Hafatra avy amin’ny Fiadidiana Voalohany
Mahazo Tanjaka amin’ny alalan’ny Fankatoavana
Ankehitriny eto amin’izao tontolo izao dia mifantoka amin’ny tanora ny zava-drehetra. Ny olon-drehetra dia te-hanana endrika sy fahatsapana ho toy ny tanora ary te-ho tanora. Ary tena vola tsy toko tsy forohana no laniana isan-taona amin’ny kazaran-javatra ampiasaina izay antenain’ny olona fa hamerina indray izany endrika tanora izany. Mety hanontany tena isika hoe: “Moa ve zava-baovao amin’izao fotoan’androntsika izao, sy amin’izao taranantsika izao izany faniriana te-ho tanora izany?” Mamadika pejy vitsivitsy eo amin’ny tantara fotsiny isika dia hahita ny valin’izany ho an’ny tenantsika.
Taonjato maro lasa nandritra ny fotoana lehibe famantarana tany vaovao dia nisy ny fandefasana sambo nahitana fitaovana maro sy tantsambo matoky tena sy tia dia kisendrasendra namakivaky ranomasina tsy voafaritra mba hikaroka ara-bakiteny izany loharanon’ny fahatanorana izany. Ny lovan-tsofina tamin’izany andro izany dia nampanantena fa any ho any, “any an-tany lavitra any” dia misy loharano mahagaga ahitana rano faran’izay madio, ary ny zavatra iray ataon’ny olon-drehetra mba hahazoana indray ny afon’ny fahatanorana sy hihazonana izany tanjaka izany dia ny misotro avy amin’izany rano mikoriana ao amin’ny loharano izany.
I Ponce de León, izay niaraka tamin’i Colomb, dia nanatanteraka dia fizahana tany vaovao, izay nikarohana tany Bahamas sy tamin’ny faritra hafa an’i Karaiba tamim-pahatokiana tokoa izany lovan-tsofina izany fa ho hita izany loharano fisotro mahagaga mitondra fahatanorana izany. Ny ezaka nataony, tahaka ny nataon’ireo hafa maro koa, dia tsy nitondra tamin’ny fahitana zava-baovao toy izany, satria ao amin’ny drafitra masin’Andriamanintsika dia indray mandeha ihany no mandalo izany endriky ny fahatanorana izany eto amin’ity fiainana an-tany ity.
Ny Loharanon’ny Fahamarinana
Na dia tsy misy aza ny loharanon’ny fahatanorana izay mety hokatsahina dia misy kosa loharano hafa iray izay mitahiry rano madio sy sarobidy kokoa, dia ny ranon’ny fiainana mandrakizay. Ny loharanon’ny fahamarinana izany.
Nasehon’ny mpahaitononkalo iray ny tena dikan’ny fikarohana ny fahamarinana raha nanoratra ireto andalana tsy mety lefy ireto izy:
Lazao ny marina, Handraisan-tsoa
Ny fitadiavana azy re!
Katsaho izany eram-bazan-tany,
Aza mitsahatra na dia any ankoatra any:
Fa tanjona ambony izany. …
Fa ny marina ho mandrakizay,
Tsy mba misy fiafarany.
Na ho levona izao tontolo izao,
Ilay fahamarinana kosa tsy ho lao,
Fa tsy mety miova ho anao.1
Tao anatin’ny fanambarana nomena tamin’ny alalan’ny Mpaminany Joseph Smith tao Kirtland, Ohio tamin’ny volana Mey 1833 dia nanambara ny Tompo hoe:
“Ary ny fahamarinana dia fahalalana ny zavatra araka ny maha-izy azy, sy araka ny naha-izy azy ary araka ny haha-izy azy; …
“Ny Fanahin’ ny fahamarinana dia avy amin’ Andriamanitra. … Izy [Jesoa] dia nandray ny fahafenoan’ ny fahamarinana …;
“Ary tsy misy olona nandray ny fahafenoana, raha tsy mitandrina ny didiny izy.
