’ny asanao ary hanatanterahanao ny fanompoana ny Avo Indrindra” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 59:10). Nilaza ihany koa Izy fa ny Sabata dia tokony ho andro firavoravoana sy fivavahana ary fanolorana fankasitrahana (jereo ny andininy 14–15).

Ao anatin’ny fitsaohantsika amin’ny Sabata dia manatrika ny fivoriana fanasan’ny Tompo isan-kerinandro isika. Mandritra io fivoriana io isika dia mitsaoka an’ Andriamanitra sy mandray ny fanasan’ny Tompo mba hahatsiarovana an’i Jesoa Kristy sy ny Sorompanavotany. Rehefa mandray ny fanasan’ny Tompo isika dia manavao ny fanekempihavanana nataontsika tamin’ Andriamanitra ary mampiseho fa vonona ny hibebaka amin’ny fahotantsika. Ny ôrdônansin’ny fanasan’ny Tompo no ivon’ny fitandremantsika ny andro Sabata.

Any am-piangonana koa dia manatrika fotoam-pianarana isika izay ianarantsika kokoa momba ny filazantsaran’i Jesoa Kristy. Mitombo ny finoantsika rehefa miara-mandalina ny soratra masina isika. Mitombo ny fifankatiavantsika rehefa mifanompo sy mifankahery isika.

Ankoatra ny fitsaharana amin’ireo asantsika amin’ny Sabata, isika dia tokony hampiato ny fiantsenana sy ireo zavatra fanao hafa izay hahatonga azy ho lasa toy ny andro andavanandro ihany. Avelantsika ireo zavatra fanaon’izao tontolo izao ary mampifantoka ny eritreritsika sy ireo zavatra ataontsika amin’ireo zavatra ara-panahy isika.

Andro hanaovana ny tsara

Ny fanaovana ny tsara amin’ny andro Sabata dia manan-danja farafahakelinytoy ny zavatra ataontsika mba hihazonana izany ho masina. Mianatra ny filazantsara isika, mampatanjaka ny finoana, manorina ireo fifandraisana, manao asa fanompoana, mandray anjara amina hetsika mankahery miaraka amin’ny fianakaviana sy ny namana.

mpivady mamaky soratra masina

Fitahiana

Ny fitandremana ny andro Sabata ho masina dia fanehoana ny fanolorantenantsika amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy. Rehefa ampifanarahantsika amin’izay kendren’ Andriamanitra ho an’io andro io ny zavatra ataontsika amin’ny Sabata dia hahatsapa fifaliana sy fiadanana isika. Hahazo sakafo ara-panahy isika ary ho velombelona ara-batana. Hahatsiaro ho akaiky kokoa an’ Andriamanitra ihany koa isika ary hampahalalim-paka ny fifandraisantsika amin’ny Mpamonjy antsika. Hitandrina bebe kokoa ny tenantsika mba tsy “ho voapentimpentin’izao tontolo izao” isika (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 59:9). Ho lasa “fahafinaretana” ny Sabata (Isaia 58:13; jereo koa ny andininy 14).

Fandalinana ny soratra masina

Hianatra kokoa momba ity fitisipika ity

  • Sujets de l’Évangile: “Le jour du sabbat

  • Torolalana ho an’ny Soratra Masina: “Andro Sabata

Mankatò sy manaja ny lalàna

Ny Olomasin’ny Andro Farany dia mino ny tokony hankatoavana ny lalàna sy ny tokony hijoroana ho olom-pirenena tsara (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 134; Fanekem-pinoana 1:12). Amporisihina ny mpikamban’ny Fiangonana hanolotra asa fanompoana mba hanatsarana ny fiarahamonina sy firenena misy azy ireo. Amporisihina ihany koa izy ireo mba ho hery mitarika any amin’ireo soatoavina tsara ara-pitondrantena ao amin’ny firenena sy fitondram-panjakana misy azy ireo.

