2010–2019
“Aza Matahotra, fa Momba Anao Aho”
Aprily 2014


11:8

“Aza Matahotra, fa Momba Anao Aho”

Rehefa mampitombo ny finoantsika sy ny fitokiantsika ny Tompo isika dia afaka mahazo ny heriny mba hitahy sy hanafaka antsika.

Vitsy ny fahatsapana azo ampitahaina amin’ny fahatsapana mamy amin’ny fahatongavana ho ray na reny. Tsy misy zavatra mamy kokoa noho ny fahazoana zazakely sarobidy nalefa mivantana avy any an-danitra. Niaina izany tamin’ny fiontanam-po lalina ny iray tamin’ireo anadahiko. Teraka tsy tonga volana ny zanany lahy kely voalohany ary tsy nilanja afa-tsy 1,3 kg. Tao amin’ny sampana mirakarakara zaza vao teraka mila fikarakarana mafy dia mafy tao amin’ny hopitaly no nisy an’i Hunter nandritra ny roa volana voalohany niainany. Fotoana nampisy fiontanam-po ho an’ny rehetra tao amin’ny fianakaviana ireo volana ireo satria nanantena sy nangataka fanampiana tamin’ny Tompo izahay.

Nila fanampiana lehibe i Hunter kely. Nitolona mafy izy mba hahazo ny hery ilaina mba ho velona. Matetika no nandray ny tanana kelin’ny zanany lahy ny tanana matanjak’ilay ray be fitiavana mba hampahery ilay zanany kely osa dia osa.

Dia toy izany ny zava-miseho ho an’ny zanak’Andriamanitra rehetra. Manolo-tanana antsika tsirairay ny Raintsika any an-danitra, amin’ny fitiavana tsy manam-petra. Manana fahefana amin’ny zavatra rehetra Izy ary maniry ny hanampy antsika hianatra, hivoatra ary hiverina any Aminy. Izany dia mamaritra ny tanjon’ny Raintsika dia ny “manatanteraka ny tsy fahafatesana sy ny fiainana mandrakizain’ny olona.”1

Rehefa mampitombo bebe kokoa ny finoantsika sy ny fitokiantsika ny Tompo isika dia afaka mahazo ny heriny mba hitahy sy hanafaka antsika.

Ny Bokin’i Môrmôna dia mandrafitra ny endrik’io foto-kevitra mahafinaritra momba ny herin’ny Tompo hanafahana ireo zanany io ao anatin’ireo pejy ao aminy. Nanome fampidirana mikasika izany i Nefia ao amin’ny toko voalohany amin’ilay boky. Mivaky toy izao ny ao amin’ny andininy 20: “Izaho Nefia dia haneho aminareo fa ny halehiben’ ny famindram-pon’ ny Tompo dia amin’ ireo rehetra izay efa nofinidiny, noho ny finoany, ka mampahery azy na dia hatrany amin’ ny herin’ ny fanafahana aza.”2

Taona maro lasa izay dia nanjary takatro avy tamin’ny traikefa manokana ireo fahamarinana voalaza ao amin’io andininy io. Fantatro hoe hatraiza no maha tena akaiky ny Raintsika any an-danitra ary ohatry ny ahoana izany faniriany hanampy antsika izany.

Indray hariva izay rehefa nanakaiky ny alina raha nandeha fiara iny izaho sy ireo zanako dia nahatsikaritra zazalahy kely iray aho izay nandeha an-tongotra irery teny amin’ny lalana iray mangingina. Rehefa avy nandalo nihoatra azy izahay dia nanana fahatsapana mazava tsara aho fa tokony hiverina ka hanampy azy. Saingy niahiahy aho sao dia hampatahotra azy ny fisian’ny olon-tsy fantatra iray mijanona amin’ny fiara eo akaikiny amin’ny alina, ka dia notohizako ny diako. Niverina indray ilay fahatsapana mahery vaika niaraka tamin’ny teny tao an-tsaiko nanao hoe: “Mandehana manampy an’iny zazalahy iny!”

