Fampaherezam-panahy maneran-tany
Mitonia ary Fantaro fa Izaho no Andriamanitra


Mitonia ary Fantaro fa Izaho no Andriamanitra

Fampaherezam-panahy ho an’ny Tanora Tokan-tena sy Mpivady vao Herotrerony an’ny DFF • 4Mey 2014 • San Diego, Californie

Ry zandrilahy sy zandrivavy malalako, faly aho miresaka aminareo avy eto San Diego, Californie. Fahafinaretana ho ahy eto amin’ity fampaherezam-panahy an’ny DFF ity anio hariva. Miarahaba ny tanora tokan-tena sy ny mpivady vao herotrerony rehetra izahay izao hariva izao, anisan’izany ianareo mpianatra ao amin’ny kilasy famaranana ao amin’ny ambaratonga faharoa. Faly izahay amin’ny fanatrehanareo. Miarahaba ireo misiônera avy nanao asa fitoriana ihany koa izahay. Feno fankasitrahana amin’ny asa fanompoana nataonareo rehetra ny Fiangonana sy ny Tompo!

Miarahaba anareo izay ho lasa misiônera amin’ny ho avy koa izahay. Mila tovovavy sy tovolahy marina ny Tompo mba hanampy Azy hanangona an’ny Isiraely sy hanomana izao tontolo izao amin’ny Fiaviany Fanindroany.

Tiako ho fantatrareo fa tia anareo sy matoky anareo ny Tompo. Ny Fiadidiana Voalohany sy ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia matoky anareo ary mivavaka matetika ho anareo. Ianareo no hoavin’ny Fiangonana ary manana fitahiana maro tsara dia tsara homena anareo mandritra ny fiainanareo ny Tompo.

Mamela ahy hamerina sy hanamafy izany—ianareo no hitarika ny Fiangonana afaka 20 ka hatramin’ny 30 taona. Ny sasany aminareo dia ho lasa eveka, filohan’ny tsatòka, filohan’ny misiona, filohan’ny Kilonga, Zatovovavy, ary Fikambanan’ny Fanampiana; ary filohan’ny tempoly sy vadin’ny filohan’ny tempoly. Eny, mandre ny feoko amin’izao takariva izao ireo izay azo antoka fa ho lasa mpitondra eo anivon’ny fiaraha-monina sy ny firenen’izao tontolo izao. Hisy ireo ho lasa mpikambana ao amin’ny fiadidian’ny vehivavy maneran-tany na Fitopololahy Manampahefana Ambony mihitsy aza, na angamba ho mpikambana ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo.

Amin’izao fotoana izao dia tsy fantatrareo ilay hoavy miavaka izay hohatrehinareo!

Mpitarika ato amin’ny Fiangonana

Reko fa ny olona sasany dia mihevitra fa miaina ao anatin’ny “tontolo iray tsy mifandray amin’izao tontolo izao” ireo mpitarika ato amin’ny Fiangonana. Ny zavatra adinon’izy ireo dia ny hoe lehilahy sy vehivavy manana traikefa maro izahay, sy niaina ny fiainanay tany amin’ny toerana maro samihafa, ary niara-niasa tamin’ny olona maro avy amin’ny toerana maro. Ireo asa ampanaovina anay amin’izao fotoana izao dia tena mahatonga anay hitety an’izao tontolo izao tokoa, izay hihaonanay amin’ireo mpitondra eo amin’ny lafiny ara-pôlitika, ara-pivavahana, amin’ny raharaham-barotra, ary ny fanampiana olona eto amin’izao tontolo izao. Na dia nitsidika ny Maison Blanche ao Washington, D.C. sy ireo mpitondra ireo firenena manerana izao tontolo izao aza izahay, dia notsidihinay ihany koa ireo tokantrano sahirana indrindra eto an-tany, izay nihaonanay tamin’ny mahantra sy nanompoanay azy ireo.

Rehefa mieritreritra amim-pisainana tsara ny fiainanay sy ny asa fanompoanay ianareo dia mety tena hanaiky fa mahita an’izao tontolo izao sy miaina ao anatin’izany amin’ny fomba izay hiainan’ny olom-bitsy hafa izany izahay. Ho hitanareo fa tsy dia miaina loatra ao anatin’ny “tontolo tsy mifandray amin’izao tontolo izao” izahay raha ampitahaina amin’ny ankamaroan’ny olona.

Ny sasany dia milaza fa antitra loatra izahay. Marina tokoa fa efa mihoatra ny 80 taona ny sivy amin’ireo Apôstôly! 85 taona aho.

Kanefa dia misy zavatra mahakasika ny fahendren’ny tsirairay sy ny fahendrena iraisan’ireo Apôstôly izay tokony hahazoana toky. Efa niaina zavatra maro tokoa izahay, ao anatin’izany ny vokatry ny lalàna samihafa eo anivon’ny fanjakana, ny pôlitika sy ny fahadisoam-panantenana, ireo loza, ary ireo fahafatesana eo anivon’ny fianakavianay tsirairay avy. Takatray ny zava-miseho eo amin’ny fiainanareo.

Mamela ahy hilaza ihany koa fa tsy misy saro-kenatra ireo Roambinifololahy. Manana toetra manokana tena miavaka ny tsirairay aminay. Ka rehefa miray fo amin’ny fanapahan-kevitra iray izahay dia afaka mahazo antoka ianareo fa efa niara-nivory izahay ary nandray izany fanapahan-kevitra izany taorian’ny vavaka maro sy fifanakalozan-kevitra voasaina tsara.

Ny zafikeliko aza dia mieritreritra fa “milay” aho—araka ny fomba fitenin’izy ireo. Reko fa ny sasany amin’ireo tanora tokan-tena dia milaza fa “maharaka” aho. Enga anie mba ho tsara izany hoe “maharaka” izany!

Manana ny herin-tsain’ny tanora izahay, ary mitahy anay ny Tompo mba hampandroso ny asany amin’ny fomba mahavariana. Anio hariva aho dia hiresaka aminareo mikasika ny lohahevitra telo manan-danja: voalohany, ny fampiasana ny teknôlôjia, faharoa, fandresena ny pôrnôgrafia, ary fahatelo, ny fotopampianaran’ny fanambadiana—olana telo manan-danja izay atrehintsika ankehitriny.

