Mamonjy ny Ainao
Fampaherezam-panahy ho an’ny Tanora Tokan-tena sy Mpivady vao Herotrerony an’ny DFF • 14 Septambra 2014 • Brigham Young University
Rehefa tafaraka tany Kaisaria Filipo i Jesoa sy ireo Apôstôliny dia nametraka ity fanontaniana ity tamin’izy ireo Izy hoe “Fa hianareo kosa manao Ahy ho iza?”1 Namaly tamin’ny fiteny manaja sy tamin-kery i Petera hoe: “Hianao no Kristy, Zanak’Andriamanitra velona.”2 Mahafinaritra ahy ny mamaky ireo teny ireo; mampihetsi-po ahy ny manonona azy ireo. Fotoana fohy taorian’io fotoana sarobidy io anefa dia niresaka tamin’ireo Apôstôly mikasika ny fahafatesany efa antomotra sy ny fitsanganany amin’ny maty i Jesoa, dia nanohitra Azy i Petera. Nahazoan’i Petera fananarana mafy izany fa hoe tsy manaraka na tsy “misaina” ny zavatr’Andriamanitra izy “fa izay an’ny olona.”3 Avy eo i Jesoa izay “[n]aneho fitiavana sesehena [t]amin’ilay nitsia[ny],”4 dia nampianatra an’i Petera sy ireo Rahalahiny mikasika ny hitondrana ny hazofijalian’ny tena sy hamerezana ny ain’ny tena ho toy ny lalana hahitana fiainana feno sy mandrakizay, ary Izy tenany no ilay ohatra tonga lafatra. Andeha hojerentsika ny fanehoana io zava-nitranga io ao amin’ny iray amin’ireo horonan-tsary momba ny Baiboly izay novokarin’ny Fiangonana.
Jesoa: [Ny Zanak’olona dia tsy maintsy ianjadian’ny zavatra maro] sy hampijalian’ny loholona sy ny lohan’ny mpisorona ary ny mpanora-dalàna, dia hovonoina, ary hatsangana amin’ny andro fahatelo.
Petera: Sanatria ho aminao izany, Tompoko! Tsy ho aminao tokoa izany!
Jesoa: Mankanesa ato ivohoko, ry Satana; fahatafintohinana amiko hianao, satria tsy misaina izay an’Andriamanitra hianao, fa izay an’ny olona. […] Raha misy olona ta-hanaraka Ahy, aoka izy handà ny tenany sy hitondra ny hazofijaliany ka hanaraka Ahy. Fa na iza na iza no ta-hamonjy ny ainy, dia hahavery izany; ary na iza na iza no hahavery ny ainy noho ny amiko, dia hahazo izany. Fa inona moa no soa ho azon’ny olona, raha mahazo izao tontolo izao, kanefa very ny ainy? ary inona no homen’ny olona ho takalon’ny ainy? Fa ho avy ny Zanak’olona amin’ny voninahitry ny Rainy, mbamin’ny anjeliny, dia hamaly olona rehetra araka ny nataony.5
Tiako horesahana aminareo ilay fanambarana toa mifanohitra nataon’ny Tompo hoe “Na iza na iza no ta-hamonjy ny ainy, dia hahavery azy; ary na iza na iza no hahavery ny ainy noho ny amiko, dia hahazo izany.”6 Mampianatra fotopampianarana mahery vaika sy mahakasika zavatra maro izany, izay tokony hotakarintsika sy hampiharintsika.
Nanolotra izao fomba fijery izao ny mpampianatra iray: “Tahaka ny hahavon’ny lanitra noho ny tany dia lehibe kokoa noho ny tantara izay tianao hotantarain’ny fiainanao ny asan’Andriamanitra eo amin’izany fiainana izany. Lehibe kokoa noho ny drafitrao sy ny tanjonao ary ny tahotrao ny fiainany. Mba hamonjena ny ainao dia tsy maintsy mamela ny tantaranao ianao ary mamerina ny fiainanao isa-minitra sy isan’andro ho azy.”7
Arakaraky ny hieritreretako izany no mahatalanjona ahy amin’ny fomba nanomezan’i Jesoa mandrakariva ny ainy ho an’ny Ray sy ny namerezany tanteraka ny ainy tao anatin’ny sitrapon’ny Ray—tao anatin’ny fiainana sy ny fahafatesana. Mifanohitra tanteraka amin’ny fihetsika sy ny fanaovan’i satana zavatra izany, izay maro mpampiasa tokoa ao anatin’ny tontolo feno olona mpizahozaho ankehitriny. Nandritra ilay filankevitra tamin’ny fiainana talohan’ny nahaterahana, rehefa nanolo-tena hanatanteraka ny anjara asan’ny Mpamonjy tao anatin’ny drafitra masin’ny Ray i Jesoa dia hoy Izy hoe, “Ray ô, hatao anie ny sitraponao, ary ho Anao ny voninahitra mandrakizay.”8 I Losifera tetsy ankilan’izay dia nilaza hoe, “Indro, inty aho, iraho aho, ho zanakalahinao aho, ary havotako ny olombelona rehetra ka tsy hisy olona iray ho very, ary hataoko marina tokoa izany; koa omeo ahy ny voninahitrao.”9
