Aoka Isika Tsy ho Diso Lalana
Mivavaka aho mba tsy hiala amin’ilay lalana ny masontsika mba hahafahantsika hifandray mandrakariva amin’ny lanitra.
Nisy zazalahy iray teo am-pianarana pianô no tazan’ny mpivarotra iray avy teo am-baravarankely, ary nanontany ity farany hoe: “Ao ve mamanareo?”
Novalian’ilay zaza izany nanao hoe: “Araka ny eritreritrao, … moa tsy ao ve izy?”
Mpitendry pianô daholo ireo zanakay dimy, noho ny faharisihan’ny vadiko! Rehefa tonga ao an-trano ilay mpampianatra dia mandositra i Adrián zanakay lahy ary miafina mba tsy hianarana. Saingy indray andro dia nisy zava-mahagaga nitranga! Nanomboka ho tia mozika tokoa izy ka nanohy nianatra samirery.
Raha tonga amin’izany dingana izany isika eo amin’ny fizotry ny fiovam-pontsika dia ho tena tsara dia tsara izany. Ho mahafinaritra indrindra izany hoe manana faniriana ao am-pontsika lalina ao hitandrina ny didy na dia tsy misy na iza na iza mampahatsiahy antsika tsy tapaka aza, sy manana faharesen-dahatra mafy orina fa raha manaraka ny lalana marina isika dia hahazo ireo fitahiana ampanantenaina ao amin’ny soratra masina.
Taona maro lasa izay dia nankany amin’ny valan-javaboahary Arches National Park izahay mivady sy i Evelin zanakay vavy ary ny namanay anankiray. Antsoina hoe Delicate Arch ny iray amin’ireo andohalambon-tany anisan’ny malaza indrindra. Nanapa-kevitra izahay ny hanao dia an-tongotra 2 kilaometatra hihanika ilay tendrombohitra mba hahatongavana any amin’ilay andohalambon-tany.
Feno fientanentanana izahay raha nanomboka ny dianay, saingy rehefa nandeha kelikely dia nila naka aina ireo hafa. Noho ny faniriako ho tonga eny dia nanapa-kevitra aho ny hanohy ny dia samirery. Tsy dia nandinika loatra ny lalana izay tokony halehako aho fa nanaraka ny dian’ny lehilahy iray teo alohako izay toa nandroso tamim-pahatokian-tena be. Nanomboka ho nihasarotra hatrany ny lalana, ka voatery nitsambikina avy eo amin’ny vato iray nankeo amin’ny vato iray hafa aho. Noho ny hasarotan’ny dia dia nahazo antoka aho fa tsy ho vitan’ireo vehivavy iray dia aminay mihitsy izany. Tampoka teo dia tazako ny Delicate Arch, saingy tsy nampoiziko fa teny amin’ny toerana izay tsy nisy fomba nahafahako mandeha eny no nisy azy.
Feno fahasorenana aho ka nanapa-kevitra hiverin-dalana. Tsy andriko izay nihaonanay indray. Nanontany avy hatrany aho hoe: “Tonga teny amin’ny Delicate Arch ve ianareo?” Faly ery izy ireo nilaza tamiko hoe eny. Nazavain’izy ireo fa nanaraka ireo toromarika manondro ny lalana izy ireo, ary rehefa nitandrina sy niezaka dia tojo tany amin’ny toerana nokasainy hahatongavana.
Nampalahelo fa diso lalana aho. Lesona lehibe no nianarako tamin’io andro io!
Impiry moa isika no manao fahadisoana mikasika ny lalana marina, mamela ny tenantsika ho tarihin’ny fironana misy eo amin’izao tontolo izao? Mila manontany tena hatrany isika hoe moa ve isika mpankatò ny tenin’i Jesoa Kristy.
Ahitana fampianarana mahatalanjona ao amin’ny bokin’i Jaona:
“Tomoera amiko ary Izaho aminareo. Tahaka ny sampany tsy mahay mamoa ho azy, raha tsy miray amin’ny voaloboka izy, dia toy izany koa hianareo, raha tsy miray amiko.
“Izaho no voaloboka, hianareo no sampany. Izay miray amiko, ary Izaho aminy dia mamoa be izy; fa raha misaraka amiko kosa hianareo, dia tsy mahay manao na inona na inona” (Jaona 15:4–5).
Raha mampiasa io fifanahafana io isika dia afaka mahita ilay fifandraisana tena akaiky sy tsy misy fetra ananantsika miaraka amin’i Jesoa Kristy ary ny maha-zava-dehibe antsika tsirairay eo imasony. Izy no faka sy taho izay mitondra ilay rano velona mankamintsika, ilay tsiranoka mamelona izay hahafahantsika ho voafahana ka hahafahantsika hamoa be dia be. Nampianatra antsika tamin’ny fomba iray i Jesoa Kristy fa amin’ny maha-sampana antsika—na olombelona miankina Aminy—dia tsy hanao tsinontsinona velively ny lanjan’ny fampianarany isika.