1. Fampiasana ny Teknôlôjia

Ny voalohany dia ny fampiasana ny teknôlôjia. Tamin’ny 2007 sy 2008 aho dia niresaka tamin’ireo mpianatra nahavita fianarana tao amin’ny BYU–Hawaii sy BYU–Idaho. Tamin’ireo fotoana ireo aho dia nilaza hoe: “Tsy tokony hijanona amin’izao fotsiny isika, raha toa ny hafa, anisan’izany ireo mpanakiana, ka manandrana mamaritra ny zavatra ampianarin’ny Fiangonana.”1 Tamin’izany fotoana izany aho dia namporisika ireo mpianatra nahavita fianarana mba hampiasa ireo fivoarana eo amin’ny teknôlôjia mba ho lasa mpandray anjara amin’ny fifaneraserana eto amin’izao tontolo izao mikasika ny Fiangonana. Nieritreritra aho fa naharaka toetrandro tsara rehefa nanoso-kevitra tamin’izy ireo mba hizarany ny heviny ao anatin’ireo blaogy. Nanomboka tamin’izay aho dia lasa nahafantatra ny Facebook, Twitter, Pinterest, YouTube, Google+, ny Instagram ary ny mpitantsoratro vao nampahafantatra ahy, raha iny hanainga iny aho mikasika ny Snapchat. Mahavariana e! Toy ny hoe tsy mitsahatra mivoatra ny teknôlôjia na dia minitra vitsy aza.

Mahatalanjona ny findaiko! Tena fitaovana manampy tokoa ny finday avo lenta misy solosaina! Manome antsika fahafahana maro izy ireo, anisan’izany ny fahazoana fampahalalana, ny fahazoana sarin-tany manoro lalana, ny fizarana sary sy hafatra, ary indraindray kely aza dia hiresahana amin’olona.

Miovaova hatrany ny tontolo maoderina iainantsika amin’izao fotoana izao, izay tsara amin’ny lafiny iray ary mety ho tsy dia tsara loatra amin’ny lafiny iray.

Fahasamihafana eo amin’ny Lasa sy ny Ankehitriny

Nanomboka tamin’ny andron’i Adama sy i Eva ka hatramin’ny andron’i Joseph sy Emma Smith dia niova miadana kokoa teo amin’ireo taranaka nifandimby izao tontolo izao raha ny tena marina.

Ny olona niaina fahiny dia niaina tao anatin’ny fahazavana voa-janahary avy eny amin’ny lanitra sy haizina azo niainana tsara, tsy nisy jiro an-dalambe, jiro amin’ny fiara, ary jiro artifisialy hita ao amin’ny tanàn-dehibe antsika rehetra manerana izao tontolo izao. Ao amin’ireo tanàn-dehibe ankehitriny dia toy ny tsy azo heverina intsony ny hahita ny lanitra amin’ny alina tahaka ny nahitan’i Abrahama, Mosesy, Rota, Elizabeta, Jesoa, ary ireo Olomasin’ny Andro Farany tany am-piandohana an’izany.

Niaina tao anatin’ny fahanginana voa-janahary koa izy ireo, ary vitsy dia vitsy ny feo namboarin’olombelona nanelingelina ny andron’izy ireo, indrindra fa ny alin’izy ireo. Ireo feo maoderina avy amin’ny fiara, fiaramanidina, ary ilay zavatra izay mety antsoin’ny sasany aminareo hoe mozika dia nahatonga ny feo voa-janaharin’izao tontolo izao tsy ho re intsony. Tsy afaka mandeha any amin’ny trano fisakafoanana intsony ianao ka hoe tsy misy hira mandeha any ambadika any. Na any amin’ny ala tena lavitra sy mitokana eto amin’izao tontolo izao aza dia matetika no voaelingelin’ny fisidinan’ny fiaramanidina eny amin’ny lanitra ny fahanginana.

Ny olona fahiny koa dia niaina tao anatin’ny fanirery tamin’ny fomba izay tsy azontsika an-tsaina akory ato anatin’ity tontolontsika izay feno olona sy be atao ity. Na dia amin’ny fotoana maha-irery antsika amin’izao fotoana izao aza dia mety mifanerasera amin’ny hafa amin’ny alalan’ny fitaovana enti-tanana misy solosaina isika ary mijery fahitalavitra mba hahatonga antsika ho variana sy hanan-javatra atao.

Amin’ny maha-Apôstôly ahy dia manontany anareo aho izao: Manana fotoam-pahanginana ho an’ny tenanareo ve ianareo? Manontany tena aho raha nanana fahafahana kokoa noho isika ireo izay niaina teo aloha ny hahita sy hahatsapa ary hiaina ny fisian’ny Fanahy teo amin’ny fiainan’izy ireo.

Tahaka izany koa, rehefa mihamazava sy mihamitabataba ary mihabe atao ny tontolontsika dia manana fahasarotana bebe kokoa isika amin’ny fahatsapana ny Fanahy eo amin’ny fiainantsika. Raha tsy misy fotoam-pahanginana eo amin’ny fiainanao—dia manomboha mikatsaka izany anio alina!

Torohevitra avy amin’ny Mpaminany

Zava-dehibe ny mitony sy mihaino ary manaraka ny Fanahy. Manana fialam-boly betsaka loatra fotsiny isika mba hisarika ny saintsika, mihoatra noho izay nisy tamin’ny fotoana rehetra teo amin’ny tantara.

Mila fotoana hisaintsainana sy handinihana lalina avokoa ny tsirairay. Na ilay Mpamonjy izao tontolo izao aza, nandritra ny asa fanompoany teto an-tany, dia nahita fotoana hanaovana izany: “Ary rehefa noravany ny vahoaka, dia niakatra tao an-tendrombohitra Izy mba hitokana hivavaka; ary nony hariva ny andro, dia nitoetra irery teo Izy.”2

Samy mila fotoana hanontaniana tena avokoa isika rehetra na hanaovana dinidinika amin’ny tenantsika manokana. Matetika isika no be atao ary maro be ireo zavatra mahasarika feno tabataba eto amin’izao tontolo izao ka manjary sarotra ny hoe “mitonia ary Fantaro fa Izaho no Andriamanitra.”3

Ireo fitaovana misy solosaina enti-tanana toy ny finday avo lenta dia fitahiana, saingy mety manao izay hahavariana antsika mba tsy handre ilay “feno tony sy malefaka” ihany koa izy ireo. Tokony ho mpanompontsika izy ireo fa tsy tompontsika. Ohatra, raha mizara zavatra mitaona fanahy avy amin’ity fampaherezam-panahy ity ao amin’ny tranonkala ahafahan’ny daholobe mifanerasera ianareo anio alina dia mpanompo ny finday avo lentanareo. Raha manao fikarohana amin’ny fomba kisendrasendra ao amin’ny Internet ianareo dia tompo ny finday avo lentanareo.

