Ny soratra masina
Helamàna 13


Ny faminanian’i Samoela ilay Lamanita tamin’ny Nefita.

Mahafaoka ny toko 13 hatramin’ny 15.

Toko 13

I Samoela ilay Lamanita dia naminany ny famongorana ny Nefita raha tsy mibebaka izy—Nozonina izy sy ny hareny—Nitsipaka sy nitora-bato ny mpaminany izy, notemerin’ny devoly manodidina, ary nikatsaka ny fahasambarana tamin’ny fanaovana heloka. Tokony ho 6 taona talohan’i Kristy.

1 Ary ankehitriny ny zava-nitranga, tamin’ny taona fahenina amby valopolo, dia mbola nitoetra tao amin’ny faharatsiana ny Nefita, eny, tao amin’ny faharatsiana lehibe, raha niezaka mafy tokoa ny Lamanita mba hitandrina ny didin’ Andriamanitra, araka ny lalàn’i Mosesy.

2 Ary ny zava-nitranga, tamin’izay taona izay, dia nisy izany Samoela izany izay Lamanita, tonga tao an-tanin’i Zarahemlà, ary nanomboka nitory tamin’ny vahoaka. Ary ny zava-nitranga dia nitory fibebahana tamin’ny vahoaka izy, nandritra ny andro maromaro, ary natsipiny tany ivelany izy, ary efa saika hiverina any amin’ny taniny ihany izy.

3 Nefa indro, tonga taminy ny feon’ny Tompo fa tokony hiverina indray izy sy haminany amin’ny vahoaka na inona na inona zavatra ho tonga ao am-pony.

4 Ary ny zava-nitranga dia tsy navelany ny hidirany ao an-tanàna; koa nandeha izy ary niakatra teo amin’ny mandany, ary naninjitra ny tanany sy nihiaka tamin’ny feo mahery, ary naminany tamin’ny vahoaka na inona na inona zavatra napetraky ny Tompo tao am-pony.

5 Ary hoy izy taminy: Indro, izaho, Samoela Lamanita no miteny ny tenin’ny Tompo izay apetrany ao am-poko; ary indro efa napetrany tao am-poko izany mba hilaza amin’ity vahoaka ity fa ny sabatry ny fahamarinana dia mihantona eo ambonin’ity vahoaka ity; ary tsy ho lasa ny efajato taona mialoha ny hianjeran’ny sabatry ny fahamarinana amin’ity vahoaka ity.

6 Eny, famongorana lehibe no miandry ity vahoaka ity, ary ho tonga marina tokoa amin’ity vahoaka ity izany, ary tsy misy na inona na inona afaka mamonjy ity vahoaka ity afa-tsy ny fibebahana sy ny finoana an’i Jesoa Kristy Tompo izay ho avy marina tokoa eo amin’izao tontolo izao, sy hiaritra zavatra maro ary hovonoina ho an’ity vahoaka ity.

7 Ary indro, ny anjelin’ny Tompo no efa nanambara izany tamiko, ary izy dia nitondra vaovao mahafaly ho an’ny fanahiko. Ary indro, nirahina ho aty aminareo aho mba hanambara izany aminareo koa mba hahazoanareo manana vaovao mahafaly; nefa indro tsy te handray ahy ianareo.

8 Koa, izao no lazain’ny Tompo: Noho ny hamafin’ny fon’ny vahoakan’ny Nefita, raha tsy mibebaka izy dia hotsoahako hiala aminy ny teniko ary hoesoriko hiala aminy ny Fanahiko, ary tsy hiaritra azy intsony Aho ary hahodiko ny fon’ny rahalahiny hanohitra azy.

9 Ary tsy ho lasa ny efajato taona mialoha ny hanaovako izay hikapohana azy; eny, Izaho hamangy azy amin’ny sabatra sy ny mosary ary ny areti-mandringana.

10 Eny, Izaho hamangy azy ao amin’ny fahatezerako mirehitra, ary hisy ireo avy amin’ny taranaka fahefatry ny fahavalonareo, izay ho velona mba hahita ny famongorana tanteraka anareo; ary ho tonga marina tokoa izany raha tsy mibebaka ianareo, hoy ny Tompo; ary ireo avy amin’ny taranaka fahefatra no hamangy anareo amin’ny fandringanana anareo.

11 Nefa raha mibebaka ianareo ary miverina amin’ny Tompo Andriamanitrareo, dia hahodiko ny fahatezerako, hoy ny Tompo; eny, izao no lazain’ny Tompo, hotahiana izay mibebaka sy mitodika Amiko, fa lozan’izay tsy mibebaka kosa.

12 Eny, lozan’ity tanàna lehiben’i Zarahemlà ity; fa indro, noho ireo izay marina dia vonjena izy; eny, lozan’ity tanàna lehibe ity, satria takatro, hoy ny Tompo, fa misy maro, eny, na dia ny ankamaroany ao amin’ity tanàna lehibe ity aza no hanamafy ny fony Amiko, hoy ny Tompo.

