Fampaherezam-panahy maneran-tany
Inona no Rafitry ny Fiangonan’i Kristy?


Inona no Rafitry ny Fiangonan’i Kristy?

Fivoriana Fampaherezam-panahy ho an’ny Tanora Tokan-tena sy Mpivady Vao Herotrerony an’ny DFF • 12 Janoary 2014 • Brigham Young University

Fifaliana ho ahy ny miaraka amin’ireo izay ho mpitarika sy ho ray aman-dreny amin’ny hoavy ato amin’ity Fiangonana ity amin’izao takariva izao. Noho izany dia mino aho fa azo antoka sy mahavelom-panantenana ny hoavin’ity Fiangonana ity. Noho izany antony izany dia tiako ny hiresaka mikasika ny Fiangonana izay hotarihinareo indray andro any.

Nanao ity fanambarana feno fahasahiana sy manan-danja ity ny Tompo ao amin’ny fizarana voalohany ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana manao hoe: “[Ity] ilay hany fiangonana marina sy velona eto ambonin’ ny tany manontolo” (F&F 1:30). Inona no dikan’izany? Tsy midika izany fa tsy manana fahamarinana ireo fiangonana hafa, satria tena manana tokoa izy ireo. Tsy midika izany fa tsy manao soa ireo fiangonana hafa, satria manao soa maro izy ireo. Ny dikan’izany dia hoe ity no hany fiangonana manana ny fahamarinana rehetra izay nambara hatreto tao anatin’ity fotoampitantanana ity—ilay hany fiangonana izay manana ireo ôrdônansy ilaina amin’ny fisandratana sy ilay hany fiangonana manana ny fisoronan’Andriamanitra mba hanatanterahana ireo ôrdônansy ireo, izay manan-kery eo anatrehan’Andriamanitra. Inona no porofo ananantsika momba io fanambarana io?

Taona maromaro lasa izay dia nila trano lehibe kokoa ho an’ny fianakavianay izay nitombo isa izaho sy ny vadiko, ka noho izany dia nahita sombin-tany iray hanorenana trano izahay. Nanokana fotoana izahay handrafetana rafi-trano izay tena afaka ny hampiantrano tsara ireo zavatra ilain’ny fianakavianay. Nanao sarina varavarana afaka miforitra teo anelanelan’ny efitrano ho an’ny fianakavianay sy ny efitrano fandraisam-bahiny ny vadiko, izay varavarana afaka misokatra mba hanaovana fiaraha-mientana ho an’ny fianakaviana misy olona maro sy ho an’ny tanora. Noho ny fisian’ny toerana fanampiny teo ambonin’ny fitoeran’ny fiara dia nanao sarina efitrano iray izahay, izay ahafahan’ireo zanakay manao fiaraha-mientana mahasoa. Nisy efitrano kely iray naorina tao ambadiky ny fitoeran’ny fiara mba hahafahana manao tahirin-tsakafo sy tahirin-javatra hafa. Nampidirina tao anatin’ny rafi-trano iray ireo sy ny sarin-javatra hafa. Taorian’izay dia naorina nanaraka ireo rafitra ireo ilay trano.

Rehefa nandeha ny fananganana ilay trano dia nanome lamim-panovana an’ilay mpanamboatra trano izahay indraindray, izay nanitsy ilay rafi-trano. Rehefa vita tanteraka ilay trano dia nifanaraka tanteraka tamin’ilay rafi-trano nataonay izany rehefa nahitsy teny antsefantsefany teny. Raha alainareo ny rafi-tranonay ka ampitahainareo amin’ny trano rehetra eto amin’izao tontolo izao, dia ho trano firy no hitovy tanteraka amin’izany? Iray ihany—ny tranonay. Mety hisy angamba ny fitoviana kely etsy sy eroa indraindray—fitoviana eo amin’ny haben’ny efitrano iray, fitovian’ny varavarankely vitsivitsy—saingy raha hoe fototra tena mitovy, efitrano tena mitovy, tafon-trano tena mitovy, dia tsy hisy afa-tsy trano iray ihany no hitovy tanteraka amin’ilay rafi-trano—ny tranonay.

Tahaka izany koa, i Kristy dia nanorina trano izay tena afaka mampiantrano tsara ireo zavatra ara-panahy ilain’ireo zanany. Nantsoina hoe Fiangonany izany. Ny rafitra ara-panahy ho an’ity Fiangonana ity dia azo jerena ao amin’ny Testamenta Vaovao. Indraindray ihany ny Mpamonjy vao nanao “lamim-panovana” ho an’ilay rafitra. Ny lamim-panovana toy izany dia tonga tamin’ny endrika fanambarana. Ohatra, tany am-piandohana dia nandidy ny Apôstôliny hitory ny filazantsara tamin’ny mpianakavin’i Isiraely ny Mpamonjy fa tsy tamin’ny Jentilisa (jereo ny Matio 10:5–6). Taorian’ny Fiakaran’ny Mpamonjy tany an-danitra anefa, dia nanome lamim-panovana ara-panahy an’i Petera Izy—fanambarana tamin’ny alalan’ny fahitana—fa tokony hotoriana amin’ny Jentilisa amin’izay ny filazantsara (jereo ny Asan’ny Apôstôly 10). Io zavatra niainan’i Petera io dia mampianatra, farafahakeliny fitsipi-pitantanana roa manan-danja ao amin’ny Fiangonan’i Kristy: voalohany, azo ovaina ilay rafitra, saingy amin’ny alalan’ny fanambarana avy amin’i Kristy ihany, ary faharoa, ho tonga amin’ny mpaminany izay mpitondra ny tenin’Andriamanitra eto an-tany ny fanambarana toy izany. Izany hoe hotantanana amin’ny alalan’ny fanambarana avy amin’Andriamanitra sy amin’ny alalan’ny lamina ny Fiangonany.

Raha misy olona iray maniry ny hahafantatra ny Fiangonan’i Kristy amin’izao fotoana izao, dia ho tiany ny hampitaha ilay rafitra ara-panahy hita ao amin’ny Testamenta Vaovao amin’ny fiangonana Kristianina rehetra eto amin’izao tontolo izao, mandra-pahitany fiangonana iray izay mitovy amin’ilay rafitra—lamina tena mitovy, fampianarana tena mitovy, ôrdônansy tena mitovy, voa tena mitovy, ary fanambarana tena mitovy. Rehefa manao izany izy dia mety hahita fiangonana vitsivitsy izay mitovitovy amin’izany—fampianarana iray na roa mitovy, ôrdônansy iray mitovy, anjara fanompoana sasantsasany izay mitondra anarana mitovy—saingy tsy hahita afa-tsy fiangonana iray izy, Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany, izay mifanaraka tanteraka amin’ilay rafitra eo amin’izay lafin-javatra manan-danja rehetra. Izao aho dia te hitsapa ny fahamarinan’io fanambarana io.

Andeha isika hijery ny pejy voalohany amin’ilay rafitra ary hamantatra ny rafitry ny Fiangonan’i Kristy araka izay nambara ao anatin’izany rafitra izany.

Voalohany, naorina teo ambonin’ny apôstôly sy ny mpaminany ny Fiangonan’i Kristy. Rehefa nanoratra tamin’ny mpikambana vaovao sasany tao amin’ny Fiangonana i Paoly dia nolazainy fa, tamin’izay fotoana izay izy ireo dia “natsangana teo ambonin’ny fanorenan’ny apôstôly sy ny mpaminany, ary Kristy Jesosy no fehizoro indrindra” (Efesiana 2:20; nampiana fanamafisana).

Ireo Apôstôly dia nahatakatra ny tsy maintsy nilana ny hitazonana ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo araka ny endriny feno. Rehefa maty ny Apôstôly iray, tahaka an’i Jodasy, ary “nopotehina” ny ampahany tamin’ny fototra, dia niara-nivory ireo Apôstôly 11 ary nisafidy mpandimby iray mba hahafeno indray ilay fototra (jereo ny Asan’ny Apôstôly 1:22–25).