Tadidio ny zavatra nianaran’i Elia: “Jehovah tsy tao amin’ny rivotra; . . .  Jehovah tsy tao amin’ny horohoron-tany: . . .  Jehovah tsy tao amin’ny afo,” fa niteny tamin’ny “feo nitsoka malemy”4 ny Tompo.

Ny Fampiasantsika ny Teknôlôjia

Ny fanontaniako ho anareo dia hoe: hafiriana isan’andro raha ny tena marina no fotoana lanianareo amin’ny findainareo na ny tablette, ary tsy tafiditra ao anatin’izany ny fianarana na ny asa ao am-piangonana?

Ny fampiasana ireo fitaovana ireo dia mety ary fitahiana izy ireny. Kanefa rehefa manomboka manembantsembana ny fifandraisanareo amin’ny namana sy ny fianakaviana ny finday avo lentanareo—ary ny tena manan-danja indrindra dia ny fifandraisana amin’Andriamanitra—dia mila manova zavatra isika. Ho an’ny sasany aminareo dia ho kely ny fanovana ilaina atao, ary mety ho goavana izany ho an’ny hafa.

Manahy ihany koa aho fa ny fandefasana hafatra elektrônika be loatra, ny fampiasana Facebook, ny fampiasana Twitter, ary ny fampiasana Instagram dia manolo ny firesahana—-fifampiresahana mivantana sy ny firesahana amin’ny alalan’ny vavaka amin’ny Raintsika any an-danitra ary ny fieritreretana ireo zavatra manan-danja indrindra eo amin’ny fiainana.

Matetika loatra ny tanora no ao anatin’ny efitrano iray miaraka amin’ny fianakaviany na ireo namany saingy variana mifanerasera amin’ny olona tsy eo akory, ka noho izany dia manary ny fahafahana miaraka amin’ireo izay eo akaikiny. Rehefa izany no mitranga dia angamba tokony hivoaka ny efitrano ianao ary handefa hafatra elektrônika ho azy ireo mba hisarihana ny sainy!

Ny zavatra tena nianarako indrindra teo amin’ny fiainako dia avy amin’ny fihainoana ireo izay manana traikefa betsaka, ireo izay efa niaina elaela kokoa ka nianatra zavatra maro manan-danja izay nilaiko nofantarina. Aoka ianareo mba haka tombony amin’ny fiarahana sy firesahana amin’ny ray aman-dreninareo, ny nenitoa sy dadatoa, ary ireo ray aman-drenibenareo dieny mbola velona izy ireo.

Manahy ihany koa aho fa ny sasany aminareo dia mijery ny kaontinareo ao amin’ny e-mail, ny Facebook, Twitter na Instagram, na mandefa hafatra elektrônika mandritra ny fivoriana manan-danja indrindra ao amin’Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany naverina amin’ny laoniny—ny fivoriana masintsika dia ny fanasan’ny Tompo. Tokony hifantoka amin’ny Tompo amin’ny alalan’ny vavaka sy ny fihirana ary ny fandraisana ny tandindon’ny vatany sy ny rany isika mandritra io fivoriana manan-danja io fa tsy somokotra mampiasa ireo fitaovantsika misy solosaina enti-tanana. Tsy afaka mifandray amin’ny Fanahy ianareo mandritra ny fizarana ny fanasan’ny Tompo eo am-pijerena na fandefasana hafatra amin’ny alalan’ny finday avo lentanareo na ny tablette. Io fifandraisana io dia mitaky ny hazavan’i Kristy izay mitaona ny eritreritrareo sy ny fonareo hamokatra fitiavana mahery vaika sy fahafoizan-tena.

Fantatro fa maro aminareo no mitahiry ny soratra masinareo sy ireo loharano hafa an’ny Fiangonana ao anatin’ny findainareo sy ny tablette. Reko fa ny ray aman-dreny sasany sy ireo mpitarika ato amin’ny Fiangonana dia manahy ny amin’ity fivoarana vaovao ity, fa izaho kosa dia tsy manahy ny amin’izany.

Ny Fiangonana dia nampiasa foana ny fivoarana ara-teknôlôjia mba hanampiana amin’ny fampandrosoana ny asan’ny Tompo. Nanomboka nandefa ireo misiônerantsika tamin’ny sambo nandeha tamin’ny alalan’ny voaly isika tamin’ny taona 1830, kanefa nanararaotra mampiasa ny fivoarana natolotry ny sambo mandeha amin’ny etona isika tamin’ny taona 1860. Ary avy eo isika dia nanaiky ny fampiasana ny zotram-piaramanidina mba ho fitaovana tsara indrindra hitondrana ny misiônerantsika any amin’ny toerana handefasana azy ireo manerana izao tontolo izao tamin’ny taona 1960.

Miverimberina ho azy amin’ny fomba mahaliana tokoa ny tantara. Fahiny dia nitahiry ny tenin’ireo mpaminany tamin’ny horonana ny Isiraely. Ary nisy fotoana izay nampiasan’ireo Kristiana ny taratasy natambatra ka narafitra ho boky, izay endrika nisehoan’ny boky maoderina tany am-piandohana.

2.000 taona aty aoriana isika izao, ary ianareo ry tanora dia mamaky ny soratra masinareo amin’ny finday avo lenta na tablette—mamaky izany tahaka ny namakian’i Jesoa azy rehefa nomena horonana misy ny tenin’i Isaia Izy mba hovakiny tany Nazareta5 Tokony hamaky izany koa ianareo—saingy aoka mba tsy ho mandritra ny fivoriana Fanasan’ny Tompo izany. Azo antoka fa mandritra ireo minitra vitsy ireo dia afaka mifantoka amin’ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy ianareo rehefa mikatsaka ny Fanahin’ny Tompo mba hitahy anareo mandritra ny herinandro ho avy. Ary ataovy amin’ny fomba tsy ahafahana mandray antso na hafatra ny finday avo lentanareo mandritra ireo adiny telo fivoriana rehefa Alahady. Mbola afaka hampiasa ny soratra masinareo, ireo lahateny tamin’ny fihaonambe, ny fihirana, ary ireo boky torolalana ianareo saingy tsy ho variana amin’ireo hafatra elektrônika izay tonga na ireo fanamarihana mipoitra ho azy.

