Fihaonamben’ny Fiangonana Maneran-tany
“Tomoera ato Amiko ary Izaho ao aminao; koa miaraha-mandeha Amiko”
Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany aprily 2023


“Tomoera ato Amiko ary Izaho ao aminao; koa miaraha-mandeha Amiko”

Mihatra amin’ny mpikambana tsirairay izay mpitandrina ny fanekempihavanana ato amin’ny Fiangonany naverina tamin’ny laoniny ny fampanantenan’ny Mpamonjy.

I Enoka ilay mpaminany fahiny izay voaresaka ao amin’ny Testamenta Taloha sy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana ary ny Voahangy Lafo Vidy,1 dia fitaovana tamin’ny fanorenana ny tanànan’i Ziona.

Milaza ireo raki-tantara ao amin’ny soratra masina mikasika ny antson’i Enoka mba hanompo hoe: “Ary izy dia nandre feo avy tany an-danitra, nanao hoe: Ry Enoka, zanako, maminania amin’ity vahoaka ity ka lazao aminy hoe:—Mibebaha, …fa efa mihamafy ny fony ary nihadonto ny sofiny ary tsy mahita lavitra ny masony.”2

“Ary nony efa nandre ireo teny ireo i Enoka dia niankohoka tamin’ny tany teo anoloan’ny Tompo ary niteny teo anoloan’ny Tompo hoe: Nahoana aho no nahita sitraka teo imasonao na dia mbola zatovolahy aza aho ary mankahala ahy ny vahoaka rehetra; fa miadam-piteny aho; koa nahoana aho no mpanomponao?”3

Mariho fa tamin’ny fotoana niantsoana an’i Enoka hanompo dia takany tsara ny tsy fahaizany sy ny fahalemeny manokana. Ary ahiako ho efa nisy fotoana isika rehetra nahatsapa tokoa tahaka an’i Enoka rehefa manompo ato am-piangonana. Kanefa mino aho fa ny valintenin’ny Tompo tamin’ilay fanontanian’i Enoka feno fitalahoana dia mampianatra ary mihatra amintsika amin’izao andro izao.

“Ary hoy ny Tompo tamin’i Enoka: Mandehana ary ataovy izay efa nandidiako anao ary tsy misy olona hanagorobaka anao. Sokafy ny vavanao dia hofenoina izany ary homeko izay holazainao. …

“Indro mby eo aminao ny Fanahiko, koa ny teninao rehetra dia hohamariniko; ary ny tendrombohitra dia handositra eo anoloanao, ary ny renirano dia hivily amin’ny lalany; ary hitoetra ato Amiko ianao ary Izaho ao aminao; koa miaraha-mandeha Amiko.4

Lasa mpaminany mahery i Enoka tamin’ny farany, sy fitaovana teo am-pelatanan’ Andriamanitra hanatontosana asa lehibe, saingy tsy nanomboka ny asa fanompoany toy izany izy! Fa nitombo niandalana ny fahaizany rehefa nianatra nitoetra sy nandeha niaraka tamin’ilay Zanak’ Andriamanitra Izy.

Mangataka mafy ny fanampian’ny Fanahy Masina aho eo am-piarahantsika mandinika ilay torohevitra nomen’ny Tompo an’i Enoka, sy ny mety ho dikan’izany aminao sy amiko androany.

Hitoetra ato Amiko ianao

Manolotra fanasana ho antsika tsirairay i Jesoa Kristy Tompo mba hitoetra ao Aminy.5 Saingy ahoana no fomba tena hianarantsika hitoetra ao Aminy sy ho lasa tena mitoetra ao Aminy?