13 Nefa hotahiana ireo izay mibebaka fa hotsimbiniko izy. Nefa indro, raha tsy noho ny marina izay ao amin’ity tanàna lehibe ity, dia indro, ho efa nataoko izay hidinan’ny afo avy any an-danitra ka handrava azy.

14 Nefa indro, noho ny amin’ny marina dia tsimbinina izy. Nefa indro, tonga ny fotoana, hoy ny Tompo, ka rehefa handroaka ny marina avy ao anivonareo ianareo, amin’izay ianareo dia masaka ho amin’ny famongorana; eny, lozan’ity tanàna lehibe ity, noho ny faharatsiana sy ny fahavetavetana izay ao aminy.

15 Eny, ary lozan’ny tanànan’i Gideôna, noho ny faharatsiana sy ny fahavetavetana izay ao aminy.

16 Eny, ary lozan’ny tanàna rehetra izay ao amin’ny tany manodidina, izay zakain’ny Nefita, noho ny faharatsiana sy ny fahavetavetana izay ao aminy.

17 Ary indro, ho tonga amin’ny tany ny ozona, hoy ny Tompon’ny Maro, noho ny amin’ny olona izay eo amin’ny tany, eny, noho ny faharatsiany sy ny fahavetavetany.

18 Ary ny zavatra hitranga hoy ny Tompon’ny Maro, eny, ny Andriamanitsika lehibe sy marina, dia na zovy na zovy no hanafina harena ao anaty tany dia tsy hahita izany intsony, noho ny ozona lehibe amin’ny tany, raha tsy olo-marina izy sy hanafina izany ao amin’ny Tompo.

19 Fa tiako, hoy ny Tompo, ny hanafenany ny hareny ao Amiko; ary voaozona ireo izay tsy manafina ny hareny ao Amiko; fa tsy misy manafina ny hareny ao Amiko afa-tsy ny marina; ary izay tsy manafina ny hareny ao Amiko, dia voaozona izy, ary koa ny hareny, ary tsy hisy hanavotra izany noho ny ozona amin’ny tany.

20 Ary ho avy ny andro izay hanafenany ny hareny, satria efa nametraka ny fony tamin’ny harena izy; ary satria efa nametraka ny fony tamin’ny hareny izy sy hanafina ny hareny rehefa handositra eo anoloan’ny fahavalony; satria tsy hanafina izany ao Amiko izy dia voaozona izy ary koa ny hareny; ary amin’izay andro izay dia hokapohina izy, hoy ny Tompo.

21 Indro ianareo, mponin’ity tanàna lehibe ity, mihainoa ny teniko; eny, mihainoa ny teny izay lazain’ny Tompo; fa indro, hoy izy, voaozona ianareo noho ny harenareo, ary koa ny harenareo dia voaozona, satria ianareo dia efa nametraka ny fonareo tamin’ireny ary tsy nihaino ny tenin’ilay nanome ireny anareo.

22 Tsy mahatsiaro ny Tompo Andriamanitrareo ianareo amin’ny zavatra izay efa nitahiany anareo, nefa ianareo dia mahatsiaro mandrakariva ny harenareo, saingy tsy ho fisaorana ny Tompo Andriamanitrareo noho ireny; eny, tsy voasintona ho an’ny Tompo ny fonareo fa mizihitry ny fiavonavonana lehibe kosa, hatrany amin’ny fireharehana sy hatrany amin’ny fizihirana lehibe, ny fialonana, ny fifandrafiana, ny hasomparana, ny fanenjehana sy ny vonoan’olona ary ny fomban’ny heloka rehetra.

23 Noho izany antony izany dia efa nataon’ny Tompo Andriamanitra izay hahatonga ny ozona amin’ny tany ary koa amin’ny harenareo, ary izany dia noho ny helokareo.

24 Eny lozan’ity vahoaka ity noho izany fotoana izany izay efa tonga, izay androahanareo ny mpaminany, sy anesoanareo azy ireny, ary itorahanareo vato azy ireny, sy amonoanareo azy ireny, ary anaovanareo ny fomban’ny heloka rehetra amin’izy ireny, dia tahaka ny nataon’ireo tamin’ny fahagolan-tany.

25 Ary ankehitriny rehefa miresaka ianareo, dia hoy ianareo: Raha mba tamin’ny andron’ny razanay fahiny ny andronay, dia tsy ho namono ny mpaminany izahay; tsy ho nitora-bato azy ireny izahay sy tsy ho nandroaka azy ireny.