Nampitodi-doha ny fiara hiverina teo aminy aho dia nanontany hoe “Mila fanampiana ve ianao? Nanana fahatsapana aho fa tokony hanampy anao.”

Nitodika tany aminay izy ary nilaza taminay niaraka tamin’ny ranomaso nijohy teo amin’ny takolany hoe “Hanampy ahy ve ianao? Nivavaka foana aho mba hisy olona hanampy ahy.”

Novaliana tamin’ilay fitaomam-panahy tonga tao amiko ny vavaka nataony mba hahazo fanampiana. Nametraka marika tsy hay hadinoana izay mbola voarakitra ato am-poko izany traikefa izay nandraisako fitarihana mazava avy tamin’ny Fanahy izany.

Ankehitriny afaka 25 taona, ary tamin’ny alalan’ny famindram-po lehibe, dia izay indray aho vao nifandray tamin’io zazalahy io vao volana vitsivitsy izay. Fantatro tamin’izany fa tsy tantarako irery ilay zavatra niainana—fa tantarany ihany koa. Raim-pianakaviana manana ny tokantranony i Deric Nance amin’izao fotoana izao. Izy ihany koa dia tsy nanadino mihitsy ity zavatra niainana ity. Nanampy anay izany hanorina fototra ara-pinoana hoe maheno sy mamaly vavaka Andriamanitra. Samy nampiasa izany izahay hampianarana ny zanakay hoe miahy antsika ny Tompo. Tsy irery isika.

Tamin’io alina io dia nijanona mba hanao atrik’asa iray taorian’ny firavana tany an-tsekoly i Deric ka tsy nahatratra intsony ny fiara fitaterana farany. Noho izy mbola zatovolahy kely dia natoky tena izy fa afaka ny ho tody tany an-trano, ka noho izany dia nanomboka nandeha an-tongotra.

Adiny iray sy sasany no lasa rehefa nandeha teo amin’ilay lalana mangina izy. Noho izy mbola tany amin’ny kilaometatra maro niala ny tranony sady tsy nahita trano na dia iray aza dia natahotra izy. Rehefa tao anatin’ny hakiviana izy dia nandeha tao ambadiky ny vangongom-batokely iray, nandohalika ary nangataka fanampiana tamin’ny Ray any an-danitra. Minitra vitsy taorian’ny niverenan’i Deric teo amin’ny arabe no nijanonako nanome azy ilay fanampiana izay efa nivavahany.

Ankehitriny taona maro taty aorian’izay dia mahatsiaro i Deric hoe: “Nahatsiaro ahy ny Tompo, izaho ilay zazalahy nahia kely sy tsy ampy fiomanana. Ary na dia eo aza ny zavatra hafa rehetra mitranga eto amin’izao tontolo izao dia fantany ny toe-javatra niainako ary tiany tokoa aho ka nandefasany fanampiana. Imbetsaka ny Tompo no namaly ny vavaka nataoko taorian’ny nandehanako tamin’io lalana mangina io. Tsy hoe eo no ho eo sy mazava foana tahaka ny tamin’iny ny valim-bavaka omeny saingy hita mazava tsy misy hafa tamin’ilay tamin’io alina mangina io ny fiahiany ahy ankehitriny. Isaky ny vesaran’ireo ahiahy maro eo amin’ny fiainana ny tontoloko dia fantatro fa manana drafitra lalandava Izy hahatongavako soa aman-tsara indray any an-trano.”

Araka ny voalazan’i Deric dia tsy mivaly haingana avokoa ny vavaka rehetra. Kanefa tena mahafantatra antsika tokoa ny Raintsika any an-danitra ary mahare ny fitalahoan’ny fontsika. Tanterahany tsirairay isaky ny vavaka sy isaky ny olona ny fahagagana avy Aminy.

Afaka matoky isika fa hanampy antsika Izy, tsy voatery hoe amin’ny fomba tiantsika fa amin’ny fomba izay hanampy indrindra antsika hivoatra. Mety ho sarotra ny mampifanaraka ny sitrapontsika amin’ny Azy, saingy ilaina ny ho tonga toa Azy sy ny mitady ilay fiadanana atolony antsika.

