Manomana ny Fontsika Hihaino ny Feon’ny Fanahy
Fivoriana Fampaherezam-panahy ho an’ny Tanora tokan-tena sy Mpivady vao Herotrerony an’ny DFF• 2Martsa 2014 • Brigham Young University–Idaho
Tombontsoa lehibe ho ahy ny miaraka aminareo amin’ity fivoriana fampaherezam-panahy ity. Nivavaka aho mba hanomezan’ny Tompo anareo fahafahana hihaino zavatra izay hampitombo ny fahafahanareo mamantatra ny feon’ny Fanahy. Mety efa nandray hafatra iray izay tsapanareo fa ho anareo manokana aza ianareo nandritra ilay hira kanto henontsika teo.
41 taona lasa izay, dia somary tsy dia nazoto loatra ny hanatrika fivoriana fampaherezam-panahy ho an’ny tanora tokan-tena sy mpivady vao herotrerony izay natao tao amin’ny Temple Square aho. Nitsapa ny finoako ilay tafio-dranomandry goavana nianjady taminay ny tolakandron’ilay fivoriana fampaherezam-panahy. Saingy noho ny fangatahana ahy mba handray anjara kely dia nandeha nanatanteraka ny adidiko aho. Rehefa nandalo ny taona maro dia nianatra aho fa marina ny zavatra iray nozarain’ny Filoha Eyring: “Tsy misy olona afaka manome mofo ny Tompo raha tsy mahazo mofo iray izy ho valin’ny sombi-mofo nomeny.”1 Ilay vadiko tena mahafinaritra no ilay “mofo” azoko noho ny fanolorako “sombiny kely” ho fandraisana anjara! Nandritra io fivoriana fampaherezam-panahy io no nahitako azy. Nihira tao anatin’ilay amboarampeo izy ary nanatona ahy tamin-kerimpo ka nampahafantatra ny tenany tamiko tany amin’ny fiafaran’ny fivoriana. Tena feno fankasitrahana aho fa nahatsapa hoe tsy maintsy nandeha noho ny adidy tamin’io alina io ary tena feno fankasitrahana aho noho ny faneken’ilay Raintsika any an-danitra be famindram-po ilay ezaka nataoko mba handeha any amin’ny toerana tokony hisy ahy na dia somary nifono tsy fahazotoana kely aza izany.
Feno fankasitrahana aho fa miaraka amintsika eto androany alina ny sasany amin’ny zanakay ary ny zafikeliko vavy voalohany. Mahay mitendry violon i McKaela. Nanomboka nianatra nitendry violon izy tamin’ny fahatelo taonany ary ankehitriny amin’izao izy 16 taona izao dia efa azo atao hoe mpilalao mozika manan-talenta. Afaka miteny izany aho satria renibeny ary tsy mba mandainga izany ny renibe! Tena nanentana ny fanahy ny nijery ny fivoarany tsikelikely sy ny fianarany ny fomba hampiasana ilay zava-maneno tendreny mba tsy hoe hitahiana ny fiainany manokana fotsiny ihany fa mba hitahiana ny fiainan’ny olona maro hafa koa. Nianatra ny fahaizana mandrindra ny feon’ilay zava-maneno tendreny izy sy ny maha-zava-dehibe ny fanaovana fanazaran-tena feno fahazotoana isan’andro ary nahatsapa ny fifaliana avy amin’ny fampisehoana sy ny fampirindrana ny zava-maneno tendreny miaraka amin’ny hafa.
Rehefa nanao asa fanompoana niaraka tamin’ny vadiko aho taona vitsy lasa izay dia nianatra namaky ireo tarehintsoratra Koreana sy namoaka ny feony. Nianatra niteny ireo fomba fiarahabana sasantsasany aho, sy fomba fiteny sasantsasany ary voambolana vitsivitsy fampiasa ao amin’ny filazantsara ka afaka nanavaka ny fiteny Koreana tamin’ireo fiteny hafa. Nianarako tsianjery tamin’ny teny Koreana ny sasany tamin’ireo fihirana sy hiran’ny Kilonga izay tena tiako indrindra. Saingy tena kely ihany ny fahaizako miteny na mahatakatra ny ankamaroan’ny zavatra lazaina amin’io fiteny tena kanto io.
Nahoana aho no mizara ireo ohatra izay toa tsy dia misy ifandraisany ireo aminareo? Satria tiako isika mba hiresaka momba ny fitenin’ny Fanahy—ahoana no fomba firesany amintsika sy ny fomba hampivoarantsika ny fihanoantsika azy. Toy ny fisian’ny dingana arahana eo amin’ny fianarana zava-maneno iray na fiteny iray dia misy dingana arahana koa ny fianarana ny fitenin’ny Fanahy; fiteny iray tena tokony hianarantsika tsirairay izany na vao vita batisa vao haingana isika na mpikamban’ny Fiangonana efa ela.
Ny Mpamonjy dia nampianatra ao amin’ny Bokin’i Môrmôna fa “natao batisa tamin’ny afo sy ny Fanahy Masina [ny Lamanita] ary tsy fantany izany.”2 Faniriako lalina ny mba hampitomboantsika ny fahafahantsika mihaino sy mahatakatra ny bitsiky ny Fanahy ary ny mba handraisantsika andraikitra eo anatrehan’ireo bitsika izay azontsika avy amin’ny Fanahy Masina. Tsy maintsy mianatra mamantatra ny feony aloha isika mba hahafahana manao izany.
Ndeha isika haka minitra kely handinihana ny zavatra niainantsika. Izao anefa, noho ny habetsahan’ny mpanatrika eto sy noho ireo tanora tokan-tena sy mpivady vao herotrerony manerana an’izao tontolo izao izay miaraka amintsika koa, dia te hanasa anareo aho zavatra iray. Mba azonareo zaraina amin’ny Twitter ve ny zavatra sasany niainanareo tao anatin’ireto fanontaniana manaraka ireto ary tsy voatery hoe milaza ny tsiambaratelonareo ianareo? Rehefa manana fotoana kely ianareo dia omeo amin’ny alalan’ny Twitter ny valinteninareo amin’ny alalan’ny #cesdevo.
Inty ny fanontaniana hahazoanao ny valinteny tadiavinao: Ahoana no ahafahantsika mahafantatra fa efa naheno ny feon’ny Fanahy isika?
Mety hametraka fanontaniana vitsivitsy fanampiny isika eo am-pisaintsainana io fanontaniana io:
-
Moa ve aho efa nahatsapa fitiavana, fifaliana, fiadanana, faharatena, fanoavana, fahalemem-panahy, finoana ary fanantenana sy fampaherezana?
-
Moa ve efa nisy hevitra tonga tao an-tsaiko na fahatsapana tonga tao am-poko izay fantatro fa avy amin’ny Tompo fa tsy avy amiko?
