Fantatrao ve ny antony inoako an’i Kristy amin’ny maha Kristianina ahy?
Tsy maintsy nijaly sy maty ary nitsangana indray i Jesoa Kristy mba hanavotana ny olombelona rehetra amin’ny fahafatesana ara-batana sy hanome ny fiainana mandrakizay miaraka amin’ Andriamanitra.
Indray hariva avy niasa, taona maro lasa izay, dia nitaingina ny fiara fitateram-bahoaka fandehanako rehefa mandeha mody any New Jersey avy any New York City aho. Tsikaritr’ilay vehivavy nipetraka teo akaikiko ny zavatra nosoratako tao amin’ny solosaiko dia nanontany izy hoe: “Mino an’i … Kristy ianao?” Hoy aho hoe: “Eny, mino Azy aho!” Rehefa niresaka izahay dia nianatra aho fa vao nifindra aty amin’ilay faritra izy avy any amin’ny firenena Aziatika kanto niaviany mba hiasa eo amin’ny sehatry ny teknôlojia izay be mpifaninana ao New York.
Nanontaniako tsotra fotsiny izy hoe: “Fantatrao ve ny antony inoako an’i Kristy amin’ny maha Kristianina ahy?” Namaly tamin’ny fomba tsotra koa izy ary nanasa ahy hilaza izany taminy. Saingy rehefa iny handeha hiteny iny aho, dia nahatsapa ireny fotoana izay hitobahan’ny eritreritra maro ao an-tsaina ireny. Io no fotoana voalohany hanazavako ny “antony” maha Kristianina tamin’ny olona izay tsy nahalala izany mihitsy nefa tena manam-pahaizana. Tsy afaka niteny tsotra fotsiny aho hoe: “Manara-dia an’i Jesoa Kristy aho satria nijaly sy maty an-tsitrapo noho ny fahotako Izy.” Mety hanontany tena izy hoe: “Tsy maintsy maty ve i Jesoa? Moa ve Andriamanitra tsy afaka mamela antsika sy manadio antsika fotsiny amin’ny fahotantsika raha mangataka Azy hanao izany isika?”
Inona no mety ho navalinao tao anatin’ny minitra vitsy? Ahoana no hanazavanao izany amina namana iray? Ry ankizy sy zatovo: Mba anontanio ny ray aman-dreninareo na ny mpitarika anareo rehefa afaka kelikely hoe: “Nahoana i Jesoa no tsy maintsy maty”. Ary ho anareo ry rahalahy sy anabavy, manana zavatra aboraka aminareo aho: na dia eo aza ireo zavatra rehetra izay noheveriko fa fantatro momba ny fotopampianarana, ny tantara, ny fitsipika, ary ny sisa sy ny sisa momba ny Fiangonana dia tsy mora ny namaly io fanontaniana tena manan-danja amin’ny finoantsika io. Nanapa-kevitra aho tamin’io andro io ny hifantoka bebe kokoa amin’izay manan-danja indrindra amin’ny fiainana mandrakizay.
Dia nampahafantatra ilay namako vaovao aho1 fa manana fanahy isika ankoatra ny vatana ary Andriamanitra no Rain’ny fanahintsika.2 Nolazaiko azy fa niara-niaina tamin’ny Raintsika any An-danitra isika talohan’ny nahaterahantsika teto amin’ity fiainana mety maty ity.3 Noho ny fitiavany azy sy ny zanany rehetra, dia nanao drafitra ho antsika Izy mba hahazoantsika vatana araka ny endriky ny vatany feno voninahitra,4 mba ho ao anatina fianakaviana,5 ary mba hiverina ho eo anatrehany feno fitiavana mba hianoka ny fiainana mandrakizay miaraka amin’ny fianakaviantsika6 tahaka izay ataony miaraka amin’ny Azy.7 Kanefa, hoy aho, hiatrika sakana lehibe roa isika eto amin’ity tontolo nilaina ho lavo ity:8 (1) ny fahafatesana ara-batana: ny fisarahan’ny vatantsika amin’ny fanahintsika. Mazava ho azy fa fantany hoe ho faty avokoa isika. Ary (2) ny fahafatesana ara-panahy: ny fisarahantsika amin’Andriamanitra noho ny fahotantsika, ny fahadisoantsika, ary ny fahalementsika amin’ny maha mety maty antsika dia manalavitra antsika amin’ny fanatrehany masina.9 Nahatsapa izany ihany koa izy.