“Izay mitandrina ny didiny dia mandray fahamarinana sy fahazavana ambara-pahatonga azy hankalazaina ao amin’ ny fahamarinana sy hahafantatra ny zava-drehetra.”2
Tsy ilainao na ilaiko amin’izao fotoan’ny fahazavana izao, izay namerenana indray ny fahafenoan’ny filazantsara, ny hamakivakiana ranomasina tsy voafaritra na hanaovana dia amin’ny lalana tsy fantatra mba hikarohana ny loharanon’ny fahamarinana. Satria ny Ray any An-danitra be fitiavana dia efa namaritra ny lalan-kizorantsika ary nanome sarintany azo antoka dia ny—fankatoavana!
Ny teny nambarany dia mamaritra mazava ny fitahiana entin’ny fankatoavana ary mamaritra ihany koa ny faharatram-po sy fahadisoam-panantenana tsy azo ihodivirana mianjady amin’ireo mpandeha miserantserana amin’ilay lalana voararan’ny ota sy fahadisoana. Ho an’ireo taranaka izay mbola mifikitra amin’ny fanaovana sorona ireo biby dia nanambara i Samoela hoe: “Ny manafaka no tsara noho ny fanatitra, ary ny mihaino no tsara noho ny saboran’ondrilahy.”3
Ny mpaminany, taloha sy ankehitriny, dia mahafantatra ny hery azo avy amin’ny fankatoavana. Diniho ny nolazain’i Nefia: “Handeha aho ary hanao ny zavatra izay efa nandidian’ ny Tompo.”4 Na ny famaritana mahafinaritra nataon’i Môrmôna ny amin’ny hery nananan’ny zanakalahin’i Môsià:
“Efa nihanahery tamin’ ny fahalalana ny marina izy ireo; fa izy ireo dia olon’ ny fahalalana tsy misy tomika ary efa nodinihiny tamim-pahazotoana tokoa ny soratra masina hahazoany mahalala ny tenin’ Andriamanitra.
“Nefa tsy izay ihany; efa nanokan-tena ho amin’ ny fivavahana fatratra sy ny fifadian-kanina izy ireo; noho izany dia nananany ny fanahin’ ny faminaniana sy ny fanahin’ ny fanambarana, ary rehefa nampianatra izy ireo dia nampianatra tamin’ ny hery sy ny fahefan’ Andriamanitra.”5
Tandremo ny didy
Ny Filoha David O. McKay (1873–1970), dia nanome torolalana ho an’izao androntsika izao izay tsotra kanefa mahery vaika, nandritry ny lahateny fanokafana ny fihaonamben’ny Fiangonana ho an’ny mpikamban’ny Fiangonana: “Tandremo ny didin’Andriamanitra.”6
Toy izany ny lanjan’ny hafatry ny Mpamonjintsika rehefa nanambara hoe: “Fa izay rehetra te hahazo fitahiana eo an-tanako dia handray ny lalàna izay voatendry ho an’ izany fitahiana izany sy ireo fepetrany izay najoro talohan’ ny fanorenana izao tontolo izao.”7
Ny asa nataon’ilay Mpampianatra dia manamarina ny Teniny. Naneho fitiavana marina tamin’Andriamanitra Izy tamin’ny alalan’ny fananany fiainana tanteraka, tamin’ny fanajany ny iraka masina nampanaovina Azy. Tsy mba niavonavona Izy. Tsy mba nieboebo. Tsy mba namitaka Izy. Fa feno fanetren-tena hatrany Izy. Nanana Fahatsoram-po Izy. Marina Izy.