-
Moa ve aho efa nandre ny feoko nilaza fahamarinana nefa tsy nanomana ny zavatra holazaiko akory aho?
-
Moa ve aho efa nahatsapa ny fitomboan’ny fahaiza-manaoko manokana?
-
Moa ve aho efa nahatsapa ho nahazo fitarihana sy fiarovana teo anatrehan’ny famitahana?
-
Moa ve aho efa nahita ny fisian’ny fahotana teo amin’ny fiainako ary nanana faniriana ny hanitsy izany?
-
Moa ve aho efa nahatsapa ny Fanahy nanome voninahitra an’Andriamanitra Ray sy i Jesoa Kristy ary nijoro ho vavolombelona momba Azy ireo?3
Raha toa ka novalianao hoe “eny” ny fanontaniana ao anatin’ireo na inona izany na inona dia efa nisy fotoana izany nahatsapanao ny Fanahin’ny Tompo teo amin’ny fiainanao. Saingy ny fanontaniana tena manan-danja dia ny hoe “Tsapanareo ve izany ankehitriny?”4
Ny mpaminany Môrmôna dia nanoro hevitra toy izao mikasika ny fanarahana ny Fahazavan’i Kristy izay afaka manampy antsika hahafantatra ny fomba hahazoana ny Fanahy Masina:
“Fa indro, omena ny olona tsirairay ny Fanahin’i Kristy mba hahazoany manavaka ny tsara amin’ny ratsy; koa asehoko anareo ny fomba hitsarana; fa ny zavatra tsirairay izay manainga hanao ny tsara sy handresy lahatra mba hino an’i Kristy dia alefan’ny hery sy ny fanomezam-pahasoavan’i Kristy; koa dia azonareo fantarina amin’ny fahalalana tanteraka fa avy amin’Andriamanitra izany.
“Fa na inona na inona zavatra izay mandresy lahatra ny olona hanao ny ratsy sy tsy hino an’i Kristy, ary handà Azy sy tsy hanompo an’Andriamanitra, dia azonareo fantarina amin’izany, amin’ny fahalalana tanteraka fa avy amin’ny devoly izany; fa araka izany fombafomba izany no iasan’ny devoly, fa tsy mandresy lahatra ny olona hanao ny tsara izy, tsia, na dia iray aza; toy izany koa no ataon’ny anjeliny; toy izany koa no ataon’izay mampanaiky ny tenany aminy.”5
Nilaza ny Filoha Gordon B. Hinckley hoe: “Izao ilay fitsapana rehefa voalaza sy vita daholo ny zava-drehetra. Moa ve ilay izy mandresy lahatra olona iray hanao ny tsara, hitsangana, hijoro hatrany, hanao ny marina sy ho tsara fanahy ary halala-tanana? Fanahin’Andriamanitra izy amin’izay.”6
Nahoana no tena sarotra ny mamantatra ny bitsiky ny Fanahy? Ny antony iray angamba dia satria sady mifandray amin’ny saintsika no mifandray amin’ny fontsika ny Fanahy. Rehefa mianatra ny fitenin’ny Fanahy isika dia matetika no ampifangaroantsika amin’ny eritreritsika manokana sy ny fihetseham-pontsika manokana ireo bitsiky ny Fanahy. Ny antony iray hafa koa dia ny hoe, fanomezam-pahasoavan’ny Fanahy ny fahaizana mamantatra ny Fanahy. Mora ho an’ny sasany nefa tsy mora ho an’ny hafa toy ny fianarana fiteny iray mihitsy ny fahafahana mahatakatra ny bitsiky ny Fanahy. Amin’ny ankamaroan’ny fotoana dia mitaky ezaka tena lehibe ny fianarana zava-maneno na fiteny iray ka tafiditra ao anatin’izany ny fampiharana sy ny fanaovana hadisoana indraindray. Mitovy amin’izany koa ny dingana arahina eo amin’ny fianarana ny fitenin’ny Fanahy.
Moa ve hanampy ianao ny fahafantarana fa ny fahazoana fanambarana ho an’ny tena manokana dia dingana arahina iray izay mandeha andalan-tsoratra anampy andalan-tsoratra ary fitsipika anampy fitsipika ka na ireo mpaminany, mpahita sy mpanambara aza dia mila mianatra mba hahatakatra izany? Ity ohatra manaraka ity dia avy amin’ny fiainan’ny Loholona Jeffrey R. Holland.
“Indraindray ny hany fomba hahatongavana any amin’ny toerana iray atao hoe D raha miainga avy eo amin’ny toerana iray antsoina hoe A dia ny tsy maintsy mandalo amin’ny toerana iray atao hoe B.
“Noho izaho lehibe tany amin’ny faritra atsimon’i Utah sy nankafy ireo zava-mahatalanjona sy ny hakanton’ny faritra atsimon’i Utah ary ny faritra avaratr’i Arizona dia naniry ny mba hampahafantatra ny zanako lahy an’izany aho ary naniry ny hampiseho azy ireo toerana hitako sy nankafiziko fony aho nanana ny taonany. Noho izany dia nanomana sakafo atoandro kely ho anay mba hoentina ny reniny ary ny kamiaon’ny raibeny no nentinay ka dia lasa izahay nandeha nianatsimo nankany any amin’ny toerana nantsoina hoe old Arizona Strip (Faritra avaratra atsinanan’i Arizona fahiny).
“Rehefa tsikaritray fa nihanilentika ny masoandro dia nanapa-kevitra izahay fa tokony handeha hiverina amin’izay. Saingy niverina tamin’ny lalana nahitana fisampanan-droa izahay izay hany iray tena tsy hay fantarina. Nangataka ny zanako lahy aho mba hivavaka hahalalana izay lalana tokony haleha ka dia nahazo fahatsapana mahery vaika izy fa tokony handeha any ankavanana izahay, ary dia izay koa no tsapako. Ka nandeha tany ankavanana izahay saingy hay lala-tampina izany. Nandeha teo amin’ny efajato na dimanjato metatra teo izahay ary dia tena lala-tampina tokoa izany ary nazava fa tsy ilay lalana tena izy.
“Nihodina izahay dia nivoaka ary nandeha tamin’ilay lalana iray hafa. Ary nazava fa ilay lalana tany ankavia no lalana tena izy.
“Hoy i Matt teny an-dalana teny hoe: ‘Dada a! Fa nahoana isika rehefa avy nivavaka no nahatsapa fa ilay lalana mankany ankavanana no tokony handehanana sy lalana tena izy, nefa hay diso ilay izy?’ Dia hoy aho hoe: ‘Araka ny eritreritro, ny fanirian’ny Tompo ho antsika teo sy ny valin’ny vavaka nomeny antsika dia ny handehanantsika amin’ilay lalana tena izy faran’izay haingana indrindra niaraka tamin’ny fanomezana toky sy ny fahatakaran-tsaina fa eo amin’ilay tena izy isika ary tsy mila miahiahy. Ka eo anatrehan’ny toe-javatra toy izany, ny fomba faran’izay mora indrindra hanaovana azy dia ny namela antsika handeha 400 na 500 metatra teo amin’ilay lalana tsy izy ka tonga dia fantatra tsy am-pisalasalana fa tsy izy ilay lalana ary noho izany dia tena fantatra tsy am-pihambahambana mihitsy fa ilay iray hafa no lalana izy.’
