I Jesoa Kristy no fanamaivanana
Afaka miara-miasa amin’ny Mpamonjy isika mba hanampy amin’ny fanomezana fanamaivanana ara-batana sy ara-panahy ho an’ireo sahirana, ka amin’izany dia hahita fanamaivanana ho an’ny tenantsika manokana ao amin’i Jesoa Kristy.
Noho ny finoana an’i Jesoa Kristy sy ny fanantenana ny zavatra ren’izy ireo momba ireo fahagagana nataony no nitondran’ireo mpikarakara lehilahy iray nararin’ny paralysisa azy teo amin’i Jesoa. Tamin’ny fomba hafakely no nitondran’izy ireo azy teo amin’izay nisy an’i Jesoa: nanaisotra ny tafo ka nampidina ilay lehilahy, izay teo amin’ny fandriany, hankeo amin’ny toerana nampianaran’i Jesoa. Rehefa “hitan’i Jesoa ny finoan’izy ireo, dia hoy izy [tamin’ilay lehilahy nararin’ny paralysisa], voavela ny helokao.”1 Ary avy eo dia hoe “Mitsangàna, betao ny fandrianao, ka modia any an-tranonao.”2 Avy dia nitsangana teo no eo ilay lehilahy nararin’ny paralysisa ka nibata ny fandriany ary lasa nody, “nankalaza an’Andriamanitra.”3
Inona no zavatra hafa fantatsika momba ireo namana izay nikarakara ilay lehilahy nararin’ny paralysisa? Fantatsika fa hitan’ny Mpamonjy ny finoan’ izy ireo. Ary rehefa nahita sy nandre ny Mpamonjy izy ireo ary vavolombelon’ireo fahagagana nataony dia “talanjona” ka “nankalaza an’Andriamanitra.”4
Nanome ny fanasitranana nandrandraina i Jesoa Kristy—fanamaivanana ara-batana amin’ireo fijaliana sy ireo fiantraikan’ny areti-mitaiza izay mampalemy. Tsara homarihana fa ny Mpamonjy dia nanome ihany koa fanamaivanana ara-panahy tamin’ny nanadiovany ilay lehilahy tamin’ny fahotana.
Ary ireo nanama, teo amin’ireo ezaka nataon’izy ireo hikarakarana ilay olona sahirana, dia nahita ilay loharanon’ny fanamaivanana; nahita an’i Jesoa Kristy izy ireo.
Mijoro ho vavolombelona aho fa i Jesoa Kristy no fanamaivanana. Afaka mahazo fanamaivanana isika amin’ireo enta-mavesatra sy vokatra ateraky ny fahotana ary ho voavonjy amin’ireo rofintsika amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy.
Koa satria tia an’ Andriamanitra isika ary nanao fanekempihavanana hanompo Azy, dia afaka miara-miasa amin’ny Mpamonjy hanampy amin’ny fanomezana fanamaivanana ara-batana sy ara-panahy ho an’ireo sahirana, ka amin’izany dia hahita fanamaivanana ho an’ny tenantsika ao amin’i Jesoa Kristy.5
Nanasa antsika ny mpaminany malalantsika, Filoha Russell M. Nelson, handresy izao tontolo izao sy hahita fitsaharana.6 “Fanamaivanana sy fiadanana” no namaritany ny atao hoe “tena fitsaharana.” “Satria tamin’ny alalan’ny Sorompanavotany tsy manam-petra ny Mpamonjy dia nanavotra antsika tsirairay tamin’ny fahalemena sy ny fahadisoana ary ny fahotana, ary noho Izy niaina ny fanaintainana sy ny fanahiana ary ny enta-mavesatra rehetra izay nanananao hatrizay, dia afaka mijoro eo ambonin’ity tontolo ambivitra ankehitriny ity ianao”7, hoy ny Filoha Nelson. Izany no fanamaivanana atolotr’i Jesoa Kristy ho antsika!
Samy mibaby entana toy ny kitapo isika tsirairay. Mety ho harona lolohavina tsy hianjera izany na kitapo babena na fehezan-javatra voafono lamba ka atsipy eo an-tsoroka. Fa ho an’ity ohatra ity dia ‘ndeha antsointsika hoe kitapo babena izany.
Ity kitapo babena ara-panoharana ity no hilanjantsika ireo enta-mavesatra ateraky ny fiainana eo amina tontolo lavo. Ireo enta-mavesatsika dia toy ny vato ao anatin’ilay kitapo babena. Amin’ny ankapobeny dia misy karazany telo izany:
-
Ao ireo vato avy amin’ny zavatra vitantsika noho ny fahotantsika.
