Fihaonamben’ny Fiangonana Maneran-tany
Mikatsaka fiadanana an’ny tena manokana
Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany aprily 2023


Mikatsaka fiadanana an’ny tena manokana

Mivavaka aho mba hahitanareo fiadanana sy hanampianareo olona maro hafa hahita izany ka hampita izany hatrany hatrany.

Ry rahalahiko sy anabaviko malala, tena voatahy isika noho ireo fampianarana tena tsara sy ny hira mahafinaritra izay nahakasika ny fontsika tamin’ity fivoriana fanokafana ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany ity. Isaoranay ianareo noho ny fandraisanareo anjara sy ny finoanareo.

Anio aho dia hiresaka ny zavatra nianarako momba ny fahagagana amin’ny fikatsahana fiadanana an’ny tena manokana, na inona na inona toe-javatra iainantsika. Fantatry ny Mpamonjy fa ny zanaky ny Ray any An-danitra rehetra dia maniry fiadanana, ary nilaza Izy fa afaka manome izany antsika. Tsaroanareo ve ny tenin’i Jesoa Kristy voarakitra ao amin’ny bokin’ny Jaona manao hoe: “Ny fiadanako no avelako ho anareo, ny fiadanako no omeko anareo; tsy tahaka ny fanomen’izao tontolo izao, no fanomeko anareo. Aza malahelo na matahotra ny fonareo.”1

Ny zavatra tiany holazaina amin’ny hoe fiadanana sy ny fomba hanomezany izany dia miseho amin’ny alalan’ireo toe-javatra iainan’ireo izay nandre Azy nilaza ireo teny ireo. Henoy anie ny tantara ao amin’ny Jaona momba ny fiafaran’ny fanompoan’i Kristy teto an-tany e! Nianjera teo Aminy ireo herin’ny ratsy izay mahery vaika ary tsy ho ela dia hianjera eo amin’ireo mpianany.

Toy izao ny tenin’ny Mpamonjy:

“Raha tia Ahy hianareo, dia hitandrina ny didiko.

“Ary Izaho hangataka amin’ny Ray, ary Izy hanome anareo mpananatra hafa mba ho eo aminareo mandrakizay;

“Dia ny Fanahin’ny fahamarinana, Izay tsy azon’izao tontolo izao horaisina, satria tsy hitany na fantany; fa hianareo no mahafantatra Azy, satria mitoetra eo aminareo Izy, ary ho ao anatinareo.

“Tsy hamela anareo ho kamboty Aho; hankatỳ aminareo Aho.

“Vetivety foana dia tsy hahita Ahy intsony izao tontolo izao; fa hianareo no hahita Ahy; satria velona Aho dia ho velona koa hianareo.

“Amin’izany andro izany dia ho fantatrareo fa Izaho ao amin’ny Raiko, ary hianareo ato amiko, ary Izaho ao aminareo.

“Izay manana ny didiko ka mitandrina izany, dia izy no tia Ahy; ary izay tia Ahy no ho tian’ny Raiko, ary Izaho ho tia azy ka hiseho aminy.

“Hoy Jodasy (tsy Iskariota) taminy: Tompoko, nahoana no aminay ihany no hisehoanao, fa tsy amin’izao tontolo izao koa?

“Jesoa namaly ka nanao taminy hoe: Raha misy tia Ahy, dia hitandrina ny teniko izy; ary ny Raiko ho tia azy, ary hankao aminy Izahay ka honina ao aminy.

“Izay tsy tia Ahy dia tsy mitandrina ny teniko; ary ny teny izay renareo dia tsy Ahy, fa an’ny Ray izay naniraka Ahy.

“Izany teny izany dia efa voalazako taminareo raha mbola mitoetra eto aminareo Aho.

“Fa ny mpananatra, dia ny Fanahy Masina, Izay hirahin’ny Ray amin’ny anarako. Izy no hampianatra anareo ny zavatra rehetra sy hampatsiaro anareo izay nolazaiko taminareo.

“Fiadanana no avelako ho anareo, ny fiadanako no omeko anareo; tsy tahaka ny fanomen’izao tontolo izao no fanomeko anareo. “Aza malahelo na matahotra ny fonareo.”2

Nianatra fahamarinana dimy aho farafahakeliny avy tamin’io fampianaran’ny Mpamonjy io.

Voalohany, omena ny fiadanana aorian’ny fananantsika ny finoana hitandremana ny didy. Ho an’ireo mpikamban’ny Fiangonan’ny Tompo mpitandrina fanekempihavanana dia ny fankatoavana no zavatra efa nampanantenaintsika fa hataontsika.