“Izaho dia manana fahalalana tanteraka sy azo antoka ary fahalalana lavorary fa tia antsika Andriamanitra. Tsara Izy. Raintsika Izy ary manantena antsika hivavaka, hatoky, hino, tsy hilavo lefona sy tsy hikorontan-tsaina ary tsy hihemotra sy tsy hisintaka rehefa misy zavatra toa tsy milamina. Mijanona isika, dia manohy ny asa ary mino hatrany sy matoky hatrany ka manaraka iny lalana iny ihany ary dia hiaina mba hiantoraka eny an-tsandriny isika ka hofihininy sy haheno Azy hilaza hoe: ‘Efa nolazaiko ianao fa hizotra tsara io, efa nolazaiko ianao fa hilamina io.’”7
Niaina zavatra nitovy tamin’ny an’ny Loholona Holland aho rehefa niomana ny handray fitenenana androany alina. Nanomboka nifantoka tamin’ny lohahevitra iray aho ka nikaroka sy nanoratra ireo hevitro niompana tamin’ilay lohahevitra izay horesahana, saingy nahatsapa fisalasalana aho. Nahatsapa aho fa zavatra iray hafa no tokony horesahiko. Tamin’izay no nahatsiarovako zavatra iray niainako roa taona lasa teo izay. Rehefa nantsoina ho Filohan’ny Fikambanana Ifanampiana Maneran-tany aho dia tena tsy nahita tory tao anatin’ny andro vitsivitsy. Nandritra ny iray tamin’ireo alina ireo dia nitobaka tao an-tsaiko ireo eritreritra maro ary tsapako fa tena manan-danja. Noraisiko an-tsoratra izany ary notehiriziko ka tsy tadidiko izy ireo raha tsy vao herinandro vitsivitsy lasa izay rehefa nanomboka nampikorontan-tsaina ahy ny fisalasalana mikasika ilay lohahevitra voalohany. Navelan’ny Ray any an-danitra nidina tany amin’ilay lalana iray hafa tao anatin’ny fotoana fohy aho, saingy notarihiny hiverina handeha tamin’ity lalana ity tamin’ny alalan’ny fahatsapana malefaka tonga tato am-poko sy tamin’ny alalan’ny famohazana ny fahatsiarovana tao an-tsaiko tamin’ny alalan’ilay fanomezana ny Fanahy Masina.
Inona azontsika atao mba handrenesana tsara kokoa ny feon’ny Fanahy? Izany dia azontsika atomboka amin’ny alalan’ny fahafantarana fa te hifandray amintsika ny Raintsika any an-danitra. Fantatsika izany satria nampianatra ny fotopampianarana mikasika ny fanambarana ho an’ny tena manokana ny mpaminanin’ny andro farany rehetra. Eritrereto ireo fitahiana maro hafa izay efa nomen’ny Tompo antsika mba hahafahantsika mifandray Aminy sy hahazoantsika ny teniny: soratra masina, tsodranon’ny patriarika, vavaka, ôrdônansy, mpitarika sy ray aman-dreny entanim-panahy ary ny fanomezana ny Fanahy Masina.
Aiza no hanombohantsika ilay fikatsahantsika hanakaiky kokoa an’Andriamanitra sy haheno ny feony miresaka amintsika? Atombontsika amin’ireo zavatra fototra izany. Ataontsika ireo zavatra kely sy tsotra izay mampiseho fa Izy no lohalaharana eo amin’ny fiainantsika ary te hahazo fanambarana avy Aminy isika. Rehefa nitsidika an’i Afrika Andrefana aho dia nianatra fehezanteny iray izay tiako ary toa azo ampiharina amin’ny dingana arahana mba hahazoana fanambarana ho an’ny tena manokana: “mandeha miadana ary tsikelikely.” Inona avy ary ireo zavatra “miadana ary tsikelikely” izay azontsika atao?
Laharana 1: Mivavaha amin-kitsimpo sy amim-panentren-tena.
Tohina tokoa ilay fon-dreny ato amiko nandritra ny taona maro rehefa nijery ny zanako sy ny zafikeliko nampihatra finoana tamin’ny alalan’ny fanaovana vavaka amim-kitsimpo sy amim-panetren-tena mba hangatahana ny fanampian’ny Tompo eo anatrehan’ireo olana tsotra nianjady tamin’izy ireo. Misy fahatsiarovana mamy mampiseho izany ao amin’ny fianakavianay.
Ny zanakay lahy no zokiny indrindra amin’ireo zanakay ao amin’ny fianakavianay. Manana anabavy dimy izy ary tsy manana rahalahy. Nampanantena an’ilay zanakay lahy ny vadiko taloha kelin’ny nahaterahan’ny zanakay fahatelo fa hanome azy alika kely raha toa ka vavy kely ilay zazakely. Rehefa teraka ilay zanakay vavy kely dia nitazona ny fampanantenany ilay vadiko hendry. Lasa namana akaikin’ilay zanakay lahy io alika io. Saingy indray andro dia very ilay alika. Nitady izahay ka nitady, saingy tsy nisy vokany. Niantso ny tompon’andraikitra mpanara-maso ny biby izahay saingy tsy nanome fanantenana be loatra anay izy noho izahay somary nipetraka akaikin’ny lalambe roazotra. Nilaza ilay tompon’andraikitra fa ampy izay fotoana nitadiavana azy izay ary mety tena nandeha tamin’ilay lalambe roazotra ilay alika ka voadonan’ny fiara.
Nataonay izay azo natao mba hampiononana ilay zanakay lahy rehefa nolazainay taminy ny zavatra henonay, saingy kivy tanteraka izy. Tsaroako aho nanasa azy hivavaka tamin’ny Ray any an-danitra mba hahazo fampiononana. Nibanjina ny masoko ilay zanakay lahy malalanay ary niteny hoe: “Tsy nitsahatra nivavaka aho ry Neny a!”
Andro vitsivitsy taorian’izay, dia nisy nandondona vao maraina be teo am-baravarana. Nandeha namoha ny varavarana ny iray tamin’ireo zanako ary avy eo dia nihazakazaka naka ahy. Nitebiteby aho rehefa nahatsikatra fiara iray nijanona teo amin’ny lalana hiditra ny trano ary nisy soratra hoe Mpanara-maso ny Biby teo amin’ny valahany. Nijery ahy ilay lehilahy nijoro teo am-baravarana ary niteny hoe: “Ramatoa Burton a! Misy zavatra izay heveriko fa an’ny zanakao lahy ao anatin’ny fiarako ao.”
