2010–2019
Izay Itoeran’ny Harenao
Aprily 2014


9:27

Izay Itoeran’ny Harenao

Raha tsy mitandrina isika dia hanomboka haniry ny hahazo zavatra ara-nofo bebe kokoa mihoatra noho ny zavatra ara-panahy.

Fotoana fohy taorian’ny nitenenako nandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana tamin’ny Oktôbra 2007 dia niteny tamiko ny iray tamin’ireo rahalahy hoe afaka fito taona indray aho vao hiatrika toe-javatra sarotra toy izao. Maivamaivana aho ary nilaza taminy hoe horaisiko ho toy ny “fito taona zinako” izany. Eny tokoa, inty aho ary tonga ny fiafaran’ny fito taona zinako.

Tamin’ny volana Janoary lasa teo dia nomena andraikitra izaho sy i Grace malalako mba hitsidika ireo mpikambana any Philippines izay sahirana mafy noho ny horohoron-tany lehibe iray sy rivo-mahery goavana iray. Faly izahay satria io asa nasaina nataonay io dia valin’ny vavaka nataonay ary vavolombelon’ny famindram-po sy ny hatsaram-panahin’ny Ray any an-danitra be fitiavana. Nanome fahafahana mba hahatanterahan’ilay fanirianay haneho manokana ny fitiavanay sy ny fiahianay azy ireo izany.

Ny ankamaroan’ireo mpikambana izay nihaona taminay dia mbola nipetraka tao amin’ny toeram-ponenana vonjimaika toy ny lay, tranom-pokonolona ary trano fivorian’ny Fiangonana. Ireo trano notsidihinay dia na nisy tafo ny ampahany na tsy nisy tafo mihitsy. Tsy dia nanan-javatra firy akory ireo olona ireo talohan’ny nahatongavan’ilay loza ary ny kely mba nananany dia fongana teo. Fotaka sy potipoti-javatra no hita teny rehetra teny. Kanefa feno fankasitrahana izy ireo noho ilay fanampiana kely azony ary faly sy ravoravo izy ireo na dia tao anatin’ny toe-javatra tena sarotra aza. Rehefa nanontany izahay hoe manao ahoana tokoa izy ireo ao anatin’izao toe-javatra izao dia namaly tamin’ny fomba mazava izy rehetra hoe: “tsy maninona izahay.” Mazava ho azy fa ny finoan’izy ireo an’i Jesoa Kristy dia nanome azy ireo fanantenana fa hilamina ny zava-drehetra amin’ny farany. Nahazo fampianarana avy amin’ireo Olomasina mahatoky ireo izaho sy Rahavavy Teh isaky ny tokantrano tsirairay sy ny lay tsirairay novangianay.

Manana fomba ny Tompo mba handaminana indray ny saintsika sy handrindrana indray ireo laharampahamehantsika mandritra ireo fotoana hitrangan’ny loza. Lasa tsy manan-danja tampotampoka eo ireo zavatra ara-nofo izay tsy azo raha tsy nifoforantsika mafy. Ny hany manan-danja dia ny fianakaviantsika sy ny fifandraisantsika amin’ny hafa. Toy izao ny filazan’ny rahavavy mahafinaritra iray an’izany: “Rehefa nisintona ny rano ary tonga ny fotoana hanadiovana dia nijery ny tao an-tranoko aho ka nieritreritra hoe: “Oay! Hay ve aho nanangona fako be dia be tao anatin’izay taona maro izay e!’”

Toy ny azoko an-tsaina hoe lasa nanana tanjona tsara kokoa io rahavavy io ka nanomboka tamin’izay dia tena hitandrina tokoa eo amin’ny fanapahan-kevitra ny amin’ny hoe inona avy ireo zavatra ilaina ary inona avy ireo zavatra izay tena tsy mampaninona na tsy ananana aza.

Rehefa niara-niasa tamin’ny mpikambana maro nandritra ny taona maro izahay dia faly raha nahita hery ara-panahy niavosa. Izahay koa dia sady nahita ny fananana zavatra ara-nofo be dia be no nahita ny tsy fananany izany koa teo anivon’ireo mpikambana mahatoky ireo.