Asaina ireo mpikamban’ny Fiangonana handray anjara ao amin’ny fitondram-panjakana sy ny fiainana ara-pôlitika izay araka ny lalàna. Ireo mpikambana izay manana toerana ao amin’ny fitondram-panjakana dia manatanteraka izany andraikitra izany amin’ny maha olom-pirenena voakasiky ny fiainam-pirenena azy ireo, fa tsy amin’ny maha-solontenan’ny Fiangonana azy.

Fandalinana ny soratra masina

Hianatra kokoa momba ity fitisipika ity

The Greatest in the Kingdom (Ny lehibe indrindra amin’ny fanjakana), nataon’i J. Kirk Richards

Ny fanekempihavanana ataontsika mba hanompo an’ Andriamanitra sy ny hafa

Asa fanompoana

Rehefa atao batisa isika dia manao fanekempihavanana hanompo an’ Andriamanitra sy ny hafa. Ny fanompoana ny hafa dia iray amin’ireo fomba voalohany indrindra anompoantsika an’ Andriamanitra (jereo ny Môzià 2:17). I Almà dia nampianatra an’ireo izay naniry ny hatao batisa fa izy ireo dia tokony ho “vonona ny hifampitondra ny enta-mavesatry ny tsirairay, … hiara-malahelo amin’izay malahelo …, ary hampionona ireo izay mila fampiononana” (Môzià 18:8–9).

Fotoana fohy aorian’ny batisa dia mandray antso mba hanompo ao amin’ny Fiangonana ny mpikambana vaovao raha ny mahazatra. Ireo antso ireo dia atao an-tsitrapo ary tsy andraisana karama. Rehefa manaiky azy ireo isika ka manompo amim-pahazotoana, dia hitombo finoana sy talenta ary hitahy ny hafa.

Lafiny iray hafa ao amin’ny fanompoantsika ao amin’ny Fiangonana ny maha-“rahalahy mnompo” na maha-“rahavavy manompo” antsika. Ao anatin’izany andraikitra izany isika dia voatendry hisahana olona sy fianakaviana.

Amin’ny maha-mpianatr’i Jesoa Kristy antsika dia mitady fahafahana azo araraotina mba hanompoana isan’andro isika. Tahaka Azy dia “[m]andehandeha [m]anao soa” isika (Asan’ny Apostoly 10:38). Manompo ireo mpifanolobodirindrina sy ny hafa ao amin’ny fiarahamonina misy antsika isika. Afaka mandray anjara amin’ireo hetsika ahafahana manao asa fanompoana amin’ny alalan’ny JustServe isika any amin’ny toerana misy izany. Afaka manohana ny ezaka fanampiana olona ataon’ny Fiangonana sy mandray anjara amin’ny fitondrana fanampiana rehefa misy loza isika.

Fandalinana ny soratra masina

Hianatra kokoa momba ity fitisipika ity

  • Torolalana ho an’ny Soratra Masina: “Asa fanompoana”

  • Sujets de l’Évangile: “Service

olona miresaka

Mizara ny filazantsara

Ao anatin’ny fanekempihavanan’ny batisa ataontsika ny fampanantenantsika ny “hijoro ho vavolombelon’ Andriamanitra” (Môzià 18:9). Fomba iray hijoroantsika ho vavolombelona ny fizarana ny filazantsaran’i Jesoa Kristy. Ny fanampiana ny hafa handray ny filazantsara dia iray amin’ireo karazana asa fanompoana tena mitondra fifaliana azontsika atao (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 18:15–16). Fanehoana mahery vaika ny fitiavantsika izany.

Rehefa miaina ireo fitahiana avy amin’ny fiainana ny filazantsara isika dia te-hizara ho azy ireo fitahiana ireo amin’ny hafa. Ireo olona ao amin’ny fianakaviana sy ireo namana ary ireo olom-pantatra dia matetika lasa liana rehefa maneho ohatra mifono fahatokiana isika sy rehefa mahita ny fomba itahian’ny filazantsara ny fiainantsika izy ireo. Afaka mizara ny filazantsara amin’ny fomba tsotra sy mandeha ho azy isika (jereo ny Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany, toko 23).

