Ilay fijinjana tsy tonga lafatra
Vonona hatrany handray ireo fanatitra kely atolotsika ary hanao izany mba ho tanteraka amin’ny alalan’ny fahasoavany ny Mpamonjy. Tsy misy fijinjana tsy lavorary izany rehefa miaraka amin’i Kristy.
Fony aho mbola zazalahy kely dia nianatra nitia ireo fiovana goavana eo amin’ireo fizaran-taona ao atsimo andrefan’i Montana, izay toerana nahalehibe ahy. Ny fararano no fizaran-taona tiako indrindra, izay fotoam-pijinjana. Nanantena sy nivavaka ny fianakaviako mba ho vokatra be no ho setrin’ny asa mafy nataonay nandritra ny volana maro. Niahiahy momba ny toetrandro, ny fahasalaman’ireo biby fiompy sy voly, ary zavatra maro hafa izay tsy voafehin’izy ireo ny ray aman-dreniko.
Rehefa nihalehibe aho dia nahatakatra bebe kokoa ny maha zava-dehibe izany. Niankina tamin’ilay fijinjana ny fivelomanay. Nampianatra ahy momba ny fitaovana nampiasainay hijinjana varimbazaha ny raiko. Nijery azy aho raha izy nitondra ilay milina fijinjana eny an-tanimboly iny, nanapaka sy nifehy salohim-bary ary nijery aorian’ilay milina mba hakany antoka fa nilatsaka ao amin’ilay vata fitoeram-bary avokoa ny varimbazaha rehetra azo noraofina ary tsy nisy very niaraka tamin’ny akofa. Naveriny im-betsaka io asa io sady nanitsy ilay milina fijinjana izy. Nihazakazaka teo anilany aho sy nanilika ny akofa niaraka taminy ary nanao toy ny hoe fantatro ery izay nataoko.
Rehefa afa-po izy tamin’ireo fanitsiana ilay milina fijinjana dia nahita voam-bary vitsivitsy aho tamin’ny tany tao anatin’ny akofa ary nasehoko azy tamin’ny fijery feno fitsikerana izany. Tsy hohadinoiko na oviana na oviana ny zavatra nolazain-draiko tamiko: “Ampy izay ary efa ny tsara indrindra azon’ity milina fijinjana ity atao.” Tao anatin’ny tsy fahafaham-po mikasika ilay fanazavany no nisaintsainako ny tsy fahalavorarian’ilay fijinjana.
Fotoana fohy taorian’izay, rehefa niova ho nangatsiaka ny toetrandro amin’ny hariva, dia nijery ireo cygnes sy gisa ary gana an’arivony mifindra monina aho midina eo amin’ny tanimboly mba hivoky eo amin’ny dian’izy ireo lavitra mianatsimo. Nihinana tamin’ilay varimbazaha sisa tavela avy amin’ilay fijinjanay tsy lavorary izy ireo. Nataon’ Andriamanitra lasa lavorary izany. Ary tsy nisy very na voam-bary iray aza.
Fakam-panahy matetika eto amin’ity tontolontsika ity, eny hatrao amin’ny kolontsain’ny Fiangonana aza, ny fifantohana be loatra amin’ny fahatanterahana. Ny tambajotran-tserasera, ny fanantenana tsy mitombina, ary matetika ny fitsikerantsika ny tenantsika ihany dia mamorona fahatsapana tsy fahampiana, hoe tsy ampy ny vitantsika ary tsy ho ampy mandrakizay. Ny sasany dia diso hevitra mikasika ilay fanasan’ny Mpamonjy ny mba “ho tanteraka ianareo.”1
Tsarovy fa ny fikatsahana ho tonga lafatra dia tsy mitovy amin’ny hoe hatao tanteraka ao amin’i Kristy.2 Ny fikatsahana ho tonga lafatra dia mitaky fenitra tsy afaka takarina sy napetraky ny tena manokana izay mampitaha antsika amin’ny hafa. Miteraka fahatsapana ho meloka, sy fiasan-tsaina, ary mety hitarika antsika hiala sy hitokana izany.
