Ny Sarany efaina—sy ireo Fitahiana azo—amin’ny maha-Mpianatr’i Kristy
Matanjaha. Aoka ianareo hiaina amim-pahatokiana ny filazantsara na dia tsy miaina izany mihitsy aza ireo manodidina anareo.
Tianay ianao ry Filoha Monson. Nanolotra ny fonao manontolo sy ny fahasalamanao ianao tamin’ny antso rehetra nomen’ny Tompo anao hatrizay, indrindra fa ny anjara fanompoana masina izay hazoninao amin’izao fotoana izao. Misaotra anao ity Fiangonana iray manontolo ity noho ny fanompoana amim-pahavitrihana ataonao sy noho ny amin’ny fanoloran-tenanao tsy tapaka hanao adidy.
Ao anatin’ny fiderana sy famporosihana ireo rehetra izay mila miorina mafy amin’izao andro farany izao no ilazako amin’ny rehetra, indrindra amin’ireo tanoran’ny Fiangonana, fa ho avy ny fotoana indray andro any, raha toa ka mbola tsy nitranga izany, izay hanananareo fahafahana hiaro ny finoanareo, na hiaritra herisetra mihitsy aza noho ianareo hoe mpikamban’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany tsotra izao fotsiny. Ny fotoana toy izany dia sady mitaky herimpo no mitaky fahalalam-pomba avy aminareo.
Ohatra, vao haingana no nisy rahavavy misiônera iray nanoratra taty amiko hoe: “Nahita lehilahy iray nipetraka sy nisakafo teo amin’ny dabilio teo akaikin’ny lapan’ny tanàna izaho sy ny rahavavy mpiara-miasa tamiko. Rehefa nanatona azy izahay, dia nitraka izy ka nahita ny soratra famantarana ny misiônera teny aminay. Nahatsiravina ny fijeriny, ary nitsangana izy sady nanainga ny tanany handeha hamely ahy. Nahay niala aho, saingy naloany teny amiko indray ny sakafony sady nanomboka nanompa anay tamin’ny teny ratsy faran’izay mahatsiravina izy. Niala teo izahay ary tsy niteny na inona na inona. Niezaka namafa ny sakafo teny amin’ny tarehiko aho, kanjo nisy vaingan’ovy voapotsitra namely ahy indray avy tao amin’ny hatoka. Indraindray dia tena sarotra ny manao asa fitoriana satria tamin’izay fotoana izay aho dia naniry ny hiverin-dalana, sy hisambotra ilay rangahy kely ka hiteny hoe: ‘AZAFADY KELY HOE!’ Saingy tsy nanao izany aho.”
Ho an’io misiônera feno fanoloran-tena io, dia izao no lazaiko, ry zanako malala, ianao dia efa niditra tamim-panetrentena ho isan’ny vondrona iray izay ahitana vehivavy sy lehilahy tena miavaka izay voalazan’ny mpaminany Jakôba ao amin’ny Bokin’i Môrmôna hoe “[n]ibanjina ny fahafatesan[i Kristy], sy [n]iaritra ny hazofijaliany ary [n]izaka ny henatr’izao tontolo izao.”1
Eny tokoa, momba an’i Jesoa mihitsy no nilazan’i Nefia rahalahin’i Jakôba hoe: “Ary izao tontolo izao, noho ny helony dia hihevitra Azy ho tsinontsinona; koa karavasiny Izy ary miaritra izany; ary asiany Izy, fa miaritra izany. Eny, rorany Izy ary miaritra izany noho ny lemim-panahiny sy ny fitiavany ary ny faharipony amin’ny zanak’olombelona.”2
Toy ny toe-javatra niainan’ny Mpamonjy, dia nisy hatrany koa ny fandavana sy ny sarany tena lafo izay nefain’ireo mpaminany sy apôstôly, ireo misiônera sy mpikambana isaky ny taranaka nifandimby—ireo rehetra izay niezaka ny hanaja ny antson’Andriamanitra mba hanandratra ny zanak’olombelona ho eo amin’ny “lalana tena tsara indrindra.”3
“Ary inona koa no holazaiko [momba azy ireo]?” hoy ny mpanoratra ny bokin’ny Hebreo manontany.