Manasa ny hafa isika mba handray anjara miaraka amintsika amin’ireo hetsika hanaovana asa fanompoana, ireo hetsika eo anivon’ny fiarahamonina, ireo hetsika fialana voly ary ireo hetsika ao amin’ny Fiangonana. Azontsika atao ny manasa azy ireo hanatrika fivoriam-piangonana na fotoam-batisa. Azontsika atao ny manasa azy ireo hijery horonan-tsary an-jotra izay manazava ny filazantsaran’i Jesoa Kristy, na hamaky ny Bokin’i Môrmôna, na hitsidika varavarana misokatry ny tempoly iray. Misy fanasana an-jatony azontsika atolotra. Matetika ny hoe manasa dia midika tsotra fotsiny hoe mampandray anjara ny fianakaviantsika sy ny namantsika ary ny mpiara-monina amintsika amin’ny zavatra izay efa ataontsika.

Raha mangataka isika dia hanampy antsika Andriamanitra hamantatra ireo fahafahana azo araraotina mba hizarana ny filazantsara sy hilazana ny hafa momba ny fomba itahian’izany ny fiainantsika.

Mba hahitana fampahalalana bebe kokoa mikasika ny fampiharana ny fitsipiky ny fitiavana sy ny fizarana ary ny fanasana, dia jereo ny “Miray hina amin’ireo mpikambana” ao amin’ny toko 9.

Fandalinana ny soratra masina

Hianatra kokoa momba ity fitisipika ity

  • Torolalana ho an’ny Soratra Masina: “Asa fitoriana

  • Sujets de l’Évangile: “Oeuvre missionnaire

Fifadian-kanina sy fanatitra amin’ny fifadian-kanina

Nametraka ny lalàn’ny fifadian-kanina Andriamanitra mba ho fomba iray ho antsika hampitomboana ny tanjatsika ara-panahy sy hanampiana ireo izay sahirana.

Ny fifadian-kanina dia midika hoe tsy mihinana sy tsy misotro mandritra ny fotoana voafaritra iray. Raha ny mahazatra dia manokana ny alahady voalohan’ny volana ny Fiangonana ho andro fifadian-kanina. Mandritra ny andro fifadian-kanina iray mazàna dia tsy mihinana sy tsy misotro mandritra ny 24 ora isika raha toa ka vitan’ny vatantsika izany. Anisan’ny ampahany manan-danja hafa ao anatin’ny Alahady fifadian-kanina ny vavaka sy ny fijoroana ho vavolombelona. Amporisihina ihany koa isika mba hifady hanina amin’ny fotoana hafa rehefa mahatsapa ny filana izany.

Manorina tanjaka ara-panahy

Ny fifadian-kanina dia afaka manampy antsika hanetry tena sy hanakaiky kokoa an’ Andriamanitra, ary hahatsapa ho nohavaozina ara-panahy indray. Talohan’ny nanombohany ny asa fanompoany dia nifady hanina i Jesoa Kristy (jereo ny Matio 4:1–2). Ny soratra masina dia mirakitra tantara maro momba ireo mpaminany sy olona hafa izay nifady hanina mba hahafahan’izy ireo mampitombo ny tanjak’izy ireo ara-panahy sy mikatsaka fitahiana manokana ho azy ireo na ho an’ny hafa.

Miaraka ny vavaka sy ny fifadian-kanina. Rehefa mifady hanina sy mivavaka amim-pinoana isika dia mora maharay kokoa fanambarana ho an’ny tena manokana. Mora mamantatra fahamarinana kokoa sy mora mahatakatra kokoa ny sitrapon’ Andriamanitra ihany koa isika.

Manampy ireo sahirana

Rehefa mifady hanina isika dia manolotra vola ho an’ny Fiangonana mba hanampiana ny fikarakarana ireo olona sahirana. Antsoina hoe fanatitra amin’ny fifadian-kanina izany. Asaina isika hanome fanatitra izay farafahakeliny mitovy amin’ny vidin’ireo sakafo tsy nohanina. Amporisihina isika mba halala-tanana sy hanome bebe kokoa noho ny vidin’ireo sakafo ireo raha azontsika atao. Fomba iray ahafahantsika manompo ny hafa ny fanomezana fanatitry amin’ny fifadian-kanina.