Niontana ny foko. Tsaroako aho niahiahy hoe hitany izany ny alikanay ary mety maty na maratra mafy izy. Hafaliana anefa ny ahy satria io ny alikanay fa tao aoriana tao anatin’ilay fiara—velona, salama tsara ary vonona ny hitsambikina hivoaka ny fiara sy ho eny amin’ny sandrin’ilay lahikelinay.
Nanontany an’ilay mpanara-maso ny biby aho hoe taiza no nahitany ny alikanay. Hoy izy hoe: “Nisy zavatra niseho tena tsy mba mahazatra aninkeheo maraina rehefa hivoaka ny trano aho. Indro, tena teo anoloan’ny tranonay mihitsy, nisy alika iray nitovy tamin’ilay famariparitana nomenao ahy tamin’ny telefaonina. Namaly ilay alika rehefa nantsoiko ny anarany. Noho izany dia nieriteritra aho hoe hoentiko mody any aminy izy ary hanampy ny sain’ny zanakao lahy kely aho mba hitony alohan’ny handehanany mianatra.”
Fantatro fa ny Tompo dia mamaly vavaka atao amin-kitsimpo sy ny vavaka malefaka ary mitovy amin’ny an’ny ankizy. Tian’ny Ray any an-danitra ny ankizy hahafantatra fa ao amin’izy ireo Izy raha vao miantomboka ny fiainany mba hanohizan’izy ireo ny fahatokiana Azy eny am-pitomboan’izy ireo. Noho ny ankizy izay feno fanetren-tena amin’ny ankapobeny dia mendrika ny hahazo ilay fampanantenana nomen’ny Ray any an-danitra izy ireo, izay hita ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana: “Aoka ianao hanetry tena; ary ny Tompo Andriamanitra dia hitarika anao amin’ny tanana sy hanome anao ny valin’ny fivavakao.”8
Raha hizara ireto fanontaniana manaraka ireto izay napetraky ny Filoha Spencer W. Kimball tamin’ny vondron’olona nitovitovy tamin’ity aho dia mba eritrereto hoe manao ahoana ny fanetren-tena sy ny fahitsimpo ao anatin’ny vavaka ataonareo manokana. “Mila fitarihana ve ianao? Moa ve efa nivavaka tamin’ny Tompo ianao mba hangataka fitaomam-panahy? Moa ve ianao te hanao ilay zavatra ara-drariny sa te hanao izay tianao hatao na ara-drariny izany na tsia? Moa ve ianao te hanao ilay zavatra tena hitondra soa ho anao mandritra ny fotoana maharitra sa hanao ilay zavatra izay toa manintona kokoa amin’izao fotoana izao? Efa nivavaka ve ianao? Impiry ianao no nivavaka? Ahoana no fomba nivavahanao? Moa ve ianao nivavaka tahaka ny nivavahan’ny Mpamonjy … sa nangataka fotsiny izay tadiavinao ianao ka tsy niraharaha na mety izany na tsia?”
Dia notohizan’ny Filoha Kimball izany hoe: “Moa ve ianao ao anatin’ny vavaka ataonao milaza hoe ‘Aoka ny sitraponao no hatao’? Niteny ve ianao hoe: ‘Ry Ray any an-danitra ô! Raha toa ianao ka mampahafantatra ahy ilay tsara sy mampirona ahy any dia hanao izany tsara izany aho’? Sa ve ianao nivavaka nanao hoe, ‘Ry Ray any an-danitra ô! Tiako Ianao, mino Anao aho ary fantatro ianao fa mahay ny zava-drehetra. Marin-toetra aho. Maniry amin-kitsimpo ny hanao ny tsara aho. Fantatro fa afaka mahita ny fiafarana avy any am-piandohana Ianao. Afaka mahita ny hoavy Ianao. Azonao fantarina raha toa aho ao anatin’izao toe-javatra asehoko izao ka hahazo fiadanana na ho ao anatin’ny fikorontanana, na hahazo fifaliana na hianjadian’ny alahelo, na hahazo fahombiazana na tsy hahazo izany. Mba lazao ahy re ry Ray any an-danitra malala ny hitranga dia mampanantena anao aho fa hanao izay zavatra asainao hataoko.’ Efa nivavaka toy izany ve ianao? Eritreretinao ho mety ve izany? Moa ve ianao ho sahy hanao vavaka toy izany?”9
Ny fomba iray hivavahana amin-kitsimpo dia ny fianarana manao fanontaniana mahitsy sy avy amin’ny fo ary entina amim-panentren-tena eo amin’ny Tompo izy ireo. Eritrereto ireto fanontanian’i Joseph Smith ireto: “Inona no tokony hatao? Iza amin’ireo andiany rehetra ireo no marina? Sa miara-diso avokoa izy ireo? Raha marina ny anankiray aminy dia iza izany? Ary ahoana no hahafantarako azy?”10 Nitodika tamim-pahendrena tany amin’ny soratra masina izy izay loharonan’ny fahamarinana masina izay nisarika azy “handinika lalina” ary nitarika azy “hanapa-kevitra ny ‘hangataka amin’Andriamanitra,’”11 tao anatin’ny finoana fa ho voavaly ny vavaka hataony.
Ny hoe mivavaka amin-kitsimpo dia midika hoe vonona ny hanao zavatra mifanaraka amin’izay valiny voaraintsika isika. Toy izao ny fitantaran’i Joseph ilay vavaka nataony tamin-kafanam-po tao amin’ny Ala Masina: “Ny tanjoko nandehanako nanontany ny Tompo dia ny hahafantatra hoe iza amin’ireo antokom-pivavahana rehetra no marina, mba hahafantarako izay hilatsahako ho mpikambana.”12 Mazava fa i Joseph dia vonona ny hanao zavatra mifanaraka amin’izay zavatra nosafidian’ny Tompo hambara azy na inona na inona izany. Kanefa na dia talohan’ny nametrahany ilay fanontaniany tsotra fotsiny aza dia efa nahazo zavatra be dia be mihoatra noho ny nantenainy izy. Nomena tombontsoa miavaka mba hahita ny Raintsika any an-danitra sy ny Zanany Malalany, Jesoa Kristy izy! Izaho dia mifaly amin’izany valiny tena lehibe izany, izay azo avy tamin’ilay faniriana tsotra sy avy amin’ny fo mba hahazo fahalalana izay nataon’ilay tovolahy mpaminany Joseph Smith!
Laharana 2: Mandraisa andraikitra haingana eo anatrehan’ireo bitsika ara-panahy.
Nisy zava-nitranga nampihetsi-po anankiray teo amin’ny fiainan’ny mpaminany malalantsika, FilohaThomas S. Monson, izay maneho ny maha-zava-dehibe ny fandraisana andraikitra haingana eo anatrehan’ireo bitsika avy amin’ny Fanahy.
