Fampaherezam-panahy maneran-tany
Fototra Mafy Orina


61:7

Fototra Mafy Orina

Fampaharezam-panahy ho an’ny Tanora Tokan-tena sy Mpivady Vao Herotrerony • 2 Nôvambra 2014 • Tabernakelin’i Ogden, Ogden, Utah

Mampientanentana anay sy Rahavavy Hallstrom ny miaraka aminareo amin’izao hariva izao. Rehefa mijery ny endrik’ireo izay hitanay maso amin’izao hariva izao izahay dia azonay sary an-tsaina ireo tanora tokan-tena sy mpivady vao herotrerony manerana izao tontolo izao izay manatrika ity fampitana mivantana ity. Manana fahafahana ny hitsidika matetika an’ity Fiangonana ity iray manontolo izahay. Nihaona tamin’ny maro taminareo sy tamin’ny olona maro mitovy aminareo izahay. Nihaona tamin’ireo tanora tokan-tena sy mpivady vao herotrerony izay niova fo izahay ary nihaona tamin’ireo izay mbola miezaka ny hiova fo bebe kokoa. Nihaona tamin’ireo tanora tokan-tena sy mpivady vao herotrerony izay very sy hita indray izahay—na nahita ny tenany indray raha ny marimarina kokoa. Nihaona tamin’ireo tsy mitovy finoana amintsika izahay, sy ireo izay natao batisa vao haingana ary ireo izay teraka tao amin’ireo fianakaviana maro mpikamban’ny Fiangonana izay tao anatin’ny taranaka maro nifandimby. Mijoro ho vavolombelona izahay fa zanak’Andriamanitra avokoa ny rehetra ary samy manana fahafahana feno ny hahazo ireo fitahiana rehetra amin’ny mandrakizay.

Amin’ny maha-solontena ahy ao amin’ny fitarihana ny Fiangonana dia afaka miteny amim-pientanentanana aho hoe “Tia anareo izahay!” Noho izaho mahita akaiky ireo mpaminany sy apôstôly ary noho izaho tena mahafantatra azy ireo dia afaka miteny amim-pahatokiana aho fa tena mijery akaiky tokoa an’ireo tanora tokan-tena sy mpivady vao herotrerony ato amin’ny Fiangonana izy ireo. Mpandray anjara manan-danja amin’ny zavatra miseho amin’izao fotoana izao sy amin’ny hoavy ianareo. Mila anareo izahay!

Miainga avy eto amin’ny Tabernakelin’i Ogden ity fivoriana ity, izay trano navaozina ho tsara tarehy tokoa ary mifanakaiky amin’ny Tempoly mendri-kaja sady lehiben’i Ogden Utah. Io tempoly io sy ity tabernakely ity dia naverin’ny Filoha Thomas S. Monson notokanana vao enim-bolana lasa izay. Iray amin’ireo tempoly 143 miasa amin’izao fotoana izao naparitaka maneran-tany io tempoly io. Mba hanehoana hoe firy taona aho, na raha lazaina amin’ny fomba tsaratsara kokoa hoe toy ny ahoana no hanafainganan’ny Tompo ny asany, dia tsy nisy afa-tsy tempoly valo teto an-tany tamin’ny fotoana nahaterahako.

Hiresaka mikasika ireo fototra amin’ny fampiasana ny tempoly ho toy ny fanoharana aho anio hariva. Tamin’ny fisaintsainana ny mety ho endriky ny tempoly tsirairay avy sy ny fananganana azy dia asa goavana no natao manokana tamin’ny zavatra izay tsy ho mora ny hahatazànana azy rehefa vita ilay tetikasa—dia ny fototra izany. Ity ohatra dia sary nataon’ny mpahay asa kanto iray, izay maneho ny Tempolin’i Philadelphie Pennsylvanie, izay eo an-dalam-panamboarana amin’izao fotoana izao. Rehefa vita io trano mahatalanjona io dia ho 24,99 metatra ny haavony hatreo amin’ny tafony ary hahatratra 59,44 metatra hatreny amin’ny tampon-dohan’ny anjely Môrônia. Araka izao ahitanareo azy izao dia ho kanto tokoa izany! Kanefa na dia ho goavana sy mendri-kaja toy izany aza ity fotodrafitrasa ity dia mbola afaka hamely azy ihany ny rivo-mahery manimba sy ny rano miparitaka ao ambanin’ny tany. Mety hanimba ity trano kanto sy mendri-kaja ity, ary mety handrava azy mihitsy aza, ireo toe-javatra henjana ireo raha toa ka tsy voavaha.

Noho ny fahalalan’izy ireo fa hamely tsy an-kijanona ny tempoly ireo hery ara-boajanahary ireo, dia nisaintsaina ny hanaovana lavaka lalina hatrany amin’ny 9,75 metatra tany ambanin’ny faritra hanaovana ilay fotodrafitrasa ireo injeniera ary ireo mpanao fifanarahana ara-kasa kosa dia nangady izany. Nolavahana hatrany amin’ny vatomainty ao amin’ny fanambanin’i Pennsylvanie ilay lavaka mba hametrahana fototra tsy azo hozongozonina hanaovana ny fanorenana. Nampifandraisina tamin’ilay fototra vatomainty tamin’ny alalan’ny fandraiketana amin’ny vato ny fanambanin’ireo simenitra voasesika vy sy ireo fototra mba tsy hampihontsona izany na dia amin’ny rivo-mahery sy ny rano mahery vaika ao ambanin’ny tany aza. Nalentika tany amin’ny 15,24 metatra ka hatrany amin’ny 68,58 metatra tao anatin’ilay vatomainty ireo fandraiketana ary nohenjanina tamin’ny lanja 17.780 kg isaky ny santimetatra toradroa. Mifanelanelana 4,57 metatra ireo fandraiketana izay mitodika any amin’ireo lafiny roa samy hafa.