Noho ny tsy fananana dia mirotsaka amin’ny fitadiavana vola sy ny fahazoana ireo karazan-javatra eto amin’izao tontolo izao mba hahafahana mamelona ny fianakaviantsika ny ankamaroantsika. Mitaky ampahany lehibe amin’ny fotoantsika sy amin’ny zavatra ifantohan’ny saintsika izany. Tsy misy fiafarany ny zavatra azon’izao tontolo izao atolotra ka noho izany dia tena zava-dehibe ny mianatra manaiky hoe efa ampy ny eo am-pelatanantsika. Raha tsy mitandrina isika dia hanomboka haniry ny hahazo zavatra ara-nofo bebe kokoa mihoatra noho ny zavatra ara-panahy. Lasa any amin’ny vodilaharana ny fikatsahantsika ny zavatra ara-panahy sy mandrakizay raha toa ka tokony ho izy ireo no lohalaharana. Mampalahelo fa hita hoe lasa misy ny fironana be any amin’ny fanangonan-javatra maro sy fanaovana izay hananana ny zavatra vao nivoaka farany sy tena raitra.

Inona no atao mba tsy hahavoasarika antsika handeha amin’izany lalana izany? Nanome ity torohevitra ity i Jakôba: “Koa aza mandany vola amin’izay tsy misy vidiny na miasa amin’izay tsy mety mahafa-po. Henoy amim-pahazotoana tokoa aho ary tsarovy ny teny izay efa nolazaiko; ary manatòna ny Iray Masin’ny Israely ka mivokisa amin’izay tsy mety simba sady tsy mety lò ary aoka hiravoravo amin’ny matavy ny fanahinareo.”1

Manantena aho fa tsy misy amintsika no mandany vola amin’izay tsy misy vidiny na miasa amin’izay tsy mety mahafa-po.

Nampianatra izao manaraka izao tamin’ireo Jiosy sy ireo Nefita ny Mpamonjy:

“Aza mihary harena ho anareo etỳ an-tany, izay misy kalalao sy harafesina manimba ary mpangalatra mamaky trano sy mangalatra;

“Fa miharia kosa harena ho anareo any an-danitra, izay tsy misy kalalao na harafesina manimba, izay tsy misy mpangalatra mamaky trano na mangalatra.

“Fa izay misy ny harenao dia ho any koa ny fonao.”2

Nanome ity fanoharana ity ny Mpamonjy tao anatin’ny toe-javatra iray hafa:

“Ny tanin’ny lehilahy manan-karena iray nahavokatra be.

“Ary izy nihevitra tao am-pony hoe: Ahoana no hataoko, fa tsy manana fitoerana hamoriako ny vokatro aho?

“Ary hoy izy: Izao no hataoko: handrava ny trano fitehirizako aho ka hanao izay lehibebe kokoa, ary ao no hamoriako ny variko rehetra sy ny fananako.

“Dia hilaza amin’ny fanahiko hoe aho: Ry fanahy ô, manana fananana be voatahiry ho amin’ny taona maro hianao; mitsahara, mihinàna, misotroa, mifalia.

“Fa Andriamanitra kosa nanao taminy hoe:Ry adala, anio alina no halaina aminao ny fanahinao, ka ho an’iza izay zavatra noharinao?

“Toy izany izay mihary harena ho an’ny tenany ihany, nefa tsy mba manan-karena ny amin’Andriamanitra.”3

Vao haingana ny Filoha Dieter F. Uchtdorf no nanome izao torohevitra manaraka izao:

“Hitan’ny Raintsika any An-danitra ny tena hery ao anatintsika. Mahafantatra zavatra mikasika antsika, izay tsy fantatsika akory Izy. Mitarika antsika Izy mandritra ny androm-piainantsika mba hahatratrarantsika ny tanjon’ny nahariana antsika, mba hananantsika fiainana tsara, ary mba hiverenantsika eo anatrehany.

