Feon’ny fifaliana!
Anisan’ny laharam-pahamehana indrindra an’ireo mpaminany rehetra nanomboka tamin’ny Mpaminany Joseph Smith ny fanorenana tempoly.
“Ankehitriny, inona no rentsika ao amin’ny filazantsara izay efa noraisintsika? Feon’ny fifaliana! Feon’ny famindram-po avy any an-danitra; ary feon’ny fahamarinana avy ao amin’ny tany; vaovao mahafaly ho an’ny maty; ny feon’ny fifaliana ho an’ny velona sy ny maty; vaovao mahafaly sy fifaliana lehibe.”1
Ry rahalahy sy anabavy, tena tsy hay ny tsy hitsiky rehefa maheno ireo teny avy amin’ny Mpaminany Joseph Smith ireo!
Ny firavoravoana sesehena nasehon’i Joseph dia tena ahitana taratra ny fifaliana feno sy be voninahitra misy ao amin’ilay drafitra lehiben’ny fahasambarana an’ny Raintsika any An-danitra, fa omeny antoka isika fa “misy ny olona mba hahazo fifaliana.”2
Nihoby isika rehetra3 tany amin’ny fiainana talohan’ny nahaterahana rehefa naheno ny drafitry ny fahasambarana an’ Andriamanitra, ary mbola mihoby hatrany isika eto eo am-piainantsika arak’ilay drafiny. Fa inona tokoa moa izany no toe-javatra nanodidina io fanambarana heni-pifaliana avy amin’ny Mpaminany io? Inona no niteraka ireo fihetseham-po lalina sy mahery vaika ireo?
Teo am-pampianarana momba ny batisa ho an’ny maty ny Mpaminany Joseph. Fanambarana feno voninahitra izay noraisina tamim-pifaliana lehibe izany. Rehefa nahare vao voalohany ny mpikamban’ny Fiangonana fa azo atao batisa ho an’ireo olona akaikin’ny fony izay efa nodimandry izy ireo, dia nifaly. Hoy i Wilford Woodruff hoe: “Vao naheno an’izany aho dia feno fifaliana izaitsizy tokoa ny fanahiko!”4
Tsy ny batisa ho an’ireo olona lalaintsika izay efa nodimandry ihany no fahamarinana nambaran’ny Tompo sy naveriny tamin’ny laoniny. Maro tsy voatanisa ireo fanomezam-pahasoavana sy fanomezan-kery nirian’ Andriamanitra mafy mba harotsaka amin’ireo zanakalahy sy zanakavaviny.
Tafiditra ao anatin’izany fanomezam-pahasoavana hafa izany ny fahefam-pisoronana, ireo ôrdônansy sy fanekempihavanana, ny fanambadiana izay afaka maharitra mandrakizay, ny famehezana ny zanaka amin’ny ray aman-dreniny ao anatin’ny fianakavian’ Andriamanitra, ary any amin’ny farany any, ilay fitahiana dia ny hoe tafaverina eo anatrehan’ Andriamanitra Raintsika any An-danitra sy i Jesoa Kristy Zanany. Amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy no ahafahan’ireo fitahiana rehetra ireo ho tanteraka.
Koa satria heverin’ Andriamanitra ho anisan’ireo fitahiana avo sy masina indrindra avy Aminy ireo,5 dia nanome toromarika Izy ny hananganana trano masina izay hanomezany ireo fanomezam-pahasoavana sarobidy ireo amin’ireo zanany.6 Ireo trano ireo no tranony ety an-tany. Izany trano izany dia ny tempoly ka izay nofehezina na nofatorana eto an-tany amin’ny anarany sy teniny ary amin’ny alalan’ny fahefany dia voafatotra any an-danitra koa.7
Amin’ny maha-mpikamban’ny Fiangonana ankehitriny antsika, dia mety ho mora ho an’ny sasany amintsika ny mirona amin’ny tsy fahatsapana firy ny lanjan’ireo fahamarinana mandrakizay feno voninahitra ireo. Lasa zavatra efa tsy zoviana amintsika izy ireo. Indraindray dia manampy ny fijerena azy ireo toy ny fijerin’ny olona izay vao sambany no mianatra momba azy ireo. Tena lasa niharihary tamiko izany tamin’ny alalan’ny zavatra niainako vao tsy ela izay.