Faharoa, ho tonga ny Fanahy Masina ary hitoetra ao amintsika. Milaza ny Tompo fa rehefa mahatoky hatrany isika dia hitoetra ao amintsika ny Fanahy Masina. Izany no fampanantenana ao amin’ny vavaky ny fanasan’ny Tompo, dia ny hoe ho namantsika ny Fanahy Masina ary ho tsapantsika ao am-pontsika sy ao an-tsaintsika ny fampiononany.

Fahatelo, mampanantena ny Mpamonjy fa rehefa mitandrina ny fanekempihavanantsika isika dia afaka mahatsapa ny fifankatiavan’ny Ray sy ny Zanaka sy ny fitiavan’Izy Ireo antsika. Afaka mahatsapa isika fa akaiky Azy Ireo eo amin’ny fiainantsika eto an-tany, tahaka izay ho tsapantsika rehefa voatahy ny hiaraka amin’Izy Ireo mandrakizay isika.

Fahaefatra, ny fitandremana ny didin’ny Tompo dia mitaky zavatra bebe kokoa noho ny fankatoavana. Tokony hitia an’ Andriamanitra amin’ny fontsika rehetra, ny herintsika rehetra, ny saintsika rehetra ary ny fanahintsika rehetra isika.3

Ireo izay tsy tia Azy dia tsy mitandrina ny didiny. Ary noho izany dia tsy hahazo ilay fanomezana fiadanana izy ireo eto amin’ity fiainana ity sy any amin’ny fiainan-ko avy.

Fahadimy, mazava fa tia antsika tokoa ny Tompo matoa nanefa ny saran’ny fahotantsika mba hahafahantsika, amin’ny alalan’ny finoana Azy sy ny fibebahantsika, amin’ny alalan’ny vokatry ny Sorompanavotany, mahazo ny fanomezana ny fiadanana “izay mihoatra noho ny fahalalana rehetra”4 eto amin’ity fiainana ity sy miaraka Aminy mandrakizay.

Ny sasany aminareo, ary mety maro mihitsy aza, dia tsy mahatsapa ilay fiadanana nampanantenain’ny Tompo. Mety efa nivavaka ianao mba hahazo fiadanana an’ny tena manokana sy fampiononana ara-panahy. Kanefa mety mahatsapa ianao fa tsy mamaly ny fitalahoanao mba hahazo fiadanana ny lanitra.

Misy fahavalon’ny fanahinao anankiray izay tsy maniry ny hahazoanao sy ny olona tianao fiadanana. Tsy afaka ny hanana izany izy. Ataony izay hanakanana anao na dia ny haniry hikatsaka fotsiny ilay fiadanana tian’ny Mpamonjy sy ny Raintsika any An-danitra hanananao aza.

Toa tsy mitsaha-mitombo ny ezaka ataon’i Satana hamafazana fankahalana sy fifandirana manodidina antsika. Hitantsika porofo ny fitrangan’izany eo anivon’ireo firenena sy tanàna, eo amin’ireo mpifanolobodirindrina, ao amin’ireo serasera amin’ny endrika elektrônika, ary manerana izao tontolo izao.

Saingy misy antony tokony hananana fanantenana: dia ny hoe ny zaza vao teraka tsirairay dia nomena ny Fahazavan’i Kristy. Miaraka amin’izany fanomezana ho an’ny rehetra izany ny fahafahana mahatsapa ny atao hoe mety, ny faniriana hitia sy ho tiavina. Misy fahafahana voajanahary mahatsapa ny rariny sy ny hitsiny ao amin’ny zanak’ Andriamanitra tsirairay na lahy na vavy raha vao tonga eto amin’ny fiainana an-tany.

Ny fanantenantsika ny hananan’ireo zaza ireo fiadanana an’ny tena manokana dia miankina amin’ireo olona izay mikarakara azy ireo. Raha efa niezaka ny hahazo ny fiadanana avy amin’ny Mpamonjy ireo izay mitaiza azy ireo sy manompo azy ireo, dia hamporisika ny finoan’ilay zaza izy ireo, amin’ny alalan’ny ohatra sy ny ezaka ataon’izy ireo manokana, mba ho mendrika ilay fanomezana fiadanana izay avy any an-danitra.

Izany no ampanantenain’ny soratra masina manao hoe: “Zaro amin’izay làlana tokony halehany ny zaza, ka na rehefa antitra aza izy, dia tsy hiala amin’izany.”5 Izany dia hitaky amin’ilay olona miandraikitra ny fikarakarana sy ny fikolokoloana ilay zaza mba ho mendrika an’ilay fanomezana fiadanana.