Nampahafantariko azy fa vokatry ny lalàn’ny fahamarinana izany. Io lalàna mandrakizay io dia mitaky ny hanefana sazy mandrakizay ho an’ireo otantsika tsirairay na ireo fandikantsika ny lalàna na ny fahamarinan’Andriamanitra, raha tsy izany isika tsy afaka na oviana na oviana ny hiverina hiaina eo amin’ny fanatrehany masina.10 Tsy ho rariny izany, ary Andriamanitra dia “tsy afaka mandà ny fahamarinana.”11 Nahatakatra izany izy kanefa mora nahatakatra fa Andriamanitra ihany koa dia mpamindra fo, be fitiavana, ary maniry mafy ny hanatanteraka ny fiainana mandrakizaintsika.12 Nampahafantariko an’ilay namako fa hanana fahavalo fetsy sy matanjaka ihany koa isika, ilay loharanon’ny faharatsiana sy ny lainga, hanohitra antsika.13 Noho izany dia ilaina ny olona iray manana ny herin’ Andriamanitra tsy manam-petra izay mandresy ny fanoherana sy ny sakana rehetra tahaka izany mba hanavotra antsika.14
Nozaraiko taminy avy eo ilay vaovao mahafaly—ilay “teny soa mahafaly …, dia fifaliana lehibe … ho an’ny olona rehetra”15—fa “toy izao no nitiavan’Andriamanitra izao tontolo izao: nomeny ny Zanani-lahy Tokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay.”16 Nijoro ho vavolombelona tamin’ilay namako aho, ary mijoro ho vavolombelona aminareo, fa i Jesoa Kristy izany Mpamonjy izany, fa tsy maintsy nijaly, maty, ary nitsangana indray Izy—ilay Sorompanavotany tsy manam-petra —mba hanavotana ny olombelona rehetra amin’ny fahafatesana ara-batana17 sy hanome ny fiainana mandrakizay miaraka amin’Andriamanitra sy ny fianakaviantsika18 ho an’ireo rehetra izay hanara-dia Azy. Manambara ny Bokin’i Môrmôna hoe: “Ary dia toy izany no … [nahazoan’ Andriamanitra] ny fandresena tamin’ny fahafatesana; ka manome fahefana ny Zanaka hanao fanalalanana ho an’ny zanak’olombelona … ; heniky ny [famindram-po sy ny] fangorahana ny zanak’olombelona … ; nanapatapaka ny famatoran’ny fahafatesana, ka efa nandray teo amin’ny tenany ny helony sy ny fandikany lalàna, nanavotra azy sy nanefa ny fitakian’ny fahamarinana.”19
Ireo dingana nambaran’Andriamanitra fa tsy maintsy ataontsika mba hanarahana an’i Jesoa sy hahazoana ny fiainana mandrakizay dia antsoina hoe fotopampianaran’i Kristy. Tafiditra ao anatin’izany “ny finoana an’i Jesoa Kristy sy ny Sorompanavotany, ny fibebahana, ny batisa [hidirana ho mpikambana ao amin’Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro farany], ny fandraisana ny fanomezana ny Fanahy Masina, ary ny faharetana hatramin’ny farany.”20 Nozaraiko tamin’ilay namako ireo dingana ireo, kanefa ireto misy fomba vitsivitsy nampianarin’ireo mpaminany sy apôsôly vao haingana izay ahafahan’ny fotopampianaran’i Kristy mitahy ny zanak’Andriamanitra rehetra.