Na dia nalain’ny tompon’ny lainga fanahy aza Izy, dia ny devoly izany; na dia reraka ara-batana aza Izy vokatry ny fifadian-kanina 40 andro sy 40 alina ary “nony afaka izany dia noana”; ary koa rehefa nandroso tamin’i Jesoa ny fakam-panahy mahatsiravina ilay ratsy dia nanome ohatra masin’ny fankatoavana ho antsika Izy tamin’ny alalan’ny fandavany ny tsy hiala amin’ny zavatra izay fantany fa marina.8
Rehefa niatrika fanaintainana tao Getsemane Izy, izay niaretany fangirifiriana ka ny hatsembohany dia toy ny vaingan-dra izay nilatsaka tamin’ny tany, dia naneho ohatra amin’ny maha-zanakalahy mpankatò Azy tamin’ny fitenenany hoe: “Raiko ô, raha sitrakao, dia esory amiko ity kapoaka ity; nefa aoka tsy ny sitrapoko anie no hatao, fa ny Anao.”9
Niteny tamin’i Petera i Jesoa tao Galilia hoe: “Manaraha Ahy.” Naharay izany torolalana izany koa i Filipo: “Manaraha Ahy.” Ary nahazo izany antso famantarana izany koa i Levy raha nanao fanasana lehibe tao an-tranony: “Manaraha Ahy.” Ary na dia tamin’ilay olona izay nihazakazaka taoriany, ilay nanan-karena be aza, dia tonga ilay teny hoe: “Manaraha Ahy.”10 Ary izany feo izany izay avy amin’ilay Jesoa io ihany koa dia milaza amiko sy aminao hoe: “Manaraha Ahy.” Moa ve vonona ny hankatò izany isika?
Ny fankatoavana dia toetra iray manokana mampiavaka ny mpaminany, kanefa tokony ho tsapa fa izany loharanon’ny tanjaka izany dia natao ho antsika koa ankehitriny.
Ohatra Iray amin’izao Androntsika izao
Lehilahy tsara fanahy sy tsotra iray izay miaina amin’ny toe-javatra sy fananana tsotra, izay nahita izany loharanon’ny fahamarinana izany, no nandray lesona tsara avy amin’ny fankatoavana. Tonga mpikamban’ny Fiangonana izy tany Eorôpa, ary tamin’ny alalan’ny fanangonam-bola sy fahafoizan-tena tanteraka, no nahafahany nifindra tany Amerika Avaratra—tany vaovao, fiteny vahiny, fombafomba tsy mahazatra, kanefa Fiangonana iray mitovy izay teo ambany fitarihan’ny Tompo iray ihany, izay ninoany sy nankatoaviny. Lasa filohan’ny sampan’ny vondrona kely irain’ny Olomasina izy izay sahirana tao amin’ny tanàna tsy dia mankasitraka loatra azy ireo. Narahiny tsara ny fandaharan’ny Fiangonana na dia vitsy aza ireo mpikambana kanefa ny andraikitra toa misavovona be. Naneho ohatra ho an’ireo mpikambana ao amin’ny sampany izy izay tena toetra tahaka ny an’i Kristy, ary ireo kosa tsy dia maneho izany fitiavana izany matetika.
Nivelona tamin’ny alalan’ny fampiasany ny tanany izy tamin’ny naha-mpivarotra azy. Kely ny fidiram-bolany kanefa nandoa fahafolonkarena feno hatrany izy ary nalala-tanana bebe kokoa. Nanomboka nanangona vola hanohanana mpitory filazantsara tao amin’ny sampana kely nisy azy izy ary tao anatin’ny volana maro dia izy irery ihany no mpandrotsaka vola tao. Rehefa nisy misiônera tonga eo an-tanànany dia rosoany sakafo ary tsy mba nivoaka ny tokantranony ireo raha tsy miaraka amin’ny fanomezana toy ny fitaovana ho an’ny asan’izy ireo sy ho an’ny tenany. Ireo mpikamban’ny Fiangonana avy lavitra izay nandalo ny tanànany sy nitsidika ny sampana misy azy dia nahazo hatrany ny fanasany handroso an-trano sy ny hafanam-pitiavana avy amin’ny fanahiny ary nanohy ny lalany niaraka tamin’ny fahatsapana fa avy niaraka tamin’ny olona hafakely, mpanompon’ny Tompo iray izay mpankatò.