Ny teny hoe mitoetra dia midika hoe mijanona mifikitra na tsy mihozongozona sy maharitra ka tsy milefitra. Ny Loholona Jeffrey R. Holland dia nanazava fa ny hoe “mitoetra” amin’ny maha matoantenin’ny mpanao azy dia midika hoe “-mijanona—saingy mijanona mandrakizay.- Izany no fanasana avy amin’ny hafatry ny filazantsara ho an’ny … olona rehetra … manerana izao tontolo izao. Manatòna, kanefa manatòna mba hijanona. Manatòna amim-pinoana sy faharetana. Manatòna mba hijanona hatramin’ny farany, mba ho tombontsoa ho anao sy ho an’ireo taranaka rehetra tsy maintsy handimby anao.”6 Noho izany dia mitoetra ao amin’i Kristy isika rehefa miorina mafy sy tsy azo hozongozonina amin’ny fanoloran-tenantsika amin’ilay Mpanavotra sy ireo tanjony masina, na amin-karatsiana na amin-kasoavana.7

Manomboka mitoetra ao amin’ny Tompo isika rehefa mampiasa ny fahafaha-misafidintsika mba hitondra ny ziogany8 amin’ny alalan’ireo fanekempihavanana sy ôrdônansin’ny filazantsara naverina tamin’ny laoniny. Ilay fifandraisana entin’ny fanekempihavanana eo amintsika sy ny Ray any An-danitra sy ny Zanany izay velona sy nitsangana tamin’ny maty no loharano faratampon’ny fananana fijery tsara, fanantenana, hery, fiadanana ary fifaliana maharitra; izany koa no vato fototra mafy orina9 izay tokony hanorenantsika ny fiainantsika.

Mitoetra ao Aminy isika amin’ny alalan’ny fiezahana tsy tapaka ny hampahatanjaka ny fanekempihavanana nataontsika tsirairay avy izay mampifamatotra antsika amin’ny Ray sy ny Zanaka. Ohatra, ny fivavahana amin-kitsimpo amin’ny Ray Mandrakizay amin’ny anaran’ny Zanany Malala dia mampahalalina sy manamafy ny fifandraisana entin’ny fanempihavanantsika eo amin’Izy Ireo.

Mitoetra ao Aminy isika rehefa tena mivoky amin’ny tenin’i Kristy. Ny fotopampianaran’ny Mpamonjy amin’ny maha zanaky ny fanekempihavanana antsika dia mampanakaiky antsika Aminy10 sy hilaza amintsika ireo zava-drehetra tokony hataontsika.11

Mitoetra ao Aminy isika amin’ny alalan’ny fiomanana amim-pahamatorana ny handray anjara amin’ny ôrdônansin’ny fanasan’ny Tompo sy ny famerenana mijery ary ny fandinihana lalina ireo fampanantenan’ny fanekempihavanana ka mibebaka amin-kitsimpo. Ny fandraisana ny fanasan’ny Tompo amim-pahamendrehana dia vavolombelona amin’ Andriamanitra fa isika dia vonona ny handray eo amintsika ny anaran’i Jesoa Kristy ary miezaka ny “hahatsiaro Azy mandrakariva”12 aorian’ny fotoana fohy takina mba handraisana anjara amin’izany ôrdônansy masina izany.

Ary mitoetra ao Aminy isika amin’ny alalan’ny fanompoana an’ Andriamanitra rehefa manompo ireo zanany sy manompo ireo rahalahy sy rahavavintsika isika.13

Hoy ny Mpamonjy: “Raha mitandrina ny didiko hianareo, dia hitoetra amin’ny fitiavako, tahaka ny nitandremako ny didin’ny Raiko sy ny hitoerako amin’ny fitiavany.”14

Nofariparitako fohy ny sasany amin’ireo fomba maro hahafahantsika mitoetra ao amin’ny Mpamonjy. Fa izao aho dia manasa antsika tsirairay amin’ny maha mpianany antsika mba hangataka, sy hitady, handondòna ary hianatra manokana amin’ny alalan’ny herin’ny Fanahy Masina, ireo fomba hafa manan-danja izay ahafahantsika manao an’i Kristy ho ivon’ny fiainantsika amin’izay rehetra ataontsika.