Ny fanatitra amin’ny fifadian-kanina dia ampiasaina mba hanomezana sakafo sy zavatra ilaina hafa ho an’ny olona sahirana, na eo an-toerana izany na maneran-tany. Mba hahitana fampahalalana momba ny fomba handraisana anjara amin’ny fanatitra amin’ny fifadian-kanina dia jereo ny “Fanomezana fahafolonkarena sy fanatitra hafa” ato amin’ity lesona ity.

Fandalinana ny soratra masina

Fifadian-kanina

Mikarakara ireo izay sahirana

Hianatra kokoa momba ity fitisipika ity

  • Torolalana ho an’ny Soratra Masina: “Fifadian-kanina

  • Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany: 22.2.2

  • Sujets de l’Évangile: “Jeûne et offrandes de jeûne

fianakaviana eo ivelan’ny tempoly

Ny fanekempihavanana ataontsika mba haharitra hatramin’ny farany

Rehefa atao batisa isika dia manao fanekempihavanana amin’ Andriamanitra mba “haharitra hatramin’ny farany” eo amin’ny fiainana ny filazantsaran’i Jesoa Kristy (2 Nefia 31:20; jereo koa ny Môzià 18:13). Miezaka ny ho mpianatr’i Jesoa Kristy mandritra ny androm-piainantsika isika.

I Nefia izay mpaminany ao amin’ny Bokin’i Môrmôna dia namariparitra ny batisa ho toy ny vavahady izay idirantsika ao amin’ny lalan’ny filazantsara (jereo ny 2 Nefia 31:17). Aorian’ny batisa dia manohy “mibosesika [m]androso amin’ny fiorenana ao amin’i Kristy” isika (2 Nefia 31:20).

Rehefa “mibosesika mandroso” eo amin’ny lalan’ny maha-mpianatra isika dia miomana amin’ny fandehanana any amin’ny tempoly. Manao fanekempihavanana amin’ Andriamanitra isika any rehefa mandray ireo ôrdônansin’ny tempoly. Ao amin’ny tempoly isika dia hotafina hery ary afaka ny hofehezina amin’ny fianakaviantsika mandrakizay. Ny fitandremana ireo fanekempihavanana ataontsika ao amin’ny tempoly dia hanokatra ny varavaran’ny tombontsoa sy ny fitahiana ara-panahy rehetra izay omanin’ Andriamanitra ho antsika.

Rehefa manohy amim-pahatokiana eo amin’ny lalan’ny filazantsara isika dia hahazo ilay fanomezan’ Andriamanitra lehibe indrindra amin’ny farany, dia ny fanomezan’ny fiainana mandrakizay izany (jereo ny 2 Nefia 31:20; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 14:7).

Ireto fizarana manaraka ireto dia manazava ny lafiny sasany amin’ireo zavatra izay nomen’ Andriamanitra mba hanampiana antsika haharitra hatramin’ny farany mandritra ny diantsika ety an-tany, ary hahita fifaliana ao anatin’izany.

Ny fisoronana sy ireo rafitra ao amin’ny Fiangonana

Ny fisoronana dia ny hery sy ny fahefan’ Andriamanitra. Amin’ny alalan’ny fisoronana no hanatanterahan’ny Ray any An-danitra ny asany dia ny “[h]anatanteraka ny tsy fahafatesana sy ny fiainana mandrakizai[n’ireo zanany]” (Mosesy 1:39). Omen’ Andriamanitra fahefana sy hery ireo zanakalahiny sy zanakavaviny ety ambonin’ny tany mba hanampy amin’ny fanatanterahana ity asany ity.

Mitahy antsika rehetra ny fisoronana. Ny ôrdônansy toy ny batisa sy ny fanasan’ny Tompo dia raisina amin’ny alalan’ireo izay mihazona anjara fanompoana ao amin’ny fisoronana. Mandray tsodrano fanasitranana sy fampaherezana ary fitarihana ihany koa isika.