Io lamina io dia naneho ny maha-zava-dehibe ny fihazonana kôlejy iray misy Apôstôly Roambinifolo. Tena nanan-danja tamin’ny fivoaran’ny Fiangonana ireo Apôstôly ireo ka nahatonga an’i Paoly hilaza ny faharetan’ny fotoana ilantsika azy ireo manao hoe “Mandra-pahatongantsika rehetra ho amin’ny firaisan’ny finoana” (Efesiana 4:13). Ary avy eo izy dia nanazava ny antony ilàna azy ireo: Mba tsy “ampitambolimbolenin’ny rivotry ny fampianarana samy hafa” isika (Efesiana 4:14). Noho izany antony izany dia zava-dehibe tokoa tamin’ny Apôstôly ny fitandremana ny fotopampianarana ho madio.

Eritrereto vetivety hoe mitantara tantara iray amin’ny olona iray eo amin’ny sisiny iray amin’ny laharan-tseza eo anoloako aho, ary avy eo izy dia asaina mizara izany amin’ilay olona eo akaikiny, dia toy izany hatrany mandra-pahavitan’ny fitantarana izany any amin’ireo laharan-tseza rehetra hatrany amin’ny faran’ity ampahany ity. Inona no hitranga amin’izany tantara izany? Hiova izany. Miova hatrany izany; izay no toetra ara-boajanaharin’ny olombelona. Toy izany koa no nitranga tamin’ny fotopampianarana nampianarin’ireo Apôstôly rehefa nandeha tany amin’ireo tanàn-dehibe sy tanàna kely samihafa izy ireo. Rehefa niampita avy amin’ny olona iray nankany amin’ny olona iray hafa ny fotopampianarana dia nanomboka niova. Raha mbola teo ireo Apôstôly dia afaka nanitsy ny fotopampianarana tamin’ny alalan’ny taratasy na lahateny manokana. Saingy rehefa tsy teo intsony ny Apôstôly dia tsy nisy intsony ny lamina hisorohana izay olona mety manana fitaomana mahery vaika, tsy nisy intsony ny fanaraha-maso, ary vetivety dia lasa niova ireo fotopampianarana na very.

Noho izany sy noho ny antony maro hafa, ilay rafitra dia maneho fa ny apôstôly sy ny mpaminany no mandrafitra ny fototry ny Fiangonan’i Kristy. Moa ve ianareo mahafantatra lamim-panovana ao amin’ny Testamenta Vaovao, na izay mety fanambarana nanitsy ilay rafitra ka manambara fa tsy ilaina intsony ny Apôstôly? Tsy mahafantatra aho. Raha izany no izy dia tokony hanana apôstôly sy mpaminany mba ho fototra iorenany ny Fiangonana marin’i Kristy amin’izao fotoana izao.

Mba hanampiana ny Mpamonjy sy ny Apôstôliny amin’ny fitoriana ny filazantsara amin’izao tontolo izao, dia nifidy lehilahy hafa ny Mpamonjy, izay nantsoina hoe Fitopololahy, mba hanomana ny lalana. Hitantsika ao amin’ny Lioka toko faha 10 ny momba ireo Fitopololahy ireo. Moa ve ianareo mahafantatra fiangonana mifandraika amin’io rafitra io amin’izao fotoana izao—izay manana ny anjara fanompoan’ny Fitopololahy?

Ny rafitra ao amin’ny Testamenta Vaovao dia maneho mpiandraikitra hafa amin’ny fisoronana izay nandrafitra ny ampahan’ny rafitry ny Fiangonan’i Kristy: mpitandrina na eveka (jereo ny 1 Timoty 3; Titosy 1:7), loholona (jereo ny Asan’ny Apôstôly 14:23; Titosy 1:5), diakona (jereo ny Filipiana 1:1), evanjelista (jereo ny Efesiana 4:11; izay midika hoe patriarika1), ary mpiandry (jereo ny Efesiana 4:11; izay midika hoe ireo lehilahy toy ny eveka sy filohan’ny tsatòka izay miahy andian’ondry.2

Ny fanekem-pinoana fahaenina an’ny Fiangonana dia miresaka momba io rafitra io: “Mino ny fandaminana mitovy amin’izay nisy tao amin’ny Fiangonana voalohany isika, dia ny apôstôly, mpaminany, mpiandry, mpampianatra, evanjelistra, sns” (Fanekem-pinoana 1:6; nampiana fanamafisana). Izany hoe mino isika fa ny Fiangonan’i Jesoa Kristy amin’izao fotoana izao dia tokony hanana ny fandaminana tahaka izay nisy tao amin’ny Fiangonan’i Kristy tany am-piandohana, ary tsy azo ovana raha tsy amin’ny alalan’ny fanambarana ihany. Noho izany, ny tsirairay amin’ireo anjara fanompoana ireo dia misy ao amin’ny Fiangonantsika ankehitriny.

Ahoana no nisafidianana ireo Apôstôlin’i Kristy sy ireo mpiandraikitra hafa amin’ny fisoronana? Nandeha tany amin’ireo sekoly fandalinana haifinoana tsara indrindra tamin’izany fotoana izany ve ny Mpamonjy ary nisafidy ireo mpianatra izay nanana naoty tsara indrindra? Tsy nanao izany Izy. Ilay rafitra kosa dia milaza amintsika fa nifidy an’i Petera Izy, izay mpanjono, sy i Matio, izay mpamory hetra, ary i Paoly taty aoriana, izay mpanao trano lay. Notsongaina avy amin’ny sarambaben’ny vahoaka izy tsirairay avy—ny tena lehibe indrindra dia asa fanompoana laika izany. Amin’izao fotoana izao dia manana kôlejin’ny Apôstôly roambinifolo ny Fiangonana, izay nofidiana tamin’ny fomba mitovy amin’izany avy amin’ny sarambaben’ny vahoaka ao amin’ny Fiangonana. Mety ho mpampianatra ny iray, injeniera ny iray hafa, mpisolovava ny iray hafa, sns.

Moa ve nandrotsaka taratasy fangatahana mba hirotsaka hanao ilay asa fanompoana ireo Apôstôlin’i Kristy sy ireo mpiandraikitra hafa amin’ny fisoronana? Tsy nanao izany izy ireo. Ilay rafitra dia milaza amintsika ny fomba nisafidianan’i Kristy ireo mpiandraikitra amin’ny fisoronana: “Tsy hianareo no nifidy Ahy, fa Izaho no nifidy anareo ka nanendry anareo” (Jaona 15:16; nampiana fanamafisana). Rehefa nanendry ireo Apôstôliny i Kristy dia inona no nomeny azy ireo? Nosoratan’i Matio sy i Lioka ny valiny: “Nanome azy fahefana [Izy]” (Matio 10:1; jereo koa ny Lioka 9:1)—ny fahefan’ny fisoronana hiasana amin’ny anarany sy hanaovana ny asany. Izay no antony hilazan’ilay rafitra amintsika hoe “ny Zanak’olona dia … nanome fahefana ny mpanompony” (Marka 13:34). Nahoana? Mba hahafahan’izy ireo miasa amin’ny anarany, omban’ny fanomezan-dalana avy Aminy. Ny lehilahy rehetra izay mihazona ny fisoronan’Andriamanitra ato amin’ity fiangonana ity amin’izao fotoana izao dia afaka manoritra ny fahefan’ny fisoronany mipaka hatrany amin’i Jesoa Kristy, ilay loharanon’ny fahefana sy ny hery rehetra, mba hahafahany, tahaka izany koa, mahazo lalana avy amin’i Kristy—ny fankatoavany—araka ny takian’ilay rafitra.