“[Mpitantara:] Rehefa lasa nanana traikefa bebe kokoa teo amin’ny andraikitra niantsorohany ny Eveka Monson dia nianatra lesona maro, ka tao anatin’izany ny maha-zava-dehibe ny fanarahana ny Fanahy sy ny fahatokiana ny Tompo.
Indray alina nandritra ny fivorian’ny mpitarika ao amin’ny fisoronana teo anivon’ny tsatòka dia nisy bitsika nazava nanosika azy handao ilay fivoriana teo no ho eo ihany ka hitondra fiara ho any amin’ny hopitalin’ny be antitra izay tany amin’ny faritra avaratra atsinanan’i Salt Lake City. Talohan’ny nialany tany an-trano tamin’io alina io dia naharay antso an-tariby izy izay nilaza taminy fa nisy mpikambana efa antitra iray tao amin’ny paroasiny izay narary ary nampidirina hopitaly mba hotsaboina. Sao mba misy fotoana kely handehanana any amin’ny hopitaly ny eveka, hoy ny fangatahan’ilay niantso, mba hanome tsodrano? Nanazava ilay eveka tanora izay be atao fa eny an-dalana hamonjy fivoriana izy saingy ho any amin’ny hopitaly mihitsy aorian’izany. Tamin’izay dia nihanahery vaika nihoatra noho ny teo aloha ilay bitsika nanao hoe: ‘Ilaozy ny fivoriana ary tonga dia mankanesa any amin’ny hopitaly.’
Nijery teny amin’ny polpitra Eveka Monson. Ny filohan’ny tsatòka no nandray fitenenana! Tsy hitany hoe amin’ny fomba ahoana no ahafahany hitsangana eo afovoan’ny lahateny ataon’ny filohan’ny tsatòka dia hanivatsiva laharan-tseza anankiray lavabe ipetrahan’ny lehilahy. Niandry tamim-pangirifiriana ny fotoana nifaranan’ny hafatra nozarain’ny filohan’ny tsatòka izy dia nivoaka haingana ny varavarana talohan’ny nilazana ny mpanao vavaka famaranana. Rehefa nihazakazaka namakivaky ilay lalan-tsaran’ny rihana fahaefatra ilay eveka mbola tanora dia nahita olona nisomebiseby teo ivelan’ilay efitrano natoro azy.
Nijanona ny mpanampy mpitsabo anankiray ary nilaza hoe: “Eveka Monson ve ianao?”
“Eny,” hoy izy.
“Mahereza” hoy ilay mpitsabo mpanampy. “Niantso ny anaranao ilay marary taloha kelin’ny nahafatesany.”
“Nohazonin’ny Eveka Monson ny ranomasony ary lasa nandeha nivoaka izy. Nanao voady izy tamin’izay fotoana izay fa tsy ho tara velively intsony amin’ny fandraisana andraikitra eo anatrehan’ny bitsika avy amin’ny Tompo. Tonga dia hanaraka ny bitsiky ny Fanahy izy na aiza na aiza hitarihan’izany.”
“[Loholona Jeffrey R. Holland:] Tsy misy olona afaka mahatakatra ny Filoha Thomas S. Monson raha toa izy ireo ka tsy mahatakatra ny fiverimberenan’ireo karazana bitsika ara-panahy ireo teo amin’ny fiainany ary ny fankatoavany tanteraka handray andraikitra eo anatrehan’izany.”13
Laharana 3: Alalino isan’andro ny soratra masina.
Nampianatra ny Loholona Robert D. Hales hoe: “Rehefa te hiresaka amin’Andriamanitra isika dia mivavaka. Ary rehefa tiantsika hiresaka amintsika Izy dia vakintsika ny soratra masina satria ambara amin’ny alalan’ny mpaminaniny ny teniny.”14
Tamin’izaho 20 taona dia nisy fanapahan-kevitra sarotra nanahirana ny saiko ary toa tsy nahazo valiny avy tamin’ireo vavaka nataoko aho. Indray alina rehefa nody tara avy tany amin’ny fivoriana tany am-piangonana ny raiko dia nahatsikaritra fa nirehitra ny jiro tao amin’ny efitrano fatoriako. Nipetraka teo amoron’ny fandriako izy ary nanontany raha toa ka afaka manampy noho ny fahatsapany fa manana olana aho. Naborako taminy ny tao am-poko. Nanoro hevitra ahy izy hamaky ny soratra masina mba hitarika ahy eo amin’izay fanapahan-kevitra raisiko, ka nomeny andinin-tsoratra masina azoko saintsainina sy entina am-bavaka aho. Nanaraka ilay toroheviny tena tsara aho ka nandalina ny soratra masina. Fotoana fohy taorian’izany, rehefa avy nanao ezaka tamim-pahavitrihana aho dia niharihary ilay valin’ny vavaka nataoko. Natolotro ny Tompo ny tena tao an-tsaiko sy ny fanapahan-kevitro, dia nangataka tamin-kitsimpo fanamafisana ilay fanapahan-kevitra avy Aminy ary dia nahatsapa fanomezan-toky tony sy malefaka tany am-poko lalina tany aho.
Hitantsika ao amin’ny soratra masina fa i Lehia sy i Nefia zanakalahin’i Helamàna izay marin-toetra dia nanana “fanambarana maro isan’andro.”15 Rehefa mivoky isan’andro amin’ny tenin’i Kristy ao anatin’ny soratra masina isika ary misaintsaina ny zavatra vakintsika dia afaka mahazo fanambarana isan’andro koa amin’ny alalan’ilay fanomezana ny Fanahy Masina, indrindra fa rehefa raisintsika an-tsoratra tsara ireo hevitra sy fahatsapana voaraintsika.
Laharana 4: Iaino ny lalàn’ny fifadian-kanina.
Tsara ho antsika ny mifady hanina mandritra ny 24 ora isaky ny Alahady fifadian-kanina ary manolotra malalaka ny fanatitsika avy amin’ny fifadian-kanina amin-kalalahana hanampiana ny sahirana mba hampitomboana ilay fahafahantsika mihaino ny feon’ny Fanahy. Nanoro hevitra ny Filoha Harold B. Lee hoe: “Nilaza tamin’i Isaia ny Tompo fa ireo izay mifady hanina sy mizara ny mofony amin’ny noana dia afaka manandratra ny feony ary dia hamaly ny Tompo hoe, ‘Inty Aho.’ [Jereo ny Isaia 58:6–9.] Izany no fomba iray hanombohana ny fifandraisana amin’ny Tompo. Andramo izany amin’ity taona ity. Iaino tanteraka ny lalàn’ny fifadian-kanina.”16
Hitantsika ao amin’ny Bokin’i Almà fa ireo zanakalahin’i Môsià dia “efa nanokan-tena ho amin’ny fivavahana fatratra sy ny fifadian-kanina; noho izany dia nananany ny fanahin’ny faminaniana sy ny fanahin’ny fanambarana, ary rehefa nampianatra izy ireo dia nampianatra tamin’ny hery sy ny fahefan’Andriamanitra.”17 Hevitra iray tokony hosaintsainina ilay andian-teny hoe “nanokan-tena” rehefa manombantombana ny ezaka ataontsika mba hifady hanina marina isika.