Manome ny atsipiriany toy izany aho mba hampianarana izao manaraka izao: Tsy mba tahaka ny fananganana fotodrafitrasa (izay voafaritra mandrakariva ho toy ny tsy maharitra), fa rehefa manorina ny fiainantsika izay tsy manam-pahataperana (ary antenaina mba ho mandrakizay) isika dia indrisy fa zara isika raha manome lanja ny fampiasana fahaiza-mamorona sy ny fanorenana ireo fototra ifaharantsika. Vokatr’izany dia lasa mananontanona antsika akaiky dia akaiky ireo hery manimba fatratra tokoa ary mora voataonan’izy ireny isika.

Miaina ao anatin’ny tontolo izay mety hampisavorovoro ny saina isika—ka raha avelantsika hanana fiantraikany toy izany amintsika izy io dia mety hahatonga antsika hanadino hoe iza marina isika. Hoy ny Filoha Thomas S. Monson hoe:

“Ny fiainana an-tany dia fotoana hizahan-toetra ary fotoana hanaporofoantsika fa mendrika ny hiverina eo anatrehan’ny Raintsika any an-danitra isika. Mba hizahan-toetra antsika dia tsy maintsy miatrika fanamby sy zava-tsarotra isika. Mety hampilavo lefona antsika izany ary hanakivy sy hampianjera ny fanahintsika—ary miseho izany rehefa tsy mifaka lalina ao anatintsika ny finoantsika sy ny fijoroantsika ho vavolombelona ny amin’ny fahamarinana.

“Tsy afaka miantehitra maharitra amin’ny finoana sy ny fjoroan’ny hafa ho vavolombelona isika. Tsy maintsy manana fototra mafy sy lalina iorenan’ny tenatsika manokana isika any aoriana any, fa raha tsy izany isika dia tsy ho afaka ny hanohitra ireo hotakotaky ny fiainana izay ho avy”1

Nofaritan’i Jesoa Kristy tamin’izao fomba izao izany rehefa niresaka mikasika ny olona iray izay mihaino sy manaraka Azy Izy:

“Tahaka ny olona nanao trano izy, izay nihady lalina ary nanisy fanorenana teo ambonin’ny vatolampy; ary nony tondraka ny rano, dia namely mafy izany trano izany ny riaka, nefa tsy nahahozongozona azy, satria tsara fanorenana izy.

“Fa izay mandre, fa tsy mankatò, dia tahaka ny olona izay nanao trano teo ambonin’ny tany, fa tsy nanisy fanorenana; dia mamely azy mafy ny riaka, ka dia nirodana niaraka tamin’izay izy; ary loza ny naharavan’izany trano izany” (Lioka 6:48–49).

I Jesoa Kristy no vatolampy izay tokony hanorenantsika ny fototsika. Niantso ny Tenany hoe ny “vatolampin’i Isiraely” ny Tompo ary nanantitrantitra fa “Izay manorina eo ambonin’ity vatolampy ity dia tsy hianjera na oviana na oviana” (F&F 50:44).

“Maneke ny fahalehibiazan’Andriamanitsika,” hoy i Mosesy. “[Izy no] Vatolampy, tanteraka ny asany” (Deoteronomia 32:3–4). Hoy i Davida hoe “Jehovah no harambatoko sy batery fiarovana ho ahy, ... ampingako, ... fiarovana avo ho ahy” (2 Samoela 22:2–3). Hoy ny Tompo tamin’i Enoka hoe “Izaho no Mesia, ny mpanjakan’ i Ziona, ny Vatolampin’ ny Lanitra” (Mosesy 7:53). Nidera ny Tompo i Nefia tamin’ny fiantsoana Azy hoe “vatolampin’ny famonjena ahy” sy “vatolampin’ny fahamarinako” (2 Nefia 4:30, 35). Nantsoin’i Isaia hoe “vato voazaha toetra, vato tsara izay fehizoro voaorina ho fanorenana mafy” (Isaia 28:16) ny Tompo. Nolazain’i Paoly hoe fototra iorenan’ny Fiangonana ny apôstôly sy ny mpaminany ary “Kristy Jesosy no fehizoro indrindra” (Efesiana 2:20).2

Tsy fotopampianarana vaovao izany. Mahatakatra izany isika rehetra na ampianarina amin’ny endriny manao ahoana izany na manao ahoana. Nampianarina an’izany isika tamin’ny alalan’ireo ray aman-dreny, tao amin’ny kilonga, tao amin’ny kilasin’ny Zatovovavy sy ny kilasy ary kôlejin’ny Fisoronana Aharôna, tao amin’ny seminera, tao amin’ny institiota, tamin’ny alalan’ireo misiônera amin’ny fotoana feno, ireo namana, ireo mpitarika ny Fiangonana eo an-toerana, ny soratra masina, ary tamin’ny alalan’ireo mpaminany sy apôstôly velona. Koa nahoana ary no sarotra tokoa ho an’ny maro amintsika ny manaraka izany fotopampianarana izany?