Ny didin’i Kristy hanaraka Azy dia didy mba handavana indray ilay ohatra nomen’i Satana sy hamerezantsika ny aintsika, “ny tantarantsika” araka ny nilazan-dRahalahy Miller izany, mba hanomezana toerana ilay tena fiainana, ilay fiainana marina, ilay fiainana hahatongavana any amin’ny fanjakana selestialy izay kasain’Andriamanitra ho antsika tsirairay avy. Izany fiainana izany dia hitahy ny olona rehetra hifampikasohantsika ary hahatonga antsika ho olomasina. Amin’izao fomba fijery sy fomba fandinihantsika ankehitriny izay voafetra izao dia fiainana tsy takatry ny saina izany. Marina tokoa fa “Izay tsy mbola hitan’ny maso ary tsy mbola ren’ny sofina, na niditra tao am-pon’ny olona, na inona na inona no efa namboarin’Andriamanitra ho an’izay tia Azy.”10
Tiako raha voarakitra bebe kokoa ny resadresaka nataon’i Jesoa niaraka tamin’ireo mpianany. Ho fanampiana bebe kokoa hahatakarana ny dikan’izany hoe, raha ampiharina, ny mamery ny ain’ny tena noho ny Aminy dia hahazo izany [indray]. Rehefa nandinika ny hevitr’izany aho, dia fantatro fa ireo fanamarihana nataon’ny Mpamonjy taloha sy taorian’ny fanambarany mikasika ny famerezana sy ny famonjena ny aintsika dia manome fitarihana sarobidy. Andeha isika hijery ny telo amin’ireo fanamarihana mifandray ireo.
Aoka Izy Handà ny Tenany sy Hitondra ny Hazofijaliany Isan-andro
Ny voalohany dia ireo tenin’ny Tompo izay nolazainy talohan’ny nilazany hoe, “Na iza na iza no ta-hamonjy ny ainy, dia hahavery azy.”11 Araka ny voarakitra ao amin’ireo filazantsara ahitana tantara mitovy hatramin’ny filaharany ireo dia hoy i Jesoa hoe, “Raha misy olona ta-hanaraka Ahy, aoka izy handà ny tenany sy hitondra ny hazofijaliany ka hanaraka Ahy.”12 Nampian’i Lioka ny teny hoe isan-andro izany—”aoka izy … hitondra ny hazofijaliany isan-andro.”13 Ao amin’ny Matio dia mamelabelatra io teny nolazaina io amin’ny famaritan’ny Tompo ny hevitry ny hoe mitondra ny hazofijalin’ny tena ny Dikantenin’i joseph Smith: “Ary ankehitriny ho an’ny olona, ny mitondra ny hazofijaliany dia ny mandà amin’ny tenany ny toetra tsy araka an’Andriamanitra rehetra mbamin’ny filandratsin’izao tontolo izao rehetra ary ny mitandrina ny didiko.”14
Ity didy ity dia mitovy hevitra amin’ny fanambaran’i Jakoba hoe: “Izao no fivavahana madio sady tsy misy loto eo anatrehan’Andriamanitra Ray: ny mamangy ny kamboty sy ny mpitondratena amin’ny fahoriany, sy ny miaro ny tena tsy hisy pentimpentina avy amin’izao tontolo izao.”15 Fialana isan’andro amin’ny zavatra maloto rehetra izany sady manaiky ny hitandrina ireo didy roa lehibe—fitiavana an’Andriamanitra sy ny mpiara-belona—izay ihantonan’ny didy hafa rehetra.16 Noho izany, ny zavatra iray amin’ny famerezana ny aintsika mba hanomezana toerana ilay fiainana lehibe kokoa izay katsahin’ny Tompo ho antsika dia ny hitondrantsika ny hazofijaliany isan’andro.
Na Zovy na Zovy no Hanaiky Ahy dia Hekeko kosa Izy eo Anatrehan’ny Ray
Ny teny nambara faharoa miaraka amin’izany dia milaza fa ny famonjena ny aintsika amin’ny famerezana izany noho ny Aminy sy ny filazantsara dia mitaky ny fahavononana haneho amin’ny olona ny maha-mpianatra antsika: “Fa na iza na iza no ho menatra Ahy sy ny teniko amin’ity taranaka sady mijangajanga no manota ity, dia ho menatra azy kosa ny Zanak’olona, raha avy amin’ny voninahitry ny Rainy mbamin’ny anjely masina.”17
Any amin’ny toerana hafa ao amin’ny Matio dia mahita teny nambara naman’izany isika:
“Na zovy na zovy no hanaiky Ahy eo anatrehan’ny olona, dia hekeko kosa izy eo anatrehan’ny Raiko Izay any an-danitra.
