2010–2019
Karazana Olona Toa Inona?
Aprily 2014


11:57

Karazana Olona Toa Inona?

Inona no fiovana takiana amintsika mba ho lasa ilay karazana olona tokony hahatongavantsika?

Rehefa mieritreritra ity fivoriana atao maneran-tany ity isika dia mahatsiahy fa tsy misy na inona na inona mitovy amin’ity fiaraha-mivory ity—na aiza na aiza. Ny tanjon’ny fivoriamben’ny fisoronana amin’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany dia ny hampianatra ireo mpihazona ny fisoronana hoe tokony ho karazana olona toa inona isika (jereo ny 3 Nefia 27:27) sy hanentana antsika ho tonga tahaka izany.

Fony aho mpihazona ny fisoronana Aharôna tany Hawaii dimampolo taona lasa izay sy tamin’ny naha-misiônera ahy tany Angletera, dia niara-nivory tao amin’ireo trano Fiangonana izahay ka nihaino (tamin’ny ezaka mafy) ny fivoriamben’ny fisoronana tamin’ny fampiasana connexion amin’ny telefaonina. Taona maro taty aoriana dia nanjary azo nampitaina tamin’ny alalan’ny zanabolana ao amin’ireo trano Fiangonana manana takela-by fandraisana avy amin’ny zanabolana ireo fampitana mivantana ka sady afaka maheno isika no mahita ireo fivoriana. Talanjona amin’izany teknôlojia izany isika! Ankavitsiana no mety nahazo an-tsaina ny tontolo ankehitriny, izay ahafahan’ny olona rehetra afaka mampiasa internet amin’ny smartphone, tablette, na solosaina mandray ireo hafatr’ity fivoriana ity.

Kanefa ity fahafahana mahare amin’ny fomba maro ny tenin’ny mpanompon’ny Tompo ity, izay mitovy amin’ny feon’ny Tompo ihany (jereo ny F&F 1:38), dia tsy tena manan-danja raha tsy vonona ny hahazo ny teny isika (jereo ny F&F 11:21) ary avy eo dia manaraka izany. Raha lazaina amin’ny fomba tsotra, ny tanjon’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany sy ity fivoriamben’ny fisoronana ity dia ho tratra raha vonona ny hanao asa isika—raha vonona ny hiova isika.

Am-polo taonany maro lasa izay no naha-eveka ahy. Nihaona matetika nandritra ny fotoana maharitra tamin’ny lehilahy iray izay zokiko lavidavitra tao amin’ny paroasinay aho. Nanana olana ara-pifandraisana teo amin’ny vadiny ity rahalahy ity ary tsy nifandray tamin’ny zanany intsony. Niady mafy izy mba hitazonana ny asany, tsy nanana namana akaiky izy, ary nahita fa sarotra tokoa ny nifandray tamin’ny mpikambana tao amin’ny paroasy ka nahatonga azy tsy ho vonona ny hanompo tao amin’ny Fiangonana tamin’ny farany. Nandritra ny fifampiresahana lalina mikasika ireo zava-tsarotra teo amin’ny fiainany dia nitongilana nanakatra ahy izy—ho famaranana ny resaka maro be nataonay—ka niteny hoe: “Eveka a! Mora tezitra aho, ary efa izay mihitsy ny toetrako!”

Nanohina ahy tanteraka izany teny izany tamin’izay alina izay ary nibahana tao an-tsaiko hatramin’izay fotoana izay. Raha vao nilaza io lehilahy io—raha vao milaza na iza na iza amintsika—hoe “Efa izay mihitsy ny toetrako,” dia mampitsahatra ny fahafahantsika miova isika. Mety manangana saina fotsy ihany koa isika, mametraka ny fitaovam-piadiana, mitsahatra amin’ny ady ary milavo lefona—very ny fanantenana rehetra mba handresy. Raha mieritreritra ny sasany amintsika fa tsy mamaritra ny tenantsika ny zavatra nolazaiko, isika rehetra angamba dia maneho ny hoe “Efa izay mihitsy ny toetrako” amin’ny alalan’ny fahazaran-dratsy iray na roa farafahakeliny.

Mihaona eto amin’ity fivoriamben’ny fisoronana ity isika satria ny maha-isika antsika amin’izao fotoana izao dia tsy mampiseho taratra an’ilay olona tokony hahatongavantsika. Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy no ivoriantsika eto izao hariva izao. Mivory miaraka amin’ny fananana toky isika fa ny Sorompanavotany dia manome antsika rehetra—na inona na inona fahalementsika sy fiankinan-dohantsika—ny fahafahana hiova. Mivory miaraka amin’ny fanantenana isika fa ny hoavintsika dia afaka ny ho tsaratsara kokoa na inona na inona vitantsika taloha.