Raha lazaina amin’ny fomba tsotra dia tokony hiala avy ao an-tsaintsika izany ka hiditra ao anatintsika. Tokony hihoatra lavitra ny hoe eritreretintsika indraindray izany na ny hoe tsapantsika indraindray—tokony ho lasa ilay maha-isika antsika izany. Ny fifandraisantsika amin’Andriamanitra ilay Raintsika sy amin’ny drafiny mandrakizay ary amin’i Jesoa Kristy, ilay Zanany sy Vatolampintsika, dia tokony hiorina mafy tsara mba tena ho lasa vato fehizoron’ny fototra iorenantsika. Dia ho lasa toy ny an’ny olon’ny mandrakizay—zanakalahy na zanakavavin’Andriamanitra—aloha voalohany indrindra ny maha-izy azy antsika amin’izay fotoana izay ary avy eo dia ho toy ny an’ny olona iray izay mandray amim-pankasitrahana ireo fitahiana avy amin’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy. Dia azo aorina amim-pitokiana eo ambonin’io fototra io avy eo ireo maha-izy ny tena izay tena mendrika satria ho fantatsika hoe iza no maharitra mandrakizay ary iza no voafetra ary ahoana no handaharana azy ireo. Ary hosafidiantsika mihitsy aza ny hamela ireo toetra hafa maha-izy ny tena miaraka amin’ireo fomba amam-panao miaraka amin’izany (izay omen’izao tontolo izao lanja be tokoa ny sasany amin’izy ireo).

Tiako ilay hira faneva ankafizin’ny maro hoe “Fototra Mafy Orina.” Ny fomba nihiran’ny Aboarampeon’ny Tabernakely Môrmôna izany no tiako indrindra (izay tsy mahagaga velively). Ny fipetrahako teo anoloan’ny amboarampeo nandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany sy ny fahenoako ary ny fahatsapako ny herin’ilay ôrga sy ireo feo ary ilay mozika sy ny tonon-kira dia nahatonga ahy nanana faniriana ny hitsangana dia hiara-hihira amin’izy ireo. Koa satria fantatro fa havoaka any ivelan’ny Ivontoeran’ny Fihaonambe aho raha manao izany dia naleoko tsy nitsangana. Henoy anie ity hira mamintsika ao amin’ny fihirana ity e! izay vao nohiraina efatra herinandro izay nandritra ny fivoriana Alahady maraina tamin’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany. Ankafizo ireo tonon-kira; ary henoy indrindra indrindra ireo amin’ny andininy farany. Andininy fahafito izany raha ny tena izy fa eto izy dia nohiraina ho andininy fahefatra.

Vao haingana aho no nanatrika fivoriana tao amin’ny Tempolin’i Salt Lake niaraka tamin’ireo mpikambana ao amin’ny Fiadidiana Voalohany sy ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ary ireo Manampahefana Ambony hafa rehetra nomena andraikitra ao amin’ny foiben’ny Fiangonana. Nohirainay ireo andininy telo mahazatra ao amin’io hira kanto io, ary nofarananay izany taorian’ny andininy fahatelo tahaka ny fataontsika matetika mandritra ireo fivoriana fanasan’ny Tompo na ireo fivoriana hafa. Fa tamin’io fotoana io dia hoy ny Filoha Monson hoe “Andao hohiraintsika ny andininy fahafito.” Niaraka tamin’ireo Manampahefana Ambony lehibe ireo, anisan’izany ireo mpaminany velona sy ireo apôstôly, dia niara-nihira izahay hoe:

Ilay fanahy izay niankina teo amin’i Jesoa Mba hiala sasatra

tsy handeha aho,tsy afaka aho,ny hanatevin-daharana ireo fahavalony;

Io fanahy io,na dia hoezahin’ny helo hohozongozonina aza,

Na oviana aho,na oviana,na oviana aho,na oviana,

Na oviana aho,na oviana,dia tsy handao Azy!3

Moa ve izany mamaritra hoe iza ianao? Moa ve izany mba mamaritra farafaharatsiny hoe miezaka ny ho lasa toa an’iza ianao? Tsy mora ny ezaka atao amin’ny fanorenana sy fihazonana fototra ara-panahy. Ilàna fanolorantena goavana ny fizotry ny fanamboarana izany ary ezaka atao mandritra ny fiainana ny fikolokoloana azy.

Ho anareo izay tena miezaka ny manao izany dia mamporisika anareo amin-kitsimpo izahay ary maniry ny hahafantatra ny zavatra ataonareo. Ampiasao azafady ny tambazotra ifaneraserana mba hizarana ny zavatra ataonareo amin’ny alalan’ny fampiasana #cesdevo, ary amin’ny alalan’ny famenoana ilay fehezanteny hoe “Manorina ny fototra iorenako ara-panahy aho amin’ny alalan’ny …” Hiovaova arakaraky ny toe-javatra iainan’ny tsirairay ireo valinteny, ary tsy maninona izany. Averiko indray fa ilay fehezanteny hofenoina dia hoe “Manorina ny fototra iorenako ara-panahy aho amin’ny alalan’ny …” Ho feno fankasitrahana izahay amin’ny fandraisana vaovao avy aminareo sy amin’ny fampianaranareo anay mikasika ny zavatra mitranga eo amin’ny fiainanareo.