Iza no anaran’ilay fiangonana naorin’i Kristy? Raha atao batisa amin’ny anaran’i Kristy isika, raha mivavaka amin’ny anaran’i Kristy isika, raha voavonjy amin’ny anaran’i Kristy isika, ary raha izy no mpanorina sy vato ifaharan’ny Fiangonany, dia iza no andrasanareo mba ho anaran’ny Fiangonany Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy. Ny Mpamonjy, rehefa niresaka tamin’ny vahoaka tamin’ny fotoan’ny Bokin’i Môrmôna, dia nampianatra ny fitsipika fototra mikasika ny antony ilan’ny Fiangonana hitondra ny Anarany manao hoe: “Ary ahoana no maha-fiangonako azy raha tsy antsoina amin’ny anarako izy? Fa raha antsoina amin’ ny anaran’ i Mosesy ny fiangonana iray, dia fiangonan’ i Mosesy izy amin’ izany; na raha antsoina amin’ ny anaran’ ny olona iray izy, dia fiangonan’ io olona io izy amin’ izany; fa raha antsoina amin’ ny anarako kosa izy, dia fiangonako izy amin’ izany, raha toa izy ireo ka miorina amin’ ny filazantsarako” (3 Nefia 27:8; nampiana fanamafisana).

Noho io antony io no nananaran’i Paoly ny sasany tamin’ireo mpikambana voalohany tao amin’ny Fiangonana—satria izy ireo dia niantso ny fiangonany tamin’ny anaran’ny mpianatra sasany fa tsy tamin’ny anaran’i Kristy. Vokatr’izany dia nanoratra i Paoly hoe:

“Izao anefa no anaovako izany: Hianareo samy manao hoe: Izaho an’i Paoly, na: Izaho an’i Apolosy, na: Izaho an’i Kefasy, na: Izaho an’i Kristy.

“Voazarazara va Kristy? Paoly va no voahombo tamin’ny hazo fijaliana hamonjy anareo, sa ho amin’ny anaran’i Paoly no nanaovam-batisa anareo?” (1 Korintiana 1:12–13).

Izany hoe tsy mitondra eo amintsika anarana hafa ankoatra ny an’i Jesoa Kristy isika.

Noho izany, ilay rafitra dia mampianatra antsika fa tokony hitondra ny anarany ny Fiangonan’i Kristy. Toy ny fahagagana ho ahy hatrany ny hoe efa nihoatra ny 300 taona talohan’ny andron’i Joseph Smith no nisian’ny Fanavaozana ary tsy nisy na dia iray aza no nieritreritra ny hiantso ny fiangonan’izy ireo tamin’ny anaran’i Jesoa Kristy. Marina tokoa fa, nanomboka tamin’ny andron’i Joseph Smith dia nisy Fiangonana sasany niantso ny Fiangonany tamin’ny anaran’i Kristy, saingy nohazonin’ny Tompo tamin’ny fomba mahatalanjona tokoa ny fampiasana ny anarany mandra-pahatongan’ny andron’i Joseph Smith sy ny Famerenana tamin’ny laoniny ny Fiangonan’i Kristy.

Andeha isika izao hijery ny pejy faharoa ao amin’ilay rafitra. Inona avy ireo “Fampianarana” tao amin’ny Fiangonan’i Kristy? Andeha isika handinika vitsivitsy amin’izany:

Fanahy fotsiny ihany ve Andriamanitra sa manana vatana nofo sy taolana ihany koa Izy? Inona no ampianarin’ilay rafitra?

Taorian’ny Fitsanganan’i Kristy tamin’ny maty dia niseho tamin’ireo mpianany Izy, izay diso hevitra satria nihevitra Azy ho fanahy (jereo ny Lioka 24:37). Mba hanitsiana ny fahadisoan-kevitr’izy ireo dia hoy Izy hoe “Izahao ny tànako sy ny tongotro, fa Izaho no Izy; tsapao Aho, ka jereo, fa ny matoatoa tsy mba manana nofo sy taolana, tahaka izao ahitanareo Ahy izao” (Lioka 24:39; nampiana fanamafisana).

Mba hanafoanana ny ahiahy rehetra mikasika ny toetra ara-nofon’ny vatany nitsangana tamin’ny maty dia nanontany an’ireo mpianany Izy hoe “Manan-kanina aty va hianareo?” (Lioka 24:41). Dia toy izao no voarakitra ao amin’ny soratra masina hoe:

“Ary dia nomeny tapaky ny hazandrano voatono Izy, [ary kimason-tantely].

“Ary Izy nandray, dia nihinana teo anatrehany” (Lioka 24:42–43).

Niakatra tany an-danitra niaraka tamin’izany vatana nofo sy taolana feno voninahitra izany i Kristy (jereo ny Asan’ny Apôstôly 1:93), izay hitoerany eo ankavanan’Andriamanitra ary amin’ny “endriky ny tenany indrindra” (Hebreo 1:3). Io mihitsy ilay fahamarinana nampianarin’i Joseph Smith izay tafiditra tao anatin’ny famerenana tamin’ny laoniny ny Fiangonan’i Kristy: “Ny Ray dia manana vatana nofo sy taolana azo tsapaina toy ny an’ ny olona; ny Zanaka koa” (F&F 130:22).

Moa ve Andriamanitra sy i Jesoa Olona iray ihany, tahaka ny ampianarin’ny ankamaroan’ny Kristianina sa Olona roa samy hafa? Inona no lazain’ilay rafitra?

Mampitolagaga ny isan’ireo andinin-tsoratra masina ao amin’ny Baiboly izay manasaraka ny maha Izy Azy sy ny anjara asan’ny Ray sy ny Zanaka. Tao amin’ny sahan’i Getsemane, rehefa nahafantatra ny fanaintainana tsy zaka izay hozakainy ny Mpamonjy, dia nanambara Izy hoe “Aoka tsy ny sitrapoko anie no hatao, fa ny Anao” (Lioka 22:42). Io no fanehoana fanoavana lehibe indrindra nisy teto amin’izao tontolo izao. Fanoavana inona anefa no nety ho nisy raha toa ka tsy nisy Olona iray hafa azony notoavina—raha toa ka iray sy Olona iray Izy sy ny Ray? Nahoana ny Mpamonjy no mivavaka amin’ny Ray na mihiaka hoe “Andriamanitro ô, Andriamanitro ô, nahoana no dia mahafoy Ahy Hianao?” (Marka 15:34). Ahoana no nahafahana namoy Azy raha toa ka tsy nisy Olona iray hafa nahafoy Azy? Tamin’ny fomba ahoana no nahitan’i Stefana an’i Jesoa nijoro teo ankavanan’Andriamanitra raha tsy olona roa Izy ireo (jereo ny Asan’ny Apôstôly 7:55–56)?

Rehefa nivoaka avy tao amin’ilay ala kely i Joseph Smith dia nahafantatra ho an’ny tenany ny fahamarinana izy. Nahita an’Andriamanitra Ray sy ny Zanany Lahy Jesoa Kristy izy, nijoro nifanakaiky; nahare ny Ray niantso ilay iray hafa ho ny “Zanan[y] Malalan[y]” izy (Joseph Smith—Tantara 1:17). Tamin’io andro manan-daza io dia noporofoin’Andriamanitra ny maha- diso ilay tantara noforonin’ny olona fahiny mikasika ny toetra ara-boajanaharin’Andriamanitra, ary nanambara sy nanamafy ilay fahamarinana tsotra izay nampianarina tany am-piandohana tao anatin’ilay rafitra: fa Andriamanitra Ray sy ny Zanany, Jesoa Kristy dia manana tanjona sy sitrapo iraisana saingy misaraka miavaka tsara ny maha izy azy.

Inona no lazain’ilay rafitra mikasika ireo izay tsy mba nanana fahafahana velively mba handre ny filazantsaran’i Jesoa Kristy raha mbola teto an-tany? Voaheloka ve izy ireo? Misy fahalalana nambara tamintsika mikasika ny fiainam-panahin’izy ireo ve?

Fanontaniana iray goavana mahakasika fiainana an’arivo tapitrisa izany. Azo antoka fa niresaka mikasika io zavatra io Andriamanitra. Raha ny marina dia niresaka izy. Ahitana ny valin’izany ilay rafitra.

Nanoratra i Petera hoe: “Fa noho izao no nitoriana ny filazantsara tamin’izay maty aza: mba hotsaraina araka ny olona amin’ny nofo izy, fa ho velona araka an’Andriamanitra amin’ny fanahy” (1 Petera 4:6). Very nandritra ny Apôstazia taorian’ny nahafatesan’ny Apôstôlin’i Kristy io fotopampianarana io, saingy naverina tamin’ny laoniny tamin’ny alalan’ny Mpaminany Joseph Smith izany.