Ny hoe hatao tanteraka ao amin’i Kristy dia hevitra hafa. Izy io dia dingana, arahin’ny fitarihana feno fitiavan’ny Fanahy Masina, mba ho lasa tahaka ny Mpamonjy kokoa. Ireo fenitra dia apetraky ny Ray any An-danitra tsara fanahy sy feno fahalalana ary voafaritra mazava tsara amin’ireo fanekempihavanana izay hanasana antsika mba hataontsika. Manamaivana antsika amin’ilay ziogan’ny fahatsapana ho meloka sy tsy ampy fahatsarana izany, ary manantitrantitra mandrakariva ny maha isika antsika eo imason’ Andriamanitra. Na dia manainga antsika sy manosika antsika ho lasa tsara kokoa aza io dingana io dia ny fanolorantsika tena manokana ho an’ Andriamanitra izay hasehontsika amin’ireo ezaka ataontsika mba hanaraka Azy amim-pinoana no hamarana antsika. Rehefa manaiky ilay fanasan’ny Mpamonjy mba hanatona Azy isika dia hahita vetivety ihany fa ireo tsara indrindra avy amintsika dia ampy, fa ny fahasoavan’ilay Mpamonjy be fitiavana dia hameno ny banga amin’ny fomba tsy haintsika takarina.
Hitantsika nihatra io fitsipika io rehefa nanome sakafo ireo olona dimy arivo ny Mpamonjy.
“Ary Jeso[a] nanopy ny masony ka nahita fa nisy vahoaka betsaka nanatona Azy, dia hoy Izy tamin’i Filipo: Aiza no hividianantsika mofo hohanin’ireo? …
“Filipo namaly Azy hoe: Na dia mofo vidina denaria roan-jato aza tsy ampy azy rehetra hananany kely avy.
“Ny mpianany anankiray, dia Andrea, rahalahin’i Simona Petera, nilaza taminy hoe:
“Misy zazalahy atỳ manana mofo vary hordea dimy sy hazandrano madinika roa, fa ho ampy inona moa izany amin’izao olona betsaka izao?”3
Moa ve ianareo efa nanontany tena hatrizay hoe ahoana no tsy maintsy ho tsapan’ny Mpamonjy momba ity zazalahy kely ity, izay nanolotra tamin’ny finoan’ankizy zavatra izay tsy maintsy ho fantany fa tena tsy ampy be mihitsy manoloana ilay andraikitra?
“Dia nandray ny mofo Jeso[a]; ary rehefa nisaotra, dia nizara izany tamin’izay nipetraka hihinana Izy; ary ny hazandrano koa araka izay nilainy.
“Rehefa voky ny olona dia hoy Jeso[a] tamin’ny mpianany: Angony ny sisa tsy lany mba tsy hisy ho very.”4
Nataon’ny Mpamonjy tanteraka ilay fanatitra kely.
Fotoana fohy taorian’io zava-nitranga io dia nirahan’i Jesoa hialoha lalana Azy ho eny ambony sambokely ireo mpianany. Tsy ela akory dia tratran’ny ranomasina misamboaravoara izy ireo nandritra ny alina. Raiki-tahotra izy ireo rehefa nahita endrika matoatoa nanatona azy ireo ary nandeha ambonin’ny rano.
“Ary Jeso[a] niteny taminy niaraka tamin’izay hoe: Matokia, fa Izaho ihany, aza matahotra.
“Ary Petera namaly Azy ka nanao hoe: Tompoko, raha Hianao ihany, dia asaovy manatona Anao eny ambonin’ny rano aho.
“Ary hoy Izy: Manatòna. Dia nidina niala tamin’ny sambokely Petera ka nandeha tambonin’ny rano hanatona an’i Jeso[a].
“Fa raha nahita ny rivotra izy, dia natahotra, ary raha vao nilentika izy, dia niantso hoe: Tompo ô, vonjeo aho!