Raha tsy mbola nanana mihitsy ilay fototra izay noresahantsika teo ianareo, na namela izany ho malemy noho ny tsy firaharahiana izany, dia tsy mbola tara ianareo raha hiezaka tsara sy amim-pitandremana mba hanatsara izany. Azonareo ampiasaina ireo fitaovana rehetra ilainareo. Ireo dia ireo fitaovana ampiasaina mba hikolokoloana fototra iray voaorina. Fantatrareo hoe inona avy izy ireo. Izany dia ahitana ny vavaka tsy tapaka sy tena tsara; fandalinana ny filazantsara amin’ny alalan’ny soratra masina; fandraisana anjara mavitrika amin’ireo fivoriana ao am-piangonana, indrindra fa amin’ny alalan’ny fandraisana ny fanasan’ny Tompo amin’ny tena finiavana; fanaovana asa fanompoana tsy tapaka izay tsy hikatsahana tombontsoa; ary fanajana amim-pahazotoana ny fanekempihavanana.

Fitaovana iray hafa tena ilaina ny torohevitr’ireo mpaminany velona. Misy lehilahy 15 eto an-tany, izay tohanana ho mpaminany sy mpahita ary mpanambara. Mihazona ireo fanalahidin’ny fisoronan’Andriamanitra izy ireo. Ampianarin’izy ireo matetika isika. Manangana ny tanantsika im-betsaka isika mandritra ny taona mba hanohanana azy ireo. Mivavaka ho azy ireo isan’andro isika. Kanefa ilay fitahiana mahatalanjona amin’ny fahafahana mahazo ny hafatr’izy ireo dia mety hitondra ho amin’ny tsy fanomezana hasina ny maha zava-dehibe izany.

Nampitandrina ny Filoha Henry B. Eyring hoe: “Misy dikany amin’ireo manana finoana matanjaka ny fitadiavana ilay lalana mitondra any amin’ny teorana azo antoka ao amin’ny torohevitr’ireo mpaminany. Rehefa miteny ny mpaminany iray dia mety hieritreritra ireo izay kely finoana hoe mihaino olon-kendry iray manome torohevitra tsara fotsiny izy ireo. Ka rehefa toy ny azo iainana sy antoniny ny toroheviny, ary mifanaraka amin’izay tian’izy ireo hatao, dia raisin’izy ireo izany. Raha tsy toy izany kosa ilay torohevitra dia raisin’izy ireo ho toy ny hoe torohevitra diso izany na raisin’izy ireo ho toy ny fanamarinana ny tsy fetezan’ilay torohevitra amin’izy ireo ny toe-javatra iainany.”

Notohizan’ny Filoha Eyring izany hoe: “Fitaka iray hafa ny finoana fa ny fisafidianana ny hanaiky na tsy hanaiky ny torohevitr’ireo mpaminany dia fanapahan-kevitra fotsiny ihany hoe na hanaiky ilay torohevitra tsara ka hahazo tombony avy amin’izany na hijanona amin’izao. Fa ny fisafidianana tsy handray ny torohevitry ny mpaminany dia manova ilay toerana hijoroantsika. Lasa mampidi-doza kokoa izany”4

Mba hanorenana sy hikolokoloana fototra iray dia tadidio ireto fitsipika telo ireto: fahitana sy fanolorantena ary fitsipi-pifehezana ho an’ny tena manokana. Ny fahitana dia ny fahafahana hahita. Raha amin’ny sahan-kevitry ny filazantsara dia antsointsika izy io indraindray hoe “fomba fijery mandrakizay.” Araka ny namaritan’i Jakôba azy dia fahitana “ny zavatra araka ny tena toetra sy ny amin’ny zavatra araka ny ho tena toetrany” (Jakôba 4:13) izany.

Ny fanolorantena dia ny fahavononana hanome fampanantenana. Antsointsika matetika hoe “fanekempihavanana” izany. Atao amin’ny alalan’ireo ôrdônansin’ny fisoronana ireo fanekempihavanana ataontsika amin’Andriamanitra amin’ny fomba ôfisialy. Tsarovy fa “miharihary ao amin’ny ôrdônansiny ny herin’ny toetra araka an’Andriamanitra” (F&F 84:20). Ankoatra an’Andriamanitra dia tokony ho vonona ny hanao fanolorantena amin’ny tenantsika manokana sy amin’ny vady (na mba ho tonga vady) sy amin’ireo namana ary ireo miara-manompo amintsika isika.

Ny fitsipi-pifehezana ho an’ny tena manokana dia azo faritana amin’ny hoe ny fahaizana miaina mandrakariva miaraka amin’ilay fahitana ananantsika sy miaraka amin’ireo fanolorantena nataontsika. Ilaina mba hivoarana ny fametrahana fitsipi-pifehezana ho an’ny tena manokana satria mampifandray tsara ny zavatra ianarana sy ny zavatra atao izany. Any aoriana any dia ho hita amin’ny alalan’ny fomba hiainantsika ny fiainantsika ny tanjaky ny fototra ara-panahy iorenantsika, indrindra indrindra fa amin’ireo fotoana hitrangan’ny fahadisoam-panantenana sy ny olana.