Fialofana amin’ny Tafio-drivotra

Ankoatra ny fitadiavana fotoana handinihana sy hisaintsainana dia mila mitady toerana, araka izay voalaza ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana ihany koa isika, izay ho “fiarovana sy . . .  fialofana amin’ny tafio-drivotra.”6

Mila toeram-pialofana manokana isika, izay ahafahantsika manalavitra ny tenantsika amin’ny fanintonan’ireo fitaovana elektrônikantsika ny saintsika amin’ny alalan’ny famonoana azy ireo mba hahafahantsika mifandray amin’ny Fanahin’Andriamanitra.

Iray amin’ireo toerana tsara indrindra mba hifandraisana amin’ny Fanahy ny ao amin’ny tempoly—ny tranon’ny Tompo. Marina tokoa fa azo lazaina ho toy izany ireo trano hafa an’ny Fiangonantsika izay efa natokana, ao anatin’izany ireo efitrano fianarana seminera sy institiota. Afaka mahita fialofana ao an-tokantranontsika isika rehefa misafidy ny hamono tsotra izao ireo fitaovantsika ka hitony sy hamantatra ireo zavatr’Andriamanitra.

Mba hanampiana antsika hahita ilay tontolo nahitan’i Adama sy Eva, Abrahama sy Saraha, ary i Josefa sy Maria an’Andriamanitra, ary hanampiana antsika hahita toerana iray hahatsapana sy handrenesana ny feon’ny Tompo amin’izao fotoana izao, dia manasa anareo aho mba handeha matetika any amin’ny tempoly sy hamono ny finday avo lentanareo ary hampirina izany alohan’ny hidiranareo ao antokotanin’ny tempoly.

Mandritra ireo ôrdônansy rehetra ao amin’ny tranon’ny Tompo dia handre fomba fiteny, teny ary fampanantenana tena tsara omen’ny Tompo ireo zanany ianareo. Izany no hany toerana ahafahanareo mandre ireo teny tsara sy manazava ny saina amam-panahy ireo.

Raha tsy mbola mendrika ny hahazo ny fahazoan-dalana hidirana ny tempoly ianareo izao ankehitriny izao dia tsidiho ny tokotanin’ny tempoly. Mamela ahy hilaza zavatra iray tena manan-danja raha toa ka tsy mbola nahare izany mihitsy ianareo teo aloha: Tsy misy na inona na inona manakana anareo hitsidika ny tokotanin’ny tempoly. Tian’ny Tompo hanomana ny tenanareo mba ho mendrika hahazo ny fahazoan-dalana hidirana ny tempoly ianareo ary handeha any amin’ny amin’ny tempoly faran’izay haingana araka izay azonareo atao. Ny fandehanana eo amin’ireo tokotany dia hamboly ao am-ponareo ny faniriana iray mba hahazo fahazoan-dalana sy handeha matetika any amin’ny tempoly.

I Satana kosa etsy an-danin’izay dia tsy maniry ny handehananareo any amin’ny tempoly na dia hijoro eo akaikin’ny tempoly fotsiny aza. Tsy tiany ny handehananareo na dia eo akaikin’ny tempoly aza satria tranon’ny Tompo ny tempoly.

Manome toky ny tsirairay aminareo aho fa rehefa mankany amin’ny tempoly ianareo na mitsidika ny tokotanin’ny tempoly dia handeha eo amin’ny tany masina tahaka ny nataon’ireo patriarika sy ny vadin’izy ireo fahiny ela be. Nifantoka tamin’ny dian’izy ireo mandrakizay sy ireo zavatra manan-danja indrindra eo amin’ny fiainana izy ireo. Afaka mifantoka tahaka ny nataon’izy ireo amin’ny fahatsapana ny hery sy ny fisian’ny fitaomana avy amin’Andriamanitra koa ianareo.

Raha misafidy izany ianareo dia afaka mandre ny feo tony sy malefaky ny Fanahy ao amin’ny tempoly na eo amin’ny tokotany masin’izany amin’ny fomba izay tsy handrenesanareo izany mihitsy any amin’ny toeram-pivarotana lehibe, ao amin’ny trano fisakafoanana, ary eny amin’ireo toerana natao ho an’ny daholobe. Raha ny marina dia ho hitanareo fa ny tempoly dia toerana mahafinaritra handraisana ny valin’ireo vavakareo.

Vao haingana no nanokanan’ny Filoha Thomas S. Monson ny Tempolin’i Gilbert Arizona. Nangataka tamin’ny Tompo izy nandritra ilay vavaka fanokanana hoe “Enga anie ny Fanahinao Masina mba hitoetra ato, ary enga anie ka ho tsapan’ireo rehetra izay miditra ato anatin’ireto rindrina ireto ny fitaomany.” Nivavaka koa izy hoe: “Enga anie ity tranonao ity ka ho toerana masina itoeran’ny fiadanana, ho toeram-pialofana amin’ireo tafio-drivotry ny fiainana ary ny tabataban’izao tontolo izao. Enga anie izany mba ho trano ahafahan’ny olona mandinika amim-pahanginana ny toetra mandrakizain’ny fiainana sy ny drafitrao masina ho anay.”7

Ny tempoly rehetra natokana ho an’ny Tompo dia “toerana masina itoeran’ny fiadanana, ho toeram-pialofana amin’ireo tafio-drivotry ny fiainana ary ny tabataban’izao tontolo izao . . .  [ary] ho trano ahafahan’ny olona mandinika amim-pahanginana.”

Ny Fanoherana

Ny tontolo izay ianantsika amin’izao fotoana izao dia lasa mihamanalavitra haingana dia haingana ireo fampianaran’i Kristy eo amin’ireo lalàny sy ireo fombafombany. Vokatr’izany dia miasa mafy tokoa i Satana mba hampiroaroa saina ireo zanakalahy sy zanakavavin’Andriamanitra ary mba hamily lalana ireo olom-boafidy mba tsy hanatanterahan’izy ireo ny andraikiny sy handraisany ny fahafenoan’ireo fitahian’ny Tompo.