“[Ireo] izay … nanakombona ny vavan’ny liona,
“Namono ny fidedadedan’ny afo, afaka tamin’ny lelan-tsabatra, … nahery tamin’ny ady, nampandositra [ny miaramila] …
“[Nahita] ny azy efa maty, fa natsangana ho velona indray [raha] ny sasany nampijalijaliana …
“Ary … niaritra fanesoana sy kapoka mafy, … fatorana sy tranomaizina:
“Notoraham-bato izy [ireo], … notsofana, nalaim-panahy, novonoina tamin’ny sabatra: … nirenireny nitafy hoditr’ondry sy hoditr’osy; efa lao, ory, [sy] fadiranovana;
“(izao tontolo izao tsy miendrika ho nitoeran’[izy ireo] akory:) … dia nirenireny tany an-efitra sy tany an-tendrombohitra sy tany an-johy ary tao an-dava-tany izy [ireo].”4
Azo antoka fa nitomany ireo anjelin’ny lanitra rehefa nirakitra an-tsoratra izany sarany efaina amin’ny maha-mpianatry ny Tompo izany eo amin’izao tontolo izao izay matetika mankahala ny didin’Andriamanitra. Ny Mpamonjy mihitsy no nandatsa-dranomaso ho an’ireo izay nolavina sy novonoina nandritra ny an-jato-taona maro teo am-panompoana Azy. Ary ankehitriny Izy dia lavina sy efa hovonoina.
“Ry Jerosalema, ry Jerosalema” hoy Jesoa niantsoantso, “izay mamono ny mpaminany sy mitora-bato izay irahina ho aminao, impiry Aho no ta-hanangona ny zanakao, tahaka ny fanomban’ny akoho ny zanany ao ambanin’ny elany, fa tsy nety hianareo!
“Indro, avela ho lao ho anareo ny tranonareo.”5
Ary ao anatin’izany teny izany dia misy hafatra ho an’ireo zatovolahy sy zatovovavy rehetra ao amin’ity Fiangonana ity. Mety hanontany tena ianareo hoe tsy hanenenana ve ny miaro amin-kerimpo ny fitsipiky ny fahatsaram-pitondrantena any amin’ny sekoly ambaratonga faharoa (lycée) na ny mandeha manao asa fitoriana kanefa avy eo tevatevaina ireo zavatra inoanao tena maminao indrindra, na koa ny miady mafy eo amin’ny fiaraha-monina izay indraindray manao tsinontsinona ny fiainan’ny olona feno fanoloran-tena amin’ny fivavahana. Eny, tsy hanenenana izany, satria raha tsy izany ny “tranontsika” dia avela ho “lao” ho antsika—olona lao, fianakaviana lao, mpiara-monina lao, ary firenena lao.
Hitantsika amin’izany ny enta-mavesatr’ireo izay antsoina hitondra ilay hafatra momba ny Mesia. Ankoatra ny mampianatra sy mamporisika ary mampitraka ny olona (izay ampahany mahafinaritra amin’ny maha-mpianatry ny Tompo), indraindray ireo mpitondra hafatra ireo dia antsoina mba hisahiran-tsaina sy hampitandrina ary indraindray hitomany tsotra izao (izay no ampahany mampalahelo amin’ny maha-mpianatry ny Tompo). Fantatr’izy ireo tsara fa ilay lalana mitondra mankany amin’ny tany nampanantenaina “tondra-dronono sy tantely”6 dia tsy maintsy mandalo lalana mitovy amin’ny an’ny Tendrombohitra Sinay izay ahitana ireo fandrarana sy fandidiana isan-karazany.7
Indrisy anefa fa ireo iraka mitondra ireo didy ambaran’Andriamanitra dia matetika no tsy tian’ny olona kokoa ankehitriny raha oharina amin’ny tany aloha, ary farafaharatsiny misiônera vavy anankiroa izay nandoavan’olona sy nipitihan’ny ovy voapotsitra no afaka manamarina izany ankehitriny. Mahasosotra ny teny hoe Fankahalana, misy anefa ankehitriny ireo izay milaza miaraka amin’i Ahaba fangolika hoe: “Halako [ny mpaminany Mikaia]; satria tsy mbola naminany soa ho ahy izy, fa loza ihany mandrakariva.”8 Izany karazana fankahalana ny fahatsoran’ny mpaminany izany dia namoizana ny ain’i Abinadia. Araka izay nolazainy tamin’ny Mpanjaka Noà: “Satria efa nilaza ny marina taminareo aho dia tezitra amiko ianareo. … Satria efa nilaza ny tenin’Andriamanitra aho dia efa notsarainareo ho adala”9 na azontsika ampiana hoe, tambanivohitra, mpanao fitondrana jadona, tery saina, masiaka, nilaozan’ny toetr’andro, ary manao fisainana antitra.