Tamin’ny taon-dasa, taloha kelin’ny namerenana ny fanokanana ny tempolin’i Tokyo, Japon, dia nisy vahiny maro izay tsy miray finoana amintsika nitsidika io tempoly io. Tao anatin’izany fitsidihana izany ny mpitondra fivavahana mpandinika iray izay avy amin’ny finoana hafa. Nampianarinay ireo mpitsidika ny drafitry ny fahasambarana an’ny Ray any An-danitra, ny anjara asan’i Jesoa Kristy amin’ny maha Mpanavotra Azy ao amin’izany drafitra izany, ary ny fotopampianarana fa ny fianakaviana dia afaka ny ho ampiraisina mandrakizay amin’ny alalan’ny ôrdônansin’ny famehezana.
Rehefa nifarana ilay fitsidihana dia nanasa ireo namantsika mba hizara ny zavatra tsapan’izy ireo izahay. Raha ny mahakasika ny fampiraisana ny fianakaviana—na ny lasa, ankehitriny, na hoavy izany—dia nanontany tamin-kitsimpo ity lehilahy tena tsotra ity hoe: “Tena takatr’ireo mpikambana ao amin’ny finoanareo marina ve ny halalin’izany fotopampianarana izany?” Dia nampiany hoe: “Mety ho izany ihany raha ny marina no hany fampianarana afaka mampiray ity tontolo izay tena misara-bazana ity.”
Tena mahery vaika tokoa izany fanamarihany izany. Tsy ny hatsaran’ny tempoly teo amin’ny lafiny haitaozavatra ihany no nanaitra ity lehilahy ity fa ilay fotopampianarana mahatalanjona sy lalina ihany koa, dia ny hoe afaka ho ampiraisina sy ho voafatotra amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy mandrakizay ny fianakaviana.8
Tsy tokony ho gaga izany isika, rehefa na dia ny olona tsy miray fivavahana amintsika ary no manaiky ny halehibe sy ny fahamasinan’ny zavatra mitranga ao amin’ny tempoly. Ny zavatra izay mety ho lasa mahazatra na tsy manaitra firy antsika dia indraindray hitan’ireo izay vao sambany ny mahare na mahatsapa izany amin’ny tena hatsarany sy fahamasinany.
Hatramin’ny fiantombohan’ny Famerenana amin’ny laoniny ny filazantsaran’i Jesoa Kristy dia lasa anisan’ny laharam-pahamehana indrindra an’ireo mpaminany rehetra nanomboka tamin’ny Mpaminany Joseph Smith ny fanorenana tempoly, na dia efa nisy aza ny tempoly hatramin’ny fahagolan-tany. Ary tsy mahagaga ny antony.
Rehefa nampianatra momba ny batisa ho an’ny maty ny Mpaminany Joseph dia nanambara fahamarinana lehibe anankiray hafa izy. Nampianatra izy hoe: “Aoka omeko toky ianareo fa ireo dia fitsipika momba ny maty sy ny velona izay tsy azo hamaivanina, satria mikasika ny famonjena antsika. Fa ny famonjena azy ireo dia ilaina sady zava-dehibe ho an’ny famonjena antsika, … fa tsy hatao tanteraka izy ireo raha tsy eo isika—isika koa dia tsy hatao tanteraka raha tsy eo ny maty eo amintsika.”9
Araka ny hitantsika dia lasa tena mazava tokoa ny filàna tempoly sy ny asa atao ho an’ny velona sy ny maty any.
Mahatsikaritra ny fahavalo. Rahonan’ny ôrdônansy sy fanekempihavanana atao ao amin’ireo tempoly ny heriny, ary ataony izay rehetra vitany mba hanandramana ny fanakanana ny asa. Nahoana? Satria fantany ny hery izay tonga avy amin’io asa masina io. Rehefa voatokana ny tempoly tsirairay vaovao dia manenika izao tontolo izao ny hery manavotr’i Jesoa Kristy mba hanohitra ny ezaky ny fahavalo ary hanavotra antsika raha manatona Azy isika. Rehefa mitombo an’isa ireo tempoly sy ireo mpitandrina fanekempihavanana dia mihena ny herin’ilay fahavalo.