Ny fisoronana sy ny mpitarika ao amin’ny Fiangonana ary ny antso ao amin’ny Fiangonana

Ny Fiangonana dia tarihin’i Jesoa Kristy amin’ny alalan’ny mpaminany sy apôstôly. Ireo mpitarika ireo dia voantson’ Andriamanitra, voatendriny, ary omeny ny fahefan’ny fisoronana mba hiasa amin’ny anaran’ny Mpamonjy.

Nomen’i Kristy io fahefan’ny fisoronana io ihany koa ireo Apôstôliny tamin’ny andro fahiny, izay nanome fahafahana azy ireo hitarika ny Fiangonany taorian’ny niakarany tany an-danitra. Tamin’ny farany dia very izany fahefana izany rehefa nolavin’ny olona ny filazantsara ary maty ireo apôstôly.

Namerina tamin’ny laoniny ny fisoronana tamin’ny 1829 tamin’ny alalan’ny Mpaminany Joseph Smith ireo iraka avy any an-danitra, ary nanorina indray ny Fiangonany izay ahitana apôstôly sy mpaminany ny Tompo. (Jereo ny lesona 1.)

Eo amin’ny ambaratonga eo an-toerana dia manana ny fahefan’ny fisoronana ireo eveka sy filohan’ny tsatòka mba hitarihana ireo rantsan’ny Fiangonana.

Rehefa antsoina sy atokana ny lehilahy sy ny vehivavy mba hanompo ao amin’ny Fiangonana, dia omena fahefana avy amin’ Andriamanitra izy ireo hanatanterahany izany antso izany. Izany fahefana izany dia omena ny misiônera, ny mpitarika, ny mpampianatra, ary ny olona hafa mandra-pisaorana azy ireo amin’ny antson’izy ireo. Omena eo ambany fitarihan’ireo izay mihazona ny fanalahidin’ny fisoronana izany.

Ny fahefan’ny fisoronana dia tsy azo ampiasaina raha tsy amim-pahamarinana ihany (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 121:34–46). Izany fahefana izany dia fitokisana masina mba hisolo tena ny Mpamonjy ary hiasa amin’ny anarany. Natao foana mba hitahiana sy hanompoana ny hafa izany.

zatovolahy ao amin’ny sekoly alahady

Ny Fisoronana Aharôna sy ny Fisoronana Melkizedeka

Ao amin’ny Fiangonana, ny fisoronana dia ahitana ny Fisoronana Aharôna sy ny Fisoronana Melkizedeka. Eo ambany fitarihan’ireo izay mihazona ny fanalahidin’ny fisoronana no hanomezana ny Fisoronana Aharôna sy ny Fisoronana Melkizedeka an’ireo lehilahy mendrika izay mpikamban’ny Fiangonana. Rehefa nomena ilay fisoronana sahaza dia tendrena ho amin’ny anjara fanompoana iray ao amin’io fisoronana io ilay olona, toy ny diakona na loholona. Tsy maintsy olona manana ny fahefana ilaina amin’izany no manendry azy.

Rehefa mandray ny fisoronana ny lehilahy iray na ny zatovolahy iray dia manao fanekempihavanana amin’ Andriamanitra mba hanatanteraka adidy masina, hanompo ny hafa, ary hanampy amin’ny fanorenana ny Fiangonana izy.

Afaka mandray ny Fisoronana Aharôna sy azo tendrena ho diakona ireo zatovolahy mendrika manomboka ny volana janoary amin’ny taona izay maha-feno 12 taona azy ireo. Azo tendrena ho mpampianatra izy ireo amin’ny taona izay maha-feno 14 taona azy ireo, ary mpisorona amin’ny taona izay maha-feno 16 taona azy ireo. Ireo lehilahy niova fo izay ao anatin’ny sokajin-taona mifanaraka amin’izany dia mandray ny Fisoronana Aharôna fotoana fohy aorian’ny batisa sy ny fandraisana ho mpikambana. Ireo mpihazona ny Fisoronana Aharôna dia manatanteraka ôrdônansy toy ny fanasan’ny Tompo sy ny batisa.