Izany dia tahaka ny nitomanian’ny Tompo Izy tenany tamin’ny mpaminany Isaia hoe:
“[Ireo] zaza [ireo]… tsy mety mihaino ny lalàn’i Jehovah:
“[Izy ireo dia] manao amin’ny mpahita hoe, Aza mahita; ary amin’ny mpaminany, Aza maminany zavatra marina aminay, manaova vava malefaka aminay, maminania fitaka:
“Mialà amin’ny lalana, mivilia amin’ny aleha: Atsaharo ny Iray Masin’ny Isiraely tsy ho eo anoloanay intsony.”10
Indrisy ry tanora namako, mampiavaka izao vanim-potoana misy antsika izao ny hoe raha te hanana andriamanitra ny olona, dia tiany ho andriamanitra tsy mitaky zavatra maro izany, andriamanitra mampilamin-tsaina, andriamanitra moramora izay tsy manakorontana na manova ny zava-misy nefa koa tsy mampandroso sy mampivoatra na inona na inona, andriamanitra izay manome toky antsika, mampifalifaly antsika, ary mandefa antsika hanao izay mahafalifaly ny fontsika.11
Izany anie ka tena ny olombelona indray no mahary an’Andriamanitra tahaka ny endriny ihany e! Indraindray—ary izany no toa tena maneso indrindra—ireo olona ireo koa dia manao an’i Jesoa ho iray amin’izany karazana Andriamanitra “mampilamin-tsaina” izany. Amin’ny fomba ahoana moa? Izy izay nilaza fa tsy vitan’ny hoe tsy tokony handika ireo didy fotsiny isika, fa tsy tokony hataontsika akory na dia ny hieritreritra ny handika ireo didy fotsiny aza. Ary raha mieritreritra ny handika ireo didy isika, dia efa nandika izany tao am-pontsika. Izany ve dia fotopampianarana “mampilamin-tsaina”, sy mahafinaritra ny sofina ary ankafizin’ny sarambabem-bahoaka?
Ary ahoana indray ny amin’ireo izay maniry ny hitazana fotsiny ny fahotana na koa hikitika izany sady somary manalavitra? Nilaza tsy am-pihambahambana i Jesoa fa, raha ny masonao no manafintohina anao, dia esory hiala. Raha ny tananao no manafintohina anao, dia tapaho.12 “Tsy tonga hitondra fiadanana Aho, fa sabatra,”13 Nampitandremany ireo izay nieritreritra fa rediredy mahafinaritra fotsiny no noteneniny. Tsy mahagaga raha isaky ny avy manao toriteny Izy dia tonga ireo fokonolona “nifona tamin[y] mba hiala amin’ny taniny.”14 Tsy mahagaga raha isaky ny avy manao fahagagana Izy dia lazain’ny olona fa tsy avy amin’Andriamanitra ny heriny fa avy amin’ny devoly.15 Mazava ho azy fa ilay fanontaniana malaza manao hoe “Inona no ho nataon’i Jesoa raha teo Izy?” dia tsy voatery foana hahazoana valinteny ho tian’ny besinimaro.