Nampianatra ny Filoha Russell M. Nelson hoe: “Mahery vaika ny fotopampianarana madion’i Kristy. Izany dia manova ny fiainan’ny olona tsirairay izay mahatakatra izany sy mikatsaka ny hampihatra izany eo amin’ny fiainany.”21
Nampianatra ny Loholona Dieter F. Uchtdorf hoe: “[Ny boky torolalana] Ho zatovo mahery! dia entitra amin’ny fanambarana ny fotopampianaran’i Kristy [sy] ny fanasana anareo [zatovo] hanao safidy mifototra amin’[izany].”22
Nampianatra ny Loholona Dale G. Renlund hoe: “Manasa ireo misiônera izahay mba hanao ireo zavatra izay asain’izy ireo ataon’ny olona ampianariny: … mampihatra ny fotopampianaran’i Kristy eo amin’ny fiainany [ary] mankeo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana sy mijanona eo amin’izany.”23
Ny fotopampianaran’i Kristy dia manome hery ireo izay manana fahasahirana na mahatsapa fa tsy manan-toerana ao amin’ny Fiangonana satria manampy azy ireo izany, araka ny nolazain’ny Loholona D. Todd Christofferson mba, “[h]anambara fa: maty ho ahy i Jesoa Kristy … [ary] tia ahy Izy.”24
Ry ray aman-dreny, raha manana fahasahiranana amina fitsipiky ny filazantsara na fampianaran’ny mpaminany iray ny zanakareo dia miangavy anareo aho hanohitra izay mety ho karazana fitenenan-dratsy25 na famporisihana hanohitra ny Fiangonana na ny mpitarika ao aminy. Ireny fomba tsy dia manan-danja sy fampiasan’izao tontolo izao ireny dia tsy mendrika anareo ary mety hanimba ny fahatokiana maharitra ananan’ny zanakareo.26 Izany dia milaza tsara fa ianareo dia hiaro na hisolo vava ny zanakareo sarobidy na haneho fa miray hina aminy ianareo. Izaho sy i Jayne vadiko anefa dia mahafantatra avy amin’ny zavatra niainanay manokana fa ny fampianarana ny zanaka malalanao ny antony ilantsika fatratra an’i Jesoa Kristy sy ny fomba hampiharana ny fotopampianarany mitondra fifaliana no hampatanjaka sy hanasitrana azy. Andeha isika hampitodika azy ireo amin’i Jesoa, izay tena solovavan’izy ireo ao amin’ny Ray. Nampianatra ny Apôstôly Jaona hoe: “Izay rehetra … mitoetra ao amin’ny fampianaran’i Kristy, dia manana … ny Ray sy ny Zanaka.” Avy eo izy dia mampitandrina antsika mba hitandrina “raha misy olona mankeo aminareo ka tsy mitondra izao fampianarana izao.”27
Vao haingana izaho sy i Jayne no nitsidika ilay tany foana izay nanantonan’i Mosesy menarana varahina iray teo anatrehan’ireo zanak’Isiraely nirenireny. Ny Tompo dia nampanantena ny hanasitrana ireo rehetra izay voakaikitr’ireo bibilava nisy poizina raha nijery ilay izy fotsiny izy ireo.28 Rehefa mampianatra ny fotopampianaran’i Kristy amintsika mpikamban’ny Fiangonana ny mpaminanin’ny Tompo dia manao toy izany koa mba “hanasitranany ny vahoaka.”29 Na inona na inona kaikitra na poizina na ady iainantsika eto amin’ity tany foanan’ny fiainana an-tany ity, dia aoka isika mba tsy ho toa an’ireo izay, fahiny sy ankehitriny, tokony ho sitrana, saingy indrisy fa: “tsy nety nijery, … satria tsy ninoany fa izany dia ahahasitrana azy.”30 Ny Bokin’i Môrmôna dia manambara hoe: “Indro … izany no lalana; ary tsy misy lalana na anarana hafa nomena ambanin’ny lanitra, izay hahazoana mamonjy ny olona ho ao amin’ny fanjakan’ Andriamanitra. Ary ankehitriny, indro izany no fotopampianaran’i Kristy.”31
Tamin’io hariva io tany New Jersey, dia nanome ahy anabavy vaovao ary anadahy vaovao ho an’ilay vehivavy ny fizarana ny antony ilantsika an’i Jesoa Kristy sy ny fotopampianarany. Tsapanay ny fijoroana ho vavolombelona mitondra fiadanana sy manamafy avy amin’ny Fanahy Masina. Mazava ho azy fa nanasa azy aho hizara ny mombamomba azy mba hahafahana mifandray aminy ary hanohy ilay resadresaka miaraka amin’ireo misiônerantsika. Nahafaly azy ny nanao izany.
“Noho izany, dia manan-danja lehibe ery ny fampahafantarana ny mponina eto an-tany ireo zavatra ireo,” hoy ny ambaran’ny Bokin’i Môrmôna, mba hitia, hizara ary hanasa32 eo am-panangonantsika an’i Isiraely ao amin’ny fiarahamonina rehetra misy antsika sy ny fianakaviantsika, “mba hahafantarany fa tsy misy nofo izay afaka mitoetra eo anatrehan’ Andriamanitra raha tsy noho ny fahamendrehana sy ny famindram-po ary ny fahasoava[na sy ny fotopampianaran]’ny Mesia Masina.”33 Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.