Mety hanana fahatsapana tahaka izay nofaritan’i C. S. Lewis isika hoe: “Mivavaka aho satria tsy tafavoaka samirery. … Mivavaka aho satria mahatsapa lalandava fa ilaiko izany, na mifoha na matory. Tsy manova an’Andriamanitra izany. Fa manova ahy.”3

Maro ireo tantara ao amin’ny soratra masina mikasika ireo izay nametraka ny fitokiany tamin’ny Tompo ka dia nampiany na nafahany. Eritrereto i Davida tovolahy, izay avotra tamin’ny fahafatesana teo am-pelatanan’ilay Goliata matanjaka tamin’ny alalan’ny fianteherany tamin’ny Tompo. Eritrereto i Nefia, izay ny fitalahoany tamin’Andriamanitra tamim-pinoana no nitondra fanafahana ho azy teo anatrehan’ireo rahalahiny izay nikasa ny hanafaka ny ainy. Tadidio i Joseph Smith kely, izay nikatsaka ny fanampian’ny Tompo tamin’ny alalan’ny vavaka. Nafahana teo anatrehan’ny herin’ny haizina izy ary nandray valim-bavaka mahagaga. Ny tsirairay tamin’izy ireo dia niatrika olana azo tsapai-tanana sy sarotra. Samy naneho finoana izy tsirairay ary nametraka ny fitokisany tamin’ny Tompo. Samy nahazo fanampiany. Ary amin’izao androntsika izao dia mbola miseho eo amin’ny fiainan’ireo zanany ny herin’Andriamanitra sy ny fitiavany.

Hitako vao haingana izany teo amin’ny fiainan’ireo Olomasina vontom-pinoana any Zimbabwe sy Botswana. Nandritra ny fivoriana fifadian-kanina sy fijoroana ho vavolombelona tao amin’ny sampana kely iray dia nampanetry tena ahy sy nanentana ny fanahiko ny fijoroana ho vavolombelona nozarain’ireo ankizy madinika sy zatovo maro, ary toy izany koa ny an’ny olon-dehibe. Samy nanambara tamin’ny fomba mahery vaika ny finoany an’i Jesoa Kristy Tompo izy ireo. Ao anatin’ireo olana sy toe-java-tsarotra manodidina azy ireo dia miaina isan’andro amin’ny alalan’ny fametrahany ny fitokiany amin’Andriamanitra izy ireo. Manaiky ny fiasan’ny tanan’ny Tompo eo amin’ny fiainany izy ireo ary matetika maneho izany tamin’ilay andian-teny hoe “Tena feno fankasitrahana an’Andriamanitra aho.”

Taona vitsy lasa izay dia nampiseho tamin’ny alalan’ny ohatra tamin’ireo mpikambana tao amin’ny paroasinay izany fahatokiana ny Tompo izany ny fianakaviana mahatoky iray. Niaina fiainana sambatra niaraka i Arn sy Venita Gatrell kanjo nahitana homamiadana mahery vaika tao amin’i Arn. Nampalahelo ny vinavina avy amin’ny mpitsabo—herinandro vitsy sisa no hiainany. Te hiaraka farany ilay fianakaviana. Noho izany dia nifamory ireo zanany, ny sasany dia avy lavitra. Tsy nanana afa-tsy 48 ora sisa izy ireo mba hiarahana, izay sarobidy tokoa. Nisafidy tsara ny zavatra tena nanan-danja ho azy ireo ny fianakaviana Gatrell—fakana sary ny fianakaviana, fiarahan’ny fianakaviana misakafo ary fotoam-bavaka tao amin’ny Tempolin’i Salt Lake. Hoy i Venita hoe “Rehefa nivoaka ny varavaran’ny tempoly izahay dia izay no fotoana farany niarahanay teto amin’ity fiainana ity.”