Fa na zovy na zovy no handà Ahy eo anatrehan’ny olona, dia holaviko kosa izy eo anatrehan’ny Raiko Izay any an-danitra.”18
Hevitra iray mazava sy somary ilàna fandinihana izay fonosin’ny hoe mamery ny ainao amin’ny fanekena an’i Kristy ny mamery izany ara-bakiteny sy ara-batana amin’ny fanohanana sy fiarovana ny finoanao Azy. Isika dia zatra nieritreritra io zavatra faratampony takina io ho mihatra ao anatin’ny tantara ihany rehefa mamaky mikasika ireo maritiora tany amin’ny lasa isika, ao anatin’izany ny ankamaroan’ireo Apôstôly fahiny. Ankehitriny anefa isika dia mahita fa ny zavatra ara-tantara dia mankaty amin’ny ankehitriny. Ireo vaovao avy any Iraka sy Syria dia miresaka mikasika ireo Kristianina anjatony sy ireo olom-bitsy hafa izay noroasina niala ny fonenan’izy ireo na novonoin’ireo Silamo mahery fihetsika tao anatin’ireo volana maromaro tato ho ato. Takin’ireo mpampihorohoro ireo ny hivadihan’ireo Kristianina ho amin’ny fivavahana Silamo na handao ny tananan’izy ireo na ho faty. Tsy handà Azy izay tompoiny ireo Kristianina, maro tokoa no nitsoaka ary novonoina ny sasany.19 Azo antoka fa ny fanahy toy izany dia ho anisan’ireo izay tsy hahamenatra ny Mpamonjy ny hanaiky azy ireo eo anatrehan’ny Rainy amin’ny andron’ny fitsarana amin’ny hoavy. Tsy fantatsika izay mety hitranga amin’ny hoavy, kanefa raha misy amintsika no tsy maintsy hiatrika ilay zava-doza hamerezantsika ny aintsika ara-bakiteny noho ny amin’ny Mpampianatra dia matoky aho fa haneho herim-po sy fahatokiana toy izany isika.
Ny fampiharana ny fampianaran’ny Mpamonjy izay fahita bebe kokoa amin’ny andavanandro (ary sarotra kokoa indraindray) anefa dia misy hifandraisany amin’ny fomba fiainantsika isan’andro. Izany dia mahakasika ny teny lazaintsika, ny ohatra asehontsika. Ny zavatra ataontsika dia tokony ho fanekena an’i Kristy, ary izany dia miaraka amin’ny teny lazaintsika izay mijoro ho vavolombelona ny amin’ny finoantsika Azy sy ny fahafoizantsika tena ho Azy. Ary io fijoroana ho vavolombelona io dia tsy maintsy arovana amim-pahasahiana amin’ny fandrabirabiana, ny fanavakavahana na ny fanaratsiana avy amin’ireo izay manohitra Azy “amin’ity taranaka sady mijangajanga no manota ity.”20
Nanampy ity teny miavaka mikasika ny fahatokiantsika Aminy ity ny Tompo tamin’ny fotoana iray hafa:
“Ary aza ataonareo fa tonga hitondra fiadanana ambonin’ny tany Aho; tsy tonga hitondra fiadanana Aho, fa sabatra.
“Fa tonga Aho hampifandrafy olona amin’ny rainy, ary ny zanakavavy amin’ny reniny, ary ny vinantovavy amin’ny rafozanivavy.
“Ary ny ankohonan’ny olona ihany no fahavalony.
“Izay tia ray na reny mihoatra noho ny fitiavany Ahy dia tsy mendrika ho Ahy, ary izay tia ny zanani-lahy na ny zanani-vavy mihoatra noho ny fitiavany Ahy dia tsy mendrika ho Ahy.
“Ary izay tsy mitondra ny hazofijaliany ka tsy manaraka Ahy dia tsy mendrika ho Ahy.”21
Ny filazany fa tsy tonga hitondra fiadanana Izy fa sabatra, raha ny fijery azy amin’ny voalohany, dia toa mifanohitra amin’ireo soratra masina izay miantso an’i Kristy hoe ilay “Andrian’ny fiadanana,”22sy ilay fanambarana tamin’ny fahaterahany hoe “Voninahitra any amin’ny avo indrindra ho an’Andriamanitra! Ary fiadanana ho ety ambonin’ny tany amin’ny olona ankasitrahany,”23 sy ireo soratra masina hafa fanta-daza, toy ny hoe, “Fiadanana no avelako ho anareo, ny fiadanako no omeko anareo.”24 “Marina fa tonga hitondra fiadanana i Kristy—fiadanana eo amin’ny mpino sy Andriamanitra, ary fiadanana eo anivon’ny olona. Kanefa ny vokatra tsy azo sakanana noho ny fiavian’i Kristy dia ady—eo amin’i Kristy sy ny antikristy, eo amin’ny hazavana sy ny haizina, eo amin’ireo zanak’i Kristy sy ireo zanaky ny devoly. Mety mitranga eo amin’ireo olona ao anatin’ny fianakaviana iray mihitsy aza io ady io.”25
Matoky aho fa maro aminareo izay manatrika amin’ity hariva ity manerana izao tontolo izao no niaina manokana ny zavatra lazain’ny Tompo ao amin’ireo andininy ireo. Ianareo dia nailika sy noroahin’ny ray sy reny, rahalahy sy rahavavy rehefa nanaiky ny filazantsaran’i Jesoa Kristy ary nanao fanekempihavanana taminy. Na tamin’ny fomba ahoana na ahoana dia nitaky fahafoizana ireo fifandraisana nolalainareo ny fitiavana lehibe kokoa nanananareo ho an’i Kristy ary be tokoa ny ranomaso nalatsakareo. Kanefa ianareo, amin’ny alalan’ilay fitiavanareo izay tsy mety mihena dia mijoro hatrany eo ambanin’io hazofijaliana io ary mampiseho fa tsy menatra ny amin’ny Zanak’Andriamanitra ny tenanareo.
