Mpaminany velona iray ho an’ny andro farany
Ny Ray any An-danitra dia nisafidy ilay lamina hoe amin’ny alalan’ny mpaminany iray no anambarany ny fahamarinana amin’ny zanany.
Fony aho zazalahikely dia tiako ny sabotsy satria toy ireny zavatra mampientanentana ireny daholo ireo zavatra ataoko amin’io andro io. Saingy na inona na inona ataoko dia ialohavan’ny zavatra iray faran’izay manan-danja izany, dia ny fijerena sarimiaina amin’ny fahitalavitra. Indray sabotsy toy izany, rehefa nijoro teo akaikin’ny fahitalavitra aho namadibadika nitady fandaharana, dia nahita fa ilay sarimiaina izay nantenaiko hojerena dia nosoloina fampitana ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany an’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany. Raha iny aho teo am-pijerena ny fahitalavitra sy teo am-pimonomononana fa tsy nisy sarimiaina iny dia nahita lehilahy iray fotsy volo nanao palitao sy patalaho ary lobaka nisy karavato, nipetraka teo amin’ny seza tsara tarehy iray.
Nisy zavatra niavaka momba azy ka nanontany ny zokiko lahy aho hoe: “Iza io?”
Hoy izy hoe: “Ny Filoha David O. McKay io; mpaminany izy.”
Tsaroako hoe nahatsapa zavatra aho ary toa nahafantatra hoe mpaminany izy. Avy eo, amin’ny maha ankizilahy mpankafy sarimiaina ahy, dia novaiko ilay fantsom-pahitalavitra. Tsy nohadinoiko velively anefa ny zavatra tsapako nandritra io fotoana fohy sy tsy nampoizina izay nifono fanambarana io. Fotoana fohy monja dia ampy ahafantarana fa mpaminany ny mpaminany iray.1
Manova ny zava-drehetra ny fahafantarana amin’ny alalan’ny fanambarana fa misy mpaminany velona eto ambonin’ny tany.2 Izany dia mahatonga ny olona iray tsy liana amin’ny adihevitra momba ny hoe rahoviana ny mpaminany iray no miteny amin’ny maha-mpaminany azy na momba ny hoe mahazo rariny ve ny olona iray amin’ny fandavana ny sasany amin’ny torohevitra avy amin’ny mpaminany.3 Ny fahalalana nambara toy izany dia manasa ny olona hatoky ny torohevitry ny mpaminany velona iray, na dia tsy takatsika tanteraka aza izany.4 Raha ny marina, ilay Ray any An-danitra tonga lafatra sy be fitiavana dia nisafidy ilay lamina hoe amin’ny alalan’ny mpaminany iray no anambarany ny fahamarinana amin’ny zanany. Olona izay tsy nikatsaka velively ny hahazo antso masina toy izany ary tsy mila ny fanampiantsika mba hahafantatra ny fahelemeny manokana.5 Ny mpaminany dia olona nomanin’ Andriamanitra manokana, nantsoiny, nahitsiny, notaominy fanahy, nolevileveny, nohamasininy ary notohanany.6 Izany no antony mahatonga antsika tsy ho azon-doza ara-panahy rehefa manaraka ny torohevitry ny mpaminany.