Rehefa nanompo nandritra ny fotoana maharitra amin’ny maha-mpisorona ao amin’ny Fisoronana Aharôna ny lehilahy mendrika iray izay 18 taona farafahakeliny, dia afaka mandray ny Fisoronana Melkizedeka sy azo tendrena ho loholona izy. Ny lehilahy izay mandray ny Fisoronana Melkizedeka dia afaka manatanteraka ôrdônansin’ny fisoronana toy ny fanomezana tsodrano fanasitranana sy fankaherezana ho an’ny olona ao amin’ny fianakaviany sy ny hafa.

Jereo ny Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany, 38.2.9.1 mba hahitana fampahalalana mikasika ny fandraisan’ny mpikambana vaovao ny fisoronana.

Kôlejy sy rafitra ao amin’ny Fiangonana

Kôlejin’ny fisoronana. Ny kôlejy dia vondrona narafitra izay ahitana mpihazona fisoronana. Samy manana kôlejin’ny loholona ho an’ireo lehilahy olon-dehibe ny paroasy tsirairay. Ny kôlejin’ny diakona, mpampianatra, ary mpisorona dia ho an’ireo zatovolahy.

Fikambanana Ifanampiana. Ny Fikambanana Ifanampiana dia ahitana ireo vehivavy 18 taona no ho miakatra. Ireo mpikambana ao amin’ny Fikambanana Ifanampiana dia mampatanjaka ny fianakaviana, sy ny isam-batan’olona ary ny fiarahamonina.

Zatovovavy. Miditra ao amin’ny rafitry ny Zatovovavy ny zatovovavy manomboka ny volana janoary amin’ny taona handraisany 12 taona.

vehivavy mampianatra ao an-dakilasy

Kilonga. Ny ankizy 3 ka hatramin’ny 11 taona no ao amin’ny Kilonga.

Sekoly Alahady. Ny olon-dehibe sy zatovo rehetra dia manatrika Sekoly Alahady, izay fotoana hivorian’izy ireo mba hiarahana mandalina ny soratra masina.

Mba hahitana fampahalalana bebe kokoa momba ny fisoronana, dia jereo ny Boky Torolalan’ny Fiangonana maneran-tany, toko 3.

Mba hahitana fampahalalana bebe kokoa momba ireo kôlejin’ny fisoronana sy ireo rafitra ao amin’ny Fiangonana, dia jereo ny Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany, toko 8–13.

Fandalinana ny soratra masina

Hianatra kokoa momba ity fitisipika ity

  • Boky Torolalan’ny Fiangonana maneran-tany, toko 3: “Ireo fitsipiky ny fisoronana

  • Sujets de l’Évangile: “Prêtrise d’Aaron,” “Prêtrise de Melchisédek,” “Prêtrise

Ny fanambadiana sy ny fianakaviana

Ny fanambadiana

Ny fanambadiana eo amin’ny lehilahy iray sy ny vehivavy iray dia tendrin’ Andriamanitra. Ivon’ny drafiny ho an’ny fivoarana mandrakizain’ireo zanany izany.

Ny firaisan’ny mpivady ao amin’ny fanambadiana no tokony ho fifandraisana lalain’izy ireo indrindra eto ambonin’ny tany. Manana andraikitra masina izy ireo ny tsy hivadika sy ny haneho fahatokiana ao amin’ny fanekempihavanan’ny fanambadian’izy ireo.

Mitovy lenta eo imason’ Andriamanitra ny lehilahy sy ny vehivavy mpivady. Tsy tokony hanjakazaka amin’ny iray ny anankiray. Ny fanapahan-kevitr’izy ireo dia tokony horaisina ao anatin’ny firaisan-kina sy ny fitiavana, ka samy mandray anjara feno izy roa.

Rehefa mifankatia sy miara-miasa ny mpivady dia afaka ny ho loharanon’ny fahasambaran’izy ireo lehibe indrindra ny fanambadiany. Afaka mifanampy sy manampy ny zanany mba handroso mankany amin’ny fiainana mandrakizay izy ireo.