Ireo izay niahy azy teo amin’ny asa fanompoany dia nahazo fanajana fatratra sy fikarakarana manokana avy taminy. Ho azy dia iraky ny Tompo izy ireny. Nokarakarainy ny zavatra ara-batana nilain’izy ireo ary nangataka hatrany koa izy ho azy ireo amin’ny vavaka ataony—izay matetika mihitsy—mba hahazoany fiadanana. Indray Sabata dia nisy mpitondra maromaro nitsidika ny sampana nisy azy, nandray anjara niaraka taminy tamin’ny fanandratana vavaka mihoatra ny impolo mahery tany amin’ny fivoriana samihafa sy tany amin’ny fitsidihana ireo mpikambana. Nandao azy ireto mpitondra ireto tamin’ny filentehan’ny masoandro niaraka tamin’ny fahatsapana fifaliana sy hery ara-panahy izay nijanona ho fifaliam-pon’izy ireo hatrany nandritra ilay dia adiny efatra tao anatin’ny ririnina mamirifiry ary ankehitriny, na dia taona maro aty aoriana aza dia manafana ny fanahy sy mampihetsi-po ny fahatsiarovana izany andro izany.
Maro ireo olona manam-pahaizana, olona niaina zavatra maro teo amin’ny fiainany izay mikatsaka ny hihaona amin’ity lehilahin’Andriamanitra tsy manam-pahaizana ity nefa feno fanetren-tena ary mahatsiaro ho sambatra raha afaka miaraka aminy na dia adiny iray fotsiny aza. Ny endriny ivelany dia tsotra tokoa. Ny firesany amin’ny teny Anglisy dia miakanakana ary indraindray sarotra azo. Tsotra ny tranony. Tsy mba manana fiara na fahitalavitra izy. Tsy nanoratra boky na nitory teny voarindra ary tsy nanao zavatra izay matetika mahasarika an’izao tontolo izao izy. Kanefa ireo mahatoky dia tonga mandondom-baravarana ao aminy. Nahoana?” Satria maniry ny hisotro ao amin’ny loharanon’ny fahamarinana ananany. Tsy dia mampiraika azy ireo ny zavatra teneniny na ny zavatra ataony, na ny toriteny ataony fa ny tanjaky ny fiainana iainany.
Ny fahafantarana fa misy olona mahantra iray izay manome tsy tapaka sy amim-pifaliana farafahakeliny indroa amin’ny ampahafolon-karenany ho an’ny Tompo dia maneho amin’ny fomba mazava ny tena dikan’ny fahafolonkarena marina. Ny fahitana azy manompo ireo noana sy manampy ireo vahiny dia mampianatra ny olona fa nataony izany toy izay ho nataony tamin’ny Tompo mihitsy. Ny fiarahana mivavaka aminy sy ny fiarahana mahatsapa ny fahatokiany amin’ny fanampiana masina dia toy ireny miaina ao anatin’ny fomba fifandraisana vaovao ireny.
Azo lazaina fa nitandrina ny didy voalohany sy lehibe izy ary ny faharoa izay toy izany koa,11 fa ny kibo[ny] koa ho feno fiantrana ny olon-drehetra sy ny mpianakavin’ ny finoana, ary nandravaka tsy an-kijanona ny eritreriny ny hatsaram-panahy; dia nihamahery ny fahatokian-tenany teo anatrehan’ Andriamanitra.12
Tena ahitana ny taratry ny hatsaran-toetra sy ny famirapiratan’ny fahamarinana izany lehilahy izany. Azony avy tamin’ny fankatoavana ny tanjany.
Ilay tanjaka izay katsahintsika mafy entina hiatrehana ny fanambin’ity izao tontolo izao izay miovaova sy manahirana ity dia ho azontsika raha toa ka mijoro sy milaza toa ny nolazain’i Josoa isika, amin’ny herin-tsaina sy herim-po, manao hoe: “Fa raha izaho sy ny ankohonako kosa, dia hanompo an’i Jehovah izahay.”13