Fampaherezam-panahy maneran-tany
Filazana


Filazana

Fampaherezam-panahy ho an’ny Tanora Tokan-tena sy Mpivady vao Herotrerony an’ny DFF • 2 Nôvambra 2014 • Ogden Tabernacle, Ogden, Utah

Ry rahalahy sy anabaviko malala, isika tsirairay dia zanakalahy sy zanakavavin’ny Ray any an-danitra be fitiavana izay miantso ireo mpitarika sy manentana ny fanahin’izy ireo mba hanome fanampiana sy fitarihana ho antsika. Fitahiana lehibe tokoa ny fiarahantsika mivory mba hianatra avy amin’ireo izay nodidiana mba hampianatra antsika. Misaotra anareo manatrika eto anio hariva. Eto am-panombohantsika dia te hanao filazana roa fohy kanefa manan-danja aminareo aho.

Ny filazana voalohany dia manomboka amin’ny Janoary 2015 dia ho antsoina hoe Fampaherezam-panahy Maneran-tany ho an’ny Tanora Tokan-tena sy Mpivady vao Herotrerony ny Fampaherezam-panahy ho an’ny Tanora Tokan-tena sy Mpivady vao Herotrerony an’ny DFF toy izao. Hitranga intelo isan-taona ireo Fampaherezam-panahy Maneran-tany ireo—ny volana Janoary sy Mey ary Septambra. Natao hampisongadina ny maha zava-dehibe ny fampitana tsirairay ireo fanovana ireo ka hahazoana antoka fa ny tanora tsirairay, na aiza na aiza misy anareo ary na inona na inona toe-javatra iainanareo dia hasaina handray anjara amin’izany. Manantena izahay fa hanao ny ezaka rehetra ianareo mba hanatrehana ny fampaherezam-panahy tsirairay ary hamporisika ny hafa mba hiaraka aminareo hanatrika izany mba hananareo sy hananany fahafahana hifandray sy hiaino ny torohevitra avy amin’ny mpitarika antsika ary hahazo fanambarana sy fitarihana ho an’ny tena manokana. Mamporisika ireo mpitarika ao amin’ny fisoronana izahay mba hanao ireo fampaherezam-panahy maneran-tany ireo ho hetsika manan-danja any amin’ny toerana misy anareo.

Ilay filazana iray hafa dia mikasika ireo kilasy fianarana ny filazantsara takina amin’ny fahivatana fianarana any amin’ireo Institiota Fianarana ny Filazantsara sy Oniversiten’ny Fiangonana. Ny Filankevi-pitantanan’ny Fiangonana mikasika ny Fampianarana sy ireo Filankevi-pitantanan’ireo Mpandraharaha an’ny BYU, BYU-Idaho, sy BYU-Hawaii ary ny LDS Business College dia nanome fankatoavana ny amin’ny hampianarana taranja efatra vaovao izay omena manomboka amin’ny fararano 2015. Ireo taranja ireo dia ny “Jesoa Kristy sy ny Filazantsara Tsy misy Fiafarana,” “Ireo Fampianarana sy Fotopampianarana ao amin’ny Bokin’i Môrmôna,” “Ireo Fototry ny Famerenana amin’ny Laoniny,” ary “Ny Fianakaviana Mandrakizay.”

Ireo taranja vaovao ireo dia natao ho vato fehizoron’ny traikefanareo amin’ny fianarana ny filazantsara. Hifototra amin’ny soratra masina sy ireo fampianaran’ireo mpaminanin’ny andro farany izy ireo, miaraka amin’ny fifantohana amin’ny Mpamonjy sy ny Fotopampianarany ary ireo zava-nitranga manan-danja teo amin’ny tantaran’ny Fiangonana. Eo am-pandalinanareo ireo boky ampiasain’ny Fiangonana dia hanjary hifandray ireo soratra masina, izay hanampy anareo hikolokolo fahalalana lehibe kokoa mikasika ny filazantsara ka hahatakatra sy hitia bebe kokoa ny boky tsirairay ao amin’ireo boky ampiasain’ny Fiangonana. Ireo kilasy ireo dia hanampy ireo traikefanareo tamin’ny fandalinana ny filazantsara tany am-piangonana sy nataonareo manokana. Hanampy anareo amin’ny fampiharana ireo fitsipiky ny filazantsara amin’ny fomba tena mifandray amin’ny zavatra iainanareo amin’izao fotoana izao izany.

Hampahatsiahiviko koa fa ireo taranja fianarana soratra masina, miaraka amin’ireo kilasy hafa fianarana ny filazantsara rehetra dia ho ampianarina hatrany any amin’ireo Institiota Fianarana ny Filazantsara antsika sy ireo Oniversite. Ireo taranja vaovao ireo dia fepetra takina amin’ny mpianatra vao miditra rehetra ary ho azon’ireo mpianatra tranainy hatrehina. Iangaviana ianareo mba hanatrika ireo kilasy telo ireo ka hiezaka mafy mba hahavita fianarana any amin’ny Oniversiten’ny Fiangonana na any amin’ny Institiota Fianarana ny Filazantsara. Raha toa ianareo ka efa nahatontosana ireo fepetra takina amin’ny fahavitana fianarana dia hatreho ireo kilasy telo ireo eo am-panohizanareo ny fandalinanareo ny filazantsara amin’ny alalan’ny fandraisanareo anjara amin’ny institiota sy ireo kilasy fianarana ny filazantsara any amin’ny oniversiten’ny Fiangonana. Ato ho ato dia afaka hahafantatra bebe kokoa momba ireo kilasy vaovao ireo ianareo amin’ny alalan’ny fitsidihana ny education.lds.org.

Mahatoky aho fa handray anjara amin’ireo fampaherezam-panahy maneran-tany sy ireo kilasy fianarana filazantsara ianareo, hahatakatra bebe kokoa ny soratra masina ianareo, hifandray amin’ny hafa izay hankahery sy hanentana ny fanahinareo ianareo, ary hampatanjaka ny finoanareo sy ny fijoroanareo ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy ianareo. Ho tò aminareo tsirairay avy anie izany, amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.

© 2014 an’ny Intellectual Reserve, Inc. Zo Rehetra Voatokana. Fankatoavana ny tamin’ny teny Anglisy: 1/14. Fankatoavana ny Fandikan-teny: 1/14. Fandikana ny “Announcement.” Malagasy. PD10052815 654

Hamoaka printy