Tian’i Satana ny hitsaharanareo amin’ny fanaovana ireo fahazarana tsara izay nianaranareo tao an-trano, tao amin’ny seminera sy institiota, ary tany amin’ny asa fitoriana nataonareo—toy ny fandalinana soratra masina isan’andro, ny fivavahana isan’andro, ny fandraisana ny fanasan’ny Tompo isan-kerinandro amim-pahamendrehana, ary ny fanaovana asa fanompoana amin-kitsim-po. Tsy tiany handray anjara amin’ny ady tena lehibe sy manan-danja indrindra amin’izao fotoana izao koa ianareo.

Tadidio fa ao anatin’ny ady isika—saingy tsy ady ampiasana basy sy bala izany. Na izany aza anefa dia tena misy ilay ady, ary maro be ireo olona tra-pahoriana noho izany. Ilay ady raha ny marina dia fitohizan’ny ady iray izay nanomboka tany am-piandohan’ny tontolo talohan’ny fahaterahana.

Nanasa antsika i Paoly mba “[hitafy] avokoa ny fiadian’Andriamanitra.” Hoy izy hoe “Fa isika tsy mitolona amin’ny nofo aman-dra, fa amin’ny fanapahana sy amin’ny fanjakana sy amin’ny mpanjakan’izao fahamaizinana izao, dia amin’ny fanahy ratsy eny amin’ny rivotra.”8

Amin’ny maha-Apôstôlin’i Jesoa Kristy Tompo ahy dia manasa anareo aho izao hariva izao hoe “tafio avokoa ny fiadian’Andriamanitra” ary mandraisa anjara amin’ny ady ankehitriny, tahaka ny nataon’ireo zanakalahin’i Helamàna taona maro lasa izay. Aza miandry mandram-panambadinareo na anombohanareo ny asanareo mandritra ny fiainana na miha antitra. Mila ireo mpikambana tanorantsika ny Fiangonana amin’izao fotoana izao. Mila anareo izao dia izao ny Tompo!

Hotsaroanareo fa ireo miaramila tanora 2.000 dia “[nanao] ny fanekempihavanana fa hiady ho an’ny fahafahan’ny Nefita.”9 Ny Fiangonana dia mila miaramila tanora amin’ny fotoana ankehitriny izay nanao fanekempihavanana mba “hijoro ho vavolombelon’Andriamanitra amin’ny fotoana rehetra sy amin’ny zava-drehetra ary amin’ny toerana rehetra.”10

Ilay Boky na i Môrmôna dia mamaritra ireo miaramila tanora ireo tahaka izao manaraka izao:

“Ary … tanora avokoa izy ireo sy sahy fatratra tokoa raha ny herim-po ary koa ny tanjaka sy ny asa; nefa indro, tsy izany ihany… , marina tamin’ny fotoan-drehetra izy ireo, na inona na inona zavatra nankinina taminy.

“Eny, lehilahin’ny fahamarinana sy ny fahamatorana izy ireo, fa efa nampianarina azy ireo ny hitandrina ny didin’Andriamanitra sy handeha araka ny hitsiny eo anoloany.”11

Ianareo ry tovovavy sy tovolahy no zanakavavy sy zanakalahin’ny Helamàna izao androntsika izao. Enga anie mba entina hilazana anareo tahaka ny nilazana azy ireo ny hoe: “Nanjary andry lehibe … izy ireo tamin’ity vanim-potoana ity.”12

2. Miady amin’ny Pôrnôgrafia

Ny faharoa tiako horesahina aminareo dia tsy maintsy manampy amin’ny ady atao amin’ny pôrnôgrafia isika rehetra, areti-mifindra loza be izay mihanaka manerana izao tontolo izao. Mihainoa ahy anio hariva eo am-panazavako ny fahendren’ny Tompo.

180 taona mahery izay dia nanambara ny lalàny momba ny fahasalamana ny Tompo, ao anatin’izany ny fampitandremana mikasika ny fampiasana ny paraky sy ny sigara. tahaka ny nilazana azy ireo ny hoe: “Nanjary andry lehibe . . . izy ireo tamin’ity vanim-potoana ity.13Olona an-tapitrisany no mihaino ny Tompo, fa maro kokoa noho izany no tsy mihaino Azy. Tsy nisy nahalala tamin’izany fotoana izany na tamin’izaho nitovy taona taminareo aza ny voka-dratsy maharitry ny fifohana sigara. Ankehitriny, taorian’ny am-polo taonany maro nanaovana fikarohana ara-tsiantifika, dia fantatsika amin’izao ny vokatry ny fifohana sigara eo amin’ny homamiadan’ny avokavoka sy ireo aretina hafa mahafaty. Ny tenin’ny fahendren’ny Tompo dia fitahiana mitondra fiarovana.

Tamin’ny fomba mitovy amin’izany no nampitandreman’ny Tompo antsika amin’izao androntsika izao mikasika ny vokatry ny pôrnôgrafia. Olona an-tapitrisany no manaraka amim-pahatokiana ny torohevitry ny Tompo raha toa kosa ka olona hafa tsy tambo isaina no tsy manaraka izany. Tsy voatery hiandry 180 taona na folo taona akory aza isika mba hamantarana ny voka-dratsy manimban’ny pôrnôgrafia satria ny fikarohana ara-tsiantifika amin’izao fotoana izao dia manambara fa manimba ny tanora tokan-tena sy ny mpivady vao herotrerony amin’ny fomba maro ny pôrnôgrafia ary manapoizina ny fahafahan’izy ireo hanana fiarahana feno fitiavana sy maharitra eo amin’ny mpivady indray andro any.

Ny fikarohana ihany koa dia naneho fa ny fampiasana matetika ny pôrnôgrafia dia afaka mitarika amin’ny fitondran-tena ahitana taratra ny fibahanan’izany ao an-tsaina ary afaka manova ny fiasan’ny atidohan’ny olona iray amin’ny fomba izay hamandrika izany olona izany ho amin’ny fiankinan-doha.

Ny fikarohana ihany koa dia nanamarina fa ny pôrnôgrafia dia mahatonga ny olona iray hanantena zavatra tsy tena misy ary mampita fampahalalana miaro loza mikasika ny fiarahana mahasoa eo amin’ny olombelona.

Ny tena loza indrindra, ny pôrnôgrafia dia manazatra anao hahita ny olona ho toy ny zavatra izay azonao atao tsinontsinona sy hanehoana tsy fanajana ara-pihetseham-po sy ara-batana.