-
Vato ao amin’ny kitapo babentsika noho ireo fanapahan-kevitra ratsy sy ny hetraketraka ataon’ny hafa ary ny haratsiam-panahiny.
-
Ary vato lanjaintsika noho isika miaina ao anatin’ny toetry ny fahalavoana. Tafiditra ao anatin’ireny ny vaton’ny aretina, ny fijaliana, ny areti-mitaiza, ny alahelo, ny fahadisoam-panantenana sy ny fanirery ary ireo fiantraikan’ireo loza voajanahary.
Amim-pifaliana lehibe no anambarako fa ireo enta-mavesatra entintsika eto amin’ity fiainana an-tany ity, ireo vato ao amin’ny kitapo babentsika ara-keviny, dia tsy voatery havesatra.
Afaka manamaivana ny entantsika i Jesoa Kristy.
Afaka mitondra ny enta-mavesatsika i Jesoa Kristy.
I Jesoa Kristy dia manome lalana hahafahantsika mahazo fanamaivanana amin’ny vesatry ny fahotana.
I Jesoa Kristy no fanamaivanana ho antsika.
Hoy izy:
“Mankanesa aty amiko, ianareo rehetra izay miasa fatratra sy mavesatra entana, fa Izaho no hanome anareo fitsaharana [izany hoe, fanamaivanana sy fiadanana].
“Ento ny ziogako, ka mianara amiko; fa malemy fanahy sady tsy miavona am-po Aho; dia hahita fitsaharana ho an’ny fanahinareo ianareo.
“Fa mora ny ziogako, ary maivana ny entako.”8
Ny hoe mora ny zioga sy maivana ny entana dia toa manambara fa miara-mizioga amin’ny Mpamonjy isika, mizara ny enta-mavesantsika Aminy ary mamela Azy hitondra ny entantsika. Midika izany hoe mifandray amin’ Andriamanitra amin’ny alalan’ny fanekempihavanana sy mitandrina izany fanekempihavanana izany, izay “mahatonga ny zavatra rehetra eo amin’ny fiainana ho mora kokoa” araka ny nohazavain’ny Filoha Russell M. Nelson. “Ny miara-miasa amin’ny Mpamonjy dia midika fa afaka mahazo ny heriny izay mampatanjaka sy manavotra”9, hoy izy.
Nahoana isika no mahihitra amin’ireo vatontsika? Nahoana ny mpanipy baolina amin’ny baseball no handà tsy hiala eo amin’ny toerana fanipazam-baolina kanefa misy mpisolo eo vonona hamita ny lalao? Nahoana aho no hiziriziry hiambina irery ny tsatoka iandraiketako kanefa mijoro eo akaiky eo ilay Mpisolo, vonona hiara-hiambina izany amiko?
Nampianatra ny Filoha Nelson hoe: “I Jesoa Kristy [dia] mijoro mamelatra ny sandriny, manantena sy vonona ny hanasitrana, hamela, hanadio, hampatanjaka ary hanamasina antsika.”10
Koa nahoana isika no miziriziry hibaby samirery ireo vatontsika?
Natao ho fanontaniana ho an’ny tena hosaintsaininareo tsirairay izany.
Ho ahy izany dia ilay ambo-po izay nahavoa ny olona hatrizay. “Haiko ity,” hoy aho. “Aza manahy; vitako io.” Ilay mpamitaka lehibe, no maniry ny hiafenako amin’ Andriamanitra, tsy hitodika Aminy, hanao zavatra tsy mila fanampiana.
Ranadahy sy rahavavy isany, tsy vitako samirery izany ary tsy voatery hanao izany irery aho no sady tsy hanao izany irery. Noho ny safidiko ny hifamatotra amin’ny Mpamonjiko, Jesoa Kristy, amin’ny alalan’ny fanekempihavanana efa nataoko tamin’ Andriamanitra no ahafahako “mahay ny zavatra rehetra … ao amin’ilay mampahery ahy.”11
Voatahy hahazo fanamaivanana avy amin’ny Mpamonjy ireo mpitandrina fanekempihavanana.
Eritrereto ity ohatra ao amin’ny Bokin’i Môrmôna ity: Ny vahoakan’i Almà dia nampijaliana tamin’ny “asa an-tery vozona ary … mpampiasa.”12 Voarara izy ireo tsy hiloa-peo hivavaka ka dia “namboraka ny tao am-pony tamin’ [Andriamanitra], ary Izy dia nahalala ny fihevitry ny fony.”13
Ary “tonga taminy tao amin’ny fahoriany ny feon’ny Tompo, nanao hoe: Atrakao ny lohanareo ary manàna fahatokiana, satria fantatro ny fanekempihavanana izay efa nataonareo Tamiko; ary Izaho hanao fanekempihavanana amin’ny oloko sy hanafaka azy hiala amin’ny famatorana.