Misy ireo hadisoana sasany izay tena goavana ary raha tsy ahitsintsika ara-potoana izy ireny dia afaka mitarika antsika mandritra ny fotoana maharitra hiala amin’ilay lalana marina. Raha mibebaka isika ka manaiky ahitsy, dia hahafahantsika manetry tena ireo zavatra niainantsika ireo, ka manova ny fanaontsika ary hiverina hanatona akaikikaiky kokoa indray ny Raintsika any an-danitra.
Te hanome ohatra momba izany aho amin’ny firesahana momba ny iray amin’ireo fotoana mahatsiravina indrindra niainan’ny Mpaminany Joseph Smith. Tamin’ny alalan’io toejavatra niseho io no nanomezan’ny Mpamonjy antsika fampianarana tsy voavidy vola mahakasika ny fitsipika izay tokony hotehirizintsika ao an-tsaina mandritra ny androm-piainantsika. Tamin’ny fotoana nanarian’i Martin Harris ireo pejy 116 voadika tamin’ny ampahany voalohany tamin’ny Bokin’i Môrmôna no nitrangan’izany.
Rehefa avy nibebaka ny Mpaminany noho ny tsy fanarahana ny torohevitr’Andriamanitra, dia nandray ilay fanambarana izay hita ao amin’ny fizarana fahatelo ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana (jereo ny Enseignements des Présidents de l’Eglise: Joseph Smith [2007], 69–71). Avy amin’ny zavatra voasoratra ao amin’ny andininy 1 ka hatramin’ny faha-10, no haniriako hampisongadina fitsipika telo izay tokony hotsaroantsika mandrakariva:
-
Tsy azo sakanana ireo asa sy tanjon’Andriamanitra.
-
Tsy tokony hatahotra olona mihoatra noho ny fatahorantsika an’Andriamanitra isika.
-
Ilaina foana ny fibebahana tsy ankiato.
Ao amin’ny andininy faha-13 dia ampianarin’ny Tompo antsika ny fihetsika efatra izay tsy tokony hataontsika na oviana na oviana:
-
Manao tsinontsinona ny torohevitr’Andriamanitra.
-
Mandrava ny voady masina indrindra efa natao teo anoloan’Andriamanitra.
-
Miantehitra amin’ny fandanjalanjantsika samirery.
-
Mirehareha amin’ny fahendrentsika samirery.
Mivavaka aho mba tsy hiala amin’ilay lalana ny masontsika mba hahafahantsika hifandray mandrakariva amin’ny lanitra, mba tsy ho entin’ny onjan’izao tontolo izao isika.
Raha misy aminareo tonga amin’ny dingana hoe eo am-pialana amin’ny lalan’ny Tompo—na aiza na aiza eo amin’izany lalana izany—dia ao anatin’ny nenina lalina no hahatsapanao ny ngidin’ny hoe nanao tsinontsinona ny torohevitr’Andriamanitra, na ny hoe nandrava ny voady masina indrindra efa natao teo anoloan’Andriamanitra, na ny hoe niantehitra tamin’ny fandanjalanjan’ny tenanao samirery, na koa ny hoe nirehareha tamin’ny fahendrenao samirery.
Raha izany no izy dia manainga anao aho hibebaka ary hiverina hankamin’ny lalana marina.
Indray mandeha nisy zafikely iray niantso ny raibeny mba hirary soa azy noho ny fitsingerenan’ny taona nahaterahany. Nanontaniany ilay raibeny hoe firy taona izy izao. Nilaza izy fa efa nahatratra 70 taona izy izao. Nieritreritra kely ilay zafikeliny ary avy eo dia nanontany hoe, “Dadabe a, nanomboka tany amin’ny 1 ve ianao?”
Mandritra ny fahazazana sy ny fahatanorana dia mihevitra ny olona fa tsy hihaantitra mihitsy; tsy mba tonga ao an-tsaina mihitsy izany hoe fahafatesana izany—ho an’ny olona tena antitra be izany—ary ny fahatraratrana izany dia mbola any amin’ny fotoana ela be any. Rehefa mandeha ny fotoana, mifandimby ny volana sy ny taona ka manomboka miseho ireo ketrona, manomboka mihena ny tanjaka, mihamila mankany amin’ny dokotera matetitetika kokoa, sy ny sisa sy ny sisa.
Ho avy ny andro izay hihaonantsika indray amin’i Jesoa Kristy Mpanavotra sy Mpamonjy antsika. Mitalaho aho mba ho afaka hamantatra Azy isika amin’io fotoana masina sy mahatalanjona io, noho ny fahalalana ananantsika mikasika Azy ary noho isika nanaraka ny fampianarany. Ho asehony antsika ireo marika eo amin’ny Tanany sy ny Tongony, ary hitambatra ao anatin’ny fifamihinana maharitra isika, sy ny ranomasom-pifaliana noho ny nanarahantsika ny Lalany.
Mijoro ho vavolombelona amin’ny vazan-tany efatra aho fa velona i Jesoa Kristy. Mitaona antsika Izy hoe “Mihainoa ianareo ry firenen’ ny tany ary mandrenesa ny tenin’ ilay Andriamanitra izay nanao anareo” (F&F 43:23). Enga anie isika hahavita handray sy hihaino sy hahatakatra ary handika tsara ny hevitry ny hafatr’ “ilay Andriamanitra izay nanao [antsika]” mba tsy hiviliantsika amin’ny Lalany, izany no italahoako amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.