Tany am-piandohan’ny Fiangonana dia nisy ireo izay nanahy rehefa ambara ny tempoly vaovao iray, ka hoy izy ireo hoe, “Vao hoe hanangana tempoly isika dia tsy maintsy mandrahona miala any ny herin’ny maizina.” Fa hoy kosa no namalian’i Brigham Young azy ireo tamim-pahasahiana hoe: “Tsy maninona mihitsy izany fa vao mainka hanampy tempoly isika.”10
Eto amin’ity fiainana ity isika dia tsy afaka hisoroka na oviana na oviana ny ady, saingy afaka manana ny hery handresena ny fahavalo isika. Ilay hery sy tanjaka avy amin’i Jesoa Kristy rehefa manao sy mitandrina fanekempihavanan’ny tempoly isika.
Nampianatra ny Filoha Russell M. Nelson hoe: “Ho avy ny fotoana izay hampisarahana ireo izay tsy mankatò ny Tompo amin’ireo izay mankatò Azy. Ny antoka tsara indrindra ananantsika dia ny manohy ho mendrika ny ho tafiditra ao amin’ny tranony masina.”11
Ireto dia fitahiana sasantsasany nampanantenain’ Andriamanitra antsika tamin’ny alalan’ny mpaminaniny:
Mila fahagagana ve ianao? Hoy ny mpaminanintsika hoe: “Mampanantena anareo aho fa hitondra ireo fahagagana izay fantany fa ilainareo ny Tompo rehefa manolo-tena hanompo sy hitsaoka Azy any amin’ny tempoliny ianareo.”12
Moa ve ianao mila ny hery manasitrana sy mampatanjak’i Jesoa Kristy Mpamonjy? Nanome toky antsika ny Filoha Nelson fa “ny zavatra rehetra ianarana any amin’ny tempoly … dia mampitombo ny fahatakarantsika momba an’i Jesoa Kristy. … Avy eo, rehefa mitandrina ireo fanekempihavanantsika isika dia hotafiany amin’ny heriny manasitrana sy mampatanjaka. Ary endrey fa ho ilaintsika ny heriny amin’ireo andro ho avy.”13
Tamin’ny Alahadin’ny Sampan-kazo voalohany, raha niditra tamim-boninahitra tao Jerosalema i Jesoa Kristy, dia niravoravo sy nidera an’ Andriamanitra ny mpanara-dia Azy maro, ka nilaza tamin’ny feo mafy hoe, “Isaorana anie ny Mpanjaka, Izay avy amin’ny anaran’[ny Tompo].”14
Tena nety tsara fa tamin’ny Alahadin’ny Sampan-drofia tamin’ny 1836 no nanokanana ny tempolin’i Kirtland. Tamin’io dia nifaly ihany koa ireo mpanara-dia an’i Jesoa Kristy. Nilaza ireto teny mifono fiderana ireto ny Mpaminany Joseph Smith nandritry ny vavaka fanokanana iray, nanao hoe:
“Tompo Andriamanitra Tsitoha ô, henoy izahay … ary valio avy any an-danitra, … izay itoeranao amin’ny seza fiandriananao miaraka amin’ny voninahitra, ny laza, ny hery, ny fahamboniana, [ary] ny tanjaka. …
“… Ampio amin’ny herin’ny Fanahinao izahay hahazoanay mampifangaro ny feonay amin’ny an’ireo serafima mamirapiratra sy manjelanjelatra manodidina ny seza fiandriananao miaraka amin’ny hobim-piderana ka mihira hoe: Hôsanà ho an’ Andriamanitra sy ny Zanakondry!
“Ary aoka ireo … olomasinao hihiaka mafy ho fifaliana.”15
Ry rahalahy sy anabavy, anio amin’izao Alahadin’ny Sampan-kazo izao dia ndeha isika, amin’ny maha mpianatr’i Jesoa Kristy antsika, hidera ilay Andriamanitsika Masina sy hiravoravo ny amin’ny fahatsarany ho antsika. “Inona no rentsika ao amin’ny filazantsara izay efa noraisintsika? Tena “feon’ny fifaliana” marina tokoa!16
Mijoro ho vavolombelona aho fa hahatsapa izany fifaliana izany bebe kokoa hatrany ianao rehefa miditra ny trano masin’ny Tompo. Mijoro ho vavolombelona aho fa hahatsa ny fifaliana tsapany ho anao ianao, amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.