Ary Izaho ao aminao

Roa sosona ny fampanantenan’ny Mpamonjy ho an’ireo izay mpanara-dia Azy: Raha mitoetra ao Aminy isika dia hitoetra ao amintsika Izy. Saingy azon’i Kristy atao tsara tokoa ve ny mitoetra ao amiko sy ianao—manokana? Eny ary tena Eny no valin’izany fanontaniana izany!

Mianatra isika ao amin’ny Bokin’i Môrmôna mikasika ny fampianaran’i Almà sy ny fijoroany ho vavolombelona tamin’ireo mahantra izay voatery nietry noho ny fahorian’izy ireo. Tao amin’ny fampianarany dia nampitaha ny teny tamin’ny voa iray izy, izay tsy maintsy nambolena sy nokolokoloina, ary namariparitra “ny teny” izy ho tahaka ny fiainan’i Jesoa Kristy sy ny asa fanompoany ary ny sorompanavotany.

Hoy i Almà: “Manomboha mino ny Zanak’ Andriamanitra, fa ho avy Izy hanavotra ny olony ary hijaly sy ho faty Izy mba hanonitra ny fahotany; ary hitsangana amin’ny maty Izy izay hahatanteraka ny fitsanganana amin’ny maty, ka ny olona rehetra dia hijoro eo anoloany mba hotsaraina araka ny asany amin’ny andro farany sady fitsarana.”15

Raha izay no namariparitan’i Almà “ny teny” dia diniho ny fifandraisana mitaona fanahy izay hitany avy eo.

“Ary ankehitriny … dia iriako ny hambolenareo izany teny izany ao am-ponareo, ary rehefa manomboka mitombo izy dia ny mba hamahananareo azy amin’ny finoanareo. Ary indro, hanjary hazo izy, hitombo ao anatinareo hatrany amin’ny fiainana maharitra mandrakizay. Ary amin’izany, dia enga anie ka hotovin’ Andriamanitra aminareo ny hanamaivanana ny enta-mavesatrareo, amin’ny alalan’ny fifalian’ny Zanany. Ary na dia izany rehetra izany aza dia hainareo atao raha sitrakareo.”16

Ny voa izay tsy maintsy ezahantsika ambolena ao am-pontsika dia ny teny—eny ny fiainan’i Jesoa Kristy sy ny asa fanompoany ary ny fotopampianarany. Ary rehefa fahanantsika amin’ny finoana ilay teny dia ho lasa hazo mitombo ao anatintsika hatrany amin’ny fiainana maharitra mandrakizay.17

Inona no tandindona asehon’ilay hazo tao amin’ny fahitan’i Lehia? Ilay hazo dia azo heverina ho toy ny fanehoana an’i Jesoa Kristy.18

Ry rahalahy sy anabavy, moa ve mitoetra ao anatintsika ilay Teny? Moa ve ireo fahamarinan’ny filazantsaran’ny Mpamonjy voasoratra eo amin’ireo vatofisaky ny nofon’ny fontsika?19 Moa ve isika manatona tsikelikely Azy sy tonga tsikelikely tahaka Azy? Moa ve mitombo ao anatintsika ny hazon’i Kristy? Moa ve isika miezaka ny ho tonga “olom-baovao”20 ao Aminy?21

Io fahafahana mahagaga io angamba no nahatonga an’i Almà nentanim-panahy hanontany hoe: “Efa naterak’ Andriamanitra araka ny fanahy ve ianareo? Moa va ny endriny efa nisoritra teo amin’ny tarehinareo? Efa nahatsapa izany fiovana mahery vaika izany tao am-ponareo va ianareo?”22

Tokony hahatsiaro mandrakariva ny torolalan’ny Tompo tamin’i Enoka isika: “Hitoetra ato Amiko ianao, ary Izaho ao aminao.”23 Ary mijoro ho vavolombelona aho fa marina ny fampanantenan’ny Mpamonjy hitoetra ao amintsika ary mihatra amin’ny mpikambana tsirairay izay mpitandrina ny fanekempihavanana ato amin’ny Fiangonany naverina tamin’ny laoniny izany.