Na tiantsika na tsy tiantsika, dia voafidy tamin’ny fomba iray tany amin’ny fiainana talohan’ny nahaterahana isika rehetra mba ho teraka amin’izao andro farany izao. Misy zavatra anankiroa tena ho tanteraka mifandray amin’ny andro farany. Ny zavatra voalohany tena ho tanteraka dia ny hoe haorina indray eto an-tany ny Fiangonan’i Kristy. Ny zavatra faharoa tena ho tanteraka dia ny hoe tena ho sarotra tokoa ny toe-javatra iainana. Manambara ny soratra masina fa amin’ny andro farany dia hisy “havandra vaventy halatsaka hanimba ny vokatry ny tany,”7areti-mandringana,8 “ady sy filazana ady; ary ho ao anaty korontana ny tany manontolo, … ary ho betsaka ny faharatsiana.”9
Fony aho mbola zaza dia nampatahotra ahy ireo faminaniana ireo ary nahatonga ahy hivavaka mba tsy ho tonga mandritra ny androm-piainako ny Fiaviana Fanindroany, izay azoko lazaina hoe nahomby hatreto. Saingy amin’izao fotoana izao dia ny mifanohitra amin’izany no ivavahako, na dia azo antoka aza fa ho tanteraka ireo zava-tsarotra nambara tamin’ny alalan’ny faminaniana,10 satria rehefa hiverina hanjaka i Kristy dia handry fahizay ny zavatra nohariany rehetra.11
Nahatonga ny sasany hihotakotaka ny toe-java-misy eto amin’izao tontolo izao amin’izao fotoana izao. Amin’ny maha-zanaky ny fanekempihavanan’ Andriamanitra antsika dia tsy mila mitady zavatra etsy sy eroa isika mba hahafantarana ny fomba hoenti-mamakivaky ireo fotoan-tsarotra. Tsy mila matahotra isika.12 Ny fotopampianarana sy ireo fitsipika izay tsy maintsy arahintsika mba hahatafavoahana velona ara-panahy sy mba haharetana ara-batana dia hita ao anatin’ireo tenin’ny mpaminany velona.13 Izany no antony nanambaran’ny Filoha M. Russell Ballard fa “zava-dehibe … ny manana mpaminanin’ Andriamanitra eo anivontsika.”14
Nijoro ho vavolombelona ny Filoha Russell M. Nelson fa “ilay lamin’ Andriamanitra efa napetraka hatry ny ela mahakasika ny fampianarana ny zanany amin’ny alalan’ireo mpaminany dia manome antoka antsika fa hitahy ny mpaminany tsirairay Izy ary hitahy ireo izay manaraka ny torohevitry ny mpaminany.”15 Noho izany ny fanarahana ny mpaminany velona no fanalahidy.16 Ry rahalahy sy anabavy, ny fampianaran’ny mpaminany dia tsy tahaka ny tantara mitohy an-tsary efa tranainy sy fiara efa tranainy izay mihasarobidy kokoa rehefa mandeha ny taona. Izay no antony tsy tokony hikatsahantsika ny hampiasa ireo tenin’ny mpaminany taloha mba hanilihana ny fampianaran’ny mpaminany velona.17
Tiako ireo fanoharana nampiasain’i Jesoa Kristy mba hampianarana fitsipiky ny filazantsara. Te hizara fanoharana nitranga tao anatin’ny toe-javatra tena nisy teo amin’ny fiainana aho amin’ity maraina ity.
Indray mandeha aho niditra tao amin’ny toeram-pisakafoanana tao amin’ny foiben’ny Fiangonana mba hisakafo antoandro. Rehefa avy naka lovia nisy sakafo aho dia niditra ny faritra fihinanana sakafo ary nahatsikaritra latabatra iray ka ireo mpikambana anankitelo ao amin’ny Fiadidiana Voalohany no nipetraka teo amin’izany ary nisy seza iray tsy nisy olona teo amin’izany. Lasa nihodina haingana lavitra ilay latabatra aho noho ny tahotro, ary avy eo aho naheno ny feon’ny mpaminanintsika, ny Filoha Russell M. Nelson, nilaza hoe: “Allen a! Eto misy seza tsy misy mipetraka. Avia miara-mipetraka aminay.” Ary dia nipetraka aho.
Tany amin’ny faramparan’ny sakafo antoandro dia taitra aho raha nandre feon-javatra mikasaosaoka. Ary rehefa nitraka aho dia nahita ny Filoha Nelson nampitsangana ho nahitsy tsara ny tavoahangy plastika fitoeran-dranony ary avy eo nofisahiny izany ary naveriny ny sarony.
Napetraky ny Filoha Dallin H. Oaks avy eo ilay fanontaniana tiako hapetraka: “Ry Filoha Nelson, nahoana no nofisahinao ny tavoahangy plastika fitoeran-dranonao?”