Taona maro lasa izay dia notantarain’ny Filoha Gordon B. Hinckley ny tantaran’i Caroline Hemenway, izay teraka tamin’ny 2 Janoary 1873, tao Salt Lake City, izay zaza faharoa tamin’ny mpiray tampo miisa 11:

“Nanambady an’i George Harman i Caroline teo amin’ny faharoa amby roapolo (22) taonany. Nanan-janaka fito izy ireo ary maty tamin’ny fahazazany ny iray tamin’izy ireo. Avy eo dia nodimandry ny vadiny rehefa feno sivy amby telopolo (39) taona, ka lasa mananotena izy.

“Nanambady an’i David izay rahalahin’ny vadiny i Grace rahavaviny. Tamin’ny taona 1919, nandritra ilay valanaretina gripa izay tena nahery vaika tokoa, dia voa mafy i David, ary avy eo dia voa koa i Grace vadiny ka lasa narary. Nikarakara azy ireo sy ny zanak’izy ireo ary ny zanany i Caroline. Teo anivon’ireo fahoriana ireo dia niteraka zazalahy i Grace ary avy eo izy dia maty tao anatin’ny ora vitsivitsy taorian’izay. Nentin’i Caroline tany an-tranony ilay zazakely vao mena vava ka novelominy tao ilay zaza dia avotra ny ainy. Telo herinandro taorian’izay dia nodimandry i Annie zanany vavy.

“Tamin’izay fotoana izay dia efa namoy ny zanany roa sy ny vadiny ary ny rahavaviny i Caroline. Niakatra be ny tosi-dràny. Safotra izy. Rehefa nahatsiaro tena izy dia nahitana diabeta efa nahazo vahana be tokoa. Saingy tsy kivy izy. Nanohy nikarakara ny zanaky ny rahavaviny izy; ary ilay zaodahiny, izay rain’ilay zaza dia tonga isan’andro mba hitsidika ilay zazalahy kely. Nivady i David Harman sy i Caroline taty aoriana, ary tamin’izay dia nanan-janaka telo ambin’ny folo (13) izy ireo tao an-tokantranon’izy ireo.

“Ary dimy taona taty aoriana dia niharan-doza i David, ka niteraka fitsapana mivaivay ho an’ireo izay niara-nijaly taminy izany. Indray mandeha izy dia nampiasa fanafody mahery mamono mikraoba rehefa nanomana ireo masomboly mba hovolena. Voan’ilay izy ny vatany ka tena loza be ny vokatr’izany. Nihintsana avy teo amin’ny taolany ny hodiny sy ny nofony. Nihintsana ny lelany sy ny nifiny. Nihinana azy velona tanteraka ilay ranon’asidra.

“Nitsabo azy tao anatin’izany aretina loza be izany i Caroline, ary rehefa maty izy dia lasa niantsoroka samirery ny zanany dimy sy ny zanaka valon’ny rahavaviny ary tanimboly 140 hektara i Caroline, izay tanimboly nohadian’izy sy ireo zanany, namafazan’izy ireo voa, notondrahan’izy ireo ary nanangonan’izy ireo vokatra mba hamatsy ny sakafo nilain’izy ireo. Tamin’io fotoana io dia filohan’ny Fikambanana Ifanampiana izy, izay antso notanterahany nandritra ny valo ambin’ny folo (18) taona.

“Teo am-pikarakarany ilay fianakaviany maro anaka ny nanolorany tanana mba hihantrana ny hafa dia nahandro mofo dipaina valo isan’andro izy sady nanasa lamba efapolo (40) gony isan-kerinandro. Nampiditra voankazo sy legioma an-taoniny tao anaty tavoahangy izy ary nikarakara akoho mpanatody lava miisa arivo mba hahazoana vola kely. Ny fahavitan-tena no teny filamatra nananany. Noraisiny ho toy ny fahotana ny hakamoana. Nikarakara ny momba ny tenany izy ary nanampy ny hafa tao anatin’ny hatsaram-panahy izay tsy namela na iza na iza tamin’ireo olona fantany mba ho noana na tsy hanan-kotafiana na hangatsiaka.

“Nanambady an’i Eugene Robison izy taty aoriana, izay tsy ela akory taorian’izay dia tratran’ny fahatapahan’ny lalan-drà madinika. Nitsabo sy nikarakara azy tao anatin’ny dimy taona mandra-pahatonga ny andro nahafatesany i Caroline ka nanome azy izay rehetra nilainy.

“Tamin’ny farany rehefa tena reraka izy ka nokikisan’ny voka-dratsin’ny diabeta ny vatany, dia nodimandry teo amin’ny fahafito amby enimpolo (67) taonany izy. Ny fahazarana niasa mafy izay nataony latsa-paka tao anatin’ireo zanany dia nitondra valisoa avy amin’ny ezaka nataon’izy ireo nandritra ny taona maro. Ilay zanakavavikely vao mena vavan-drahavaviny, izay notezainy hatramin’ny ora nahaterahany, dia niaraka tamin’ireo anadahiny sy rahavaviny ka naneho fihetsika feno fitiavana sy fankasitrahana tamin’ny [fanomezana ho an’ny Brigham Young University] ny vola izay nampanantenaina fa hatolotra taorian’ny fahafatesan’ny renin’izy ireo mba hananganana trano tsara tarehy [iray] izay [mitondra ny anarany].”5

Ny fananana fototra mafy orina no fiarovana lehibe indrindra amin’ireo fanafihan’izao tontolo izao. Tokony hikatsaka amim-pahazotoana ny zavatra azon’ireo Lamanita nampianari’ni Amôna sy ireo rahalahiny isika rehefa notantaraina ny mikasika azy ireo fa izy ireo dia “niova fo ho an’ ny Tompo [ary] tsy nihemotra na oviana na oviana” (Almà 23:6).