Tao anatin’ny fotoana lehibe indrindra nandritra ny asa fanompoana nataony tety an-tany, dia nilaza i Jesoa hoe, “[Mifankatiava], tahaka ny nitiavako anareo.”16 Mba hahazoana antoka fa tena takatr’izy ireo hoe karazana fitiavana manao ahoana izany, dia hoy Izy, “Raha tia Ahy hianareo, dia hitandrina ny didiko,”17 ary “na zovy na zovy no mamaha ny anankiray amin’ireo didy madinika indrindra ireo, ka mampianatra ny olona [hanao] toy izany, dia hatao hoe kely indrindra amin’ny fanjakan’ny lanitra izy.”18 Ny fitiavana tahaka ny an’i Kristy no tena ilaintsika indrindra eto amin’ity tany ity satria amin’ny ampahany dia tokony hiaraka amin’izy io hatrany ny fahamarinan-toetra. Koa raha toa ka ny fitiavana no ataontsika teny filamatra, araka ny tokony hataontsika, dia tokony hialantsika ny fandikan-dalàna sy izay mety ho endrika famporisihana ny hafa hanao izany, amin’ny alalan’ny tenin’Ilay fitiavana tonga nofo. Nahatakatra tsara ny zavatra izay toa hadinon’ny maro amin’izao kolontsaina misy antsika izao i Jesoa, dia ny hoe misy fahasamihafana lehibe tokoa amin’ny didy hamela ny fahotana (izay Izy no manana fahafahana tsy manam-petra hanao izany) sy ny fampitandremana mba tsy hilefitra manoloana ny fahotana (izay zavatra tsy mbola nataony na indray mandeha monja aza).
Ry namako, indrindra ianareo tanora namako, mahereza. Ny fitiavana madio tahaka ny an’i Kristy izay ateraky ny fahamarinan-toetra marina dia afaka manova izao tontolo izao. Mijoro ho vavolombelona aho fa ety ambony tany ny filazantsara marina sy velon’i Jesoa Kristy ary ianareo dia mpikamban’ny Fiangonany marina sy velona, ary miezaka ny mizara izany ianareo. Mijoro ho vavolombelon’izany filazantsara izany sy izany Fiangonana izany aho, ary mijoro ho vavolombelona manokana ny amin’ny fanalahidin’ny fisoronana naverina tamin’ny laoniny izay mamaha ny herin’ireo ôrdônansin’ny famonjena sy mahatonga azy ireo ho manan-kery. Mihoatra noho ny ahazoako antoka hoe mijoro eto amin’ity polpitra ity aho ary ianareo mipetraka eo anoloako amin’ity fihaonambe ity no ahazoako antoka fa ireo fanalahidy ireo dia naverina tamin’ny laoniny ary ireo ôrdônansy ireo dia azo tanterahina indray amin’ny alalan’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany.
Matanjaha. Aoka ianareo hiaina amim-pahatokiana ny filazantsara na dia tsy miaina izany mihitsy aza ireo manodidina anareo. Arovy amim-panehoana fahalalam-pomba sy indrafo ny finoanareo, kanefa mba tena arovy izany. Feo nentanim-panahy maro, anisan’izany ireo izay ho renareo mandritra ity fihaonambe ity, sy ilay feo izay vao norenesinareo dia ny an’ny Filoha Thomas S. Monson, no mitarika anareo hizotra hankany amin’ny lalan’ny mpianatr’i Kristy. Lalana ety izany ary lalana tery izay tsy dia misy ahafahana mivilivily loatra amin’ny ampahany sasany, saingy azo handehanana amim-pifaliana sy amim-pahombiazana izany, “amin’ny fiorenan[a] ao amin’i Kristy, … amin’ny fananan[a] fanantenana mamirapiratra sy lavorary, omban’ny fitiavana an’Andriamanitra sy ny olon-drehetra.”19 Raha manaraka amin-kerimpo izany lalana izany ianareo, dia hanefy finoana tsy azo hozongozonina, sy hahita fialofana amin’ireo rivotra ratsy izay mitsoka, eny hazo hifikirana mihitsy aza mandritra ny tadio, ary hahita ilay hery mitovy amin’ny vatolampy avy amin’ny Mpanavotra antsika, ka raha eo amboniny no hanorenanareo ny maha-mpianatry ny Tompo mahafatra-po anareo, dia tsy afaka mianjera ianareo.20 Amin’ny anarana masin’i Jesoa Kristy, amena.