26 Indro ianareo dia ratsy kokoa noho izy ireo; fa raha velona koa ny Tompo, raha tonga any anivonareo ny mpaminany iray sy manambara aminareo ny tenin’ny Tompo, izay manambara ny amin’ny fahotanareo sy ny helokareo, dia ho tezitra aminy ianareo sy handroaka azy any ivelany ary hikatsaka ny fomba rehetra hamongorana azy; eny, hilaza ianareo fa mpaminany sandoka izy sy mpanota ary avy amin’ny devoly, satria ambarany fa ny ataonareo dia ratsy.

27 Nefa indro, raha ho tonga any anivonareo ny olona iray sy hilaza hoe: Ataovy izao, ary tsy misy heloka; ataovy izao ary tsy hijaly ianareo; eny, hilaza izy hoe: Mandehana araka ny avonavon’ny fonareo ihany; eny, mandehana araka ny avonavon’ny masonareo ary ataovy izay rehetra irian’ny fonareo—ary raha ho tonga any anivonareo ny olona iray ka hilaza izany, dia horaisinareo izy sy holazainareo fa mpaminany.

28 Eny, hanandratra azy ianareo, sy hanome azy amin’ny fanananareo; hanome azy amin’ny volamenanareo sy amin’ny volafotsinareo ianareo ary hampiakanjo azy fitafiana lafo vidy; ary satria manao teny manasohaso aminareo izy sy milaza fa mandry ny rehetra, amin’izany ianareo dia tsy hahita hadisoana aminy.

29 Ô ianareo taranaka maditra sy mpamadika; ianareo vahoaka mafy fo sy henja-katoka, mandra-pahoviana no hiheveranareo fa hiaretan’ny Tompo anareo? Eny, mandra-pahoviana no hamelanareo ny tenanareo hotarihin’ny mpitarika adala sy jamba? Eny, mandra-pahoviana no hifidiananareo ny haizina toy izay ny hazavana?

30 Eny, indro, ny fahatezeran’ny Tompo dia mirehitra sahady aminareo; indro, efa nanozona ny tany Izy noho ny helokareo.

31 Ary indro, tonga ny fotoana izay anozonany ny harenareo, ka zary malama ireny, ka tsy afaka mihazona ireny ianareo; ary amin’ny andron’ny fahantranareo dia tsy afaka mitana ireny ianareo.

32 Ary amin’ny andron’ny fahantranareo dia hitalaho amin’ny Tompo ianareo; ary ho very maina ny fitalahoanareo, satria mby eo aminareo sahady ny faharavanareo ary azo antoka ny famongorana anareo; ary amin’izay dia hitomany sy hidradradradra ianareo amin’izany andro izany, hoy ny Tompon’ny Maro. Ary amin’izany dia hitoloko ianareo sy hilaza hoe:

33 Ô inay aho nibebaka sy tsy namono ny mpaminany, na nitora-bato azy ireny, na nandroaka azy ireny tany ivelany. Eny, amin’izany andro izany ianareo dia hilaza hoe: Ô inay izahay nahatsiaro ny Tompo Andriamanitray tamin’ny andro izay nanomezany anay ny harenay, ary tamin’izany dia tsy ho nalama ireny ka ho nafoinay; fa indro ny harenay dia lasana niala taminy.

34 Indro, apetrakay eto ny fitaovana iray ary ny ampitso dia lasana izany; ary indro, esorina aminy ny sabatray amin’ny andro nitadiavanay azy ho amin’ny ady.

35 Eny, efa nanafina ny harenay izahay ary dia efa nikororosy niala taminy ireny, noho ny ozona tamin’ny tany.

36 Ô inay izahay nibebaka tamin’ny andro nahatongavan’ny tenin’ny Tompo taminy; fa indro voaozona ny tany ary ny zavatra rehetra dia zary malama, ary tsy afaka mihazona ireny izahay.

37 Indro, izahay dia hodidinin’ny devoly, eny, voatemitry ny anjelin’ilay efa nikatsaka ny hamongotra ny fanahinay izahay. Indro lehibe ny helokay. Tompo ô, tsy afaka va Ianao hampihodina ny fahatezeranao hiala aminy? Ary dia izany no ho teninareo amin’izany andro izany.

38 Nefa indro, ny andron’ny fizahan-toetra anareo dia efa lasana; efa nahemotrareo ny andron’ny famonjena anareo mandra-pahatongan’izany ho tratra aoriana mandrakizay tokoa, ary ny famongorana anareo dia azo antoka; eny, fa efa nikatsaka nandritra ny androm-piainanareo ianareo izay tsy nety ho azonareo; ary efa nikatsaka ny fahasambarana ianareo tamin’ny fanaovana heloka izay zavatra mifanohitra amin’ny toetran’ity fahamarinana ity izay ao amin’ny Filohantsika lehibe sy mandrakizay.

39 Ô ianareo mponina amin’ny tany, inay ianareo mba te handre ny teniko! Ary izaho dia mivavaka mba hampihodinana ny fahatezeran’ny Tompo hiala aminareo sy mba hibebahanareo ary mba ho voavonjy.