Lafiny iray hafa amin’ny pôrnôgrafia ny hoe amin’ny ankapobeny dia zavatra atao “miafina” izany. Ireo mpampiasa izany matetika dia manafina ny fampiasany izany na farafahakeliny dia tsy tena milaza marina ny habetsahan’ny fampiasany izany eo imason’ny rehetra, ao anatin’izany ireo olona miaraka amin’izy ireo sy ny vadiny. Fandalinana maro no nahitana fa rehefa manafina ny tenany tahaka izany ny olona—rehefa manao zavatra mahamenatra azy izy ireo ary manafina ireo zavatra ireo amin’ny olona ao amin’ny fianakaviany sy ireo namany—dia tsy manimba ny fifandraisan’izy ireo aman’olona sy mahatonga azy ireo hahatsapa ho irery fotsiny izany fa mahatonga azy ireo ho mora andairan’ny fikorontanan-tsaina sy ny tsy fankasitrahany ny tenany ary ny fahatezerana ihany koa. Ny fanafenan-javatra dia manimba ny fitokisana.

Tokony hialantsika hatrany am-boalohany ny pôrnôgrafia satria mahafaty izany. Mamono ny fifandraisana amin-kitsim-po sy mamy eo amin’ny olona izany—manimba ny fanambadiana sy ny fianakaviana. Manimba ny fanahin’ilay olona izay mampiasa azy izany tahaka ny hamonoan’ny poizina mahafaty ny vatana sy ny saina mihitsy.

Ry zandry namako sady malalako, aza mety ho voafitaka. Aza mieritreritra fa raha vantany vao mandeha manao asa fitoriana ianareo na raha vantany vao manambady dia afaka manajanona io fihetsika mampiankin-doha. Raha toa ka tafiditra ao anatin’izany ianareo amin’izao fotoana izao, raha voafandrika ao anatin’ny fampiasana ny pôrnôgrafia ianareo dia mangataha fanampiana ara-panahy izao ankehitriny izao. Afaka mandresy ny pôrnôgrafia ianareo raha miaraka amin’ny fanampian’ny Mpamonjy. Aza miandry! Ialao ny pôrnôgrafia! Maro ireo loharanon-kevitra ao amin’ny LDS.org izay hanampy hanoherana ireo fahamaizinana aterak’ireo sary vetaveta.

Fotoan-tsarotra tokoa izao—kanefa tsy dia sarotra noho ny fotoana niainan’i Helamàna sy ireo miaramila tanorany rehefa nijoro mba hiaro ny fianakaviany sy ny Fiangonana izy ireo. Izao no fotoana ho anareo mba hiarahanareo amim-pahasahiana amin’ireo tovolahy sy tovovavy hafa izay marina sy manolo-tena mba hiady amin’ny pôrnôgrafia.

3. Ny Fotopampianaran’ny Fanambadiana

Ny zavatra fahatelo tiako ho takatrareo dia ny fotopampianaran’ny fanambadiana araka izay nambaran’ny Ray any an-danitra be fitiavana ao amin’ny soratra masintsika sy ao amin’ny “Ny Fianakaviana: Fanambarana ho an’Izao Tontolo Izao.” Izany fanambarana avy amin’ny fitaomam-panahy izany dia milaza hoe: “Ny Fianakaviana dia tendrin’Andriamanitra. Ny fanambadiana eo amin’ny lehilahy sy ny vehivavy dia tena ilaina eo amin’ny drafitra mandrakizainy. Natao ho teraka ao anatin’ny fanambadiana ny ankizy, ary hotezain’ny ray sy reny izay manaja ny voady nataony tamin’ny fanambadiana amim-pahatokiana tanteraka.”14

Ny Apôstôly dia nomena andraikitra mba ho mpitily eo amin’ny tilikambo mba hijery sy hampianatra ny fotopampianaran’i Kristy. Ianareo rehetra dia mahafantatra fa ny famaritana nentim-paharazana ny fanambadiana dia misy manova ankehitriny. Ao ireo izay mametraka ady hevitra miompana amin’ny famaritana ny fanambadiana araka ny lalàm-panjakana. Ny Fiadidiana Voalohany sy ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nanazava ny hevitry ny Fiangonana sy ny fotopampianarany mikasika ny tanjon’Andriamanitra sy ny drafiny ho an’ireo zanany ara-panahy mba hiaina ety an-tany, izay ilaina amin’ny fiainantsika izay tsy misy fetra sy mandrakizay.

Heveriko fa maro aminareo no mety tsy mbola namaky ilay fanambarana navoaka tany am-piandohan’ity taona ity. Misy toy izao ao amin’ilay fanambarana:

“Ny fiovana eo amin’ny lalàn’ny fanjakana dia tsy afaka na oviana na oviana hanova ny lalàna ara-pitondrantena izay napetrak’Andriamanitra. Miandry antsika hanohana sy hitandrina ny didiny Andriamanitra na dia eo aza ireo fomba fihevitra na fironana mifanohitra amin’izany eo amin’ny fiaraha-monina. Mazava ny lalàn’ny fitondrantena nataony: Tsy azo atao ny firaisana ara-nofo raha tsy eo amin’ny lehilahy iray sy ny vehivavy iray mpivady ara-dalàna ihany. Mamporisika anareo izahay hamaky sy hampianatra amin’ny mpikambana ny fotopampianarana voarakitra ao amin’ny “Ny Fianakaviana: Fanambarana ho an’Izao Tontolo Izao.”

Mitohy tahaka izao ilay fanambarana:

“Tahaka ny hananan’ireo mpanohana ny fanambadiana eo amin’ny samy lahy na ny samy vavy zo mba hohajaina dia manana zo mitovy amin’izany koa ireo izay manohitra izany. …

“Manana andraikitra isika amin’ny maha-mpikamban’ny Fiangonana antsika mba hampianatra ny filazantsaran’i Jesoa Kristy sy hanazava ireo fitahiana lehibe izay mitosaka avy amin’ny fitandremana ny didin’Andriamanitra sy ny voka-dratsy tsy azo sakanana avy amin’ny tsy firaharahiana azy ireny. Manasa anareo izahay hivavaka mba hanalefahan’ireo fahamarinan’ny filazantsara ny fon’ny olona maneran-tany, ary mba hanomezana fahendrena ireo izay antsoina mba hanapa-kevitra momba ireo olona manimba ny hoavin’ny fiaraha-monina.”15

Fantatro fa tia sy manampy ny Tompo ianareo ary manohana ireo mpaminaniny, kanefa fantatro ihany koa fa mety miroaroa saina ny sasany aminareo mahakasika ny dikan’ny fanapahan-kevitry ny Fiangonana mba hanohana ny drafitra nambaran’Andriamanitra ho an’ireo zanany.