Namaly izy hoe: “Manamora kokoa ny asan’ireo izay misahana ny fanodinan-javatra tsy ilaina intsony izany satria tsy mibahana toerana loatra izany rehefa ao anatin’ny fitoeran-javatra tsy ilaina intsony azo ahodina.”
Raha teo am-pisaintsainana izany valin-teny izany aho, dia nahare ilay feon-javatra mikasaosaoka indray. Nijery teo ankavanako aho ary dia nofisahin’ny Filoha Oaks toy ny an’ny Filoha Nelson ny tavoahangy plastika fitoeran-dranony. Naheno feo-javatra teo ankaviako aho avy eo, ary teo am-panafisahana ny tavoahangy plastika fitoeran-dranony ny Filoha Henry B. Eyring, na dia fomba hafa aza no nentiny nanaovana izany, tamin’ny alalan’ny fanatsivalanana ilay tavoahangy, izay nitaky ezaka bebe kokoa noho ilay tavoahangy natsangana. Rehefa nahatsikaritra izany ny Filoha Nelson dia nasehony azy tamin-katsaram-panahy ilay fomba fanaovana izany amin’ny alalan’ny fananganana ilay tavoahangy mba hanamorana kokoa ny famisahana ilay tavoahangy.
Tamin’izay fotoana izay dia niondrika kely tany amin’ny Filoha Oaks aho ary nibitsibitsika nanontany hoe: “Moa ve ny famisahana ny tavoahangy plastika fitoeran-dranonao zavatra iray vaovao takina ato amin’ny toeram-pisakafoanana mahakasika ny fanodinan-javatra tsy ilaina intsony?”
Namaly tamim-pitsikiana ny Filoha Oaks hoe: “Ry Allen, mila manaraka ny mpaminany ianao.”
Azoko antoka fa tsy nanambara fotopampianarana vaovao mifototra amin’ny fanodinan-javatra tsy ilaina intsony ny Filoha Nelson tao amin’ny toeram-pisakafoanana tamin’io andro io. Saingy azontsika atao ny mianatra avy amin’ny fandraisana andraikitra haingana18 nataon’ny Filoha Oaks sy ny Filoha Eyring nanoloana ny ohatra nasehon’ny Filoha Nelson sy ny firaharahian’ny Filoha Nelson ny hanampy amin’ny fampianarana amin’ny fomba tsara kokoa ireo izay voakasik’izany.20
Taona maro lasa izay ny Loholona Neal A. Maxwell no nizara fanamarihana sy torohevitra vitsivitsy izay tena mahakasika manokana izao androntsika izao:
“Ao anatin’ireo volana sy ireo taona ho avy, ireo zavatra hitranga dia tena hitaky ny mpikambana tsirairay mba hanapa-kevitra hoe hanaraka na tsia ny Fiadidiana Voalohany izy. Ho sarotra kokoa ho an’ny mpikambana ny hisalasala maharitra eo amin’ny fisafidianana izay hevitra arahina. …
“… Andeha isika hamela firaketana mba hazava ny safidy atao, ary hamela ny hafa hanao izay tiany eo anatrehan’ny torohevitry ny mpaminany. …
“Nilaza i Jesoa fa rehefa mandravina ny aviavy, dia -efa akaiky ny lohataona.- … Noho izany rehefa nomena fampitandremana isika fa ho tonga ny lohataona, dia aoka isika tsy himenomenona amin’ny hafanana!”20
Ny taranaka vao misondrontra dia mitombo ao anatin’ny fotoana iray izay ahitana ravin’aviavy bebe kokoa ary hafanana bebe kokoa. Izany zava-misy izany dia mitaky andraikitra mavesatra kokoa eo anatrehan’ny taranaka efa nisondrotra, indrindra mahakasika ny fanarahana ny torohevitry ny mpaminany. Rehefa tsy miraharaha ny torohevitry ny mpaminany velona ny ray aman-dreny, dia tsy vitan’ny hoe mamoy ireo fitahiana nampanantenaina fotsiny izy ireo, fa ny zava-doza kokoa dia mampianatra ny zanany izy ireo fa izay lazain’ny mpaminany dia tsy misy dikany na ny torohevitry ny mpaminany dia toy ny aingitraingi-tsakafo ka tsy misy iraharahiana akory izay tsy fanjarian-tsakafo ara-panahy aterak’izany.