Koa miaraha-mandeha Amiko

Nananatra ireo mpino izay nandray ny Tompo ny Apôstôly Paoly nanao hoe: “dia mandehana ao aminy.”24

Ny hoe mandeha ao amin’ny Mpamonjy sy miaraka Aminy dia manasongadina lafin-javatra roa manan-danja amin’ny maha mpianatra: (1) ny fankatoavana ireo didin’ Andriamanitra, ary (2) ny fahatsiarovana sy ny fitandremana ireo fanehempihavanana masina izay mampifandray antsika amin’ny Ray sy ny Zanaka.

Nanambara i Jaona hoe:

“Ary izao no ahafantarantsika fa mahalala Azy isika, dia ny fitandremana ny didiny.

“Izay manao hoe: Fantatro Izy, nefa tsy mitandrina ny didiny, dia mpandainga, ary ny marina tsy ao anatiny.

“Fa na iza na iza mitandrina ny teniny, dia tanteraka ao aminy marina tokoa ny fitiavana an’ Andriamanitra: izany no ahafantarantsika fa mitoetra ao aminy isika.

“Izay milaza fa mitoetra ao aminy, dia tsy maintsy mandeha toy izay nandehanany koa.”25

Miantso antsika tsirairay i Jesoa hoe: “Avia, manaraha Ahy”26 ary “miaraha-mandeha Amiko.”27

Mijoro ho vavolombelona aho fa rehefa mibosesika mandroso amin’ny finoana isika ary mandeha amin’ny fahalemem-panahin’ny Fanahin’ny Tompo,28 dia hahazo hery, fitariahana sy fiarovana ary fiadanana.

Fijoroana ho vavolombelona sy fampanantenana

Namariparitra fitalahoana feno fitiavana avy amin’ny Tompo ho an’ny velona rehetra i Almà:

“Indro, mandefa fanasana ho an’ny olona rehetra izy, fa ny sandrin’ny famindram-po dia mitolotra ho azy, ary hoy Izy: Mibebaha dia handray anareo Aho.

“… Mankanesa aty Amiko, ary hihinana amin’ny voan’ny hazon’aina ianareo; eny, hihinana sy hisotro maimaim-poana amin’ny mofo sy ny ranon’aina ianareo.”28

Hamafisiko ny maha feno tanteraka ny fitalahoana nataon’ny Mpamonjy. Maniry mafy Izy ny hitahy amin’ny alalan’ny fahasoavany sy ny famindram-pony, ny olona tsirairay izay miaina, sy efa niaina ary izay mbola hiaina eto ambonin’ny tany.

Ny mpikambana sasantsasany dia manaiky sy mino fa marina ny fotopampianarana sy ireo fitsipika ary fijoroana ho vavolombelona ambara ombieny ombieny eto amin’ity polipitran’ny Ivon-toeran’ny Fihaonambe ity, sy any amin’ireo fiangonana any an-toerana manerana izao tontolo izao—kanefa mbola mety mitolona amin’ny finoana ireo fahamarinana mandrakizay mihatra manokana eo amin’ny fiainan’izy ireo sy ny toe-javatra misy eo amin’izy ireo. Mino amin-kitsim-po izy ireo ary manompo amim-pankatoavana, saingy tsy mbola tena iainan’izy ireo sy tena mitondra fanovana eo amin’ny fiainan’izy ireo ny fanekempihavanana mampifandray azy ireo amin’ny Ray sy ny Zanany Mpanavotra.

Mampanantena aho fa amin’ny alalan’ny herin’ny Fanahy Masina dia afaka ny ho fantatrao sy ho tsapanao fa ny fahamarinan’ny filazantsara izay nezahiko nofariparitana dia natao ho anao—ho anao manokana.