Misy lanitra telo ve sa lanitra iray? Ny tontolo Kristianina dia nampianatra nandritra ny taona maro fa misy lanitra iray sy helo iray, kanefa inona no ampianarin’ilay rafitra avy any ifotony?

Nampianatra i Paoly hoe: “Hafa ny voninahitry ny masoandro, ary hafa ny voninahitry ny volana, ary hafa ny voninahitry ny kintana; fa ny kintana anankiray dia hafa voninahitra noho ny kintana anankiray” (1 Korintiana 15:41). Taorian’izay i Paoly dia nanamafy ny fahamarinan’io lanitra ahitana ambaratonga telo io rehefa nitantara ny fahitany ny lehilahy iray “nakarina ho any amin’ny lanitra fahatelo” (2 Korintiana 12:2). Afaka ho nisy lanitra fahatelo ve raha tsy nisy lanitra faharoa na voalohany? Mbola mifanaraka tsara amin’ilay rafitra avy any ifotony ihany koa ity fotopampianarana naverina tamin’ny laoniny tamin’ny alalan’ny Mpaminany Joseph Smith ity.

Mitohy mandrakizay ve ny fanambadiana sa mifarana eo amin’ny fahafatesana? Manome ny valin’izany ilay rafitra.

I Paoly dia nanambara izao manaraka izao izay mifanaraka amin’ny fahefana nomena ny Apôstôly, izay na inona na inona fehezin’izy ireo ety ambonin’ny tany dia hofehezina any an-danitra, (jereo ny Matio 18:18): “Kanefa ao amin’ny Tompo tsy misy vehivavy raha tsy misy lehilahy, ary tsy misy lehilahy raha tsy misy vehivavy” (1 Korintiana 11:11), izay midika fa ny toe-javatra tsara indrindra dia ny hifamatoran’ny lehilahy sy ny vehivavy ho mandrakizay eo anatrehan’Andriamanitra. Nanamafy izany fahamarinana izany i Petera. Rehefa niresaka momba ny mpivady izy dia nilaza fa izy ireo dia tokony ho “mpiara-mandova ny fahasoavan’ny fiainana” (1 Petera 3:7)—fa tsy mandeha tsirairay, fa miaraka mandeha amin’ny lalana amin’ny maha-mpandova ny fiainana mandrakizay azy ireo. Izany no fotopampianarana ampianarina ao amin’ilay rafitra, ary izany no fotopampianarana ampianarina ao amin’ny Fiangonan’i Kristy ankehitriny.

Ny ao amin’ny pejy fahatelo ao amin’ilay rafitra dia hoe “Ôrdônansy ao amin’ny Fiangonan’i Kristy.” Miresaka zavatra amin’ny fomba miavaka tsara mikasika an’io lafiny io ilay rafitra. Ohatra, moa ve isika manome tsodrano na manao batisa ny ankizy na ny zaza madinika? Inona no ampianarin’ilay rafitra?

Nanome antsika ohatra mazava arahina ny Mpamonjy. Raha mikasika ny zaza madinika dia hoy ny soratra masina hoe “Ary nitrotro azy Izy [Jesoa], dia nametra-tànana taminy, ary nitso-drano azy” (Marka 10:16; nampiana fanamafisana). Nanamafy i Matio mikasika ny ankizy madinika, fa ny Mpamonjy dia “nametraka ny tànany [taminy]” (Matio 19:15). Mampianatra ilay rafitra fa ny ankizy sy ny zaza madinika dia tsofin-drano fa tsy atao batisa. Raha ny marina dia tsy misy tantara mikasika ny batisan’ny ankizy na dia iray aza miseho na aiza na aiza ao amin’ny Testamenta Vaovao iray manontolo. Nahoana? Satria tsy ôrdônansy tao amin’ny Fiangonan’i Kristy izany. Ny olona iray izay mitady ny Fiangonan’i Kristy amin’izao fotoana izao dia hitady fiangonana iray izay mitsodrano ny ankizy fa tsy manao batisa azy ireo.

Ilaina amin’ny famonjena ve ny batisa? Inona no ampianarin’ilay rafitra?

Rehefa avy naneho ohatra tamin’ny alalan’ny fanaovana batisa Azy i Kristy dia nanambara mazava hoe “Raha misy olona tsy ateraky ny rano sy ny Fanahy, dia tsy mahazo miditra amin’ny fanjakan’Andriamanitra izy” (Jaona 3:5; nampiana fanamafisana). Mitovy amin’izany koa no nampianarin’i Petera hoe: “Mibebaha, ary aoka samy hatao batisa amin’ny anaran’i Jesoa Kristy hianareo rehetra mba hahazo famelana ny helokareo; ary hianareo handray ny fanomezana, dia ny Fanahy Masina” (Asan’ny Apôstôly 2:38; nampiana fanamafisana). Ny zavatra ampianarina ao amin’ilay rafitra mihitsy no ampianarina ao amin’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy amin’izao fotoana izao.

Moa ve ny batisa atao amin’ny alalan’ny famafazana rano, fandrarahana rano, sa fanitrihana ao anaty rano? Manome porofo efatra farafahakeliny ilay rafitra fa tokony hatao amin’ny alalan’ny fanitrihana ao anaty rano ny batisa:

Voalohany, ny Mpamonjy, ilay Ohatra lehibe ho antsika, dia niakatra “avy teo amin’ny rano niaraka tamin’izay” (Matio 3:16), izay milaza fa tsy maintsy nilentika tao anaty rano aloha Izy.

Faharoa, i Jaona Mpanao Batisa dia “nanao batisa tao Ainona, akaikin’i Saileima, satria nisy loharano maro tao” (Jaona 3:23; nampiana fanamafisana). Nahoana izy no nandeha lavitra tany amin’ny toerana nisy “loharano maro” raha toa ka fomba nekena hanaovana batisa ny famafazana rano na ny fandrarahana rano?

Fahatelo, milaza amintsika i Paoly fa ny batisa dia tandindon’ny fahafatesana, ny fandevenana, ary ny fitsanganan’i Jesoa Kristy tamin’ny maty (jereo ny Romana 6:3–5). Rehefa mijoro ao amin’ny ranon’ny batisa ilay olona vao niova fo dia maneho ilay olona teo aloha izay efa ho faty izy. Rehefa asitrika ao anaty rano izy dia “alevina” sy avela amin’ny alalan’ilay tandindon’ny hery manadion’ny rano ny fahotany. Ary rehefa miarina avy ao anaty rano izy avy eo dia mijoro sy miseho ho toy ilay olona vaovao na olona nitsangana tamin’ny maty ao amin’i Jesoa Kristy. Ireo tandindona rehetra ireo izay fototry ny batisa dia mifanaraka amin’ny batisa asitrika, fa very kosa izany tandindona—very tanteraka—amin’ny famafazana sy fandrarahana rano.

Ary fahefatra, ny teny Grika izay nandikana ny batisa dia midika hoe mandetika na mandroboka ao anaty rano.

I Will Durrant, izay mpahay tantara fanta-daza, dia nahafantatra ny zavatra nambaran’ilay rafitra ary avy eo dia nanoratra fanamarihana hoe: “Tamin’ny taonjato fahasivy, ny fomba Kristianina fanaovana batisa asitrika tanteraka ao anaty rano dia niova tsikelikely ho . . . famafazana rano satria tsy dia natahorana loatra hoe hanimba ny fahasalamana noho ny toetr’andro tany avaratra izany.”4

Tsy tokony hahagaga raha nahazo fanambarana i Joseph Smith mikasika ny fomba tokony hanatanterahana ny batisa, izay mifanaraka tanteraka amin’ny rafitr’i Kristy (jereo ny F&F 20:73–74).

Ôrdônansy tao amin’ny fiangonan’i Kristy tany am-piandohana ve ny batisa ho an’ny maty? Eny.