Telo taona lasa teo izay dia nanome Bokin’i Môrmôna tamin’ny namany Amish iray tao Ohio ny mpikambana iray ato amin’ny Fiangonana. Nanomboka namaky ilay boky ilay namany ary tsy nahavita nijanona tamin’izany. Nandritra ny telo andro dia tsy nanana faniriana hafa ankoatra ny hamaky ny Bokin'i Môrmôna izy. Vita batisa izy sy ny vadiny ary tao anatin’ny fito volana dia nisy mpivady Amish miisa telo izay niova fo ka natao batisa mba ho lasa mpikambana ao amin’ny Fiangonana. Natao batisa afaka volana maromaro taorian’izay ny zanak’izy ireo. Nanapa-kevitra ny hijanona tao amin’ny fiaraha-monina nisy azy ireo fianakaviana telo ireo ary nanohy ny fomba fiainana Amish izay narahan’izy ireo na dia niala tamin’ny fivavahana Amish aza izy ireo. Na izany aza, vokatry ny nanaovan’izy ireo batisa dia niharan’ny “fihatahana” nataon’ireo Amish mpiara-belona aminy izay tena akaiky azy izy ireo. Ny fihatahana dia midika hoe tsy hisy olona na iza na ao amin’ny fiaraha-monina Amish misy azy ireo no hiresaka aminy, hiara-hiasa aminy, hifampiraharaha aminy, na hifanerasera amin’izy ireo na amin’ny fomba ahoana na ahoana. Tsy ireo namana ihany no tafiditra ao anatin’izany fa ireo olona ao amin’ny fianakaviana koa—rahalahy sy rahavavy, ray aman-dreny sy ray aman-drenibe.
Tany am-piandohana ireo Olomasina Amish ireo dia nahatsapa ho tena irery sy nitoka-monina satria na ireo zanany aza dia niharan’ny fihatahana sy voaroaka tao amin’ireo sekoly Amish nisy azy ireo noho ny batisan’izy ireo sy ny maha-mpikambana azy ireo ato amin’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany. Niaritra ny fihatahan’ireo ray aman-drenibeny sy ireo zanaky ny dadatoany ary ireo mpiara-monina akaiky azy ireo ny zanak’izy ireo. Na ny sasany amin’ireo zanaka lehibe kokoa an’ireo fianakaviana Amish ireo izay tsy nanaiky ny filazantsara aza dia tsy hiresaka, na hanaiky an’ireo ray aman-dreniny. Niady mafy ireo fianakaviana ireo mba ho tafarina tamin’ireo fiantraikan’ny fihatahana teo amin’ny lafiny sôsialy sy ekônomika, kanefa mahita fahombiazana izy ireo.
Mijanona ho matanjaka ny finoan’izy ireo. Nahatonga azy ireo nifototra sy tsy niova ny zava-tsarotra sy ny fanoherana avy amin’ny fihatahana. Herintaona taorian’ny batisan’izy ireo dia nofehezina tany amin’ny tempoly ireo fianakaviana ary nanohy nandeha tamim-pahatokiana tany amin’ny tempoly isan-kerinandro. Nahazo hery avy amin’ny fandraisana ireo ôrdônansy sy ny fanaovana ary ny fanajana fanekempihavanana izy ireo. Mavitrika ao amin’ny vondrona misy azy ao amin’ny Fiangonana avokoa izy ireo ary manohy mitady fomba hizarana ny fahazavana sy ny fahalalana ny filazantsara amin’ireo havany lavitra sy ny mpiara-monina aminy amin’ny alalan’ny fanehoana hatsaram-panahy sy ny asa fanompoana.