Fantatro koa fa ny sasany amin’ireo tanorantsika dia miady mafy mba hahatakatra ny fomba ahafahanareo manazava ny fotopampianarana mikasika ny fianakaviana sy ny fanambadiana kanefa mbola mijanona ho malemy fanahy, tsara fanahy,ary feno fitiavana amin’ireo izay tsy manaiky izany. Mety hatahotra ianareo ny horaisina ho toy ny mpanenjika na tsy mandefitra amin’ny hafa.

Mety mahafantatra olona manana olana eo amin’ny fifanintonan’ny samy lahy na samy vavy ianareo na nandray fanapahan-kevitra mba hiaina ao anatin’ny fiarahan’ny samy lahy na samy vavy. Ny fitiavanareo izany olona izany izay zanakalahy na zanakavavin’Andriamanitra dia mety hiteraka ady anaty rehefa miezaka mitia sy manampy azy ianareo sady miaro hatrany ny drafitry ny fahasambarana mandrakizain’ny Tompo.

Lazaiko mazava tsara anio hariva—Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany dia mino fa “ny fahatsapana ny fifanintonana eo amin’ny samy lahy na samy vavy dia zava-misy manahirana ho an’ny olona maro. Tsy fahotana ilay fifanintonana, saingy fahotana ny fanatanterahana izany. Na dia tsy misafidy ny hahatsapa ny herin-tsintona toy izany aza ny olona tsirairay dia misafidy ny ho fihetsiny manoloana izany izy ireo. Manampy ny zanak’Andriamanitra rehetra amim-pitiavana sy amim-pahatakarana ny Fiangonana, ao anatin’izany [ireo izay mahatsapa fifanintonana eo amin’ny samy lahy sy samy vavy].”16

Ny Fiangonana dia tsy mampianatra, na mamporisika ny fandosirana ireo olona na ireo fitondrantena tsy araka ny fomba Kristiana. Tokony ho tia sy hiezaka ny hanampy ny hafa isika mba hahatakarany fa tsy tokony hisy olona hanao tsinontsinona na tsy hiraharaha ny didin’Andriamanitra.

Fijoroana ho Vavolombelona sy Fampitandremana

Farany, ao amin’ny “Ny Fianakaviana: Fanambarana ho an’Izao Tontolo Izao,” dia manambara ny Fiadidiana Voalohany sy ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe: “Mampitandrina izahay fa ireo izay mandika ny fanekempihavanan’ny fahadiovam-pitondrantena, ireo izay mamono ny vadiny sy ny taranany, na ireo izay tsy mahatanteraka ny andraikiny ao amin’ny fianakaviana dia hijoro ho tompon’andraikitra eo anatrehan’Andriamanitra indray andro any. Ankoatr’izany, dia mampitandrina koa izahay fa ny faharavan’ny fianakaviana dia hitondra eo amin’ny tsirairay, eo amin’ny fiaraha-monina, ary eo amin’ny firenena ireo loza izay efa nambaran’ny mpaminany teo aloha sy ankehitriny.”17

Miombon-kevitra amin’izany fampitandremana izany aho. Amin’ny maha-iray ahy amin’ireo mpitily eo amin’ny tilikambo dia tompon’andraikitra aho mba “[h]itsoka ny anjomara mba hampitaitra ny olona.”18 Sahy aho tamin’ity hariva ity ary nanandratra ny feoko mba hampitandrina anareo. Manao izany aho satria tiako ianareo ary tiako ho takatrareo fa tsy maintsy hijoro eo anoloan’ny Tompo isika ary hitandrina ny didiny. Andraikitro ny mampitandrina anareo.

Ilay Vaovao Mahafaly

Ny fampitandreman’ny Tompo dia tonga ihany koa miaraka amin’ny fanasana mba hanatona Azy. Fantatry ny Raintsika any an-danitra ireo voka-dratsin’ny fiainana ao anatin’ny tontolo lavo ka noho izany dia nanome Mpamonjy Izy, dia “Zanak’ondry, Izay voavono hatramin’ny nanorenana izao tontolo izao” ho an’ireo zanany.19Ao amin’ny filazantsaran’i Jaona dia fantatsika fa “Toy izao no nitiavan’Andriamanitra izao tontolo izao: nomeny ny Zanany lahy Tokana mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana ny fiainana mandrakizay.”20

Aoka ianareo hitadidy fa ny filazantsara no ilay “vaovao mahafaly.” Hafatry ny fanantenana izany. Raha ao anatin’ny olana ara-panahy ianareo amin’izao fotoana izao dia mangataha fanampiana. Mamindra fo sy mamela heloka ny Tompo.

Nampianatra ny Apôstôly Paoly hoe:

“Iza no hahasaraka antsika amin’ny fitiavan’i Kristy? Fahoriana va, sa fahantrana, sa fitanjahana, sa loza, sa sabatra? …

“Kanefa amin’izany rehetra izany dia manoatra noho ny mpandresy isika amin’ny alalan’ilay tia antsika.

“Fa matoky aho fa na fahafatesana, na fiainana, na anjely, na ireo fanapahana, na zavatra ankehitriny, na zavatra ho avy,

“na ny ambony, na ny ambany, na inona na inona amin’izao zavatra ary rehetra izao, dia tsy hahasaraka antsika amin’ny fitiavan’Andriamanitra izay ao amin’i Kristy Jesosy Tompontsika.”21

Noho i Jesoa Kristy dia afaka misolo toerana ny fahatsapana ho meloka ny fiadanana. Azo averina amin’ny laoniny ny fifandraisana mahasoa. Azo resena ny fiankinan-doha.

Mila mamela ny fianakaviantsika sy ireo namantsika ahafantatra ity fahamarinana ity isika—Andriamanitra dia fitiavana, “ary manainga ny rehetra Izy hanatona Azy sy hanana anjara amin’ny hatsaram-pony; ary tsy mandà izay manatona Azy Izy.”22

Mila anareo handray anjara amin’ny asa famonjena izahay mialoha sy mandritra ary aorian’ny asa fitoriana ataonareo.