Laharana 5: Aoka ianao ho mendrika ny handeha any amin’ny tempoly ary mandehana mitsaoka any.
Araka nolazain’ny Filoha George Albert Smith dia “mahazo fitaomam-panahy avy amin’ny Tompo isika tsirairay saingy miankina amin’ny fomba entintsika hananana fiainana araka an’Andriamanitra ny haben’izany.”18 Marihina azafady fa tsy nilaza izy hoe tsy maintsy lavorary isika vao mahazo fitaomam-panahy. Fa mila manao ezaka faran’izay vitantsika isika mba hiainana amim-pahamendrehana.
Tsarovy ilay ohatra ratsy nianjady tamin’ny vahoakan’ny Mpanjaka Limia ao amin’ny Bokin’i Môrmôna ary misintòna lesona avy amin’izany: “Ny Tompo dia nitaredretra tamin’ny fihainoana ny fitalahoany noho ny helony.”19
Toa kely ny fijery azy raha ny fahamendrehana no sarany takiana mba hanokafana ny varavaran’ny lanitra. Rehefa mitandrina ireo fanekempihavanantsika isika sy mandray amim-pahamendrehana ny fanasan’ny Tompo dia ampanantenaina fa hanana mandrakariva ny Fanahiny ao amintsika.20 Saingy tsy tonga izany raha tsy rehefa avy nampanantena sy nanao fanekempihavanana isika fa hahatsiaro mandrakariva ny Mpamonjy! Ankoatra izany ny fifantohana amin’ny fandehanana any amin’ny tempoly sy ny fiainana amim-pahamendrehana mba hahafahana mandeha any amin’ny tempoly ary ny fandehanana matetika any araka izay fahafahantsika dia manome fahafahana antsika mba “hitombo ao amin’ny [Tompo], sy handray ny fahafenoan’ny Fanahy Masina.”21
Laharana 6: “Aza hamaivanina ireo zava-masina.” 22
Fantaro fa ny fanambarana avy amin’ny Tompo dia andraikitra masina ametrahany fitokisany amintsika. Nampianatra ny Loholona Richard G. Scott fa ny “fitaomam-panahy voarakitra an-tsoratra tsara dia mampiseho amin’Andriamanitra fa masina ho antsika ny fifandraisana Aminy. … Ny zavatra noraketina an-tsoratra toy izany … dia tokony harovana mba tsy ho very na hojerijeren’ny hafa.”23
Ny fijoroana ho vavolombelona faharoa mikasika io fampianarana io dia avy amin’ny zavatra iray niainan’ny Filoha Harold B. Lee, izay nilaza hoe: “Indraindray aho ao anatin’ny alina dia taitra sy tsy afaka matory raha tsy mandeha miala eo am-pandriana dia manoratra eo amin’ny taratasy ny zavatra izay manahirana ny saiko. Saingy mitaky herimpo be dia be ny mandray andraikitra rehefa tarihina ianao fa izay no valin’ny vavaka natao.”24
Laharana 7: Miomàna mba handroso amim-pinoana.
Rehefa nifanaiky fa hiroso amin’ny fanambadiana izaho sy ny vadiko dia nifampiresaka nandritra ny fotoana naharitra mikasika ilay hoavinay miaraka. Inona no hataontsika mikasika ny fianarana? Rahoviana isika no tokony hanan-janaka? Inona no anton’asa ahafahana mamelona ny fianakaviana sy ahafahantsika manompo ao amin’ny Fiangonana? Nandroso tamim-pinoana izahay noho ny finoanay ny torohevitra nomen’ny mpaminany velona iray izay nampianatra fa afaka manan-janaka izahay sady mianatra ary afaka miasa koa ao anatin’izany.
Tsy mora ilay izy. Lasa nanana karazan’asa tsy maharitra anankitelo ny vadiko sady nianatra mba hahafako manomboka ilay anton’asako vaovao dia ny ho reny sy mpikarakara. Nifanohitra tamin’ny fihevitr’izao tontolo izao izany lalana izany na dia tamin’izany fotoana izany aza. Rehefa manao jery todika an’izany izahay dia mahita ankehitriny fa nitondra fitahiana mandrakizay ireo dingan’ny finoana ireo, fitahiana izay mety tsy ho azonay raha toa izahay ka tsy nanaraka ny feon’ny Fanahy tamin’ny alalan’ilay mpaminany voafidin’ny Tompo.
Mba hampisehoana bebe kokoa izany dia diniho ity zavatra niainan’ny Loholona Robert D. Hales ity. Notendrena mba ho namana hanampy ny Filoha Ezra Taft Benson izy nandritra ny fihaonamben’ny tsatòka iray izay hisian’ny fiantsoana filohan’ny tsatòka vaovao iray. Nitantara izao manaraka izao izy: “Rehefa avy nivavaka sy nanao tafa sy dinika ary nandinika ny toe-javatra sy namerina ny nivavaka izahay dia nanontany ny Loholona Benson raha toa ka fantatro hoe iza no ho filoha vaovao. Nolazaiko hoe mbola tsy nahazo izay fitaomam-panahy izay aho. Nijery ahy nandritra ny fotoana naharitra izy ary namaly hoe mbola tsy nahazo koa izy. Notaomin’ny Fanahy anefa izahay hangataka mpihazona fisoronana mendrika anankitelo mba handray fitenenana nandritra ny fivorian’ny fihaonamben’ny tsatòka ny sabotsy hariva. Fotoana fohy taorian’ny nanombohan’ilay mpandahateny fahatelo dia nibitsika tamiko ny Fanahy fa izy no tokony ho filohan’ny tsatòka vaovao. Nijery ny Filoha Benson aho ary nahita fa nitsotsorika nanaraka ny tavany ny ranomasony. Samy nomena fanambarana izahay—saingy tamin’ny alalan’ny fanohizana ny fikatsahana ny sitrapon’ny Ray any an-danitra ihany no nahazoana izany rehefa nandroso tamim-pinoana izahay.”25
Laharana 8: Avelao ny Tompo hanapa-kevitra amin’izay zavatra nofidiany mba hambara sy ny fotoana hanambarany izany.