Ny fianakaviana

Toy ny fanambadiana, ny fianakaviana dia tendrin’ Andriamanitra ary ivon’ny drafiny ho an’ny fahasambarantsika mandrakizay. Tena azo inoana fa ho sambatra ny fianakaviantsika rehefa miaina araka ny fampianaran’i Jesoa Kristy. Mampianatra ny zanany ny filazantsaran’i Jesoa Kristy sy maneho ohatra amin’ny fiainana izany ny ray aman-dreny. Ny fianakaviana dia manolotra sehatra azo araraotina ho antsika mba hifankatiavana sy hifanompoana.

Tokony hataon’ny ray aman-dreny ho laharam-pahamehany faratampony ny fianakaviany. Tombontsoa sy andraikitra masina ho an’ny ray aman-dreny ny hikarakara ireo zanaka izay haterak’izy ireo na hatsangan’izy ireo.

Samy miatrika olana ny fianakaviana. Rehefa mikatsaka ny fanohanan’ Andriamanitra sy mitandrina ny didiny isika dia afaka manampy antsika hianatra sy hivoatra ireo olana atrehan’ny fianakaviana. Indraindray ireo olana ireo dia manampy antsika hianatra hibebaka sy hamela heloka.

raim-pianakaviana mampianatra ny fianakaviany

Mamporisika ireo mpikamban’ny Fiangonana hanao takarivan’ny mpianakavy isan-kerinandro ny mpitarika ao amin’ny Fiangonana. Ampiasain’ny ray aman-dreny izany fotoana izany mba hampianarana ny filazantsara amin’ny zanany, hanamafisana orina ireo fifandraisana ao amin’ny fianakaviana, ary hiarahana miala voly. Namoaka ihany koa fanambarana iray izay mampianatra fahamarinana manan-danja momba ny fianakaviana ny mpitarika ao amin’ny Fiangonana (jereo ny “Ny fianakaviana: Fanambarana ho an’izao tontolo izao,” ChurchofJesusChrist.org).

Fomba hafa hampatanjahana ny fianakaviana ny vavaka iarahan’ny mpianakavy, ny fandalinan’ny mpianakavy ny soratra masina, ary ny fiarahana mitsaoka any am-piangonana. Azontsika atao ihany koa ny manao fikarohana momba ny tantaram-pianakaviana, manangona tantaran’ny fianakaviana, ary manompo ny hafa.

Maro ireo olona izay voafetra ny fananany fahafahana hanambady na hiaina fifandraisana feno fitiavana ao anatin’ny fianakaviana. Maro ny niaina fisaraham-panambadiana na toe-javatra sarotra hafa teo aanivon’ny fianakaviana. Na izany aza, dia mitahy antsika tsirairay ny filazantsara na inona na inona toe-javatra iainan’ny fianakaviantsika. Ary rehefa mahatoky isika dia hanome fomba ho antsika Andriamanitra hahazoantsika ny fitahiana amin’ny fananana fianakaviana miaina ao anaty fitiavana, na mandritra ity fiainana ity izany na any amin’ny fiainan-ko avy.

Fandalinana ny soratra masina

Fanambadiana

Fianakaviana

Hianatra kokoa momba ity fitisipika ity

Asa atao any amin’ny tempoly sy asa atao momba ny tantaram-pianakaviana ho an’ny razambe

Ny Ray any An-danitra dia tia ny zanany rehetra ary maniry ny famonjena azy ireo sy ny fisandratan’izy ireo. Olona an-davitrisany anefa no maty tsy nahare ny filazantsaran’i Jesoa Kristy na tsy nandray ireo ôrdônansin’ny famonjena ao amin’ny filazantsara. Tafiditra ao anatin’ireo ôrdônansy ireo ny batisa, ny fandraisana ho mpikambana, ny fanendrena amin’ny fisoronana ho an’ireo lehilahy, ny fanafiana masina any amin’ny tempoly, ary ny fanambadiana mandrakizay.