Eny, mety ho lafo dia lafo tokoa ny saran’ny fidirana ao amin’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy, kanefa ilay fampitandremana mba ho tia an’i Kristy mihoatra ny zava-drehetra, eny fa na ireo olona ao amin’ny fianakaviantsika akaiky indrindra aza, dia mihatra ihany koa amin’ireo izay mety ho teraka ao anatin’ny fanekempihavanana. Maro amintsika no lasa mpikambana ao amin’ny Fiangonana tsy niharan’ny fanoherana, mety hoe amin’ny maha-zanaka. Ny fanamby mety hatrehantsika dia ny mijanona ho mahatoky amin’ny Mpamonjy sy ny Fiangonany eo anatrehan’ireo ray aman-dreny, havana am-panambadiana, rahalahy na rahavavy, na ireo zanatsika aza izay manana fitondrantena, finoana, na safidy izay mahatonga ny fanohanana ny Tompo sy ny fanohanana azy ireo tsy ho azo atao miaraka. Tsy resaka fitiavana izany. Afaka mifankatia ary tsy maintsy mifankatia tahaka ny itiavan’i Jesoa antsika isika. Araka izay nolazainy hoe, “Izany no ahafantaran’ny olona rehetra fa mpianatro hianareo, raha mifankatia.”26 Saingy mampahatsiahy antsika ny Tompo hoe, “Izay tia ray na reny mihoatra noho ny fitiavany Ahy dia tsy mendrika ho Ahy, ary izay tia ny zanani-lahy na ny zanani-vavy mihoatra noho ny fitiavany Ahy dia tsy mendrika ho Ahy.”27 Ka na dia mitohy aza ny fitiavana ny fianakaviana dia mety ho tapaka ny fifandraisana, arakaraky ny toe-javatra misy, na ny fanohanana na ny fandeferana raha tsy afaka manohy fitenenana indraindray noho ilay fitivana ambony kokoa ananantsika.
Ary raha ny marina, ny fomba tsara indrindra hanampiana ireo olon-tiantsika—ny fomba tsara indrindra hitiavana azy ireo—dia ny manohy mametraka ny Mpamonjy ho lohalaharana. Raha manaisotra ny fitiavantsika ny Tompo isika noho ny fangorahana ireo olon-tiana izay mijaly dia ho very ireo fomba izay tokony nahafahantsika nanampy azy ireo. Kanefa raha mijanona miorim-paka amin’ny finoana isika dia afaka sady mandray no manolotra fanampiana avy amin’Andrimanitra. Raha (na tokony holazaiko hoe rehefa) tonga ilay fotoana izay hananan’ny olona iray ao amin’ny fianakaviana faniriana mafy ny hitodika amin’ilay hany loharanom-panampiana marina sy maharitra dia ho fantany izay tokony hitokiana mba ho mpitarika sy ho namana. Ary mandritra izany fotoana izany, miaraka amin’ny fitarihan’ny fanomezana ny Fanahy Masina, dia afaka manao asa fanompoana tsy tapaka isika mba hampihenana ny fanaintainana avy amin’ireo safidy ratsy sy mamehy ny fery araka izay azontsika atao. Fa raha tsy izay dia sady tsy manompo ireo olon-tiantsika isika no tsy manompo ny tenantsika.
Fa Inona no Soa Azon’ny Olona, raha Mahazo Izao Tontolo Izao aza, Kanefa Very ny Ainy?
Ny singa fahatelo amin’ny famerezana ny aintsika noho ny amin’ny Tompo izay tiako holazaina dia hita ao amin’ny tenin’ny Tompo manao hoe:
“Ary na iza na iza no hahavery ny ainy [eto amin’ity tontolo ity] noho ny Amiko, dia hahazo izany [any amin’ny tontolo ho avy].
Noho izany dia afohizo izao tontolo izao, ary vonjeo ny ainao], fa inona moa no soa ho azon’ny olona, raha mahazo izao tontolo izao, kanefa very ny ainy? [Na] inona no homen’ny olona ho takalon’ny ainy?28
Araka izay natolotra ao amin’ny Dikantenin’i Joseph Smith hoe: “Fa inona no soa azon’ny olona, raha mahazo izao tontolo izao aza, kanefa [tsy mandray azy izay voahosotr’Andriamanitra, ary very ny ainy,[ary ho olona fefika izy] ?”29
Mibaribary ny filazana fa tsy mifanaraka amin’ny kolontsain’ny olona eo amin’ny tontolo ankehitriny ny fahafoizana izao tontolo izao mba handraisana “azy izay voahosotr’Andriamanitra.” Ireo laharam-pahamehana sy zava-mahaliana hitantsika miseho matetika manodidina antsika (ary indraindray ao anatintsika) dia feno fitiavantena tokoa: faniriana mba ho fantatry ny olona; ilay fisisihana hitaky ny hanajana ny zon’ny tena (ao anatin’izany ny zo mba tsy hanalana baraka ny tena); faniriana vola, zavatra ary fahefana izay mikiky; ny fahatsapana ho mendrika fiainana feno fiadanana sy fahafinaretana; tanjona hampihena ny andraikitra sy fisorohana miaraka amin’izay ny fahafoizana rehetra ataon’ny tena mba hanasoavana olona hafa; raha tsy hitanisa afa-tsy ohatra vitsy aho.