Rehefa mandray anjara amin’ity fivoriana ity “amin-kitsimpo” isika mba hiova (Môrônia 10:4), dia afaka miditra tanteraka ao am-pontsika sy ao an-tsaintsika ny Fanahy. Tahaka izay nambaran’ny Tompo tamin’ny Mpaminany Joseph Smith hoe: “Ary izao no hitranga fa raha … mampihatra ny finoana Ahy [izy ireo]”—tadidio fa ny finoana dia fitsipika omban’ny hery sy ny asa—“dia halatsako aminy ny Fanahiko amin’ny andro izay hiarahany mivory” (F&F 44:2). Izany dia midika hoe izao hariva izao!

Raha heverinareo fa tsy ho azo resena ireo zava-tsarotra lalovanareo dia mamelà ahy hitantara aminareo mikasika ny lehilahy iray nihaona taminay tao amin’ny tanàna kely iray ivelan’i Hyderabad, Inde tamin’ny 2006. Ohatra mahavariana amin’ny olona iray vonona ny hiova ity lehilahy ity. Teraka tany ambanivohitr’i Inde i Appa Rao Nulu. Tamin’ny fahatelo taonany dia tratran’ny lefa-kozatra izy ary lasa kilemaina. Nampianatra azy ny fiaraha-monina nisy azy fa voafetra be ny hery anaty hoenti-manao zavatra ananany. Kanefa rehefa lasa tanora tokan-tena izy dia nihaona tamin’ny misiônerantsika. Nampianatra azy mikasika ny hery anaty hoenti-manao zavatra lehibe kokoa izy ireo, eto amin’ity fiainana ity sy amin’ny fiainana mandrakizay ho avy. Natao batisa izy ary noraisina ho mpikamban’ny Fiangonana. Rehefa nanana fomba fijery tsara lavitra mikasika ny tenany sy ny hery anaty ananany izy dia nametraka tanjona mba handray ny fisoronana Melkizedeka sy hanao asa fitoriana amin’ny fotoana feno. Notendrena ho loholona izy tamin’ny 1986 ary voantso hanompo tao Inde. Tsy mora ho azy ny nandeha tongotra—nanao izay tsara indrindra vitany izy, nampiasa tehina roa, ary matetika izy no nianjera—saingy tsy nieritreritra ny hiala mihitsy izy. Nanao fanoloran-tena ny hanao asa fitoriana amim-boninahitra sy amim-panoloran-tena izy, ary dia nataony izany.

Rehefa nihaona tamin-drahalahy Nulu izahay, 20 taona teo ho eo taorian’ny asa fitoriana nataony, dia niarahaba anay tamim-pifaliana teo amin’ny fiafaran’ny arabe izy ary nitondra anay nidina tamin’ny lalana mikitoantoana ho any amin’ilay trano misy efitra roa niarahany nonina tamin’ny vadiny sy ny zanany telo. Nafana be sady tsy nampahazo aina ny andro tamin’izay. Mbola manana fahasarotana lehibe hatrany izy rehefa mandeha saingy tsy ontsa noho ny amin’ny tenany izy. Tamin’ny alalan’ny ezaka mafy nataony dia lasa mpampianatra izy, izay nanome fanabeazana ho an’ireo ankizy teo amin’ilay tanàna kely. Rehefa niditra tao amin’ilay trano keliny izahay dia nentiny avy hatrany teo amin’ny zoron-trano iray aho ary nisintona boaty iray izy, izay nisy ireo fananany manan-danja indrindra. Tiany hijery taratasy kely iray aho. Izao no voasoratra tao hoe “Mirary zavatra tsara sy fitahiana aho ho tonga amin’i Elder Nulu, izay misiônera mahery fo sy faly; [daty] 25 Jona 1987; [sonia] Boyd K. Packer.” Tamin’izay fotoana izay, rehefa nitsidika an’i Inde ny Loholona Packer tamin’izany fotoana izany ka niresaka tamin’ny andiana misiônera iray, dia nohamafisiny tamin’i Elder Nulu ny hery anaty nananany hoenti-manao zavatra. Raha fintinina, ny zavatra nolazain-drahalahy Nulu tamiko tamin’izay andro izay tamin’ny 2006 dia hoe nanova azy—tamin’ny fomba maharitra—ny filazantsara.

Tamin’ity fitsidihana ny tokantranon’i Nulu ity dia niaraka taminay ny filohan’ny misiona. Tonga tao izy mba hanao dinidinika amin-drahalahy Nulu sy ny vadiny ary ny zanany—mba hahazoan’ireo ray aman-dreny ny fanafiana masina sy ny famehezana ary mba hamehezana ireo ankizy amin’ireo ray aman-dreniny. Nampahafantarinay an’ilay fianakaviana ihany koa ny fandaminana nataonay mba handehanan’izy ireo ho any amin’ny Tempolin’i Hong Kong Chine hanaovan’izy ireo ireo ôrdônansy ireo. Latsa-dranomasom-pifaliana izy ireo satria ho tanteraka ilay nofinofy nandrasany hatry ny ela.