Ireo mpikamban’ny Fiangonana tao Korinto dia nandray anjara tamin’ny ôrdônansy marina izay fantatra tamin’ny hoe batisa ho an’ny maty. Ireo olona ireo anefa dia niahiahy ny amin’ny fisian’ny Fitsanganana amin’ny maty. Rehefa nahatsapa ny tsy fifanarahan’ny zavatra nataon’izy ireo tamin’ny zavatra ninoan’izy ireo i Paoly, dia nampiasa ny fandraisan’izy ireo anjara tamin’ny ôrdônansy marin’ny batisa ho an’ny maty izy mba hanaporofoana ny fotopampianarana marina momba ny Fitsanganana amin’ny maty: “Raha tsy izany, hanao ahoana izay atao batisa ny amin’ny maty? Raha tsy hatsangana mihitsy ny maty, nahoana ireo no atao batisa ny aminy?” (1 Korintiana 15:29).

Raha vao manaiky ny fotopampianarana marina ny olona iray ary miaiky fa ilaina amin’ny famonjena ny batisa (ary izany tokoa), dia voatarika ho azy ny hino ny batisa ho an’ny maty izy—tsy azo lavina izany. Raha tsy izany dia ahoana no hamaliantsika ilay fanontaniana saro-baliana manao hoe “Dia ahoana ny amin’ireo izay maty tsy nanana fahafahana nanao batisa?” Ireo izay manana io fanontaniana io dia manana safidy efatra azo isafidianana:

Voalohany, ny lehilahy sy ny vehivavy izay tsy vita batisa dia hohelohina sy handeha any amin’ny helo. Ny valinteny toy izany anefa dia tsy mifanaraka amin’ny fahamarinana ao amin’ny soratra masina hoe “Tsy mizaha tavan’olona Andriamanitra” (Asan’ny Apôstôly 10:34) ary Andriamanitra dia maniry “ny olona rehetra hovonjena” (1 Timoty 2:4).

Faharoa, tsy tena izay angamba no tian’Andriamanitra holazaina—tsy tena ilaina amin’ny famonjena angamba ny batisa. Saingy tsy mitombina izany satria tena izay tiany lazaina foana no ambaran’Andriamanitra: “Izay efa noteneniko Izaho Tompo dia efa noteneniko, ary tsy manalady ny tenako Aho” (F&F 1:38; jereo koa ny Môsià 2:24).

Fahatelo, ny sasany dia mino fa ny zavatra takiana iray antsoina hoe “batisa amin’ny faniriana” dia azo hanoloana ny batisa amin’ny rano. Izany hoe, raha maniry ny hanaraka an’i Jesoa ny olona iray kanefa tsy nanana fahafahana ny ho atao batisa teto an-tany, dia lasa azo ekena ho solon’ny batisa amin’ny rano ny faniriana tsara ananany. Ny olana amin’ity safidy iray ity dia tsy misy soratra masina manohana izany. Tsy milaza ny soratra masina hoe “Raha misy olona tsy ateraky ny faniriana,” fa hoy kosa izy hoe “Raha misy olona tsy ateraky ny rano sy ny Fanahy, dia tsy mahazo miditra amin’ny fanjakan’Andriamanitra izy” (Jaona 3:5; nampiana fanamafisana).

Ny safidy fahaefatra dia hoe tena nilaza izay tiany holazaina Andriamanitra rehefa nandidy ny olona rehetra mba hatao batisa, ary noho izany dia nanome lalana ho an’ny olona rehetra mba hatao batisa Izy na dia tsy nisy mihitsy aza ny fahafahana nanao izany teto amin’ny fiainana an-tany. Ny batisa ho an’ny maty izany. Io no safidy mifanaraka amin’ilay rafitra.

Inona no lazain’ilay rafitra mikasika ny fomba hanomezana ilay fanomezana—tsy ilay fitaomana mandalo, fa ilay fanomezana mitoetra—an’ny Fanahy Masina aorian’ny batisan’ny olona iray? Milatsaka ho azy amin’ny olona iray aorian’ny batisany ve izany? Tonga tahaka ny fifofofofon’ny rivotra ve izany, sa misy ve ny ôrdônansy masina, fomba masina izay tsy maintsy arahina mba handraisana ilay fanomezana? Manome ny valin’izany ilay rafitra.

Rehefa avy nanao batisa mpikambana vaovao vitsivitsy tany Samaria i Filipo dia tonga i Petera sy i Jaona. Dia manambara ny fomba tokony hanatanterahana izany ôrdônansy izany ny soratra masina avy eo: “Ary [i Petera sy i Jaona] nametra-tànana taminy, ka dia nandray ny Fanahy Masina ireo” (Asan’ny Apôstôly 8:17; nampiana fanamafisana).

Io fomba io ihany no narahana taorian’ny nanaovan’i Paoly batisa ireo mpikambana vaovao tany Efesôsy:

“Ary raha nahare izany izy, dia natao batisa ho amin’ny anaran’i Jesosy Tompo.

Ary rehefa nametrahan’i Paoly tànana izy,dia nilatsaka taminy ny Fanahy Masina” (Asan’ny Apôstôly 19:5–6; nampiana fanamafisana).

Mbola mifanaraka tsara indray ilay rafitra sy Fiangonan’i Kristy naverina tamin’ny laoniny eto.

Mety ho toy izao ny ao amin’ny pejy manaraka amin’ilay rafitra hoe: “Voa avy amin’ny Fiangonan’i Kristy.” Nanome ity fomba fanamarinana ity ny Mpamonjy: “Ka dia ny voany no hahafantaranareo azy” (Matio 7:20). Inona ireo voa avy amin’ny Fiangonan’i Kristy araka ny voaporofo ao amin’ilay rafitra?

Voalohany, niezaka ny ho vahoaka salama ireo olomasina tamin’ny andro fahiny. I Paoly dia nampianatra fa ny vatantsika dia “tempoly” izay hitoeran’ny fanahintsika ary, noho izany, dia tokony horaisina ho masina: “Tsy fantatrareo va fa tempolin’Andriamanitra hianareo, ary ny Fanahin’Andriamanitra mitoetra ao anatinareo? (1 Korintiana 3:16 jereo koa ny 1 Korintiana 6:19). Noho izany dia nanana lalàn’ny fahasalamana voafaritra izay nankatoaviny ireo mpikamban’ny Fiangonan’i Kristy, toy ny fandrarana vitsivitsy amin’ny fisotroana divay izay hita ao amin’ny Efesiana 5 sy 1 Timoty 3. Mifanaraka tsara amin’io lalàna masina mba hanao ny vatantsika ho toy ny tempoly io dia naharay lalàna momba ny fahasalamana avy amin’ny Tompo i Joseph Smith ho an’ny mpikamban’ny fiangonan’i Kristy naverina tamin’ny laoniny, izay fantatra amin’ny hoe ny Tenin’ny Fahendrena. Vokatry ny fiainana io lalàn’ny fahasalamana io dia nohamafisin’ny fandalinana maro naverimberina natao fa ny mpikambana ao amin’Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany dia anisan’ireo olona salama indrindra eto amin’izao tontolo izao. Iray amin’ireo vokatra avy amin’ny fiainana ny lalàn’ny fahasalamana an’i Kristy izany.