“Koa nahoana izany isika no manokana ampahany betsaka toy izany amin’ny fotoantsika sy ny herintsika ho an’ireo zavatra izay mandalo sy tsy misy dikany firy ary izay endrika ivelany fotsiny toy izany? Moa ve isika minia tsy mahita ny fahadalana ao amin’ny fikatsahana hanatanteraka na hahazo zavatra izay maivan-danja sy mandalo?”4

Fantatsika rehetra fa ilay lisitra ananantsika misy ny zava-tsarobidy ho an’izao tontolo izao dia ahitana ny fieboeboana, ny harena, ny fananana ara-nofo, ny fahefana sy ny voninahitry ny olona. Tsy ilaina intsony ny mandany fotoana sy mifantoka amin’izy ireo ka noho izany dia hifantoka amin’ireo zavatra izay ho lasa harentsika any an-danitra aho.

Inona avy ireo harena sasantsasany izay azontsika hiariana? Hanombohana azy dia tsara ho antsika ny manao izay hananana ireo toetra tahaka ny an’i Kristy toy ny finoana, fanantenana, fanetren-tena ary fiantrana. Notoroana hevitra foana isika mba “[hanaisotra] ny maha-olona araka ny nofo … [mba ho] tonga tahaka ny ankizy.”5 Ny anatra nomen’ny Mpamonjy antsika dia ny fiezahantsika mba ho tanteraka tahaka Azy sy ny Raintsika any an-danitra.6

Faharoa, ilaintsika ny manokana bebe kokoa fotoana ampiasaina araka ny tokony ho izy sy manao ezaka bebe kokoa eo amin’ny fanamafisana orina ny fianakaviana. Raha ny marina mantsy, “ny fianakaviana dia tendrin’Andriamanitra. Io no rafitra manan-danja indrindra amin’izao fotoana izao sy ho mandrakizay.”7

Fahatelo, ny fanompoana ny hafa dia toetra miavaka ananan’ny mpanara-dia marina an’i Kristy. Hoy izy hoe: “Araka izay efa nataonareo tamin’ny anankiray amin’ireto rahalahiko kely indrindra ireto no nataonareo tamiko.”8

Fahaefatra ny fanakarana ny fotopampianaran’i Kristy sy ny fampahatanjahana ny fijoroantsika ho vavolombelona dia asa izay hitondra fifaliana sy fahafaham-po marina ho antsika. Mila mandalina tsy tapaka ny tenin’i Kristy isika izay hita ao amin’ny soratra masina sy ao anatin’ireo tenin’ireo mpaminany velona. “Hilaza aminareo ny zava-drehetra tokony hataonareo ny tenin’i Kristy.”9

Tiako ny hamarana ny teniko amin’ny alalan’ny tantaran’ny vehivavy mananotena iray 73 taona, izay nihaona taminay nandritra ilay dianay tany Philippines:

Rehefa namely ny nosy Bohol ilay horohoron-tany dia nirodana ilay trano nitsembohan’izy sy ilay vadiny efa nodimandry, ka maty tamin’izany ny zanany vavy sy ny zafikeliny lahy. Ankehitriny amin’izao izy irery izao dia mila mamelona ny tenany. Nanomboka nanasa lamba izy (izay ataony amin’ny tanana) ary tsy maintsy miakatra sy midina imbetsaka amin’ny havoana iray mba hantsaka rano. Tamin’ny fotoana namangianay azy dia mbola nipetraka tao anaty lay izy.

Izao no teniny: “Ry Loholona! Manaiky ny zava-drehetra nasain’ny Tompo holalovako aho. Tsy manana lolom-po aho. Raisiko ho toy ny zava-tsarobidy ny fahazoan-dalana hidirana ny tempoly nomena ahy ary ataoko ao ambanin’ny ondako izany. Aoka ho fantatrao fa mandoa fahafolonkarena feno avy amin’ilay karama vary masaka raisiko avy amin’ny fanasana lamba aho. Handoa foana ny fahafolonkarenako aho na inona na inona mitranga.”

Mijoro ho vavolombelona aho fa hisy fiantraikany mivantana amin’ny toetrantsika faharoa ireo zavatra ataontsika lohalaharana, ireo zavatra mampirona ny saintsika, ireo fahazarantsika, ireo faniriantsika ary ireo zava-mahaliana antsika sy ireo zavatra mampirehi-po antsika. Aoka isika hahatsiaro mandrakariva ilay tenin’ny Mpamonjy hoe: “Fa izay itoeran’ny harenao, dia ho any koa ny fonao.” Mivavaka aho mba ho hita any amin’ny toerana tokony hisy azy ny fontsika, amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.