Nanambady an’i Parley P. Pratt i Mary Ann Pratt tamin’ny taona 1837. Niaritra fanenjehana mampatahotra izy ireo rehefa nifindra monina tany Missouri niaraka tamin’ireo Olomasina hafa. Rehefa nalain’ny andian’olona mitam-piadiana tao Far West, Missouri i Parley sy ny Mpaminany Joseph Smith, ary nogadraina, dia nandamaka am-pandriana i Mary Ann, izay narary mafy tokoa, sady nikarakara ireo zanany kely anankiroa.

Taty aoriana dia namangy ny vadiny tao amin’ny fonjan’i Liberty i Mary Ann ary nijanona elaela niaraka taminy. Toy izao no nosoratany hoe “Nifampizara taminy ny efitrano nigadrany aho, izay toerana mando sy maizina ary maloto, tsy nisy varavaran-kely, izay tsy nahitana afa-tsy makarakara vy kely iray teny amin’ny sisiny ilany. Teo izahay no voatery natory.”

Rehefa nivoaka ny fonja i Parley dia nandeha nanao asa fitoriana tany New York sy Angletera i Mary Ann sy ny vadiny, ary izy ireo dia anisan’ireo izay nanao “ilay fiarahana mivondrona farany nankany Utah, izay nandreraka tokoa,” araka izay namaritany izany. Maty ho maritiora i Parley taty aoriana rehefa nandeha nanao asa fitoriana iray hafa.

Na dia teo aza izany fiainana nikorontana izany dia nijanona ho mahatoky i Mary Ann. Nilaza tamin-kery izy hoe “Natao batisa tato amin’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany aho ... resy lahatra ny amin’ny fahamarinan’ireo fotopampianarana ao anatin’izany tamin’ny alalan’ny lahateny voalohany izay reko; ary nilaza tao am-poko hoe raha toa ka olona telo monja no mijanona ho mafy orina amin’ity finoana ity dia ho iray amin’ireo telo ireo aho; ary nandritra ireo fanenjehana rehetra tsy maintsy niaretako ka tsy niainako intsony taty aoriana dia tsy mbola nivadika tamin’izay faharesen-dahatro izay mihitsy aho.”6

Zavatra momba ny fiainan’ny olona iray izay azy manokana ny zavatra resahantsika anio hariva. Afaka ny ho ampianarin’ny hafa isika. Afaka mianatra avy amin’ireo fahadisoana sy fahombiazan’ny hafa isika. Saingy tsy misy olona afaka hanao izany ho antsika. Tsy misy olona afaka manangana ho antsika ny fototra ara-panahy iorenantsika. Isika ihany no mpanangana fototra ho antsika amin’izay resaka izay.

Araka izay nampianarin’i Helamàna tamin-kery hoe “Ary ankehitriny, ry zanako, tsarovy, tsarovy fa eo amin’ ny vatolampin’ ny Mpanavotra antsika, dia i Kristy, Ilay Zanak’ Andriamanitra, no tsy maintsy anorenanareo ny fototrareo; ka rehefa handefa ny rivo maheriny ny devoly, eny, ny zana-tsipìkany ao amin’ ny tadio, eny, rehefa hamely anareo ny havandrany rehetra sy ny tafiotra maheriny, dia tsy hanan-kery aminareo izany mba hisintona anareo hidina any amin’ ny hantsan’ ny fahoriana sy ny loza tsisy farany, noho ilay vatolampy izay iorenanareo eo amboniny, izay fototra azo antoka, dia fototra izay tsy ahafahan’ ny olona mianjera raha miorina eo amboniny izy” (Helamàna 5: 12).

Nitranga tamin’ny 36 taona lasa ny iray tamin’ireo traikefa nananganana fototra goavana teo amin’ny fiainako. Rehefa vita ny fianaranay tany amin’ny oniversite dia nifindra tany Honolulu (izay toerana nahaterahako sy nitaizana ahy) izahay sy Diane mba hanomboka ilay vanim-potoana faharoa teo amin’ny fiainanay. Lasa vanim-potoana lava dia lava tokoa izany—27 taona. Antso iray monja avy amin’ny mpaminany dia nahatonga anay handao an’i Hawaii.

Ny tempolin’i Hawaii, izay fantatra amin’ny anarana hoe Tempolin’i Laie Hawaii ankehitriny satria misy tempoly roa any Hawaii, dia notokanan’ny Filoha Heber J. Grant voalohany tamin’ny Andron’ny Fanehoana Fankasitrahana (izay nety tokoa tamin’izany) ny 27 Nôvambra 1919. Izy io no tempoly voalohany namboarina ivelan’i Utah, ankoatra an’ny Kirtland sy Nauvoo. Nanompo ireo Olomasina tao Hawaii teo ho eo amin’ny enimpolo taona teo izany, ary tao anatin’ny ankamaroan’izany fotoana izany, dia nanompo ireo olomasina nanerana ny Pasifika sy Azia izany. Teo ho eo amin’ny taona 1975 dia nilaina ny hanakatonana ny tempoly sy nanitarana ary nanavaozana izany. Vokatr’izany dia nilaina naverina notokanana ilay tempoly, izay nitranga tamin’ny 13 Jona 1978.