“Ary naninjitra ny tanany niaraka tamin’izay Jeso[a], dia nandray azy ka nanao taminy hoe: Ry kely finoana, nahoana no niahanahana ianao?”5
Ry rahalahy sy ranabavy, mety tsy izay no niafaran’ilay resaka. Mino aho fa raha mbola teo am-piverenana ho eny amin’ilay sambokely i Petera sy ny Mpamonjy sady nifanome tanana, i Petera izay lena sady mety nahatsapa tena ho adala, dia mety ho nilaza zavatra toy izao ny Mpamonjy: “Ry Petera, aza matahotra ary aza miahiahy. Raha afaka mahita ny tenanao tahaka ny fahitako anao ianao dia hilefy ny tahotrao ary hitombo ny finoanao. Tiako ianao, ry Petera malala; nivoaka ilay sambokely ianao. Azo ekena ny fanatitrao, ary na dia miahanahana aza ianao dia ho eo foana Aho hisintona anao avy ao amin’ny lalina ary hatao tanteraka ilay fanatitrao”.
Nampianatra ny Loholona Dieter F. Uchtdorf hoe:
“Mino aho fa tian’i Jesoa Kristy Mpamonjy ho hitanao sy ho tsapanao ary ho fantatrao fa Izy no herinao. Fa noho ny fanampiany dia tsy misy fetra ny zavatra azonao atao. Tsy misy fetra ny fahafaha-manao ao aminao. Tiany hahita ny tenanao amin’ny fomba fahitany anao ianao. Ary izany dia tena hafa noho ny fomba fijerin’izao tontolo izao anao. …
“Mampahatanjaka ny reraka Izy, ary izay kely hery dia omeny hery be.”6
Mila tsaroantsika fa na inona na inona fanatitra tsara indrindra avy amintsika nefa tsy lavorary atolotsika dia afaka ataon’ny Mpamonjy tanteraka izany. Na dia toa tsinontsinona toy inona aza ny ezaka ataontsika dia tsy tokony hohamaivanintsika mihitsy ny herin’ny Mpamonjy. Ny teny tsotra maneho hatsaram-panahy, ny fanompoana ao anaty fotoana fohy nefa natao amin-kitsimpo, na ny lesona iray ao amin’ny Kilonga nampianarina amim-pitiavana dia afaka manome fampiononana sy manalefaka ny fo ary manova ny fiainana mandrakizay miaraka amin’ny fanampian’ny Mpamonjy. Ireo ezaka votsavotsa ataontsika dia mety hitarika amin’ny fahagagana, ary eo amin’izany dingana izany isika dia afaka mandray anjara amin’ilay fijinjana lavorary.
Matetika isika no apetraka amin’ny toe-javatra izay itakiana ny faravitantsika. Mety mahatsapa ho tsy mahavita ilay andraikitra isika. Mety mijery ireo izay miaraka manompo amintsika isika ary mahatsapa fa tsy hahavita ny tokony ho izy mihitsy. Ry rahalahy sy ranabavy, raha mahatsapa toy izany ianareo dia jereo ireo lehilahy sy vehivavy mahatalanjona mipetraka ao aorianako izay iarahako manompo ireo.
Tsapako ilay fanaintainanareo.
Nianatra anefa aho fa, tahaka ny tsy itovian’ny fikatsahana ho tonga lafatra amin’ny hoe hatao tanteraka ao amin’i Kristy, no tsy itovian’ny fampitahana tena amin’ny fanarahana ohatra. Roa ihany no vokatra hoentin’ny fampitahana ny tenantsika amin’ny hafa. Na isika mihevitra ny tenantsika ho tsara kokoa noho ny hafa ka lasa mitsaratsara sy mitsikera azy ireo, na isika mihevitra ny tenantsika ho ratsy kokoa noho ny hafa ka lasa miasa saina, mitsikera tena, ary kivy. Ny fampitahana ny tenantsika amin’ny hafa dia mahalana no mampivoatra, ary tsy mampahery, ary indraindray ary dia tena mampiady saina mihitsy. Raha ny marina dia mety manimba ara-panahy ireny fampitahana ireny ka manakana antsika tsy handray ilay fanampiana ara-panahy ilaintsika. Etsy ankilany kosa ny fanarahana ny ohatr’ireo izay hajaintsika sy maneho ireo toetra tahaka an’i Kristy dia afaka mampianatra zavatra antsika, sy mampahery antsika, ary afaka manampy antsika mba ho lasa mpanaradia an’i Jesoa Kristy tsara kokoa.