Tsy midika izany fa tsy tokony hikatsaka ny hahomby isika, na hanezakezaka amin’ireo fikasana mendrika aza, ao anatin’izany ny fianarana sy ny asa mendri-kaja. Tamin’ny fiandohan’ity taona ity dia namoaka boky mitondra ny lohateny hoe The Triple Package: How Three Unlikely Traits Explain the Rise and Fall of Cultural Groups in America. I Jed Rubenfeld sy i Amy Chua, izay mpivady mpampianatra ao amin’ny Sekolin’ny Lalàna ao Yale. Ny foto-kevitr’izy ireo dia hoe mahavita zavatra tsaratsara kokoa noho ny hafa ny vondron’olona sasany ao Amerika raha miainga amin’ny toetoetra ara-kolontsaina miisa telo izay voafaritra ao anatin’ilay boky, izay hananan’ireo vondrona ireo tombony. Nolazain’i Chua sy Rubenfeld fa ny Môrmôna, ny Jiosy, ny Aziatika, ireo mpifindra monina Afrikana Tandrefana, ireo Amerikana Mena hoditra, ary ireo cubano-américains dia vondron’olona ao Amerika amin’izao fotoana izao izay manana ireo toetra ireo.30
Raha ampitahaina amin’ny fiaraha-monina Amerikana amin’ny ankapobeny ireo vondrona ireo eo amin’ny lafin-javatra toy ny “vola miditra, fahavitana fianarana, fitarihana orinasa, fahombiazana eo amin’ny asa, ary ireo zavatra hafa mahazatra enti-mandrefy,” dia hoy i Chua sy Rubenfeld hoe:
“Raha misy vondron’olona iray ao Etazonia amin’izao fotoana izao ka hita mibaribary hoe miavaka amin’ny fahombiazana amin’ireo zavatra mahazatra eo amin’ny fiainana dia ny Môrmôna izany. …
“Raha toa ka eo ho eo amin’ny 51 isan-jaton’ny mponina ao Etazonia ny Prôtestanta dia 1,7 isan-jato fotsiny ireo Môrmôna 5 ka hatramin’ny 6 tapitrisa ao Amerika. Kanefa dia mahatalanjona fa maro dia maro no tonga any amin’ny faratampony eo amin’ny sehatry ny fandraharahana sy ny pôlitika ao Amerika.”31
Azo antoka fa mendri-piderana ny fahatontosana toy izany, saingy raha te hiaro ny fanahintsika isika dia tsy maintsy mahatsiaro fa tsy ireo no tanjona farany, fa fitaovana hanatratrarana tanjona ambony kokoa. Araka ny finoantsika an’i Kristy dia tsy tokony horaisintsika ho toy ny famaritana ny tenantsika ny fahombiazana ara-politika, ara-pandraharahana, ara-pianarana, ary izay mitovy amin’izany fa ho toy ny fitaovana kosa izay mahatonga ny fanompoantsika an’Andriamanitra sy ny mpiara-belona ho azo tanterahina—manomboka ao an-trano ary mitatra any amin’ny farany lavitra indrindra izay tratra eto amin’izao tontolo izao. Manan-danja ny fivoaran’ny tena manokana rehefa manampy amin’ny fampitomboana toetra tahaka ny an’i Kristy izany. Rehefa mandrefy ny fahombiazana isika dia miaiky ilay fahamarinana lalina ifotoran’ny zavatra hafa rehetra—hoe an’Andriamanitra ny fiainantsika, ny Raintsika any an-danitra sy i Jesoa Kristy Mpanavotra antsika. Ny dikan’ny hoe fahombiazana dia ny miaina mifanaraka amin’ny sitrapon’Izy ireo.
Mifanohitra amin’ny fiainana ao anatin’ny fitiavana ny tena manokana dia nilaza tamin’ny fomba tsotra ilay fomba tsara indrindra ny Filoha Spencer W. Kimball:
“Ny fanompoana ny hafa dia manatsara sy manamamy ity fiainana ity eo am-piomanantsika hiaina ao anaty tontolo iray tsara kokoa. … Rehefa mirotsaka amin’ny fanompoana ny mpiara-belona amintsika isika, dia tsy hoe manao ny adidintsika mba hanampy azy ireo fotsiny, fa manova ny fomba fijerintsika ny olantsika manokana. Rehefa manahy bebe kokoa ny amin’ny hafa isika dia kely kokoa ny fotoana hanahiantsika ny amin’ny tenantsika! Eo anivon’ny fahagagana avy amin’ny fanompoana dia misy ilay fampanantenana nomen’i Jesoa fa rehefa mamery ny tenantsika isika dia hahita ny tenantsika! [Jereo ny Matio 10:39]
“Tsy eo amin’ny lafin’ny fanekena ny fitarihan’Andriamanitra eo amin’ny fiainantsika fotsiny no ahafahantsika ‘mahita’ ny tenantsika fa arakaraky ny hanompoantsika ny mpiara-belona amintsika araka ny tokony ho izy no hitomboan’ny fanahintsika lanja. Lasa manan-danja kokoa isika rehefa manompo ny hafa—marina tokoa fa mora kokoa ny ‘mahita’ ny tenantsika satria mbola maro ny zavatra tokony hotadiavina mikasika antsika!”32
Ohatra amin’ny Famerezana ny Ain’ny Tena ao amin’i Kristy sy ny Filazantsarany
Mamelà ahy hamarana amin’ny ohatra vitsy ny hevitry ny hoe mamery ny ain’ny tena ao amin’i Kristy sy ny filazantsarany eo amin’ny fiainana andavanandro ary amin’izany dia hahazo fiainana tena izy (ary ho mandrakizay amin’ny farany).