Mampiasa ny Teknôlôjia mba Hitahiana Fiainan’Olona

Manasa anareo handray anjara sy hampiasa ny tranonkala ahafahan’ny daholobe mifanerasera izay tianareo izahay na inona izany na inona mba hizara ny filazantsara sy hijoro ho zanakalahy sy zanakavavin’i Helamàna amin’izao androntsika izao ao anatin’ireo ady lehibe an’ny andro farany. Tiany ho lasa miaramila tanoran’ny vanimpotoana ankehitriny ianareo, izay mijoro ho matanjaka sy miray hina mba hiaro ny fahamarinana. Tiany hanana herim-po sy hanana fahasahiana ianareo rehefa miatrika ny fahavalo. Fantatsika fa handresy amin’ny ady ny Tompo amin’ny farany ary ho resy i Satana.

Amin’ny alalan’ireo tranonkala isan-karazany ahafahan’ny daholobe mifanerasera dia afaka miresaka mikasika ny filazantsara amin’ny fianakaviana sy ny namana ianareo, ary ho anareo misiônera niverina avy nanao asa fitoriana, dia afaka manao izany ianareo na dia amin’ireo naman’ny Fiangonana teo aloha sy ny mpikambana vaovao aza. Afaka mijoro ho vavolombelon’ny fahamarinana ianareo ary miaro ny fanjakana.

Miaro ny Fanjakana

Fantatro fa ny sasany aminareo dia manahy ny hotsaraina amin’ny fomba diso, halaina baraka, ary iharan’ny tsindry mihitsy aza raha toa ianareo ka manohana ny Ray any an-danitra sy i Jesoa Kristy Tompo ary ny Fiangonana. Takatro ny ahiahinareo.

Misiônera tanora tao amin’ny Misionan’i Grande Bretagne aho taorian’ny fiafaran’ny Ady Lehibe II. Tamin’izany fotoana izany dia “fanaraby sy … faneso”23 ireo Môrmôna ary nihomehezana sy nalaim-baraka ireo misiônera. Nitoraka anay tamin’ny zavatra mihitsy ny olona tamin’izany. Kanefa tsy nihemotra izahay fa nanohy nijoro ho vavolombelona sy nizara ny filazantsara. Tahaka an’i Abinadia dia tsy nitankemotra izahay, tahaka an’i Paoly, dia tsy nitankemotra izahay, ary tahaka ny Mpamonjy dia tsy nitankemotra izahay. Tamin’ny fotoana izay tsy nahazoanay an-tsaina izay ho vokatry ny asanay. Nanana distrika 14 izahay ary tsy nanana tsatòka. Ankehitriny dia ahitana tsatòkan’i Ziona miisa 46 any amin’ireo nosy Britanika.

Ry namana tanora tena tiako, aza manahy ny amin’ireo izay ao amin’ilay trano lehibe sy malalaka. Hitan’i Nefia fa hihomehy sy hanondro “[amin’ny] ratsan-tanany ireo izay efa tonga ka nihinana tamin’ny voan’ny hazo.”24izy ireo. Aza manao toa ireo izay “avy nanandrana tamin’ny voan’ny hazo ... dia nanjary menatra noho ireo izay namingavinga azy; ary dia nianjera tany amin’ny lalana voarara izy ka very.”25

Taranaka lehibe sy manan-danja ianareo, ary fotoana tena tsara mba hahavelomana izao! Mamiratra ny hoavy. Milazà amin’ny tenanareo hoe “Manampy ny Tompo aho rehefa manampy mba hizara ny fijoroako ho vavolombelona sy mampianatra ireo fahamarinana izay nambaran’Andriamanitra tami’izao andro farany izao.”

Ankehitriny ianareo dia manana fahafahana hampiasa amim-pahendrena ireo tranonkala ahafahan’ny daholobe mifanerasera ireo mba hizara ny zavatra nianaranareo sy tsapanareo androany hariva. Tsarovy fa misy fotoana iray sy toerana iray izay mety mba hampiasanareo ireo tranonkala ahafahan’ny daholobe mifanerasera ireo, ary ny fizarana ny eritreritrareo sy ny fijoroanareo ho vavolombelona mikasika ireo zavatra ianaranareo sy tsapanareo ireo dia iray amin’ireo fotoana ireo.

Fijoroana ho Vavolombelona

Hitahy anareo amin’ny fahendrena maharitra anie ny Tompo, ary hahatakatra amim-pahendrena ianareo fa tafiditra ato amin’ity fifanandrinana ity isika ary tsy maintsy miara-miatrika, na tanora na olon-dehibe. Mangataka amin’ny Raintsika any an-danitra aho mba hiarovany anareo tsirairay avy, na aiza na aiza toerana misy anareo, ianareo izay mandre ity fampaherezam-panahy ity anio hariva, mba hanana ny fiadanan’ny Tompo ao am-ponareo, hanana tenivavolombelona sy fahatokiana anatin’ny fahatoniana fa velona i Jesoa Kristy, ary Zanakalahin’Andriamanitra Izy, ary Fiangonany ity. Hiaraka aminareo hatrany anie izany fiadanana sy hery izany. Hitsimbina anareo anie ny Raintsika any an-danitra. Aoka tsy hohadinoinareo, fa ao anatin’ity dia lalovanareo ity dia sarobidy ny fandraisanareo anjara, ny tsirairay avy aminareo, eo amin’ny hoavin’ny fanomanana an’izao tontolo izao ho an’ilay andro izay hitenenan’i Jesoa Kristy hoe: “Ampy izay” ary hiverina sy hanjaka ary hanapaka ho toy ny Mpamonjy, ilay Tompon’ny tompo, ilay Mpanjakan’ny mpanjaka, ilay Mpanavotra an’izao tontolo izao, izay ijoroako ho vavolombelona fa velona. Avy niresaka ireo zavatra izay manan-danja Aminy isika anio hariva. Maniry amim-panetren-tena aho mba heniky ny fitiavana ny Tompo anie isika raha hisaraka aorian’ity fivoriana ity ary hanana faniriana hanompo Azy, amin’ny anarana masina sy mahatehotia an’ny Tompo Jesoa Kristy, amena.

© 2014 an’ny Intellectual Reserve, Inc. Zo rehetra voatokana. Fankatoavany ny tamin’ny teny Anglisy: 3/14. Fankatoavana ny fandikana: 3/14. Fandikana ny Be Still, and Know That I Am God. Malagasy. PD50053655 654

Hamoaka printy