Ny Filohan’ny Fiangonana dia i Spencer W. Kimball no niahy ilay famerenana ny fanokanana. Niaraka taminy teo ny mpanolotsainy voalohany sy faharoa N. Eldon Tanner sy Marion G. Romney. Nanatrika teo koa i Ezra Taft Benson, izay Filohan’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo sy ireo hafa tao amin’ny Roambinifololahy sy ny Fitopololahy. Zavatra tsy ho fahitanareo ato anatin’ity Fiangonana efa nihalehibe amin’izao fotoana izao ity izany, dia ny fananana Rahalahy Zokiny maro be toy izany miara-manatrika fotoan-dehibe toy izany izay mitranga lavitra ny foiben’ny Fiangonana. Kanefa izany no fitahiana azonay tamin’ny taona 1978.

Mpitarika vao herotrerony tao amin’ny fisoronana aho tamin’izany fotoana izany ary nangatahan’ireo kômity mpandrindra ny fanokanana indray ny tempoly aho mba hiandraikitra ny fitandroana ny filaminana teo an-toerana sy ny fandaminana ny fitaterana ny Filoha Kimball sy ireo olona maro be niaraka taminy. Tsy ho be filaza mikasika ny andraikitra nosahaniko aho; zavatra nentina nanampy sy tsy hitan’ny olona izy ireo. Kanefa izany andraikitra nampanaovina ahy izany dia namela ahy hanakaiky ny Filoha Kimball. Nandritra ny herinandro maninjitra izay nahitana telo andro nanaovana ireo fivoriana famerenana ny fanokanana ny tempoly sy ny fivoriana manetriketrika iray ary ny fihaonambem-paritra goavana iray dia nahita akaiky ny Filohan’ny Fiangonana aho. Nijery azy nampianatra sy nijoro ho vavolombelona ary naminany tamim-pahefana sy hery aho. Hitako ny ezaka tsy nitandroany hasasarana mba hanompo “ilay iray” ka nangatahany mba hihaona mitokana tamin’ireo olona tsirairay izay tsikariny nandritra ireo fivoriana na teny an-dalana teny. Hitako maso ny nampiasana azy mandrakariva ho toy ny “fitaovana eo an-tanan’ Andriamanitra” (Almà 17:9). Tena nitolagaga tokoa aho!

Rehefa nifarana ilay herinandro dia tany amin’ny seranam-piaramanidina izahay mba hanatitra ny Filoha Kimball sy ireo mpiara-miasa taminy hody. Mbola hamafisiko ihany ilay anjara asako izay voafetra sy nentina nanohana fotsiny ihany eto am-pizarako izao manaraka izao: Nanatona ahy ny Filoha Kimball mba hisaotra ahy noho ireo ezaka kely nataoko. Tsy dia lava izy teo amin’ny ara-batana, ary izaho dia lehilahy lava sy ngeza. Noraisiny tamin’ny vozon’ny palitaoko aho dia nosintoniny nidina tampoka mba hitovy halavana taminy. Dia norohany ny takolako ary nisaotra ahy izy. Rehefa lasa nandeha kelikely ny Filoha Kimball dia niverina. Mbola noraisiny tamin’ny vozon’akanjoko ihany aho dia nosintoniny nidina indray. Tamin’izay fotoana izay izy dia nanoroka ny takolako ilany ka niteny tamiko hoe tiany aho. Dia lasa izy avy eo.

Tamin’ilay taona talohan’izay no namoahana ny tantaram-piainan’i Spencer W. Kimball, izay nosoratan’ny zanany lahy iray sy ny zafikely lahiny iray. Nahazo ilay izy aho tamin’izay fotoana izany ka namaky izany, dia nahita fa mahaliana ilay izy. Kanefa, taorian’io zavatra niainako manokana niaraka tamin’i Spencer Woolley Kimball io dia nandeha nody avy eny amin’ny seranam-piaramanidina aho ary nisintona an’izany boky matevina izany avy eo amin’ny talantalan’ny trano famakiam-bokinay satria nahatsapa faniriana mafy mba hamaky izany indray. Nandritra ireo andro marobe taorian’izay aho dia namaky ilay boky sy nisaintsaina izany isaky ny vao nifoha na dia tsy voatery nanao izany aza. Tsy izany mantsy fa tamin’izay fotoana izay aho dia namaky mikasika ny olona iray izay tena tiako tokoa. Namaky mikasika ny olona iray izay fantatro fa tia ahy aho tamin’izay. Namaky mikasika ny olona iray izay nananako faniriana hanao ny zavatra rehetra ho azy aho tamin’izay satria fantatro fa na inona na inona no angatahiny dia hitondra izay mahasoa ahy indrindra.

Tao anatin’ny fifaliako avy amin’izay zavatra niainako izay dia niaina zavatra iray hafa aho. Tsy dia fizara loatra ity iray ity satria tena momba ny tenako manokana, kanefa dia tena nahatsapa ho menatra aho tao anatin’izany. Takatro fa tsy nanana io fitiavana sy fanajana io ho an’ireo izay tena manan-danja indrindra aho, dia ireo mpikambana ao amin’ny Andriamanitra, ary indrindra indrindra fa ho an’i Jesoa Kristy, ilay Mpamonjy sy Mpanavotra. Namporisika ahy handalina ny “tantaram-piainany” izany, ary namporisika ahy mba hahafantatra tamin’ny alalan’ny vavaka sy ny fifadian-kanina ary ny fisaintsainana lalina fa tamin’izay fotoana izay aho dia namaky mikasika ny olona iray izay tena tiako tokoa. Namaky mikasika ny olona iray izay fantatro fa tia ahy aho tamin’izay. Namaky mikasika ny olona iray izay nananako faniriana hanao ny zavatra rehetra ho azy aho tamin’izay satria fantatro fa na inona na inona no angatahiny dia hitondra izay mahasoa ahy indrindra.