Ny voa iray faharoa avy amin’ny Fiangonan’i Kristy dia ireo fahagagana sy fanomezam-pahasoavan’ny Fanahy tao aminy. Voarakitra ao amin’ireo pejy mifanesy ao amin’ny Testamenta Vaovao izy ireo. Izy ireo dia porofo fa misy ao amin’ny Fiangonan’i Kristy ny fahefan’Andriamanitra (jereo ny Hebreo 2:4). Saingy indrisy anefa fa rehefa tonga ny Apôstazia dia vitsy sisa ny fahagagana—tena niaiky izany ireo mpahay tantara ary niaiky izany ireo mpitondra fanavaozana. I Paul Johnson, izay mpahay tantara fanta-daza dia nanoratra fanamarihana hoe: “Efa nekena farafahaingany tamin’ny andron’ny amperora [izany hoe ny andron’i Constantin] fa efa tapitra ny ‘fotoan’ny fahagagana’, satria tsy afaka nanely ny filazantsara tahaka ny nataon’ny apôstôly izay nomban’ny fanampian’ny hery mihoatra ny herin’olombelona intsony ireo mpitarika Kristianina.”5

Nahoana no tonga ilay fotoana izay tsy nisian’ny fahagagana sy ny fanomezam-pahasoavan’ny Fanahy intsony?—satria ilay hazo izay nitondra ilay voa, dia ny Fiangonan’i Kristy izany, dia tsy teto an-tany intsony ary nihena ny finoan’ireo olona. I John Wesley dia nahatsikaritra io tsy fisian’ny fanomezam-pahasoavan’ny Fanahy avy ao amin’ny Fiangonana io tamin’ny androny: “Toa tsy hita tao amin’ny fiangonana nandritra ny taonjato roa na telo teo farafahabetsany ireo fanomezam-pahasoavan’ny Fanahy mahatalanjona ireo.”6

Raha fintinina dia afaka mijoro ho vavolombelona aho, tahaka ny maro aminareo, fa fotoan’ny fahagagana sy ny fanomezam-pahasoavan’ny Fanahy ao amin’ny Fiangonan’i Kristy naverina izao, tahaka ny niseho tao amin’ny Fiangonany teo aloha ihany.

Misy ny voa fahatelo—ilay rafitry ny Fiangonan’i Kristy dia mirakitra tantara maro mikasika ny anjely sy ny fahitana. Ny olona sasany ankehitriny dia mijery amim-piahiahiana ny fiangonana iray izay manambara mikasika ny anjely sy ny fahitana, kanefa rehefa miahiahy toy izany izy ireo dia manadino fa ny anjely sy ny fahitana dia ampahany manan-danja tao anatin’ny Fiangonan’i Kristy tany am-piandohana: Ilay anjely izay nanambara ny fahaterahan’i Kristy tamin’i Maria; ireo anjely tonga teo amin’i Petera sy i Jakôba ary i Jaona teo an-Tendrombohitry ny Fiovan-tarehy; ilay anjely nanafaka an’i Petera sy i Jaona tao am-ponja; ilay anjely niresaka tamin’i Kôrnelio; ilay anjely nampitandrina an’i Paoly ny naha antomotra ny faharendrehan’ny sambo; ilay anjely tonga teo amin’i Jaona ilay Mpanambara; ny fahitan’i Stefana ny Ray sy ny Zanaka; ny fahitan’i Jaona ny andro farany; sy ny maro hafa. Ny fanontaniana dia tsy tokony hoe “Amin’ny fomba ahoana no maha ilay Fiangonana marina Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany noho ny fanambarany ny amin’ny anjely sy ny fahitana?” Fa tokony ho izao ny fanontaniana, “Amin’ny fomba ahoana no ahafahan’ny fiangonana amin’izao fotoana izao, na iza izany na iza, milaza fa ilay Fiangonana marin’i Jesoa Kristy raha tsy manana anjely sy fahitana izy—tahaka izay nitranga tao amin’ny Fiangonan’i Kristy tany am-piandohana mihitsy, tahaka izay ambara ao amin’ilay rafitra nataony mihitsy?”

Misy voa maro izay mifanaraka tsara amin’ny Fiangonan’i Kristy tany am-piandohana:

Fiangonana mitory ny filazantsara izany—ny Apôstôly dia nodidiana hoe “mandehana hianareo, dia ataovy mpianatra ny firenena rehetra” (Matio 28:19). Amin’izao dia manana misiônera mihoatra ny 80.000 isika manatanteraka io didy io sy mitondra ny voa avy amin’ny fanaovana izany.

Fiangonana nitandro ny fahadiovam-pitondrantena izany—ilay rafitra dia mampianatra antsika fa ireo Olomasina voalohany tao amin’ny Fiangonan’i Kristy dia nomena didy mba hanao fitafy maotina sy hampitsahatra ny fanaovana firaisana ara-nofo alohan’ny fanambadiana. Firy ny fiangonana sady mampianatra ireo fitsipi-pitondrantena ireo no miaina izany koa?

Fiangonana nifototra tamin’ny fianakaviana ny Fiangonan’i Kristy tany am-piandohana. Ny lehilahy dia nodidiana mba hitia sy ho mahatoky tamin’ny vadiny (jereo nyEfesiana 5:23–25), ny zanaka dia nodidiana hankatò ny ray aman-dreniny (jereo nyEfesiana 6:1), ary ny eveka dia nodidiana hitantana tsara ny ankohonany (jereo ny 1 Timoty 3:4–5). Ankehitriny, ny Fiangonantsika, tahaka ny Fiangonan’i Kristy tany am-piandohana, dia fantatra amin’ny maha-fiangonana mifototra amin’ny fianakaviana azy. Ireo voa avy amin’ny Fiangonan’i Kristy dia voarakitra amim-pitandremana ao amin’ny Baiboly ary tsy misy hafa amin’ny amin’ny Fiangonan’i Kristy naverina tamin’ny laoniny amin’izao fotoana izao izy ireo.

Nanangana ny Fiangonany teto an-tany i Kristy, kanefa ilay pejy farany ao amin’ilay rafitra dia manambara fa mifandray amin’ny lanitra izany—dia ny “Fanambarana avy amin’Andriamanitra.” Raha tsy misy io rohy io ny Fiangonana dia ho toy ny fikambanana naorin’olombelona ihany, izay tantanan’ny herin’ny saina. Nanambara ny Mpaminany Amôsa hoe: “Tsy manao na inona na inona tokoa Jehovah Tompo, raha tsy milaza ny heviny amin’ny mpaminany mpanompony” (Amôsa 3:7). Nanamafy i Paoly fa io fanambarana io dia ampahany tena ilaina ao amin’ny Fiangonana ary natao mba hitohy, satria izao no nambarany hoe: “Fa handroso hilaza fahitana sy fanambaran’ny Tompo aho” (2 Korintiana 12:1; jereo koa ny Asan’ny Apôstôly 1:2).

Mifanaraka tsara amin’izany fotopampianarana fototra izany, ny Fiangonan’i Kristy amin’izao fotoana izao dia mifandray amin’ny lanitra amin’ny alalan’ny fanambarana tsy miato. Ny fanambaran’ny Fiangonana ny finoana mikasika izany, izay fantatra amin’ny hoe fanekem-pinoana fahasivy, dia mivaky toy izao: “Mino ny zava-drehetra izay efa nambaran’Andriamanitra isika, izay ambarany ankehitriny, ary mino isika fa Izy dia mbola hanambara zavatra lehibe sy manan-danja maro mikasika ny Fanjakan’Andriamanitra.”

Raha toa ka mampifanaraka ilay rafitry ny Fiangonan’i Kristy tany am-piandohana amin’ny fiangonana rehetra eto amin’izao tontolo izao ankehitriny ny olona iray, dia hahita izy fa raha singa tena mitovy, raha fandaminana tena mitovy, raha fampianarana tena mitovy, raha ôrdônansy tena mitovy, raha voa tena mitovy, ary fanambarana tena mitovy dia tsy hifanaraka afa-tsy amin’ny fiangonana iray ihany izany—Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany.

Raha mandà ity Fiangonana ity ny olona iray aorian’ny fandalinany ilay rafitra, dia mety tena tsy hiditra ao amin’ny Fiangonana hafa intsony izy satria efa mahafantatra zavatra maro loatra. Hitovy amin’i Petera izy, izay nanontanian’ny Mpamonjy hoe “Hiana[o] koa va mba hiala?” (Jaona 6:67). Nanome valinteny izay tokony ho voasokitra ao am-pon’ny olona rehetra sy tokony holalaina ao amin’ny tokantrano rehetra i Petera nanao hoe: “Ho any amin’iza moa izahay? Hianao no manana ny tenin’ny fiainana mandrakizay” (Jaona 6:68).