Nilaza ny Loholona Richard L. Evans indray mandeha hoe: “Misy ray aman-dreny izay diso fihevitra fa hoe afaka tsy dia hentitra loatra izy ireo eo amin’ny lafiny fitondrantena sy ny fampifanarahana ny fiainana amin’ireo fitsipika … hoe afaka milefitra kely izy ireo eo amin’ireo zavatra tena fototra ka tsy atao misy fiantraikany eo amin’ny fianakaviany sy ny hoavin’ny fianakavan’izy ireo any aoriana izany. Saingy raha toa ny ray na reny iray mivaona kely fotsiny amin’ny lalana, dia tena hihoatra ny ohatra nasehon’ny rainy na ny reniny ny zavatra hoataon’ny zanaka.”21
Amin’ny maha-taranaka antsika izay manana andraikitra masina mba hanomana ny taranaka vao misondrotra amin’ilay anjara asa naminiana amin’izao andro farany izao,22 izay anjara asa tsy maintsy tanterahina ao anatin’ny fotoana iray izay tena mampahery vaika ny fitarihan’ny fahavalo,23 dia tsy afaka ny ho loharono ipoiran’ny fisafotofotoana isika mikasika ny maha-zava-dehibe ny fanarahana ny torohevitry ny mpaminany. Io torohevitra io mihitsy no hanome fahafahana ny taranaka vao misondrotra hahita “ny fahavalo raha mbola lavitra izy ka ho afaka [hiomana izy ireo]” hanohitra ny fanafihan’ny fahavalo.24 Ny fiviliana lalana ataontsika izay toa kely, na ny tsy firaharahiana ataontsika mangingina, na ireo fitsikerana ataontsika any ambadimbadika any eo anatrehan’ny torohevitry ny mpaminany dia mety hahatonga antsika handeha amin’ny fomba mampidi-doza eny akaikin’ny sisin’ny lalan’ny fanekempihavanana fotsiny, saingy rehefa ampitomboin’ny fahavalo izany eo amin’ny fiainan’ny taranaka vao misondrotra, dia mety hitarika azy ireo hiala tanteraka eo amin’ilay lalana ny fihetsika toy izany. Tena goavana ny voka-dratsin’izany eo amin’ny taranaka.25
Ny sasany aminareo dia mety mahatsapa ho tsy nahomby teo amin’ny ezaka nataonareo tamin’ny fanarahana ny torohevitry ny Filoha Russell M. Nelson. Raha izay no zava-misy dia mibebaha ary manomboha indray manaraka ny torohevitry ny mpaminany izay nofidin’ Andriamanitra. Aza variana amin’ny fieritreretana sarimiaina an-jazakely ary matokia an’ilay voahosotry ny Tompo. Mifalia satria “misy mpaminany tokoa [indray] ao amin’ny Isiraely.”26
Na dia tsy azonao antoka aza, dia mijoro ho vavolombelona aho fa afaka mahazaka ny hafanana entin’ny andro farany ianao ary afaka mivelatra mihitsy aza ao anatin’izany. Isika no Olomasina amin’ny andro farany ary izao dia andro lehibe. Tsy andrintsika fahiny izay hankanesantsika ety an-tany amin’izao fotoana izao, ary nanana fahatokian-tena isika fa tsy ho avela ho lavo rehefa miatrika ny zavon’ny haizina mihamatroka sy tsy mitsahatry ny mampisafotofoto izay entin’ilay fahavalo,27 fa hanaraka kosa ny torohevitra sy ny fitarihana avy amin’ilay nomena fahefana manokana mba hilaza amintsika sy amin’izao tontolo izao hoe: “Izao no lazain’ny [Tompo Andriamanitra].”28 Amin’ny anarana masin’ilay mpaminany izay natsangan’ Andriamanitra, Ilay Iray Masin’ny Isiraely,29 dia i Jesoa Kristy, amena.