Amin’ny alalan’ny fahasoavany sy ny famindram-pony, ny Tompo dia nanome fomba iray hafa ho an’ireo olona ireo mba handray ny filazantsara sy ireo ôrdônansy ao anatin’izany. Ny filazantsara dia torina ao amin’ny tontolon’ny fanahy amin’ireo izay maty ka tsy nanana fahafahana nandraisana izany (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 138). Afaka manatanteraka ôrdônansy ho an’ireo razambetsika sy ny olona hafa efa nodimandry isika any amin’ny tempoly. Ireo olona efa nodimandry ao amin’ny tontolon’ny fanahy ireo avy eo dia afaka manaiky na mandà ny filazantsara sy ireo ôrdônansy izay notanterahina ho azy ireo.

fianakaviana mandalina ny soratra masina

Mialoha ny hahafahantsika manatanteraka ireo ôrdônansy ireo dia mila mamantatra ireo razambentsika izay tsy mbola nandray izany aloha isika. Ny famantarana ireo olona ao amin’ny fianakaviantsika mba hahafahan’izy ireo mandray ôrdônansy no tanjona fototry ny asa atao momba ny tantaram-pianakaviana. Rehefa mahita ny mombamomba azy ireo isika dia mampiditra izany ao amin’ny lahatahirin’ny Fiangonana ao amin’ny FamilySearch.org. Avy eo isika (na ny hafa) dia afaka manatanteraka ôrdônansy isoloana tena ho azy ireo any amin’ny tempoly.

Rehefa mamantatra ny razambetsika sy manatanteraka ôrdônansy ho azy ireo isika dia afaka ny ho lasa tafaraka mandrakizay ny fianakaviantsika.

Fandalinana ny soratra masina

Hianatra kokoa momba ity fitisipika ity

Ny tempoly, ny fanafiana masina, ny fanambadiana mandrakizay, ary ny fianakaviana mandrakizay

Tempoly

Ny tempoly dia tranon’ny Tompo. Toerana masina ahafahantsika manao fanekempihavanana amin’ Andriamanitra rehefa mandray ireo ôrdônansiny masina izany. Rehefa mitandrina ireo fanekempihavanana ireo isika dia hanana ny herin’ny toetra araka an’ Andriamanitra hiseho eo amin’ny fiainantsika (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84:19–22; 109:22–23).

Ny fanafiana masina

Ny iray amin’ireo ôrdônansy izay raisintsika any amin’ny tempoly dia antsoina hoe ny fanafiana masina. Ny andian-teny hoe fanafiana masina dia midika hoe “fanomezana.” Io fanomezana fahalalana sy hery io dia avy amin’ Andriamanitra. Mandritra ny fanafiana masina isika dia manao fanekempihavanana amin’ Andriamanitra izay mamatotra antsika Aminy sy i Jesoa Kristy Zanany (jereo ny toko 1).

Ny olon-dehibe dia afaka mandray ny fanafiana masin’ny tempoly azy ireo manokana aorian’ny herintaona naha-mpikamban’ny Fiangonana azy ireo farafahakeliny. Mba hahitana fampahalalana bebe kokoa momba ny fanafiana masina, dia jereo ny Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany, 27.2.

Ny fanambadiana mandrakizay sy ny fianakaviana mandrakizay

Amin’ny alalan’ny drafitry ny fahasambarana an’ Andriamanitra dia afaka ny hitohy any ankoatry ny fasana ireo fifandraisana ao amin’ny fianakaviana. Afaka mivady mandritra izao fiainana izao sy mandrakizay isika any amin’ny tempoly. Amin’ny alalan’izany no ahafahan’ny fianakaviana ho tafaraka mandrakizay.

Aorian’ny nandraisan’ny mpivady ny fanafiana masin’izy ireo, dia azo fehezina mandrakizay na afaka mivady mandrakizay izy ireo. Azo fehezina amin’izy ireo ny zanak’izy ireo.

Ny mpivady izay nofehezina tao amin’ny tempoly dia tsy maintsy mitandrina ireo fanekempihavanana nataon’izy ireo mba handraisana ireo fitahian’ny fanambadiana mandrakizay.

mpivady miara-mandeha eny amin’ny arabe

Fandalinana ny soratra masina

Hianatra kokoa momba ity fitisipika ity