Inona no andrasana amin’ny mpihazona ny fisoronan’Andriamanitra? Inona no fiovana takiana amintsika mba ho lasa ilay karazana olona tokony hahatongavantsika? Ireto misy sosokevitra telo atolotro:

  1. Tokony ho lehilahin’ny fisoronana isika! Na zatovolahy mpihazona ny Fisoronana Aharôna isika na lehilahy mitondra ny Fisoronana Melkizedeka dia tokony ho lehilahin’ny fisoronana, izay maneho fahamatorana ara-panahy satria nanao fanekempihavanana isika. Hoy i Paoly hoe: “Fony mbola zaza aho, dia niteny toy ny zaza, nihevitra toy ny zaza, nisaina toy ny zaza; fa nony efa lehibe aho, dia nariako ny fahazazana” (1 Korintiana 13:11). Tokony hiavaka isika satria mihazona ny fisoronana—tsy mianjonanjona na mirehareha na mieritreritra ho ambony—fa manetry tena sy azo ampianarina ary malemy fanahy. Tokony hisy dikany amintsika ny fandraisana ny fisoronana sy ireo anjara fanompoana ao anatin’izany. Tsy tokony ho “fombafomba mahazatra” fotsiny izany, izay mitranga ho azy amin’ny taona tokony hahazoana izany, fa ho fanaovana fanekempihavanana masina voahevitra tsara kosa. Tokony hahatsapa ho manana tombontsoa lehibe isika ary tokony ho feno fankasitrahana fa maneho izany ny asa rehetra ataontsika. Na mieritreritra kely fotsiny ny fisoronana aza isika dia tokony hiova.

  2. Tokony hanompo isika! Ny ilàna ny fihazonana ny fisoronana dia ny “[hilofosana] amin’ny antso[ntsika]” (jereo ny F&F 84:33) amin’ny fanompoana ny hafa. Tsy tokony ho toy izao isika: tsy manao ny adidintsika manan-danja indrindra mba hanompo ny vadintsika sy ny zanatsika, mandà antso na tsy manao ny antso amin’ny fo ao amin’ny Fiangonana, na tsy miraharaha ny hafa raha tsy rehefa ilaina izany. Nanambara ny Mpamonjy hoe “Tiava an’i Jehovah Andriamanitrao amin’ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra ary ny sainao rehetra” (Matio 22:37) ary taty aoriana dia nampiany hoe “Raha tia Ahy ianao dia hanompo Ahy” (F&F 42:29). Mifanohitra amin’ny andraikitsika ao amin’ny fisoronana ny fitiavan-tena, ka raha anisan’ny singa ao amin’ny toetrantsika izany dia mila miova isika.

  3. Tokony ho mendrika isika! Mety tsy hanana ny fahaizan’ny Loholona Jeffrey R.Holland aho, rehefa nanao lahateny nandritra ny fivoriamben’ny fisoronana izy taona vitsy lasa izay mba “ho henjankenjana kely aminareo … , ho hentitra dia hentitra, miaraka amin’ny feo mitondra fanairana ampy tsara … hampihetsika faingana anareo” (“Mpandray Anjara avokoa Isika,” Liahona, Nôv. 2011, 45); kanefa ry rahalahy malala, mila mahafantatra isika fa mametra ny herintsika ao amin’ny fisoronana ny fomba amam-panao sasany eken’izao tontolo izao ankehitriny. Raha toa isika ka mihevitra fa afaka manaiky na dia fakam-panahy kely avy amin’ny pôrnôgrafia aza, na ny fandikana ny fahadiovam-pitondrantena na ny tsy fahamarinan-toetra amin’ny endriny rehetra, ary tsy hisy fiantraikany ratsy amintsika sy ny fianakaviantsika izany, dia voafitaka isika. Hoy i Môrônia hoe “Ezaho kosa ny hanao ny zava-drehetra amim-pahamendrehana” (Môrmôna 9:29). Nanome torolalana tamin-kery ny Tompo hoe “Ary omeko anareo ankehitriny ny didy mba hitandremanareo ny momba ny tenanareo, mba hitandremanareo fatratra ny tenin’ny fiainana mandrakizay” (F&F 84:43). Mila miova isika raha misy fahotana tsy mbola nibebahana ka manakana antsika tsy ho mendrika.

Ny hany valiny feno amin’ilay fanontaniana napetrak’i Jesoa Kristy hoe “Karazana olona toa inona moa ianareo?” dia ilay iray nomeny tamin’ny fomba fohy sy lalina hoe: “Ho toa Ahy” (3 Nefia 27:27). Ilay fanasana mba “[hanatona] an’i Kristy, ary aoka hatao tanteraka ao Aminy” (Môrônia 10:32) dia sady mitaky no manantena fiovana. Soa ihany fa tsy namela antsika ho irery Izy. “Ary raha manatona Ahy ny olona, dia hasehoko azy ny fahalemeny. … Amin’izany, ny zavatra malemy dia hataoko tonga matanjaka ho azy” (Etera 12:27). Afaka miova isika rehefa miantehitra amin’ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy. Azoko antoka ny amin’izany. Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.