Filohan’ny Ricks College ny Filoha Henry B. Eyring was president of Ricks College, izay lasa Brigham Young University–Idaho amin’izao fotoana izao, tamin’ny Jona 1976, rehefa nirodana ilay Toho-dranon’i Teton vao avy namboarina izay tsy lavitra an’i Rexburg. “Rano telonjato tapitrisa metatra tora-telo no nirohondrona nankany Rexburg tamin’ny hafainganam-pandeha 65 km isan’ora, izay namafa ny zavatra rehetra teny amin’ny lalany.”33 Olona maro teo amin’ny fiaraha-monina no niasa tamin’ny herim-pony, nanampy ny hafa na dia noravan’ilay tondra-drano aza ny trano sy ny fananan’izy ireo. Nisy vitsy anefa nandao na dia ireo hava-tiany aza ary namela azy ireo mba hikarakarany ny tenany.
Ny Filoha Eyring, izay nitarika asa fanampiana mivantana tamin’ny fampiasana ireo fitaovan’ilay sekoly, dia naniry ny hahatakatra hoe inona no maha-samy hafa ilay fihetsika feno herim-po nasehon’ny sasany sy ny famadihan’ny hafa. “Nampanao fanadihadiana kely nefa manan-danja ara-tsiantifika izy. ‘Zavatra iray ihany no hitanay,’ hoy izy taty aoriana kely tamin’ireo mpianatra izay efa nahavita fianarana tao amin’ny lycée.
“‘Ireo mahery fo dia ireo olona izay nahatsiaro mandrakariva sy nitana ny fampanantenana nataony tamin’ireo zavatra madinika, ireo zavatra fanao isan’andro … fampanantenana ny hijanona aorian’ny fisakafoana tao am-piangonana mba hanadio, na handeha hanao asa amin’ny atrik’asa natao tamin’ny andro Sabotsy mba hanampiana mpiara-monina iray.
“‘Ireo izay nandao ny fianakaviany tamin’ny fotoan-tsarotra dia matetika no nandao ny adidin’izy ireo na dia tsy tena sarotra aza izany. Izy ireo dia toa nanaraka lamina tamin’ny tsy fitazonana ny teny nomeny mba hanao ireo zavatra madinika raha mbola kely ny fahafoizana nilaina nataon’izy ireo ary raha mbola mora ny nanao ireo zavatra nolazain’izy ireo fa hataony. Rehefa sarotra ny zavatra nilaina dia tsy nety nanao izy ireo.’”34
Nanana namana vehivavy iray izahay sy Rahavavy Christofferson, izay nihaona taminay nandritra ny fotoana nianaranay lalàna, ary mpikambana ao amin’ny paroasinay ao Durham, Caroline du Nord. Mpivady vao herotrerony faka tahaka izay nanan-janaka kely izy sy ny vadiny. Narani-tsaina izy, nahasarika olona, ary tena nanana ny naha-izy azy. Tia sy nankafy niaraka taminy ny olona tsirairay. 25 taona taty aoriana anefa, raha mbola tao anatin’ny faha-40 taonany izy, dia voan’ny homamiadan’ny vavony izay mahery vaika sy tsy nisy fanafany izay niparitaka ihany koa tany amin’ny atiny sy ny avokavony. Na dia voadona sy narary aza izy satria haingana dia haingana dia ho tapitra ny fiainany dia nanoratra ireto teny mamy ireto ho an’ny fianakaviany sy ireo namany izy, izay nampalahelo azy tokoa ny handao azy ireo: “Fantatro fa velona Andriamanitra. Masina ny drafiny ary mandeha tsara araka izay nandaminany azy. Noho izaho voafidy handalo ity fitsapana ity dia fantatro fa tsy maintsy natao mba hitondra ny soa lehibe indrindra sy ny fifaliana lehibe indrindra ho ahy izany. Efa mitobaka eo amiko ireo fitahiana ara-panahy, ary tsapako mialoha ny farany fa hiaina ny zavatra rehetra ilaiko mba hahavonona ahy hihaona amin’ny Mpamonjy aho. Eto an-tany ny heriny. Tsy misy diso ny zava-mitranga. … Maro sy mavesatra ireo fitsapana amin’izao fotoana izao. Toa mijaly amin’ny azy daholo ny tsirairay. Mitodiha any amin’ny Tompo ary raiso ny fanampiany. Ekeo ireo anjaranao ireo dia hoesorina aminao ny fanaintainanao, ary ho avy ny fiadanam-po.”