Ny Mpamonjy dia fakan-tahaka ho antsika amin’ny ohatra izay nanarahany ny Ray. Nanoro lalana an’i Filipo izy hoe: “Izay ela izay no efa nitoerako teto aminareo, ka tsy mbola fantatrao ihany va Aho, ry Filipo? Izay nahita Ahy dia nahita ny Ray; koa ahoana no anaovanareo hoe: Asehoy anay ny Ray?”7
Ary nampianatra Izy avy eo hoe: “Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Izay mino Ahy, ny asa ataoko no hataony koa.”8
Na dia eo aza ny fiheverana ny maha tsinontsinona ny ezaka ataontsika, rehefa mahitsy fo isika dia hampiasain’ny Tompo isika mba hanatanteraka ny asany. Raha manao ny tsara indrindra avy amintsika fotsiny isika ary matoky Azy mba hameno ny banga dia afaka ny ho mpandray anjara amin’ireo fahagagana izay mitranga manodidina antsika isika.
Hoy ny Loholona Dale G. Renlund: “Tsy voatery ho tonga lafatra ianao fa mila anao izahay satria izay rehetra vonona dia afaka manao zavatra avokoa.”9
Ary araka ny ampianarin’ny Filoha Russell M. Nelson antsika hoe: “Tian’ny Tompo ny fanaovana ezaka.”10
Vonona hatrany handray ireo fanatitra kely atolotsika ary hanao izany mba ho tanteraka amin’ny alalan’ny fahasoavany ny Mpamonjy. Tsy misy fijinjana tsy lavorary izany rehefa miaraka amin’i Kristy. Mila manana ny herim-po isika mba hino fa ny fahasoavany dia ho antsika, fa hanampy antsika Izy, hamonjy antsika avy ao amin’ny lalina rehefa mihozongozona ary hanao ho tanteraka ireo ezaka lavitry ny fahatanterahana izay ataontsika.
Manoritsoritra ireo voa izay nafafy teny amin’ny tany tsara ny Mpamonjy ao amin’ilay fanoharana momba ilay mpamafy voa. Namoa avy zato heny ny sasany, ny sasany avy enim-polo heny, ary ny sasany avy telo-polo heny. Ampahany amin’ny fijinjany lavorary avokoa izy rehetra.11
Nanasa ny rehetra i Môrônia hoe: “Eny, manatòna an’i Kristy, ary aoka hatao tanteraka ao Aminy, … ary raha mandà ny toetra tsy araka an’ Andriamanitra rehetra ny tenanareo, ary tia an’ Andriamanitra amin’ny herinareo, ny sainareo ary ny tanjakareo rehetra ianareo, amin’izany dia ampy ho anareo ny fahasoavany, fa amin’ny fahasoavany no hahatonga anareo ho tanteraka ao amin’i Kristy.”12
Ry rahalahy sy ranabavy, mijoro ho vavolombelona momba an’i Kristy izay manana ilay hery hanao ho tanteraka hatramin’ny fanatitra kely indrindra atolotsika aho. Ndeha isika hanao izay tsara indrindra avy amintsika, hitondra izay afaka hoentintsika ary hanolotra ny fanatitra tsy lavorary eo an-tongony amim-pinoana. Amin’ny anarany, Ilay Tompon’ny fijinjana lavorary, dia i Jesoa Kristy, amena.