Raha miala amin’ny Fiangonana ny olona iray dia aiza no halehany hianarany mikasika ny fahamarinana naverina tamin’ny laoniny mikasika ny toe-tenan’Andriamanitra araka izay naseho tao amin’ilay Alakely Masina, sy ny fahafenoana bebe kokoa mikasika ny Sorompanavotana tahaka izay ampianarina ao amin’ny Bokin’i Môrmôna, ny fitoriana ny filazantsara amin’ny maty, ireo ambaratongam-boninahitra telo, ary ny fianakaviana mandrakizay? Aiza no halehany mba hahazo ireo ôrdônansy izay afaka hamonjy sy hanandratra azy? Aiza no halehany mba hahazoany mamehy ny vady aman-janany aminy hiaraka mandrakizay? Aiza no halehany rehefa te hahazo tsodrano fampaherezana na fanasitranana avy amin’ny fisoronana ho an’ny olona iray ao amin’ny fianakaviana izy? Aiza no halehany mba hahita mpaminanin’Andriamanitra? Ho very maina ny fitadiavany ireo fotopampianarana, ireo ôrdônansy, ireo fahefana ary ireo mpaminany ireo satria ao amin’Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany ihany no misy azy ireo.

Tsy misy afaka mahazo ireo fotopampianarana sy ôrdônansy tahaka ny namerenana azy tamin’ny laoniny tamin’ny alalan’ny Mpaminany Joseph Smith raha tsy manaiky an’i Joseph Smith sy ny tantara fototra izay fototr’izany fotopampianarana sy ôrdônansy izany. Tsy azo sarahina izy ireo. Mandeha miaraka izy ireo. Tsy afaka milaza ny voa ho tsara ianao ary avy eo dia milaza ny hazo ho ratsy. Nampianatra izany fahamarinana izany ny Mpamonjy taloha ela be: “Ny hazo tsara tsy mety mamoa voa ratsy, ary ny hazo ratsy tsy mety mamoa voa tsara” (Matio 7:18). Noho izany, raha toa ka tsara ny voan’ny fotopampianarana izay noresahantsika teto izao takariva izao dia tsara toy izany koa ilay hazo izay nitsirian’izany—I Joseph Smith sy ilay tantara fototra miaraka amin’izany mikasika ireo fahamarinana nampahafantarina ireo—dia tsara toy izany koa. Tsy afaka mahazo ny iray ianao raha tsy eo ny iray hafa.

Tao anatin’ny lahateny iray natao nandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana iray dia niresaka momba ny zava-bitan’i Joseph Smith i B. H. Roberts ary rehefa niresaka momba ireo fitsikerana natao momba an’i Joseph izy dia nilaza hoe: “Hoy aho hoe, Tanteraho izay vitany! Tanteraho izay vitany! Na tampeno ny vavanao na aoka ianao hangina rehefa resahana ny anarany.”7

Ny olana ara-tantara sy ara-tsôsialy izay mety hananan’ny olona sasany, ilay ady lazaina fa misy eo amin’ny fotopampianaran’ny Fiangonana sy ny siansa—ireo dia tsy manan-danja firy. Ny tena manan-danja dia ireo fotopampianarana, ôrdônansy, fahefan’ny fisoronana ary ireo voa hafa avy amin’ny Fiangonantsika, ary maro amin’izy ireo no noresahana tamin’ity hariva ity. Kanefa mety hamaly ny olona sasany hoe, “Mino ireo rehetra ireo aho, saingy inona no havaliko ireo tsikera sy ireo fanontaniana manokana apetrak’izy ireo?”

Ny mpisolovava iray dia mahafantatra fa rehefa avy nampiteny ny vavolombelony fototra ilay mpisolo vava ny mpitory dia toy ny meloka tokoa ilay toriana. Ny olona iray izay mailaka hanao valim-pitsarana amin’izay fotoana izay dia mety hamaritra fa meloka ilay toriana, kanefa amin’izay fotoana izay dia mitranga ao amin’ny efitrano fitsarana ny zava-miseho iray mahaliana. Manomboka mametra-panontaniana amin’io vavolombelona fototra io ilay mpisolovava ilay olona toriana, ary matetika no mitranga ny toe-javatra toy izao manaraka izao: Manomboka mihamaivana ny valinteny feno fahatokian-tena teo aloha nomen’ilay vavolombelona rehefa tratran’ny tsindry avy amin’ny fanontanian’ny mpisolovava ilay olona toriana. Ilay vavolombelona izay toy ny tsy nampisy ahiahy dia lasa niteny zavatra hafa noho ny teo aloha ary mety fahadisoana mibaribary amin’ny fijoroany ho vavolombelona mikasika ny zava-niseho mihitsy aza. Ilay tantara noheverina ho mari-pototra notantarain’ilay vavolombelona dia manomboka miharavarava isaky ny fanontaniana vaovao apetraka aminy. Afaka namaly ireo fanontaniana mora nataon’ny mpisolovava ilay olona mpitory izy, saingy rehefa tonga ireo fanontaniana sarotra avy amin’ny mpanohitra, dia tsy mahatohitra ireo fanontaniana sarotra sy manadihady lalina izy. Rehefa vita ny fametraham-panontaniana nataon’ilay mpisolovava ny olona notoriana dia efa namoha ahiahy lehibe ilay vavolombelona. Ilay mpijery izay vonona teo aloha ny hanameloka ilay olona notoriana dia mahita amin’izay fa madio tanteraka ilay olona.

Tahaka izany koa, ny olona sasany mpitsikera ny Fiangonana dia mametraka fanontaniana manenjika ny Fiangonana, izay mikendry ny hahatonga ny Fiangonana ho ratsy eo imason’ny olona. Kanefa samy afaka mametraka fanontaniana ny andaniny sy ny ankilany izay tsy mitovy fijery.8 Tsy voaaro amin’ny fanontanian’ny toriana ireo vavolombelona fototry ny mpitory, ary tsy voaaro toy izany koa ireo mpitsikera ny Fiangonana izay henjana indrindra. Tsy mbola nahita mpitsikera ny Fiangonana aho, izay afaka nanome ahy valim-panontaniana mahafa-po “rehefa napetrako mba hanoherana azy ireo” ireto fanontaniana manaraka ireto:

Voalohany, tamin’ny fomba ahoana no nahaizan’i Joseph Smith ny fomba hamerenana amin’ny laoniny ireo fotopampianarana sy ôrdônansy ao amin’ny Baiboly, toy ny fotopampianarana mikasika ny fiainana talohan’ny nahaterahana, ny toetran’Andriamanitra marina ara-batana, ny filazantsara toriana amin’ny maty, ny batisa ho an’ny maty, ary ny maro hafa noresahana androany, rehefa tsy nampianarin’ny fiangonana maoderina hafa tamin’ny androny ireo fotopampianarana sy ôrdônansy ireo? Nahoana no i Joseph Smith no hany olona nahita azy ireo sy namerina azy ireo tamin’ny laoniny? Na dia noraisina ho toy ny mpandalina haifinoana manan-talenta aza izy dia tsy nisy olona tena manan-talenta toy izany mihitsy ve tao anatin’ny 1.800 taona taorian’ny asa fanompoan’ny Mpamonjy izay afaka nanaraka tsara izany araka ny tokony ho izy?

Faharoa, raha tsy Fiangonan’i Kristy ity Fiangonana ity dia nahoana ity Fiangonana ity no mahazo voa mitovy amin’ny voa azo tao amin’ny Fiangonan’i Kristy tany am-piandohana, anisan’izany ireo fahagagana sy fanomezam-pahasoavan’ny Fanahy, ny fanambarana avy amin’ireo apôstôly sy mpaminany, ny anjely sy ny fahitana, vahoaka salama, vahoaka madio fitondrantena, vahoaka mifofotra amin’ny fanaovana asa fitoriana, ary vahoaka tena mifantoka amin’ny fianakaviana? Tsy nanambara ve ny Mpamonjy hoe “ny voany no hahafantaranareo azy”? (Matio 7:20).