Nanapa-kevitra ny hanao asa fitoriana amin’ny fotoana feno ny rahavavy tanora iray rehefa nahazo maîtrise niampy fianarana amboniny roa taona ary nanao fianarana asa ambony sy fandaharam-pianarana tao amin’ny tany niaviany sy tany ivelany. Nampitombo fahaiza-manao mba hifandray amin’ny olona avy amin’ny ankamaroan’ireo rafi-pinoana rehetra sy firehan-kevitra pôlitika ary fihaviana izy, ary nanahy izy sao dia hanembantsembana ny fahaizany manorina fifandraisana ny fitondrany eny aminy ny marika kely an-tratra an’ny misiônera mandritra ny tontolo andro isan’andro. Herinandro vitsy monja tany amin’ny asa fitoriana nataony dia nandefa taratasy tany an-tranony mikasika ny zavatra niainana tsotra nefa manan-danja izy: “Nanosotra menaka mafana tamin’ny tanan’ny vehivavy iray nahazo taona ary voan’ny arthrite izaho sy Sister Lee—nikosoka tanana iray avy izahay—ary nipetraka tao amin’ny trano fandraisam-bahininy izahay tamin’izay. Tsy te hihaino hafatra am-bava mihitsy izy fa namela anay hihira, tiany ny naheno anay nihira. Misaotra anao ry marika kely an-tratra miloko mainty noho ny nanomezanao ahy fahafahana hifandray akaiky amin’ny olona tena vahiny be amiko.”
Tamin’ny alalan’ny zavatra niaretany dia nianatra namery ny ainy hanompoana ny Tompony sady Namany ny Mpaminany Joseph Smith. Hoy izy indray mandeha hoe, “Koa satria ny fiainako dia voarafitry ny fanaovana asa sy ezaka tsy voahozongozona dia izao no nataoko fitsipika: Rehefa mandidy ny Tompo, dia ataovy izany.”35 Mino aho fa ho faly avokoa isika rehetra raha mahatratra ny halehiben’ny fahatokiany. Na dia izany aza dia voatery niaritra nandritra ny volana maro tao amin’ny fonjan’i Liberty Missouri izy, nijaly ara-batana kanefa mety ho nijaly kokoa ara-pihetseham-po sy ara-panahy noho izy tsy afaka nanampy ny vady sy ny zanany malalany ary ireo Olomasina raha niharan’ny herisetra sy nenjehina izy ireo. Ny fanambarana avy aminy sy ny fitarihany no nitondra azy ireo tany Missouri mba hanangana an’i Ziona, kanefa tamin’izay izy ireo dia noterena hiala ny toeram-ponenany nandritra ny ririnina manerana ilay firenena manontolo. Na dia teo aza izany rehetra izany, tao anatin’ireo toe-javatra niainana tao amin’io fonja io, dia nanoratra taratasy mitondra fahazavan-tsaina amam-panahy ho an’ny Fiangonana izy, ary ny ampahany tsara sy mampahery indrindra amin’izany lahatsoratra izany ankehitriny dia hita ao amin’ny fizarana 121, 122, ary ny 123 ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana, izay mifarana amin’ireto teny ireto, “Aoka isika hazoto hanao ny zava-drehetra izay tratry ny herintsika; ary rehefa izany dia enga anie ka hahajoro isika omban’ny fahatokian-tena lehibe indrindra fa hahita ny famonjen’Andriamanitra ary ny fampisehoana ny sandriny.”36
Marina tokoa fa ny fanehoana tsara indrindra ny famonjena ny ain’ny tena amin’ny famerezana izany dia ity manaraka ity, “Raiko ô, raha tsy azo esorina ity, fa tsy maintsy hosotroiko,dia aoka ny sitraponao no hatao.”37 tamin’ny nanolorany ny ainy dia tsy nanavotra ny azy fotsiny ihany i Kristy—namonjy ny aintsika rehetra Izy. Nataony izay hahafahantsika hanakalo ilay fiainantsika mety maty izay voafetra sy ho tsinontsinona amin’ny farany mba ho lasa fiainana mandrakizay.
Fijoroana ho vavolombelona
Ry tanora namako, mivavaka aho mba hanaovanareo ilay teny filamatry ny fiainan’ny Mpamonjy hoe—“Izaho manao izay sitra[ky ny Ray] mandrakariva.”38—mba ho teny filamatry ny fiainanareo. Raha manao izany ianareo dia hamonjy ny ainareo.
Aoka ianareo ho faly hametraka ny Sitrapony ho lohalaharana amin’ny ezaka sy fahombiazanareo rehetra ry zandry malalako isany. Afoizo ao anatin’ny sitrapony tonga lafatra ny sitraponareo. Mianara maniry izay iriany. Ekeo Izy amin’ny lafiny rehetra amin’ny fiainanareo. Aza menatra noho ny amin’i Kristy sy ny filazantsarany, ary aoka ianareo hamela ireo zavatra maminareo, ireo fifandraisana lalainareo, eny fa na ny fiainana mihitsy aza ho Azy. Fa mandritra ny fiainanareo dia aoka ny fiainanareo mba ho fanatitra. Ento isan’andro amin’ny fahadiovana sy fankatoavana ary fanompoana ny hazofijaliany. Ireo no zavatra andrandraina sy vokatry ny finoantsika, amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.
© 2014 an’ny Intellectual Reserve, Inc. Zo rehetra voatokana. Fankatoavana ny tamin’ny teny Anglisy: 1/14. Fankatoavana ny Fandikana: 1/14. Fandikana ny “Saving Your Life.” Malagasy. PD10051044 654