Ry zandry sy namana malalako, mijoro ho vavolombelona aho fa nitondra fiovana lehibe teo amin’ny fiainako sy ny fianakavianay io fahalalana io. Dondona aho hanampy fa tsy nahatonga anay ho lasa madio tsisy pentina tampoka teo izany ary tsy nahatonga ny fiainanay ho mora kokoa. Hifanohitra amin’ny drafitr’Andriamanitra izany. Fa ny zavatra nentin’izany dia fanantenana azonay niorenana—“Fanantenana mamirapiratra sy lavorary” (2 Nefia 31:20). Tsy mbola nieritreritra ny ho kivy na hiala na hitsoaka an-daharana izahay. Maniry ny hiainanareo zavatra toy izany koa aho.

Na dia kanto toy izao aza no fahitana anareo ao anatin’ny mpanatrika maro be toy izao dia hita fa mahatsapa fifaliana lehibe sy fijaliana lehibe ianareo. Mety mahatsapa lalina tokoa ny havesaran’ireo enta-mavesatry ny fiainana ianareo tsirairay avy. Angamba mety tsy mandeha araka izay nirinareo ny zava-miseho ao amin’ny fianakavianareo. Mety manana olana eo amin’ny finoanareo ianareo. Mety hoe eo am-pitadiavana vahaolana amin’ny zava-niseho teo amin’ny fiainanareo taloha ianareo—na izany zavatra nataonareo na zavatra natao taminareo tamin’ny tsy rariny. Manana olana ara-batana na ara-tsaina na ara-pihetseham-po izay toa tsy hay zakaina ny sasany aminareo. Na inona na inona toe-javatra iainanareo dia hanamaivana ny entanareo ny fananana fototra mafy orina. Raha saintsaininareo ao am-ponareo sy ao anatinareo fa tsy ataonareo eo imolotrareo fotsiny ny hafatr’ilay hira izay hiraina matetika hoe “Zanaky ny Ray aho,”7 ary miaraka amin’ny fianteherana tsy tapaka amin’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy Mpamonjy, dia hahatsapa fiadanana sy fiononana ianareo na dia ao anatin’ireo fotoan-tsarotra indrindra aza.

Afaka ny ho andro fandraisana fanapahan-kevitra na ho andro manan-tantara eo amin’ny fiainanareo aza ny andro androany. Afaka ny ho andro handraisantsika fanapahan-kevitra sy hanaovantsika ezaka manara-pitsipika izany mba hanorenantsika ny fototsika. Ho an’ny sasany amintsika dia mety ho atao amin’ny alalan’ny famelana ireo fahazarana mampiankin-doha na fomba amam-panao maharikoriko izay mahatezitra an’Andriamanitra izany. Ho an’ny hafa dia mety ho atao amin’ny alalan’ny fametrahana ny fiainantsika ho lohalaharana izany ary amin’ny fitiavana an’Andriamanitra mihoatra ny zava-drehetra. Mendrika ny hamoizana ny zava-drehetra izany. Marina tokoa fa izany no zavatra ifotoran’ny asantsika eo amin’ny fiainantsika.

Ambarako aminareo mpanatrika maro be amin’ny fomba manokana sy amin’ny tsirairay avy araka izay azo atao ny fijoroako ho vavolombelona ny amin’i Jesoa Kristy, ilay vato fehizoron’ny Fiangonana sy vatolampin’ny fiainatsika. Mijoro ho vavolombelona ny amin’ny Anarany masina aho. Mijoro ho vavolombelona ny amin’ny Fahefany sy ny asa nanirahana Azy aho, ary ny tena zava-dehibe indrindra, dia ny amin’ny Sorompanavotany, izay mahatonga antsika tsirairay avy afaka hanatona Azy (jereo ny Môrônia 10:32) na toy ny ahoana na toy ny ahoana ny fiainantsika teo aloha na ny toe-javatra iainantsika amin’izao fotoana izao amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.

Fanamarihana

  1. Thomas  S. Monson, “Fototra Mafy Orina,” Ensign na Liahona, Nôv. 2006, 62.

  2. Fitanisana soratra masina namboarina avy amin’ny Robert J. Matthews, “I Have a Question,” Ensign, Jan. 1984, 52.

  3. “Fototra Mafy Orina,” Fihirana sy Hiran’ny Ankizy, Lah  12.

  4. Henry B. Eyring, “Finding Safety in Counsel,” Ensign, Mey 1997, 25.

  5. Gordon B. Hinckley, “Five Million Members—a Milestone and Not a Summit,” Ensign, Mey 1982, 45–46.

  6. Ny tantaran’i Mary Ann Pratt dia nalaina avy amin’ny Sheri Dew Women and the Priesthood: What One Mormon Woman Believes 94–95; jereo koa ny Edward W. Tullidge, The Women of Mormondom(1877), 406–7.

  7. “Zanaky ny Ray aho” Fihirana sy Hiran’ny Ankizy, lah. 113.