Saingy nony nivoaka avy tao izy ireo dia nahazo antoka fa mbola betsaka lavitra tokoa mihoatra noho ity fiainana ity ny zavatra natao ho azy ireo. Noho ireo fanekempihavanana masina tao amin’ny tempoly dia manam-panantenana amin’ny fampanantenan’Andriamanitra izy ireo. Afaka ny hiaraka mandrakizay izy ireo.

Feno fitahiana maro tsy ho voatanisa ireo volana roa taorian’izay. Nitombo ny finoan’i Arn sy Venita sy ny fahatokiany an’ny Tompo, araka ny hita tao amin’ny tenin’i Venita manao hoe: “Nampiana aho. Nianatra aho fa afaka mahatsapa fiadanana ianao ao anatin’ny fijaliana. Fantatro fa niahy anay ny Tompo. Rehefa mahatoky ny Tompo ianao dia afaka mandresy marina na inona na inona olana eo amin’ny fiainana.”

Hoy ny iray tamin’ireo zanany vavy hoe: “Nandinika ireo ray aman-dreninay izahay dia nahita ny ohatra nasehony. Hitanay ny finoan’izy ireo sy ny fomba nikolokoloany izany. Tsy ho nangataka ity fitsapana ity mihitsy aho, saingy tsy hamoy izany velively ho an’olon-kafa. Feno ny fitiavan’Andriamanitra manodidina anay”

Mazava ho azy fa tsy ny fahafatesan’i Arn no vokatra nantenain’ny fianakaviana Gatrell. Kanefa tsy olana ara-pinoana no olan’izy ireo. Tsy hoe lisitra fanaraha-maso ny zavatra tokony hatao ny filazantsaran’i Jesoa Kristy fa mitoetra ao am-pontsika izany. “Tsy enta-mavesatra ny filazantsara fa manamaivana ny eta-mavesatra eo amintsika”4. Manampy antsika hahazaka ny fitsapana izany. Nanampy ny fianakaviana Gatrell izany. Nahatsapa fiadanana teo anivon’ny fitsapana izy ireo. Nifanohana mafy izy ireo ary nifikitra mafy tamin’ny fanekempihavanan’ny tempoly izay nataony sy notandremany. Nitombo ny fahafahan’izy ireo nitoky tamin’ny Tompo ary nanamafy orina azy ireo ny finoany an’i Jesoa Kristy sy ny heriny manavotra.

Rehefa mby eo amin’ny lalan’ny maha-mpianatra isika, na inona na inona mety ho ahiahy sy olana ananantsika, dia tsy irery isika. Tsy hadino ianao. Tahaka an’i Deric, sy ireo Olomasina any Afrika, ary ny fianakaviana Gatrell dia afaka misafidy ny hangataka ny fanampian’Andriamanitra amim-pinoana koa isika. Afaka miatrika ireo zava-tsarotra mianjady amintsika amin’ny alalan’ny vavaka sy ny fahatokiana ny Tompo isika. Ary lasa tahaka Azy kokoa isika ao anatin’izany dingana izany.

Ny Tompo dia nilaza, raha niresaka tamintsika tsirairay, hoe: “Aza matahotra; … momba anao Aho; ary aza miherikerika foana, fa Izaho no Andriamanitrao; mampahery anao Aho sady mamonjy anao; … Mitantana anao amin’ny tanana ankavanan’ny fahamarinako Aho.”5

Mizara ny fijoroana ho vavolombelona kely ananako nefa azoko antoka aho fa Andriamanitra Raintsika dia mahafantatra antsika tsirairay sy manolo-tanana hanampy antsika. Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanany Lahy Malalany ihany no hahafahantsika mandresy ireo fanambin’izao tontolo izao sy hahazoantsika fanafahana mba ho tody soa aman-tsara any Aminy. Enga anie isika ka hino sy hatoky Azy, izany no vavaka ataoko amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.

Fanamarihana

  1. Mosesy 1:39.

  2. 1 Nefia 1:20.

  3. Teny nolazain’ilay hoe C. S. Lewis araka ny voatantara ao amin’ny William Nicholson, Shadowlands (1989), 103.

  4. Harry Emerson Fosdick, Twelve Tests of Character (1923), 88.

  5. Isaia 41:10.