Amim-pifaliana no ijoroako ho vavolombelona fa i Jesoa Kristy no Mpamonjy sy Mpanavotra be fitiavana sy velona. Raha mitoetra ao Aminy isika, dia hitoetra ao amintsika Izy.30 Raha mandeha ao Aminy sy miaraka Aminy isika dia hotahiana ka hamoa voa be. Izany no ijoroako ho vavolombelona amin’ny anarana masin’i Jesoa Kristy Tompo, amena.

Fanamarihana

  1. Jereo ny Genesisy 5:18–24; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 107:48–57; Mosesy 6–7.

  2. Mosesy 6:27.

  3. Mosesy 6:31.

  4. Mosesy 6:32, 34; nampiana fanamafisana.

  5. Jereo ny Jaona 15:4–9.

  6. Jeffrey R. Holland, “Abide in Me,” Liahona, May 2004, 32.

  7. Jereo ny Jaona 15:10.

  8. Jereo ny Matio 11:29–30.

  9. Jereo ny Helamàna 5:12.

  10. Jereo ny 3 Nefia 27:14–15.

  11. Jereo ny 2 Nefia 32:3.

  12. Môrônia 4:3; 5:2.

  13. Jereo ny Môzià 2:17.

  14. Jaona 15:10.

  15. Almà 33:22.

  16. Almà 33:23; nampiana fanamafisana.

  17. Jereo ny Almà 26:13.

  18. Nanazava io fitsipika io aho nandritra ny fampaherezam-panahy iray tamin’ny 2017.

    “I Almà… dia –nanomboka nitory ny tenin’ Andriamanitra tamin’ny vahoaka, niditra tao amin’ny sinagogany sy tao an-tranony; eny, ary nitory teny teny an-dalany aza izy ireo–” (Almà 31:1; nampiana fanamafisana). Nampitaha ny tenin’ Andriamanitra tamin’ny voa ihany koa izy.

    “–Ankehitriny, raha manisa toerana ianareo mba hahazoana mamboly voa iray ao am-ponareo, indro, raha tena voa marina izany na voa tsara, raha tsy mandroaka izany hivoaka ianareo noho ny tsy finoanareo izay hanoheranareo ny Fanahin’ny Tompo, dia indro hanomboka handrobona ao an-tratranareo izy; ary rehefa tsapanareo ireo fihetsiny mandrobona, dia hanomboka hiteny anakampo ianareo hoe—Tsy azo ihodivirana ny maha tsy maintsy voa tsara azy, na ny teny dia tsara, satria manomboka mampivelatra ny fanahiko izy; eny, manomboka manazava ny fahazavan-tsaiko izy, eny manomboka ho fy amiko izy– [Almà 32:28; nampiana fanamafisana].

    “Mahaliana fa ny voa tsara iray dia lasa hazo rehefa nambolena tao am-po ary manomboka mandrobona sy mamony ary mitombo.

    “–Ary indro, rehefa manomboka mitombo ny hazo, dia hiteny ianareo hoe: Aoka hofahanantsika amin’ny fanolokoloana be izy mba hahazoany miorim-paka, mba hahazoany mitombo sy mitondra voa ho antsika. Ary ankehitriny, indro, raha fahananareo amin’ny fanolokoloana be izy dia hiorim-paka sy hitombo, ary hitondra voa izy.

    “–Fa raha tsy miraharaha ny hazo ianareo sy tsy manana eritreritra ny amin’ny famahanana azy, dia indro tsy hiorim-paka izy; ary rehefa tonga ny hafanan’ny masoandro, dia mandazo azy, satria tsy niorim-paka izy, ka maina, dia ongotanareo sy arianareo.

    “–Ankehitriny, izany dia satria tsy ny voa no tsy tsara, na satria koa tsy mampilendalenda ny voany; fa izany dia satria karakaina ny taninareo ary tsy te hamahana ny hazo ianareo, noho izany ianareo dia tsy afaka hanana ny voany.