Toa azo ampiharina eto ny hevitra nozarain’ilay Mpanoratra Corrie Ten Boom: “Ny toe-javatra rehetra iainana izay nomen’Andriamanitra antsika, ny olona rehetra izay napetrany eo amin’ny fiainantsika dia fanomanana tonga lafatra an’ilay hoavy izay izy irery ihany no mahita azy.”26
Angamba ny sasany aminareo niaina zavatra mitovy amin’ny niainan’ny zanakay enina rehefa nitady ilay namany hiara-dia aminy mandrakizay izay mendrika izy ireo. Satria ny fahendrena moa dia tsy azo raha tsy aorian’ny fandalovana fisedrana, dia hitan’izy ireo ankehitriny fa samy nila niaina toe-javatra vitsivitsy izy ireo mba hahafahana namantatra ilay tanan’ny Tompo izay nitarika azy ireo nankany amin’ilay namany hiara-dia aminy mandrakizay. Ny sasany tamin’ireo toe-javatra niainana ireo dia nitaky ny fiandrasana tamim-paharetana nandritra ny taona maro ary ny fandrosoana tamim-pinoana. Nisy fotoana, toy ireny akaiky azy ireo ireny ny lanitra rehefa nivavaka izy ireo. Rehefa mifanohitra amin’ny faniriantsika manokana ny fotoan’ny Tompo dia matokia fa mety misy fanomanana sasantsasany ilain’ny Tompo handalovantsika alohan’ny hamaliana ny vavaka nataontsika.
Nampianatra ny Loholona Dallin H. Oaks hoe:
“Tokony ho fantatsika fa ny Tompo dia hiresaka amintsika amin’ny alalan’ny Fanahy amin’ny fotoany sy amin’ny fombany. Maro ny olona no tsy mahatakatra an’io fitsipika io. Mino izy ireo fa rehefa vonona sy mety aminy ny fotoana dia afaka miantso ny Tompo izy ireo ary tonga dia hamaly Izy ka amin’ilay fomba tena efa namaritan’izy ireo mialoha azy mihitsy aza izany. Tsy tonga amin’ny alalan’izany fomba izany ny fanambarana. …
“… Tsy afaka manery ny zavatra ara-panahy isika.”27
15 taona lasa teo izay dia lasa jamba ny reniko. Sahirana mafy izy nandritra ny volana maro teo anatrehan’izany fitsapana henjana izany. Nahazo fampaherezana tao anatin’ny tononkalo tsotra iray izay lasa nankafiziny izy rehefa nivavaka tamin-kafanampo mba hahatakatra ny zava-miseho. Nampiasain’ny Filoha Monson vao haingana izany.
Tsy fantatro hoe amin’ny fomba mahalana toy ny ahoana,
Fa ny fantatro dia mamaly vavaka Andriamanitra.
Fantatro fa nanome toky Izy,
Izay milaza fa ny vavaka dia re foana,
Ka na ho ela na ho haingana dia hivaly izany.
Ka dia mivavaka aho sady miandry amim-pitoniana ihany.
Ireo fitahiana izay nokatsahiko
Tsy haiko raha ho tonga araka izay noheveriko,
Fa apetrako Aminy fotsiny ny vavako,
Ny sitrapony dia tsara noho ny ahy
Matoky aho fa hamaly ny vavako Izy,
Na handefa valiny misy fitahiana bebe kokoa.28
Toy ny ankamaroantsika rehetra dia mbola mikatsaka ny hametraka ny fitokiany amin’ny sitrapon’ny Tompo sy ny fotoany ny reniko. Rehefa manao izany isika dia tokony hahatsiaro ny fampianarana avy amin’ny Loholona Richard G. Scott hoe: “Inona no ataonao rehefa avy niomana tsara sy nivavaka tamin-kafanampo ary niandry ny valiny tao anatin’ny fotoana antoniny tsara, kanefa toa mbola tsy mahatsapa ho nahazo valiny ihany? Afaka maneho fisaorana ianao rehefa azo ilay valiny satria porofon’ny fahatokiana ny [Ray any an-danitra] izany. Rehefa miaina amim-pahamendrehana ianao ary mifanaraka amin’ny fampianaran’ny Mpamonjy ny safidinao dia mila mandray andraikitra ianao ary mandroso miaraka amin’ny fananana fahatokiana. Rehefa mihaino tsara ny bitsiky ny Fanahy isika, ny iray amin’ireo zavatra roa azo antoka fa hitranga amin’ny fotoana mahamety azy: dia na fahadontoan’ny saina izay maneho safidy ratsy na hisy fiadanana ho tsapa na hahamay ny ao anatin’ny tratra, izay manamafy fa tsara ny safidy nataonao. Rehefa miaina amim-pahamarinana ianao ary mandray andraikitra amim-pahatokiana dia tsy hamela anao handeha lavitra loatra izany Andriamanitra izay vao hanome bitsika fampitandremana fa nanao safidy ratsy ianao.”29
Izany feo mampitandrina avy amin’ny Fanahy izany dia tonga avy amin’ireo mpanompo nofidian’ny Tompo izay hitondra antsika any amin’ny fizarana manaraka:
Laharana 9: Henoy ireo fampitandreman’ny mpaminany.
Mieritrereta fampitandremana vitsivitsy avy amin’ny mpaminany izay nomena antsika amin’izao andro izao. Voalohany, avy amin’ny Filoha Boyd K. Packer:
“Izao no fampitandremana! Misy mozika sasany izay tena manimba ara-panahy. … Mandroaka ny Fanahy ny fanara-drindrany sy ny feony ary ny fomba fiainan’ireo izay milalao azy. Mampidi-doza mihoatra lavitra noho izay mety eritreretinao izany satria mety hanasarotra ny fomba ahafahanao mahatsapa ny Fanahy.”
Fampitandremana iray hafa:
“Mety hisy ny fanambarana sandoka, ny bitsika avy amin’ny devoly ary ny fakam-panahy! …
“Raha toa ianao ka mandray bitsika iray manosika anao hanao zavatra izay tsapanao fa tsy mampahazo aina anao, hanao zavatra izay fantatrao ao an-tsainao fa ratsy sy mifanohitra amin’ireo fitsipiky ny fahamarinana dia aza manao na inona na inona!”
Ary ity misy iray hafa: “Hisintaka ny Fanahy rehefa lasa mitsikera sy feno eritreritra ratsy ny olona iray.”30
Ary ny mpaminany malalantsika Filoha Monson, dia nampitandrina rehefa nilaza hoe: “Aoka ianareo ho mailo amin’ireo zavatra izay mety hanaisotra aminareo ireo fitahian’ny mandrakizay.”31
Nahoana isika no mila manomana ny fontsika hihaino ny feon’ny Fanahy? Inona avy ireo fitahiana azontsika rehefa manao izany isika?