Marina tokoa fa maro ny fanontaniana fanoherana izay azo apetraka. Misy anefa ireo fanontaniana izay manan-danja lavitra noho ny hafa—izany dia midika hoe fototra tena ilaina amin’ny adihevitra iray izy ireo. Ho famintinana dia izao, ny fanontaniana sasany dia manan-danja tsotra izao noho ny hafa mba hahafantarana ny marina. Raha mahafantatra ianao fa namerina tamin’ny laoniny ireo fampianaran’ny Baiboly sy ireo ôrdônansy resahana etsy ambony i Joseph Smith, raha mahafantatra ianao fa Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany dia manana voa tahaka ny voa azo tao amin’ny Fiangonan’i Kristy tany am-piandohana, na raha mahafantatra ianao fa avy amin’Andriamanitra ny Bokin’i Môrmôna dia fantatrao fa mpaminany i Joseph Smith. Ary raha mpaminany i Joseph Smith, dia ity no ilay hany Fiangonana marina sy velona eto ambonin’ny tany iray manontolo—tsy manan-danja ny fanontaniana sasany raha ampitahaina amin’izany. Izany dia tahaka ny Fitsarana Avo izay manambara ny fanapahan-keviny momba ny ady iray. Amin’izay fotoana izay, ny fanapahan-kevitra rehetra nataon’ny fitsarana ambany noho izany. Ny fanontaniana rehetra napetraky ny mpitsikera, na dia manadihady na sarotra na mahafinaritra toy ny ahoana aza, dia tsy singa lehibe intsony amin’ny famantarana ny marina. Nahoana? Satria efa novalianao ireo fanontaniana manan-danja—fanontaniana tena ilaina—izay andry fototra ahafantarana ny marina.

Ho famintinana, izaho dia afaka mandefitra eo anatrehan’ny fahalemena sasantsasany ananan’ny olombelona, na dia eo anivon’ireo mpaminanin’Andriamanitra aza—zava-mitranga eo amin’ny olombelona izany. Izaho dia afaka mandefitra amin’ireo zavatra lazain’ny siantifika fa hitan’izy ireo, izay manohitra ny Bokin’i Mormôna; ho voahitsy ireo rehefa mandeha ny fotoana. Ary afaka mandefitra eo anatrehan’ireo zava-mitranga hafahafa ara-tantara aho; bitika izy ireo eo anatrehan’ny fahamarinana feno. Saingy tsy afaka ny hiaina ao anatin’ny tsy fisian’ireo fahamarinan’ny fotopampianarana sy ôrdônansy naverin’i Joseph Smith tamin’ny laoniny aho, tsy afaka ny hiaina ao anatin’ny tsy fisian’ny fisoronan’Andriamanitra mba hitahy ny fianakaviako aho, ary tsy afaka miaina aho raha tsy fantatro fa voafehy amiko mandrakizay ny vadiko sy ny zanako. Izany no safidy atrehintsika—azontsika atao ny miaina ao anatin’ny fanontaniana vitsivitsy tsy voavaly etsy andaniny ary fahazoana antoka maro be mikasika ny fotopampianarana sy ny fahefan’Andriamanitra etsy ankilany. Ary ho ahy, ary manantena aho fa ho anao, ny safidy dia safidy mora iray sy safidy hendry iray.

Mijoro ho vavolombelona aho fa ny Fiangonana izay hotarihinareo indray andro any dia mitondra ny anaran’i Kristy satria manana ilay lamina nekeny izany, ny fampianarany, ny ôrdônansiny, ny fahefany, ny voa avy Aminy, ary ny fanambarana tsy tapaka avy Aminy, ary ireo rehetra ireo dia resahana ao anatin’ilay rafitra masina nataony. Enga anie isika mba hanana ilay fomba fijery ara-panahy mba hahita ny fifanarahan’izany rafitra izany araka ny tokony ho izy amin’ny Fiangonan’i Kristy naverina tamin’ny laoniny amin’izao fotoana izao, satria izany dia iray amin’ireo vavolombelon’Andriamanitra izay tsy azo lavina ho antsika. Izany no ijoroako ho vavolombelona sy ivavahako amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.

© 2014 an’ny Intellectual Reserve, Inc. Zo rehetra voatokana. Fankatoavana ny tamin’ny teny Anglisy: 9/13. Fankatoavana ny fandikana: 9/13. Fandikana ny What Is the Blueprint of Christ’s Church? Malagasy. PD50051805 654

Fanamarihana

  1. Nampianatra ny Mpaminany Joseph Smith fa: “Ny Evanjelisitra dia ny patriarika” (Teachings of the Prophet Joseph Smith, [2007], 140).

  2. Ny teny hoe Mpiandry dia teny mahafaoka zavatra maro, tsy voafaritra, natao ho an’ny olona iray izay mitarika andian’ondry.

  3. Misy ireo milaza fa ny vatan’i Kristy izay nitsangana tamin’ny maty dia fisehoana ara-batana voafetra ihany ho an’ny tombontsoan’ny olombelona ary rehefa niakatra ho any an-danitra Izy dia nametraka ny vatany teto an-tany mba tsy ho main’ireo “fetra” tsy azon’ny toetoetran’ny vatana zakaina izany. Noho izany dia milaza izy ireo fa ankehitriny dia fanahy iray any an-danitra i Kristy. Na izany aza anefa dia tsy misy porofo ara-tsoratra masina fa ny vatan’i Kristy izay nitsangana tamin’ny maty dia toetoe-batana amin’ny fotoana voafetra na hoe efa nametraka ny vatany teto an-tany Izy. Efa tsinjon’ny Apôstôly Paoly mialoha sahady izany fomba fihevitra izany ka dia nanitsy izany izy. Nampianatra izy fa tsy ho vitan’i Kristy ny hametraka ny vatany efa nitsangana tamin’ny maty: “Fantatsika fa rehefa nitsangana tamin’ny maty Kristy, dia tsy maty intsony Izy; tsy manan-kery aminy intsony ny fahafatesana” (Romana 6:9; nampiana fanantitranterana). Io soratra masina io dia manambara fa tsy afaka ny ho faty intsony i Kristy aorian’ny Fitsanganany amin’ny maty. Noho ny maha fisarahan’ny vatana sy ny fanahy ny fahafatesana, (jereo ny Jakoba 2:26), ity soratra masina ity dia mampianatra fa tsy afaka nametraka ny vatany i Kristy talohan’ny niakarany tany an-danitra, raha tsy izany dia niaritra fahafatesana fanindroany indray Izy tamin’ny fotoan’ny Fiakarany tany an-danitra—toe-javatra izay nolazain’i Paoly fa tsy ho nitranga.

  4. Will Durrant, The Story of Civilization: The Age of Faith (1950), 738.

  5. Paul Johnson, A History of Christianity (1976), 162; nampiana fanamafisana.

  6. John Wesley, The Works of John Wesley, edis. faha-3, 14 vols. (naverina navoaka ny 1986 avy tamin’ny edisiona 1872), 7:26.

  7. B. H. Roberts, quoted in Truman G. Madsen, Defender of the Faith: The B. H. Roberts Story (1980), 351.

  8. Azonao ampahatsiahivina fa ny Mpamonjy, izay vao avy nanadio ny tempoly, ary niverina teo taorian’izany, dia natonin’ireo mpitsikera Azy, izay nanontany hoe: “Fahefana manao ahoana no anaovanao izao?” Namaly ny Mpamonjy, izay nahatakatra tsara fa mandray roa izay fanontaniana izay, tamin’ny fitenenana hoe “[Izaho kosa hanontany anareo zavatra iray loha, ary raha valianareo izany, izaho kosa dia hilaza aminareo ny fahefana anaovako izany.] Ny batisan’i Jaona, avy taiza moa izany? Avy tany an-danitra va sa avy tamin’ny olona? Rehefa nahatsapa ny loza mandindona amin’ny famaliana ny fanontaniany ireo mpitsikera dia nilaza fa tsy afaka namaly—izay novalian’ny Mpamonjy hoe—“Izaho kosa tsy hilaza aminareo izay fahefana anaovako izany” (jereo ny Matio 21:23–27).

Hamoaka printy