Mampalahelo anefa fa isika rehetra dia efa nahatsapa ny hararin’izany hoe zanaka notezain’ny ray aman-dreny entanim-panahy, indraindray ray na reny tokan-tena, no misafidy lalana mitondra any amin’ny fahoriana, nefa efa avy niaina fiainana feno finoana sy fiadanana.

Na dia mitranga aza izany zavatra mampalahelo izany dia mbola manana fanantenana aho noho ny fanomezana iray hafa avy amin’ny Tompo. Izao izany: manolotra mpampihavana maro Izy eo anivon’ireo mpianany atokisany. Nahatsapa ny fiadanana sy ny fitiavan’ Andriamanitra izy ireo. Manana ny Fanahy Masina izy ireo ao am-pony, ary afaka mitarika azy ireo ny Tompo hanolo-tanana ireo ondry nania.

Efa nahita izany aho nandritra ny androm-piainako sy manerana izao tontolo izao. Efa nahita izany koa ianareo. Indraindray rehefa voatarika hamonjy isika dia toy ny zavatra niseho tsy nahy izany.

Indray mandeha aho nanontany olona hitako teny an-dalana fotsiny hoe: “Azonao lazaina amiko ve ny momba ny fianakavianao?” Ilay resaka nifanaovanay dia nitarika ahy hangataka ny hijery ny sarin’ny zanany vavy efa lehibe izay nolazainy fa manana olana. Nanaitra ahy ny hatsarana teny amin’ny tarehin’ilay tovovavy tao amin’ilay sary. Nahatsapa ho voataona hangataka ny adiresy email izay azy manokana aho. Nivily lalana io zanany vavy io tamin’izay fotoana izay ary nanontany tena raha toa ka nanana hafatra ho azy Andriamanitra. Nanana tokoa Izy. Toy izao izany: “Tia anao ny Tompo. Efa tiany ianao hatrizay. Tian’ny Tompo hiverina ianao. Mbola ao ireo fitahiana nampanantenaina anao.”

Mpikambana maro manerana ny Fiangonana no efa nahatsapa ny fanomezana ny fiadanana an’ny tena manokana avy amin’ny Tompo. Mamporisika ny tsirairay Izy mba hanampy ny hafa hanana fahafahana hanatona Azy sy ho mendrika izany fiadanana izany ho an’ny tenan’izy ireo. Izy ireo indray avy eo no hisafidy ny hikatsaka fitaomam-panahy hahafantarana ny fomba ahafahan’izy ireo mampita izany fanomezana izany mankany amin’ny hafa.

Ny taranaka vao misondrotra no ho lasa mpikolokolo ny taranaka mandimby. Hitombo amin’ny fomba mahagaga izany ezaka izany. Hiparitaka sy hitombo izany rehefa mandeha ny fotoana, ka ho vonona hitsena Azy sy hiarahaba Azy amim-pihobiana ny Hosana ny fanjakan’ny Tompo eto an-tany. Hisy fiadanana eto an-tany.

Mijoro ho vavolombelona tsy am-pisalasalana aho fa velona ny Mpamonjy ary mitarika ity Fiangonana ity Izy. Efa nahatsapa ny fitiavany teo amin’ny fiainako aho ary efa nahatsapa ny fitiavany sy ny fiahiany an’ireo zanaky ny Ray any An-danitra. Fanolorana fiadanana ilay fanasan’ny Mpamonjy hanatona Azy.

Ny Filoha Russell M. Nelson no mpaminany velon’ Andriamanitra manerana ny tany manontolo. Nilaza izy hoe: “Manome toky anareo aho fa na manao ahoana na manao ahoana toe-java-misy eo amin’izao tontolo izao sy ny toe-javatra iainanao manokana dia afaka miatrika ny hoavy amim-panantenana sy fifaliana ianao.”6

Maneho ny fitiavako anareo aho. Mipaka amin’ny olona ny finoana sy ny fitiavana lehibe ananareo ary mamela ny Tompo hanova fo ka hanana faniriana hanome ny hafa ilay fiadanana izay mihoatra noho ny fahalalana rehetra.

Mivavaka aho mba hahitanareo fiadanana sy hanampianareo olona maro hafa hahita izany ka hampita izany hatrany hatrany. Hisy arivo taona mahatalanjona hanjakan’ny fiadanana rehefa tonga indray ny Tompo. Mijoro ho vavolombelona ny amin’izany aho amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.

Hamoaka printy