Vao tonga avy any Philippines aho ary nahita ny vokatra naterak’ilay rivo-mahery goavana Haiyan. Naheno ny zavatra niainan’ireo anadahy sy rahavavy malalantsika tany Philippines aho rehefa nijoro ho vavolombelona izy ireo fa notarihan’ny Fanahy tao anatin’ilay fotoana tena nilana fanampiana ka dia nahafantatra ny zavatra tokony hatao sy ny toerana tokony haleha. Naheno azy ireo niresaka momba ny fandrosoana amim-pinoana tao anatin’ny fotoana izay tsy nampazava ny lalana aho. Naheno ny tantaran’ireo misiônera tanora aho, na ny soeurs na ny elders izany izay nanaraka ireo bitsika ka nitondra azy ireo tany amin’ny toerana azo antoka tao anatin’ilay tontolo ravarava nanodidina azy ireo. Tena feno fankasitrahana aho noho ilay “fanomezana tsy hay laizana ny Fanahy Masina,”32 izay mampitandrina, mitantana ary mampahery sy mitarika ireo izay mikatsaka ny hiaina amim-pahamendrehana.
Tao anatin’ireo fanomezana rehetra izay azon’ny Ray any an-danitra nosafidiana mba homena ny zanany lahy sy ny zanany vavy rehefa nivoaka avy tao amin’ny ranon’ny batisa isika, dia ny fanomezana ny Fanahy Masina no nosafidiany mba hatolotra antsika.
“Ny Fanahy Masina dia miara-miasa tanteraka amin’ny Ray any an-danitra sy i Jesoa Kristy. …
Izy dia ‘mijoro ho vavolombelona amin’ny Ray sy ny Zanaka’ (2 Nefia 31:18) ary manambara sy mampianatra ‘ny fahamarinan’ny zavatra rehetra’ (Môrônia 10:5). Amin’ny alalan’ny herin’ny Fanahy Masina ihany no ahafahantsika mahazo fijoroana ho vavolombelona azo antoka momba ny Ray any an-danitra sy i Jesoa Kristy. Ny fifandraisany amin’ny fanahintsika dia mitondra fitokiana marina bebe kokoa noho izay azon’ny retsipamantarantsika ara-boajanahary raisina avy amin’izay mety ho fifandraisana hafa.”33
Ry rahalahy sy rahavavy, araka ny efa fantatrareo dia hitantsika fa manodidina antsika ilay trano lehibe sy malalaka feno olona maneso sy manaraby ary manondro tanana amim-pankahalana. Ny feon’izao tontolo izao dia mafy dia mafy, tsy manaiky ny hajanona, manao izay hinoana azy ary be kiry. Raha vao tsy manomana ny fontsika hihaino ny feon’ny Fanahy isika ary tsy manatsara ny fahaizantsika mikatsaka sy mandray ary manao asa eo anatrehan’ny fanambarana ho an’ny tena manokana dia mihozongozona ny fototra ijoroantsika. Mila ny feon’ny Fanahy isika mba hitarika antsika hanalavitra ny zavatra rehetra izay maloto, tsy misy dikany, mirefarefa amin’ny tany, feno herisetra ary feno fitiavan-tena sy fahotana. Tsy hoe mila ny Fanahy Masina mba hitarika antsika any amin’ny zavatra rehetra izay “mendrika, maha-te ho tia, tsara sy mendrim-piderana”34 fotsiny isika fa mila ny Fanahy Masina koa mba hanampy antsika hamboly faniriana hanana ireo zavatra ireo mba hanoherana ny fisarihan’izao tontolo izao.
Ny iray amin’ireo fitahiana tena tsara indrindra azontsika raisina rehefa mianatra mihaino ny feon’ny Fanahy isika dia ny fahafahana mahita ny tenantsika araka ny fahitan’ny Raintsika any an-danitra azy, ary rehefa “mandeha miadana sy tsikelikely” eo dia lasa tonga amin’ilay hoe isika amin’ny endriny tsara indrindra.
Diniho ity teny tena tsara nambaran’ny Apôstôly irain’ny andro farany ity: “Ny Fanomezana ny Fanahy Masina … dia manaitaitra ny saina, mampitombo, mampivoatra, mampivelatra ary manadio ny firehetampo sy fitiavana ara-boajanahary rehetra; ary mandrindra ny fampiasana azy ireo hifanaraka amin’ny tokony ho izy amin’ny alalan’ny fahendrena nomena. Manentana, mampitombo, sy mikolokolo ary mampivoatra ny fangorahana, ny fifaliana, ny fankafizana manokana, ny fahatsapan-javatra tsara sy ny fitiavana izay mitondra soa hita ao anatin’ny toetrantsika izany. Mampisy hatsaran-toetra, hatsaram-panahy, halemem-panahy, hamoram-panahy ary fiantrana izany. Mampitombo ny hatsaran’ny olana iray izany eo amin’ny bika aman’endrika. Mitondra fahasalamana, tanjaka, hery lehibe ary fitiava-namana izany. Mamelombelona ny vatana sy ny sain’ny olombelona izany. Mampatanjaka sy mampavitrika ny hozaketsika izany. Raha fintinina dia mitondra ireo zavatra tena ilaina sy hahazoantsika fifaliana izany.”35
Ny Fanahy Masina dia afaka manao zavatra ho antsika ara-batana, ara-panahy, ara-pihetsehampo ary ara-tsaina izay tsy azon’ny fanafody vitan’olombelona na inona izany na inona atomboka alain-tahaka.
Tsy hanaiky kosa ve ianareo hoe ny fiainana amim-pahamendrehana mba hahazoana ireo fitahiana ireo dia tsy hanenenana na inona na inona takian’izany ary na dia mitaky fahafoizan-tena lehibe aza izany? Izany no “mofo” azontsika raha oharina amin’ilay “sombin’” ezaka nataontsika. Manasa antsika rehetra aho mba hanomboka anio alina hanomana ny fonareo hihaino ny feon’ny Fanahy Masina.
Tsy kisendrasendra mihitsy ny nananganan’ny Tompo ny Filoha Thomas S. Monson ho toy ny mpaminany velona mba hitarika antsika amin’izao andro farany izany. Olona iray izay nianatra nihaino tsara ny bitsiky ny Fanahy sy nandray andraikitra teo anatrehan’izany ny Filoha Monson. Tsara raha manaraka ny ohatra nasehony isika.
Mijoro ho vavolombelona aho fa izy no mpitondratenin’ny Tompo amin’izao androntsika izao. Mijoro ho vavolombelona koa aho fa tian’ny Raintsika any an-danitra hiverina eo anatrehany isika ary nomeny ireo fomba ahafahantsika manao izany tamin’ny alalan’ny fanomezany ny Zanany Lahitokana sy ny Fanomezana ny Fanahy Masina. Mijoro ho vavolombelona aho fa mendrika ny hanaovantsika ny ezaka rehetra avy amintsika ny hahazoana sy hitazonana io fanomezana tsy hay faritana io, amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.
© 2014 an’ny Intellectual Reserve, Inc. Zo rehetra voatokana. Fankatoavana ny tamin’ny teny Anglisy: 1/14. Fankatoavana ny fandikana: 1/14. Fandikana ny Tuning Our Hearts to the Voice of the Spirit. Malagasy. PD10050686 654