“Ary hohamaivaniko koa ny enta-mavesatra izay apetraka eo an-tsorokareo, ka tsy hahatsapa izany ny lamosinareo.”14
Koa dia “nohamaivanina” ny enta-mavesany ary “nampahatanjaka azy ny Tompo mba hahafahany mitondra mora foana ny enta-mavesany, ary izy dia nanaiky tamim-pifaliana sy tamim-paharetana ny sitrapon’ny Tompo rehetra.”15
Nandray fanamaivanana tamin’ny endrika fampiononana sy faharetana kokoa ary fifaliana ireo mpitandrina fanekempihavanana ireo, eny, fanamaivanana tamin’ny enta-mavesany mba hahatsapan’izy ireo ho maivana, sy fanafahana nony farany.16
‘Ndeha hiverenantsika izao ilay kitapo babentsika ara-panoharana.
Ny fibebahana, amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy, no manamaivana antsika amin’ny vesatry ny vaton’ny fahotana. Ary amin’ny alalan’io fanomezana mamy io no hanamaivanan’ny famindram-pon’ Andriamanitra antsika tsy hizaka ny fitakian’ny lalàna izay mavesatra sy tsy hay resena raha tsy izany.17
Ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy no manome ihany koa fahafahana antsika hahazo hery hamelana, izay ahafahantsika manala ny vesatra babentsika noho ny fampahorian’ny hafa.18
Dia ahoana ary no hanamaivanan’ny Mpamonjy antsika amin’ireo enta-mavesatra entin’ny fiainana eo amina tontolo lavo manana vatana mety maty izay iharan’ny alahelo sy ny fijaliana?
Matetika no amin’ny alalantsika no hanaovany izany karazana fanamaivanana izany! Amin’ny maha mpikamban’ny Fiangonany nahavita fanekempihavanana antsika dia mampanantena isika ny “hiara-malahelo amin’izay malahelo” sy “hampionona ireo izay mila fampiononana.”19 Noho isika “tonga ao amin’ny valan’Andriamanitra” sy “[antsoina] hoe vahoakany” dia “te hifampitondra ny enta-mavesatry ny tsirairay mba hanamaivana izany.”20
Fitahiana ho antsika ateraky ny fanekempihavanana ny miara-miasa amin’i Jesoa Kristy amin’ny fanomezana fanamaivanana ara-batana sy ara-panahy an’ireo zanak’ Andriamanitra rehetra. Isika no fitaovana ampiasainy anomezany fanamaivanana.21
Noho izany, tahaka ireo naman’ilay lehilahy nararin’ny paralysisa dia “[mamonjy] ny osa [isika], [mampiakatra] ny tanana izay miraviravy ary [manatanjaka] ny lohalika malemy” isika.22 “[Mifampitondra] izay mavesatra [isika mba hanatanterahana] ny lalàn’i Kristy.”23 Rehefa manao izany isika dia lasa hahafantatra Azy sy lasa tahaka Azy ary hahita ny fanamaivanana avy Aminy.24
Inona no atao hoe fanamaivanana?
Izany dia fanesorana na fanamaivanana zavatra izay maharary, mampitebiteby, na mavesatra, na fananana hery hiharetana izany. Izany dia manondro olona iray izay misolo vaika ny iray hafa. Izany dia fanonerana araka ny lalàna ny ratsy iray izay natao.25 Io teny Anglo-Français io dia avy amin’ny teny frantsay tranainy, ny teny hoe relever, na “mampitsangana,” ary avy amin’ny teny Latina hoe relevare, na “mampitsangana indray.”26
Ranadahy sy rahavavy isany, i Jesoa Kristy no fanamaivanana. Mijoro ho vavolombelona aho fa nitsangana Izy tamin’ny andro fahatelo, ary rehefa nahatontosa ny Sorompanavotana feno fitiavana sy tsy manam-petra, dia mijoro mamelatra ny sandriny, manolotra antsika fahafahana hitsangana indray sy ho voavonjy sy hasandratra ary ho lasa tahaka Azy. Maharitra mandrakizay ny fanamaivanana atolony antsika.
Tahaka ilay vehivavy notsidihan’ilay anjely tamin’io marain’ny Paska voalohany io, dia te “[handeha] faingana” aho sy ho “faly” hizara ilay hafatra hoe nitsangana Izy.27 Amin’ny anaran’ny Mpamonjy antsika, Jesoa Kristy, amena.