    “–Ary dia toy izany, raha tsy te hamahana ny teny ianareo, ka miandrandra amin’ny masom-pinoana ny voany, no tsy ahafahanareo na oviana na oviana mioty ny voa avy amin’ilay hazon’aina.

    “–Nefa raha mamahana ny teny ianareo, eny, mamahana ny hazo raha manomboka mitombo izy, amin’ny finoanareo miaraka amin’ny fahazotoana be sy miaraka amin’ny faharetana, sady miandrandra ny voany dia hiorim-paka izy; ary indro izy ho tonga hazo maniry hatrany amin’ny fiainana maharitra mandrakizay– [Almà 32:37–41; nampiana fanamafisana].

    “… Ny hazon’ny fiainana no fototra ijoroan’ny nofin’i Lehia— fanehoana ny –fitiavan’ Andriamanitra– [1 Nefia 11:21–22].

    “–Fa toy izao no nitiavan’ Andriamanitra izao tontolo izao: nomeny ny Zanani-lahy Tokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay– [Jaona 3:16].

    “Ny fahaterahana, ny fiainana, ary ny sorompanavotan’i Jesoa Kristy Tompo dia fanehoana lehibe indrindra ny fitiavan’ Andriamanitra ny zanany. Araka ny fijoroana ho vavolombelon’i Nefia, izany fitiavana izany dia –mahatsiriritra indrindra amin’ny zava-drehetra– sy –mampiravoravo indrindra ny fanahy– [1 Nefia 11:22–23; jereo koa ny 1 Nefia 8:12, 15]. Ny toko 11 ao amin’ny 1 Nefia dia maneho famaritana amin’ny antsipiriany ny hazon’ny fiainana ho tandindon’ny fiainan’ny Mpamonjy sy ny asa fanompoana nataony ary ny fahafoizan-tenany —ny –fiambanian’ Andriamanitra– [1 Nefia 11:16]. Ilay hazo dia azo heverina ho toy ny fanehoana an’i Jesoa Kristy.

    “Fomba iray hieritreretana mikasika ny voan’ny hazo ny tandindon’ireo fitahiana azo avy amin’ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy. Ny voany dia nofaritana ho toy ny –mampilendalenda ka mahasambatra ny olona– [1 Nefia 8:10] ary niteraka hafaliana lehibe sy faniriana hizara izany hafaliana izany amin’ny hafa.

    “Tsara homarihina fa ilay tena lohahevitra lehiben’ny Bokin’i Môrmôna, dia ny manasa ny olon-drehetra hanatona an’i Kristy [jereo ny Môrônia 10:32] no zava-dehibe indrindra ao amin’ny fahitan’i Lehia [jereo ny 1 Nefia 8:19]” (“The Power of His Word Which Is in Us” [lahateny nandritra ny seminera ho an’ny mpitarika misiôna vaovao, 27 jona 2017], 4–5).

  19. Jereo ny 2 Korintiana 3:3.

  20. 2 Korintiana 5:17.

  21. Mampianatra antsika ny fanoharan’i Almà fa ny faniriana hino dia ny mamboly voa ao am-pontsika, ny fikolokoloana ny voa amin’ny alalan’ny finoantsika no mampitsimoka ny hazon’aina, ary ny fikolokoloana ny hazo no mampamoa ny hazo izay “mamy manoatra noho ny rehetra izay mamy” (Almà 32:42) ary “lehibe indrindra amin’ny fanomezam-pahasoavana rehetra avy amin’ Andriamanitra” (1 Nefia 15:36).

  22. Almà 5:14.

  23. Mosesy 6:34; nampiana fanamafisana.

  24. Kolosiana 2:6.

  25. 1 Jaona 2:3–14; nampiana fanamafisana.

  26. Lioka 18:22.

  27. Mosesy 6:34.

  28. Jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 19:23.

  29. Almà 5:33–34; nampiana fanamafisana.

  30. Jereo ny Jaona 15:5.

Hamoaka printy